Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 8

Tanteraka Izay Nambaran’ny Baiboly Mialoha

Tanteraka Izay Nambaran’ny Baiboly Mialoha

Tsy hoe manome fitantarana marina ny amin’izay nitranga tamin’ny lasa fotsiny ny Baiboly, fa manambara koa izay hitranga amin’ny hoavy. Ny olombelona dia tsy afaka manambara ny hoavy. Izany no antony ahalalantsika fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoavy?

Miresaka ny amin’ny ady lehiben’Andriamanitra izy. Amin’io ady io Andriamanitra dia hanadio ny tany amin’ny faharatsiana sy ny olon-dratsy rehetra, fa hiaro kosa an’ireo izay manompo azy. Ilay mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, i Jesosy Kristy, dia hanao izay hifalian’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana, sy izay tsy hararian’izy ireo intsony na hahafatesany.

Afaka mifaly isika noho Andriamanitra hanorina paradisa vaovao eto an-tany, sa tsy izany? Nefa tokony hanao zavatra isika raha te ho velona ao amin’io Paradisa io. Ao amin’ny tantara farany amin’ny boky, dia ianarantsika izay tokony hataontsika mba hifaliana amin’ireo zava-mahatalanjona nomanin’Andriamanitra ho an’ireo izay manompo azy. Vakio àry ny Fizarana FAHAVALO, dia ho hitanao izay ambaran’ny Baiboly ny amin’ny hoavy.