Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 116

Ny Fomba Hahavelomantsika Mandrakizay

Ny Fomba Hahavelomantsika Mandrakizay

AZONAO lazaina ve izay vakin’ilay zazavavy kely sy ireo namany? Eny, izany dia ny boky izay vakinao koa: Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Ary eo am-pamakiana ny tantara izay vakinao izy ireo: “Ny fomba hahavelomantsika mandrakizay.”

Fantatrao ve izay ianaran’izy ireo? Voalohany, dia ny hoe ilaintsika ny mahafantatra ny amin’i Jehovah sy Jesosy Zanany raha te ho velona mandrakizay isika. Hoy ny Baiboly: ‘Izao no fomba hahavelomana mandrakizay. Mianatra momba ilay hany Andriamanitra marina, sy ny Zanany izay nirahiny ho etỳ an-tany, dia i Jesosy Kristy.’

Ahoana no azontsika ianarana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Zanany? Ny fomba iray dia ny famakiana Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, manomboka eo amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Miresaka betsaka ny amin’i Jehovah sy Jesosy izy io, sa tsy izany? Ary miresaka betsaka ny amin’ny zavatra efa nataon’izy ireo sy ny zavatra izay mbola hataony. Nefa ilaintsika ny manao zavatra bebe kokoa ankoatra ny famakiana fotsiny an’ity boky ity.

Hitanao ve ilay boky hafa eo amin’ny tany? Ny Baiboly io. Asaivo misy olona mamaky aminao ireo tapany ao amin’ny Baiboly izay iorenan’ireo fitantarana ato amin’ity boky ity. Ny Baiboly dia manome antsika ny fanazavana feno ilaintsika mba hahafahantsika rehetra hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba tsara ka hahazo ny fiainana mandrakizay. Koa tokony ho zatra ny hianatra ny Baiboly matetika isika.

Nefa tsy ampy ny fianarana fotsiny momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Mety hanana fahalalana be dia be ny amin’izy ireo sy ny fampianarany isika, nefa tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Fantatrao ve izay mbola ilaina?

Ilaintsika koa ny miaina mifanaraka amin’ny zavatra ianarantsika. Tadidinao ve i Jodasy Iskariota? Iray tamin’ireo 12 izay nofidin’i Jesosy mba ho apostoliny izy. Nanana fahalalana be dia be momba an’i Jehovah sy Jesosy i Jodasy. Nefa inona no nitranga taminy? Taoriana kely dia tonga tia tena izy, ary nanolotra an’i Jesosy tamin’ny fahavalony tamin’ny sekely volafotsy 30. Koa tsy hahazo ny fiainana mandrakizay i Jodasy.

Tadidinao ve i Gehazy, ilay lehilahy nianarantsika tao amin’ny Tantara Faha-69? Naniry hahazo akanjo sy vola sasany izay tsy azy izy. Koa nandainga izy mba hahazoana ireo zavatra ireo. Nefa nofaizin’i Jehovah izy. Ary hofaiziny koa isika raha tsy mankatò ny lalàny.

Nefa nisy olona tsara fanahy maro izay nanompo hatrany an’i Jehovah tamim-pahatokiana. Irintsika ny ho toa azy ireny, sa tsy izany? I Samoela kely dia ohatra tsara harahintsika. Tadidio, araka ny hitantsika tao amin’ny Tantara Faha-55, fa vao efatra na dimy taona monja izy fony nanomboka nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tabernakeliny. Koa na toy inona na toy inona hakelezanao, dia tsy kely loatra ianao mba hanompo an’i Jehovah.

Tsy isalasalana fa ny olona tiantsika rehetra harahina dia i Jesosy Kristy. Fony izy zazalahy aza, araka ny asehon’ny Tantara Faha-87, dia efa tao amin’ny tempoly izy, niresaka tamin’ny hafa ny amin’ny Rainy any an-danitra. Aoka hanahaka azy isika. Aoka isika hanambara amin’ny olona maro araka izay azo atao ny amin’i Jehovah Andriamanitra mahatalanjona sy ny Zanany, i Jesosy Kristy. Raha manao ireo zavatra ireo isika, dia ho afaka ny ho velona mandrakizay ao amin’ny paradisa vaovaon’Andriamanitra ho eto an-tany.