Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana Momba Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Fanontaniana Momba Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 1

Manomboka Mamorona Andriamanitra

  1. Avy amin’iza ny zavatra tsara rehetra? Milazà zavatra tsara iray nomeny.

  2. Inona no nataon’Andriamanitra voalohany?

  3. Nahoana no hafakely ilay anjely voalohany?

  4. Nanao ahoana ny tany tamin’ny voalohany? (Jereo ny sary.)

  5. Inona no nataon’Andriamanitra, rehefa nanomana ny tany mba hiainan’ny biby sy ny olona izy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Jeremia 10:12.

    Inona avy no toetran’Andriamanitra hita amin’ny zavatra noforoniny? (Isa. 40:26; Rom. 11:33)

  2. Vakio ny Kolosianina 1:15-17.

    Inona no anjara asan’i Jesosy tamin’ny famoronana, ary ahoana no tokony hiheverantsika azy, noho izany? (Kol. 1:15-17)

  3. Vakio ny Genesisy 1:1-10.

    1. Iza no namorona ny tany? (Gen. 1:1)

    2.  
    3. Inona no nitranga tamin’ny andro faharoa? (Gen. 1:7, 8)

Tantara 2

Zaridaina Iray Tsara Tarehy

  1. Ahoana no nanomanan’Andriamanitra ny tany mba honenantsika?

  2. Inona avy ireo karazam-biby maro be nataon’Andriamanitra? (Jereo ny sary.)

  3. Nahoana no hafakely ny saha Edena?

  4. Tian’Andriamanitra ho lasa manao ahoana ny tany manontolo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 1:11-25.

    1. Inona no nataon’Andriamanitra tamin’ny andro fahatelo? (Gen. 1:12)

    2. Inona no nitranga tamin’ny andro fahefatra? (Gen. 1:16)

    3. Inona avy no karazam-biby nataon’Andriamanitra tamin’ny andro fahadimy sy fahenina? (Gen. 1:20, 21, 25)

  2. Vakio ny Genesisy 2:8, 9.

    Inona ireo hazo miavaka roa nampanirin’Andriamanitra tao amin’ilay zaridaina, ary inona no nasehon’ireo hazo ireo?

Tantara 3

Ny Lehilahy sy ny Vehivavy Voalohany

  1. Inona no maha samy hafa ny sary amin’ity tantara ity sy ny sary tao amin’ilay tantara teo aloha?

  2. Iza no nanao ny lehilahy voalohany, ary iza no anarany?

  3. Inona no asa nasain’Andriamanitra nataon’i Adama?

  4. Nahoana no nataon’Andriamanitra izay haharenoky ny torimaso an’i Adama?

  5. Afaka niaina mandra-pahoviana i Adama sy Eva, ary inona no asa tian’i Jehovah hataony?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Salamo 83:18.

    Iza no anaran’Andriamanitra, ary inona no toerana miavaka tanany? (Jer. 16:21; Dan. 4:14)

  2. Vakio ny Genesisy 1:26-31.

    1. Inona no zavaboary farany sy tsara indrindra nataon’Andriamanitra tamin’ny andro fahenina, ary inona no naha samy hafa azy io tamin’ny biby? (Gen. 1:26)

    2. Inona no nomen’i Jehovah ny olombelona sy ny biby? (Gen. 1:30)

  3. Vakio ny Genesisy 2:7-25.

    1. Inona no tsy maintsy ho nataon’i Adama, rehefa nitady anarana ho an’ny biby izy? (Gen. 2:19)

    2. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanambadiana sy ny fisarahan-toerana ary ny fisaraham-panambadiana, araka ny Genesisy 2:24? (Matio 19:4-6, 9)

Tantara 4

Nahoana no Namoy ny Fonenany Izy Ireo

  1. Inona no manjo an’i Adama sy Eva, araka ny hita eo amin’ny sary?

  2. Nahoana i Jehovah no nanasazy azy ireo?

  3. Inona no nolazain’ny bibilava iray tamin’i Eva?

  4. Iza no nampiteny an’ilay bibilava?

  5. Nahoana i Adama sy Eva no namoy ilay Paradisa fonenany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 2:16, 17 sy 3:1-13, 24.

    1. Ahoana no nanaratsian’ilay bibilava an’i Jehovah, rehefa nametraka fanontaniana tamin’i Eva izy? (Gen. 3:1-5; 1 Jaona 5:3)

    2. Mampitandrina antsika mba tsy hanao inona ny zavatra nanjo an’i Eva? (Fil. 4:8; Jak. 1:14, 15; 1 Jaona 2:16)

    3. Ahoana no ahafantarana fa tsy niaiky ny fahadisoany i Adama sy Eva? (Gen. 3:12, 13)

    4. Ahoana no nampisehoan’ireo kerobima tany atsinanan’ny saha Edena, fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo? (Gen. 3:24)

  2. Vakio ny Apokalypsy 12:9.

    Iza avy no voatarik’i Satana hikomy tamin’ny fahefan’Andriamanitra? (1 Jaona 5:19)

Tantara 5

Nanomboka ny Fiainana Mafy Iray

  1. Nanao ahoana ny fiainan’i Adama sy Eva, rehefa tsy tao amin’ny saha Edena intsony izy ireo?

  2. Inona no nanjo an’i Adama sy Eva, ary nahoana?

  3. Nahoana ny zanak’i Adama sy Eva no tsy maintsy nihantitra sy maty?

  4. Ho nanao ahoana ny fiainan’i Adama sy Eva sy ny zanany, raha nankatò an’i Jehovah izy ireo?

  5. Inona no fahoriana nihatra tamin’i Eva, noho izy tsy nankatò?

  6. Iza no anaran’ny zanak’i Adama roa lahy voalohany?

  7. Iza ireo ankizy hafa eo amin’ny sary?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 3:16-23 sy 4:1, 2.

    1. Lasa nanao ahoana ny fiainan’i Adama, rehefa voaozona ny tany? (Gen. 3:17-19; Rom. 8:20, 22)

    2. Nahoana no nety tsara tamin’i Eva ny anarany, izay midika hoe “Aina”? (Gen. 3:20)

    3. Ahoana no ahitana fa mbola naneho fiheverana an’i Adama sy Eva foana i Jehovah, na dia taorian’ny nanotan’izy ireo aza? (Gen. 3:7, 21)

  2. Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.

    Inona amin’ireo “zavatra taloha” no tena tsy andrinao izay hanesorana azy?

Tantara 6

Zanakalahy Tsara Iray sy Zanakalahy Ratsy Iray

  1. Inona no asan’i Kaina sy Abela?

  2. Inona no fanomezana nataon’i Kaina sy Abela ho an’i Jehovah?

  3. Nahoana i Jehovah no faly tamin’ny fanomezan’i Abela, fa tsy faly tamin’ny an’i Kaina?

  4. Olona nanao ahoana i Kaina, ary ahoana no niezahan’i Jehovah nanitsy azy?

  5. Inona no nataon’i Kaina, rehefa izy sy ny rahalahiny irery no tany an-tsaha?

  6. Lazao izay nanjo an’i Kaina, rehefa avy namono ny rahalahiny izy.

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 4:2-26.

    1. Ahoana no fomba nilazan’i Jehovah fa mety hidiran-doza i Kaina? (Gen. 4:7)

    2. Ahoana no nahalalana izay tao am-pon’i Kaina? (Gen. 4:9)

    3. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fandatsahana ran’olona tsy manan-tsiny? (Gen. 4:10; Isaia 26:21)

  2. Vakio ny 1 Jaona 3:11, 12.

    1. Nahoana i Kaina no tezitra be, ary mampitandrina antsika mba tsy hanao inona izany? (Gen. 4:4, 5; Ohab. 28:22; Jak. 3:16)

    2. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa mbola afaka ny tsy hivadika foana isika, na dia manohitra an’i Jehovah aza ny fianakaviantsika manontolo? (Sal. 27:10; Matio 10:21, 22)

  3. Vakio ny Jaona 11:25.

    Inona no toky omen’i Jehovah mahakasika izay rehetra maty noho ny fahamarinana? (Jaona 5:24)

Tantara 7

Lehilahy Iray Nahery Fo

  1. Inona no nampiavaka an’i Enoka?

  2. Nahoana no nanao zavatra ratsy maro ny olona tamin’ny andron’i Enoka?

  3. Inona avy no zava-dratsy nataon’izy ireo? (Jereo ny sary.)

  4. Nahoana i Enoka no nila herim-po?

  5. Niaina hafiriana ny olona tamin’izany andro izany, nefa firy taona monja no nahaveloman’i Enoka?

  6. Inona no nitranga taorian’ny nahafatesan’i Enoka?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 5:21-24, 27.

    1. Nanao ahoana ny fifandraisan’i Enoka tamin’i Jehovah? (Gen. 5:24)

    2. Iza no lazain’ny Baiboly fa lehilahy ela velona indrindra, ary firy taona izy tamin’izy maty? (Gen. 5:27)

  2. Vakio ny Genesisy 6:5.

    Nanao ahoana ny faharatsiana teto an-tany taorian’ny nahafatesan’i Enoka, ary manao ahoana izany raha oharina amin’ny androntsika? (2 Tim. 3:13)

  3. Vakio ny Hebreo 11:5.

    Inona no toetran’i Enoka ‘nankasitrahan’Andriamanitra’, ary inona no vokatr’izany? (Gen. 5:22)

  4. Vakio ny Joda 14, 15.

    Ahoana no anehoan’ny Kristianina herim-po toa an’i Enoka, rehefa mampitandrina ny olona fa antomotra ny ady Hara-magedona? (2 Tim. 4:2; Heb. 13:6)

Tantara 8

Olona Goavana Teto An-tany

  1. Inona no nitranga, rehefa nihaino an’i Satana ny sasany tamin’ny anjelin’Andriamanitra?

  2. Nahoana ny anjely sasany no tsy nanohy ny asany tany an-danitra, fa nidina tetỳ an-tany?

  3. Nahoana ny anjely no tsy tokony ho nidina tetỳ an-tany sy naka endrik’olombelona?

  4. Inona no nampiavaka ny zanak’ireo anjely ireo?

  5. Araka ny hita eo amin’ny sary, inona no nataon’ireo zanak’anjely rehefa lasa goavam-be izy ireo?

  6. Iza no anaran’ilay lehilahy tsara velona taorian’i Enoka, ary nahoana Andriamanitra no tia azy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 6:1-8.

    Araka ny Genesisy 6:6, inona no mety ho vokatry ny zavatra ataontsika eo amin’i Jehovah? (Sal. 78:40, 41; Ohab. 27:11)

  2. Vakio ny Joda 6.

    Mampahatsiahy antsika mba tsy hanao inona ny zavatra nanjo ireo anjely “tsy nitana ny toerany tany am-boalohany”, tamin’ny andron’i Noa? (1 Kor. 3:5-9; 2 Pet. 2:4, 9, 10)

Tantara 9

Nanamboatra Sambofiara Iray i Noa

  1. Firy ry Noa mianakavy, ary iza avy no anaran’ny zanany telo lahy?

  2. Inona ilay zavatra hafahafa nasain’Andriamanitra nataon’i Noa, ary nahoana?

  3. Inona no nataon’ny mpiara-belona tamin’ i Noa, rehefa niresaka tamin’izy ireo momba ilay sambofiara izy?

  4. Nasain’Andriamanitra nataon’i Noa ahoana ireo biby?

  5. Inona no tsy maintsy nataon’i Noa sy ny fianakaviany, rehefa nohidian’Andriamanitra ny varavaran’ilay sambofiara?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 6:9-22.

    1. Inona no nampiavaka an’i Noa, mpanompon’ilay Andriamanitra marina? (Gen. 6:9, 22)

    2. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny herisetra? Tokony hanao ahoana àry ny fialam-boly fidintsika? (Gen. 6:11, 12; Sal. 11:5)

    3. Ahoana no anahafantsika an’i Noa, rehefa mandray toromarika avy amin’ny fandaminan’i Jehovah isika? (Gen. 6:22; 1 Jaona 5:3)

  2. Vakio ny Genesisy 7:1-9.

    Nambaran’i Jehovah fa marina i Noa, na dia tsy lavorary aza. Nahoana izany no mampahery antsika? (Gen. 7:1; Ohab. 10:16; Isaia 26:7)

Tantara 10

Ny Safodrano Lehibe

  1. Nahoana no tsy nisy afaka niditra tao anatin’ilay sambofiara, rehefa nanomboka nirotsaka ny orana?

  2. Nandritra ny firy andro sy firy alina i Jehovah no nandatsaka orana, ary tonga hatraiza ny rano?

  3. Nanao ahoana ilay sambofiara, rehefa nanomboka rakotry ny rano ny tany?

  4. Mbola nisy velona ve ireo olona goavam-be taorian’ilay Safodrano, ary inona no nanjo ny rain’izy ireo?

  5. Taiza no nisy ilay sambofiara, rehefa afaka dimy volana?

  6. Nahoana i Noa no namoaka goaika iray avy tao amin’ilay sambofiara?

  7. Ahoana no nahafantaran’i Noa fa efa nihena ny rano?

  8. Inona no nolazain’Andriamanitra tamin’i Noa, rehefa avy nijanona herintaona mahery tao anatin’ilay sambofiara izy mianakavy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 7:10-24.

    1. Inona avy no ringana tamin’ny Safodrano? (Gen. 7:23)

    2. Afaka firy andro ny rano vao nihena? (Gen. 7:24)

  2. Vakio ny Genesisy 8:1-17.

    Ahoana no ampisehoan’ny Genesisy 8:17 fa tsy niova ilay fikasan’i Jehovah tany am-boalohany momba ny tany? (Gen. 1:22)

  3. Vakio ny 1 Petera 3:19, 20.

    1. Inona no didim-pitsarana nihatra tamin’ireo anjely nikomy, rehefa niverina tany an-danitra izy ireo? (Joda 6)

    2. Nahoana ny tantaran-dry Noa mianakavy no manamafy ny fatokisantsika fa afaka mamonjy ny vahoakany i Jehovah? (2 Pet. 2:9)

Tantara 11

Ny Avana Voalohany

  1. Araka ny hitanao eo amin’ny sary, inona no nataon’i Noa voalohany, rehefa nivoaka ny sambofiara izy?

  2. Inona no nasain’Andriamanitra nataon’i Noa sy ny fianakaviany taorian’ilay Safodrano?

  3. Inona no nampanantenain’Andriamanitra?

  4. Inona no tokony hotsaroantsika, isaky ny mahita avana isika?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 8:18-22.

    1. Inona no azontsika atao, izay toy ny “hanitra ankasitrahana” ho an’i Jehovah? (Gen. 8:21; Heb. 13:15, 16)

    2. Inona no nolazain’i Jehovah momba ny toe-pon’ny olona? Inona no tokony hotandremantsika, noho izany? (Gen. 8:21; Matio 15:18, 19)

  2. Vakio ny Genesisy 9:9-17.

    1. Inona ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’ny zavaboary rehetra eto an-tany? (Gen. 9:10, 11)

    2. Mandra-pahoviana io fifanekena ny amin’ny avana io no hanan-kery? (Gen. 9:16)

Tantara 12

Nanorina Tilikambo Lehibe Iray ny Olona

  1. Iza i Nimroda, ary ahoana no fiheveran’Andriamanitra azy?

  2. Nahoana ireo olona eo amin’ny sary no manamboatra biriky?

  3. Nahoana i Jehovah no tsy faly tamin’izany fanorenana izany?

  4. Ahoana no nampitsaharan’Andriamanitra ny fanorenana ilay tilikambo?

  5. Inona no anaran’ilay tanàna, ary inona no dikan’izany anarana izany?

  6. Inona no nitranga, rehefa nataon’Andriamanitra izay tsy hampifankahazo resaka ny olona?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 10:1, 8-10.

    Nanao ahoana ny toetran’i Nimroda, ary mampitandrina antsika mba tsy hanao inona izany? (Ohab. 3:31)

  2. Vakio ny Genesisy 11:1-9.

    Inona no antony nanorenan’ny olona ilay tilikambo, ary nahoana no voaozona tsy ho tanteraka ilay izy? (Gen. 11:4; Ohab. 16:18; Jaona 5:44)

Tantara 13

Abrahama: Sakaizan’Andriamanitra

  1. Nanao ahoana ny mponina tao an-tanànan’i Ora?

  2. Iza ilay lehilahy eo amin’ny sary? Oviana izy no teraka? Taiza izy no nipetraka?

  3. Inona no nasain’Andriamanitra nataon’i Abrahama?

  4. Nahoana i Abrahama no nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra?

  5. Iza no niaraka tamin’i Abrahama rehefa nandao an’i Ora izy?

  6. Inona no nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama, rehefa tonga tany Kanana izy?

  7. Inona no nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama tamin’izy 99 taona?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 11:27-32.

    1. Mpifaninona i Abrahama sy Lota ? (Gen. 11:27)

    2. I Tera no voalaza fa nitondra ny fianakaviany nifindra tany Kanana, nefa ahoana no ahafantarantsika fa i Abrahama no tena nahatonga azy ireo hifindra? Inona no antony? (Gen. 11:31; Asa. 7:2-4)

  2. Vakio ny Genesisy 12:1-7.

    Nataon’i Jehovah tamin’iza koa ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama, rehefa tonga tany Kanana izy? (Gen. 12:7)

  3. Vakio ny Genesisy 17:1-8, 15-17.

    1. Novana ho iza ny anaran’i Abrama tamin’izy 99 taona, ary nahoana? (Gen. 17:5)

    2. Inona no fitahiana nampanantenain’i Jehovah an’i Saraha? (Gen. 17:15, 16)

  4. Vakio ny Genesisy 18:9-19.

    1. Inona no andraikitry ny raim-pianakaviana, araka ny Genesisy 18:19? (Deot. 6:6, 7; Efes. 6:4)

    2. Inona no nitranga tamin’i Saraha, ka mampiseho fa tsy afaka manafina na inona na inona amin’i Jehovah isika? (Gen. 18:12, 15; Sal. 44:21)

Tantara 14

Notsapain’Andriamanitra ny Finoan’i Abrahama

  1. Inona no nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama, ary ahoana no nanatanterahany izany?

  2. Ahoana no nitsapan’Andriamanitra ny finoan’i Abrahama, araka ny hita eo amin’ny sary?

  3. Inona no nataon’i Abrahama, na dia tsy azony aza ny antony nandidian’Andriamanitra azy hanao izany?

  4. Inona no nitranga rehefa namoaka antsy hamonoana ny zanany lahy i Abrahama?

  5. Nanao ahoana ny finoan’i Abrahama an’Andriamanitra?

  6. Inona no nomen’Andriamanitra an’i Abrahama mba hataony sorona, ary ahoana no nanomezany izany azy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 21:1-7.

    Nahoana no noforan’i Abrahama ny zanany lahy rehefa valo andro? (Gen. 17:10-12; 21:4)

  2. Vakio ny Genesisy 22:1-18.

    Ahoana no nampisehoan’i Isaka fa nankatò an’i Abrahama rainy izy? Hazavao fa nifanitsy tamin’ny zava-dehibe hafa nitranga tatỳ aoriana izany. (Gen. 22:7-9; 1 Kor. 5:7; Fil. 2:8, 9)

Tantara 15

Niherika ny Vadin’i Lota

  1. Nahoana i Abrahama sy Lota no nisaraka?

  2. Nahoana i Lota no nifidy ny hipetraka tany Sodoma?

  3. Nanao ahoana ny mponina tao Sodoma?

  4. Inona no fampitandremana nomen’ireo anjely roa an’i Lota?

  5. Nahoana ny vadin’i Lota no lasa vongan-tsira?

  6. Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra nanjo ny vadin’i Lota?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 13:5-13.

    Ahoana no azontsika anahafana an’i Abrahama, rehefa mandamina tsy fifanarahana? (Gen. 13:8, 9; Rom. 12:10; Fil. 2:3, 4)

  2. Vakio ny Genesisy 18:20-33.

    Raha jerena ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Abrahama, nahoana no azontsika antoka fa hitsara araka ny marina i Jehovah sy Jesosy? (Gen. 18:25, 26; Matio 25:31-33)

  3. Vakio ny Genesisy 19:1-29.

    1. Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, araka ny hita amin’io tantara ara-baiboly io? (Gen. 19:5, 13; Lev. 20:13)

    2. Inona no tsy nampitovy ny fihetsik’i Lota sy Abrahama, rehefa nomen’Andriamanitra toromarika izy ireo? Ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Gen. 19:15, 16, 19, 20; 22:3)

  4. Vakio ny Lioka 17:28-32.

    Ahoana no fiheveran’ny vadin’i Lota ny harena, ary mampitandrina antsika mba tsy hanao inona izany? (Lioka 12:15; 17:31, 32; Matio 6:19-21, 25)

  5. Vakio ny 2 Petera 2:6-8.

    Raha manahaka an’i Lota isika, ahoana no tokony hiheverantsika an’ity tontolo ratsy ity? (Ezek. 9:4; 1 Jaona 2:15-17)

Tantara 16

Nahazo Vady Tsara i Isaka

  1. Iza ireo lehilahy sy vehivavy eo amin’ny sary?

  2. Inona no nataon’i Abrahama mba hahazoana vady ho an’ny zanany lahy, ary nahoana izy no nanao izany?

  3. Inona no valim-bavaka azon’ilay mpanompon’i Abrahama?

  4. Inona no navalin’i Rebeka, rehefa nanontaniana izy raha te hanambady an’i Isaka?

  5. Inona no nahatonga an’i Isaka ho sambatra indray?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 24:1-67.

    1. Inona avy no toetra tsara nasehon’i Rebeka, rehefa nihaona tamin’ilay mpanompon’i Abrahama teo am-pantsakana izy? (Gen. 24:17-20; Ohab. 31:17, 31)

    2. Inona no ianaran’ny Kristianina avy amin’ny zavatra nataon’i Abrahama ho an’i Isaka? (Gen. 24:37, 38; 1 Kor. 7:39; 2 Kor. 6:14)

    3. Nahoana isika no tokony hitady fotoana hisaintsainana toa an’i Isaka? (Gen. 24:63; Sal. 77:12; Fil. 4:8)

Tantara 17

Zaza Kambana Tsy Nitovy

  1. Iza i Esao sy Jakoba, ary inona no naha samy hafa azy mirahalahy?

  2. Firy taona i Esao sy Jakoba, rehefa maty i Abrahama raibeny?

  3. Inona no nataon’i Esao, ka nampalahelo mafy ny ray aman-dreniny?

  4. Nahoana i Esao no tezitra be tamin’i Jakoba rahalahiny?

  5. Inona no toromarika nomen’i Isaka an’i Jakoba zanany lahy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 25:5-11, 20-34.

    1. Inona no faminaniana nolazain’i Jehovah momba ny zanak’i Rebeka roa lahy? (Gen. 25:23)

    2. Inona no naha samy hafa ny fiheveran’i Jakoba sy Esao ny fizokiana? (Gen. 25:31-34)

  2. Vakio ny Genesisy 26:34, 35; 27:1-46; ary 28:1-5.

    1. Ahoana no ahitana fa nanamavo ny fitsipik’Andriamanitra i Esao? (Gen. 26:34, 35; 27:46)

    2. Inona no nasain’i Isaka nataon’i Jakoba, mba hitahian’Andriamanitra azy? (Gen. 28:1-4)

  3. Vakio ny Hebreo 12:16, 17.

    Ahoana no iafaran’izay manao tsinontsinona ny zava-masina toa an’i Esao?

Tantara 18

Nankany Harana i Jakoba

  1. Iza ilay tovovavy eo amin’ny sary, ary inona no nataon’i Jakoba rehefa nahita azy?

  2. Vonona hanao inona i Jakoba, mba hanambadiana an’i Rahely?

  3. Inona no nataon’i Labana, rehefa tonga ny fotoana hanambadian’i Jakoba an’i Rahely?

  4. Nanaiky hanao inona i Jakoba, mba hahazoany an’i Rahely ho vady?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 29:1-30.

    1. Ahoana no nampisehoan’i Jakoba fa mendri-pitokisana izy, na dia nofitahin’i Labana aza? Ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Gen. 25:27; 29:26-28; Matio 5:37)

    2. Ahoana no ampisehoan’ny ohatra navelan’i Jakoba fa samy hafa ny hoe tena tia sy matimatim-pitia? (Gen. 29:18, 20, 30; Tonon. 8:6)

    3. Iza ireo vehivavy efatra lasa vadin’i Jakoba sy niterahany? (Gen. 29:23, 24, 28, 29)

Tantara 19

Nanana Fianakaviambe Iray i Jakoba

  1. Iza no anaran’izy enina mirahalahy zanak’i Jakoba tamin’i Lea, vadiny voalohany?

  2. Iza no anaran’izy roa lahy zanak’i Jakoba tamin’i Zilpa, mpanompovavin’i Lea?

  3. Iza no anaran’izy mirahalahy zanak’i Jakoba tamin’i Bila, mpanompovavin’i Rahely?

  4. Iza no anaran’izy roa lahy zanak’i Rahely? Inona anefa no nitranga rehefa teraka ilay zanany lahy faharoa?

  5. Firy ny zanak’i Jakoba, araka ny hita eo amin’ny sary, ary razamben’iza izy ireo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 29:32-35; 30:1-26; ary 35:16-19.

    Ahoana matetika no nanomezana anarana ny ankizilahy hebreo taloha, araka ny hitantsika amin’ny anaran’ny zanak’i Jakoba 12 lahy?

  2. Vakio ny Genesisy 37:35.

    Ahoana no ahafantarantsika fa nanan-janaka vavy maromaro i Jakoba, na dia i Dina ihany aza no voalazan’ny Baiboly? (Gen. 37:34, 35)

Tantara 20

Mahita Fahasahiranana i Dina

  1. Nahoana no tsy tian’i Abrahama sy Isaka hanambady Kananita ny zanany?

  2. Faly ve i Jakoba rehefa ninamana tamin’ny ankizivavy kananita ny zanany vavy?

  3. Iza ilay lehilahy mijery an’i Dina eo amin’ny sary, ary inona no zava-dratsy nataony?

  4. Inona no nataon’i Simeona sy Levy, anadahin’i Dina, rehefa reny izay nitranga?

  5. Nankasitraka ny zavatra nataon’i Simeona sy Levy ve i Jakoba?

  6. Ahoana no nanombohan’izany olana rehetra izany tao amin’ilay fianakaviana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 34:1-31.

    1. Nahoana no azo lazaina fa nisy andraikitr’i Dina ihany tamin’ny fametavetana azy? (Gal. 6:7)

    2. Ahoana no azon’ny tanora ampisehoana fa manaraka ny fampitandremana raketin’ny tantaran’i Dina izy ireo? (Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:33; 1 Jaona 5:19)

    3.  

Tantara 21

Nankahala Azy Ireo Rahalahin’i Josefa

  1. Nahoana no nialona an’i Josefa ny rahalahiny, ary inona no nataon’izy ireo?

  2. Inona no notadiavin’ireo rahalahin’i Josefa hatao taminy, nefa inona no nolazain’i Robena?

  3. Inona no nitranga rehefa nisy mpivarotra isimaelita nandalo?

  4. Inona no nataon’ireo rahalahin’i Josefa, mba hahatonga ny rainy hino fa maty i Josefa?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 37:1-35.

    1. Ahoana no azon’ny Kristianina anahafana an’i Josefa, rehefa misy manao ratsy eo anivon’ny fiangonana? (Gen. 37:2; Lev. 5:1; 1 Kor. 1:11)

    2. Nahoana ireo rahalahin’i Josefa no namitaka azy? (Gen. 37:11, 18; Ohab. 27:4; Jak. 3:14-16)

    3. Inona no fihetsika ara-dalàna nasehon’i Jakoba, rehefa nalahelo izy? (Gen. 37:35)

Tantara 22

Natao An-tranomaizina i Josefa

  1. Firy taona i Josefa tamin’izy nentina tany Ejipta, ary inona no nitranga rehefa tonga tany izy?

  2. Nahoana i Josefa no nampidirina an-tranomaizina?

  3. Inona no andraikitra nankinina tamin’i Josefa tany an-tranomaizina?

  4. Inona no nataon’i Josefa ho an’ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’i Farao niara-nigadra taminy?

  5. Inona no nitranga, taorian’ny nanafahana an’ilay mpitondra kapoaka?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 39:1-23.

    Mbola tsy nisy lalàn’Andriamanitra an-tsoratra nandrara ny fanitsakitsaham-bady, tamin’ny andron’i Josefa. Koa inona àry no nahatonga azy handositra ny vadin’i Potifara? (Gen. 2:24; 20:3; 39:9)

  2. Vakio ny Genesisy 40:1-23.

    1. Fintino ny nofin’ilay mpitondra kapoaka sy ny fanazavana nomen’i Jehovah an’i Josefa momba ilay izy. (Gen. 40:9-13)

    2. Inona no nofin’ilay mpanao mofo, ary inona no hevitr’ilay izy? (Gen. 40:16-19)

    3. Ahoana no anahafan’ny mpanompo mahatoky sy malina an’i Josefa ankehitriny? (Gen. 40:8; Sal. 36:9; Jaona 17:17; Asa. 17:2, 3)

    4. Ahoana no iheveran’ny Kristianina ny fankalazana aniversera, noho izay voalazan’ny Genesisy 40:20? (Mpit. 7:1; Marka 6:21-28)

Tantara 23

Ireo Nofin’i Farao

  1. Inona no nanjo an’i Farao indray alina?

  2. Inona no nahatonga ilay mpitondra kapoaka hahatsiaro an’i Josefa ihany tamin’ny farany?

  3. Inona ireo nofy roan’i Farao, hita eo amin’ny sary?

  4. Inona no nolazain’i Josefa fa dikan’ireo nofy ireo?

  5. Nahoana i Josefa no lasa ny olo-malaza indrindra tany Ejipta, nanarakaraka an’i Farao?

  6. Nahoana ny rahalahin’i Josefa no tonga tany Ejipta, ary nahoana izy ireo no tsy nahalala azy?

  7. Inona ilay nofy tsaroan’i Josefa, ary inona no lasa nazava taminy, noho izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 41:1-57.

    1. Ahoana no nisarihan’i Josefa ny sain’ny olona ho amin’i Jehovah, ary ahoana no azon’ny Kristianina anahafana azy? (Gen. 41:16, 25, 28; Matio 5:16; 1 Pet. 2:12)

    2. Nahoana ny toe-javatra misy ny vahoakan’i Jehovah no toy ireo taona nahazoam-bokatra be tany Ejipta, fa toy ilay mosary kosa ny zava-misy eo anivon’ny Kristianisma Anarana? (Gen. 41:29, 30; Amosa 8:11, 12)

  2. Vakio ny Genesisy 42:1-8 ary 50:20.

    Fanaon’ny olona any amin’ny faritra sasany ny miankohoka amin’ny olona ambony, mba hanomezam-boninahitra sy hanajana azy. Mety amin’ny mpanompon’i Jehovah ve ny manao izany? (Gen. 42:6)

Tantara 24

Tsapain’i Josefa Ireo Rahalahiny

  1. Nahoana i Josefa no nanendrikendrika ny rahalahiny ho mpitsikilo?

  2. Nahoana no navelan’i Jakoba hankany Ejipta i Benjamina zanany faralahy?

  3. Ahoana no nahatonga ny kapoaka volafotsin’i Josefa ho tao anatin’ny lasakan’i Benjamina?

  4. Inona no nangatahin’i Joda, mba hanafahana an’i Benjamina?

  5. Ahoana no ahitana fa niova ny rahalahin’i Josefa?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 42:9-38.

    Mampahatsiahy ny mpiandraikitra kristianina mba hahatsapa inona, ireo tenin’i Josefa ao amin’ny Genesisy 42:18? (Neh. 5:15; 2 Kor. 7:1, 2)

  2. Vakio ny Genesisy 43:1-34.

    1. I Robena no lahimatoa, nefa ahoana no ahitantsika fa i Joda no lasa mpitondra tenin’ny rahalahiny? (Gen. 43:3, 8, 9; 44:14, 18; 1 Tant. 5:2)

    2. Ahoana no fomba nitsapan’i Josefa ireo rahalahiny, ary nahoana izy no nanao izany? (Gen. 43:33, 34)

  3. Vakio ny Genesisy 44:1-34.

    1. Mody niseho ho nahay inona i Josefa, mba tsy hahafantaran’ireo rahalahiny azy? (Gen. 44:5, 15; Lev. 19:26)

    2. Ahoana no nampisehoan’ireo rahalahin’i Josefa fa efa tsy nialona azy toy ny taloha intsony izy ireo? (Gen. 44:13, 33, 34)

Tantara 25

Nifindra Nankany Ejipta ny Fianakaviana

  1. Inona no nitranga, rehefa nolazain’i Josefa tamin’ny rahalahiny hoe iza izy?

  2. Inona no nohazavain’i Josefa tamim-pahalemem-panahy tamin’ny rahalahiny?

  3. Inona no nolazain’i Farao, rehefa reny fa tonga ny rahalahin’i Josefa?

  4. Firy ny fianakavian’i Jakoba, rehefa nifindra tany Ejipta izy ireo?

  5. Inona no anarana niantsoana ny fianakavian’i Jakoba tatỳ aoriana, ary nahoana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Genesisy 45:1-28.

    Hain’i Jehovah ny mampitsimbadika ny tetika atao hanisiana ratsy ny vahoakany, mba hitondrana soa. Ahoana no ahitana izany amin’ny tantaran’i Josefa? (Gen. 45:5-8; Isaia 8:10; Fil. 1:12-14)

  2. Vakio ny Genesisy 46:1-27.

    Inona no toky nomen’i Jehovah an’i Jakoba, rehefa teny an-dalana ho any Ejipta izy? (Gen. 46:1-4)

Tantara 26

Tsy Nivadika Tamin’Andriamanitra i Joba

  1. Iza i Joba?

  2. Inona no nandraman’i Satana natao, nefa nahomby ve izy?

  3. Navelan’i Jehovah hanao inona i Satana, ary nahoana?

  4. Nahoana ny vadin’i Joba no nilaza taminy hoe: ‘Mitenena ratsy an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty’? (Jereo ny sary.)

  5. Araka ny sary faharoa, ahoana no nitahian’i Jehovah an’i Joba, ary nahoana izy no nanao izany?

  6. Inona no fitahiana ho azontsika, raha tsy mivadika toa an’i Joba isika?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Joba 1:1-22.

    Ahoana no azon’ny Kristianina anahafana an’i Joba ankehitriny? (Joba 1:1; Fil. 2:15; 2 Pet. 3:14)

  2. Vakio ny Joba 2:1-13.

    Inona no zavatra samy hafa nataon’i Joba sy ny vadiny, rehefa nenjehin’i Satana izy ireo? (Joba 2:9, 10; Ohab. 19:3; Mika 7:7; Mal. 3:14)

  3. Vakio ny Joba 42:10-17.

    1. Inona no mampitovy ny valisoa azon’i Joba sy Jesosy, noho ny tsy fivadihany? (Joba 42:12; Fil. 2:9-11)

    2. Nahoana no mampahery antsika ny fahafantarana fa notahina i Joba, noho izy tsy nivadika tamin’Andriamanitra? (Joba 42:10, 12; Heb. 6:10; Jak. 1:2-4, 12; 5:11)

Tantara 27

Nanapaka Tany Ejipta ny Mpanjaka Ratsy Iray

  1. Iza ilay lehilahy mitana karavasy eo amin’ny sary, ary iza no kapohiny?

  2. Inona no nanjo ny Israelita, taorian’ny nahafatesan’i Josefa?

  3. Nahoana ny Ejipsianina no lasa natahotra ny Israelita?

  4. Inona no baiko nomen’i Farao an’ireo vehivavy, izay nampiteraka ny vehivavy israelita?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 1:6-22.

    1. Nanomboka nanatanteraka ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama i Jehovah. Ahoana no nanaovany izany? (Eks. 1:7; Gen. 12:2; Asa. 7:17)

    2. Ahoana no nampisehoan’ireo Hebreo mpampivelona fa nanaja ny fahamasinan’ny aina izy? (Eks. 1:17; Gen. 9:6)

    3. Inona no valisoa azon’ireo mpampivelona ireo noho izy tsy nivadika tamin’i Jehovah? (Eks. 1:20, 21; Ohab. 19:17)

    4. Inona no nataon’i Satana, mba tsy hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah momba ilay Taranaka nampanantenaina an’i Abrahama? (Eks. 1:22; Matio 2:16)

Tantara 28

Ny Fomba Namonjena An’i Mosesy Zazakely

  1. Iza ilay zazakely eo amin’ny sary, ary ny rantsantanan’iza no tazoniny?

  2. Inona no nataon’ny renin’i Mosesy mba hiarovana azy tsy ho faty?

  3. Iza ilay ankizivavy eo amin’ny sary, ary inona no nataony?

  4. Inona no soso-kevitra nomen’i Miriama, rehefa nahita an’ilay zazakely ny zanakavavin’i Farao?

  5. Inona no nolazain’ilay andriambavy tamin’ny renin’i Mosesy?

Fanontaniana Fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 2:1-10.

    Nanana fahafahana hampianatra sy hampiofana an’i Mosesy tamin’ny lafiny inona avy ny reniny tamin’izy mbola kely? Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana azy? (Eks. 2:9, 10; Deot. 6:6-9; Ohab. 22:6; Efes. 6:4; 2 Tim. 3:15)

Tantara 29

Nahoana no Nandositra i Mosesy

  1. Taiza no nahalehibe an’i Mosesy, nefa inona no fantany momba ny ray aman-dreniny?

  2. Inona no nataon’i Mosesy rehefa 40 taona izy?

  3. Inona no nolazain’i Mosesy tamin’ny lehilahy israelita iray hitany niady, ary inona no navalin’ilay lehilahy azy?

  4. Nahoana i Mosesy no nandositra avy tany Ejipta?

  5. Nandositra nankaiza i Mosesy, ary iza no hitany tany?

  6. Inona no nataon’i Mosesy nandritra ireo 40 taona taorian’ny nandosirany an’i Ejipta?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 2:11-25.

    Ahoana no nampisehoan’i Mosesy fa tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny vahoakany izy, na dia nianatra ny fahendren’ny Ejipsianina nandritra ny taona maro aza? (Eks. 2:11, 12; Heb. 11:24)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:22-29.

    Inona no ianarantsika avy amin’ny ezaka nataon’i Mosesy samirery, mba hanafaka ny Israely tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina? (Asa. 7:23-25; 1 Pet. 5:6, 10)

Tantara 30

Ilay Roimemy Nirehitra

  1. Inona no anaran’ilay tendrombohitra eo amin’ny sary?

  2. Inona no zavatra hafahafa hitan’i Mosesy, rehefa nankeny amin’ilay tendrombohitra izy sy ny ondriny?

  3. Inona no nolazain’ny feo iray avy tao amin’ilay roimemy nirehitra, ary feon’iza ilay izy?

  4. Ahoana no navalin’i Mosesy, rehefa nilaza taminy Andriamanitra fa izy no hitarika ny vahoakany hivoaka avy any Ejipta?

  5. Inona no nasain’Andriamanitra nolazain’i Mosesy, raha nanontany ny vahoaka hoe iza no naniraka azy?

  6. Ahoana no hanaporofoan’i Mosesy fa Andriamanitra no naniraka azy?

Fanontaniana Fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 3:1-22.

    Nahoana ny tantaran’i Mosesy no manome toky antsika fa hanampy antsika i Jehovah, na dia mihevi-tena ho tsy mahay ny asa asainy ataontsika aza isika? (Eks. 3:11, 13; 2 Kor. 3:5, 6)

  2. Vakio ny Eksodosy 4:1-20.

    1. Inona no fiovana hita teo amin’ny toe-tsain’i Mosesy, nandritra ireo 40 taona naha tany Midiana azy? Ary raha misy maniry hahazo tombontsoa eo anivon’ny fiangonana, dia inona no ianarany avy amin’izany? (Eks. 2:11, 12; 4:10, 13; Mika 6:8; 1 Tim. 3:1, 6, 10)

    2. Toy ny tamin’i Mosesy, inona no atokisantsika, na dia mety hanitsy antsika amin’ny alalan’ny fandaminany aza i Jehovah? (Eks. 4:12-14; Sal. 103:14; Heb. 12:4-11)

Tantara 31

Mihaona Amin’i Farao i Mosesy sy Arona

  1. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Israelita, rehefa nahita ny fahagagana nataon’i Mosesy sy Arona?

  2. Inona no nolazain’i Mosesy sy Arona tamin’i Farao, nefa inona no navaliny azy ireo?

  3. Inona no nitranga rehefa natsipin’i Arona tamin’ny tany ny tehiny, araka ny hita eo amin’ilay sary?

  4. Ahoana no nanomezan’i Jehovah lesona an’i Farao, ary ahoana no nandraisany izany?

  5. Inona no nitranga taorian’ilay loza fahafolo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 4:27-31 sy 5:1-23.

    Inona no tian’i Farao holazaina rehefa niteny izy hoe: “Tsy fantatro izay Jehovah”? (Eks. 5:2; 1 Sam. 2:12; Rom. 1:21)

  2. Vakio ny Eksodosy 6:1-13, 26-30.

    1. Nahoana no azo lazaina fa mbola tsy nampahafantatra ny tenany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba i Jehovah? (Eks. 3:13, 14; 6:3; Gen. 12:8)

    2. Inona no tsapantsika rehefa mahalala fa mbola nampiasain’i Jehovah foana i Mosesy, na dia nihevitra ho tsy nahay ilay asa nanendrena azy aza izy? (Eks. 6:12, 30; Lioka 21:13-15)

  3. Vakio ny Eksodosy 7:1-13.

    1. Sahy nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Farao i Mosesy sy Arona. Ahoana no hanahafan’ny mpanompon’Andriamanitra azy mirahalahy ankehitriny? (Eks. 7:2, 3, 6; Asa. 4:29-31)

    2. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa ambony lavitra noho ireo andriamanitr’i Ejipta izy? (Eks. 7:12; 1 Tant. 29:12)

Tantara 32

Ny Loza 10

  1. Inona ireo loza telo voalohany nalefan’i Jehovah tany Ejipta, araka ny hitantsika eo amin’ny sary?

  2. Inona no tsy nampitovy ireo loza telo voalohany tamin’ireo loza hafa?

  3. Inona no loza fahefatra, sy fahadimy ary fahenina?

  4. Lazalazao ny loza fahafito, sy fahavalo ary fahasivy.

  5. Inona no nasain’i Jehovah nataon’ny Israelita talohan’ny nandefasany ny loza fahafolo?

  6. Inona ilay loza fahafolo, ary inona no nitranga taorian’izay?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 7:19– 8:19.

    1. Nahavita zavatra nitovy tamin’ireo loza roa voalohany nalefan’i Jehovah koa ny ombiasy tany Ejipta. Inona anefa no voatery neken’izy ireo taorian’ilay loza fahatelo? (Eks. 8:14, 15; Matio 12:24-28)

    2. Porofoy fa vitan’i Jehovah ny miaro ny vahoakany, araka ny hita tamin’ilay loza fahefatra. Noho izany, dia inona no tsapan’ny vahoakan’Andriamanitra rehefa hiatrika ilay “fahoriana lehibe” ho avy izy ireo? (Eks. 8:18, 19; Apok. 7:13, 14; 2 Tant. 16:9)

  2. Vakio ny Eksodosy 8:20; Eks. 9:3, 6, 10, 11, 14, 16, 23-25; sy 10:13-15, 21-23.

    1. Voala sarona i Farao sy ny ombiasy rehefa nalefa ny Loza Folo. Mifanitsy amin’iza izy ireo ankehitriny, ary tsy antenaintsika hahavita inona koa izy ireo? (Eks. 8:6, 14, 15; Eks. 9:14)

    2. Manampy antsika hahazo ny antony mbola amelan’i Jehovah an’i Satana ho velona hatramin’izao ny Eksodosy 9:16. Hazavao. (Rom. 9:21, 22)

  3. Vakio ny Eksodosy 12:21-32.

    Nahoana no nahavonjy olona maro be ny Paska, ary inona no nifanitsy tamin’izy io tatỳ aoriana? (Eks. 12:21-23; Jaona 1:29; Rom. 5:18, 19, 21; 1 Kor. 5:7)

Tantara 33

Fiampitana ny Ranomasina Mena

  1. Firy ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy israelita nandao an’i Ejipta? Iza koa no niaraka tamin’izy ireo?

  2. Inona no tsapan’i Farao rehefa avy namela an’ireo Israelita handeha izy, ary inona no nataony?

  3. Inona no nataon’i Jehovah mba tsy hamelezan’ny Ejipsianina ny vahoakany?

  4. Inona no nitranga rehefa nahinjitr’i Mosesy tambonin’ny Ranomasina Mena ny tehiny, ary inona no nataon’ny Israelita?

  5. Inona no nitranga rehefa nirohotra nanenjika ny Israelita tao amin’ny ranomasina ny Ejipsianina?

  6. Ahoana no nampisehoan’ny Israelita fa faly sy velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy ireo, noho ny namonjeny azy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 12:33-36.

    Inona no valisoa nomen’i Jehovah ny vahoakany, noho ireo taona rehetra nanandevozan’ny Ejipsianina azy? (Eks. 3:21, 22; 12:35, 36)

  2. Vakio ny Eksodosy 14:1-31.

    Inona no tsapan’ny mpanompon’i Jehovah, izay mbola hiatrika ny ady Hara-magedona, rehefa mamaky ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 14:13, 14? (2 Tant. 20:17; Sal. 91:8)

  3. Vakio ny Eksodosy 15:1-8, 20, 21.

    1. Nahoana no tokony hihira fiderana ho an’i Jehovah ireo mpanompony? (Eks. 15:1, 2; Sal. 105:2, 3; Apok. 15:3, 4)

    2. Ahoana no ideran’ny vehivavy kristianina an’i Jehovah, toa an’i Miriama sy ireo vehivavy teo amoron’ny Ranomasina Mena? (Eks. 15:20, 21; Sal. 68:11)

Tantara 34

Karazan-tsakafo Vaovao Iray

  1. Inona no angonin’ireo olona hitantsika eo amin’ilay sary, ary inona no anaran’izy io?

  2. Inona no toromarika nomen’i Mosesy ny vahoaka, rehefa hanangona ny mana izy ireo?

  3. Inona no nasain’i Jehovah nataon’ny vahoakany tamin’ny andro fahenina, ary nahoana?

  4. Inona no fahagagana nataon’i Jehovah, rehefa notehirizina ho an’ny andro fahafito ny mana?

  5. Firy taona no nanomezan’i Jehovah mana ny vahoakany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 16:1-36 sy Nomery 11:7-9.

    1. Nahoana isika no mila manaja ireo lehilahy notendren’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana kristianina, araka ny Eksodosy 16:8? (Heb. 13:17)

    2. Ahoana no nampahatsiahivana isan’andro an’ireo Israelita tany an-tany efitra, fa nila niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo? (Eks. 16:14-16, 35; Deot. 8:2, 3)

    3. Inona no nampitovin’i Jesosy tamin’ny mana, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’io “mofo avy any an-danitra” io? (Jaona 6:31-35, 40)

  2. Vakio ny Josoa 5:10-12.

    Firy taona ny Israelita no nihinana ny mana, ary nahoana izany no fitsapana ho azy ireo? Inona no ianarantsika avy amin’io fitantarana io? (Eks. 16:35; Nom. 11:4-6; 1 Kor. 10:10, 11)

Tantara 35

Omen’i Jehovah ny Lalàny

  1. Taiza ny Israelita no nitoby, roa volana taorian’ny nandaozany an’i Ejipta?

  2. Inona no nolazain’i Jehovah fa tiany hataon’ilay vahoaka, ary inona no navalin’izy ireo azy?

  3. Nahoana i Jehovah no nanome an’i Mosesy vato fisaka roa?

  4. Inona no lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita, ankoatra ny Didy Folo?

  5. Inona ireo lalàna roa nolazain’i Jesosy Kristy fa lehibe indrindra?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 19:1-25; 20:1-21; 24:12-18; ary 31:18.

    Inona no tafiditra amin’ny fanoloran-tena kristianina, araka ny Eksodosy 19:8? (Matio 16:24; 1 Pet. 4:1-3)

  2. Vakio ny Deoteronomia 6:4-6; sy Levitikosy 19:18; ary Matio 22:36-40.

    Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy? (Marka 6:34; Asa. 4:20; Rom. 15:2)

Tantara 36

Ilay Ombilahy Kely Volamena

  1. Inona no ataon’ireo olona hitantsika eo amin’ny sary, ary nahoana?

  2. Nahoana i Jehovah no tezitra, ary inona no nataon’i Mosesy rehefa nahita ny nataon’ilay vahoaka?

  3. Inona no nasain’i Mosesy nataon’ny lehilahy sasany?

  4. Inona no lesona tsoahintsika avy amin’io tantara io?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 32:1-35.

    1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fampifangaroana ny fivavahana marina amin’ny fivavahan-diso, araka io fitantarana io? (Eks. 32:4-6, 10; 1 Kor. 10:7, 11)

    2. Inona no tokony hotandreman’ny Kristianina, rehefa mifidy fialam-boly, toy ny hira sy ny dihy? (Eks. 32:18, 19; Efes. 5:15, 16; 1 Jaona 2:15-17)

    3. Nahoana no fakan-tahaka ny fiandanian’ny fokon’i Levy tamin’ny fahamarinana? (Eks. 32:25-28; Sal. 18:25)

Tantara 37

Tranolay Fanaovana Fanompoam-pivavahana

  1. Inona ilay trano hitantsika eo amin’ny sary, ary inona no nampiasana azy io?

  2. Nahoana i Jehovah no nilaza tamin’i Mosesy mba hanao tranolay mora ravana?

  3. Inona ilay vata kely ao anatin’ny efitra kely amin’ny faran’ilay tranolay, ary inona no ao anatiny?

  4. Iza no nofidin’i Jehovah ho mpisoronabe, ary inona no andraikiny?

  5. Inona avy ireo zavatra telo hita ao amin’ny efitrano lehiben’ilay tranolay?

  6. Inona ireo zavatra roa ao an-tokotanin’ny tabernakely, ary inona no nampiasana azy ireo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Eksodosy 25:8-40; 26:1-37; 27:1-8; ary 28:1.

    Inona no dikan’ireo kerobima teo ambony “fiaran’ny Vavolombelona”? (Eks. 25:20, 22; Nom. 7:89; 2 Mpanj. 19:15)

  2. Vakio ny Eksodosy 30:1-10, 17-21; 34:1, 2; ary Hebreo 9:1-5.

    1. Nahoana i Jehovah no nanantitrantitra fa tokony hadio foana ireo mpisorona manompo ao amin’ny tabernakely? Ary inona no tokony ho akon’izany eo amintsika? (Eks. 30:18-21; 40:30, 31; Heb. 10:22)

    2. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly fa efa lany andro ny tabernakely sy ny Lalàna, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo? (Heb. 9:1, 9; 10:1)

Tantara 38

Ny Mpisafo Tany 12

  1. Ahoana no fahitanao an’ilay voaloboka aseho eo amin’ny sary, ary avy taiza io?

  2. Nahoana i Mosesy no naniraka mpisafo tany 12 hankany Kanana?

  3. Inona no nolazain’ny mpisafo tany folo tamin’i Mosesy, rehefa tafaverina izy ireo?

  4. Ahoana no nampisehoan’ny mpisafo tany roa fa natoky an’i Jehovah izy ireo, ary iza avy no anarany?

  5. Nahoana no tezitra i Jehovah, ary inona no nolazainy tamin’i Mosesy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Nomery 13:1-33.

    1. Iza no voafidy hisafo ilay tany, ary inona no tombontsoa nananan’izy ireo? (Nom. 13:2, 3, 18-20)

    2. Nahoana no tsy nitovy hevitra tamin’ireo mpisafo tany hafa i Josoa sy Kaleba, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Nom. 13:28-30; Matio 17:20; 2 Kor. 5:7)

  2. Vakio ny Nomery 14:1-38.

    1. Inona no nanjo ireo nimonomonona tamin’ny solontenan’i Jehovah tetỳ an-tany, ary mampitandrina antsika mba tsy hanao inona izany? (Nom. 14:2, 3, 27; Matio 25:40, 45; 1 Kor. 10:10)

    2. Ahoana no ampisehoan’ny Nomery 14:24 fa miahy ny mpanompony tsirairay i Jehovah? (1 Mpanj. 19:18; Ohab. 15:3)

Tantara 39

Nisy Voninkazo Nitsimoka Tamin’ny Tehin’i Arona

  1. Iza no nikomy tamin’ny fahefan’i Mosesy sy Arona, ary inona no nolazain’izy ireo tamin’i Mosesy?

  2. Inona no nasain’i Mosesy nataon’i Kora sy ireo lehilahy 250 mpomba azy?

  3. Inona no nolazain’i Mosesy tamin’ny vahoaka, ary inona no nitranga raha vao tapitra ny teniny?

  4. Inona no nanjo an’i Kora sy ireo lehilahy 250 mpomba azy?

  5. Nataon’i Eleazara inona ny fitondran’afon’ireo lehilahy maty, ary nahoana?

  6. Nahoana no nampanirin’i Jehovah voninkazo ny tehin’i Arona? (Jereo ny sary.)

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Nomery 16:1–17:14.

    1. Inona no nataon’i Kora sy ireo mpomba azy, ary nahoana izany no fikomiana tamin’i Jehovah? (Nom. 16:9, 10, 18; Lev. 10:1, 2; Ohab. 11:2)

    2. Inona no hevi-diso nananan’i Kora sy ireo lehilahy 250 “lohan’ny fiangonana”? (Nom. 16:1-3; Ohab. 15:33; Isaia 49:7)

  2. Vakio ny Nomery 17:16-26 sy 26:10.

    1. Inona no dikan’ny fitsimohan’ny tehin’i Arona, ary nahoana izy io no nasain’i Jehovah notehirizina tao amin’ny fiaran’ny fanekena? (Nom. 17:20, 23, 25)

    2. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy tamin’izay nitranga tamin’ny tehin’i Arona? (Nom. 17:25; Asa. 20:28; Fil. 2:14; Heb. 13:17)

Tantara 40

Nikapoka ny Vatolampy i Mosesy

  1. Ahoana no nikarakaran’i Jehovah ny Israelita, fony izy ireo tany an-tany efitra?

  2. Inona no nampitaraina ny Israelita tamin’izy ireo nitoby tany Kadesy?

  3. Ahoana no nanomezan’i Jehovah rano ho an’ny vahoaka sy ny biby?

  4. Iza ilay olona manondro ny tenany hitantsika eo amin’ny sary, ary nahoana izy no manao izany?

  5. Nahoana i Jehovah no tezitra tamin’i Mosesy sy Arona, ary inona no sazy azon’izy ireo?

  6. Inona no nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Hora, ary iza indray no lasa mpisoronaben’ny Israely?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Nomery 20:1-13, 22-29 ary Deoteronomia 29:4.

    1. Inona no ianarantsika rehefa mandinika ny nikarakaran’i Jehovah ny Israelita tany an-tany efitra? (Deot. 29:4; Matio 6:31; Heb. 13:5; Jak. 1:17)

    2. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fihetsik’i Mosesy sy Arona, izay tsy nanamasina azy teo anatrehan’ny Israely? (Nom. 20:12; 1 Kor. 10:12; Apok. 4:11)

    3. Inona no ianarantsika avy amin’ny fihetsik’i Mosesy, tamin’izy nofaizin’i Jehovah? (Nom. 12:3; 20:12, 27, 28; Deot. 32:4; Heb. 12:7-11)

Tantara 41

Ilay Menarana Varahina

  1. Inona no mihodidina amin’ilay tsato-kazo hitantsika eo amin’ny sary, ary nahoana no nasain’i Jehovah nataon’i Mosesy teo izy io?

  2. Ahoana no ahitana fa tsy nahay nankasitraka izay rehetra nataon’Andriamanitra ho azy ireo ny vahoaka?

  3. Nangatahin’ny vahoaka hanao inona i Mosesy, rehefa nandefa menarana misy poizina i Jehovah mba hanasaziana azy ireo?

  4. Nahoana no nasain’i Jehovah nanao menarana varahina i Mosesy?

  5. Inona no lesona tsoahintsika avy amin’io tantara io?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Nomery 21:4-9.

    1. Mampitandrina antsika amin’ny inona ny nitarainan’ny Israely momba izay nomen’i Jehovah azy? (Nom. 21:5, 6; Rom. 2:4)

    2. Nataon’ny Israelita inona ilay menarana varahina taonjato maro tatỳ aoriana, ary inona no nataon’i Hezekia Mpanjaka? (Nom. 21:9; 2 Mpanj. 18:1-4)

  2. Vakio ny Jaona 3:14, 15.

    Nahoana no nampiseho tsara ny namantsihana an’i Jesosy Kristy tamin’ny hazo fijaliana, ny nametrahana ilay menarana varahina teo amin’ny tsato-kazo? (Gal. 3:13; 1 Pet. 2:24)

Tantara 42

Niteny ny Ampondra Iray

  1. Iza i Balaka, ary nahoana izy no nampaka an’i Balama?

  2. Nahoana ny ampondran’i Balama no nandry teo amin’ny lalana?

  3. Inona no nolazain’ilay ampondra tamin’i Balama?

  4. Inona no nolazain’ny anjely iray tamin’i Balama?

  5. Inona no nitranga rehefa nitady hanozona ny Israely i Balama?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Nomery 21:21-35.

    Nahoana no resin’ny Israelita i Sihona, mpanjakan’ny Amorita sy Oga, mpanjakan’i Basana? (Nom. 21:21, 23, 33, 34)

  2. Vakio ny Nomery 22:1-40.

    Inona no nahatonga an’i Balama hitady hanozona ny Israelita, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Nom. 22:16, 17; Ohab. 6:16, 18; 2 Pet. 2:15; Joda 11)

  3. Vakio ny Nomery 23:1-30.

    Na dia toy ny mpivavaka tamin’i Jehovah aza no firesak’i Balama, ahoana no ahitana tamin’ny zavatra nataony fa tsy izany no izy? (Nom. 23:3, 11-14; 1 Sam. 15:22)

  4. Vakio ny Nomery 24:1-25.

    Nahoana io fitantarana io no manatanjaka ny finoantsika fa ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah? (Nom. 24:10; Isaia 54:17)

Tantara 43

Tonga Mpitarika i Josoa

  1. Iza ireo roa lahy miaraka amin’i Mosesy eo amin’ilay sary?

  2. Inona no nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa?

  3. Nahoana i Mosesy no nianika teo an-tampon’ny Tendrombohitra Nebo, ary inona no nolazain’i Jehovah taminy?

  4. Firy taona i Mosesy tamin’izy maty?

  5. Nahoana no nalahelo ny olona, nefa nahoana koa izy ireo no faly?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Nomery 27:12-23.

    Inona no andraikitra lehibe nankinin’i Jehovah tamin’i Josoa, ary ahoana no ahitana fa mikarakara ny vahoakany i Jehovah ankehitriny? (Nom. 27:15-19; Asa. 20:28; Heb. 13:7)

  2. Vakio ny Deoteronomia 3:23-29.

    Nahoana no tsy navelan’i Jehovah hiditra ny tany nampanantenaina i Mosesy sy Arona, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Deot. 3:25-27; Nom. 20:12, 13)

  3. Vakio ny Deoteronomia 31:1-8, 14-23.

    Porofoy fa nanetry tena i Mosesy ka nanaiky ny famaizan’i Jehovah, araka ireo teny farany nolazainy. (Deot. 31:6-8, 23)

  4. Vakio ny Deoteronomia 32:45-52.

    Inona no tokony ho herin’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika? (Deot. 32:47; Lev. 18:5; Heb. 4:12)

  5. Vakio ny Deoteronomia 34:1-12.

    Tsy nahita an’i Jehovah nivantana mihitsy i Mosesy, nefa nanao ahoana ny fifandraisany taminy araka ny Deoteronomia 34:10? (Eks. 33:11, 20; Nom. 12:8)

Tantara 44

Nafenin-dRahaba Ireo Mpisafo Tany

  1. Taiza i Rahaba no nipetraka?

  2. Iza ireo lehilahy roa hitantsika eo amin’ny sary, ary inona no nataony tany Jeriko?

  3. Inona no baiko nomen’ny mpanjakan’i Jeriko an’i Rahaba, ary inona no navaliny azy?

  4. Ahoana no nanampian’i Rahaba azy mirahalahy, ary inona no nangatahiny tamin’izy ireo?

  5. Inona no nampanantenain’ireo mpisafo tany roa an’i Rahaba?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Josoa 2:1-24.

    Ahoana no nahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 23:27, rehefa nanafika an’i Jeriko ny Israelita? (Josoa 2:9-11)

  2. Vakio ny Hebreo 11:31.

    Nahoana no tena zava-dehibe ny finoana, araka ny ohatr’i Rahaba? (Rom. 1:17; Heb. 10:39; Jak. 2:25)

Tantara 45

Fiampitana ny Ony Jordana

  1. Inona no fahagagana nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny Israelita hiampita ny Reniranon’i Jordana?

  2. Inona no asam-pinoana tsy maintsy nataon’ny Israelita mba hiampitana ny Reniranon’i Jordana?

  3. Nahoana i Josoa no nasain’i Jehovah nanangona vato lehibe 12 avy tao amin’ny fanambanin’ilay renirano?

  4. Inona no nitranga raha vao niakatra avy teo amin’i Jordana ny mpisorona?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Josoa 3:1-17.

    1. Inona no ilaintsika hatao mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah sy ny fitahiany, araka ny hita amin’ity tantara ity? (Josoa 3:13, 15; Ohab. 3:5; Jak. 2:22, 26)

    2. Nanao ahoana ny Reniranon’i Jordana tamin’ny Israelita niampita azy io ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, ary nahoana izany no manandratra ny anaran’i Jehovah? (Josoa 3:15; 4:18; Sal. 66:5-7)

  2. Vakio ny Josoa 4:1-18.

    Inona no antony nakana ireo vato 12 avy tao Jordana sy nametrahana azy tany Gilgala? (Josoa 4:4-7)

Tantara 46

Ny Mandan’i Jeriko

  1. Inona no nasain’i Jehovah nataon’ireo mpanafika sy ny mpisorona nandritra ny enina andro?

  2. Inona no tokony hataon’ireo lehilahy ireo tamin’ny andro fahafito?

  3. Inona no nitranga tamin’ny rindrin’i Jeriko, araka ny hitanao eo amin’ilay sary?

  4. Nahoana no misy tady mena mihantona amin’ilay varavarankely?

  5. Inona no nasain’i Jehovah natao tamin’ny olona sy ilay tanàna, nefa nasainy natao ahoana kosa ny volafotsy, volamena, varahina, ary vy?

  6. Inona no nasaina nataon’ireo mpisafo tany roa?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Josoa 6:1-25.

    1. Nahoana no mitovy amin’ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro farany izao, ny fandehanan’ireo Israelita nanodidina an’i Jeriko tamin’ny andro fahafito? (Josoa 6:15, 16; Isaia 60:22; Matio 24:14; 1 Kor. 9:16)

    2. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Josoa 6:26 rehefa afaka 500 taona teo ho eo, ary inona no ianarantsika avy amin’izany mahakasika ny tenin’i Jehovah? (1 Mpanj. 16:34; Isaia 55:11)

Tantara 47

Mpangalatra Iray teo Amin’ny Israely

  1. Iza ilay lehilahy mandevina harena nalaina avy tany Jeriko, ary iza ireo manampy azy ireo, araka ny hita eo amin’ilay sary?

  2. Nahoana no tena ratsy ny nataon-dry Akana mianakavy?

  3. Inona no nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa, rehefa nanontany azy ny antony naharesy azy ireo tany Ay izy?

  4. Inona no nitranga rehefa nentina teo anatrehan’i Josoa ry Akana mianakavy?

  5. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’ny loza nanjo an’i Akana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Josoa 7:1-26.

    1. Nanao ahoana ny fifandraisan’i Josoa tamin’ilay Mpamorona azy, araka ny asehon’ny vavaka nataony? (Josoa 7:7-9; Sal. 119:145; 1 Jaona 5:14)

    2. Inona no asehon’ny ohatr’i Akana, ary nahoana izany no fampitandremana ho antsika? (Josoa 7:11, 14, 15; Ohab. 15:3; 1 Tim. 5:24; Heb. 4:13)

  2. Vakio ny Josoa 8:1-29.

    Inona no andraikitsika tsirairay amin’ny fiangonana kristianina? (Josoa 7:13; Lev. 5:1; Ohab. 28:13)

Tantara 48

Ireo Gibeonita Hendry

  1. Inona no tsy nampitovy ny Gibeonita tamin’ny Kananita, izay nonina teo amin’ny tanàna manodidina?

  2. Inona no nataon’ny Gibeonita araka ny hitantsika eo amin’ny sary, ary nahoana?

  3. Inona no nampanantenain’i Josoa sy ny mpitarika israelita ny Gibeonita, nefa inona no fantatr’izy ireo telo andro tatỳ aoriana?

  4. Inona no nitranga rehefa fantatr’ireo mpanjaka tao amin’ny tanàna hafa fa nanao fihavanana tamin’ny Israely ny Gibeonita?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Josoa 9:1-27.

    1. Notsimbinin’i Jehovah ny Gibeonita, na dia nandidy ny firenen’Israely aza izy mba “handringana ny mponina rehetra amin’ny tany.” Inona avy no toetrany ahariharin’izany? (Josoa 9:22, 24; Matio 9:13; Asa. 10:34, 35; 2 Pet. 3:9)

    2. Inona no modely tsara nomen’i Josoa ho an’ny Kristianina ankehitriny, noho izy tsy nivadika tamin’ny fifanekena nataony tamin’ny Gibeonita? (Josoa 9:18, 19; Matio 5:37; Efes. 4:25)

  2. Vakio ny Josoa 10:1-5.

    Ahoana no anahafan’ny vahoaka be ny Gibeonita, ary inona no mihatra amin’izy ireo noho izany? (Josoa 10:4; Zak. 8:23; Matio 25:35-40; Apok. 12:17)

Tantara 49

Nijanona ny Masoandro

  1. Inona no lazain’i Josoa, izay hitantsika eo amin’ny sary, ary nahoana?

  2. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Josoa sy ny miaramilany?

  3. Firy ny mpanjaka resin’i Josoa, ary nila firy taona izy mba handresena ireo fahavalony ireo?

  4. Nahoana no nozarain’i Josoa ny tany Kanana?

  5. Firy taona i Josoa tamin’izy maty, ary inona no nitranga taorian’izay?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Josoa 10:6-15.

    Inona no azontsika antoka, rehefa fantatsika fa nampijanona ny masoandro sy ny volana ho an’ny Israely i Jehovah? (Josoa 10:8, 10, 12, 13; Sal. 18:3; Ohab. 18:10)

  2. Vakio ny Josoa 12:7-24.

    Iza no tena nandresy ireo mpanjaka 31 tany Kanana, ary nahoana izany no zava-dehibe amintsika? (Josoa 12:7; 24:11-13; Deot. 31:8; Lioka 21:9, 25-28)

  3. Vakio ny Josoa 14:1-5.

    Ahoana no nizarana ny tany ho an’ireo fokon’ny Israely, ary inona no asehon’izany momba ny lova ao amin’ny Paradisa? (Josoa 14:2; Isaia 65:21; Ezek. 47:21-23; 1 Kor. 14:33)

  4. Vakio ny Mpitsara 2:8-13.

    Iza ankehitriny no misakana ny fielezan’ny fivadiham-pinoana, toy ny nataon’i Josoa tany Israely? (Mpits. 2:8, 10, 11; Matio 24:45-47; 2 Tes. 2:3-6; Tit. 1:7-9; Apok. 1:1; 2:1, 2)

Tantara 50

Vehivavy Roa Nahery Fo

  1. Iza ireo mpitsara, ary iza no anaran’ny sasany taminy?

  2. Inona no tombontsoa nananan’i Debora, ary inona avy no tafiditra amin’izany?

  3. Inona no hafatr’i Jehovah nampitain’i Debora tamin’i Baraka Mpitsara, rehefa nihantsy ady azy i Jabina Mpanjaka sy Sisera, filohan’ny tafiny? Iza anefa no nolazainy fa hahazo voninahitra avy amin’izany?

  4. Ahoana no nampisehoan’i Jaela herim-po?

  5. Inona no nitranga taorian’ny nahafatesan’i Jabina Mpanjaka?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Mpitsara 2:14-22.

    Nahoana no nampahatezitra an’i Jehovah ny Israelita, ary inona no lesona tsoahintsika avy amin’izany? (Mpits. 2:20; Ohab. 3:1, 2; Ezek. 18:21-23)

  2. Vakio ny Mpitsara 4:1-24.

    Inona no azon’ny vehivavy kristianina ianarana avy amin’ny finoana sy herim-po nasehon’i Debora sy Jaela? (Mpits. 4:4, 8, 9, 14, 21, 22; Ohab. 31:30; 1 Kor. 16:13)

  3. Vakio ny Mpitsara 5:1-31.

    Nahoana no azo atao modelim-bavaka momba ny ady Hara-magedona ho avy, ny hiram-pandresen’i Baraka sy Debora? (Mpits. 5:3, 31; 1 Tant. 16:8-10; Apok. 7:9, 10; 16:16; 19:19-21)

Tantara 51

Rota sy Naomy

  1. Inona no nahatonga an’i Naomy hipetraka tany Moaba?

  2. Iza moa i Rota sy Orpa?

  3. Inona no nataon’i Rota sy Orpa, rehefa nasain’i Naomy niverina tany amin’ny firenena niaviany izy ireo?

  4. Iza moa i Boaza, ary ahoana no nanampiany an’i Rota sy Naomy?

  5. Iza no anaran’ny zanak’i Boaza sy Rota, ary nahoana isika no tokony hitadidy azy io?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Rota 1:1-17.

    1. Inona no teny nolazain’i Rota izay nampiseho fa tena tia an’i Naomy izy sady tsy nivadika taminy? (Rota 1:16, 17)

    2. Nahoana ny toe-tsain’i Rota no mampiseho tsara ny fiheveran’ny “ondry hafa” ny voahosotra eto an-tany ankehitriny? (Jaona 10:16; Zak. 8:23)

  2. Vakio ny Rota 2:1-23.

    Inona no ohatra tsara navelan’i Rota ho an’ny tovovavy amin’izao andro izao? (Rota 2:17, 18; Ohab. 23:22; 31:15)

  3. Vakio ny Rota 3:5-13.

    1. Naleon’i Rota nanambady an’i Boaza toy izay nanambady lehilahy tanora kokoa. Ahoana no fahitan’i Boaza an’izany?

    2. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fitiavana tsy mivadika nasehon’i Rota? (Rota 3:10; 1 Kor. 13:4, 5)

  4. Vakio ny Rota 4:7-17.

    Inona no azon’ny lehilahy kristianina atao, mba hanahafana an’i Boaza? (Rota 4:9, 10; 1 Tim. 3:1, 12, 13; 5:8)

Tantara 52

Gideona sy ny Olony 300 Lahy

  1. Inona no olana lehibe nahazo ny Israelita, ary nahoana?

  2. Nahoana i Jehovah no nilaza tamin’i Gideona fa be loatra ny miaramilany?

  3. Firy sisa ny lehilahy tafajanona, rehefa nasain’i Gideona nody izay rehetra natahotra?

  4. Hazavao ny fomba nampihenan’i Jehovah ny isan’ny miaramilan’i Gideona ho 300 lahy fotsiny, araka ny hita eo amin’ny sary.

  5. Ahoana no nandaminan’i Gideona an’ireo miaramilany 300, ary ahoana no nahazoan’ny Israely fandresena?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Mpitsara 6:36-40.

    1. Inona no nataon’i Gideona mba hamantarana tsara izay sitrapon’Andriamanitra?

    2. Ahoana no amantarantsika ny sitrapon’i Jehovah ankehitriny? (Ohab. 2:3-6; Matio 7:7-11; 2 Tim. 3:16, 17)

  2. Vakio ny Mpitsara 7:1-25.

    1. Inona no ianarantsika avy amin’ireo lehilahy 300 izay malina hatrany, fa tsy mba nanao tsirambina toy ny hafa? (Mpits. 7:3, 6; Rom. 13:11, 12; Efes. 5:15-17)

    2. Toa azy 300 lahy izay niana-javatra rehefa nijery an’i Gideona, inona no ianarantsika avy amin’ny fijerena an’i Jesosy Kristy, ilay Gideona Lehibe? (Mpits. 7:17; Matio 11:29, 30; 28:19, 20; 1 Pet. 2:21)

    3. Nahoana ny Mpitsara 7:21 no manampy antsika hifaly amin’ny fanompoantsika, na aiza na aiza anendrena antsika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah? (1 Kor. 4:2; 12:14-18; Jak. 4:10)

  3. Vakio ny Mpitsara 8:1-3.

    Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nandaminan’i Gideona ny fifandirany tamin’ny Efraimita? (Ohab. 15:1; Matio 5:23, 24; Lioka 9:48)

Tantara 53

Ny Voadin’i Jefta

  1. Iza moa i Jefta, ary velona tamin’ny fotoana nanao ahoana izy?

  2. Inona no nampanantenain’i Jefta an’i Jehovah?

  3. Nahoana i Jefta no nalahelo tamin’izy nody, rehefa avy nandresy ny Amonita?

  4. Inona no nolazain’ny zanakavavin’i Jefta, rehefa nahafantatra ilay voady nataon-drainy izy?

  5. Nahoana ny olona no tia ny zanakavavin’i Jefta?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Mpitsara 10:6-18.

    Mampitandrina antsika ny amin’ny inona ny fivadihan’ny Israely tamin’i Jehovah? (Mpits. 10:6, 15, 16; Rom. 15:4; Apok. 2:10)

  2. Vakio ny Mpitsara 11:1-11, 29-40.

    1. Ahoana no ahalalantsika fa tsy nodoran’i Jefta tamin’ny afo ny zanany vavy, na dia voalaza aza fa nataony “fanatitra odorana” izy? (Mpits. 11:31; Lev. 16:24; Deot. 18:10, 12)

    2. Tamin’ny fomba ahoana no nanateran’i Jefta ny zanany vavy ho sorona?

    3. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiheveran’i Jefta ny voady nataony tamin’i Jehovah? (Mpits. 11:35, 39; Mpit. 5:3, 4; Matio 16:24)

    4. Inona no ohatra tsara navelan’ny zanakavavin’i Jefta, mba hampirisihana ny tanora kristianina hanompo manontolo andro? (Mpits. 11:36; Matio 6:33; Fil. 3:8)

Tantara 54

Ny Lehilahy Natanjaka Indrindra

  1. Iza no anaran’ilay lehilahy natanjaka indrindra hatramin’izay, ary iza no nanome azy izany tanjany izany?

  2. Nataon’i Samsona ahoana ny liona goavana iray indray andro, araka ny hita eo amin’ny sary?

  3. Inona ilay tsiambaratelo nolazain’i Samsona an’i Delila eo amin’ny sary, ary nahoana izany no nahatonga azy ho voasambotry ny Filistinina?

  4. Ahoana no nahavitan’i Samsona namono Filistinina fahavalo 3 000 tamin’ny andro nahafatesany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Mpitsara 13:1-14.

    Inona no ohatra tsara nomen-dry Manoa mivady ho an’ny ray aman-dreny momba ny fitaizan-janaka? (Mpits. 13:8; Sal. 127:3; Efes. 6:4)

  2. Vakio ny Mpitsara 14:5-9 sy 15:9-16.

    1. Ahoana no fomba fiasan’ny fanahy masin’i Jehovah, araka ilay fitantarana momba ny namonoan’i Samsona ilay liona, ny nanapahany ireo tady vaovao namatotra azy, ary ny namonoany lehilahy 1 000 tamin’ny valanoranom-boriky?

    2. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika ankehitriny? (Mpits. 14:6; 15:14; Zak. 4:6; Asa. 4:31)

  3. Vakio ny Mpitsara 16:18-31.

    Inona no nanjo an’i Samsona noho izy niaraka tamin’ny naman-dratsy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Mpits. 16:18, 19; 1 Kor. 15:33)

Tantara 55

Manompo An’Andriamanitra ny Zazalahy Kely Iray

  1. Iza no anaran’ilay zazalahy kely eo amin’ny sary, ary iza ireo olona miaraka aminy?

  2. Inona no vavaka nataon’i Hana indray andro, rehefa nitsidika ny tabernakelin’i Jehovah izy, ary ahoana no namalian’i Jehovah izany?

  3. Firy taona i Samoela tamin’izy nentina hanompo tany amin’ny tranolain’i Jehovah, ary inona no namboarin-dreniny ho azy isan-taona?

  4. Iza avy no anaran’ny zanakalahin’i Ely, ary olona nanao ahoana izy ireo?

  5. Ahoana no niantsoan’i Jehovah an’i Samoela, ary inona no nolazainy taminy?

  6. Lasa inona i Samoela rehefa nihalehibe, ary inona no nitranga rehefa antitra izy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Samoela 1:1-28.

    1. Inona no ohatra tsara navelan’i Elkana ho an’ny loham-pianakaviana, tamin’ny nitarihany ny ankohonany hanaraka ny fivavahana marina? (1 Sam. 1:3, 21; Matio 6:33; Fil. 1:10)

    2. Ahoana no hanahafantsika an’i Hana, rehefa miatrika olana lehibe isika? (1 Sam. 1:10, 11; Sal. 55:22; Rom. 12:12)

  2. Vakio ny 1 Samoela 2:11-36.

    Ahoana no nanomezan’i Ely voninahitra ny zanany mihoatra noho i Jehovah? Mampitandrina antsika ny amin’inona izany? (1 Sam. 2:22-24, 27, 29; Deot. 21:18-21; Matio 10:36, 37)

  3. Vakio ny 1 Samoela 4:16-18.

    Inona ireo vaovao ratsy efatra avy tany an’ady, ary inona no vokatr’izany teo amin’i Ely?

  4. Vakio ny 1 Samoela 8:4-9.

    Nahoana ny Israely no nampahatezitra mafy an’i Jehovah, ary inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’ny Fanjakany? (1 Sam. 8:5, 7; Jaona 17:16; Jak. 4:4)

Tantara 56

Saoly: Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

  1. Inona no ataon’i Samoela eo amin’ny sary, ary nahoana?

  2. Nahoana i Jehovah no tia an’i Saoly, ary olona nanao ahoana izy?

  3. Iza no anaran’ny zanak’i Saoly, ary inona no nataon’izy io?

  4. Nahoana no nataon’i Saoly ny fanatitra fa tsy niandrasany an’i Samoela?

  5. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Saoly?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Samoela 9:15-21 sy ny 10:17-27.

    Nahoana ny fanetren-tenan’i Saoly no nanampy azy hanindry fo, rehefa nisy nanimbazimba azy? (1 Sam. 9:21; 10:21, 22, 27; Ohab. 17:27)

  2. Vakio ny 1 Samoela 13:5-14.

    Inona no fahotana nataon’i Saoly tany Gilgala? (1 Sam. 10:8; 13:8, 9, 13)

  3. Vakio ny 1 Samoela 15:1-35.

    1. Inona no fahotana lehibe nataon’i Saoly mahakasika an’i Agaga, mpanjakan’ny Amalekita? (1 Sam. 15:2, 3, 8, 9, 22)

    2. Inona no fialan-tsiny nataon’i Saoly, ary nailiny tany amin’iza ny hadisoana? (1 Sam. 15:24)

    3. Inona no tokony hotandremantsika ankehitriny rehefa omena torohevitra isika? (1 Sam. 15:19-21; Sal. 141:5; Ohab. 9:8, 9; 11:2)

Tantara 57

Nifidy An’i Davida Andriamanitra

  1. Iza no anaran’ilay zazalahy eo amin’ny sary, ary ahoana no ahafantarantsika fa mahery fo izy?

  2. Taiza i Davida no nipetraka, ary iza avy no anaran’ny rainy sy ny raibeny?

  3. Nahoana i Jehovah no naniraka an’i Samoela ho any an-tranon’i Jese, tany Betlehema?

  4. Inona no nitranga rehefa nentin’i Jese teo anatrehan’i Samoela ny zanany fito lahy?

  5. Inona no nolazain’i Jehovah tamin’i Samoela rehefa nentina teo i Davida?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Samoela 17:34, 35.

    Hazavao avy amin’ireo toe-javatra ireo fa be herim-po i Davida sady niantehitra tamin’i Jehovah. (1 Sam. 17:37)

  2. Vakio ny 1 Samoela 16:1-14.

    1. Nahoana ny tenin’i Jehovah ao amin’ny 1 Samoela 16:7 no manampy antsika tsy hanavakavaka na hitsara ivelany? (Asa. 10:34, 35; 1 Tim. 2:4)

    2. Araka izay nitranga tamin’i Saoly, ahoana no ahafantarantsika fa mety hisy fanahy ratsy, na faniriana hanao ratsy, hiditra ao amin’ny olona iray, rehefa esorin’i Jehovah aminy ny fanahiny masina? (1 Sam. 16:14; Matio 12:43-45; Gal. 5:16)

Tantara 58

Davida sy Goliata

  1. Nihantsy ny miaramilan’ny Israely hanao inona i Goliata?

  2. Nanao ahoana ny haben’i Goliata, ary inona no valisoa nampanantenain’i Saoly Mpanjaka an’izay nahafaty azy?

  3. Ahoana hoy i Davida rehefa nilaza taminy i Saoly fa mbola zaza izy, ka tsy afaka niady tamin’i Goliata?

  4. Ahoana no nampisehoan’i Davida fa nitoky tamin’i Jehovah izy, araka ny valin-teniny tamin’i Goliata?

  5. Araka ny hita eo amin’ny sary, inona no nentin’i Davida hamonoana an’i Goliata, ary inona no nataon’ny Filistinina taorian’izay?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Samoela 17:1-54.

    1. Nahoana i Davida no tsy natahotra mihitsy, ary ahoana no hananantsika herim-po toa azy? (1 Sam. 17:37, 45; Efes. 6:10, 11)

    2. Nahoana ny Kristianina no tsy tokony ho tia mifaninana toa an’i Goliata, rehefa milalao na miala voly? (1 Sam. 17:8; Gal. 5:26; 1 Tim. 4:8)

    3. Natoky i Davida fa hanampy azy i Jehovah. Ahoana no ahitana izany tamin’ny teny nataony? (1 Sam. 17:45-47; 2 Tant. 20:15)

    4. Ahoana no ahitantsika fa tsy ady ifanaovan’ny tafika roa fotsiny io ady io, fa ady ifanaovan’ny andriamani-diso sy Jehovah, ilay Andriamanitra marina koa? (1 Sam. 17:43, 46, 47)

    5. Ahoana no ampisehoan’ny sisa voahosotra fa mitoky amin’i Jehovah toa an’i Davida izy ireo? (1 Sam. 17:37; Jer. 1:17-19; Apok. 12:17)

Tantara 59

Nahoana i Davida no Tsy Maintsy Nandositra

  1. 1. Nahoana i Saoly no nialona an’i Davida? Inona anefa no tsy nampitovy an’i Saoly sy Jonatana zanany lahy?

  2. Inona no nitranga indray andro, rehefa nitendry harpa ho an’i Saoly i Davida?

  3. Inona no notakin’i Saoly tamin’i Davida, mba hahafahany hanambady an’i Mikala zanany vavy? Inona no antony nilazany izany?

  4. Araka ny hita eo amin’ny sary, inona no zava-nitranga fanintelony, rehefa nitendry harpa ho an’i Saoly i Davida?

  5. Ahoana no namonjen’i Mikala an’i Davida, ary inona no tsy maintsy nataon’i Davida nandritra ny fito taona nanaraka?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Samoela 18:1-30.

    1. Nahoana ny fifankatiavan’ny “ondry hafa” sy ny “ondry vitsy” no mitovy amin’ny fifankatiavana lalina teo amin’i Jonatana sy Davida? (1 Sam. 18:1; Jaona 10:16; Lioka 12:32; Zak. 8:23)

    2. Nahoana ny 1 Samoela 18:4 no mampiseho fa tena nanaiky izay nofidin’i Jehovah ho mpanjaka i Jonatana, na dia izy aza no tokony handimby an’i Saoly?

    3. Mety hitarika ho amin’ny fahotana lehibe ny fialonana. Ahoana no ahitana izany amin’izay nitranga tamin’i Saoly? (1 Sam. 18:7-9, 25; Jak. 3:14-16)

  2. Vakio ny 1 Samoela 19:1-17.

    Rehefa niresaka taminˈi Saoly i Jonatana, inona no teny nataony ka nety ho nahafaty azy? (1 Sam. 19:1, 4-6; Ohab. 16:14)

Tantara 60

Abigaila sy Davida

  1. Iza no anaran’ilay vehivavy manatona an’i Davida eo amin’ny sary, ary olona nanao ahoana izy io?

  2. Iza moa i Nabala?

  3. Nahoana i Davida no naniraka ny olony sasany mba hangataka fanampiana tamin’i Nabala?

  4. Inona no nolazain’i Nabala tamin’ny olon’i Davida, ary ahoana no nandraisan’i Davida an’izany?

  5. Ahoana no nampisehoan’i Abigaila fa vehivavy hendry izy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Samoela 22:1-4.

    Tokony hifanohana ny mpirahalahy kristianina. Inona no ohatra tsara navelan’ny fianakavian’i Davida momba izany? (Ohab. 17:17; 1 Tes. 5:14)

  2. Vakio ny 1 Samoela 25:1-43.

    1. Nahoana i Nabala no lazaina fa tena ratsy fanahy? (1 Sam. 25:2-5, 10, 14, 21, 25)

    2. Inona no azon’ny vehivavy kristianina manambady ianarana avy amin’ny ohatr’i Abigaila? (1 Sam. 25:32, 33; Ohab. 31:26; Efes. 5:24)

    3. Inona ireo zava-dratsy roa tsy nataon’i Davida, noho i Abigaila? (1 Sam. 25:31, 33; Rom. 12:19; Efes. 4:26)

    4. Manampy ny lehilahy hihevitra ny vehivavy toy ny iheveran’i Jehovah azy, ny fomba nandraisan’i Davida ny tenin’i Abigaila. Hazavao. (Asa. 21:8, 9; Rom. 2:11; 1 Pet. 3:7)

Tantara 61

Natao Mpanjaka i Davida

  1. Inona no nataon’i Davida sy Abisay, raha mbola natory tao amin’ny tobiny i Saoly?

  2. Inona no fanontaniana napetrak’i Davida tamin’i Saoly?

  3. Taiza no nalehan’i Davida rehefa nandao an’i Saoly izy?

  4. Inona no tena nampalahelo an’i Davida, ka nahatonga azy hanoratra hira mahafinaritra?

  5. Firy taona i Davida tamin’izy natao mpanjaka tany Hebrona, ary iza avy no anaran’ny zanany lahy sasany?

  6. Taiza i Davida no nanjaka tatỳ aoriana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Samoela 26:1-25.

    1. Araka ny 1 Samoela 26:11, ahoana no niheveran’i Davida ny fahefana navelan’Andriamanitra hisy? (Sal. 37:7; Rom. 13:2)

    2. Nahoana ny tenin’i Davida ao amin’ny 1 Samoela 26:23 no manampy antsika hanana ny fomba fijerin’i Jehovah hatrany, rehefa misy olona tsy mahay mankasitraka, na dia efa anehoana fitiavana sy hatsaram-panahy aza? (1 Mpanj. 8:32; Sal. 18:20)

  2. Vakio ny 2 Samoela 1:26.

    Inona no hanampy ny Kristianina ankehitriny ‘hifankatia fatratra’ toa an’i Davida sy Jonatana? (1 Pet. 4:8; Kol. 3:14; 1 Jaona 4:12)

  3. Vakio ny 2 Samoela 5:1-10.

    1. Firy taona no nanjakan’i Davida, ary ahoana no nitsinjarana izany? (2 Sam. 5:4, 5)

    2. Iza no nahazoan’i Davida ny fahalehibeazany, ary mampahatsiahy antsika inona izany? (2 Sam. 5:10; 1 Sam. 16:13; 1 Kor. 1:31; Fil. 4:13)

Tantara 62

Fahasahiranana tao An-tranon’i Davida

  1. Nanao ahoana ny tany Kanana, noho ny fanampian’i Jehovah?

  2. Inona no nitranga indray hariva, raha teo an-tampon’ny lapany i Davida?

  3. Nahoana i Jehovah no tezitra be tamin’i Davida?

  4. Araka ny hita eo amin’ny sary, iza no nirahin’i Jehovah hilaza amin’i Davida ny fahotany? Inona no nolazainy fa hanjo an’i Davida?

  5. Inona avy ny olana nahazo an’i Davida?

  6. Iza no lasa mpanjakan’ny Israely taorian’i Davida?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 2 Samoela 11:1-27.

    1. Nahoana isika no voaro, raha be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

    2. Inona no nahatonga an’i Davida hanota? Inona àry no tokony hotandreman’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny? (2 Sam. 11:2; Matio 5:27-29; 1 Kor. 10:12; Jak. 1:14, 15)

  2. Vakio ny 2 Samoela 12:1-18.

    1. Inona no ianaran’ny anti-panahy sy ny ray aman-dreny avy amin’ny fomba nanomezan’i Natana torohevitra an’i Davida? (2 Sam. 12:1-4; Ohab. 12:18; Matio 13:34)

    2. Nahoana i Jehovah no namindra fo tamin’i Davida? (2 Sam. 12:13; Sal. 32:5; 2 Kor. 7:9, 10)

Tantara 63

Solomona Mpanjaka Hendry

  1. Inona no fanontaniana napetrak’i Jehovah tamin’i Solomona, ary inona no navaliny?

  2. Koa satria sitrak’i Jehovah izay nangatahin’i Solomona, inona koa no nampanantenainy fa homeny azy?

  3. Inona ilay olana lehibe nolazain’ny vehivavy roa tamin’i Solomona?

  4. Ahoana no namahan’i Solomona izany olana izany, araka ny hita eo amin’ny sary?

  5. Nanao ahoana ny fiainana tamin’ny andro nanjakan’i Solomona, ary nahoana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Mpanjaka 3:3-28.

    1. Inona no ianaran’ireo rahalahy manana andraikitra, avy amin’ny teny nataon’i Solomona tamim-pahatsorana ao amin’ny 1 Mpanjaka 3:7? (Sal. 119:105; Ohab. 3:5, 6)

    2. Inona avy no tsara atao antom-bavaka, araka ny zavatra nangatahin’i Solomona? (1 Mpanj. 3:9, 11; Ohab. 30:8, 9; 1 Jaona 5:14)

    3. Nahay nandamina ny olana nisy teo amin’ireo vehivavy roa i Solomona. Inona no toky ananantsika avy amin’izany, mahakasika ny fomba hitondran’i Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe? (1 Mpanj. 3:28; Isaia 9:5, 6; 11:2-4)

  2. Vakio ny 1 Mpanjaka 5:9-14.

    1. Inona no nomen’i Jehovah an’i Solomona, rehefa nangataka fo mankatò izy? (1 Mpanj. 5:9)

    2. Nanao ezaka manokana ny olona mba hihainoana ny fahendren’i Solomona. Ahoana koa àry no tokony hiheverantsika ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra? (1 Mpanj. 5:9, 14; Jaona 17:3; 2 Tim. 3:16)

Tantara 64

Nanorina ny Tempoly i Solomona

  1. Firy taona no namitan’i Solomona ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah, ary nahoana izy io no nandaniana vola be?

  2. Nisy efitra firy io tempoly io, ary inona no natao tao amin’ny efitra anatiny?

  3. Inona no nolazain’i Solomona tao amin’ny vavaka nataony, rehefa vita ilay tempoly?

  4. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nankasitraka ny vavak’i Solomona izy?

  5. Nitarika an’i Solomona hanao inona ny vadiny, ary inona no nitranga tamin’i Solomona?

  6. Nahoana i Jehovah no tezitra tamin’i Solomona, ary inona no nolazainy taminy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Tantara 28:9, 10.

    Tokony hiezaka hanao inona isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro, araka ny tenin’i Davida ao amin’ny 1 Tantara 28:9, 10? (Sal. 19:14; Fil. 4:8, 9)

  2. Vakio ny 2 Tantara 6:12-21, 32-42.

    1. Ahoana no nampisehoan’i Solomona fa tsy omby ao anaty trano nataon’olombelona ilay Andriamanitra Avo Indrindra? (2 Tant. 6:18; Asa. 17:24, 25)

    2. Mampiseho inona momba an’i Jehovah ny tenin’i Solomona ao amin’ny 2 Tantara 6:32, 33? (Asa. 10:34, 35; Gal. 2:6)

  3. Vakio ny 2 Tantara 7:1-5.

    Nidera an’i Jehovah ny zanak’Israely, rehefa nahita ny voninahiny. Inona koa no tokony hataontsika, rehefa misaintsaina ny fitahiana arotsak’i Jehovah amin’ny vahoakany isika? (2 Tant. 7:3; Sal. 22:22; 34:1; 96:2)

  4. Vakio ny 1 Mpanjaka 11:9-13.

    Hazavao fa tena zava-dehibe ny tsy mivadika hatramin’ny farany, araka ny tantaran’i Solomona. (1 Mpanj. 11:4, 9; Matio 10:22; Apok. 2:10)

Tantara 65

Nozaraina Roa ny Fanjakana

  1. Iza avy no anaran’ireo lehilahy roa eo amin’ny sary, ary iza izy ireo?

  2. Nataon’i Ahia ahoana ny akanjo lava nanaovany, ary inona no dikan’izany?

  3. Saika hataon’i Solomona ahoana i Jeroboama?

  4. Nahoana ny vahoaka no nanao an’i Jeroboama ho mpanjaka teo amin’ny foko folo?

  5. Nahoana i Jeroboama no nanao ombilahy kely volamena roa, ary nanao ahoana ny tany taoriana kelin’izay?

  6. Inona no nitranga tamin’ny fanjakan’ny foko roa sy ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Mpanjaka 11:26-43.

    Olona nanao ahoana moa i Jeroboama, ary inona no nampanantenain’i Jehovah azy raha nitandrina ny lalàny izy? (1 Mpanj. 11:28, 38)

  2. Vakio ny 1 Mpanjaka 12:1-33.

    1. Namela ohatra ratsy i Rehoboama, satria nanampatra fahefana. Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy ianarana avy amin’izany? (1 Mpanj. 12:13; Mpit. 7:7; 1 Pet. 5:2, 3)

    2. Any amin’iza ny tanora no tokony hitady tari-dalana azo itokisana, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe? (1 Mpanj. 12:6, 7; Ohab. 1:8, 9; 2 Tim. 3:16, 17; Heb. 13:7)

    3. Nahoana i Jeroboama no nanorina toerana roa hivavahana amin’ny ombilahy kely, ary nahoana izany no nampiseho fa tena tsy nino an’i Jehovah izy? (1 Mpanj. 11:37; 12:26-28)

    4. Iza no nitarika ny vahoaka tao amin’ny fanjakan’ny foko folo hivadika tamin’ny fivavahana marina? (1 Mpanj. 12:32, 33)

Tantara 66

Jezebela: Mpanjakavavy Ratsy Fanahy Iray

  1. Iza moa i Jezebela?

  2. Nahoana i Ahaba Mpanjaka no nalahelo, indray andro?

  3. Inona no nataon’i Jezebela mba hahazoan’i Ahaba vadiny ny tanimboalobok’i Nabota?

  4. Iza no nirahin’i Jehovah hanafay an’i Jezebela?

  5. Araka ny hita eo amin’ny sary, inona no nitranga, rehefa tonga tany amin’ny lapan’i Jezebela i Jeho?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Mpanjaka 16:29-33 sy ny 18:3, 4.

    Nanao ahoana ny haratsian’ny toe-piainana teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka? (1 Mpanj. 14:9)

  2. Vakio ny 1 Mpanjaka 21:1-16.

    1. Ahoana no nampisehoan’i Nabota herim-po sy tsy fivadihana tamin’i Jehovah? (1 Mpanj. 21:1-3; Lev. 25:23-28)

    2. Inona no nataon’i Ahaba rehefa diso fanantenana izy? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? (1 Mpanj. 21:4; Rom. 5:3-5)

  3. Vakio ny 2 Mpanjaka 9:30-37.

    Nazoto nanatanteraka ny sitrapon’i Jehovah i Jeho. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (2 Mpanj. 9:4-10; 2 Kor. 9:1, 2; 2 Tim. 4:2)

Tantara 67

Nitoky Tamin’i Jehovah i Josafata

  1. Iza moa i Josafata, ary iza no niara-belona taminy?

  2. Inona no nampahatahotra ny Israelita, ary inona no nataon’ny maro taminy?

  3. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka nataon’i Josafata?

  4. Inona no nataon’i Jehovah talohan’ny nahatongavan’ny Israelita tany an’ady?

  5. Inona no ianarantsika avy amin’i Josafata?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 2 Tantara 20:1-30.

    1. Araka ny nasehon’i Josafata, inona no tokony hataon’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky rehefa miatrika toe-javatra mampahatahotra? (2 Tant. 20:12; Sal. 25:15; 62:1)

    2. Mampiasa olona foana i Jehovah hatramin’izay, rehefa mifandray amin’ny vahoakany. Iza àry no ampiasainy ankehitriny? (2 Tant. 20:14, 15; Matio 24:45-47; Jaona 15:15)

    3. Hazavao fa hiatrika toe-javatra toy ny an’i Josafata isika, rehefa hanomboka ilay “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony.” (2 Tant. 20:15, 17; 32:8; Apok. 16:14, 16)

    4. Nahoana ny mpisava lalana sy ny misionera no mitovy amin’ny Levita, rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana maneran-tany? (2 Tant. 20:19, 21; Rom. 10:13-15; 2 Tim. 4:2)

Tantara 68

Zazalahy Roa Velona Indray

  1. Iza avy ireo olona telo eo amin’ny sary, ary inona no nahazo an’ilay zazalahy kely?

  2. Inona no vavaka nataon’i Elia ho an’ilay zazalahy, ary inona no nitranga avy eo?

  3. Iza no anaran’ilay mpanampy an’i Elia?

  4. Nahoana i Elia no nasaina nankany an-tranon’ilay vehivavy tany Sonema?

  5. Inona no nataon’i Elisa, ary nanao ahoana ilay zaza maty?

  6. Afaka manao inona i Jehovah, araka ny nasehony tamin’ny alalan’i Elia sy Elisa?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Mpanjaka 17:8-24.

    1. Ahoana no nitsapana raha tena nankatò sy nanam-pinoana i Elia na tsia? (1 Mpanj. 17:9; 19:1-4, 10)

    2. Nahoana no niavaka ny finoan’ilay mpitondratena tany Zarefata? (1 Mpanj. 17:12-16; Lioka 4:25, 26)

    3. Manamarina ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:41, 42 ny zavatra niainan’ilay mpitondratena tany Zarefata. Hazavao. (1 Mpanj. 17:10-12, 17, 23, 24)

  2. Vakio ny 2 Mpanjaka 4:8-37.

    1. Inona no ianarantsika avy amin’ilay vehivavy tany Sonema momba ny fitiavana mandray vahiny? (2 Mpanj. 4:8; Lioka 6:38; Rom. 12:13; 1 Jaona 3:17)

    2. Ahoana no azontsika anehoana hatsaram-panahy amin’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny? (Asa. 20:35; 28:1, 2; Gal. 6:9, 10; Heb. 6:10)

Tantara 69

Nanampy Lehilahy Mahery ny Zazavavy Kely Iray

  1. Inona no lazain’ilay zazavavy kely amin’ilay vehivavy, eo amin’ny sary?

  2. Iza ilay vehivavy eo amin’ny sary, ary nanao inona tao an-tranony ilay zazavavy kely?

  3. Inona no nasain’i Elisa nolazain’ny mpanompony tamin’i Namàna, ary nahoana i Namàna no tezitra?

  4. Nanao ahoana i Namàna rehefa nihaino ny tenin’ny mpanompony?

  5. Nahoana i Elisa no tsy nety nandray ny fanomezana tany amin’i Namàna, nefa inona no nataon’i Gehazy?

  6. Inona no nanjo an’i Gehazy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 2 Mpanjaka 5:1-27.

    1. Nahoana no mampahery ny tanora ankehitriny ny ohatra nomen’ilay zazavavy israelita? (2 Mpanj. 5:3; Sal. 8:2; 148:12, 13)

    2. Nahoana isika no tokony hitadidy ny ohatr’i Namàna, rehefa omena torohevitra avy ao amin’ny Soratra Masina? (2 Mpanj. 5:15; Heb. 12:5, 6; Jak. 4:6)

    3. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra samy hafa nomen’i Elisa sy Gehazy? (2 Mpanj. 5:9, 10, 14-16, 20; Matio 10:8; Asa. 5:1-5; 2 Kor. 2:17)

Tantara 70

Jona sy Ilay Trondro Be

  1. Iza moa i Jona, ary inona no nasain’i Jehovah nataony?

  2. Inona no nataon’i Jona, noho izy tsy te handeha any amin’ny toerana nanirahan’i Jehovah azy?

  3. Inona no nasain’i Jona nataon’ireo tantsambo, mba hitsaharan’ny tafiodrivotra?

  4. Inona no nitranga rehefa nilentika tao anaty rano i Jona, araka ny hita eo amin’ny sary?

  5. Firy andro i Jona no nijanona tao an-kibon’ilay trondro be, ary inona no nataony tao?

  6. Nandeha taiza i Jona rehefa nivoaka avy tao an-kibon’ilay trondro be? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Jona 1:1–2:1.

    Nanao ahoana ny fihetsik’i Jona rehefa nirahina hitory tany Ninive izy? (Jona 1:2, 3; Ohab. 3:7; Mpit. 8:12)

  2. Vakio ny Jona 2:2, 3, 11.

    Nahoana ny zavatra niainan’i Jona no manome toky antsika, fa hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah? (Sal. 22:24; 34:6; 1 Jaona 5:14)

  3. Vakio ny Jona 3:1-10.

    1. Mbola nampiasa an’i Jona foana i Jehovah na dia tsy nety nirahiny aza izy tamin’ny voalohany. Nahoana izany no mampahery antsika? (Sal. 103:14; 1 Pet. 5:10)

    2. Nahoana isika no tsy tokony hitsara an-tendrony ny olona ao amin’ny faritanintsika, araka ny fitantarana momba an’i Jona sy ny Ninivita? (Jona 3:6-9; Mpit. 11:6; Asa. 13:48)

Tantara 71

Mampanantena fa Hanome Paradisa Andriamanitra

  1. Iza moa i Isaia, oviana no niainany, ary inona no nasehon’i Jehovah azy?

  2. Inona no dikan’ny hoe “paradisa”, ary mampahatsiahy anao inona io teny io?

  3. Inona no nasain’i Jehovah nosoratan’i Isaia momba ilay Paradisa vaovao?

  4. Nahoana i Adama sy Eva no namoy ny fonenany tsara tarehy?

  5. Inona no ampanantenain’i Jehovah fa homeny izay tia azy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Isaia 11:6-9.

    1. Hiara-miaina tsara ny biby sy ny olona ao amin’ny tontolo vaovao. Ahoana no ilazalazan’ny Tenin’Andriamanitra an’izany? (Sal. 148:10, 13; Isaia 65:25; Ezek. 34:25)

    2. Hazavao fa tanteraka amin’ny heviny ara-panahy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny ny faminanian’i Isaia. (Rom. 12:2; Efes. 4:23, 24)

    3. Iza no mendri-koderaina noho ny fiovan’ny toetran’ny olona ankehitriny sy ao amin’ny tontolo vaovao? (Isaia 48:17, 18; Gal. 5:22, 23; Fil. 4:7)

  2. Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.

    1. Porofoy amin’ny alalan’ny Soratra Masina fa tsy ara-bakiteny ny hoe miara-mitoetra amin’ny olombelona Andriamanitra. (Lev. 26:11, 12; 2 Tant. 6:18; Isaia 66:1; Apok. 21:2, 3, 22-24)

    2. Inona ilay karazana ranomaso sy fanaintainana hofoanana? (Lioka 8:49-52; Rom. 8:21, 22; Apok. 21:4)

Tantara 72

Nanampy An’i Hezekia Mpanjaka Andriamanitra

  1. Iza ilay lehilahy eo amin’ny sary, ary inona no tena nanahiran-tsaina azy?

  2. Inona ireo taratasy napetrak’i Hezekia teo anatrehan’Andriamanitra, ary inona no vavaka nataony?

  3. Mpanjaka nanao ahoana i Hezekia, ary inona no hafatra avy tamin’i Jehovah nolazain’i Isaia taminy?

  4. Nataon’ny anjelin’i Jehovah ahoana ny Asyrianina, araka ny hita eo amin’ny sary?

  5. Nahita fiadanana vetivety ny fanjakan’ny foko roa. Inona anefa no nitranga rehefa maty i Hezekia?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 2 Mpanjaka 18:1-36.

    1. Inona no nataon’i Rabsake, mpitondra tenin’ny Asyrianina, mba hampihena ny finoan’ny Israelita? (2 Mpanj. 18:19, 21; Eks. 5:2; Sal. 64:3)

    2.     

  2. Vakio ny 2 Mpanjaka 19:1-37.

    1. Ahoana no anahafan’ny vahoakan’i Jehovah an’i Hezekia, rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra izy ireo? (2 Mpanj. 19:1, 2; Ohab. 3:5, 6; Heb. 10:24, 25; Jak. 5:14, 15)

    2. Inona ireo lafin-javatra telo nihatra tamin’i Sankeriba Mpanjaka, ary mifanitsy amin’iza izy ao amin’ny faminaniana? (2 Mpanj. 19:32, 35, 37; Apok. 20:2, 3)

  3. Vakio ny 2 Mpanjaka 21:1-6, 16.

    Nahoana i Manase no lazaina fa anisan’ny mpanjaka ratsy indrindra tany Jerosalema? (2 Tant. 33:4-6, 9)

Tantara 73

Ny Mpanjaka Tsara Farany teo Amin’ny Israely

  1. Firy taona i Josia tamin’izy lasa mpanjaka, ary nanomboka nanao inona izy rehefa avy nanjaka fito taona?

  2. Inona no ataon’i Josia eo amin’ny sary voalohany?

  3. Inona no hitan’ny mpisoronabe rehefa namboarina ny tempoly?

  4. Nahoana i Josia no nandrovitra ny akanjony?

  5. Inona no hafatra nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Holda mpaminany vavy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 2 Tantara 34:1-28.

    1. Inona no modely navelan’i Josia ho an’ireo niatrika toe-javatra sarotra tamin’ny fahazazany? (2 Tant. 33:21-25; 34:1, 2; Sal. 27:10)

    2. Inona avy ireo dingana lehibe nataon’i Josia mba hampandrosoana ny fivavahana marina, tamin’ny taona faha-8 sy faha-12 ary faha-18 nanjakany? (2 Tant. 34:3, 8)

    3. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nomen’i Josia Mpanjaka sy Hilkia Mpisoronabe, momba ny fikojakojana ny toeram-pivavahantsika? (2 Tant. 34:9-13; Ohab. 11:14; 1 Kor. 10:31)

Tantara 74

Lehilahy Iray Tsy Natahotra

  1. Iza ilay tovolahy eo amin’ny sary?

  2. Inona no noeritreretin’i Jeremia rehefa notendrena ho mpaminany izy, nefa inona no nolazain’i Jehovah taminy?

  3. Inona foana no hafatra nolazain’i Jeremia tamin’ny olona?

  4. Inona no nataon’ny mpisorona mba hisakanana an’i Jeremia tsy haminany? Ahoana anefa no nampisehoany fa tsy natahotra mihitsy izy?

  5. Inona no nitranga, rehefa tsy nanova ny lalan-dratsiny ny Israelita?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Jeremia 1:1-8.

    1. Inona no mahatonga ny olona iray ho ampy fahaizana amin’ny fanompoana an’i Jehovah, araka ny hita tamin’i Jeremia? (2 Kor. 3:5, 6)

    2. Mampirisika ny tanora kristianina ankehitriny hanao inona ny modely nomen’i Jeremia? (Mpit. 12:1; 1 Tim. 4:12)

  2. Vakio ny Jeremia 10:1-5.

    Inona no fanoharana nampiasain’i Jeremia, mba hampisehoana fa very maina ny fianteherana amin’ny sampy? (Jer. 10:5; Isaia 46:7; Hab. 2:19)

  3. Vakio ny Jeremia 26:1-16.

    1. Nomen’i Jehovah baiko i Jeremia mba ‘tsy hamela na dia teny iray akory aza.’ Ahoana no anarahan’ny sisa voahosotra an’io baiko io ankehitriny, rehefa mampita ny hafatra fampitandremana izy ireo? (Jer. 26:2; Deot. 4:2; Asa. 20:27)

    2. Nahoana no tsara hotahafin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny i Jeremia, rehefa manambara ny fampitandreman’i Jehovah amin’ny firenena izy ireo? (Jer. 26:8, 12, 14, 15; 2 Tim. 4:1-5)

  4. Vakio ny 2 Mpanjaka 24:1-17.

    Inona no nanjo ny Joda, noho izy ireo nivadika tamin’i Jehovah? (2 Mpanj. 24:2-4, 14)

Tantara 75

Zazalahy Efatra Tany Babylona

  1. Iza avy ireo zazalahy efatra eo amin’ny sary, ary ahoana no nahatonga azy ireo tany Babylona?

  2. Inona no tian’i Nebokadnezara hatao amin’izy efa-dahy, ary inona no baiko nomeny ny mpanompony?

  3. Inona no sakafo sy zava-pisotro nangatahin’i Daniela ho azy efa-dahy?

  4. Nihinana legioma nandritra ny folo andro i Daniela sy ny namany telo lahy. Nanao ahoana izy ireo tamin’izay, raha nampitahaina tamin’ny zatovolahy hafa?

  5. Ahoana no nahatonga an’i Daniela sy ny namany telo lahy ho tao an-dapan’ny mpanjaka? Tamin’ny lafiny inona izy ireo no nanan-tombo noho ny mpisorona sy ny olon-kendry?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Daniela 1:1-21.

    1. Tokony hiezaka hanao inona isika, raha irintsika ny hanohitra fakam-panahy sy handresy fahalemena? (Dan. 1:8; Gen. 39:7, 10; Gal. 6:9)

    2. Ahoana no mety hahatonga ny tanora ankehitriny halaim-panahy, na hoteren’ny hafa hanaram-po amin’izay mety hoheverin’ny olona sasany fa ‘hanina’ tsara? (Dan. 1:8; Ohab. 20:1; 2 Kor. 6:17–7:1)

    3. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fianarana any an-tsekoly, rehefa avy namaky ny tantaran’ireo tanora hebreo efatra isika? (Dan. 1:20; Isaia 54:13; 1 Kor. 3:18-20)

Tantara 76

Noravana i Jerosalema

  1. Nanao ahoana i Jerosalema sy ireo Israelita eo amin’ny sary?

  2. Iza moa i Ezekiela, ary inona no zavatra nanafintohina nasehon’i Jehovah azy?

  3. Inona no nolazain’i Jehovah fa hataony amin’ny Israelita, noho izy ireo tsy nanaja Azy?

  4. Inona no nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka rehefa nikomy taminy ny Israelita?

  5. Nahoana no navelan’i Jehovah hitranga izany fandravana mahatsiravina izany?

  6. Nahoana no lasa tsy nisy mponina ny tanin’ny Israely, ary naharitra hafiriana izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 2 Mpanjaka 25:1-26.

    1. Iza moa i Zedekia, ary inona no nanjo azy? Inona no faminaniana ara-baiboly tanteraka tamin’izany? (2 Mpanj. 25:5-7; Ezek. 12:13-15)

    2. Iza no tanan’i Jehovah ho tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatokian’ny Israely? (2 Mpanj. 25:9, 11, 12, 18, 19; 2 Tant. 36:14, 17)

  2. Vakio ny Ezekiela 8:1-18.

    Inona no mampitovy ny Kristianisma Anarana sy ny Israelita mpivadi-pinoana izay nivavaka tamin’ny masoandro? (Ezek. 8:16; Isaia 5:20, 21; Jaona 3:19-21; 2 Tim. 4:3)

Tantara 77

Tsy Niankohoka Izy Ireo

  1. Inona no didy navoakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona?

  2. Nahoana ireo naman’i Daniela telo lahy no tsy nety niankohoka tamin’ilay sariolona volamena?

  3. Mbola nasain’i Nebokadnezara niankohoka indray ireo Hebreo telo lahy. Ahoana anefa no nampisehoan’izy ireo ny fitokisany tamin’i Jehovah?

  4. Nasain’i Nebokadnezara natao ahoana i Sadraka sy Mesaka ary Abednego?

  5. Inona no hitan’i Nebokadnezara, rehefa nijery tao anaty lafaoro izy?

  6. Nahoana ny mpanjaka no nidera ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego? Inona no ohatra navelan’izy ireo ho antsika?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Daniela 3:1-30.

    1. Inona no fihetsika nasehon’ireo Hebreo telo lahy, izay tokony hotahafin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, rehefa tsapaina ny tsy fivadihan’izy ireo? (Dan. 3:17, 18; Matio 10:28; Rom. 14:7, 8)

    2. Inona no lesona lehibe nampianarin’i Jehovah Andriamanitra an’i Nebokadnezara? (Dan. 3:28, 29; 4:31, 32)

Tantara 78

Sora-tanana teo Amin’ny Rindrina

  1. Inona no nitranga nandritra ny fanasana lehibe nataon’ny mpanjakan’i Babylona, izay nampiasana ny kapoaka sy ny fanaka avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema?

  2. Inona no nolazain’i Belsazara tamin’ny olon-kendriny, kanefa inona no tsy vitan’izy ireo?

  3. Inona no nasain’ny renin’ny mpanjaka nataony?

  4. Nahoana Andriamanitra no nandefa ilay tanana hanoratra teo amin’ny rindrina, araka ny nohazavain’i Daniela tamin’ny mpanjaka?

  5. Ahoana no nanazavan’i Daniela ny dikan’ilay soratra teo amin’ny rindrina?

  6. Inona no nitranga raha mbola niteny i Daniela?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Daniela 5:1–6:1.

    1. Inona no tsy mampitovy ny tahotra an’Andriamanitra sy ny tahotr’i Belsazara, rehefa nahita an’ilay soratra teo amin’ny rindrina izy? (Dan. 5:6, 7; Sal. 19:9; Rom. 8:35-39)

    2. Tena nampiseho herim-po i Daniela, rehefa niresaka tamin’i Belsazara sy ny mpanolo-tsainy. Hazavao. (Dan. 5:17, 18, 22, 26-28; Asa. 4:29)

    3. Antitranterina ao amin’ny Daniela toko faha-5 fa i Jehovah no manana ny zo hitondra izao rehetra izao. Hazavao. (Dan. 4:14, 22; 5:21)

Tantara 79

Daniela tao An-davaky ny Liona

  1. Iza moa i Dariosy, ary ahoana no fiheverany an’i Daniela?

  2. Inona no nasain’ireo lehilahy be fialonana nataon’i Dariosy?

  3. Inona no nataon’i Daniela, rehefa fantany ny momba ilay lalàna vaovao?

  4. Inona no nahavery hevitra an’i Dariosy ka tsy nahitany tory, ary inona no nataony ny ampitso maraina?

  5. Inona no valin-teny nomen’i Daniela an’i Dariosy?

  6. Inona no nanjo an’ireo lehilahy ratsy fanahy nikasa hamono an’i Daniela, ary inona no nosoratan’i Dariosy ho an’ny vahoaka rehetra tao amin’ny fanjakany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Daniela 6:2-29.

    1. Mampahatsiahy antsika izay nataon’ny mpanohitra, mba hampijanonana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ireo tetika natao hamonoana an’i Daniela. Hazavao. (Dan. 6:8; Sal. 94:20; Isaia 10:1; Rom. 8:31)

    2. Ahoana no anahafan’ny mpanompon’Andriamanitra an’i Daniela, rehefa manaiky hatrany ny “manam-pahefana”? (Dan. 6:6, 11; Rom. 13:1; Asa. 5:29)

    3. Ahoana no anahafantsika an’i Daniela, mba hanompoana an’i Jehovah “mandrakariva”? (Dan. 6:17, 21; Fil. 3:16; Apok. 7:15)

Tantara 80

Mandao An’i Babylona ny Vahoakan’Andriamanitra

  1. Inona no ataon’ny Israelita eo amin’ny sary?

  2. Ahoana no nanatanterahan’i Kyrosy ny faminaniana nampanoratin’i Jehovah an’i Isaia?

  3. Inona no nolazain’i Kyrosy tamin’ireo Israelita tsy afaka niverina tany Jerosalema?

  4. Inona no nomen’i Kyrosy ny vahoaka, mba hoentina miverina any Jerosalema?

  5. Naharitra hafiriana ny dian’ny Israelita hatrany Jerosalema?

  6. Foana nandritra ny firy taona ilay tany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Isaia 44:28 sy 45:1-4.

    1. Ahoana no nanantitranteran’i Jehovah fa tena ho tanteraka ilay faminaniana momba an’i Kyrosy? (Isaia 55:10, 11; Rom. 4:17)

    2. Ahoana no ampisehoan’ny faminanian’i Isaia momba an’i Kyrosy, fa mahay milaza mialoha ny hoavy Jehovah Andriamanitra? (Isaia 42:9; 45:21; 46:10, 11; 2 Pet. 1:20)

  2. Vakio ny Ezra 1:1-11.

    Ahoana no ‘hampaherezantsika ny tanan’ireo’ afaka manao fanompoana manontolo andro, ho fanahafana ny ohatra nomen’ireo tsy afaka niverina tany Jerosalema? (Ezra 1:4, 6; Rom. 12:13; Kol. 4:12)

Tantara 81

Mitoky Amin’ny Fanampian’Andriamanitra

  1. Firy ny isan’ny olona niala tany Babylona nankany Jerosalema, nefa inona no hitan’izy ireo rehefa tonga tany?

  2. Nanomboka nanorina inona ny Israelita taorian’ny nahatongavany, kanefa inona no nataon’ny fahavalo?

  3. Iza moa i Hagay sy Zakaria, ary inona no nolazain’izy ireo tamin’ny vahoaka?

  4. Nahoana i Tatenay no nandefa taratasy tany Babylona, ary inona no valin-teny azony?

  5. Inona no nataon’i Ezra, rehefa fantany fa mila hatsaraina ny tempolin’Andriamanitra?

  6. Inona no nangatahin’i Ezra tamin’ny vavaka eo amin’ny sary, ary inona no valim-bavaka azony? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Ezra 3:1-13.

    Inona foana no tokony hataontsika, na dia any amin’ny toerana tsy misy fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra aza? (Ezra 3:3, 6; Asa. 17:16, 17; Heb. 13:15)

  2. Vakio ny Ezra 4:1-7.

    Inona no ohatra nomen’i Zerobabela ho an’ny vahoakan’i Jehovah momba ny firaisam-pinoana? (Eks. 34:12; 1 Kor. 15:33; 2 Kor. 6:14-17)

  3. Vakio ny Ezra 5:1-5, 17 sy 6:1-22.

    1. Nahoana ny mpanohitra no tsy afaka nampijanona ny fanorenana ny tempoly? (Ezra 5:5; Isaia 54:17)

    2. Nahoana ny zavatra nataon’ny anti-panahy jiosy no mandrisika ny anti-panahy kristianina hitady ny tari-dalan’i Jehovah, rehefa miatrika fanenjehana izy ireo? (Ezra 6:14; Sal. 32:8; Rom. 8:31; Jak. 1:5)

  4. Vakio ny Ezra 8:21-23, 28-36.

    Inona no tokony hataontsika alohan’ny hanaovan-javatra, araka ny ohatra nomen’i Ezra? (Ezra 8:23; Sal. 127:1; Ohab. 10:22; Jak. 4:13-15)

Tantara 82

Mordekay sy Estera

  1. Iza moa i Mordekay sy Estera?

  2. Nahoana i Ahasoerosy Mpanjaka no nitady vady hafa, ary iza no nofidiny?

  3. Iza moa i Hamana, ary nahoana izy no tezitra be?

  4. Inona ilay lalàna natao, ary inona no nataon’i Estera, rehefa naharay ny hafatra avy tany amin’i Mordekay izy?

  5. Inona no nanjo an’i Hamana, ary natao ahoana i Mordekay?

  6. Ahoana no namonjena ny Israelita tamin’ny fahavalony?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Estera 2:12-18.

    Ahoana no nampisehoan’i Estera fa zava-dehibe ny “toetra tony sy malemy paika”? (Est. 2:15; 1 Pet. 3:1-5)

  2. Vakio ny Estera 4:1-17.

    Afaka nampandroso ny fivavahana marina i Estera. Ahoana koa no ahafahantsika mampiseho fa tia sy tsy mivadika amin’i Jehovah isika? (Est. 4:13, 14; Matio 5:14-16; 24:14)

  3. Vakio ny Estera 7:1-6.

    Maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra no sahy nanao zavatra toa an’i Estera, na dia mety hiteraka fanenjehana aza izany. Hazavao. (Est. 7:4; Matio 10:16-22; 1 Pet. 2:12)

Tantara 83

Ny Mandan’i Jerosalema

  1. Inona no tsapan’ny Israelita, rehefa tsy nisy manda nanodidina ny tanànan’i Jerosalema?

  2. Iza moa i Nehemia?

  3. Inona no asan’i Nehemia, ary nahoana izany no andraikitra lehibe?

  4. Inona no vaovao nampalahelo an’i Nehemia, ary inona no nataony?

  5. Ahoana no nanehoan’i Artaksersesy Mpanjaka hatsaram-panahy tamin’i Nehemia?

  6. Ahoana no nandaminan’i Nehemia ny asa fanorenana, mba tsy ho afaka hampijanona azy io ny fahavalon’ny Israelita?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Nehemia 1:4-6 sy 2:1-20.

    Inona no nataon’i Nehemia mba hahazoana ny tari-dalan’i Jehovah? (Neh. 2:4, 5; Rom. 12:12; 1 Pet. 4:7)

  2. Vakio ny Nehemia 3:3-5.

    Tsy nitovy ny Tekoita sy “ny olona ambonimbony” teo aminy. Inona no ianaran’ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana avy amin’izany? (Neh. 3:5, 27; 2 Tes. 3:7-10; 1 Pet. 5:5)

  3. Vakio ny Nehemia 3:33–4:17.

    1. Inona no nanosika ny Israelita hanohy ny fanorenana, na dia mafy aza ny fanenjehana? (Neh. 3:38; 4:2, 3; Sal. 50:15; Isaia 65:13, 14)

    2. Nahoana no mampahery antsika ny modely navelan’ny Israelita?

  4. Vakio ny Nehemia 6:15.

    Manao ahoana ny herin’ny finoana, rehefa jerena ny fahavitan’ny mandan’i Jerosalema tao anatin’ny roa volana? (Sal. 56:3, 4; Matio 17:20; 19:26)

Tantara 84

Nitsidika An’i Maria ny Anjely Iray

  1. Iza ilay vehivavy eo amin’ny sary?

  2. Inona no nolazain’i Gabriela tamin’i Maria?

  3. Ahoana no nanazavan’i Gabriela tamin’i Maria fa hanan-janaka izy, na dia mbola tsy niara-nipetraka tamin-dehilahy aza?

  4. Inona no nitranga, rehefa nitsidika an’i Elizabeta havany i Maria?

  5. Inona no noeritreretin’i Josefa rehefa fantany fa hanan-janaka tsy ho ela i Maria? Nahoana anefa izy no niova hevitra?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Lioka 1:26-56.

    1. Rehefa nafindra avy tany an-danitra ny ain’ilay Zanak’Andriamanitra, nandova tsy fahalavorariana avy tamin’ny tsirivavy tao an-kibon’i Maria ve izy, araka ny Lioka 1:35? (Hagay 2:11-13; Jaona 6:69; Heb. 7:26; 10:5)

    2. Nomem-boninahitra i Jesosy na dia mbola tsy teraka aza. Hazavao. (Lioka 1:41-43)

    3. Inona no ohatra tsara nomen’i Maria ho an’ny Kristianina ankehitriny, rehefa mahazo tombontsoam-panompoana manokana izy ireo? (Lioka 1:38, 46-49; 17:10; Ohab. 11:2)

  2. Vakio ny Matio 1:18-25.

    Na dia tsy Imanoela aza no anarana niantsoana an’i Jesosy, ahoana no nanatanterahany ny dikan’io anarana io rehefa tonga olombelona izy? (Matio 1:22, 23; Jaona 14:8-10; Heb. 1:1-3)

Tantara 85

Teraka tao An-tranon’omby i Jesosy

  1. Iza ilay zazakely eo amin’ny sary, ary taiza izy no nampandrian’i Maria?

  2. Nahoana i Jesosy no teraka tao an-tranon’omby?

  3. Iza ireo lehilahy miditra ny tranon’omby eo amin’ny sary, ary inona no nolazain’ny anjely tamin’izy ireo?

  4. Inona no antony mampiavaka an’i Jesosy?

  5. Nahoana i Jesosy no azo antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Lioka 2:1-20.

    1. Inona no anjara asan’i Aogosto Kaisara, tamin’ny fanatanterahana ny faminaniana momba ny fahaterahan’i Jesosy? (Lioka 2:1-4; Mika 5:1)

    2. Inona no tokony hataon’ny olona iray, raha tiany ny ho anisan’ny ‘olona ankasitrahan’Andriamanitra’? (Lioka 2:14; Matio 16:24; Jaona 17:3; Asa. 3:19; Heb. 11:6)

    3. Faly ireo mpiandry ondry jodianina, rehefa teraka ny Mpamonjy. Inona anefa no antony lehibe kokoa tokony hifalian’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny? (Lioka 2:10, 11; Efes. 3:8, 9; Apok. 11:15; 14:6)

Tantara 86

Lehilahy Notarihin’ny Kintana Iray

  1. Iza ireo lehilahy eo amin’ny sary, ary nahoana ny iray amin’izy ireo no manondro kintana mazava?

  2. Nahoana i Heroda no nitebiteby, ary inona no nataony?

  3. Notarihin’ilay kintana mazava taiza ireo lehilahy ireo? Nahoana anefa izy ireo no nandeha lalan-kafa rehefa nody tany aminy?

  4. Inona no baiko nomen’i Heroda, ary nahoana?

  5. Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Josefa?

  6. Iza no nahatonga an’ilay kintana vaovao hamirapiratra, ary nahoana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 2:1-23.

    Firy taona i Jesosy tamin’ireo mpanandro tonga nitsidika azy, ary taiza izy no nipetraka? (Matio 2:1, 11, 16)

Tantara 87

Jesosy Zaza tao Amin’ny Tempoly

  1. Firy taona i Jesosy eo amin’ny sary, ary taiza izy?

  2. Entin’i Josefa manao inona ny fianakaviany isan-taona?

  3. Nahoana i Josefa sy Maria no niverina tany Jerosalema, rehefa avy nandeha iray andro?

  4. Taiza no nahitan’i Josefa sy Maria an’i Jesosy, ary nahoana ny olona tao no talanjona?

  5. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’i Maria reniny?

  6. Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy eo amin’ny fianarana momba an’Andriamanitra?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Lioka 2:41-52.

    1. Na dia ny lehilahy ihany aza no nodidian’ny Lalàna hanatrika ny fety fanao isan-taona, inona no ohatra tsara nomen’i Josefa sy Maria ho an’ny ray aman-dreny ankehitriny? (Lioka 2:41; Deot. 16:16; 31:12; Ohab. 22:6)

    2. Inona no ohatra tsara navelan’i Jesosy, mba hampirisihana ny tanora hankatò ny ray aman-dreniny? (Lioka 2:51; Deot. 5:16; Ohab. 23:22; Kol. 3:20)

  2. Vakio ny Matio 13:53-56.

    Iza ireo efatra mirahalahy iray tam-po tamin’i Jesosy voatonona ao amin’ny Baiboly? Ary inona no andraikitry ny roa taminy, teo anivon’ny fiangonana kristianina? (Matio 13:55; Asa. 12:17; 15:6, 13; 21:18; Gal. 1:19; Jak. 1:1; Joda 1)

Tantara 88

Nanao Batisa An’i Jesosy i Jaona

  1. Iza avy ireo lehilahy roa eo amin’ny sary?

  2. Ahoana no fomba fanaovana batisa?

  3. Olona nanao ahoana matetika no nataon’i Jaona batisa?

  4. Inona no antony manokana nangatahan’i Jesosy an’i Jaona hanao batisa azy?

  5. Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra ny hafaliany, rehefa natao batisa i Jesosy?

  6. Inona no nitranga rehefa nankany amin’ny toerana nitokana nandritra ny 40 andro i Jesosy?

  7. Iza no anaran’ny sasany tamin’ny mpanara-dia, na mpianatr’i Jesosy voalohany, ary inona no fahagagana nataony voalohany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 3:13-17.

    Inona no modely nomen’i Jesosy ho an’ny mpianany? (Sal. 40:7, 8; Matio 28:19, 20; Lioka 3:21, 22)

  2. Vakio ny Matio 4:1-11.

    Nahoana no mandrisika antsika hianatra Baiboly tsy tapaka, ny fahaizan’i Jesosy nampiasa ny Soratra Masina? (Matio 4:5-7; 2 Pet. 3:17, 18; 1 Jaona 4:1)

  3. Vakio ny Jaona 1:29-51.

    Nasain’i Jaona Mpanao Batisa nanara-dia an’iza ny mpianany, ary ahoana no hanahafantsika azy? (Jaona 1:29, 35, 36; 3:30; Matio 23:10)

  4. Vakio ny Jaona 2:1-12.

    Asehon’ny fahagagana nataon’i Jesosy voalohany, fa manome zava-tsoa ho an’ny mpanompony i Jehovah. Hazavao. (Jaona 2:9, 10; Sal. 84:11; Jak. 1:17)

Tantara 89

Manadio ny Tempoly i Jesosy

  1. Inona no antony nivarotana biby tao amin’ny tempoly?

  2. Inona no nahatezitra an’i Jesosy?

  3. Inona no ataon’i Jesosy eo amin’ny sary? Ary nobaikoiny hanao inona ireo lehilahy nivarotra voromailala?

  4. Inona no tsaroan’ny mpianatr’i Jesosy, rehefa nahita ny zavatra nataony izy ireo?

  5. Taiza ny distrika nolalovan’i Jesosy tamin’izy niverina ho any Galilia?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Jaona 2:13-25.

    Tezitra be tamin’ny mpanakalo vola tao amin’ny tempoly i Jesosy. Araka izany, ahoana no tokony hiheverana ny fanaovana raharaham-barotra ao amin’ny Efitrano Fanjakana? (Jaona 2:15, 16; 1 Kor. 10:24, 31-33)

Tantara 90

Niaraka Tamin’ilay Vehivavy teo Amin’ny Fantsakana

  1. Nahoana i Jesosy no nijanona teo akaikin’ny fantsakana iray tany Samaria, ary inona no nolazainy tamin’ny vehivavy iray teo?

  2. Nahoana ilay vehivavy no gaga? Inona no noresahin’i Jesosy taminy, ary nahoana?

  3. Noheverin’ilay vehivavy fa niresaka rano inona i Jesosy? Inona anefa ilay rano tiany holazaina?

  4. Nahoana no nahagaga an’ilay vehivavy ny zavatra fantatr’i Jesosy momba azy? Ahoana no nahaizan’i Jesosy izany?

  5. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fitantarana momba ilay vehivavy teo am-pantsakana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Jaona 4:5-43.

    1. Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona tsy mitovy volon-koditra na saranga amintsika, araka ny ohatra navelan’i Jesosy? (Jaona 4:9; 1 Kor. 9:22; 1 Tim. 2:3, 4; Tit. 2:11)

    2. Inona no soa raisin’ny olona, rehefa lasa mpianatr’i Jesosy izy? (Jaona 4:14; Isaia 58:11; 2 Kor. 4:16)

    3. Ahoana no anehoantsika fankasitrahana, toy ilay vehivavy samaritanina izay may ny hilaza ny zavatra reny tamin’ny hafa? (Jaona 4:7, 28; Matio 6:33; Lioka 10:40-42)

Tantara 91

Mampianatra eo An-tendrombohitra i Jesosy

  1. Taiza i Jesosy no nampianatra, araka ny hita eo amin’ny sary, ary iza ireo mipetraka eo akaikiny?

  2. Iza avy no anaran’ny apostoly 12?

  3. Inona ilay Fanjakana notorin’i Jesosy?

  4. Nampianarin’i Jesosy hivavaka momba ny inona ny olona?

  5. Ahoana no tokony hifampitondran’ny olona, araka ny tenin’i Jesosy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 5:1-12.

    Ahoana no azontsika ampisehoana fa tsapantsika hoe mila an’Andriamanitra isika? (Matio 5:3; Rom. 10:13-15; 1 Tim. 4:13, 15, 16)

  2. Vakio ny Matio 5:21-26.

    Ahoana no anantitranteran’ny Matio 5:23, 24, fa misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika? (Matio 6:14, 15; Sal. 133:1; Kol. 3:13; 1 Jaona 4:20)

  3. Vakio ny Matio 6:1-8.

    Tsy tokony hihevi-tena ho marina ny Kristianina, nefa ahoana no mety hisehoan’izany? (Lioka 18:11, 12; 1 Kor. 4:6, 7; 2 Kor. 9:7)

  4. Vakio ny Matio 6:25-34.

    Inona no nampianarin’i Jesosy, mba hanampiana antsika hatoky fa hokarakarain’i Jehovah izay ilaintsika andavanandro? (Eks. 16:4; Sal. 37:25; Fil. 4:6)

  5. Vakio ny Matio 7:1-11.

    Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana mazava tsara ao amin’ny Matio 7:5? (Ohab. 26:12; Rom. 2:1; 14:10; Jak. 4:11, 12)

Tantara 92

Manangana ny Maty i Jesosy

  1. Iza no rain’ilay zazavavy eo amin’ny sary? Nahoana izy sy ny vadiny no nanahy mafy?

  2. Inona no nataon’i Jairo rehefa nahita an’i Jesosy izy?

  3. Inona no nitranga rehefa nankany an-tranon’i Jairo i Jesosy, ary inona no nolazaina tamin’i Jairo teny an-dalana?

  4. Nahoana ny olona tao an-tranon’i Jairo no nihomehy an’i Jesosy?

  5. Nentin’i Jesosy tao amin’ny efitra nisy ilay zazavavy ny ray aman-dreniny sy ny apostoly telo. Inona no nataon’i Jesosy taorian’izay?

  6. Iza koa no natsangan’i Jesosy tamin’ny maty, ary inona no asehon’izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Lioka 8:40-56.

    Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy nandeha ra, fa be fangoraham-po sy nahay nandanjalanja izy? Inona no ianaran’ny anti-panahy kristianina avy amin’izany? (Lioka 8:43, 44, 47, 48; Lev. 15:25-27; Matio 9:12, 13; Kol. 3:12-14)

  2. Vakio ny Lioka 7:11-17.

    Nahoana ny tenin’i Jesosy tamin’ilay mpitondratena tany Naina no tena mampionona an’ireo namoy havan-tiana? (Lioka 7:13; 2 Kor. 1:3, 4; Heb. 4:15)

  3. Vakio ny Jaona 11:17-44.

    Ahoana no nampisehoan’i Jesosy, fa ara-dalàna ny mitomany rehefa misy havan-tiana maty? (Jaona 11:33-36, 38; 2 Sam. 19:1-5)

Tantara 93

Namahana Olona Maro i Jesosy

  1. Inona no zava-doza nanjo an’i Jaona Mpanao Batisa, ary nanao ahoana i Jesosy rehefa nandre izany?

  2. Ahoana no namahanan’i Jesosy an’ireo vahoaka nanaraka azy, ary nanao ahoana ny habetsahan’ny ambin-tsakafo?

  3. Inona no nampatahotra ny mpianatra nandritra ny alina, ary inona no nanjo an’i Petera?

  4. Ahoana indray no namahanan’i Jesosy olona an’arivony?

  5. Nahoana isika no afaka milaza fa tena hahafinaritra ny fiainana, rehefa ho lasa Mpanjakan’ny tany i Jesosy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 14:1-32.

    1. Inona no toetran’i Petera asongadin’ilay fitantarana ao amin’ny Matio 14:23-32?

    2. Inona no fitantarana ara-baiboly mampiseho fa nihamatotra i Petera, ary lasa tsy taitaitra intsony? (Matio 14:27-30; Jaona 18:10; 21:7; Asa. 2:14, 37-40; 1 Pet. 5:6, 10)

  2. Vakio ny Matio 15:29-38.

    Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanaja ny zavatra nomen-drainy izy? (Matio 15:37; Jaona 6:12; Kol. 3:15)

  3. Vakio ny Jaona 6:1-21.

    Ahoana no hanahafan’ny Kristianina an’i Jesosy eo amin’ny fifandraisana amin’ny fitondram-panjakana? (Jaona 6:15; Matio 22:21; Rom. 12:2; 13:1-4)

Tantara 94

Tia ny Ankizy Kely Izy

  1. Niady hevitra ny amin’ny inona ny apostoly teny an-dalana, rehefa avy nanao dia lavitra?

  2. Nahoana i Jesosy no niantso zazalahy kely sy nampijoro azy teo afovoan’ny apostoly?

  3. Ahoana no tokony hanahafan’ny apostoly ny ankizy?

  4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, fa tiany ny ankizy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 18:1-4.

    Nahoana i Jesosy no nampiasa fanoharana rehefa nampianatra? (Matio 13:34, 36; Marka 4:33, 34)

  2. Vakio ny Matio 19:13-15.

    Inona no toetran’ny ankizy tokony hotahafintsika, raha tiantsika ny hahazo ny fitahian’ilay Fanjakana? (Sal. 25:9; 138:6; 1 Kor. 14:20)

  3. Vakio ny Marka 9:33-37.

    Inona no nampianarin’i Jesosy ny mpianany mahakasika ny fitadiavana toerana ambony? (Marka 9:35; Matio 20:25, 26; Gal. 6:3; Fil. 2:5-8)

  4. Vakio ny Marka 10:13-16.

    Ahoana no ahitana fa mora hatonina i Jesosy? Inona no azon’ny anti-panahy kristianina ianarana avy amin’izany? (Marka 6:30-34; Fil. 2:1-4; 1 Tim. 4:12)

Tantara 95

Ny Fomba Fampianatr’i Jesosy

  1. Inona no nanontanian’ny lehilahy iray an’i Jesosy, ary nahoana?

  2. Inona indraindray no nampiasain’i Jesosy rehefa nampianatra, ary inona no efa fantatsika momba ny Jiosy sy ny Samaritanina?

  3. Inona no nanjo an’ilay Jiosy teny an-dalana ho any Jeriko, araka ny nolazain’i Jesosy tao amin’ilay tantara?

  4. Inona no nataon’ilay mpisorona jiosy sy ilay Levita, rehefa nandalo tamin’io lalana io izy?

  5. Iza no nanampy an’ilay Jiosy naratra, araka ny hita eo amin’ny sary?

  6. Inona no nanontanian’i Jesosy an’ilay lehilahy rehefa vita ilay tantara, ary inona no navaliny?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Lioka 10:25-37.

    1. Tsy namaly mivantana ny fanontanian’ny lehilahy iray nahay Lalàna i Jesosy, fa nanampy azy hisaintsaina. Ahoana no nanaovany izany? (Lioka 10:26; Matio 16:13-16)

    2. Nahoana i Jesosy no nampiasa fanoharana, mba hanampiana ny mpihaino azy tsy hanavakavaka? (Lioka 10:36, 37; 18:9-14; Tit. 1:9)

Tantara 96

Nanasitrana ny Marary i Jesosy

  1. Inona no nataon’i Jesosy tamin’izy nitety an’ilay tany?

  2. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny, telo taona taorian’ny batisany?

  3. Iza ireo olona eo amin’ny sary, ary nataon’i Jesosy ahoana ilay vehivavy?

  4. Nahoana ireo mpitondra fivavahana no menatra tamin’ny fomba namalian’i Jesosy ny fanoheran’izy ireo?

  5. Nataon’i Jesosy ahoana ireo mpangataka roa jamba, tamin’izy sy ny apostoliny tany akaikin’i Jeriko?

  6. Nahoana i Jesosy no nanao fahagagana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 15:30, 31.

    Inona no fomba mahatalanjona nampisehoan’i Jehovah ny heriny tamin’ny alalan’i Jesosy? Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny finoantsika ny fampanantenan’i Jehovah momba ny tontolo vaovao? (Sal. 37:29; Isaia 33:24)

  2. Vakio ny Lioka 13:10-17.

    Koa satria tamin’ny Sabata no nanaovan’i Jesosy ny sasany tamin’ireo fahagagana niavaka indrindra, fanamaivanana manao ahoana no hoentiny ho an’ny olombelona, mandritra ny Fanjakany Arivo Taona? (Lioka 13:10-13; Sal. 46:9; Matio 12:8; Kol. 2:16, 17; Apok. 21:1-4)

  3. Vakio ny Matio 20:29-34.

    Nahita fotoana hanampiana olona foana i Jesosy, na dia be atao aza. Ahoana no ahitantsika izany eo amin’io fitantarana io, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Deot. 15:7; Jak. 2:15, 16; 1 Jaona 3:17)

Tantara 97

Tonga Amin’ny Maha Mpanjaka i Jesosy

  1. Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany, tamin’izy tonga tao amin’ny tanàna kely iray tany akaikin’i Jerosalema?

  2. Inona no nitranga rehefa tonga tany akaikin’i Jerosalema i Jesosy, araka ny hita eo amin’ny sary?

  3. Inona no nataon’ny ankizy kely, rehefa nahita an’i Jesosy nanasitrana ny jamba sy ny mandringa izy ireo?

  4. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpisorona, rehefa tezitra izy ireo?

  5. Ahoana no hanahafantsika an’ireo ankizy nidera an’i Jesosy?

  6. Inona no tian’ny mpianatra ho fantatra?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 21:1-17.

    1. Inona no tsy nampitovy ny fidiran’i Jesosy Mpanjaka tany Jerosalema, sy ny an’ireo jeneraly nahazo fandresena, tamin’ny andron’ny Romanina? (Matio 21:4, 5; Zak. 9:9; Fil. 2:5-8; Kol. 2:15)

    2. Nanonona andinin-teny avy tao amin’ny Salamo 118 ireo zazalahy israelita, rehefa niditra ny tempoly i Jesosy. Inona no ianaran’ny tanora avy amin’izany? (Matio 21:9, 15; Sal. 118:25, 26; 2 Tim. 3:15; 2 Pet. 3:18)

  2. Vakio ny Jaona 12:12-16.

    Nampiasa palmie ireo olona nihoby an’i Jesosy. Inona no dikan’izany? (Jaona 12:13; Fil. 2:10; Apok. 7:9, 10)

Tantara 98

Teo Amin’ny Tendrombohitra Oliva

  1. Aiza i Jesosy eo amin’ny sary, ary iza ireo olona miaraka aminy?

  2. Notadiavin’ny mpisorona hatao inona i Jesosy tao amin’ny tempoly, ary inona no nolazainy tamin’izy ireo?

  3. Inona no nanontanian’ny apostoly an’i Jesosy?

  4. Nahoana i Jesosy no nilaza tamin’ny apostoliny ny zavatra sasany hitranga eto an-tany, rehefa ho lasa Mpanjaka any an-danitra izy?

  5. Inona no nolazain’i Jesosy fa hitranga, alohan’ny hamaranany ny faharatsiana eto an-tany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 23:1-39.

    1. Asehon’ny Baiboly fa mety ny mampiasa anaram-boninahitra tsy ara-pivavahana. Inona anefa no asehon’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 23:8-11 momba ny fampiasana anaram-boninahitra, eo anivon’ny fiangonana kristianina? (Asa. 26:25; Rom. 13:7; 1 Pet. 2:13, 14)

    2. Inona no nataon’ny Fariseo, mba hisakanana ny olona tsy ho tonga Kristianina, ary inona no zavatra mitovy amin’izany ataon’ny mpitondra fivavahana ankehitriny? (Matio 23:13; Lioka 11:52; Jaona 9:22; 12:42; 1 Tes. 2:16)

  2. Vakio ny Matio 24:1-14.

    1. Nahoana no tena ilaina ny miaritra, araka ny Matio 24:13?

    2. Inona no dikan’ilay “farany” resahina ao amin’ny Matio 24:13? (Matio 16:27; Rom. 14:10-12; 2 Kor. 5:10)

  3. Vakio ny Marka 13:3-10.

    Ao amin’ny Marka 13:10, inona no teny mampiseho fa tena ilaina maika ny mitory ny vaovao tsara? Tokony hanosika antsika hanao inona ireo tenin’i Jesosy ireo? (Rom. 13:11, 12; 1 Kor. 7:29-31; 2 Tim. 4:2)

Tantara 99

Tao Amin’ny Efitra Ambony Rihana

  1. Nahoana i Jesosy sy ny apostoliny 12 no nivory tao amin’ny efitra malalaka iray ambony rihana, araka ny aseho eo amin’ny sary?

  2. Iza ilay lehilahy lasa nivoaka, ary hanao inona izy?

  3. Inona ilay sakafo manokana natombok’i Jesosy, taorian’ny sakafon’ny Paska?

  4. Inona ilay fisehoan-javatra notsarovan’ny Israelita isaky ny Paska? Inona kosa no hotsarovan’ny mpanara-dia an’i Jesosy amin’io sakafo manokana io?

  5. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, taorian’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo, ary inona no nataon’izy ireo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 26:14-30.

    1. Hazavao amin’ny alalan’ny Matio 26:15, fa ninia namadika an’i Jesosy i Jodasy.

    2. Inona ireo antony roa nahatonga an’i Jesosy handatsaka ny rany? (Matio 26:27, 28; Jer. 31:31-33; Efes. 1:7; Heb. 9:19, 20)

  2. Vakio ny Lioka 22:1-39.

    Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “Satana niditra tao amin’i Jodasy”? (Lioka 22:3; Jaona 13:2; Asa. 1:24, 25)

  3. Vakio ny Jaona 13:1-20.

    1. Tompon’andraikitra tamin’izay nataony ve i Jodasy, rehefa jerena ny Jaona 13:2? Inona no ianaran’ny mpanompon’Andriamanitra avy amin’izany? (Gen. 4:7; 2 Kor. 2:11; Gal. 6:1; Jak. 1:13, 14)

    2. Inona no ohatra lehibe nomen’i Jesosy? (Jaona 13:15; Matio 23:11; 1 Pet. 2:21)

  4. Vakio ny Jaona 17:1-26.

    Nivavaka i Jesosy mba ho “iray” ny mpanara-dia azy. Inona no dikan’izany? (Jaona 17:11, 21-23; Rom. 13:8; 14:19; Kol. 3:14)

Tantara 100

Jesosy tao An-jaridaina

  1. Taiza no nalehan’i Jesosy sy ny apostoliny, rehefa niala tao amin’ilay efitra ambony rihana izy ireo? Ary inona no nasain’i Jesosy nataon’izy ireo?

  2. Inona no hitan’i Jesosy, rehefa niverina teo amin’ny toerana nisy ny apostoly izy, ary impiry no nisehoan’izany??

  3. Iza no tonga tao amin’ilay zaridaina? Inona no nataon’i Jodasy Iskariota, araka ny hita eo amin’ny sary??

  4. Nahoana i Jodasy no nanoroka an’i Jesosy, ary inona no nataon’i Petera??

  5. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’i Petera? Nahoana anefa i Jesosy no tsy nangataka tamin’Andriamanitra mba handefa anjely??

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 26:36-56.

    1. Nahoana ny fomba nanomezan’i Jesosy torohevitra ny mpianany no ohatra tsara ho an’ny anti-panahy? (Matio 20:25-28; 26:40, 41; Gal. 5:17; Efes. 4:29, 31, 32)

    2. Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fampiasana fitaovam-piadiana mba hamelezana olon-kafa? (Matio 26:52; Lioka 6:27, 28; Jaona 18:36)

  2. Vakio ny Lioka 22:39-53.

    Lasa nalemy finoana ve i Jesosy, matoa tonga nampahery azy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane ny anjely iray? Hazavao. (Lioka 22:41-43; Isaia 49:8; Matio 4:10, 11; Heb. 5:7)

  3. Vakio ny Jaona 18:1-12.

    Ahoana no niarovan’i Jesosy ny mpianany tamin’ny mpanohitra azy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Jaona 10:11, 12; 18:1, 6-9; Heb. 13:6; Jak. 2:25)

Tantara 101

Novonoina i Jesosy

  1. Iza no tena tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’i Jesosy?

  2. Inona no nataon’ny apostoly, rehefa nosamborin’ny mpitondra fivavahana i Jesosy?

  3. Inona no nitranga tao an-tranon’i Kaiafa mpisoronabe?

  4. Nahoana i Petera no lasa nandeha sady nitomany?

  5. Inona no antsoantso nataon’ny lohan’ny mpisorona, rehefa naverina tany amin’i Pilato i Jesosy?

  6. Natao ahoana i Jesosy teo am-piandohan’ny zoma tolakandro, ary inona no nampanantenainy ny jiolahy iray nofantsihana teo akaikiny?

  7. Aiza no hisy ilay Paradisa noresahin’i Jesosy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 26:57-75.

    Ahoana no nampisehoan’ireo anisan’ny fitsarana avo jiosy fa ratsy fo izy ireo? (Matio 26:59, 67, 68)

  2. Vakio ny Matio 27:1-50.

    Nahoana isika no afaka milaza fa tsy tena nanenina i Jodasy? (Matio 27:3, 4; Marka 3:29; 14:21; 2 Kor. 7:10, 11)

  3. Vakio ny Lioka 22:54-71.

  4. Nanda an’i Jesosy i Petera tamin’ny alina namadihana sy nisamborana azy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Lioka 22:60-62; Matio 26:31-35; 1 Kor. 10:12)

  5. Vakio ny Lioka 23:1-49.

    Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy rehefa niharan’ny tsy rariny izy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Lioka 23:33, 34; Rom. 12:17-19; 1 Pet. 2:23)

  6. Vakio ny Jaona 18:12-40.

    Lasa apostoly niavaka i Petera, na dia resin’ny tahotra olona aza izy nandritra ny fotoana kelikely. Milaza inona amintsika izany? (Jaona 18:25-27; 1 Kor. 4:2; 1 Pet. 3:14, 15; 5:8, 9)

  7. Vakio ny Jaona 19:1-30.

    1. Inona no mampiseho fa nahay nandanjalanja i Jesosy teo amin’ny zavatra nilainy andavanandro? (Jaona 2:1, 2, 9, 10; 19:23, 24; Matio 6:31, 32; 8:20)

    2. Nahoana ny tenin’i Jesosy teo am-pialana aina no nampiharihary fa nandresy izy, satria nanohana ny zon’i Jehovah hitondra? (Jaona 16:33; 19:30; 2 Pet. 3:14; 1 Jaona 5:4)

Tantara 102

Velona i Jesosy

  1. Iza ilay vehivavy eo amin’ny sary? Iza ireo lehilahy roa, ary aiza io toerana misy azy ireo io?

  2. Nahoana i Pilato no niteny tamin’ny mpisorona mba handefa miaramila hiambina ny fasan’i Jesosy?

  3. Inona no nataon’ny anjely iray vao maraina be, tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy? Inona anefa no nataon’ny mpisorona?

  4. Nahoana ny vehivavy sasany no gaga rehefa nitsidika ny fasan’i Jesosy?

  5. Nahoana i Petera sy Jaona no nihazakazaka nankany amin’ny fasan’i Jesosy, ary inona no hitan’izy ireo?

  6. Lasa nanao ahoana ny vatan’i Jesosy? Inona anefa no nataony, mba hampisehoana tamin’ny mpianany fa velona izy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Matio 27:62-66 sy 28:1-15.

    Nanota tamin’ny fanahy masina ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo ary ny anti-panahy, tamin’ny fotoana nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. Inona izany fahotana nataony izany? (Matio 12:24, 31, 32; 28:11-15)

  2. Vakio ny Lioka 24:1-12.

    Ao amin’ilay fitantarana momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, inona no manaporofo fa mihevitra ny vehivavy ho vavolombelona azo ianteherana i Jehovah? (Lioka 24:4, 9, 10; Matio 28:1-7)

  3. Vakio ny Jaona 20:1-12.

    Ao amin’ny Jaona 20:8, 9, inona no mampiseho fa mila manana faharetana isika, raha mbola tsy mazava tsara amintsika ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly sasany? (Ohab. 4:18; Matio 17:22, 23; Lioka 24:5-8; Jaona 16:12)

Tantara 103

Miditra ao Amin’ny Efitrano Mihidy

  1. Inona no nolazain’i Maria tamin’ilay lehilahy noheveriny ho mpanao zaridaina? Ahoana anefa no nahafantarany fa tena i Jesosy izy io?

  2. Inona no nitranga, raha teny an-dalana ho any an-tanànan’i Emaosy ny mpianatra roa?

  3. Inona no zava-mahatalanjona nitranga, raha mbola nitantara ny nisehoan’i Jesosy taminy ny mpianatra roa lahy?

  4. Impiry i Jesosy no niseho tamin’ny mpanara-dia azy?

  5. Inona no nolazain’i Tomasy, rehefa nandre izy fa nahita ny Tompo ny mpianatra? Inona anefa no nitranga, valo andro tatỳ aoriana?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Jaona 20:11-29.

    Te hilaza ve i Jesosy ao amin’ny Jaona 20:23, fa nomena fahefana hamela heloka ny olombelona? Hazavao. (Sal. 49:2, 7; Isaia 55:7; 1 Tim. 2:5, 6; 1 Jaona 2:1, 2)

  2. Vakio ny Lioka 24:13-43.

    Ahoana no hanomanantsika ny fontsika mba ho vonon-kandray ny fahamarinana ara-baiboly? (Lioka 24:32, 33; Ezra 7:10; Matio 5:3; Asa. 16:14; Heb. 5:11-14)

Tantara 104

Niverina ho any An-danitra i Jesosy

  1. Firy ny mpianatra nahita an’i Jesosy, indray mandeha, ary inona no noresahiny tamin’izy ireo?

  2. Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanao ahoana ny fiainana eto an-tany, rehefa hanjaka mandritra ny arivo taona i Jesosy?

  3. Nandritra ny firy andro i Jesosy no niseho tamin’ny mpianany? Tsy maintsy nanao inona anefa izy taorian’izay?

  4. Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany, talohan’ny nandaozany azy ireo?

  5. Inona no miseho eo amin’ny sary, ary inona no nanakona an’i Jesosy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny 1 Korintianina 15:3-8.

    Nahoana ny apostoly Paoly no afaka nilaza tamim-patokisana fa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy? Ary inona avy no zavatra azon’ny Kristianina resahina amim-patokisana ankehitriny? (1 Kor. 15:4, 7, 8; Isaia 2:2, 3; Matio 24:14; 2 Tim. 3:1-5)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:1-11.

    Hatraiza no hanaovana ny asa fitoriana, araka ny nambara mialoha ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8? (Asa. 6:7; 9:31; 11:19-21; Kol. 1:23)

Tantara 105

Ny Fiandrasana tao Jerosalema

  1. Inona no nitranga tamin’ireo mpianatr’i Jesosy niandry tany Jerosalema, araka ny hita eo amin’ny sary?

  2. Inona no nahagaga an’ireo mpitsidika an’i Jerosalema?

  3. Inona no nohazavain’i Petera tamin’ny olona?

  4. Inona no tsapan’ny olona, rehefa avy nihaino an’i Petera, ary inona no nolazain’i Petera taminy?

  5. Firy ny olona natao batisa, tamin’io Pentekosta, taona 33, io?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:1-47.

    1. Araka ny tenin’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:23, 36, inona no mampiseho fa ny firenena jiosy iray manontolo no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’i Jesosy? (1 Tes. 2:14, 15)

    2. Inona no mampiseho fa hain’i Petera tsara ny nampiasa ny Soratra Masina, mba hampisaintsainana ny olona? (Asa. 2:16, 17, 29, 31, 36, 39; Kol. 4:6)

    3. Nampanantena i Jesosy fa hanome an’i Petera ny “lakilen’ny fanjakan’ny lanitra.” Ahoana no nampiasan’i Petera ny lakile voalohany? (Asan’ny Apostoly 2:14, 22-24, 37, 38; Matio 16:19)

Tantara 106

Nafahana avy tao An-tranomaizina

  1. Inona no nitranga indray tolakandro, tamin’i Petera sy Jaona ho any amin’ny tempoly?

  2. Inona no nolazain’i Petera tamin’ilay lehilahy nalemy? Ary inona no nomen’i Petera azy, izay sarobidy kokoa noho ny vola?

  3. Inona no nahatezitra ny mpitondra fivavahana, ary nataony ahoana i Petera sy Jaona?

  4. Inona no nolazain’i Petera tamin’ireo mpitondra fivavahana, ary inona no nampitandremana ny apostoly?

  5. Nahoana ireo mpitondra fivavahana no nialona? Inona anefa no nitranga, rehefa nampidirina am-ponja fanindroany ny apostoly?

  6. Inona no navalin’ny apostoly, rehefa nentina tany amin’ny Fitsarana Avo izy ireo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:1-10.

    Nahoana ny tenin’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:6 no manampy antsika hahatakatra fa sarobidy ny hafatra momba ilay Fanjakana torintsika, na dia tsy afaka manao fahagagana aza isika? (Jaona 17:3; 2 Kor. 5:18-20; Fil. 3:8)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:1-31.

    Ahoana no hanahafantsika an’ireo rahalahintsika kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa miatrika fanenjehana isika? (Asa. 4:29, 31; Efes. 6:18-20; 1 Tes. 2:2)

  3. Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:17-42.

    Efa nisy olona ve fahiny sy ankehitriny, izay tsy Vavolombelona nefa nalala-tsaina, ka niaro ny asa fitoriana? Manomeza ohatra. (Asa. 5:34-39)

Tantara 107

Notoraham-bato i Stefana

  1. Iza moa i Stefana, ary nampian’Andriamanitra hanao inona izy?

  2. Inona no zavatra nolazain’i Stefana, izay tena nahatezitra an’ireo mpitondra fivavahana?

  3. Natao ahoana i Stefana, rehefa avy notarihina tany ivelan’ny tanàna?

  4. Iza ilay tovolahy nitsangana teo akaikin’ny akanjo, araka ny hita amin’ny sary?

  5. Inona no nangatahin’i Stefana tamin’i Jehovah, talohan’ny nahafatesany?

  6. Ahoana no hanahafantsika an’i Stefana, rehefa misy olona manisy ratsy antsika?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:8-15.

    Inona no fitaka ampiasain’ny mpitondra fivavahana, mba hampijanonana ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah? (Asa. 6:9, 11, 13)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:1-60.

    1. Ahoana no nahafahan’i Stefana niaro ny vaovao tsara teo anoloan’ny Fitsarana Avo, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Asa. 7:51-53; Rom. 15:4; 2 Tim. 3:14-17; 1 Pet. 3:15)

    2. Ahoana no tokony hiheverantsika an’ireo manohitra ny asantsika? (Asa. 7:58-60; Matio 5:44; Lioka 23:33, 34)

Tantara 108

Teny An-dalana ho any Damaskosy

  1. Inona no nataon’i Saoly taorian’ny nahafatesan’i Stefana?

  2. Inona no zava-mahagaga nitranga, tamin’i Saoly teny an-dalana ho any Damaskosy?

  3. Nasain’i Jesosy nanao inona i Saoly?

  4. Nasain’i Jesosy nanao inona i Ananiasy, ary ahoana no nahatonga an’i Saoly hahita indray?

  5. Iza indray no anarana nahafantarana an’i Saoly, ary inona no asa nanirahana azy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:1-4.

    Nahoana ny fanenjehana mafy an’ilay fiangonana kristianina vaovao no vao mainka nampiely ny finoana kristianina? Inona koa no fisehoan-javatra mitovy amin’izany ankehitriny? (Asa. 8:4; Isaia 54:17)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:1-20.

    Inona avy ireo asa telo tian’i Jesosy hataon’i Saoly? (Asa. 9:15; 13:5; 26:1; 27:24; Rom. 11:13)

  3. Vakio ny Asan’ny Apostoly 22:6-16.

    Ahoana no hanahafantsika an’i Ananiasy, ary nahoana izany no zava-dehibe? (Asa. 22:12; 1 Tim. 3:7; 1 Pet. 1:14-16; 2:12)

  4. Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:8-20.

    Nahoana ny fiovan’i Saoly ho Kristianina no mampahery an’ireo manana vady tsy Vavolombelona? (Asa. 26:11; 1 Tim. 1:14-16; 2 Tim. 4:2; 1 Pet. 3:1-3)

Tantara 109

Nitsidika An’i Kornelio i Petera

  1. Iza ilay lehilahy miankohoka eo amin’ny sary?

  2. Inona no nolazain’ny anjely iray tamin’i Kornelio?

  3. Inona no nasehon’Andriamanitra an’i Petera tamin’ny fahitana, tamin’izy teo ambony tafon-tranon’i Simona tany Jopa?

  4. Nahoana i Petera no nandrara an’i Kornelio tsy hiankohoka na hivavaka aminy?

  5. Nahoana ireo mpianatra jiosy niaraka tamin’i Petera no talanjona?

  6. Inona no zava-dehibe ianarantsika avy amin’ny fitsidihan’i Petera an’i Kornelio?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:1-48.

    Inona no asehon’ny tenin’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:42, mahakasika ny asa fitoriana ilay Fanjakana? (Matio 28:19; Marka 13:10; Asa. 1:8)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:1-18.

    Nanao ahoana ny fihetsik’i Petera, rehefa nazava taminy ny tari-dalan’i Jehovah momba ny hafa firenena, ary ahoana no hanahafantsika azy? (Asa. 11:17, 18; 2 Kor. 10:5; Efes. 5:17)

Tantara 110

Timoty: Mpanampy Vaovao An’i Paoly

  1. Iza ilay tovolahy eo amin’ny sary? Taiza izy no nipetraka, ary iza no anaran’ny reniny sy ny renibeny?

  2. Inona no navalin’i Timoty rehefa nanontany azy i Paoly, raha te hiaraka aminy sy Silasy hitory any an-tany lavitra izy?

  3. Taiza ny mpanara-dia an’i Kristy no nantsoina voalohany hoe Kristianina?

  4. Taiza no tanàna sasany nandehanan’i Paoly sy Silasy ary Timoty, rehefa avy niala tao Lystra izy ireo?

  5. Ahoana no nanampian’i Timoty an’i Paoly, ary inona no fanontaniana tokony hapetraky ny tanora amin’ny tenany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:19-30.

    Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly fa malina izy, rehefa nisy nanohitra ny fitoriany ny vaovao tsara? (Asa. 9:22-25, 29, 30; Matio 10:16)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:19-26.

    Ahoana no ahitana fa mitarika ny asa fitoriana ny fanahin’i Jehovah, araka ilay fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:19-21, 26?

  3. Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:13-16, 42-52.

    Ahoana no ahitana fa tsy kivy ny mpianatra na dia teo aza ny fanoherana, araka ny Asan’ny Apostoly 13:51, 52? (Matio 10:14; Asa. 18:6; 1 Pet. 4:14)

  4. Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:1-6, 19-28.

    Rehefa manampy ireo vaovao isika, dia mila ‘manankina azy ireo amin’i Jehovah.’ Nahoana izany no hanampy antsika tsy hanahy be loatra? (Asa. 14:21-23; 20:32; Jaona 6:44)

  5. Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:1-5.

    Nahoana ny faneken’i Timoty hoforana no mampiharihary, fa tena zava-dehibe ny hanaovana ‘ny zava-drehetra noho ny vaovao tsara’? (Asa. 16:3; 1 Kor. 9:23; 1 Tes. 2:8)

  6. Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:1-11, 18-22.

    Hazavao fa tena mitarika ny asa fitoriana i Jesosy, araka ny Asan’ny Apostoly 18:9, 10. Inona no toky azontsika avy amin’izany? (Matio 28:20)

Tantara 111

Zazalahy Iray Nianjera teo Am-patoriana

  1. Iza ilay zazalahy mitsotra eo amin’ny tany, ary inona no nahazo azy?

  2. Inona no nataon’i Paoly, rehefa hitany fa maty ilay zazalahy?

  3. Taiza no nalehan’i Paoly sy Timoty ary ireo niara-dia taminy? Inona no nitranga rehefa nijanona kely tao Mileto izy ireo?

  4. Inona no nampitandreman’i Agabo mpaminany an’i Paoly, ary ahoana no nahatanterahan’izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:7-38.

    1. Inona no tokony hataontsika, raha tiantsika foana ny ho “afaka amin’ny ran’ny olona rehetra”, araka ny tenin’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:26, 27? (Ezek. 33:8; Asa. 18:6, 7)

    2. Nahoana ny anti-panahy no tokony ‘hitana mafy ilay teny azo antoka’, rehefa mampianatra? (Asa. 20:17, 29, 30; Tit. 1:7-9; 2 Tim. 1:13)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:24-32.

    Ahoana no nanararaotan’i Paoly ny maha teratany romanina azy, mba hanatontosany ny asa fitoriana nanirahan’i Jesosy? (Asa. 9:15; 16:37, 38; 25:11, 12; 26:32; Lioka 21:12, 13)

Tantara 112

Vaky Sambo teo Amin’ny Nosy Iray

  1. Inona no nitranga tamin’ny sambo nitaingenan’i Paoly, rehefa nandalo teo akaikin’ny nosy Kreta izy io?

  2. Inona no nolazain’i Paoly tamin’ny olona tao anatin’ilay sambo?

  3. Inona no nahatonga an’ilay sambo ho potipotika?

  4. Inona no toromarika nomen’ilay kapiteny, ary firy ny olona tonga soa aman-tsara teny an-tanety?

  5. Iza no anaran’ilay nosy nijanonan’izy ireo, ary natao ahoana i Paoly rehefa nihatsara ny andro?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 27:1-44.

    Nahoana ny fitantarana momba ny dian’i Paoly tany Roma no manampy antsika hatoky bebe kokoa, fa marina ny zavatra raketin’ny Baiboly? (Asa. 27:16-19, 27-32; Lioka 1:3; 2 Tim. 3:16, 17)

  2. Vakio ny Asan’ny Apostoly 28:1-14.

    “Tena tia olona” ireo mpanompo sampy tao Malta, ka “tsara fanahy” tamin’ny apostoly Paoly sy ny olon-kafa niaraka taminy. Tokony handrisika ny Kristianina hanao inona izany, ary amin’ny fomba ahoana indrindra indrindra? (Asa. 28:1, 2; Heb. 13:1, 2; 1 Pet. 4:9)

Tantara 113

Paoly Tany Roma

  1. Iza avy no nitorian’i Paoly tamin’izy nigadra tany Roma?

  2. Araka ny hita eo amin’ny sary, iza ilay mpitsidika manoratra eo amin’ny latabatra, ary inona no nataony ho an’i Paoly?

  3. Iza moa i Epafrodito, ary inona no nentiny tany Filipy, rehefa nody izy?

  4. Nahoana i Paoly no nanoratra taratasy ho an’i Filemona, ilay namany akaiky?

  5. Inona no nataon’i Paoly rehefa nafahana izy, ary inona no nanjo azy taorian’izay?

  6. Iza no nampiasain’i Jehovah hanoratra ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ary inona no resahin’ny bokin’ny Apokalypsy?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Asan’ny Apostoly 28:16-31 sy Filipianina 1:13.

    Nohararaotin’i Paoly mba hanaovana inona ny fotoana nananany tany am-ponja, ary inona no vokatry ny finoany natanjaka teo amin’ny fiangonana kristianina? (Asa. 28:23, 30; Fil. 1:14)

  2. Vakio ny Filipianina 2:19-30.

    Ahoana no nilazan’i Paoly ny fankasitrahany an’i Timoty sy Epafrodito? Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly? (Fil. 2:20, 22, 25, 29, 30; 1 Kor. 16:18; 1 Tes. 5:12, 13)

  3. Vakio ny Filemona 1-25.

    1. Inona no antony nanosika an’i Paoly hampirisika an’i Filemona hanao izay mety, ary ahoana no ahafahan’ny anti-panahy manahaka azy ankehitriny? (Filem. 9; 2 Kor. 8:8; Gal. 5:13)

    2. Inona no mampiseho fa nanaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa i Paoly, araka ny teniny ao amin’ny Filemona 13, 14? (1 Kor. 8:7, 13; 10:31-33)

  4. Vakio ny 2 Timoty 4:7-9.

    Toy ny apostoly Paoly, nahoana isika no matoky fa hamaly soa antsika i Jehovah, raha mahatoky hatramin’ny farany isika? (Matio 24:13; Heb. 6:10)

Tantara 114

Ny Faran’ny Faharatsiana Rehetra

  1. Nahoana ny Baiboly no miresaka ny amin’ny soavaly any an-danitra?

  2. Inona no anaran’ilay ady hataon’Andriamanitra amin’ny olona ratsy eto an-tany, ary inona no antony hanaovana io ady io?

  3. Iza no hitarika an’io ady io, araka ny hita eo amin’ny sary? Nahoana izy no manao satroboninahitra, ary midika ho inona ilay sabatra?

  4. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga raha handringana ny olona ratsy Andriamanitra, araka ny Tantara 10 sy 15 ary 33?

  5. Ao amin’ny Tantara 36 sy 76, inona no mampiseho fa handringana ny olona ratsy Andriamanitra, na dia milaza ho mivavaka aminy aza izy ireo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Apokalypsy 19:11-16.

    1. Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina, fa i Jesosy Kristy no hitaingina ilay soavaly fotsy? (Apok. 1:5; 3:14; 19:11; Isaia 11:4)

    2. Nahoana ny ra nifafy teo amin’ny akanjo ivelan’i Jesosy no manantitrantitra, fa tena handresy tanteraka izy? (Apok. 14:18-20; 19:13)

    3. Iza no mety ho anisan’ireo miaramila manaraka an’i Jesosy izay mitaingina soavaly fotsy? (Apok. 12:7; 19:14; Matio 25:31, 32)

Tantara 115

Paradisa Vaovao ho eto An-tany

  1. Hanao ahoana ny fiainana rehefa ho paradisa ny tany, araka ny lazain’ny Baiboly?

  2. Inona no fampanantenana omen’ny Baiboly an’ireo hiaina ao amin’ny Paradisa?

  3. Rahoviana i Jesosy no hitondra izany fiovana mahatalanjona izany?

  4. Fony teto an-tany i Jesosy, ahoana no nampisehoany izay hataony rehefa ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy?

  5. Inona no ho zava-kendren’i Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy any an-danitra, rehefa hitondra ny tany izy ireo?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Apokalypsy 5:9, 10.

    Nahoana isika no matoky fa hahay hangoraka sy ho be famindram-po ireo mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? (Efes. 4:20-24; 1 Pet. 1:7; 3:8; 5:6-10)

  2. Vakio ny Apokalypsy 14:1-3.

    Inona no dikan’ilay hoe voasoratra eo amin’ny handrin’ny 144 000 ny anaran’ny Ray sy ny Zanak’ondry? (1 Kor. 3:23; 2 Tim. 2:19; Apok. 3:12)

Tantara 116

Ny Fomba Hahavelomantsika Mandrakizay

  1. Inona no tokony ho fantatsika, raha tiantsika ny hiaina mandrakizay?

  2. Ahoana no hianarantsika momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy, araka ny ohatra omen’ilay zazavavy kely sy ny namany eo amin’ny sary?

  3. Inona ilay boky hafa hitanao eo amin’ny sary, ary nahoana isika no tokony hamaky azy io matetika?

  4. Ankoatra ny fianarana momba an’i Jehovah sy Jesosy, inona koa no ilaina hatao mba hahazoana fiainana mandrakizay?

  5. Inona no ianarantsika avy amin’ny Tantara 69?

  6. Inona no asehon’ny ohatra tsara nomen’i Samoela kely, ao amin’ny Tantara 55?

  7. Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy Kristy? Ho afaka hanao inona isika amin’ny hoavy, raha manao izany?

Fanontaniana fanampiny:

  1. Vakio ny Jaona 17:3.

    Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa ny hoe mandray fahalalana momba an’ i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, dia tsy midika hoe mitadidy ny zavatra ianarana fotsiny? (Matio 7:21; Jak. 2:18-20; 1 Jaona 2:17)

  2. Vakio ny Salamo 145:1-21.

    1. Inona no antony sasany tokony hiderantsika an’i Jehovah? (Sal. 145:8-11; Apok. 4:11)

    2. Inona no mampiseho fa “manisy soa izao tontolo izao” i Jehovah, ary nahoana izany no tokony hanosika antsika hanatona azy bebe kokoa? (Sal. 145:9; Matio 5:43-45)

    3. Ho voatosika hanao inona isika, raha tena mamin’ny fontsika i Jehovah? (Sal. 119:171, 172, 175; 145:11, 12, 21)