Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Ady Nataon’ny Baiboly mba Tsy ho Levona

Ny Ady Nataon’ny Baiboly mba Tsy ho Levona

Toko Faha-2

Ny Ady Nataon’ny Baiboly mba Tsy ho Levona

Misy fitambaram-porofo maro manamarina fa tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Matanjaka ny tsirairay amin’ireo fitambaram-porofo ireo, fa rehefa raisina miaraka kosa izy ireo, dia tsy azo ravana. Ato amin’itỳ toko itỳ sy ao amin’ny toko manaraka isika dia handinika fitambaram-porofo iray monja: ny tantaran’ny Baiboly amin’ny maha-boky azy. Ny marina dia hoe tsy maintsy ho fahagagana no nahatafitan’io boky mahavariana io hatramin’izao andro izao. Dinihon’ny tenanao manokana ireo zava-misy.

1. Inona avy no tsipirian-javatra sasany momba ny Baiboly?

MIHOATRA noho ny boky fotsiny ny Baiboly. Tahirim-boky sarobidy misy boky 66 izy io, ka ny sasany aminy dia fohy, ny sasany lava be, ary mirakitra lalàna, faminaniana, tantara, tononkalo, torohevitra ary zavatra maro lavitra. Taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Kristy, dia nosoratana Jiosy, na Isiraelita, nahatoky ny 39 voalohany amin’ireo boky ireo — ka tamin’ny teny hebreo ny ankamaroany. Io tapany io matetika dia antsoina hoe Testamenta Taloha. Ireo boky 27 farany dia nosoratana Kristiana tamin’ny teny grika ary fantatra hatraiza hatraiza amin’ny hoe Testamenta Vaovao. Araka ny porofo anaty sy araka ireo lovantsofina tranainy indrindra, ireo boky 66 ireo dia nosoratana tao anatin’ny fe-potoana nisy tokony ho 1 600 taona, nanomboka tamin’ny fotoana naha-herim-panjakana voalohany an’i Egypta ary nifarana tamin’ny fotoana naha-mpanjakavavin’ny tany an’i Roma.

Ny Baiboly irery no tafita hatramin’izao

2. a) Nanao ahoana ny tarehin-javatra nisy ny Isiraely fony nanomboka nosoratana ny Baiboly? b) Inona avy no asa soratra hafa sasany izay navoaka nandritra io fe-potoana io ihany?

2 Maherin’ny 3 000 taona lasa izay, fony natomboka ny fanoratana ny Baiboly, ny Isiraely dia firenena kely iray fotsiny teo anivon’ny firenena maro tany Moyen-Orient. I Jehovah no Andriamanitr’izy ireo, fa ireo firenena nanodidina kosa dia nanana karazana andriamanitra sy andriamanibavy nahazendana. Nandritra io fe-potoana io, dia tsy ireo Isiraelita irery no namokatra haisoratra ara-pivavahana. Ireo firenena hafa koa dia namokatra asa soratra izay nanome taratry ny fivavahany sy ny harem-pireneny. Ohatra, ny angano akadianin’i Gilgamesh avy tany Mezopotamia sy ireo tantara an-tononkalon’i Ras Shamra, nosoratana tamin’ny teny ogaritika (fiteny nitenenana tany amin’izay fantatra ankehitriny ho Syria avaratra), dia tsy isalasalana fa nalaza aoka izany. Anisan’ny haisoratra be dia be tamin’io vanim-potoana io koa ny asa soratra toy ny Lamentations d’Ipou-our sy ny La prophétie de Neferty tamin’ny teny egyptiana, sy ny hiram-pivavahana ho an’andriamanitra samy hafa tamin’ny teny somerianina, ary ny asa soratra ara-paminaniana tamin’ny teny akadianina.​1

3. Inona no manamarika ny Baiboly ho hafa noho ny haisoratra ara-pivavahana hafa navoaka tany Moyen-Orient nandritra io fotoana io ihany?

3 Ireny asa soratra tany Moyen-Orient rehetra ireny anefa dia nitovy fiafara avokoa. Hadino ny niafaran’izy ireny, ary na dia ireo fiteny nanoratana azy aza dia nanjary maty. Tato anatin’ireo taona faramparany vao nahafantatra ny fisian’izy ireny sy nianatra ny fomba famakiana azy ireny ireo manam-pahaizana momba ny arkeolojia sy ny fiteny. Etsy an-danin’izany, ireo boky voalohany amin’ny tapany hebreo amin’ny Baiboly dia tafita hatramin’izao androntsika izao mihitsy ary mbola vakina hatraiza hatraiza. Indraindray ireo manam-pahaizana dia milaza fa ireo boky amin’ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly dia avy tamin’ireny asa soratra tranainy ireny. Ny nanadinoana ny maro be aoka izany amin’ireny haisoratra ireny sy ny nahatafitan’ny tapany hebreo amin’ny Baiboly hatramin’izao anefa dia manamarika ny Baiboly ho hafa tanteraka noho izy ireny.

Ireo mpiambina ny Teny

4. Zava-nanahirana lehibe hitan’ireo Isiraelita inona avy no toa nety ho nampisalasala ny amin’ny hahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao?

4 Aoka ianao tsy hanao fahadisoana, satria araka ny fomba fijerin’olombelona dia tsy nandeha ho azy akory ny hahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao. Ireo fitambaran’olona namokatra azy dia niharan’ny fisedrana mafy sy ny fampahoriana navaivay aoka izany, hany ka tena mahavariana ny nahatafitany hatramin’ny androntsika. Nandritra ireo taona talohan’i Kristy, ireo Jiosy izay namokatra ireo Soratra Hebreo (ny “Testamenta Taloha”) dia firenena kely ihany. Nonina tao anatin’ny toe-javatra tsy azo antoka teo afovoan’ny fanjakana ara-politika natanjaka izay nifandramatra mba hahazoana ny toerana voalohany, izy ireo. Ny Isiraely dia voatery niady mba hiarovana ny ainy tamin’ny firenena nisesy, toy ny Filistina, ny Moabita, ny Amonita ary ny Edomita. Nisy fotoana nizaran’ireo Hebreo ho fanjakana roa, ka tamin’izay dia saika nolevonin’ny Empira asyriana lozabe tanteraka ilay fanjakana tany avaratra, fa ireo Babyloniana kosa nandringana ilay fanjakana tany atsimo, ka nitondra ilay vahoaka tany an-tsesitany, ary dia sisa vitsy monja no niverina 70 taona taorian’izay.

5, 6. Inona avy ireo fanandramana natao ka nampidi-doza ny fisian’ireo Hebreo tamin’ny naha-vahoaka niavaka mihitsy?

5 Misy aza tatitra momba ny nanandramana handripaka ireo Isiraelita. Tamin’ny andron’i Mosesy, dia nandidy ny hamonoana ireo zazalahy kely vao teraka rehetra i Farao. Raha narahina ny didiny, dia ho foana tsy nisy tavela ny vahoaka hebreo. (Eksodosy 1:15-22). Ela be tatỳ aoriana, rehefa tonga teo ambany fanapahana persiana ireo Jiosy, dia nanao fiokoana ireo fahavalony mba hivoahan’ny lalàna iray natao mba hamonoana azy ireo tsy hisy hiangana. (Estera 3:1-15). Ny tsy fahombiazan’io tetika io dia mbola ankalazaina amin’ny Fetin’ny Porima jiosy.

6 Tatỳ aoriana indray koa, rehefa nofehezin’i Syria ireo Jiosy, dia niezaka mafy mba hahatonga ilay firenena ho grika ny Mpanjaka Antiochos IV, ka nanery azy ireo hanaraka ireo fanao grika sy hivavaka tamin’ireo andriamanitra grika. Tsy nahomby koa izy. Tsy levona na nifangaro tamin’ny hafa ireo Jiosy, fa tafita hatramin’izao, fa ny ankamaroan’ireo antokom-pirenena nanodidina azy ireo kosa dia nifandimby nanjavona tamin’ny tany. Ary ny Soratra Hebreo amin’ny Baiboly dia niara-tafita tamin’izy ireo koa.

7, 8. Tamin’ny ahoana ny fahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao no notandindomin-doza noho ireo fahoriana nahazo ireo Kristiana?

7 Ireo Kristiana, izay namokatra ny tapany faharoa amin’ny Baiboly (ny “Testamenta Vaovao”), dia antokon’olona nampahorina koa. Novonoina toy ny olo-meloka ambany iray i Jesosy, mpitarika azy ireo. Andro vitsivitsy taorian’ny nahafatesany, dia nitady hanaisotra azy ireo ny manam-pahefana jiosy tany Palestina. Rehefa niparitaka tany an-tany hafa ny Kristianisma, dia nanao haza lambo azy ireo ny Jiosy, ka nitady hisakana ny asa misionera nataon’izy ireo. — Asan’ny Apostoly 5:27, 28; 7:58-60; 11:19-21; 13:45; 14:19; 18:5, 6.

8 Tamin’ny andron’i Néron, ny fihetsika feno fandeferana tany am-boalohany nasehon’ireo manam-pahefana romana dia niova. Nirehareha noho ireo “fampijalijaliana faran’izay nahatsiravina indrindra” nampiharin’io emperora lozabe io tamin’ireo Kristiana, i Tacite, ary nanomboka tamin’ny androny, ny naha-Kristiana dia mendrika ny fanamelohana ho faty.​2 Tamin’ny 303 am.f.i, ny Emperora Dioclétien dia namely nivantana ny Baiboly. * Mba hampanjavonana ny Kristianisma, dia nandidy ny handoroana ireo Baiboly kristiana rehetra izy.​3

9. Inona no ho nitranga raha nahomby ireo ezaka manokana natao hanafoanana ny Jiosy sy ny Kristiana?

9 Ireo ezaka manokana natao mba hampahoriana sy handripahana olona ireo dia tena nandrahona ny fahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao. Raha nanaraka ny lalan’ireo Filistina sy Moabita ireo Jiosy, na raha nahomby ny ezaka nataon’ireo manam-pahefana jiosy aloha, avy eo dia ireo manam-pahefana romana, mba hampanjavonana ny Kristianisma, iza moa no ho nanoratra sy nitahiry ny Baiboly? Soa ihany fa tsy levona ireo mpiambina ny Baiboly — ireo Jiosy aloha, avy eo dia ireo Kristiana — ary dia tafita hatramin’izao ny Baiboly. Kanefa nisy fandrahonana lehibe hafa iray, raha tsy ho an’ny fahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao, fara faharatsiny dia ho an’ny fifanarahany tamin’ny soratra tany am-boalohany.

Ireo kopia nisy diso

10. Tamin’ny fomba ahoana no nitahirizana ny Baiboly tany am-boalohany?

10 Maro tamin’ireo asa soratra tranainy notononina teo aloha izay nanjary hadino tatỳ aoriana, no voasokitra tao amin’ny vato na notombohina teo amina takelaka tanimanga naharitra. Tsy toy izany anefa ny Baiboly. Nosoratana tamin’ny taratasy papyrus (karazan-jozoro) na hodi-biby — zavatra mora simba lavitra — izy io tany am-boalohany. Araka izany, ireo sora-tanana navoakan’ireo mpanoratra tany am-boalohany dia nanjavona efa ela be. Ahoana àry no nitahirizana ny Baiboly? Kopia an’arivony tsy hita isa no nosoratana tamin’ny tanana tamin’ny ezaka be. Izany no fomba ara-dalàna namokarana boky iray talohan’ny nisehoan’ny fanaovana pirinty.

11. Inona no tsy maintsy mitranga rehefa atao kopia amin’ny tanana ireo sora-tanana?

11 Kanefa nisy loza tamin’ny fanaovana kopia tamin’ny tanana. Hoy ny nohazavain’i Sir Frederic Kenyon, ilay manam-pahaizana malaza momba ny arkeolojia sy ny fitahirizam-bokin’ny British Museum: “Mbola tsy noforonina ilay tanana sy atidohan’olombelona afaka manao kopia ny asa soratra lava iray manontolo tsy misy diso. (...) Tsy maintsy misy diso tafatsofoka.”​4 Rehefa nisy diso iray tafatsofoka tao amin’ny sora-tanana iray, dia naverina izany diso izany rehefa tonga fototry ny kopia nanaraka io sora-tanana io. Rehefa kopia maro no natao tao anatin’ny fe-potoana lava, dia nisy fahadisoan’olombelona maro tafatsofoka.

12, 13. Iza no niantsoroka ny andraikitra hitahiry ny soratra tao amin’ireo Soratra Hebreo?

12 Rehefa jerena ireo kopian’ny Baiboly an’arivony maro natao, ahoana no ahafantarantsika fa tsy nanova azy io mba tsy ho fantatra mihitsy io fomba famoahana io? Raiso, ohatra, ny tapany hebreo amin’ny Baiboly, na ny “Testamenta Taloha”. Tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., rehefa niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona ireo Jiosy, dia nisy antokona manam-pahaizana hebreo fantatra amin’ny anarana hoe Soferima, na “mpanora-dalàna”, tonga mpiambina ny soratry ny tapany hebreo amin’ny Baiboly. Andraikitr’izy ireny ny nanao kopia ireny Soratra ireny mba hampiasaina ampahibemaso sy teo amin’ny fanompoam-pivavahan’ny olona manokana. Izy ireny dia lehilahy nanao izany ho anton-draharaha sy nanana antony nanosika ambony, ary ny asany dia faran’izay tsara.

13 Nanomboka tamin’ny taonjato fahafito ka hatramin’ny taonjato fahafolo amin’ny Fanisan-taona Iraisana, ny nandimby an’ireo Soferima dia ireo Masoreta. Ny anaran’ireto dia avy amin’ny teny hebreo iray midika hoe “lovantsofina”, ary tamin’ny fotony, izy ireny dia mpanora-dalàna nampiandraiketina koa ny fitahirizana ny soratra hebreo avy tamin’ny lovantsofina. Fatra-pitandrina aoka izany ireo Masoreta. Ohatra, ilay mpanora-dalàna dia tsy maintsy nampiasa kopia izay nohamarinina araka ny tokony ho izy, ho soratra fototra niorenany, ary tsy navela hanoratra na inona na inona tsianjery izy. Tsy maintsy nijery tsara ny litera tsirairay izy talohan’ny nanoratana azy.​5 Hoy ny tatitra avy amin’ny Profesora Norman K. Gottwald: “Ny fitandremana nanatontosan’izy ireo ny adidiny dia asehon’ilay fepetra notakin’ireo raby fa hoe ny sora-tanana vaovao rehetra dia tsy maintsy nisy namaky sy nanitsy ary ireo kopia nisy diso dia tsy maintsy nariana avy hatrany.”​6

14. Zavatra hita inona no nahafahana nanamarina ny famindrana ny soratra ao amin’ny Baiboly nataon’ireo Soferima sy ireo Masoreta?

14 Araka ny marina ve ny famindrana ilay soratra nataon’ireo Soferima sy ireo Masoreta? Mandra-pahatongan’ny 1947, dia sarotra ny namaly io fanontaniana io, satria ireo sora-tanana hebreo feno taloha indrindra nananana tamin’izay dia tamin’ny taonjato fahafolo amin’ny Fanisan-taona Iraisana. Kanefa tamin’ny 1947, dia nisy tapatapa-tsora-tanana tranainy aoka izany hita tao amin’ireo zohy teo akaikin’ny Ranomasina Maty, ka anisan’izany ny tapany amin’ireo bokin’ny soratra hebreo amin’ny Baiboly. Ny tapatapa-tsoratra sasantsasany dia vita talohan’ny andron’i Kristy. Nampitaha azy ireo tamin’ireo sora-tanana hebreo nisy tamin’izay, ireo manam-pahaizana mba hanamarinana fa araka ny marina tsara ny namindrana ilay soratra. Inona no vokatr’izany fampitahana izany?

15. a) Inona no vokatry ny fampitahana ny sora-tanan’ny horonam-bokin’i Isaia hita teo amin’ny Ranomasina Maty tamin’ny soratra masoretika? b) Hevitra inona no tokony hotsoahintsika avy amin’ny fahitana fahasamihafana sasany eo amin’ny soratra ao amin’ny sora-tanana sasany hita teo amin’ny Ranomasina Maty? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

15 Ny iray tamin’ireo asa soratra tranainy indrindra hita dia ny boky manontolon’i Isaia, ary mampitolagaga ny fahakekezan’ny soratra ao aminy amin’ny an’ny Baiboly masoretika ananantsika amin’izao andro izao. Hoy ny nosoratan’ny Profesora Millar Burrows: “Maro amin’ireo fahasamihafana ao amin’ny horonam-bokin’i Isaia an’i Saint-Marc [hita vao haingana] sy ny soratra masoretika no azo hazavaina ho fahadisoana teo am-panaovana kopia. Ankoatra ireo, dia misy fitoviana mahavariana, amin’ny ankapobeny, amin’ny soratra hita ao amin’ireo sora-tanana tamin’ny Moyen Âge. Izany fitoviana izany, hita ao amin’ny sora-tanana iray izay tranainy lavitra aoka izany, dia manome fanamarinana manome toky ny maha-araka ny marina ny soratra avy tamin’ny lovantsofina ankapobeny.”​7 Manampy teny toy izao i Burrows: “Tena zava-mahagaga ny tsy fisian’ny fiovana firy ao amin’ilay soratra tao ny anatin’ny arivo taona teo ho eo.” *

16, 17. a) Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa tena marina ny soratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana? b) Inona no nohamarinin’i Sir Frederic Kenyon momba ny soratra ao amin’ny Soratra Grika?

16 Raha ny amin’ilay tapany amin’ny Baiboly nosoratan’ny Kristiana tamin’ny teny grika, ilay antsoina hoe Testamenta Vaovao, ireo mpanao kopia dia toy ny mpankafy nanan-talenta, fa tsy toy ireo Soferima matihanina sady nahazo fampiofanana tsara. Tamin’ny fanaovana ny asany tao anatin’ny fandrahonana ny ho voasazin’ireo nanam-pahefana anefa, dia nandray ny asany ho zava-dehibe izy ireo. Ary misy zavatra roa izay manome toky antsika fa isika amin’izao andro izao dia manana soratra izay mitovy, amin’ny fotony, amin’izay nosoratan’ireo mpanoratra tany am-boalohany. Voalohany aloha, tsy mitovy amin’ny tapany hebreo amin’ny Baiboly, fa ny sora-tanana ananantsika dia vita tamin’ny fotoana akaiky lavitra ny fotoana nanoratana azy. Ny tapatapa-tsoratra iray amin’ny Filazantsaran’i Jaona tokoa dia tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faharoa, izany hoe latsaka ny 50 taona hatramin’ny daty izay azo inoana fa nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany. Faharoa manaraka izany, ny isan’ireo sora-tanana izay tafita hatramin’izao fotsiny dia manome fanaporofoana goavana ny amin’ny maha-tena marina ilay soratra.

17 Amin’io lafiny io, dia hoy ny hamarinin’i Sir Frederic Kenyon: “Tsy afaka ny ho mafy loatra ny filazana marimarina fa, amin’ny fotony, dia azo antoka ny soratra ao amin’ny Baiboly. Tena marina indrindra izany raha ny amin’ny Testamenta Vaovao. Ny isan’ireo sora-tanana amin’ny Testamenta Vaovao sy amin’ny fandikan-teny avy amin’izy io tany am-boalohany ary amin’ny fakan-teny avy ao aminy nataon’ireo mpanoratra tranainy indrindra tao amin’ny Eglizy, dia be dia be aoka izany, hany ka azo antoka tsotra izao fa ny famakiana marina ny andalan-teny mampisalasala rehetra dia voatahiry ao amin’ny iray amin’ireo fahefana tranainy ireo. Tsy marina izany amin’ny boky tranainy hafa eto an-tany.”​10

Ny olona sy ny fiteniny

18, 19. Nahoana no tsy voafetra ho amin’ireo fiteny nanoratana azy tany am-boalohany ny Baiboly?

18 Ireo fiteny tany am-boalohany nanoratana ny Baiboly koa, rehefa ela ny ela, dia vato nisakana ny fahatafitany hatramin’izao. Ny ankamaroan’ireo boky 39 voalohany dia nosoratana tamin’ny teny hebreo, dia ny fitenin’ireo Isiraelita. Tsy fantatra hatraiza hatraiza mihitsy anefa ny teny hebreo. Raha nitoetra tao amin’io fiteny io foana ny Baiboly, dia tsy ho nanan-kery nihoatra noho ny teo amin’ny firenena jiosy sy ireo vahiny vitsy afaka namaky azy. Kanefa, tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i., ho tombontsoan’ireo Hebreo nonina tany Aleksandria, tany Egypta, dia natomboka ny fandikana tamin’ny teny grika ny tapany hebreo amin’ny Baiboly. Fiteny niraisam-pirenena tamin’izay ny teny grika. Araka izany, ny tapany hebreo amin’ny Baiboly dia nanjary mora azon’ireo tsy Jiosy.

19 Rehefa tonga ny fotoana hanoratana ny tapany faharoa amin’ny Baiboly, dia mbola nitenenana hatraiza hatraiza ny teny grika, hany ka nosoratana tamin’io fiteny io ireo boky 27 farany amin’ny Baiboly. Tsy ny rehetra anefa no nahazo ny teny grika. Noho izany, tsy ela dia natomboka ny fandikana an’ireo tapany hebreo sy grika amin’ny Baiboly, tamin’ny fiteny fampiasa andavanandro tamin’ireny taonjato tany am-boalohany ireny, izany hoe tamin’ny teny syriaka, kopta, armenianina, jorjianina, gotika ary etiopiana. Ny teny latina no fiteny ofisialin’ny Empira Romana, ary be dia be aoka izany ny isan’ireo fandikana tamin’ny teny latina, hany ka voatery nanendrena ny hisian’ny “dikan-teny nahazoan-dalana” iray. Vita tokony ho tamin’ny 405 am.f.i. izy io ary nanjary fantatra tamin’ny hoe Vulgate (midika hoe “fampiasan’ny vahoaka” na “fampiasa andavanandro”).

20, 21. Inona avy ireo vato nisakana ny fahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao, ary nahoana izy ireo no resy?

20 Araka izany, na dia teo aza ny vato nisakana maro, dia mbola tafita hatramin’ireo taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana ihany ny Baiboly. Ireo izay namokatra azy dia antokon’olom-bitsy nohamavoina sy nenjehina ary nanana fiainana sarotra teo amin’ny tontolo iray nankahala azy ireo. Nety ho voaolana be mora foana izy io teo am-panaovana kopia, kanefa tsy izany no nitranga. Ambonin’izany, izy io dia afa-nandositra ny loza ny amin’ny hoe olona izay nahay fiteny sasantsasany ihany no ho afaka nahazo azy.

21 Nahoana no sarotra aoka izany tamin’ny Baiboly ny ho tafita hatramin’izao? Ny Baiboly mihitsy no milaza izany: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Rehefa jerena izany, dia hanampo ny hankahalan’izao tontolo izao ny famoahana fahamarinana isika, ary izany indrindra no nitranga. Nahoana àry ny Baiboly no tafita hatramin’izao, kanefa asa soratra hafa maro aoka izany no hadino, nefa tsy nahita zava-tsarotra toy ny hitan’ny Baiboly akory? Mamaly izany koa ny Baiboly. Hoy izy: “Ny tenin’[i Jehovah, NW ] maharitra mandrakizay”. (1 Petera 1:25). Raha tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, dia tsy hisy herin’olombelona ho afaka handevona azy io. Ary hatramin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao mihitsy, dia marina foana izany.

22. Fiovana inona no niseho tany am-piandohan’ny taonjato fahefatra amin’ny Fanisan-taona Iraisana?

22 Kanefa, tamin’ny taonjato fahefatra amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia nisy zavatra nitranga izay nitarika ho amin’ny fanafihana vaovao ny Baiboly tamin’ny farany, ary nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fandehan’ny tantaran’i Eoropa. Folo taona monja taorian’ny nandevonan’i Dioclétien ireo Baiboly rehetra, dia niova ny tetika narahin’ny emperora ary nanjary ara-dalàna ny “Kristianisma”. Roa ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 325 am.f.i., dia emperora romana no nitarika ny Konsily “kristiana” tany Nicée. Nahoana no hampidi-doza ho an’ny Baiboly ny fizotran-javatra toa tsara toy izany? Hahita ny valin’izany isika ao amin’ny toko manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Ato amin’itỳ boky itỳ, dia tsy ny hoe “ar.J.K.” (aorian’i Jesosy Kristy) sy “al.J.K.” (alohan’i Jesosy Kristy) mahazatra no ampiasaina, fa ny hoe “am.f.i.” (amin’ny fanisan-taona iraisana) sy ny hoe “al.f.i.” (alohan’ny fanisan-taona iraisana), izay marina kokoa.

^ feh. 15 Tsy ny sora-tanana rehetra hita teo amin’ny Ranomasina Maty no mifanaraka amin’ny fomba marina aoka izany amin’ny soratra ao amin’ny Baiboly tafita hatramin’izao. Ny sasany dia nampiseho fahasamihafana be dia be aoka izany teo amin’ny soratra. Kanefa, ireny fahasamihafana ireny dia tsy midika fa voaolana ny hevitra fototr’ilay soratra. Araka an’i Patrick W. Skehan ao amin’ny Oniversite Katolikan’i Amerika, ny ankamaroan’izy ireny dia “fanoratana indray [ny soratra ao amin’ny Baiboly] miorina amin’ny fandrindran-kevitra manontolo ao anatiny ihany, hany ka ny endrika no mihamiitatra fa ny hevitra fototra kosa tsy miova (...) Ny fihetsika tao ambadiky ny fanaovana toy izany dia miorina amin’ny fanajana ara-pivavahana mazava tsara tsapa ho an’ny soratra izay heverina ho masina, dia fihetsika miorina amin’ny faniriana hanazava ny Baiboly amin’ny alalan’ny Baiboly (araka ny hilazantsika azy) eo amin’ny famindrana ilay soratra mihitsy”.​8

Hoy ny teny anampin’ny mpanazava hafa iray: “Na dia eo aza ny tsy fahazoana antoka rehetra, ny zava-misy lehibe mitoetra dia hoe ilay soratra ananantsika ankehitriny, amin’ny ankabopeny, dia mampiseho tsara ireo tena tenin’ireo mpanoratra izay ny sasany taminy dia niaina efa ho telo arivo taona lasa izay, ary isika dia tsy mila ny hanana fisalasalana lehibe momba ireo fahadisoana sasantsasany eo amin’ny soratra, raha ny amin’ny maha-marim-pototra ilay hafatra tian’ny Testamenta Taloha homena antsika.”​9

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 19]

Ny Soratra Voaorina Tsara ao Amin’ny Baiboly

Mba hahatakarana fa voamarina tsara ny soratra ao amin’ny Baiboly, ny hany tsy maintsy ataontsika dia ny mampitaha azy amin’ny fitambarana haisoratra hafa iray izay tonga atỳ amintsika avy tany alohan’ny Moyen Âge: ireo asa soratra kilasikan’i Grisia sy i Roma. Raha ny marina, ny ankamaroan’io haisoratra io dia nosoratana taorian’ny namitana ireo Soratra Hebreo. Tsy nisy fanandramana handripaka ireo Grika na ireo Romana voarakitra an-tsoratra, ary tsy voatahiry tao anatin’ny fanenjehana ny haisoratr’izy ireo. Kanefa, mariho ireo teny nataon’ny Profesora F. F. Bruce:

“Raha ny amin’ny La Guerre de Gaulle nataon’i César (vita teo anelanelan’ny 58 sy 50 al.J.K.), dia mbola misy MSS [sora-tanana] maromaro, nefa ny sivy na folo aminy monja no tsara ary ny tranainy indrindra amin’ireo dia vita 900 taona teo ho eo taorian’ny andron’i César.

“Amin’ireo boky 142 misy ny tantara romana nataon’i Tite-Live (59 al.J.K.-17 ar.J.K.), dia 35 monja no tafita hatramin’izao; izy ireo dia fantatra noho ny MSS latsaka ny roapolo izay tsy dia manao ahoana, ka ny iray amin’ireo monja, izay mirakitra tapatapa-tsoratr’ireo Boky III-VI, no vita tamin’ny taonjato fahefatra.

“Amin’ireo boky efatra ambin’ny folo amin’ny Histoires nataon’i Tacite (100 ar.J.K. tany ho any), dia efatra sy tapany monja no tafita hatramin’izao; amin’ireo boky enina ambin’ny folo amin’ireo Annales nataony, dia folo misy ny soratra feno ary roa misy soratra tapany no tafita. Ny soratr’ireo tapany mbola misy amin’ireo asa ara-tantara lehibe roa nataony ireo dia miankina tanteraka amin’ny MSS roa, ka ny iray amin’ireo dia tamin’ny taonjato fahasivy ary ilay iray hafa tamin’ny taonjato faharaika ambin’ny folo. (...)

“Ny Tantara nataon’i Thucydide (460-400 al.J.K. tany ho any) dia fantatsika noho ny MSS valo, ka ny taloha indrindra amin’ireo dia vita tamin’ny 900 ar.J.K. tany ho any, ary noho ny tapatapa-tsoratra amin’ny papyrus, izay vita tokony ho tany am-piandohan’ny andro kristiana.

“Marina koa izany ny amin’ny Tantara nataon’i Hérodote (488-428 al.J.K. tany ho any). Kanefa tsy hisy manam-pahaizana kilasika hihaino ny hevitra aroso hoe mampisalasala ny maha-azo itokiana ny soratra nataon’i Hérodote na i Thucydide satria hoe ny MSS taloha indrindra niorenan’ny asan’izy ireo, ka mety hisy vidiny amintsika, dia vita 1 300 taona mahery taorian’ireo soratra voalohany.” — The Books and the Parchments, pejy 180.

Ampitahao amin’ny fisian’ny sora-tanana an’arivony maro amin’ny tapany samihafa amin’ny Baiboly, izany. Ankoatra izany, ireo sora-tanana amin’ireo Soratra Grika Kristiana dia vita tao anatin’ny zato taona taorian’ny nanoratana ireo boky voalohany.

[Sary, pejy 13]

Ireo Hebreo dia firenena kely izay norahonan’ireo firenena natanjaka kokoa tsy an-kijanona. Itỳ sary sokitra tranainy itỳ dia mampiseho ny nitondran’ireo Asyriana Hebreo sasany ho babo

[Sary, pejy 14]

Talohan’ny nisehoan’ny fanaovana pirinty, dia natao kopia tamin’ny tanana ireo Soratra Masina

[Sary, pejy 16]

I Néron dia nanao ny naha-Kristiana ho mendrika ny fanamelohana ho faty

[Sary, pejy 21]

Ny fandinihana ny horonam-bokin’i Isaia hita teo amin’ny Ranomasina Maty dia nanaporofo fa io boky io dia nitoetra ho tsy niova mihitsy tao anatin’ny fe-potoana nisy 1 000 taona

[Sary, pejy 23]

Tsy nahomby ny Emperora Dioclétien teo amin’ny ezaka nataony mba handevonana ny Baiboly