Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Inoana ve ny “Testamenta Taloha”?

Azo Inoana ve ny “Testamenta Taloha”?

Toko Faha-4

Azo Inoana ve ny “Testamenta Taloha”?

Ao amin’ireo toko vitsivitsy manaraka, dia hodinihintsika ny sasantsasany amin’ireo fiampangana nataon’ireo mpanao tsikera maoderina tamin’ny Baiboly. Misy miampanga fa hoe mifanipaka ny ao anatin’ny Baiboly sady “tsy ara-tsiansa”, ka hodinihina any aoriana kokoa ireo fiampangana ireo. Voalohany anefa, dia diniho ny fiampangana natao matetika fa hoe fitambarana arira sy angano fotsiny ny Baiboly. Manana antony mafy orina hanaovana fanakianana toy izany ve ireo mpanohitra ny Baiboly? Ho fanombohana, dia aoka hojerentsika ny Soratra Hebreo, ilay atao hoe Testamenta Taloha.

1, 2. Nanao ahoana ny fanaovana fahirano an’i Jeriko, ary fanontaniana inona avy no apetraka mifandray amin’izany?

NATAO fahirano ny tanàna iray fahiny. Nanao rodobe nita ny Ony Jordana ireo mpanafika azy ary izao dia nitoby teo anoloan’ireo manda avon’ilay tanàna. Hafahafa anefa izany raha tetika hoenti-miady! Isan’andro, nandritra ny henemana, ilay tafika mpanafika dia nandeha nanodidina ilay tanàna sady nangina, afa-tsy ny antokona mpisorona niaraka taminy izay nitsoka anjomara. Izao, tamin’ny andro fahafito, dia nandeha nangina nihodidina ilay tanàna impito ilay tafika. Tampoka teo, dia nitsoka ny anjomarany tamin’ny heriny rehetra ireo mpisorona. Nanapaka ny fahanginany tamin’ny hiakan’ady mafy ilay tafika, ary nirodana tao anatin’ny vovoka nitora-jofo ireo manda manerinerin’ilay tanàna, ka namela azy tsy nisy fiarovana. — Josoa 6:1-21.

2 Toy izany no ilazalazan’ny bokin’i Josoa, boky fahenina ao amin’ny Soratra Hebreo, ny nianjeran’i Jeriko izay nitranga efa ho 3 500 taona lasa izay. Tena nitranga marina ve anefa izy io? Mpanao tsikera ambony maro no hamaly amim-patokian-tena hoe tsia. * Milaza izy ireo fa ny bokin’i Josoa, miaraka amin’ireo boky dimy ao amin’ny Baiboly eo alohany, dia voaforon’ny angano nosoratana taonjato maro taorian’ny nitrangan’ireo fisehoan-javatra voaresaka. Arkeology maro koa no hamaly hoe tsia. Araka ny hevitr’izy ireo, fony niditra tao amin’ny tany Kanana ny Isiraelita, dia mety ho tsy nisy akory aza i Jeriko.

3. Nahoana no zava-dehibe ny handinihana raha tantara marina na tsia ny Baiboly?

3 Fiampangana lehibe ireo. Rehefa mamaky ny Baiboly manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ianao, dia ho voamarikao fa mifamatotra mafy amin’ny tantara ireo fampianarany. Andriamanitra dia mifampiraharaha amin’ny lehilahy, vehivavy sy fianakaviana ary firenena tena nisy ary nomena vahoaka iray nisy ara-tantara ny didiny. Ireo manam-pahaizana maoderina, izay mampiteraka fisalasalana momba ny maha-ara-tantara ny Baiboly dia mampiteraka fisalasalana koa momba ny maha-zava-dehibe sy ny maha-azo ianteherana ny hafatra ao anatiny. Raha tena Tenin’Andriamanitra marina ny Baiboly, dia tsy maintsy ho mendri-pitokiana àry ny tantarany fa tsy hirakitra angano sy arira fotsiny akory. Moa ve ireo mpanao tsikera ireo manana antony hihaikana ny maha-marina azy ara-tantara?

Ny fanaovana tsikera ambony — Azo inoana ve?

4-6. Inona avy no sasantsasany amin’ireo teorian’ny fanaovana tsikera ambony nataon’i Wellhausen?

4 Nandritra ny taonjato faha-18 sy faha-19 no tena nanomboka ny fanaovana tsikera ambony ny Baiboly. Tamin’ny tapany farany tamin’ny taonjato faha-19, ilay mpanao tsikera alemanina momba ny Baiboly atao hoe Julius Wellhausen, dia nanely ilay teoria nilaza fa ireo boky enina voalohany ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny bokin’i Josoa, dia nosoratana tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. — tokony ho arivo taona taorian’ireo fisehoan-javatra voalazalaza. Nilaza koa anefa izy fa izy ireo dia nirakitra filazana izay nosoratana taloha kokoa.​1 Io teoria io dia nosoratana tao amin’ny fanontana faha-11 tamin’ny The Encyclopædia Britannica, navoaka tamin’ny 1911, izay nanazava toy izao: “Ny Genesisy dia asa soratra natao taorian’ny sesitany, ary voaforon’ny loharano azo avy tamin’ny mpisorona taorian’ny sesitany (P) sy loharano tany aloha kokoa tsy avy tamin’ny mpisorona, izay tsy mitovy amin’ny fomba miavaka amin’ny P raha ny amin’ny fiteny sy ny fomba fanoratra ary ny fomba fihevitra ara-pivavahana.”

5 I Wellhausen sy ireo mpanara-dia azy dia nihevitra ny tantara rehetra voarakitra an-tsoratra tao amin’ny tapany voalohany amin’ny Soratra Hebreo ho “tsy tantara tena nisy, fa lovantsofim-bahoaka tamin’ny lasa kosa”.​2 Noheverina ho taratry ny tantaran’ny Isiraely tatỳ aoriana fotsiny ireo fitantarana voalohany. Ohatra, nambara fa tsy tena nisy ny fankahalana teo amin’i Jakoba sy i Esao, fa taratry ny fankahalana teo amin’ny firenen’ny Isiraely sy i Edoma tatỳ aoriana.

6 Nifanaraka tamin’izany, dia nino ireny mpanao tsikera ireny fa tsy nodidiana velively hanamboatra ny fiaran’ny fanekena i Mosesy ary koa fa tsy nisy velively ny tabernakely, foiben’ny fanompoam-pivavahana isiraelita tany an’efitra. Nino koa izy ireny fa ny fahefan’ny fisoronana avy tamin’i Arona dia tsy naorina tamin’ny fomba feno raha tsy taona vitsivitsy talohan’ny nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema, izay ninoan’ireo mpanao tsikera fa niseho tany am-piandohan’ny taonjato fahenina al.f.i.​3

7, 8. “Porofo” inona avy no nananan’i Wellhausen hanohanana ireo teoriany, ary marim-pototra ve izy ireo?

7 “Porofo” inona no nananany nanohanana ireo hevitra ireo? Milaza ho afaka mizara ny soratra ao amin’ireo boky voalohany ao amin’ny Baiboly ho tahirin-kevitra samy hafa maromaro ny mpanao tsikera ambony. Ny fitsipika fototra ampiasainy dia ny fiheverana fa, amin’ny ankapobeny, izay andinin-teny rehetra ao amin’ny Baiboly ampiasana ny teny hebreo nadika hoe Andriamanitra (’Elo·himʹ), tsy misy fanampiny, dia nosoratan’ny mpanoratra iray, ary etsy an-danin’izany, izay andinin-teny rehetra miresaka an’Andriamanitra amin’ny anarany hoe Jehovah, dia tsy maintsy ho nosoratan’ny mpanoratra hafa — toy ny hoe tsy afaka nampiasa ireo teny roa ireo ny mpanoratra iray.​4

8 Mitovy amin’izany koa fa, isaky ny voarakitra an-tsoratra mihoatra ny indray mandeha ao amin’ny boky iray ny fisehoan-javatra iray, dia raisina ho porofon’ny fisian’ny mpanoratra mihoatra ny iray nanao ilay asa izany, na dia manana ohatra famerimberenana mitovy amin’izany aza ny haisoratra semitika fahiny. Fanampin’izany, dia heverina fa izay fiovana rehetra eo amin’ny fomba fanoratra dia midika ho fiovan’ny mpanoratra. Kanefa, na dia ireo mpanoratra amin’ny fiteny maoderina aza dia matetika mampiasa fomba fanoratra samy hafa amin’ny fe-potoana samy hafa amin’ny asany, na rehefa miresaka foto-kevitra samy hafa izy ireo. *

9-11. Inona avy ireo fahalemena miavaka sasantsasany amin’ny fanaovana tsikera ambony?

9 Tena misy porofo manohana ireny teoria ireny ve? Tsy misy velively. Nanao izao fanamarihana izao ny mpivaofy teny iray: “Ny fitsikerana, na dia ny tsara indrindra aminy aza, dia tombantombana sy andrana, zavatra izay mety hovana na ho voaporofo ho diso foana ka tsy maintsy soloana zavatra hafa. Izy io dia asa ampiasana ny saina, iharan’ny fisalasalana sy ny vinavinan-kevitra rehetra izay tsy afa-misaraka amin’ny asa toy izany.”​5 Ny fanaovana tsikera ambony ny Baiboly indrindra indrindra dia faran’izay “tombantombana sy andrana”.

10 I Gleason L. Archer, Jr., dia mampiseho lesoka hafa iray amin’ny fanjohian-kevitry ny fanaovana tsikera ambony. Ny olana, hoy izy, dia hoe “Ireo mpiombon-kevitra amin’i Wellhausen dia nanomboka tamin’ny fiheverana ranofotsiny (izay zara raha nisahiranany noporofoina akory), fa avy tamin’olombelona fotsiny tahaka ny hafa rehetra ihany ny fivavahan’ny Isiraely, ary hoe fa tokony hohazavaina ho vokatra nateraky ny evolisiona fotsiny izy io.”​6 Raha lazaina amin’ny teny hafa, i Wellhausen sy ireo mpanara-dia azy dia nanomboka tamin’ny fiheverana fa tenin’olona fotsiny ny Baiboly, ary avy teo no nanombohan’izy ireo nanjohy hevitra.

11 Tamin’ny 1909, ny The Jewish Encyclopedia dia nanamarika fahalemena roa hafa koa tamin’ny teorian’i Wellhausen: “Ireo hevitra naroson’i Wellhausen, izay saika namaboany tanteraka ny antokon’ireo mpanao tsikera ny Baiboly manontolo amin’ny andro ankehitriny, dia niorina tamin’ny fiheverana roa: voalohany, fa hoe nanjary nihabe kojakojany kokoa ireo fombafomba teo amin’ny fandrosoan’ny fivavahana. Faharoa, fa hoe ireo loharanon-kevitra tranainy kokoa dia tsy maintsy ho nifandray tamin’ny fomba tsy azo ihodivirana tamin’ireo ambaratonga voalohany tamin’ny fandrosoan’ireo fombafomba. Mifanohitra amin’ny porofo hita tao amin’ireo kolontsaina tany aloha indrindra ilay fiheverana voalohany, ary tsy tohanan’ny porofon’ny fisian’ny lalàna ara-pombafomba tahaka ny hita any India ilay farany.”

12. Mahatohitra ny fahazavan’ny arkeolojia ve ny fanaovana tsikera ambony maoderina?

12 Misy fomba itsapana ny fanaovana tsikera ambony ve mba hahitana raha marina na tsia ireo teoriany? Nanohy nilaza toy izao ny The Jewish Encyclopedia: “Saika miorina tanteraka amin’ny famakafakana tsikera ara-bakiteny ny fomba fihevitr’i Wellhausen, ary hilaina hampiana fandinihana avy amin’ny fomba fihevitry ny arkeolojia voaorina.” Rehefa nandeha ireo taona, moa ve ny arkeolojia nanamarina ny teorian’i Wellhausen? Mamaly toy izao ny The New Encyclopædia Britannica: “Ny fanaovana tsikera arkeolojika dia nirona hanamarina ny maha-azo ianteherana ireo tsipiriany ara-tantara mampiavaka ireo fe-potoana tranainy indrindra [amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly] mihitsy aza, sy hanilika ilay teoria milaza fa taratry ny fe-potoana ela be tatỳ aoriana fotsiny ireo fitantarana ao amin’ny Pentateuque [firaketana an-tsoratra ara-tantara ao amin’ireo boky voalohany indrindra amin’ny Baiboly].”

13, 14. Na dia mihozongozona aza ny fototra iorenany, nahoana no mbola ekena hatraiza hatraiza ny fanaovana tsikera ambony nataon’i Wellhausen?

13 Rehefa heverina ireo fahalemeny, nahoana no be mpitia aoka izany ny fanaovana tsikera ambony eo amin’ireo avara-pianarana amin’izao andro izao? Noho izy io milaza aminy ireo zavatra tiany ho re. Ny manam-pahaizana iray tamin’ny taonjato faha-19 dia nanazava toy izao: “Amiko manokana, dia mankasitraka io bokin’i Wellhausen io saika mihoatra noho izay boky hafa rehetra aho; satria ny olana maika indrindra momba ny tantara ao amin’ny Testamenta Taloha dia hitako ho voalamina rehefa ela ny ela amin’ny fomba mifanaraka amin’ny fitsipiky ny evolisionan’ny olombelona, izay voatery ampihariko amin’ny tantaran’ny fivavahana rehetra.”​7 Miharihary fa ny fanaovana tsikera ambony dia nifanaraka tamin’ny fitsarana an-tendrony nananany tamin’ny naha-evolisionista azy. Ary mahatanteraka tanjona mitovy ihany tokoa ireo teoria roa ireo. Toy ny hanafoanan’ny evolisiona ny ilana hino ny Mpamorona, dia toy izany koa fa te hilaza ny fanaovana tsikera ambonin’i Wellhausen fa tsy voatery hino ny olona iray fa ara-tsindrimandry ny Baiboly.

14 Amin’izao taonjato faha-20 mpandala ny asan’ny saina izao, ny fiheverana fa tsy Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, fa tenin’olona, dia hitan’ireo avara-pianarana ho azo inoana. * Mora lavitra amin’izy ireo ny mino fa nosoratana taorian’ny nahatanterahany ireo faminaniana, toy izay hanaiky azy ireny ho marina. Aleon’izy ireo manazava ireo fitantaran’ny Baiboly momba ireo fahagagana ho toy ny arira, angano na tantara noforonina, toy izay handinika ny netezan’izy ireny ho tena nitranga. Fitsarana an-tendrony anefa ny fomba fihevitra toy izany ary tsy manome antony mafy orina handavana ny Baiboly ho marina. Misy lesoka lehibe ny fanaovana tsikera ambony, ary ny famelezana nataony tamin’ny Baiboly dia tsy afaka nanaporofo fa tsy Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.

Manohana ny Baiboly ve ny arkeolojia?

15, 16. Ny fisian’ny mpanapaka fahiny iza resahina ao amin’ny Baiboly moa no nohamarinin’ny arkeolojia?

15 Ny arkeolojia dia sampam-pianarana mafy orina lavitra noho ny fanaovana tsikera ambony. Ireo arkeology, tamin’ny fihadiana teo amin’ireo sisan-javatra navelan’ireo sivilizasiona lasa, dia nampitombo tamin’ny fomba maro ny fahatakarantsika ireo zava-nitranga fahiny. Noho izany, dia tsy mahagaga raha mifandrindra imbetsaka amin’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly ny firaketana arkeolojika. Indraindray aza dia narovan’ny arkeolojia tamin’ireo mpitsikera azy ny Baiboly.

16 Ohatra, araka ny bokin’ny Daniela, ny mpanapaka farany tao Babylona talohan’ny nianjerany teo anoloan’ny Persiana dia nantsoina hoe Belsazara. (Daniela 5:1-30). Koa satria toa tsy nisy firesahana an’i Belsazara ivelan’ny Baiboly, dia natao ny fiampangana fa hoe diso ny Baiboly ary tsy nisy na oviana na oviana io olona io. Nandritra ny taonjato faha-19 anefa, dia nahitana varingarina kely maromaro nisy soratra cunéiforme tao amin’ny sisan-javatra sasany tany atsimon’i Irak. Izy ireo dia hita fa nisy vavaka iray nangatahana fahasalamana ho an’ny zanaka lahimatoan’i Nabonida, mpanjakan’i Babylona. Ny anaran’io zanany io? Belsazara.

17. Ahoana no azontsika anazavana ny fiantsoan’ny Baiboly an’i Belsazara ho mpanjaka, kanefa niantso azy hoe zanakalahin’ny mpanjaka ny ankamaroan’ireo soratra hita?

17 Koa nisy Belsazara iray àry! Mpanjaka ve anefa izy io fony nianjera i Babylona? Ny ankamaroan’ireo tahirin-kevitra hita nanaraka izany dia nanisy firesahana azy ho toy ny zanakalahin’ny mpanjaka, ilay mpandova azy. Ny tahirin-kevitra iray nisy soratra cunéiforme ary voalazalaza ho ny “Fitantarana An-tononkalon’i Nabonida” anefa dia manome fahazavana bebe kokoa momba ny tena toerana notanan’i Belsazara. Manao izao tatitra izao izy io: “Izy [Nabonida] dia nanankina ny ‘Toby’ tamin’ny (zanaka) lahimatoany, dia ilay zokiny indrindra, ireo miaramila teny rehetra teny tao amin’ilay tany dia nodidiany teo ambanin’ny baikony. Izy dia namela (ny zavatra rehetra) handeha, nanankina taminy ny fahefan’ny mpanjaka.”​8 Koa nanankinana ny fahefan’ny mpanjaka àry i Belsazara. Azo antoka fa tamin’ny heviny rehetra, dia nahatonga azy ho mpanjaka izany! * Io fifandraisana nisy teo amin’i Belsazara sy i Nabonida rainy io dia manazava hoe nahoana i Belsazara no nanolotra ny hanaovana an’i Daniela ho ny mpanapaka fahatelo tao amin’ny fanjakana nandritra ilay fanasana farany tao Babylona. (Daniela 5:16). Koa satria i Nabonida no mpanapaka voalohany, ny tenan’i Belsazara dia ny mpanapaka faharoan’i Babylona fotsiny.  

Porofo manohana hafa

18. Filazana inona no omen’ny arkeolojia mba hanamarinana ny fiadanana sy ny firoboroboana nentin’ny fotoana nanjakan’i Davida?

18 Eny tokoa, zavatra hita arkeolojika maro no nanaporofo ny maha-araka ny marina ara-tantara ny Baiboly. Ohatra, ny Baiboly dia manao tatitra fa taorian’ny nandraisan’i Solomona Mpanjaka ny fahefan’ny mpanjaka avy tamin’i Davida rainy, dia nahita firoboroboana lehibe ny Isiraely. Izao no vakintsika: “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.” (1 Mpanjaka 4:20). Ho fanohanana io fanambarana io, dia izao no vakintsika: “Mampiharihary ny porofo arkeolojika fa nisy fihoaran’ny isan’ny mponina tany Joda nandritra sy taorian’ny taonjato fahafolo al.J.K., rehefa nahatonga hety ny fanorenana tanàna vaovao maro ny fiadanana sy ny firoboroboana nentin’i Davida.”​10

19. Filazana fanampiny inona no omen’ny arkeolojia momba ny ady nisy teo amin’ny Isiraely sy i Moaba?

19 Tatỳ aoriana, ny Isiraely sy ny Joda dia tonga firenena roa, ary nandresy ny tanin’i Moaba teo akaiky ny Isiraely. Nisy fotoana nikomian’i Moaba, izay teo ambanin’ny fahefan’i Mesa Mpanjaka, ary nanao fanekena tamin’ny Joda sy ny fanjakan’i Edoma teo akaiky ny Isiraely mba hiady tamin’i Moaba. (2 Mpanjaka 3:4-27). Mahavariana fa tamin’ny 1868, tany Jordanie, dia nahitana tsangambato iray (takela-bato voasokitra) nisy soratra tamin’ny fiteny moabita, nanaovan’i Mesa ny fitantarany manokana io ady io.

20. Inona no lazain’ny arkeolojia amintsika momba ny fandravan’ny Asyriana ny Isiraely?

20 Avy eo, tamin’ny taona 740 al.f.i., dia navelan’Andriamanitra horavan’ny Asyriana ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, izay nikomy. (2 Mpanjaka 17:6-18). Rehefa niresaka momba ny fitantaran’ny Baiboly io fisehoan-javatra io ilay arkeology atao hoe Kathleen Kenyon dia nanao izao fanazavana izao: “Mety hisy hisalasala fa ny sasany amin’izy io dia fampitomboana fomba filaza.” Nefa izany ve izy io? Izao no teny nanampiny: “Ny porofo arkeolojika ny amin’ny fianjeran’ny fanjakan’ny Isiraely dia saika velombelona kokoa noho ny an’ny firaketana ara-baiboly. (...) Ny fahafonganana tanterak’ireo tanàna isiraelitan’i Samaria sy i Hazora, niaraka tamin’ny fandravana an’i Megido, no porofo miorina amin’ny zava-misy arkeolojika fa tsy nanao laza masaka ny mpanoratra [ny Baiboly].”​11

21. Tsipiriany inona avy momba ny nandresen’ny Babyloniana ny Joda moa no omen’ny arkeolojia?

21 Tatỳ aoriana ihany koa, dia lazain’ny Baiboly amintsika fa nataon’ny Babyloniana fahirano i Jerosalema, teo ambany fahefan’i Joiakina Mpanjaka, ary resy. Io fisehoan-javatra io dia voarakitra an-tsoratra eo amin’ny Tantara Babyloniana, vato fisaka nisy soratra cunéiforme hitan’ireo arkeology. Izao no vakintsika momba azy io: “Ny mpanjakan’i Akada [Babylona] (...) dia nanao fahirano ny tanànan’i Joda (iahudu) ary ny mpanjaka dia namabo ilay tanàna tamin’ny andro faharoa tamin’ny volana Adara.”​12 Nentina tany Babylona i Joiakina ary nampidirina an-tranomaizina. Tatỳ aoriana anefa, araka ny Baiboly, dia nafahana tao an-tranomaizina izy ary nomena anjara sakafo. (2 Mpanjaka 24:8-15; 25:27-30). Izany dia tohanan’ny tahirin-kevi-panjakana hita tany Babylona, izay nitanisa ireo anjara sakafo nomena an’i “Yaukîn, mpanjakan’ny Joda”.​13

22, 23. Amin’ny ankapobeny, inona no fifandraisana misy eo amin’ny arkeolojia sy ireo filazana ara-tantaran’ny Baiboly?

22 Momba ny fifandraisana misy eo amin’ny arkeolojia sy ireo filazana ara-tantara ao amin’ny Baiboly, dia nanao izao fanazavana izao ny Profesora David Noel Freedman: “Amin’ny ankapobeny anefa, ny arkeolojia dia nirona hanohana ny maha-marim-pototra ara-tantara ny fitantarana ara-baiboly. Ny filazana amin’ny ambangovangony ny fandaharan-taona nanomboka tamin’ireo patriarika ka hatramin’ny andron’ny T[estamenta] V[aovao] dia mifanaraka amin’ny filazana nangonin’ny arkeolojia. (...) Ireo zavatra ho hita amin’ny hoavy dia azo inoana fa hanohana ilay fomba fihevitra araka ny antonona ankehitriny fa hoe manam-pototra ara-tantara ny lovantsofina ara-baiboly ary nampitaina tamim-pahatokiana, na dia tsy tantara aza izy io amin’ny heviny feno ara-tsikera na ara-tsiansa.”

23 Avy eo, momba ireo ezaka ataon’ireo mpanao tsikera ambony mba tsy hinoan’ny olona ny Baiboly, dia hoy izy: “Ny fanandraman’ireo manam-pahaizana maoderina hamorona indray ny tantara ara-baiboly — ohatra, ny hevitr’i Wellhausen fa hoe taratry ny fanjakana nizarazara ny andron’ireo patriarika; na ny fandavan’i Noth sy ireo mpanara-dia azy ny maha-ara-tantara an’i Mosesy sy ny fifindrana rodobe ary ny fanandramana handrafitra indray ny tantaran’ny Isiraely ho vokatr’izany — dia tsy nahatohitra ny filazana nangonin’ny arkeolojia na koa ny tantara ara-baiboly.”​14

Ny fianjeran’i Jeriko

24. Filazana inona no omen’ny Baiboly antsika momba ny nianjeran’i Jeriko?

24 Midika ve izany fa mitovy hevitra amin’ny Baiboly amin’ny toe-javatra rehetra ny arkeolojia? Tsia, misy tsy fitovian-kevitra maromaro. Ny iray dia ny nandresena an’i Jeriko nampihetsi-po lalina voalazalaza teo am-panombohan’itỳ toko itỳ. Araka ny Baiboly, dia i Jeriko no tanàna voalohany noresen’i Josoa rehefa nitarika ny Isiraelita tao amin’ny tany Kanana izy. Tondroin’ny fandaharan-taonan’ny Baiboly fa ilay tanàna dia nianjera tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-15 al.f.i. Taorian’ilay faharesena, dia nodorana tanteraka tamin’ny afo i Jeriko ary avy eo dia navela tsy nisy mponina nandritra ny an-jatony taona maro. — Josoa 6:1-26; 1 Mpanjaka 16:34.

25, 26. Tonga amin’ny famaranan-kevitra roa samy hafa inona avy ireo arkeology, ho vokatry ny famongarana an’i Jeriko?

25 Talohan’ny ady lehibe faharoa, dia nofongarin’ny Profesora John Garstang ilay toerana noheverina ho nisy an’i Jeriko. Hitany fa tena tranainy ilay tanàna ary noravana sy naorina imbetsaka. Hitan’i Garstang fa nandritra ny iray tamin’ireny fandravana ireny, dia nianjera ireo manda, toy ny tamin’ny alalan’ny horohoron-tany, ary nodorana tanteraka tamin’ny afo ilay tanàna. Ninoan’i Garstang fa nitranga tokony ho tamin’ny 1400 al.f.i. izany, tsy dia lavitra loatra ny daty notondroin’ny Baiboly ho nisehoan’ny nandravan’i Josoa an’i Jeriko.​15

26 Taorian’ny ady, dia nanao famongarana fanampiny tao Jeriko ny arkeology hafa iray atao hoe Kathleen Kenyon. Tonga tamin’ny famaranan-kevitra izy fa ireo manda nirodana hitan’i Garstang dia efa hatramin’ny an-jatony taona maro taloha kokoa noho ny niheveran’i Garstang azy. Tena nahita fandravana iray lehibe an’i Jeriko tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i. izy, nefa nilaza izy fa tsy nisy tanàna teo amin’ny toerana nisy an’i Jeriko nandritra ny taonjato faha-15 — fotoana lazain’ny Baiboly fa nanafihan’i Josoa ilay tany. Nanohy ny tatitra nataony izy fa nety ho nisy famantarana ny amin’ny fandravana hafa izay nety ho nitranga teo amin’ilay toerana tamin’ny 1325 al.f.i., ary nanipy hevitra toy izao izy: “Raha toa ny fandravana an’i Jeriko ka tokony hampiarahina amin’ny fanafihana teo ambanin’ny fitarihan’i Josoa, dia io [farany] io no daty aroson’ny arkeolojia.”​16

27. Nahoana no tsy tokony hanelingelina antsika tafahoatra ireo fahasamihafana misy eo amin’ny arkeolojia sy ny Baiboly?

27 Midika ve izany fa diso ny Baiboly? Tsy izany velively. Tsy maintsy tadidintsika fa na dia manome antsika fahalalana momba ny lasa aza ny arkeolojia, dia tsy fahalalana mazava foana akory izy io. Indraindray izy io dia tena manjavozavo tokoa. Izao no nomarihin’ny mpivaofy teny iray: “Ny porofo arkeolojika dia mampalahelo fa sombintsombiny ihany, ka noho izany dia voafetra.”​17 Marina indrindra izany ny amin’ireo fe-potoana voalohany tamin’ny tantaran’ny Isiraely, fe-potoana izay tsy mampahazava ny porofo arkeolojika. Eny tokoa, vao mainka aza tsy mazava ny porofo any Jeriko, satria nihasimba be ilay toerana.

Ny fetran’ny arkeolojia

28, 29. Inona avy ireo fetra sasantsasany amin’ny arkeolojia izay neken’ny manam-pahaizana?

28 Na dia ireo arkeology aza dia miaiky ny fetran’ny siansany. Manazava toy izao ohatra i Yohanan Aharoni: “Rehefa ny filazana hevitra ara-tantara na ara-jeografia no resahina, dia mivoaka amin’ny faritry ny siansa marina ny arkeology, ary tsy maintsy miantehitra amin’ireo fitsarana ara-keviny sy petra-kevitra mba hahatongavana amin’ny filazan-javatra ara-tantara ankapobe.”​18 Momba ireo daty nomena ho an’ireo zavatra hita samihafa, dia manampy teny toy izao izy: “Tsy maintsy mitadidy foana isika, noho izany, fa tsy daty hentitra daholo akory ny daty rehetra ary samy misy mampiahiahy ny aminy”, na dia mihevitra aza izy fa ireo arkeology amin’izao andro izao dia afaka matoky kokoa ny fanomezan’izy ireo daty noho ny tamin’ny lasa.​19

29 Mametraka izao fanontaniana izao ny The World of the Old Testament: “Araka ny zava-misy na tena siansa ve ny fomba ampiasain’ny arkeolojia?” Mamaly toy izao izy io: “Mihevitra kokoa ny zava-misy ireo arkeology rehefa mamongatra ireo sisan-javatra noho ny rehefa milaza ny hevitr’izy ireny. Ny fanahiany amin’ny maha-olombelona anefa dia hisy heriny eo amin’ny fomba hampiasainy koa rehefa hanao ilay ‘fihadiana’ izy ireo. Tsy afa-misoroka ny fanapotehana ireo porofo hitany izy ireo arakaraka ny androsoany mihady ireo soson-tany, koa tsy afaka mitsapa velively ny ‘fanandramana’ ataony amin’ny famerenana azy io izy ireo. Izany dia mahatonga ny arkeolojia ho tsy manam-paharoa amin’ireo siansa. Ambonin’izany, izy io dia mahatonga ny tatitra arkeolojika ho asa mitaky ezaka sy feno fandrika indrindra.”​20

30. Ahoana no fiheveran’ny mpianatra ny Baiboly ny arkeolojia?

30 Koa ny arkeolojia àry dia afaka manampy, nefa tahaka ny asa rehetra ataon’ny olombelona dia mety ho diso. Na dia mandinika ireo teoria arkeolojika amim-pahalianana aza isika, dia tsy tokony hihevitra velively azy ireo ho fahamarinana tsy azo iadian-kevitra. Raha milaza ny hevitr’ireo zavatra hitany amin’ny fomba mifanohitra amin’ny Baiboly ireo arkeology, dia tsy tokony horaisintsika ho azy ho diso ny Baiboly fa ny arkeology kosa no marina. Fantatra ho niova ny filazan’izy ireo hevitra.

31. Fanipazan-kevitra vaovao inona no naroso vao haingana momba ny fianjeran’i Jeriko?

31 Mahaliana ny manamarika fa tamin’ny 1981 ny Profesora John J. Bimson dia nijery indray ny fandravana an’i Jeriko. Nandinika akaiky ny nandravana an’i Jeriko tamin’ny afo izay nitranga — araka ny hevitr’i Kathleen Kenyon — tany antenatenan’ny taonjato faha-16 al.f.i izy. Araka ny heviny, io fandravana io dia tsy hoe nifanentana fotsiny tamin’ny fitantaran’ny Baiboly ny nandravan’i Josoa ilay tanàna, fa ny filazan-javatra omen’ny arkeolojia momba an’i Kanana amin’ny ankapobeny koa dia mifanentana tanteraka amin’ny filazan’ny Baiboly an’i Kanana, fony nanafika ny Isiraelita. Noho izany, dia manipy hevitra izy fa diso ny fanomezan’ny arkeolojia daty ary mandroso ny hevitra izy fa tena nitranga marina tany antenatenan’ny taonjato faha-15 al.f.i. tamin’ny andro niainan’i Josoa io fandravana io.​21

Tantara marina ny Baiboly

32. Fironana inona no hita teo amin’ireo manam-pahaizana sasantsasany?

32 Izany dia manazava ny fisian’ny tsy fitovian-kevitra matetika eo amin’ireo samy arkeology. Tsy mahagaga àry raha tsy mitovy hevitra amin’ny Baiboly ny sasany ary mitovy hevitra aminy kosa ny hafa. Na dia izany aza, dia mihamanaja ny maha-marina ara-tantara ny Baiboly amin’ny ankapobeny ny manam-pahaizana sasany, na dia tsy amin’ny tsipiriany rehetra aza. I William Foxwell Albright dia naneho fomba fiheverana iray rehefa nanoratra toy izao: “Nisy fiverenana ankapobe ho amin’ny fankasitrahana ny maha-araka ny marina ny tantara ara-pivavahan’ny Isiraely, amin’ny ambangovangony sy amin’ny tsipiriany. (...) Ho fehiny, dia afaka mihevitra indray ny Baiboly, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ho tahirin-kevitra misy tantara ara-pivavahana azo itokiana isika ankehitriny.”​22

33, 34. Ahoana no anomezan’ny Soratra Hebreo mihitsy porofon’ny maha-araka ny marina azy ara-tantara?

33 Raha ny marina, dia mitondra ny fitomboky ny tantara araka ny marina ny Baiboly mihitsy. Mifamatotra amin’ny fotoana sy daty voafaritra tsara ireo fisehoan-javatra, tsy tahaka ny an’ny ankamaroan’ireo arira sy angano fahiny. Fisehoan-javatra maro voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly no tohanan’ny soratra natao tamin’ireny fotoana ireny. Rehefa misy fahasamihafana eo amin’ny Baiboly sy ny soratra fahiny sasany, ilay fahasamihafana dia azo hazavaina matetika ho avy amin’ny tsy fitiavan’ireo mpanapaka fahiny hirakitra an-tsoratra ny fahareseny manokana sy ho avy amin’ny faniriany hanandratra ny fahombiazany.

34 Eny tokoa, maro amin’ireo soratra fahiny ireo no tsy tantara fa fampielezan-kevitra ofisialy fotsiny. Mifanohitra amin’izany, dia maneho fahatsorana tsy fahita firy ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Olo-nalaza fahiny lehibe toa an-dry Mosesy sy Arona no naharihary niaraka tamin’ireo fahalemena sy toetra nampiavaka azy rehetra. Naharihary tamim-pahatsorana na dia ireo fahadisoan’ilay mpanjaka nalaza natao hoe Davida aza. Nalana sarona imbetsaka ireo fahadisoan’ilay firenena tamin’ny fitambarany. Io fahatsorana io dia mahatonga ny Soratra Hebreo ho marina sy azo ianteherana ary manome lanjany ny tenin’i Jesosy, izay, nilaza toy izao, fony nivavaka tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.” — Jaona 17:17.

35. Tsy nahomby tamin’ny fanaovana inona ireo mpandinika mandala ny asan’ny saina, ary amin’inona no itodihan’ny mpianatra ny Baiboly mba hanaporofoana ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly?

35 Nanohy ny teniny toy izao i Albright: “Na manao ahoana na manao ahoana, dia manerinerina ambonin’ireo asa soratra ara-pivavahana rehetra tany am-boalohany ny Baiboly raha ny amin’ny loha hevitra; ary manerinerina amin’ny fomba manaitra tsy misy hafa amin’izany ambonin’ireo asa soratra rehetra taoriany koa izy raha ny amin’ny fahatsoran’ny hafatra mivantana ao anatiny sy ny halehiben’ny [lafiny rehetra amin’ny] fitaomany eo amin’ny olona avy amin’ny tany sy amin’ny fotoana rehetra.”​23 Io ‘hafatra manerinerina’ io, fa tsy ny fanamarinan’ireo manam-pahaizana akory, no manaporofo ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly, araka ny ho hitantsika ao amin’ireo toko ao aoriana kokoa. Aoka homarihintsika anefa fa ireo mpandinika maoderina mandala ny asan’ny saina dia tsy nahavita nanaporofo fa tsy tantara marina ny Soratra Hebreo, kanefa manome ny porofo rehetra ny amin’ny maha-araka ny marina azy, ireo soratra ireo mihitsy. Azo atao ve ny milaza izany koa ny amin’ny Soratra Grika Kristiana, ny “Testamenta Vaovao”? Handinika izany isika ao amin’ny toko manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny hoe “fanaovana tsikera ambony” (na “fomba fitsikerana ara-tantara”) dia teny ampiasaina mba hilazalazana ny fianarana ny Baiboly amin’ny fikendrena hahita tsipiriany toy ny hoe ny mpanoratra azy sy ny loharanon-kevitra ary ny fotoana nanoratana ny boky tsirairay.

^ feh. 8 Ohatra, ilay poety anglisy atao hoe John Milton dia nanoratra ny tononkalony misandratra momba ny olona mahery fo iray hoe “Paradise Lost” tamin’ny fomba fanoratra samy hafa tanteraka tamin’ilay tononkalony hoe “L’Allegro”. Ary nosoratana tamin’ny fomba fanoratra mbola hafa koa ireo trakitra ara-politika nataony.

^ feh. 14 Ny ankamaroan’ireo avara-pianarana amin’izao andro izao dia mirona ho mpandala ny asan’ny saina. Araka ny rakibolana, ny hoe fandalana ny asan’ny saina (rationalisme) dia “fianteherana amin’ny saina ho fototry ny fanorenana ny fahamarinana ara-pivavahana”. Miezaka manazava ny zavatra rehetra araka ny sain’olombelona ireo mpandala ny asan’ny saina toy izay hihevitra ny hetezan’ny fisian’ny fanaovan’Andriamanitra zavatra.

^ feh. 17 Mahaliana fa ny sary vaton’ny mpanapaka fahiny iray hita tany amin’ny faritra avaratr’i Syrie, tany amin’ireo taona 1970, dia nampiseho fa tsy hoe tsy fantatra akory ny fiantsoana ny mpanapaka iray ho mpanjaka na dia, tamin’ny heviny hentitra aza, dia nanana anaram-boninahitra ambany kokoa izy. Ny an’ny mpanapaka iray tany Gozana ilay sary vato ary nisy soratra tamin’ny fiteny asyriana sy aramiana. Niantso ilay lehilahy hoe governoran’i Gozana ilay soratra asyriana, fa niantso azy kosa hoe mpanjaka ilay soratra aramiana nifanitsy taminy.​9 Koa tsy hoe tsy nialohavan’ny ohatra àry ny fiantsoana an’i Belsazara hoe mpandova ny mpanjaka tao amin’ireo soratra ofisialin’i Babylona sy ny fiantsoana azy ho mpanjaka tao amin’ny soratr’i Daniela tamin’ny fiteny aramiana.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 53]

Tsy mba tahaka ireo tantara fahiny tsy ara-pivavahana ny Baiboly, fa mitantara amim-pahatsorana kosa ireo fahadisoan’olombelona nataon’ireo olo-malaza nohajaina toa an-dry Mosesy sy Davida

[Efajoro, pejy 44]

Ny Vidin’ny Arkeolojia

“Ny arkeolojia dia manome santionany amina fitaovana sy fasiana sakafo, rindrina sy trano, fiadiana sy firavaka fahiny. Ny ankamaroan’izy ireny dia azo alahatra araka ny fandehan’ny fotoana ary azo fantarina amin’ny fomba azo antoka amin’ireo fitenenana sy toe-javatra nisy mifanentana voarakitra ao amin’ny Baiboly. Amin’io heviny io ny Baiboly dia mitahiry amin’ny endriny voasoratra araka ny marina ny kolontsainy fahiny. Ny tsipirian’ireo tantara ara-baiboly dia tsy vokatry ny hevi-dravina noforonin’ny sain’ny mpanoratra iray akory, fa tena taratr’ilay tontolo nitrangan’ireo fisehoan-javatra tsotra na ireo fahagagana voarakitra an-tsoratra kosa.” — The Archaeological Encyclopedia of the Holy Land.

[Efajoro, pejy 50]

Izay Azon’ny Arkeolojia Atao sy Tsy Atao

“Ny arkeolojia dia sady tsy manamarina no tsy manohitra ny Baiboly amin’ny teny hentitra, nefa manana zava-kendrena hafa tena lehibe kosa izy io. Izy io dia mamerina indray, na dia tsy amin’ny fomba feno aza, ilay tontolo ara-batana resahin’ny Baiboly mialoha. Mba hahalalana, ohatra, ny fitaovana nanorenana ny trano iray, na hoe tahaka ny ahoana ny ‘fitoerana avo’ iray, dia be dia be no mampitombo ny fahazoantsika ny hevitr’ilay soratra. Faharoa, izy io dia mameno ny tsy ampy amin’ny filazana ara-tantara. Ilay Vato Moabita, ohatra, dia manome ilay lafiny hafa amin’ny tantara nambara tao amin’ny 2 Mpanjaka 3:4ff. (...) Fahatelo, izy io dia mampiharihary ny fiainana sy ny fisainan’ireo firenena teo akaikin’ny Isiraely fahiny — izay mahaliana tsotra izao, ary manazava ny tontolon-kevitra nivelaran’ny fisainan’ny Isiraely fahiny.” — EblaA Revelation in Archaeology.

[Sary, pejy 41]

I Milton dia nanoratra tamin’ny fomba fanoratra samy hafa, fa tsy iray ihany. Mihevitra ny asa sorany ho nataon’ny mpanoratra maromaro samy hafa ve ireo mpanao tsikera ambony?

[Sary, pejy 45]

Ny “Fitantarana An-tononkalon’i Nabonida” dia manao tatitra fa nankinin’i Nabonida tamin’ny lahimatoany ny fahefan’ny mpanjaka

[Sary, pejy 46]

Ilay Vato Moabita dia manome ny fomba filazan’i Mesa Mpanjaka ilay ady teo amin’i Moaba sy ny Isiraely

[Sary, pejy 47]

Ireo firaketana an-tsoratra ofisialy babyloniana dia manohana ny fitantaran’ny Baiboly ny fianjeran’i Jerosalema