Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Siansa: Voaporofony ve fa Diso ny Baiboly?

Ny Siansa: Voaporofony ve fa Diso ny Baiboly?

Toko Faha-8

Ny Siansa: Voaporofony ve fa Diso ny Baiboly?

Tamin’ny 1613, ilay mpahay siansa italiana atao hoe Galilée dia namoaka asa soratra iray fantatra tamin’ny hoe “Taratasy Momba Ireo Pentina eny Amin’ny Masoandro”. Tao amin’izy io izy dia nanome porofon’ny fihodinan’ny tany manodidina ny masoandro, fa tsy ny fihodinan’ny masoandro manodidina ny tany akory. Tamin’ny fanaovany izany, dia nampandeha fitohitohizan-javatra izay nitondra azy tamin’ny farany teo anoloan’ny Inquisition Katolika izy, noho ny ‘fiahiahiana azy ho nanao herezia’. Tamin’ny farany izy dia voatery “nanda ampahibemaso”. Nahoana ny hevitra ny amin’ny fihodinan’ny tany manodidina ny masoandro no noheverina ho herezia? Satria nilaza ireo mpiampanga an’i Galilée fa nifanohitra tamin’izay lazain’ny Baiboly izany.

1. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Inona no nitranga fony i Galilée nanipy hevitra fa mihodina manodidina ny masoandro ny tany? b) Na dia tsy boky fianarana ara-tsiansa aza ny Baiboly, inona no hitantsika rehefa mampitaha azy io amin’ny siansa maoderina isika?

OLONA maro be no mihevitra amin’izao andro izao fa tsy mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, ary manondro ny fanandraman-javatra hitan’i Galilée ny sasany mba hanaporofoana izany. Izany ve anefa no izy? Rehefa mamaly an’io fanontaniana io isika, dia tsy maintsy mitadidy fa ny Baiboly dia bokim-paminaniana, tantara, vavaka sy lalàna ary fahalalana momba an’Andriamanitra. Tsy mihambo ho boky fianarana ara-tsiansa izy io. Na dia izany aza, rehefa mikasika foto-kevitra ara-tsiansa ny Baiboly, dia araka ny marina tanteraka izay lazainy.

Ny planetantsika tany

2. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny toeran’ny tany eny amin’ny habakabaka?

2 Diniho, ohatra, izay lazain’ny Baiboly momba ny planetantsika, ny tany. Mamaky toy izao isika ao amin’ny bokin’i Joba: “Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ny habakabaka [Andriamanitra] ary manantona ny tany amin’ny tsy misy.” (Joba 26:7). Ampitahao amin’ny fanambaran’i Isaia izany rehefa milaza toy izao izy: “Izy no mipetraka (...) ambonin’ny [faribolan’ny, NW ] tany”. (Isaia 40:22). Ny sary omena ny amin’ny tany boribory iray ‘mihantona eo amin’ny tsy misy eo amin’ny habakabaka’ dia mampahatsiahy antsika amin’ny fomba manaitra ireo sarin’ny bolan-tany mitsingevaheva eo amin’ny habakabaka, nalain’ireo mpitondra sambon-danitra.

3, 4. Inona ny tsingerin’ny rano eto ambonin’ny tany, ary inona no lazain’ny Baiboly momba azy io?

3 Diniho koa, ohatra, ny tsingerina mahatalanjon’ny rano eto ambonin’ny tany. Izao no fomba ilazalazan’ny Compton’s Encyclopedia izay mitranga: “Ny rano (...) dia mietona avy eo amin’ny fanambonin’ireo oseana ka miditra ao amin’ny atmosfera (...) Ny rivotra mihetsika tsy an-kiato eny amin’ny atmosferan’ny tany dia mitondra ny rivotra mando ho etỳ afovoan-tany. Rehefa mihamangatsiaka ny rivotra, ny fofon-drano dia mietona mba hahaforona teten-drano. Ireo dia hita araka ny mahazatra indrindra ho toy ny rahona. Matetika ireo tete dia mitambatra mba hahaforona teten-dranonorana. Raha ampy ny hatsiakan’ny atmosfera, dia bohabohan’oram-panala [ flocon de neige] no miforona fa tsy teten-dranonorana. Amin’ireo toe-javatra roa ireo, ny rano izay niala avy tany amin’ny oseana iray tany amin’ny an-jatony na an’arivony kilaometatra mihitsy aza, dia mianjera eto ambonin’ny tany. Eto izy dia miangona ao amin’ireo renirano na mitsika any anaty tany ary manomboka ny diany miverina any amin’ny ranomasina indray.”​1

4 Io fandehan-javatra mahavariana io, izay mahatonga hety ny fiainana eto ambonin’ny tany maina, dia voalazalaza tsara tamin’ny teny tsotra sy marina tao amin’ny Baiboly, 3 000 taona lasa izay: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” — Mpitoriteny 1:7.

5. Amin’ny ahoana ny tenin’ny mpanao salamo momba ny tantaran’ireo tendrombohitra eto amin’ny tany no araka ny toetr’andro amin’ny fomba mahavariana?

5 Angamba ny mbola mahavariana kokoa aza dia ny fahaizan’ny Baiboly mahatakatra ny tantaran’ireo tendrombohitra. Izao no lazain’ny boky iray fianarana jeolojia: “Nanomboka tamin’ny fizaram-potoana précambrien ka mandraka ankehitriny dia nitohy tsy tapaka ny fizotran’ny fiorenana sy ny faharavan’ireo tendrombohitra. (...) Tsy vitan’ny hoe niantomboka tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina efa tsy hita intsony ny tendrombohitra, fa matetika koa no safotra ela be taorian’ny fiorenany izy ireo, ary avy eo dia nisondrotra indray.”​2 Ampitahao amin’ny fiteny poetikan’ilay mpanao salamo toy izao izany: “Ny rano lalina no nasaronao [ny tany] tahaka ny lamba; nandifotra ny tendrombohitra aza ireny. Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha — ho any amin’izay namboarinao hitoerany.” — Salamo 104:6, 8.

“Tamin’ny voalohany”

6. Fanambarana inona ao amin’ny Baiboly no mifanaraka amin’ireo teoria ara-tsiansa amin’izao fotoana izao momba ny niandohan’izao rehetra izao?

6 Ny andininy voalohany mihitsy ao amin’ny Baiboly dia manambara hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). Nisy fandinihana nitarika ireo mpahay siansa hanao teoria hoe nanana fiandohana marina tokoa izao rehetra izao hita maso. Tsy hoe efa nisy hatramin’izay akory izy io. Ilay astronoma atao hoe Robert Jastrow, izay misalasala momba ireo foto-kevitra ara-pivavahana, dia nanoratra toy izao: “Ny tsipiriany dia tsy mitovy, fa ireo foto-javatra tena lehibe amin’ny fitantaran’ny astronomia sy ny fitantarana ara-baibolin’ny Genesisy kosa dia mitovy: ny fitohitohizan’ireo fisehoan-javatra nitarika ho amin’ny olombelona dia nanomboka tampoka sy haingana tamin’ny fotoana voafaritra tsara iray, tao amin’ny tsela-pahazavana sy hery.”​3

7, 8. Na dia tsy miaiky ny amin’ny anjara asan’Andriamanitra tamin’ilay raharaha aza ny mpahay siansa maro, inona no voatery eken’izy ireo raha ny amin’ny niandohan’izao rehetra izao?

7 Marina fa mpahay siansa maro, na dia mino aza izy ireo fa nanam-piandohana izao rehetra izao, no tsy manaiky ilay fanambarana hoe “Andriamanitra nahary”. Na dia izany aza, dia miaiky ny sasany ankehitriny fa sarotra ny mody tsy mahalala ny porofon’ny fisian’ny fisainana iray ao ambadiky ny zavatra rehetra. Manao izao fanazavana izao ilay profesora amin’ny fizika atao hoe Freeman Dyson: “Arakaraka ny andinihiko izao rehetra izao sy ianarako ny tsipirian’ny fomba firafiny, no ahitako porofo fa tsy maintsy ho nisy nahafantaran’izao rehetra izao fa ho avy isika.”

8 Manohy ny teniny i Dyson mba hiekena toy izao: “Amin’ny maha-mpahay siansa ahy, voaofana tamin’ny fomba fisainana sy fitenin’ny taonjato faharoapolo fa tsy ny an’ny fahavalo ambin’ny folo, dia tsy milaza aho fa ny fomba firafitr’izao rehetra izao dia manaporofo ny fisian’Andriamanitra. Milaza fotsiny aho fa ny fomba firafitr’izao rehetra izao dia mifanaraka amin’ny petra-kevitra fa nisy fisainana iray mandray anjara asa tena ilaina eo amin’ny fomba fiasany.”​4 Ny fanazavany dia tena mitory ny fihetsika be fisalasalana amin’ny androntsika. Rehefa ailika anefa izany fisalasalana izany, dia voamarika fa misy firindrana mahavariana eo amin’ny siansa maoderina sy ny fanambaran’ny Baiboly hoe “tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”. — Genesisy 1:1.

Fahasalamana sy fitandroana ny fahadiovana

9. Amin’ny ahoana ny lalàna ao amin’ny Baiboly momba ny aretin-koditra no manome taratry ny fahendrena azo ampiharina? (Joba 12:9, 16aNW ).

9 Diniho ny firesahan’ny Baiboly ny sehatra hafa iray: ny fahasalamana sy ny fitandroana ny fahadiovana. Raha misy fahasimban’ny hoditra ahiahina ho habokana eo amin’ny Isiraelita iray, dia natoka-monina izy. “Amin’ny andro rehetra izay haharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan’ny toby no hitoerany.” (Levitikosy 13:46). Na dia ny fitafiany voaloton’ilay aretina aza dia hodorana. (Levitikosy 13:52). Tamin’izany fotoana izany, dia fomba nandaitra niarovana tamin’ny fielezan’ilay aretina izany.

10. Amin’ny fomba ahoana no handraisan’ny olona maro any amin’ny tany sasany soa amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitandroana ny fahadiovana?

10 Ny lalàna lehibe hafa iray dia nifandray tamin’ny fanariana ny dikin’olombelona, izay tsy maintsy nalevina teny ivelan’ny toby. (Deoteronomia 23:13, 14). Tsy isalasalana fa niaro ny Isiraely tamin’ny aretina maro io lalàna io. Na dia amin’izao andro izao aza, dia zava-manahirana ara-pahasalamana lehibe no ateraky ny fanariana amin’ny fomba tsy mety ny dikin’olombelona any amin’ny tany sasany. Raha mba nanaraka ny lalàna voasoratra tao amin’ny Baiboly an’arivony taona maro lasa izay mantsy ny olona any amin’ireny tany ireny, dia ho salama tsara kokoa izy ireo.

11. Torohevitra inona ao amin’ny Baiboly momba ny fahasalamana ara-tsaina no hita ho mahasoa?

11 Ny fari-pitsipika ambony ao amin’ny Baiboly momba ny fitandroana ny fahadiovana dia mahafaoka ny fahasalamana ara-tsaina mihitsy aza. Nilaza toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny fo tony no fiainan’ny vatana ara-nofo, fa ny fialonana kosa dia fahalovana ho an’ny taolana.” (Ohabolana 14:30, NW ). Tao anatin’ireo taona faramparany, ny fikarohana ara-pitsaboana dia nampiseho fa misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana ny fihetsitsika ara-tsaina. Ohatra, ny Dokotera C. B. Thomas avy amin’ny Oniversite Johns Hopkins dia nandinika mpianatra nahazo diplaoma maherin’ny arivo nandritra ny 16 taona, ka nampifanaraka ny toetra mampiavaka azy ireo ara-tsaina amin’ny maha-mora voan’ny aretina azy ireo. Izao ny zavatra iray nomarihiny: Ireo mpianatra nahazo diplaoma mora voan’ny aretina indrindra dia ireo izay mora tezitra kokoa sy be fanahiana kokoa ao anatin’ny fihenjanana.​5

Inona no lazain’ny Baiboly?

12. Nahoana ny Eglizy Katolika no nanizingizina fa herezia ny teorian’i Galilée momba ny tany?

12 Raha araka ny marina aoka izany ny Baiboly amin’ny sehatra ara-tsiansa, nahoana ny Eglizy Katolika no nilaza fa ny fampianaran’i Galilée hoe mihodina manodidina ny masoandro ny tany, no tsy araka ny Soratra Masina? Noho ny fomba filazan’ireo fahefana ny hevitry ny andininy sasany ao amin’ny Baiboly.​6 Marina ve ny voalazany? Aoka isika hamaky roa amin’ireo andalan-teny tononin’izy ireo ka hahita ny valiny.

13, 14. Andininy ao amin’ny Baiboly inona avy no nampiharin’ny Eglizy Katolika tamin’ny fomba diso? Hazavao.

13 Ny andalan-teny iray dia manao hoe: “Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany, dia miposaka avy any ihany indray.” (Mpitoriteny 1:5, Fandikan-teny Katolika). Araka ny hevitra aroson’ny Eglizy, ny fitenenana hoe “miposaka ny masoandro” sy hoe “mody ny masoandro” dia midika fa ny masoandro no mihetsika, fa tsy ny tany. Na dia amin’izao andro izao aza anefa isika dia milaza fa miposaka sy milentika ny masoandro, ary mahafantatra ny ankamaroantsika fa ny tany no mihetsika, fa tsy ny masoandro. Rehefa mampiasa fitenenana tahaka ireo isika, dia milazalaza fotsiny ny toa fihetsehan’ny masoandro araka ny ahitan’ny mpandinika olombelona iray azy. Nanao nitovy tamin’izany tanteraka ilay mpanoratra ao amin’ny Baiboly.

14 Ilay andalan-teny iray hafa dia manao hoe: “Manorina ny tany eo amin’ny fanorenany izy, ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.” (Salamo 104:5, Kat.). Ny hevitr’io dia nolazaina fa midika hoe taorian’ny namoronana azy, dia tsy afaka nihetsika mihitsy ny tany. Raha ny marina anefa, ilay andininy dia manamafy ny faharetan’ny tany, fa tsy ny tsy fetezany hihetsika akory. Ny tany dia tsy ‘hohetsehina’ ka tsy hisy, na ho rava, araka ny hamafisin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly. (Salamo 37:29; Mpitoriteny 1:4). Tsy misy ifandraisana amin’ny fihetsehana mifampiankina eo amin’ny tany sy ny masoandro koa io andinin-teny io. Tamin’ny andron’i Galilée, dia ny Eglizy, fa tsy ny Baiboly, no nanakantsakana ny ady hevitra ara-tsiansa nalalaka.

Ny evolisiona sy ny famoronana

15. Inona moa ny teorian’ny evolisiona, ary amin’ny ahoana izy io no mifanipaka amin’ny Baiboly?

15 Kanefa, misy sehatra iray izay holazain’ny olona maro fa ifanoheran’ny siansa maoderina amin’ny Baiboly hatramin’ny farany. Ny ankamaroan’ny mpahay siansa dia mino ny teorian’ny evolisiona, izay mampianatra fa ny zavamananaina rehetra dia nivoatra niandalana avy tamin’ny endri-piainana tsotra iray izay nanjary nisy an-tapitrisany taona maro lasa izay. Ny Baiboly, etsy an-danin’izany, dia mampianatra fa ny antokon-javamananaina lehibe tsirairay avy dia noforonina manokana ary tsy miteraka afa-tsy “araka ny karazany avy”. Ny olona, hoy izy, dia noforonina avy tamin’ny “vovo-tany”. (Genesisy 1:21; 2:7). Fahadisoan-kevitra mibaribary ara-tsiansa ao amin’ny Baiboly ve izany? Alohan’ny hanapahana hevitra, dia aoka hojerentsika akaiky kokoa ny amin’izay fantatry ny siansa, raha ampifanoherina amin’izay teoria arosony.

16-18. a) Inona no fandinihana iray nataon’i Charles Darwin izay nitarika azy hino ny evolisiona? b) Ahoana no ahafahantsika manaporofo fa izay nodinihin’i Darwin tany amin’ireo Nosy Galápagos dia tsy mifanipaka amin’izay lazain’ny Baiboly?

16 Ny teorian’ny evolisiona dia nampahafantarin’i Charles Darwin ny besinimaro tamin’ny taonjato farany. Fony izy tany amin’ireo Nosy Galápagos, any Pasifika, dia nanaitra an’i Darwin mafy ireo karazam-boronkely teo amin’ireo nosy samy hafa, izay, araka ny fanatsoahan-keviny, dia samy tsy maintsy ho avy tamin’ny karazana niandohana iray ihany. Io fandinihana io no antony iray nampandrosoany ilay teoria hoe ny zavamananaina rehetra dia avy tamin’ny endri-piainana tsotra iray voalohany. Ny hery nitarika tao ambadiky ny fivoarana miandalan’ny zavaboary ambony avy tamin’ny zavaboary ambany, hoy ny nambarany marimarina, dia ny fifantenana araka ny natiora, ny fahatafitan’ireo mifanentana indrindra. Noho ny evolisiona, hoy ny nolazainy, dia nipoitra avy tamin’ny hazandrano ny biby an-tanety, avy tamin’ny vorona ny biby mandady, sy ny toy izany.

17 Raha ny marina, izay nodinihin’i Darwin tao amin’ireo nosy nitokana ireo dia tsy hoe tsy nifanaraka tamin’ny Baiboly, izay mamela ny hisian’ny fahasamihafana ao anatin’ny karazan-javamananaina lehibe iray. Ny firazanan’ny olombelona rehetra, ohatra, dia avy tamin’ny mpivady olombelona voalohany iray ihany. (Genesisy 2:7, 22-24). Koa tsy misy mahagaga àry ny nivoahan’ny karazam-boronkely samy hafa avy tamin’ny karazana niandohana iombonana iray. Izy ireo anefa dia nitoetra ho voronkely. Tsy niova niandalana ho papango na voromahery izy ireo.

18 Na ireo karazam-boronkely maro samihafa na izay zavatra hafa rehetra hitan’i Darwin dia tsy nanaporofo fa ny zavamananaina rehetra, na antsantsa izany na voron-dranomasina, elefanta na kankana, dia manana fiandohana iombonana. Na dia izany aza, ny mpahay siansa maro dia manambara marimarina fa tsy teoria fotsiny intsony ny evolisiona, fa zava-misy iray. Ny hafa kosa, na dia manaiky ny olana amin’ilay teoria aza, dia milaza fa na ahoana na ahoana dia mino azy io ny tenany. Be mpitia ny fanaovana toy izany. Isika anefa dia mila mahafantatra raha efa voaporofo ho marina aoka izany ny evolisiona, ka tsy maintsy ho diso ny Baiboly.

Voaporofo ve izy io?

19. Ny evolisiona sa ny famoronana no tohanan’ny firaketan’ny fosily?

19 Amin’ny fomba ahoana no ahafahana mitsapa ny teorian’ny evolisiona? Ny fomba miharihary indrindra dia ny fandinihana ny firaketan’ny fosily mba hahitana raha tena nitranga tokoa ny fiovana miandalana avy amin’ny karazana iray ho amin’ny hafa iray. Nitranga ve izany? Tsia, araka ny eken’ny mpahay siansa maromaro amim-pahamarinana. Ny iray taminy, i Francis Hitching, dia nanoratra toy izao: “Rehefa mitady fifandraisana eo amin’ireo sokajy lehiben’ny biby ianao, dia tsy misy tsotra izao izy ireo.”​7 Miharihary aoka izany io tsy fisian’ny porofo ao amin’ny firaketan’ny fosily io, hany ka nanolotra soso-kevitra hafa ho an’ny teorian’i Darwin momba ny fiovana miandalana ireo evolisionista. Ny marina anefa dia hoe manohana lavitra kokoa ny famoronana manokana noho ny evolisiona, ny fisehoan’ny karazam-biby tampoka ao amin’ny firaketan’ny fosily.

20. Nahoana ny fomba fitomboan’ireo sela velona no tsy mamela ny hitrangan’ny evolisiona?

20 Ambonin’izany, dia asehon’i Hitching fa ny zavaboary velona dia voalamina mba hiteraka ny mitovy tanteraka amin’ny tenany, fa tsy hivoatra miandalana ho zavatra hafa akory. Hoy izy: “Ireo sela velona dia miteraka ny mitovy amin’ny tenany saika amin’ny fomba mitovy tanteraka. Bitika aoka izany ny ampahan’ny fahadisoana, hany ka tsy misy milina nataon’olombelona afaka ny hanakaiky azy. Misy koa ireo fameperana ao anatiny ihany. Ireo zavamaniry dia mahatratra haavo iray ka tsy mety hitombo ho lehibe kokoa mihitsy. Ireo karazan-dalitra kely dia tsy mety ho tonga zavatra hafa afa-tsy lalitra kely ihany ao anatin’ny toe-javatra rehetra nandramana hatramin’izao.”​8 Ireo mutations (fiovana lalina) napoitran’ireo mpahay siansa teo amin’ireo karazan-dalitra kely nandritra ny am-polony taona maro dia tsy nampivoatra azy ireny niandalana ho zavatra hafa.

Ny niandohan’ny fiainana

21. Famaranan-kevitra inona noporofoin’i Louis Pasteur no mametraka olana lehibe ho an’ireo evolisionista?

21 Ny fanontaniana manahirana hafa iray tsy voavalin’ireo evolisionista dia hoe: Ahoana no niandohan’ny fiainana? Ahoana no nisian’ny endri-piainana tsotra voalohany — izay avy taminy no voalaza fa niaviantsika rehetra? Taonjato maro lasa izay, dia tsy ho hita ho zava-nanahirana izany. Ny ankamaroan’ny olona tamin’izany dia nihevitra fa ny lalitra dia nety ho nitombo avy tamin’ny hena simba ary koa fa ny antontam-boro-damba efa tonta dia nety ho namoaka ho azy totozy. Mihoatra ny zato taona lasa izao anefa, dia nasehon’ilay simista frantsay natao hoe Louis Pasteur mazava tsara fa ny fiainana dia tsy afaka ny hisy afa-tsy avy amin’ny fiainana efa nisy teo aloha.

22, 23. Araka ireo evolisionista, ahoana no niantombohan’ny fiainana, nefa inona no asehon’ny zava-misy?

22 Koa ahoana àry no hanazavan’ireo evolisionista ny loharano niavian’ny fiainana? Araka ilay teoria be mpitia indrindra, ny fikambanana sendrasendra teo amin’ny raha simika sy ny hery no nampitselatra tenan-javatra velona ho azy, an-tapitrisany taona maro lasa izay. Ahoana ny amin’ilay fotopoto-pitsipika noporofoin’i Pasteur? Manazava toy izao ny The World Book Encyclopedia: “Nasehon’i Pasteur fa ny fiainana dia tsy afaka ny hipoitra ho azy ao anatin’ireo toe-javatra simika sy fizika misy eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao. Kanefa, an-tapitrisany taona maro lasa izay, dia hafa tanteraka ny toe-javatra simika sy fizika nisy teto ambonin’ny tany”!​9

23 Na dia ao anatin’ny toe-javatra hafa tanteraka aza anefa, dia misy fahasamihafana goavana eo amin’ny raha tsy manana aina sy ny zavamananaina tsotra indrindra. Milaza toy izao i Michael Denton ao amin’ny bokiny hoe Evolution: A Theory in Crisis: “Eo anelanelan’ny sela velona iray sy ny rafitra tsy misy aina faran’izay voalamina indrindra, toy ny kristaly na ny bohabohan’oram-panala, dia misy hantsana goavana sy tanteraka iray tsy azo saintsainina akory.”​10 Ilay hevitra hoe ny raha tsy manana aina dia nanjary nisy noho ny kisendrasendra, dia marefo loatra ka tsy azo inoana. Ny fanazavan’ny Baiboly, izany hoe ‘ny fiainana dia avy amin’ny fiainana’, noho ny fiainana noforonin’Andriamanitra, dia mifanaraka amin’ny zava-misy amin’ny fomba mampiaiky.

Nahoana no tsy ho famoronana

24. Na dia eo aza ireo olana eo amin’ilay teoria, nahoana no mbola mifikitra amin’ny teorian’ny evolisiona ihany ny ankamaroan’ireo mpahay siansa?

24 Na dia eo aza ireo olana raikitra amin’ny teorian’ny evolisiona, dia heverina ho tsy ara-tsiansa, ho hafahafa mihitsy aza amin’izao andro izao ny finoana ny famoronana. Inona no mahatonga izany? Nahoana, na dia ny fahefana iray toa an’i Francis Hitching aza, izay nanantitrantitra tamim-pahamarinana ireo fahalemen’ny evolisiona, no mandà ny hevitra ny amin’ny famoronana?​11 Manazava i Michael Denton fa ny evolisiona, miaraka amin’ny kilemany rehetra, dia hampianarina foana, satria ireo teoria mifandray amin’ny famoronana dia “mitodika any amin’ny antony mahatonga mahery noho ny an’ny olombelona”.​12 Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny hoe mahafaoka Mpamorona iray ny famoronana dia mahatonga azy io ho tsy azo ekena. Azo antoka fa io dia ilay karazana fanjohian-kevitra mampiasa ny fanatsoahan-kevitra mitovy amin’ilay hitantsika momba ireo fahagagana: Tsy mety hisy ireo fahagagana satria mahagaga!

25. Fahalemen’ny evolisiona inona, amin’ny heviny ara-tsiansa, no mampiseho fa tsy solony marim-pototra ho an’ny famoronana izy io mba hanazavana ny niandohan’ny fiainana?

25 Etsy an-danin’izany, ny teorian’ny evolisiona mihitsy dia ahiahina mafy araka ny fijery ara-tsiansa. Manohy ny teniny toy izao i Michael Denton: “Noho izy io teoria momba ny fanorenana indray ny tantara, amin’ny fotony, [ny teorian’i Darwin momba ny evolisiona] dia tsy azo hamarinina amin’ny alalan’ny fanandramana na ny fandinihana mivantana, toy ny fanao amin’ny siansa. (...) Ambonin’izany, ny teorian’ny evolisiona dia mifandray amin’ny fitohitohizam-pisehoan-javatra tsy manam-paharoa, ny niandohan’ny fiainana, ny niandohan’ny fisainana sy ny toy izany. Ireo fisehoan-javatra tsy manam-paharoa dia tsy azo averina indray ary tsy azo anaovana famotopotorana ara-panandramana.”​13 Ny marina dia hoe feno zavatra banga sy olana ny teorian’ny evolisiona, na dia eo aza ny fitiavan’ny olona azy io. Tsy manome antony tsara handavana ny fitantaran’ny Baiboly momba ny niandohan’ny fiainana izy io. Ny toko voalohany amin’ny Genesisy dia manome fitantarana azon’ny saina ekena tanteraka ny amin’ny fomba nisehoan’ireny “fisehoan-javatra tsy manam-paharoa tsy azo averina” ireny nandritra ireo “andro” famoronana izay niitatra nandritra ny an’arivony taona maro be. *

Ahoana ny amin’ny Safo-drano?

26, 27. a) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny Safo-drano? b) Tsy maintsy ho avy taiza no niavian’ny sasany tamin’ireo ranon’ny safo-drano?

26 Olona maro no manondro izay lazaina fa fifanoherana iray hafa eo amin’ny Baiboly sy ny siansa maoderina. Ao amin’ny bokin’ny Genesisy isika dia mamaky fa an’arivony taona maro lasa izay, dia lehibe aoka izany ny faharatsian’ny olona, hany ka tapa-kevitra ny handringana azy ireo Andriamanitra. Kanefa, dia nanome toromarika an’ilay lehilahy marina atao hoe Noa izy mba hanorina fiara hazo lehibe iray, dia sambo fiara iray. Avy eo, dia nahatonga safo-drano teo amin’ny olombelona Andriamanitra. I Noa sy ny fianakaviany ihany no tafita velona, niaraka tamin’ny solontenan’ny karazam-biby rehetra. Lehibe aoka izany ny Safo-drano hany “ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ny lanitra rehetra”. — Genesisy 7:19.

27 Avy taiza ilay rano rehetra nandrakotra ny tany manontolo? Ny Baiboly mihitsy no mamaly izany. Tany am-piandohan’ny famoronana, fony nanomboka naka endrika ny habakabaky ny atmosfera dia nanjary nisy “rano ambanin’ny habakabaka” sy “rano ambonin’ny habakabaka”. (Genesisy 1:7; 2 Petera 3:5). Rehefa tonga ny Safo-drano, dia hoy ny Baiboly: “Nivoha ny varavaran’ny lanitra.” (Genesisy 7:11). Miharihary fa ny “rano ambonin’ny habakabaka” no nilatsaka ka nanome be dia be tamin’ny rano ho an’ilay tondra-drano.

28. Ahoana no niheveran’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, anisan’izany i Jesosy, ny Safo-drano?

28 Ireo boky fianarana maoderina dia mirona hisalasala ny amin’ny safo-drano iray teo amin’izao rehetra izao. Koa tsy maintsy manontany àry isika hoe: Angano fotsiny ve ny Safo-drano, sa tena nitranga tokoa? Alohan’ny hamaliana izany, dia tokony homarihintsika fa ireo mpivavaka tamin’i Jehovah tatỳ aoriana dia nanaiky ny Safo-drano ho tantara marina; tsy nihevitra azy io ho angano izy ireo. Ry Isaia, Jesosy, Paoly sy Petera dia anisan’ireo nanisy firesahana momba azy io ho zavatra tena nitranga tokoa. (Isaia 54:9; Matio 24:37-39; Hebreo 11:7; 1 Petera 3:20, 21; 2 Petera 2:5; 3:5-7). Misy fanontaniana izay tsy maintsy valiana anefa momba io Safo-drano teo amin’izao rehetra izao io.

Ny ranon’ny Safo-drano

29, 30. Zava-misy inona avy momba ny tahirin-dranon’ny tany no mampiseho fa nety nitranga ny Safo-drano?

29 Voalohany, tsy sarotra inoana loatra ve ny hevitra ny amin’ny naha-safotra ny tany manontolo tamin’ny rano? Tsy dia izany loatra. Eny tokoa, mbola safotry ny rano ihany ny tany. Ny 70 isan-jaton’izy io dia rakotry ny rano ary ny 30 isan-jato ihany no tany maina. Ambonin’izany, ny 75 isan-jaton’ny rano mamy eto amin’ny tany dia voageja ao amin’ireo vongan-dranomandry makadiry sy ao amin’ireo sarontendro mangatsiaka (calottes polaires). Raha miempo avokoa io ranomandry rehetra io, dia hisondrotra ambony lavitra ny haabon’ny ranomasina. Ny tanàn-dehibe tahaka an’i New York sy i Tokyo dia hanjavona.

30 Ankoatra izany, dia hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Ny antsalan’ny halalin’ny ranomasina rehetra dia notombanana ho 3 790 metatra, tarehimarika lehibe lavitra noho ny antsalan’ny haambon’ny [altitude] tany eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina, izay 840 metatra. Raha hampitomboina amin’ny velaran’ny faritry ny velaran-tany avy ny antsalan’ny halalin’ny ranomasina, ny hadirin’ny Ranomasimben’izao tontolo izao dia ho avo 11 heny noho ny hadirin’ny haambon’ny tany eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina.”​14 Koa raha atao mitovy tantana daholo àry ny zava-drehetra — raha fisahina ny tendrombohitra ary fenoina ireo dengin-driaka ( fosse marine) — dia handrakotra ny tany manontolo an’arivony metatra maro ny ranomasina.

31. a) Mba hitrangan’ny Safo-drano, nanao ahoana no tsy maintsy ho toetran’ny tany talohan’ny Safo-drano? b) Inona no mampiseho fa nety ho ambany kokoa ny tendrombohitra ary ho marivo kokoa ny dengin-driaka talohan’ny Safo-drano?

31 Mba hitrangan’ilay Safo-drano, ireo dengin-driaka talohan’ny Safo-drano dia tsy maintsy ho marivo kokoa ary ireo tendrombohitra ho iva kokoa noho ny ankehitriny. Nety ho nitranga ve izany? Hoy ny lazain’ny boky fianarana iray: “Any amin’izay ierinerenan’ny tendrombohitr’izao tontolo izao amin’ny haavo mahafanina ankehitriny, dia nisy fotoana nampitomandavana ireo oseana sy lemaka, an’arivony taona maro lasa izay. (...) Ny fihetsehan’ireo plaky kontinentaly dia nahatonga ny tany hisondrotra hatrany amin’ny toerana avo izay ny biby sy ny zavamaniry mafy aina indrindra ihany no afaka ny ho velona, ary tetsy an-kilany nifanohitra tamin’izany, hilentika ka ho difotra any amin’ny hakanto takona any anaty ranomasina lalina.”​15 Koa satria misondrotra sy miletsy ny tendrombohitra sy ny dengin-driaka, dia miharihary fa nisy fotoana izay tsy naha-avo ireo tendrombohitra sy tsy naha-lalina ireo dengin-driaka lehibe tahaka ny ankehitriny.

32. Inona no tsy maintsy ho nitranga tamin’ireo ranon’ny Safo-drano? Hazavao.

32 Inona no nitranga tamin’ireo ranon’ny Safo-drano taorian’izany? Tsy maintsy ho nikoriana tsikelikely tany amin’ireo dengin-driaka izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana? Mino ireo mpahay siansa fa mipetraka eo ambonin’ny plaky goavam-be ireo kontinenta. Ny fihetsehan’ireny plaky ireny dia afaka ny hahatonga fiovana eo amin’ny haambon’ny vohon-tany. Any amin’ny toerana sasany amin’izao andro izao, dia misy lavaka lehibe mihoatra ny folo kilaometatra any ambanin’ny rano eo amin’ny sisin’ireo plaky.​16 Tena azo inoana fa — angamba voatosiky ny Safo-drano mihitsy — nihetsika ireo plaky, nilentika ny fanambanin’ny ranomasina, ary nisokatra ny tsefaka lehibe, ka namela ny rano hiala tsikelikely tamin’ny tany. *

Soritry ny fisian’ny Safo-drano ve?

33, 34. a) Porofo inona no efa ananan’ny mpahay siansa izay mety ho porofon’ny nisian’ny Safo-drano? b) Azon’ny saina ekena ve ny filazana fa mety ho diso ny fandraisan’ireo mpahay siansa ny hevitry ny porofo?

33 Raha ekentsika ho marina fa nety ho nitranga ny safo-drano lehibe iray, nahoana ireo mpahay siansa no tsy nahita soritr’izy io? Nahita angamba izy ireo, saingy fomba hafa no nilazany ny hevitry ny porofo. Ohatra, ny siansa ekena hatramin’izay dia mampianatra fa amin’ny toerana maro ny vohon-tany dia novolavolain’ny vongan-dranomandry natanjaka nandritra ny fifandimbasan’ny vanim-potoan’ny ranomandry. Ny toa porofon’ny asan’ny vongan-dranomandry anefa dia afaka ny ho vokatry ny asan’ny rano indraindray. Tena azo inoana àry fa ny sasany amin’ny porofon’ny fisian’ny Safo-drano dia hazavaina amin’ny fomba diso ho porofon’ny vanim-potoan’ny ranomandry.

34 Nisy fahadisoana nitovy tamin’izany koa natao. Raha ny amin’ny fotoana namolavolan’ireo mpahay siansa ny teoriany momba ny vanim-potoan’ny ranomandry, dia izao no vakintsika: “Izy ireo dia nahita vanim-potoan’ny ranomandry tamin’ny ambaratongan’ny tantara jeolojika rehetra, mifanaraka amin’ny teorian’ny fitovian-toetra. Kanefa, nolavin’ny fandinihana indray tamim-pitandremana ny porofo, tao anatin’ireo taona faramparany, ny maro tamin’ireny vanim-potoan’ny ranomandry ireny; ny fiforonan’izay nolazaina tamin’ny voalohany ho moraines [vato sy tany sarihin’ny vongan-dranomandry] dia nohazavaina indray ho fanambany navelan’ny riakam-potaka sy ny tany nihotsaka any ambanin’ny ranomasina ary ny rano voaloton’ny dilatra: rotsaka rano voaloto mitondra antsanga sy fasika ary vatokely ho any amin’ny fanambanin’ny oseana lalim-be.”​18

35, 36. Porofo inona ao amin’ny firaketan’ny fosily sy eo amin’ny jeolojia no mety hisy ifandraisana amin’ny Safo-drano? Hazavao.

35 Hita fa misy porofo iray hafa ny amin’ny nisian’ny Safo-drano ao amin’ny firaketan’ny fosily. Nisy fotoana, araka io firaketana io, izay nisian’ny tigra lehibe nana-nify tahaka ny sabatra, nijaiko ny rembiny tany Eoropa, nisian’ny soavaly lehibe kokoa noho izay soavaly rehetra misy ankehitriny nandehandeha tany Amerika Avaratra, ary nisian’ny mammouths niraoka ahitra tany Sibérie. Avy eo, naneran-tany, dia nanjary lany tamingana ny karazana maro tamin’ireo biby mampinono. Tao anatin’izany fotoana izany ihany dia nisy fiovana tampoka tamin’ny toe-tany. Mammouths an’aliny maro no maty sy nivongana haingana tany Sibérie. * Nihevitra i Alfred Wallace, ilay lehilahy nalaza niara-belona tamin’i Charles Darwin, fa ny fandringanana niely patrana toy izany dia tsy maintsy ho nateraky ny fisehoan-javatra iray niavaka naneran-tany.​19 Maro no nanohana fa io fisehoan-javatra io dia ny Safo-drano.

36 Nanao izao fanamarihana izao ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazetiboky hoe Biblical Archaeologist: “Zava-dehibe ny hitadidiana fa ny tantaran’ny nisian’ny safo-drano lehibe iray dia iray amin’ireo lovantsofina niely patrana indrindra ao amin’ny kolontsain’ny olombelona (...) Na dia izany aza, ao ambadik’ireo lovantsofina tranainy indrindra hita ao amin’ireo loharanon-kevitra any Proche-Orient dia mety ho tena nisy tokoa safo-drano iray goavam-be nitranga tamin’ny iray tamin’ireo fe-potoan’ny orana (...) an’arivony taona maro lasa izay.”​20 Ny fe-potoan’ny orana dia fotoana naha-mando lavitra ny vohon-tany noho ny ankehitriny. Ireo farihin-dranomamy nisy naneran-tany dia lehibe lavitra. Nisy teoria naroso hoe ny fahamandoana dia vokatr’ireo oram-be nifandray tamin’ny faran’ny vanim-potoan’ny ranomandry. Nanipy hevitra anefa ny sasany fa nisy fotoana, ny fahamandoana tafahoatran’ny vohon-tany dia vokatry ny Safo-drano.

Tsy nanadino ny olombelona

37, 38. Ahoana no ampisehoan’ny mpahay siansa iray fa, araka ny porofo, dia nety ho nitranga ny Safo-drano, ary ahoana no ahafantarantsika fa tena nitranga izy io?

37 I John McCampbell, mpampianatra jeolojia dia nanoratra toy izao indray mandeha: “Ny fahasamihafana fototra eo amin’ny loza amin’antambo ara-baiboly [ny Safo-drano] sy ny fitovian-kevitr’ireo evolisionista dia tsy momba ireo filazana zava-misin’ny jeolojia, fa momba ny filazana ny hevitr’ireny filazana zava-misy ireny. Ny filazana hevitra tiana dia hiankina be dia be amin’ny fanabeazana sy ny fiheverana mialoha ananan’ny mpianatra isam-batan’olona.”​21

38 Ny hoe tena nitrangan’ilay Safo-drano dia hita amin’ny tsy fanadinoan’ny olombelona azy io velively. Maneran-tany, any amin’ny toerana mifanalavitra toa an’i Alaska sy ireo Nosin’ny Ranomasina Atsimo, dia misy tantara tranainy momba azy io. Ny sivilizasiona talohan’ny andron’i Christophe Colomb tera-tanin’i Amerika, ary koa ireo aborigènes any Aostralia, dia samy manana tantara momba ny Safo-drano. Na dia tsy mitovy aza ny sasany amin’ireo fitantarana amin’ny an-tsipiriany, ilay zava-misy fototra hoe safotry ny rano ny tany ka olombelona vitsivitsy monja no voavonjy tao anatin’ny fiara iray namboarin’olona, dia hita saika avy amin’ny fitantarana rehetra. Ny hany fanazavana mahatonga izany fanekena niely patrana izany dia ny hoe fisehoan-javatra ara-tantara ny Safo-drano. *

39. Porofo fanampiny inona no hitantsika momba ny maha-Tenin’Andriamanitra fa tsy an’ny olona ny Baiboly?

39 Araka izany, raha ny amin’ireo lafiny lehibe tena ilaina, dia mifanaraka amin’ny siansa maoderina ny Baiboly. Eo amin’izay isian’ny fifanoherana eo amin’izy roa, dia azo iadian-kevitra ny porofon’ireo mpahay siansa. Eo amin’izay itoviany hevitra, dia araka ny marina aoka izany matetika ny Baiboly, hany ka voatery mino isika fa nahazo ny filazana ao anatiny avy tamin’ny fisainana iray ambony noho ny an’ny olombelona izy io. Eny tokoa, ny fitovian’ny Baiboly hevitra amin’ny siansa voaporofo dia manome porofo fanampiny fa izy io dia Tenin’Andriamanitra fa tsy an’ny olona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 25 Misy firesahana amin’ny tsipiriany kokoa ny foto-kevitra momba ny evolisiona sy ny famoronana ao amin’ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania tamin’ny 1985.

^ feh. 32 Ilay boky hoe Planeta Tany — Vongan-dranomandry Makadiry (anglisy) dia manintona ny saina ho amin’ny fomba anindrian’ny rano miendrika velaran-dranomandry ny vohon-tany. Ohatra, hoy ny lazainy: “Raha toa ny ranomandry any Groenland ka ho levona, dia hisondrotra tokony ho [700 metatra] ilay nosy amin’ny farany.” Rehefa heverina izany, ny vokatry ny safo-drano tampoka iray naneran-tany teo amin’ny faritra maro amin’ny vohon-tany dia nety ho nitondra loza amin’antambo marina tokoa.​17

^ feh. 35 Ny fanombantombanana iray dia milaza hoe dimy tapitrisa.

^ feh. 38 Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny Safo-drano ianao, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-378 ka hatramin’ny faha-380.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 105]

‘Avy Amin’ny Vovoka’

Mitantara toy izao ny “The World Book Encyclopedia”: “Ireo raha simika rehetra mahaforona ireo zavamananaina dia hita ao amin’ny zavatra tsy manana aina koa.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo foto-javatra simika izay mahaforona ireo zavamananaina, anisan’izany ny olombelona, dia hita ao amin’ny tany mihitsy koa. Izany dia mifanaraka amin’ny fanambaran’ny Baiboly manao hoe: “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona”. — Genesisy 2:7.

[Efajoro, pejy 107]

“Tahaka ny Endrik’Andriamanitra”

Misy olona sasany manondro ny fitoviana ara-batana eo amin’ny olona sy ny sasany amin’ny biby, mba hanaporofoana ny fifandraisan’izy ireo. Voatery miaiky anefa izy ireo fa ambony lavitra noho ny an’ny biby, na inona na inona izany, ny fahaizan’ny olona misaina. Nahoana ny olona no manana fahaizana hamolavola planina sy handamina ny tontolo manodidina azy, fahafahana ho tia, fahaizana ambony, feon’ny fieritreretana, sy fiheverana momba ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy? Tsy afaka mamaly izany ny evolisiona. Afaka manao izany kosa ny Baiboly rehefa milaza toy izao: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy”. (Genesisy 1:27). Raha ny amin’ny fahaizan’ny olona ara-tsaina sy ara-pitondran-tena no resahina, dia manome taratry ny Rainy any an-danitra izy.

[Sary, pejy 99]

Ny filazalazan’ny Baiboly momba ny tany mihantona eny amin’ny habakabaka dia mifanaraka tsara amin’izay lazain’ireo mpitondra sambon-danitra fa hitany

[Sary, pejy 102]

Ny Baiboly dia tsy miditra amin’ny filazana hoe mihodina manodidina ny masoandro ny tany na hoe ny masoandro no mihodina manodidina ny tany

[Sary, pejy 112, 113]

Raha atao mitovy tantana ny tany, ka tsy misy tendrombohitra na lavaka, dia ho safotry ny soson-drano lalina tanteraka izy io

[Sary, pejy 114]

Nisy mammouths nivongana haingana hita taorian’ny nahafatesany

[Sary, pejy 115]

Noporofoin’i Louis Pasteur fa tsy afaka ny hisy ny fiainana raha tsy avy amin’ny fiainana efa nisy

[Sary/Kisary, pejy 109]

(Jereo ny boky)

Mampiseho filazalazana araka ny marina momba ny tsingerin’ny rano eto amin’ny tany ny Baiboly