Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Baiboly sy Ianao

Ny Baiboly sy Ianao

Toko Faha-14

Ny Baiboly sy Ianao

Milaza ny mpanao tsikera maoderina fa ny Baiboly dia sady tsy mifanaraka amin’ny siansa no mifanipaka ny ao anatiny, fa hoe izy io dia fitambaran’angano fotsiny. I Jesosy, tetsy an-danin’izany, dia nilaza hoe: “Ny teninao [ny an’Andriamanitra] no fahamarinana.” ( Jaona 17:17). Ny porofo dia manohana an’ i Jesosy fa tsy an’ireo mpanao tsikera. Asehon’ny zava-misy fa ny Baiboly dia marina ara-tantara. Ambonin’izany, ny firindrany anaty miavaka, ireo faminaniany marina, ny fahendreny lalina, sy ny heriny ho amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olona, dia samy mampiseho fa Tenin’Andriamanitra voasoratra ny Baiboly. Izany dia araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. — 2 Timoty 3:16NW.

1. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Inona no porofoin’ny zava-misy raha ny amin’ny Baiboly? b) Inona avy no zavatra mety ho vokatry ny maha-Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly?

NY MAHA-TENIN’ANDRIAMANITRA fa tsy tenin’olona ny Baiboly dia mety hisy vokany lalina. Midika izany fa tena nampita hevitra tamin’ny olombelona Andriamanitra. Namaly maro amin’ireo fanontaniantsika izy ary nasehony ny vahaolana amin’ny maro amin’ireo zava-manahirana antsika. Midika koa izany fa marina ny fahatsinjovantsika ny amin’ny hoavy lazalazain’ny Baiboly. Tena manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra ary amin’ny farany dia hanao zavatra mba hanesorana amin’ny tany ny tsy rariny sy ny fampahoriana ary ny fijaliana rehetra.

2. Tokony hanosika anao hanao inona ny fahalalana fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

2 Ny fanontaniana ankehitriny dia izao: Inona no hataonao momba an’io filazana io? Fara fahakeliny dia tokony hampirisika anao hijery ny ao anatiny ny fahalalana fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Nampanantena fahasambarana ho an’ireo izay manao izany ny mpanao salamo rehefa nanoratra toy izao: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, (...) fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina.” — Salamo 1:1, 2.

Maneke fanampiana

3, 4. a) Araka ny asehon’ny Baiboly mihitsy, inona no tokony hataontsika rehefa mahita zavatra tsy azontsika isika ao amin’ny Baiboly? b) Iza no vonona foana hanampy ny olona hahazo tsara kokoa ny hevitry ny Baiboly?

3 Azo inoana fa, rehefa mamaky ny Baiboly ianao, dia hahita zavatra izay tsy ho azonao ny heviny. (2 Petera 3:16). Ny fisehoan-javatra iray voarakitra ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa tokony hampoizina izany. Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ny Etiopiana iray dia namaky ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Isaia ao amin’ny Baiboly. I Filipo, evanjelisitra kristiana, dia nitsena ilay lehilahy ary nanontany azy hoe: “Moa fantatrao va izay vakinao?” Tsy fantatr’ilay Etiopiana, koa nanasa an’i Filipo hanampy azy hahazo ny hevitr’izy io àry izy. — Asan’ny Apostoly 8:30, 31.

4 Ny ramatoa iray tany Etazonia dia tao anatin’ny tarehin-javatra nitovy tamin’izany. Mpamaky tsy tapaka ny Baiboly izy, nefa nisy fampianaran’ny Baiboly lehibe maro izay tsy nety azony ny heviny tamin’ny famakian-teny manokana nataony. Rehefa niara-niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany izy vao nianatra ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny maha-zava-dehibe ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo fitahiana maro hoentin’ilay Fanjakana ho an’ny olombelona. Raha manasa ny Vavolombelon’i Jehovah ianao dia ho faly izy ireo hanampy anao koa ho afaka hahazo tsaratsara kokoa izay vakinao ao amin’ny Baiboly.

Ampiharo ny torohevitra ao amin’ny Baiboly

5. Araka ny Baiboly, lalana inona no mitondra fahasambarana?

5 Ampirisihina isika, tsy hoe hamaky ny Baiboly ihany, fa hanao zavatra mifanaraka amin’izay vakintsika koa. (Salamo 119:2). Fanampin’izany, dia mampirisika toy izao ny Baiboly: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.” (Salamo 34:8). Ny tena dikan’izany dia hoe manasa antsika hitsapa an’Andriamanitra izany. Miezaha hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, ka hampiseho fa matoky ianao fa fantatr’Andriamanitra izay tsara indrindra ho anao. Amin’izay ihany ianao vao hahita fa io no tena lalana tsara marina. Tena sambatra tokoa ireo izay manana izany fitokiana amin’Andriamanitra izany.

6. Azo atao ve ny miezaka hiaina mifanaraka amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly amin’izao andro izao? Hazavao.

6 Misy sasany milaza fa tsy misy olona afaka miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly eto amin’itỳ tontolo tsy manao ny marina sy ratsy fitondran-tena ary feno herisetra itỳ. Ny marina anefa dia hoe maro no afaka manao izany. Iza? Nahita antokon’olona toy izany ny tovolahy iray tatsy Afrika. Nanoratra toy izao izy: “Nandinika aho tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa fa, teto Zimbabwe, dia ianareo Vavolombelon’i Jehovah no tena miezaka tokoa hanaraka ny ohatra navelan’ny tenan’i Kristy. (...) Ianareo ihany hatramin’izao no antokon’olona nahavita nampiaiky ahy ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny herin’ny Filazantsarany, tamin’ny alalan’ny fiainanareo, fa tsy tamin’ny alalan’ny lahateny sy soratra fotsiny. Ianareo dia mitandrina sy mitory ny filazantsara kanefa be dia be, olona be dia be no mitory ny filazantsara nefa tsy mitandrina azy io.”

Ekeo ny fahefany

7. Fanao mahazatra amin’izao andro izao inona avy no mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly?

7 Nilaza ny apostoly Paoly fa ny Baiboly dia “mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra”. (2 Timoty 3:16, NW ). Indraindray anefa dia tsy be mpitia izay lazain’ny Baiboly. Ohatra, manameloka ny fanaon’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy ny Baiboly, nefa heverin’ny besinimaro ho fomba fiaina azo ekena ny firaisan’ny samy lehilahy. (Romana 1:24-27; 1 Korintiana 6:9-11; 1 Timoty 1:9-11). Milaza koa ny Baiboly fa zava-dehibe ny ain’ny zaza mbola ao am-bohoka ary tsy tokony hiniana hosimbana, nefa fanalana zaza tokony ho 50 tapitrisa no atao isan-taona maneran-tany. (Eksodosy 21:22, 23; Salamo 36:9; 139:14-16; Jeremia 1:5). Ahoana raha hitan’ny tenantsika ho sarotra ny manaiky izay lazain’ny Baiboly momba ny raharaha toy ireo?

8, 9. Rehefa hitantsika amin’ny voalohany fa sarotra ny manaiky ny hevitra iray ao amin’ny Baiboly, inona no tokony hotadidintsika, ary ny fari-pitsipik’iza no tokony hekentsika foana?

8 Ny Kristiana dia mianatra fa fahendrena foana ny manaraka ny Tenin’Andriamanitra. Nahoana? Satria amin’ny farany, ny fanarahana izay lazain’ny Baiboly dia hita fa hitondra ny tsara indrindra ho an’ny tsirairay foana. (Ohabolana 2:1-11). Ny zava-misy dia hoe tena voafetra ny olombelona raha ny fahendrena no resahina. Mahalana izy ireo vao afaka mahita mialoha ny vokany farany amin’izay ataony. Niaiky toy izao i Jeremia mpaminany: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23.

9 Ampy fotsiny ny mijery manodidina antsika mba hahitana fa marina io fanambarana io. Ny ankamaroan’ireo zava-manahirana mampahory izao tontolo izao dia vokatra mivantan’ny tsy fanarahan’ny olona ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nasehon’ny tantaran’ny olombelona lava be sy nikorontana fa ny olombelona dia tsy afaka manapa-kevitra ho an’ny tenany amim-pahombiazana ny amin’ny raharaha ara-pitondran-tena. Hendry kokoa noho isika Andriamanitra. Nahoana raha manaiky izay lazainy, fa tsy miantehitra amin’ny fahendren’ny tenantsika? — Ohabolana 28:26; Jeremia 17:9.

Tsy misy olona lavorary

10, 11. a) Zava-misy inona avy ny amin’ny fomba nanaovana antsika sy ny amin’izao tontolo izao iainantsika no mahatonga zava-manahirana rehefa miezaka miaina mifanaraka amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly isika? b) Karazana fifaneraserana inona no ampirisihan’ny Baiboly hotadiavintsika, ary aiza no ahafahantsika mahita fifaneraserana toy izany?

10 Ny Baiboly dia mampitandrina antsika ny amin’ny lafiny hafa iray izay ilantsika fanampiana. Samy nandova ny fironana hanota isika rehetra. “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”. (Genesisy 8:21; Romana 7:21). Mihamafy io zava-manahirana io noho isika miaina ao amin’ny tontolo iray tsy manaraka ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Koa amin’izany, dia mila fanampiana isika, tsy hoe mba hahazoana ny hevitry ny Baiboly ihany, fa mba hampiharana ny zavatra ianarantsika koa. Izany no antony ampirisihan’ny Baiboly antsika hifanerasera amin’ireo olona hafa izay maniry hiaina mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika araka an’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Halako ny fiangonan’ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho. (...) Eo am-piangonana no isaorako an’i Jehovah.” Milaza toy izao ny salamo hafa iray: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” — Salamo 26:5, 12; 133:1.

11 Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tapany tena ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana ny fifaneraserana. Manana fivoriana maromaro isan-kerinandro izy ireo, ary koa fivoriambe ara-potoana, izay iarahany mianatra ny Baiboly sy andinihany ny fomba hampiharana ireo fotopoto-pitsipiny eo amin’ny fiainany. Mahaforona “fitambaran-drahalahy” maneran-tany izy ireo, ka ao ny tsirairay dia ampirisihina sy ampiana mba hihazona ireo fari-pitsipika ambony ao amin’ny Baiboly ireo. (1 Petera 2:17, NW ). Nahoana raha manatrika ny iray amin’ny fivorian’izy ireo mba hahitana ny fomba ahafahan’izany antokon’olona izany manampy anao koa? — Hebreo 10:24, 25.

Manàna fiainana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra

12. Fitahiana inona avy no azo avy amin’ny fahafantarana fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

12 Koa amin’izany, ny fahafantarana fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly dia mitondra fitahiana sy andraikitra. Tahina isika satria mahazo tari-dalana ho an’ny fitondran-tenantsika isan’andro, izay tsy ho azontsika raisina any an-toeran-kafa. Ankoatra izany, isika dia mianatra ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny nanomezany ny Zanany mihitsy ho avotra ho antsika, mba hahafahantsika hanana ny fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Takatsika fa i Jesosy dia manapaka amin’ny maha-Mpanjaka ankehitriny ary tsy ho ela dia hanao zavatra mba hanesorana ny faharatsiana amin’ny tany. Ary isika dia miandry amim-patokiana ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” hisian’ny fahamarinana, izay nampanantenain’ny tenan’Andriamanitra mihitsy. — 2 Petera 3:13.

13. Andraikitra inona avy no entin’ny fanekentsika ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra eo amintsika?

13 Tadidio ao an-tsaina anefa fa isika dia manana andraikitra hianatra ny Baiboly sy handray am-po izay lazainy. Andriamanitra mihitsy no mampirisika antsika toy izao: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko”. (Ohabolana 3:1). Na dia mihevitra ny Baiboly ho tenin’olona fotsiny aza ny ankamaroan’ny olona, isika kosa, amin-kerim-po, dia tokony hanao izay hahitana fa ‘Andriamanitra no marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga’. (Romana 3:4). Avelao hitarika ny fiainanao ny fahendren’Andriamanitra. “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra (...) maneke Azy amin’ny alehanao rehetra”. (Ohabolana 3:5, 6). Ny fitandremana amim-pahendrena ny Tenin’Andriamanitra amin’izany fomba izany, dia hisy heriny tsara eo amin’ny fiainanao, dieny izao sy ho mandrakizay.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 187]

Tsy tokony hamaky ny Baiboly fotsiny isika, fa hanao zavatra mifanaraka amin’izay vakintsika koa

[Teny notsongaina, pejy 188]

Ny fanarahana izay lazain’ny Baiboly dia hitondra ny tsara indrindra foana