Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Hamaliana Fanoherana

Fomba Hamaliana Fanoherana

Fanamarihana: Miankina amin’ny faneken’ny olona an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakan’i Kristy no hahazoany fiainana. Mamelombelona ny hafatra momba ilay Fanjakana, izay hany fanantenana ho an’ny olombelona. Manova olona io hafatra io, ka tiantsika ho ren’ny rehetra. Fantatsika fa vitsy ihany no hanaiky an’ilay hafatra, kanefa tsy maintsy mandre azy io aloha ny olona vao afaka mifidy ny hanaiky na tsia. Tsy ny rehetra no te hihaino antsika, ka tsy terentsika izy ireo. Mety hisy koa olona hanohitra. Raha mahay manavaka anefa isika, dia ny teniny ihany no hoentintsika hanohizana ny resaka. Ho hitantsika ato ny nataon’ireo Vavolombelona za-draharaha mba hikarohana an’izay mendrika. (Mat. 10:11) Aza atao tsianjery ireto valin-teny ireto fa ezaho ho azo kosa ny heviny. Lazao amin’ny fomba fiteninao izany avy eo, ka asehoy fa tena miahy an’ilay olona ianao. Ho hitanao fa hihaino anao ireo manana toe-po tsara, ary hankasitraka an’izay ataon’i Jehovah mba hitaomana azy ho amin’ny fiainana izy ireo.—Jaona 6:44; Asa. 16:14.

‘TSY MAHALIANA AHY IZANY’

● ‘Azoko fantarina ve, tompoko, hoe inona no tsy mahaliana anao: Ny Baiboly sa ny fivavahana? Maro mantsy ny olona niresaka taminay no mpivavaka be taloha, nefa tsy mandeha miangona intsony satria leon’ny fihatsarambelatsihy hitany any am-piangonana (na hitany hoe fitadiavam-bola fotsiny ny fivavahana; na tsy ekeny ny idiran’ny fivavahana amin’ny politika; sns.). Na ny Baiboly aza milaza fa tsy mety ny zavatra toy izany. Izy io ihany koa no milaza izay tokony hatao raha tiantsika ny hanana hoavy tsara.’

● ‘Te hilaza ve ianao hoe tsy mahaliana anao ny fivavahana hafa ankoatra ny anao?... Ara-dalàna mihitsy izany! Mino anefa aho fa mahaliana anao ny hahalala hoe hanao ahoana ny hoavintsika, raha mitohy izao asa fampihorohoroana izao? (na ahoana no hiarovana ny zanatsika amin’ny zava-mahadomelina; na ahoana no hahafoana ny halatra sy ny vonoan’olona; sns.). Inona no heverinao fa tena vahaolana amin’izany?’

● ‘Efa manana ny fivavahanao angamba ianao e?... Heverinao ve fa hanaraka fivavahana iray ihany ny olon-drehetra, indray andro any?... Nahoana no sarotra izany?... Inona no ilaina mba hampisy an’izany?’

● ‘Azoko tsara ny tianao holazaina, satria niteny hoatr’izany koa aho taloha. Nisy andinin-teny nampiova hevitra ahy anefa tato amin’ny Baiboly. (Asehoy an’ilay olona ilay izy.)’

● ‘Tsy mahaliana anao ve, tompoko, ny hahalala hoe ahoana no hahitanao indray an’ireo havanao efa nodimandry (na inona no tena antony ahavelomantsika; na ahoana no hahasambatra ny fianakaviantsika; sns.)?’

● ‘Aza manahy fa tsy mpivarotra izahay. Hahaliana anao kosa ve ny hiaina ao amin’ny tany paradisa? Tsy hisy aretina na heloka bevava intsony amin’izay, ary olona tena tia anao daholo no hiara-monina aminao.’

● ‘Izany foana ve no avalinao rehefa misy Vavolombelon’i Jehovah tonga mitsidika anao?... Efa mba nanontany tena anefa ve ianao hoe nahoana izahay no miverimberina foana, ary inona no resahinay?... Matoa izahay mitsidika anao dia satria misy zavatra fantatray tokony ho fantatrao koa. Nahoana raha mba mihaino anay amin’ity indray mandeha ity?’

‘TSY LIANA AMIN’NY FIVAVAHANA AHO’

● ‘Azoko ny tianao holazaina. Tsy nitondra fiadanana ho an’ny olona tokoa ny fivavahana, sa tsy izany?... Azoko fantarina ve raha efa hatramin’izay ianao no tsy liana tamin’ny fivavahana?... Mino an’Andriamanitra anefa ve ianao?’

● ‘Maro ny olona mitovy hevitra aminao, satria tsy tena nanampy azy ireo ny fivavahana. Izany no mahatonga anay hitsidika ny olona. Tsy marina mantsy ny zavatra ampianarin’ny fivavahana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.’

● ‘Mino anefa aho fa mahaliana anao ny hoavinao. Fantatrao ve fa efa noresahin’ny Baiboly izao toe-piainana misy antsika izao?... Lazainy koa hoe inona no hiafaran’izany.’

● ‘Tsy liana tamin’ny fivavahana foana ve ianao hatramin’izay?... Ahoana kosa no fahitanao ny hoavy?’

‘TSY MANDRAY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH AHO’

● ‘Maro ny olona miteny izany aminay. Efa noeritreretinao anefa ve hoe nahoana izahay no mazoto mitsidika olona, na dia fantatray aza fa tsy handray anay ny ankamaroany? (Lazao ny hevi-dehibe ao amin’ny Ezekiela 9:1-11. Hazavao fa asiana “marika” ny olona tsirairay, arakaraka ny fandraisany ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka na izy ireo harovan’Andriamanitra mandritra ny fahoriana lehibe, na haringany.)’

● ‘Efa niteny hoatr’izany koa aho taloha. Tsy te ho tery saina anefa aho, ka nanapa-kevitra ny hihaino azy ireo ihany, indray andro. Hay tsy marina ny zavatra nolazaina tamiko momba azy ireo! (Milazà hevi-diso ananan’ny olona momba antsika, ary hazavao izay inoantsika.)’

● ‘Izany koa no nolazaiko tamin’ilay Vavolombelona tonga tao aminay. Nisy fanontaniana noeritreretiko tsy ho voavaliny anefa napetrako taminy talohan’ny nandehanany. Tianao ho fantatra ve hoe inona ilay izy?... (Ohatra: Taiza i Kaina no nahita ny vadiny?)’ (Ho an’ireo mpitory tena nanao an’izany taloha.)

● ‘Azoko ny tianao holazaina raha mpivavaka ianao. Azo antoka fa zava-dehibe aminao ny fivavahanao. Mino anefa aho fa mahaliana antsika ny (milazà zavatra iray mahaliana ny olona).’

● ‘Efa manana ny fivavahanao angamba ianao e? Azoko fantarina ve hoe inona no fivavahanao?... Tianay ny miresaka amin’ny olona mitovy fivavahana aminao. Ahoana no hevitrao momba ny (resaho ilay foto-kevitra)?’

● ‘Azoko ny tianao holazaina. Tianay anefa ny hahita ny olona hiara-miaina amim-pilaminana, ka izany no antony itsidihanay anao. Efa mankaleo ny mandre ady sy fijaliana amin’ny vaovao, sa ahoana ny hevitrao?... Inona anefa no afaka manova izany rehetra izany?... Hitanay fa mampahery ny fampanantenan’ny Baiboly.’

● ‘Misaotra anao tsy nisalasala nilaza ny hevitrao. Fa azoko fantarina ve hoe inona no tena tsy tianao: Ilay hafatra avy ao amin’ny Baiboly torinay, sa ny fahatongavanay atỳ aminao?’

‘EFA MPIVAVAKA IZAHAY’

● ‘Azoko atao ve, tompoko, ny manontany anao hoe: Mampianatra ve ny fivavahanareo fa mbola hiaina mandrakizay etỳ an-tany ny olona tia rariny?... Tsy hitanao hoe mahafinaritra ve izany?... Ny Baiboly mihitsy no milaza izany. (Sal. 37:29; Mat. 5:5; Apok. 21:4)’

● ‘Ekenay fa samy manana ny safidiny ny tsirairay amin’io lafiny io. Kanefa fantatrao ve fa efa nolazain’Andriamanitra hoe karazan’olona manao ahoana no iriny ho mpivavaka aminy? Jereo ange ny voalazan’ny Jaona 4:23, 24 e! Inona no dikan’ny hoe mivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fahamarinana”?... Inona no nomen’Andriamanitra antsika mba hahaizantsika hanavaka ny marina sy ny tsy marina?... (Jaona 17:17) Jereo fa zava-dehibe ny ahalalan’ny tsirairay izany. (Jaona 17:3)’

● ‘Efa mpivavaka foana ve ianao hatramin’izay?... Heverinao ve fa hanaraka fivavahana iray ihany ny olon-drehetra indray andro any?... Nahatonga ahy hieritreritra an’izany mantsy ity voalazan’ny Apokalypsy 5:13 ity. ... Inona àry no tokony hataontsika mba ho anisan’ireo?’

● ‘Nirinay ny ho tafahaona amin’ny olona tia fivavahana toa anao. Be dia be mantsy izao no tsy toy izany intsony. Ahoana no fahitanao an’ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hanafoana ny faharatsiana eto an-tany Andriamanitra, ka ny olo-marina sisa no hiaina eto? Mahafinaritra anao ve izany?’

● ‘Mafana fo amin’ny fivavahanao angamba ianao e?... Betsaka ve ny olona mandeha miangona?... Hitanao ve hoe tena manaraka an’izay voalazan’ny Baiboly ny ankamaroan’izy ireo eo amin’ny fiainany andavanandro? (Na, Miray saina ve izy ireo momba ny hoe inona no vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona?) Hitanay fa tena manampy ny fianarana Baiboly.’

● ‘Hitako hoe afa-po amin’ny fivavahanao ianao. Tsy afa-po amin’ny toe-piainana eran-tany anefa ny ankamaroan’ny olona. Toy izany koa angamba ianao e?... Ahoana no mety hiafaran’izao fiainana izao?’

● ‘Tia mamaky Baiboly ve ianao?... Mahita fotoana hamakiana azy io tsy tapaka ve ianao?’

● ‘Misaotra anao nilaza ny hevitrao. Na inona na inona anefa fivavahantsika, dia matoky izahay fa irintsika rehetra ny hisian’ny fandriampahalemana (na ny hiaro ny zanatsika amin’ny naman-dratsy; na ny hiara-monina amin’ny olona tena mifankatia; na ny hifandray tsara amin’ny rehetra, na dia mety ho sarotra aza izany noho ny rotoroton’ny fiainana).’

● ‘Faly aho fa tia fivavahana ianao. Maro mantsy no tsy dia miraharaha fivavahana intsony izao. Misy aza milaza fa tsy misy Andriamanitra. Hoatran’ny ahoana anefa Andriamanitra, araka ny nampianarina anao?... Mariho fa lazain’ny Baiboly ny anarany. (Eks. 6:3; Sal. 83:18)’

● ‘Nirahin’i Jesosy hitory maneran-tany ny mpianany. Koa tsy maintsy hihaona amin’ny olona tsy mitovy fivavahana aminy izy ireo. (Asa. 1:8) Fantatr’i Jesosy anefa fa hihaino azy ireo ny olona noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Inona no hafatra nasainy notorina amin’izao androntsika izao? (Mat. 24:14) Hitondra inona ho antsika io Fanjakana io?’

‘EFA KRISTIANINA IZAHAY’

● ‘Tsara be izany! Mino aho fa fantatrao hoe nitory toy izao koa i Jesosy. Nitsidika ny olona tany an-tranony izy, ary naniraka ny mpianany hanao toy izany koa. Hainao ve hoe inona no hafatra notorin’izy ireo?... Izany no tianay horesahina aminao. (Lioka 8:1; Dan. 2:44)’

● ‘Azo antoka àry fa zava-dehibe aminao ity nolazain’i Jesosy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra ity. Nivantana nefa feno fitiavana ny teniny hoe... (Mat. 7:21-23) Mila manontany tena àry isika hoe: Fantatro tsara ve ny sitrapon’ilay Ray any an-danitra? (Jaona 17:3)’

‘SAHIRANA AHO’

● ‘Ho fohy àry ny teniko. Hevi-dehibe iray monja no tiako horesahina aminao vetivety. (Fintino amin’ny fehezanteny roa eo ho eo ilay foto-kevitra tianao horesahina.)’

● ‘Tsy maninona fa afaka miverina aho amin’ny manaraka, amin’ny fotoana mety aminao. Alohan’ny handaozako anao anefa, dia misy andinin-teny iray mampisaintsaina tiako hovakina aminao.’

● ‘Azoko tsara ny mahazo anao, satria renim-pianakaviana (na mpiasa; na mpianatra) be atao koa aho. Ho vetivety fotsiny àry aho. Misy raharaha lehibe mahakasika antsika rehetra mantsy. Milaza ny Baiboly fa handringana tsy ho ela an’ity tontolo ratsy ity Andriamanitra. Hisy anefa ny ho tafavoaka velona. Inona àry no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny ho anisan’izy ireny? Mamaly izany ny Baiboly. (Zef. 2:2, 3)’

● ‘Izany indrindra no antony itsidihanay anao. Sahirana be daholo isika, ka na ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana aza lasa tsirambina indraindray, sa tsy izany?... Ho vetivety fotsiny àry aho. Mino aho fa hahaliana anao ity andinin-teny ity. (Lioka 17:26, 27) Tsy irintsika hitranga amintsika izany. Tena ilaintsika àry ny manokana fotoana handinihana ny Baiboly, na dia be atao aza isika. (Manolora boky na gazety.)’

● ‘Mety kokoa aminao ve raha miverina izahay afaka antsasak’adiny eo ho eo, rehefa avy mitsidika ny olona etỳ amin’ny manodidina?’

● ‘Tsy maninona fa afaka miverina aho amin’ny andro hafa. Tiako anefa ny hanolotra anao an’ity, alohan’ny handehanako. (Asehoy ny zavatra atolotra amin’ny volana.) Boky fianarana Baiboly izy ity, ary hanampy anao hahalala ny valin’ireto fanontaniana ireto (milazà iray na roa).’

● ‘Miala tsiny aho fa mandalo amin’ny fotoana tsy mety aminao. Efa fantatrao angamba fa Vavolombelon’i Jehovah aho, ary misy hevi-dehibe avy ao amin’ny Baiboly saika horesahiko aminao. Noho ianao tsy manam-potoana anefa, dia tiako ny hanome anao an’ity taratasy mivalona ity, izay miresaka momba ny (lazao ilay loha hevitra). Fohy ny hafatra ao anatiny, nefa tena mahaliana.’

● ‘Be atao tokoa isika, ka tsy manam-potoana hamitana ny zava-drehetra. Ho hafa mihitsy anefa ny fiainana, raha afaka ny ho velona mandrakizay isika. Zava-baovao aminao angamba izany. Tiako anefa ny hamaky andinin-teny iray monja milaza hoe ahoana no hahafahantsika hiaina mandrakizay. (Jaona 17:3) Mila mianatra hahalala an’Andriamanitra sy ny Zanany àry isika. Izany no antony anomezanay anao an’ity boky ity.’

‘MANINONA IANAREO NO TONGA ATỲ AMINAY FOANA?’

● ‘Satria mino izahay fa miaina amin’ny andro farany isika, araka ny voalazan’ny Baiboly. Zava-dehibe àry ny ieritreretantsika rehetra hoe ahoana no hiafaran’ny toe-piainana misy antsika. (Milazà zava-nitranga vao haingana iray na roa.) Koa inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny ho tafavoaka velona, rehefa hifarana ity tontolo ity?’

● ‘Satria tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminay izahay. Tsy izany ve no tokony hataontsika rehetra?’

‘EFA FANTATRO TSARA NY ASANAREO’

● ‘Mahafinaritra izany! Manana havana na namana Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?... Mba azoko fantarina ve raha inoanao ny zavatra ampianarinay avy ao amin’ny Baiboly? Ohatra hoe “andro farany” izao, haringan’Andriamanitra tsy ho ela ny ratsy fanahy, ho lasa paradisa ny tany sady ho feno olona salama sy mifankatia ary velona mandrakizay.’

‘TSY MANAM-BOLA AHO’

● ‘Tsy tonga hangata-bola izahay, tompoko. Manasa ny olona hianatra Baiboly maimaim-poana kosa izahay. Anisan’ny loha hevitra azo ianarana, ohatra, ny hoe (lazao ny lohatenin’ny toko iray ao amin’ilay boky). Azoko aseho anao vetivety ve hoe ahoana no fianarana azy ity? Tsy mila mandoa vola ianao na ariary aza!’

● ‘Ny olona, tompoko, no tadiavinay fa tsy ny volany. (Tohizo ilay resaka. Asehoy azy ny boky na gazety iray, ary hazavao ny fomba andraisany soa avy amin’izany. Omeo azy ilay izy raha tena liana izy sady mampanantena fa hamaky azy io. Raha mety, dia hazavao koa ny fomba isahanana ny lany amin’ny asa fitoriana ataontsika eran-tany.)’

RAHA MISY MILAZA HOE ‘BODISTA AHO’

● Samy manana ny zavatra inoany ny Bodista. Tsy tena mazava mantsy ny fampianaran’ny Bodista, ary samy manana ny fahazoany azy ny tsirairay. Tsy mitovy ny Bodisma any Japon, sy ny any Azia Atsimoatsinanana. Samy manana ny heviny koa ny Bodista tsirairay. Mety hanampy anao anefa ireto hevitra ireto: 1) Tsy manaiky ny Bodista hoe misy Andriamanitra na misy ny Mpamorona. Mivavaka amin’ny sarivongan’i Bouddha na amin’ny taolany anefa ny ankamaroany. 2) I Siddhartha Gautama, izay nomena anaram-boninahitra hoe Bouddha, no lasa modelin’izy ireo. Nampirisika ny mpanara-dia azy i Bouddha handinika ny fiainan’olombelona, mba hahatakarana ny hevitry ny zava-drehetra. Nampirisika azy ireo koa izy hifehy ny sainy mba tsy hananana fanirian’ny nofo, ka tsy hahatsapana fijaliana intsony. Izany, hono, no fomba hanatratrarana ny Nirvana. Rehefa tratrany, hono, io tanjona io dia tsy hateraka intsony ao amin’ny vatana hafa izy ireo. 3) Mivavaka amin’ny razana ny Bodista, satria ireny no heveriny fa nanome aina azy.

Soso-kevitra rehefa miresaka amin’ny Bodista: 1) Asongadino fa tsy anisan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ianao. 2) Manaja an’ireo “boky masina” ny Bodista, anisan’izany ny Baiboly. Aza miditra lalina amin’ny filozofia bodista, fa resaho kosa ilay hafatra mampahery ao amin’ny Baiboly. Ampahafantaro azy fa tsy tenin’olombelona ny Baiboly, fa Tenin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny olombelona. Anontanio izy raha azonao atao ny mampiseho azy hevitra mahaliana iray avy ao amin’io boky masina io. 3) Mahaliana ny ankamaroan’ny Bodista ny resaka fiadanana sy fiainam-pianakaviana, ary te ho tsara fitondran-tena izy ireo. Matetika izy no vonona hihaino, raha ireo no resahina aminy. 4) Asehoy izay lazain’ny Baiboly momba ny fanjakana iray manao ny marina, izay hitondra ny tany sy hamaha ny olana rehetra. Resahin’ny Baiboly koa ny hoavin’ny tany sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. 5) Azo resahina koa hoe manazava an’ireto ny Baiboly: Ny niandohan’ny fiainana sy ny antony ahavelomantsika; izay mitranga rehefa maty ny olona sy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty; ary ny antony isian’ny faharatsiana. Hanohina ny fon’ny olona tso-po ny fahamarinana, raha tsara fanahy ianao rehefa miresaka aminy.

RAHA MISY MILAZA HOE ‘HINDOA AHO’

● Lalina be ny fampianaran’ny Hindoa sady hafahafa. Mety hanampy anao anefa ireto hevitra ireto: 1) Mampianatra ny Hindoa fa manana endrika telo ilay andriamanitra Brahman: Brahma Mpamorona, Vishnu Mpiaro, ary Siva Mpandringana. Tsy mino Andriamanitra tokana manana ny maha izy azy anefa ny Hindoa. 2) Mino koa izy ireo fa manana fanahy tsy mety maty daholo ny zavaboary. Rehefa maty ilay zavaboary, dia mifindra ao amin’ny vatana vaovao indray ilay fanahy. Arakaraka izay ataon’ny olona fony fahavelony (na Karma), hono, ny vatana vaovao hidiran’ny fanahiny. Mety hitohy foana tsy misy farany izany, raha tsy hoe foanana angaha ny faniriana rehetra ao amin’ny vatana. Rehefa tratra izay tanjona izay, dia ho tafaray amin’ilay fanahy manenika izao rehetra izao ny fanahin’ilay olona. 3) Manaja ny fivavahana hafa ny Hindoa amin’ny ankapobeny. Mino izy ireo fa samy marina ny fivavahana rehetra, na dia mifanohitra aza ny fampianarany.

Aza miditra lalina amin’ny filozofia hindoa, fa resaho kosa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ny karazan’olona rehetra mantsy no tian’i Jehovah hovonjena. Hanohina ny fon’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana koa ny fampianarana mazava ao amin’ny Teniny. Ny Baiboly ihany no tena manome fanantenana azo antoka momba ny hoavy, sady manome valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana lehibe manitikitika ny sain’ny olona. Resaho aminy ireny valiny ireny. Tsara homarihina fa mitondra ny lohateny hoe “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” ny hira 10. 121, ao amin’ny fihirana hindoa Rig-Veda. Azonao resahina izany, toy ny nataon’ny apostoly Paoly tamin’izy niresaka momba ilay alitara “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” tany Atena. (Asa. 17:22, 23) Mahaliana fa raha esorina ny V amin’ny anaran’ilay andriamanitra hindoa hoe Vishnu, dia lasa hoe Ish-nuh izy io, izay midika hoe “ilay lehilahy Noa” amin’ny teny kaldeanina. Resaho àry izay lazain’ny Baiboly momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Azo ampiasaina koa ilay loha hevitra hoe “Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa”, ao amin’ny pejy 392, mba hanampiana an’ireo Hindoa kivy satria hoe mbola hifindrafindra vatana tsy misy farany ny fanahiny.

RAHA MISY MILAZA HOE ‘JIOSY AHO’

● Anontanio hoe inona no tian’ilay olona holazaina. Matetika mantsy ny fiaviany no tiany holazaina amin’izany, fa tsy ny fivavahany.

Ireto misy hevitra vitsivitsy tsara hotadidina: 1) Fady amin’ny Jiosy ny manonona ny anaran’Andriamanitra. 2) Bokin’ny Kristianina ny “Baiboly”, amin’izy ireo. Tsy sarotiny anefa izy ireo raha ny “Soratra Hebreo” na ny “Soratra Masina” na ny “Torah” (boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly) no resahina aminy. 3) Zava-dehibe amin’izy ireo ny lovantsofina, izay heverin’ny maro ho mavesa-danja toy ny Soratra Masina ihany. 4) Raha vao mandre hoe Jesosy Kristy izy ireo, dia ny fanenjehana ny Jiosy nataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no mety ho tonga ao an-tsainy. 5) Mino izy ireo fa takin’Andriamanitra ny hitandremana ny Sabata, ka tsy mamoaka vola izy ireo amin’io andro io.

Mba hisian’ny marimaritra iraisana, dia azo atao ny milaza hoe: 1) ‘Manaiky angamba ianao, tompoko, fa na inona na inona fiaviantsika, dia mitovy ihany ny olana atrehintsika rehetra. Heverinao ve fa ho voalamina tanteraka izy ireny, indray andro any? (Sal. 37:10, 11, 29; 146:3-5; Dan. 2:44)’ 2) ‘Tsy mino izahay hoe telo izay iray Andriamanitra, na dia mampianatra izany aza ny fivavahana kristianina hafa. Mivavaka amin’ilay Andriamanitr’i Abrahama kosa izahay, ary ny fahamarinana no tena mahaliana anay. Araka ny hevitrao, ahoana no ahalalana ny marina, satria na ny Jiosy aza tsy mitovy zavatra inoana?... (Deot. 4:2; Isaia 29:13, 14; Sal. 119:160)’ 3) ‘Tena mahaliana anay ilay fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra. (Gen. 22:18)’

Raha tsy mino an’Andriamanitra ilay olona, dia anontanio raha efa toy izany foana izy hatramin’izay. Azo resahina avy eo hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy. Maro mantsy ny Jiosy manontany tena momba izany, noho ny Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia.

Raha te hiresaka momba ny maha zava-dehibe ny ampiasana ny anaran’Andriamanitra ianao, dia anontanio aloha ny hevitr’ilay olona. Hazavao fa tsy mandrara ny fampiasana ilay anarana ny Eksodosy 20:7, fa mandrara kosa ny fanaovana tsinontsinona azy io. Fakafakao avy eo ireto andininy ireto: Eksodosy 3:15 (na Salamo 135:13); 1 Mpanjaka 8:41-43; Isaia 12:4; Jeremia 10:25; ary Malakia 3:16.

Raha hiresaka momba ny Mesia ianao, dia: 1) Resaho aloha ny fitahiana hoentin’ny fanjakany, fa aza lazaina hoe iza izy. 2) Asehoy avy eo ireo andininy manazava fa tena olona ny Mesia. (Gen. 22:17, 18; Zak. 9:9, 10; Dan. 7:13, 14) 3) Mety hilainao ny hanazava fa indroa tonga ny Mesia. (Dan. 7:13, 14; 9:24-26) 4) Raha hiresaka momba an’i Jesosy ianao, dia hazavao aloha fa tanteraka miandalana ny fikasan’Andriamanitra. Lazao fa tamin’i Jesosy nampianatra tetỳ an-tany, dia efa akaiky ny fotoana namelan’Andriamanitra handravana ilay tempoly naorina fanindroany, ka tsy haorina intsony izy io. Nasongadin’i Jesosy fa tanteraka ny Lalàna sy ny Mpaminany, ary hisy hoavy mahafinaritra ho an’ny olona manam-pinoana, araka ny nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany.