Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antikristy

Antikristy

Famaritana: Midika hoe manohitra an’i Kristy na maka ny toerany. Antsoina hoe antikristy izay rehetra tsy manaiky izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy, sy manohitra ny Fanjakany, ary mampijaly ny mpanara-dia azy. Anisan’izany koa ny olona na fikambanana na firenena mihambo ho solontenan’i Kristy na ho Mesia.

Antikristy iray monja ve no resahin’ny Baiboly?

1 Jaona 2:18: “Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy. Ary efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.”

2 Jaona 7: “Maro mantsy ny mpamitaka efa eo amin’izao tontolo izao, dia olona tsy manaiky fa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy. Izany ilay mpamitaka sy antikristy.” (Mariho fa ireo “antikristy maro” resahin’ny 1 Jaona 2:18 ihany ‘ilay antikristy’ voalaza eto.)

Mbola amin’ny hoavy ve vao ho tonga ny antikristy?

1 Jaona 4:3: “Tsy avy amin’ny fanahin’Andriamanitra kosa izay fanambarana rehetra tsy manaiky an’i Jesosy. Izany no fanambarana torin’ny antikristy, dia fanambarana efa renareo fa ho avy, ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady ankehitriny.” (Nosoratana taloha kelin’ny taona 100 izany.)

1 Jaona 2:18: “Efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.” (Inona no tian’i Jaona holazaina tamin’ilay hoe “ora farany”? Tsy ho ela dia tsy hisy apostoly intsony tamin’izay, satria efa maty ny apostoly hafa rehetra, ary efa antitra be koa i Jaona.)

Iza no atao hoe antikristy?

Izay tsy manaiky hoe i Jesosy no Mesia

1 Jaona 2:22: ‘Iza moa no mpandainga raha tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy [na Mesia, na hoe voahosotra]? Ny antikristy dia izay mandà ny Zanaka.’

Izay tsy manaiky hoe Jesosy no Zanaka lahitokan’Andriamanitra

1 Jaona 2:22: “Ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy mandà ny Zanaka.”

Ampitahao amin’ny Jaona 10:36; Lioka 9:35.

Ny mpivadi-pinoana

1 Jaona 2:18, 19: “Misy antikristy maro ... Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika.”

Izay manohitra an’ireo tena mpanara-dia an’i Kristy

Jaona 15:20, 21: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa. ... Noho ny anarako anefa no hanaovany izany rehetra izany aminareo.”

Olona na firenena manohitra an’i Kristy Mpanjaka na mihambo ho Mesia

Sal. 2:2: “Mitsangana ny mpanjakan’ny tany, ary mivondrona ny manam-pahefana, mba hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosony [antsoina koa hoe Kristy na Mesia].”

Jereo koa ny Apokalypsy 17:3, 12-14; 19:11-21.

Mat. 24:24: “Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.”