Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivadiham-pinoana

Fivadiham-pinoana

Famaritana: Fialana amin’ny fivavahana sy amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra, izany hoe fikomiana aminy. Mihambo ho mahalala sy manompo an’Andriamanitra ny mpivadi-pinoana sasany, nefa mandà ny fampianarany sy ny zavatra takiny ao amin’ny Teniny. Misy koa mihambo ho mino ny Baiboly nefa mandà ny fandaminan’i Jehovah.

Mety ho avy eo anivon’ny fiangonana kristianina ihany ve ny mpivadi-pinoana?

1 Tim. 4:1: “Milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy mihaino fampianaran’ny demonia.”

2 Tes. 2:3: “Aoka tsy hisy hamitaka anareo na amin’inona na amin’inona, satria tsy ho tonga [ny andron’i Jehovah] raha tsy efa tonga aloha ny fivadiham-pinoana, ka haharihary ilay lehilahy mpandika lalàna, dia ilay zanaky ny fandringanana.”

Ahoana no amantarana ny mpivadi-pinoana?

Mitaona olona hanaraka azy, ka mahatonga fisaratsarahana

Asa. 20:30: “Avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.”

2 Pet. 2:1, 3: “Hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo. Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta mampidi-doza, sady handa an’ilay tompo nividy azy ... Mitsiriritra koa izy ireny ka hanararaotra anareo amin’ny teny mamitaka.”

Mihambo ho mino an’i Kristy, nefa tsy zava-dehibe aminy ny asa fitoriana sy fampianarana nampanaovin’i Kristy

Lioka 6:46: “Koa nahoana ianareo no miantso ahy hoe: ‘Tompo ô! Tompo ô!’, nefa tsy manao izay lazaiko?”

Mat. 28:19, 20: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”

Mat. 24:14: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”

Mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa mandà ny solontenany sy ny fandaminany

Joda 8, 11: “Manaram-po amin’ny nofinofy toy izany koa anefa ireny olona ireny, ka mandoto ny nofo, sy tsy miraharaha ny manana fahefana, ary manevateva ny manana voninahitra. Lozan’ireny, fa ... efa matin’ny teny fikomian’i Kora [izy ireny]!”

Nom. 16:1-3, 11, 19-21: “Nitsangana i Kora, ... mbamin’ny dimampolo sy roanjato lahy teo amin’ny zanak’Israely. Samy mpiadidy vahoaka ireo lehilahy ireo ... Dia niangona hanohitra an’i Mosesy sy Arona izy ireo, ka nilaza hoe: ‘Efa tofoka aminareo izahay, fa masina avokoa ny vahoaka manontolo, ary i Jehovah no eo aminy. Koa nahoana ianareo no manandra-tena ho ambony noho ny fiangonan’i Jehovah?’ ... [Hoy i Mosesy:] ‘Mivondrona hanohitra an’i Jehovah ianao sy ny olonao rehetra. Fa i Arona moa no inona no imenomenonanareo?’ Ary novorin’i Kora teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny vahoaka manontolo mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny vahoaka manontolo ny voninahitr’i Jehovah. Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: ‘Misaraha amin’io vahoaka io ianareo, fa handringana azy indray mipy maso monja aho.’ ”

Sady miala amin’ny tena finoana no “mikapoka” an’ireo namany taloha, izany hoe manakiana ampahibemaso sy manakantsakana ny asan’izy ireo, mba handravana finoana

Mat. 24:45-51: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety? ... Raha manao anakampo kosa ilay mpanompo ratsy fanahy hoe: ‘Mba ela koa izany tompoko izany!’, ka manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ary miara-mihinana sy misotro amin’ny mamo lava, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony, ka hanasazy azy faran’izay mafy ary handefa azy any amin’ny mpihatsaravelatsihy.”

2 Tim. 2:16-18: ‘Ialao ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, satria vao mainka tsy hatahotra an’Andriamanitra ireny, ary ny teniny dia hiely toy ny fery mandoaka. Anisan’izy ireny i Hymeneo sy Fileto. Niala tamin’ny fahamarinana ireo lehilahy ireo ka nilaza fa efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin’ny maty. Koa nandrava ny finoan’ny sasany izy ireo.’

Tokony handray azy ireny na hamaky ny bokiny ve ny tena Kristianina?

2 Jaona 9, 10: “Izay rehetra mihoa-pefy ka tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. ... Raha misy tonga eo aminareo, ka tsy mitondra izany fampianarana izany, dia aza mampiantrano azy mihitsy na miarahaba azy akory.”

Rom. 16:17, 18: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, mba harahinareo maso ireo mahatonga fisaratsarahana sy fihemorana, fa mifanohitra amin’ny fampianarana efa noraisinareo izany. Halaviro ireny. ... Teny malefaka sy teny fiderana no amitahany ny olona tso-po.”

Manimba finoana ve ny fitia te hahalala ny hevitr’izy ireny?

Ohab. 11:9: “Ny tenin’ny mpivadi-pinoana no animbany ny hafa.”

Isaia 32:6: “Mbola hiteny hadalana ihany ny adala, ary mamorona teti-dratsy ao am-pony izy, mba hahatonga fivadiham-pinoana sy mba hilazana lainga hanoherana an’i Jehovah ary mba handefasana ny noana sy ny mangetaheta hody maina.” (Ampitahao amin’ny Isaia 65:13, 14.)

Tena ratsy ve ny fivadiham-pinoana?

2 Pet. 2:1: “Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta mampidi-doza, sady handa an’ilay tompo nividy azy, ka hahatonga fandringanana haingana ho an’ny tenany.”

Joba 13:16: “Tsy hisy mpivadi-pinoana ho tafiditra eo [anatrehan’Andriamanitra].”

Heb. 6:4-6: “Izay olona efa nohazavaina indray mandeha monja, sy efa nanandrana ny fanomezana maimaim-poana avy any an-danitra, sy efa anisan’ny nahazo ny fanahy masina, ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ilay tontolo ho avy, kanefa nihemotra [“nivadika”, Kat.], dia tsy azo velomina indray ho amin’ny fibebahana, satria mamantsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana indray izy ireo, ka manala baraka azy ampahibemaso.”