Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Baiboly

Baiboly

Famaritana: Tenin’i Jehovah Andriamanitra ho an’ny olombelona. Olona 40 teo ho eo no nampanoratiny azy io nandritra ny 1 600 taona mahery. Notarihin’ny fanahiny anefa izy ireo. Ampahany lehibe amin’izy io ny fanambaran’i Jehovah sy ny fampianaran’i Jesosy Kristy mbamin’ny asa nataony. Hita ao ny zavatra takin’Andriamanitra amintsika, sy ny fomba hanatanterahany ny fikasany momba ny tany. Nasain’i Jehovah nosoratana ao àry izay mitranga rehefa mihaino Azy sy manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany ny olona sy ny firenena, ary izay iafarany rehefa manao izay tiany fotsiny izy ireo. Ampahafantarin’i Jehovah antsika amin’ny alalan’io boky azo itokisana io, ny fifandraisany amin’ny olombelona sy ny toetrany mahatalanjona.

Antony tokony handinihana ny Baiboly

Ny Baiboly mihitsy no milaza fa avy amin’Andriamanitra Mpamorona ny olombelona, izy io

2 Tim. 3:16, 17: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”

Apok. 1:1: “Zavatra nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hampisehoany amin’ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela.”

2 Sam. 23:1, 2: “Ny tenin’i Davida zanak’i Jese ... Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.”

Isaia 22:15: “Hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.”

Tokony hiely eran-tany ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Nadika tamin’ny fiteny 2 200 mahery àry ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy, ary an’arivony tapitrisa no efa natonta. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao: ‘Ny Baiboly no boky be mpamaky indrindra hatramin’izay. Izy io koa angamba no nisy heriny indrindra tamin’ny olona. Ny Baiboly no voazara betsaka kokoa, sy voadika imbetsaka kokoa tamin’ny fiteny maro kokoa noho ny boky hafa rehetra.’—(anglisy, 1984), Boky Faha-2, p. 219.

Hazavainy ny hevitry ny zava-mitranga eran-tany

Mpitondra maro no miaiky fa tandindomin-doza ny olombelona. Efa ela be anefa ny Baiboly no niresaka momba ny toe-piainana misy antsika. Hazavainy ny hevitr’izany sy ny hiafaran’izany. (2 Tim. 3:1-5; Lioka 21:10, 11, 31) Lazainy koa izay tsy maintsy atao mba hahatafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ity, ka hiaina mandrakizay eto an-tany.—Zef. 2:3; Jaona 17:3; Sal. 37:10, 11, 29.

Hazavainy ny antony ahavelomantsika

Valiany ireto fanontaniana ireto: Ahoana no nampisy ny fiainana? (Asa. 17:24-26) Inona no antony namoronana antsika? Mba ho velona taona vitsivitsy monja sy hifaly vetivety amin’ny fiainana ve, ary avy eo ho faty?—Gen. 1:27, 28; Rom. 5:12; Jaona 17:3; Sal. 37:11; 40:8.

Atorony ny fomba ahazoana an’izay tena irin’ny olo-marina

Lazainy hoe aiza no ahitana namana tena mifankatia (Jaona 13:35), ahoana no ahazoana antoka fa hanana sakafo ampy isika sy ny fianakaviantsika (Mat. 6:31-33; Ohab. 19:15; Efes. 4:28), ary ahoana no hahasambatra antsika na dia sarotra aza ny fiainana.—Sal. 1:1, 2; 34:8; Lioka 11:28; Asa. 20:35.

Hazavainy fa handrava an’ity tontolo ratsy ity ny Fanjakan’Andriamanitra (Dan. 2:44), ary tsy harary intsony mihitsy sy hiaina mandrakizay ny olom-peheziny.—Apok. 21:3, 4; ampitahao amin’ny Isaia 33:24.

Tena mendrika ny hodinihina ny boky iray milaza fa avy amin’Andriamanitra, sy manazava ny hevitry ny zava-mitranga eran-tany mbamin’ny antony ahavelomantsika, ary mampiseho fa ho voavaha ny olana rehetra.

  Porofo fa avy amin’Andriamanitra

Milaza faminaniana maro manome tsipiriany momba ny hoavy. Tsy vitan’ny olombelona izany

2 Pet. 1:20, 21: “Tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina avy amin’ny hevitr’olona, satria tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”

▪ Faminaniana: Isaia 44:24, 27, 28; 45:1-4: “Jehovah ... Ilay miteny amin’ny rano lalina hoe: ‘Aoka ianao ho maina ka ho lasa etona, ary hataoko ritra ny reniranonao rehetra’, dia Ilay miteny amin’i Kyrosy hoe: ‘Izy no mpiandry ondriko, ary hotanterahiny an-tsakany sy an-davany izay sitrako rehetra’, hatramin’izay nolazaiko momba an’i Jerosalema hoe: ‘Haorina indray izy’, sy momba ny tempoly hoe: ‘Hapetraka ny fototrao.’ Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay voahosony, dia i Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tanany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany ka hamahako ny fehikibo eo amin’ny andilan’ny mpanjaka, ary mba hanokafako ny varavarana kopa-droa eo anoloany ka na ny vavahady aza dia tsy hikatona: ‘Handeha eo alohanao aho ka handravona ny mikitoantoana. Hopotipotehiko ny vavahady varahina, ary hotapahiko ny bara hidiny vy. ... Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely izay nofidiko, dia antsoiko amin’ny anaranao ianao.’ ” (Vita tamin’ny 732 T.K. teo ho eo ny bokin’i Isaia.)

□ Fahatanterahany: Mbola tsy teraka i Kyrosy tamin’ny fotoana nanoratana an’io faminaniana io. Tamin’ny 617-607 T.K. vao natao sesitany tany Babylona ny Jiosy, ary tamin’ny 607 T.K. vao rava i Jerosalema sy ny tempoliny. Nanomboka tanteraka ilay faminaniana tamin’ny 539 T.K. Navilin’i Kyrosy tao amin’ny farihy iray ny Reniranon’i Eofrata, navelan’ny Babylonianina hidanadana ny vavahadiny nandritra ny fety tao an-tanàna, ary resin’ny Medianina sy ny Persianina notarihin’i Kyrosy i Babylona. Nafahan’i Kyrosy ireo Jiosy babo, ary nalefany niverina tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempolin’i Jehovah.—Ny Rakipahalalana Amerikanina (1956), Boky Faha-III, p. 9; Fanazavana ny Fiainana Fahiny (anglisy, Princeton, 1959), Jack Finegan, p. 227-229; “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” (1994), p. 282, 283, 285, 296.

▪ Faminaniana: Jer. 49:17, 18: “ ‘Higagan’ny olona i Edoma. Hitolagaga izay rehetra mandalo eo ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy. Toy ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora ary ireo tanàna manodidina azy’, hoy i Jehovah, ‘no hanjo an’i Edoma, ka tsy hisy honina intsony ao.’ ” (Vita tamin’ny 580 T.K. ny bokin’i Jeremia.)

□ Fahatanterahany: Hoy ny rakipahalalana iray tamin’ny 1952: “Noroahin’i Jodasa Makabeo niala tao Palestina izy ireo [ny Edomita] tamin’ny taonjato faharoa T.K. Nitarin’i Joany Hirkana, mpitarika ny Makabeo, ny fanjakan’i Joda tamin’ny 109 T.K., ka lasany ny tapany [andrefana] tamin’i Edoma. Nozanahin’ny Romanina tanteraka ny Edomita tamin’ny taonjato voalohany T.K. ... Nanjavona teo amin’ny tantara ny anarana hoe Idomea [Edoma] ... taorian’ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema tamin’ny taona 70.” Mbola hitantsika hatramin’izao ny fahatanterahan’ilay faminaniana. Tsy nosoratana taorian’ny fahatanterahany àry izy io.

▪ Faminaniana: Lioka 19:41-44; 21:20, 21: “Nahatazana an’ilay tanàna [Jerosalema] izy [Jesosy Kristy] ... ka nitomany mafy azy, sady nanao hoe: ... ‘Ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao, ka hohodidininy ianao ary hampahoriny amin’ny lafiny rehetra. Ary hatontany amin’ny tany ianao sy ny zanakao ao aminao, ary tsy havelany hisy vato hifanaingina eo aminao, noho ny tsy nahatakaranao ny fotoana nanaraha-maso anao.’ ” Hoy izy tamin’ny mpianany, roa andro taorian’izay: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy. Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao.” (Faminaniana nambaran’i Jesosy Kristy tamin’ny taona 33.)

□Fahatanterahany: Nikomy tamin’i Roma i Jerosalema, ka tonga nanafika an’ilay tanàna ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus, tamin’ny taona 66. Hoy anefa i Josèphe, mpahay tantara jiosy: ‘Nangonin’ilay mpitari-tafika romanina tampoka ny miaramilany. Nanary toky izy nefa tsy resy akory, ary tsy ahoan-tsy ahoana teo dia niala tao amin’ilay Tanàna.’ (Josèphe, ny Adin’ny Jiosy, anglisy, 1969, p. 167) Afaka nandositra nankany Pela, tany ampitan’i Jordana, àry ireo Kristianina, hoy i Eusèbe Pamphile. (Tantaran’ny Fiangonana, anglisy, nadikan’i C. Crusé, Londres, 1894, p. 75) Nanao fahirano an’ilay tanàna ny Jeneraly Titus tamin’ny fotoanan’ny Paska, taona 70. Nanangana fefy 7,2 kilaometatra nanodidina an’ilay tanàna izy, tao anatin’ny telo andro monja. Resy i Jerosalema rehefa afaka dimy volana. “Noravana tanteraka i Jerosalema ary narodana ny Tempoly. Hita amin’ny fandinihana ireo sisan-javatra fahiny, fa rava tanteraka izay rehetra naorin’ny Jiosy.”—Ny Baiboly sy ny Arkeolojia (anglisy; Grand Rapids, Mich.; 1962), J. Thompson, p. 299.

Marina ara-tsiansa ny Baiboly, ary nanamafy izany ny zavatra hitan’ny mpikaroka tatỳ aoriana

Ny niandohan’izao rehetra izao: Gen. 1:1: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Hoy i Robert Jastrow, astronoma: “Manamarina an’izay lazain’ny Baiboly momba ny niandohan’izao tontolo izao, ny fandinihana ny planeta sy ny kintana. Misy ihany ny tsipiriany tsy mitovy, nefa mitovy ny zavatra voalazan’izy ireo amin’ny ankapobeny: Nisy tranga-javatra mifampitohitohy nahatonga ny fisian’ny olombelona. Niandoha tampoka tamin’ny fotoana iray voafaritra tsara izany, tao anatin’ny fitosahan’ny hazavana sy angovo.”—Andriamanitra sy Ireo Astronoma (anglisy, New York, 1978), p. 14.

Ny endriky ny tany: Isaia 40:22: “Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity.” Noheverin’ny olona fahiny fa fisaka ny tany. Efa 200 taona mahery taorian’ny nanoratana ny Isaia, vao nisy filozofa grika nanatsoaka hevitra fa boribory angamba ny tany. Efa 300 taona taorian’izay indray, vao nisy astronoma grika nikajy ny refin’ny antsasaky ny savaivon’ny tany. Mbola tsy ny rehetra anefa tamin’izay no nanaiky hoe boribory ny tany. Tamin’ny taonjato faha-20 vao hitan’ny olona fa “boribory” tokoa ny tany, rehefa afaka nandeha fiaramanidina izy ireo ary tonga hatrany amin’ny volana sy any ambony tsy taka-maso any.

Fiaimpiainan’ny biby: Lev. 11:6: ‘Ny bitrodia [dia] mandinika.’ Nolavin’ny mpanao tsikera izany nandritra ny taona maro. Hitan’i William Cowper anefa tamin’ny taonjato faha-18, fa mandinika tokoa ny bitro. Nohazavain’ny boky iray momba ny biby navoaka tamin’ny 1940, ny fomba fanaovan’ny bitro izany.

Mirindra tsara ny ao anatiny

Miavaka tokoa izany satria olona 40 teo ho eo no nanoratra ny Baiboly. Nisy tamin’izy ireo anefa mpanjaka, mpaminany, mpiandry ondry, mpamory hetra, ary dokotera. Tsy afaka ny hiray tetika izy ireo mba hampirindra ny zavatra nosoratany, satria naharitra 1 610 taona ny nanoratana an’io boky io. Tsy misy mifanipaka mihitsy anefa izay nosoratan’izy ireo. Mba hahitanao izany, dia mila mamaky sy mianatra samirery ny Baiboly ianao.

Inona no porofo fa tsy niova ny Baiboly?

‘Manan-tombo ny Baiboly raha oharina amin’ny asa soratra fahiny [toy ny an’i Homère sy Platon ary ny hafa]. Be kokoa mantsy ny sora-tanana tranainy ananantsika, ary tsy dia mifanalavitra ireo soratra tany am-boalohany sy ireo sora-tanana tatỳ aoriana. Tsy misy boky voamarina tsara toy ny Baiboly.’—Ny Baiboly Hatrany Am-boalohany (anglisy, New York, 1929), P. Simms, p. 74, 76.

Voalaza tamin’ny 1971 fa 6 000 teo ho eo ny sora-tanana misy ny Soratra Hebreo manontolo na ny ampahany aminy, ary efa tamin’ny taonjato fahatelo T.K. ny ela indrindra. Nisy 5 000 teo ho eo kosa ny an’ny Soratra Grika Kristianina, ary efa tany am-piandohan’ny taonjato faharoa ny ela indrindra. Maro be koa ny dikan-teny voalohandohany amin’ireo Baiboly amin’ny teny hafa.

Hoy Atoa Frederic Kenyon ao amin’ny sasin-tenin’ireo bokiny fito hoe Ny Horonana Ara-baiboly Chester Beatty: “Ny zava-dehibe indrindra azo tsoahana rehefa nodinihina [ireo horonana], dia hoe marina tsara ny Baiboly ananantsika ankehitriny. Tsy misy fiovana firy na ny Testamenta Taloha na ny Vaovao. Tsy misy hevi-dehibe niampy na latsaka, ary tsy manova ... foto-pinoana ireo fahasamihafana kely. Zavatra kely fotsiny no tsy mitovy, toy ny filahatry ny teny sy ny teny nampiasaina ... Tena zava-dehibe ireny horonana tranainy kokoa ireny, satria manamarina fa tsy niova ny Baiboly.”—(anglisy, Londres, 1933), p. 15.

Misy Baiboly mandika ara-bakiteny kokoa ny hevitry ny teny tany am-boalohany. Misy indray fandikan-teny malalaka loatra, ka nanova ny hevitry ny teny tany am-boalohany indraindray. Misy mpandika teny koa nampiditra ny zavatra inoany tao amin’ny dikan-teniny. Hita ihany anefa ireny lesoka ireny rehefa ampitahaina ny dikan-teny samihafa.

Raha misy milaza hoe:

‘Tsy mino ny Baiboly aho’

Azonao valiana hoe: ‘Mino an’Andriamanitra anefa ve ianao?... Azoko fantarina ve hoe inona ao amin’ny Baiboly no hitanao ho sarotra inoana?’

Na hoe: ‘Efa tsy nino ny Baiboly foana ve ianao hatramin’izay?... Efa nisy olona niteny toy izany tamiko, nefa mbola tsy nandalina ny Baiboly akory izy ireo. Ny Baiboly mihitsy anefa no milaza fa avy amin’Andriamanitra izy io, ary hiaina mandrakizay izay mino sy manaraka ny voalazany. Koa tsy tokony hodinihina ihany ve izy io, mba hahitana raha marina tokoa izany na tsia? (Ampiasao ny fanazavana ao amin’ny  pejy 87-90.)’

‘Mifanipaka ny Baiboly’

Azonao valiana hoe: ‘Efa nisy olona nilaza izany tamiko, nefa mbola tsy nisy afaka nanaporofo hoe inona marina no mifanipaka. Mbola tsy nahita hevitra mifanipaka koa aho hatramin’ny namakiako Baiboly. Inona, ohatra, no hitanao hoe mifanipaka?’ Azonao ampiana hoe: ‘Voamariko kosa fa matetika ny fitantarana ao amin’ny Baiboly no mampipoitra fanontaniana izay tsy hain’ny olona ny valiny. Ohatra hoe: Taiza i Kaina no nahita ny vadiny? (Ampiasao ny fanazavana ao amin’ny pejy 231.)’

‘Olona no nanoratra ny Baiboly’

Azonao valiana hoe: ‘Marina izany. Olona 40 teo ho eo izy ireo, kanefa notarihin’ny fanahy masina izy ireo.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Midika izany fa Andriamanitra no nampanoratra azy ireo ny Baiboly, tsy misy hafa amin’ny lahiantitra iray mangataka an-janany mba hanoratra taratasy.’ 2) ‘Tokony hahagaga antsika ve ny hoe nisy olona naharay hafatra avy any ambony tsy taka-maso? Tsia, satria na ny olombelona aza mahavita mandefa hafatra sy sary avy eny amin’ny volana. Ampiasain’izy ireo fotsiny ireo lalàna fizika efa napetrak’Andriamanitra hatry ny ela.’ 3) ‘Ahoana anefa no ahazoantsika antoka fa avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly? Misy zavatra voalaza ao tsy mety ho avy amin’ny olombelona mihitsy. Manome tsipiriany momba ny hoavy izy io, ohatra, ary tanteraka foana izy ireny. (Misy ohatra ao amin’ny pejy 65-69 eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andro Farany”, sy ny  pejy 87-89.)’

‘Samy manana ny fomba anazavany ny Baiboly ny olona’

Azonao valiana hoe: ‘Tsy izy rehetra anefa no marina.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Hahita loza izay manolana ny Baiboly mba hifanaraka amin’ny heviny. (2 Pet. 3:15, 16)’ 2) ‘Misy zavatra roa manampy antsika hahatakatra tsara izay lazain’ny Baiboly. Voalohany, dinihina ireo andinin-teny manodidina an’ilay andininy vakina. Faharoa, ampitahaina amin’ireo andininy hafa miresaka momba ilay foto-kevitra ilay izy. Amin’izay dia ny Baiboly ihany no hanazavana ny Baiboly fa tsy ny hevitsika. Izany no hita ao amin’ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah.’ (Jereo ny loha hevitra hoe “Vavolombelon’i Jehovah”, pejy 412, 413.)

‘Efa lany andro ny Baiboly’

Azonao valiana hoe: ‘Zavatra mahasoa antsika tokoa no mahaliana antsika.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Hitanao hoe mahasoa ve raha tsy misy intsony ny ady?... Araka ny hevitrao, tsy efa tsara ve raha mianatra mihavana ny olona avy amin’ny firenena samy hafa?... Efa niresaka momba izany ny Baiboly. (Isaia 2:2, 3) Efa manao izany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, noho izy ireo mianatra ny Baiboly.’ 2) ‘Tsy hilamina mihitsy anefa ny tany, raha mbola eo ireo olona sy firenena tia ady. Hatao ahoana àry izy ireo? (Dan. 2:44; Sal. 37:10, 11)’

Na hoe: ‘Misaotra anao nilaza ny hevitrao. Inona tokoa moa no ilana boky efa lany andro?’ Azonao ampiana hoe: ‘Lany andro anefa ve aminao ny boky iray manampy antsika hanana fianakaviana sambatra?... Niovaova foana ny torohevitra nomen’ny olona momba ny fianakaviana, ary hitantsika izao fa tsy tsara ny vokany. Sambatra sy milamina kosa anefa ireo fianakaviana mahalala sy mampihatra izay voalazan’ny Baiboly. (Kol. 3:12-14, 18-21)’

‘Boky tsara ny Baiboly, nefa tsy misy ny tena fahamarinana’

Azonao valiana hoe: ‘Marina fa samy manana ny heviny ny olona. Voafetra koa ny zavatra takatry ny saintsika. Tsy mitovy amintsika anefa ny Mpamorona an’izao rehetra izao.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Izany no nahatonga an’i Jesosy Kristy hilaza taminy hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Ao amin’ny Baiboly no ahitana izany fahamarinana izany. (2 Tim. 3:16, 17)’ 2) ‘Tsy irin’Andriamanitra hitoetra ao anatin’ny tsy fahalalana isika. Tiany kosa isika hanana fahalalana marina tsara ny fahamarinana. (1 Tim. 2:3, 4) Tena mahafa-po ny valiny omen’ny Baiboly amin’ny fanontaniana hoe...’ (Mba hanampiana ny olona sasany, dia mety hilaina aloha ny manome porofo fa misy Andriamanitra. Jereo ny loha hevitra hoe “Andriamanitra”, pejy 36-43.)

‘Bokin’ny vazaha ny Baiboly’

Azonao valiana hoe: ‘Nanao pirinty Baiboly maro be tokoa ry zareo. Kanefa tsy milaza ny Baiboly hoe misy firazanana ambony kokoa noho ny hafa.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Avy amin’ny Mpamorona ny Baiboly, ary tsy mizaha tavan’olona Izy. (Asa. 10:34, 35)’ 2) ‘Milaza ny Baiboly fa afaka hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona avy amin’ny foko sy firenena rehetra, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apok. 7:9, 10, 17)’

Na hoe: ‘Tsy marina izany! Ny Mpamorona no nifidy hoe iza no tiany hanoratra ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly. Raha olona fotsy hoditra no nofidiny, dia zony izany. Tsy natao ho an’ny vazaha ihany anefa ny Baiboly.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Mariho ny tenin’i Jesosy... (Jaona 3:16) Ny hoe “rehetra” eto dia midika hoe ny olon-drehetra, na inona na inona volon-kodiny. Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra... (Mat. 28:19)’ 2) ‘Mahaliana fa nantsoina hoe Nigera, izay midika hoe “mainty”, ny lehilahy iray, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:1. Mpaminany sy mpampianatra teo anivon’ny fiangonan’i Antiokia, any Syria, izy io.’

‘Ny Baibolinay ihany no inoanay’

Azonao valiana hoe: ‘Raha mora raisina ilay izy, dia misy hevitra iray tena mampahery ao tiako horesahina aminao.’

Na hoe: ‘Maro ny olona mampiasa an’iny dikan-teny iny, ary manana hoatran’iny koa aho.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Fantatrao anefa ve fa nosoratana tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika ny Baiboly tany am-boalohany?... Mahay an’ireo fiteny ireo ve ianao?... Soa ihany àry fa nadika tamin’ny teny malagasy ny Baiboly.’ 2) ‘Araka ity tabilao ity (“Ireo Boky ao Amin’ny Baiboly”, pejy 1770, 1771, ao amin’ny TV ), dia vita tamin’ny 1513 T.K. ny fanoratana ny Genesisy, boky voalohany ao amin’ny Baiboly. Fantatrao ve fa 3 400 taona teo ho teo taorian’izay, vao nadika tamin’ny teny malagasy ny Baiboly (tamin’ny 1835)?’ 3) ‘Tsy dia fampiasa amin’izao fotoana izao intsony ny teny gasy tamin’izany. Koa tsy hitanao hoe tena ilaina ve ny hananana dikan-teny maoderina kokoa?’

‘Manana ny Baibolinareo ianareo’

Jereo ny loha hevitra hoe “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.”