Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fankalazana Andro Nahaterahana

Fankalazana Andro Nahaterahana

Famaritana: Fotoana ankalazana ny andro nahaterahana. Misy manao fety sy manolotra fanomezana, indrindra raha ny andro nahateran’ny ankizy iray no ankalazaina. Tsy ara-baiboly io fanao io.

Asehon’ny Baiboly ve fa tsara ny mankalaza andro nahaterahana? Fankalazana roa ihany no voaresaka ao:

Gen. 40:20-22: “Tamin’ny andro fahatelo, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’i Farao. Ary nanao fanasambe ... izy ... Koa naveriny tamin’ny toerany ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro. ... Fa nahantony kosa ilay lehiben’ny mpanao mofo.”

Mat. 14:6-10: “Nony nankalazaina ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Heroda, dia nandihy teo ny zanakavavin’i Herodiasy. Tena nahafaly an’i Heroda izany, ka nianiana izy fa homeny an-drazazavavy izay rehetra angatahiny. Dia hoy razazavavy rehefa avy notoroan-dreniny hevitra: ‘Ento eto amiko eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.’ ... Naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja izy.”

Misy antony daholo izay rehetra nosoratana ao amin’ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Ny zava-dratsy nitranga nandritra ny fankalazana andro nahaterahana no asongadin’ny Baiboly, ka tsy mankalaza izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no fiheveran’ny Kristianina voalohany sy ny Jiosy taloha, ny fankalazana andro nahaterahana?

‘Tsy tao an-tsain’ny Kristianina tamin’izany fotoana izany mihitsy ny hankalaza andro nahaterahana.’Ny Tantaran’ny Fivavahana sy ny Fiangonana Kristianina Nandritra ny Taonjato Telo Voalohany (anglisy, New York, 1848), Auguste Neander, p. 190.

‘Anisan’ny fanompoan-tsampy ny fankalazana andro nahaterahana, tamin’ny Hebreo. Vao mainka niaiky ny amin’izany izy ireo, rehefa nahita ny fanaon’ny olona tamin’ireny fety ireny.’—Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly (anglisy, Londres, 1874), natontan’i Patrick Fairbairn, Boky I, p. 225.

Ahoana no niandohan’ireo fombafomba atao mandritra ilay fankalazana?

Hoy ny gazetiboky alemà iray tamin’ny Aprily 1981: “Efa nisy hatry ny ela ireo fombafomba samihafa fankalazana andro nahaterahana. Nisy ifandraisany tamin’ny herin’ny maizina sy ny fivavahana izy ireny, tany am-boalohany. Natao hiarovana an’ilay olona amin’ny demonia sy amin’ny loza mandritra ny taona ho avy, ireto fombafomba fahiny ireto: Nirary soa, nanolotra fanomezana, nanao fety ary nampiasa labozia mirehitra. ... Tsy nankalaza ny andro nahaterahana ny Kristianina hatramin’ny taonjato fahefatra, satria fanaon’ny mpanompo sampy izany taminy.”

‘Nino ny Grika fa nisy fanahy na daimôn mpiaro nanatrika ny fahaterahan’ny olona tsirairay, ary niaro azy nandritra ny androm-piainany. Nisy fifandraisana hafakely teo amin’io fanahy io sy ilay andriamanitra mitovy andro nahaterahana tamin’ilay olona. Nino izany koa ny Romanina. Mbola misy olona mino izany hatramin’izao, ka mihevitra fa misy anjely mpiambina na olo-masina mpiaro. Ny Grika no voalohany nampiasa mofomamy nasiana labozia mirehitra. Nisy mofo vita tamin’ny tantely sy natao boribory toy ny volana ary nasiana labozia kely mirehitra, napetraka teo amin’ny alitaran’ny tempolin’i [Artemisy]. Heverina fa mahavita manatanteraka ny fanirian’ilay olona ireo labozia fampiasa amin’ny fankalazana andro nahaterahana. Misy heviny mifono mistery foana ireo labozia kely mirehitra sy ny afo fandoroana sorona, hatramin’ny nanorenan’ny olona alitara ho an’ireo andriamaniny. Fanomezam-boninahitra an’ilay ankizy mankalaza ny andro nahaterahany àry ireo labozia, sady manambina azy. Fanao koa ny miarahaba an’ilay olona sy ny mirary soa ho azy. Nisy ifandraisany tamin’ny herin’ny maizina io fankalazana io tamin’ny voalohany. Mety hanambina an’ilay olona ny fiarahabana azy, satria akaiky kokoa an’ireo fanahy izy amin’io andro io.’—Lovantsofina Momba ny Fankalazana Andro Nahaterahana (anglisy, New York, 1952), Ralph sy Adelin Linton, p. 8, 18-20.

Azo atao tsara ny miara-misakafo sy misotro ary miara-paly amin’ny havana aman-tsakaiza amin’ny fotoana hafa

Mpito. 3:12, 13: “Tsy misy mahasoa azy ireo mihoatra noho ny mifaly sy manao izay tsara mandritra ny androm-piainany. Ary fantatro koa fa tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.”

Jereo koa ny 1 Korintianina 10:31.