Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famoronana

Famoronana

Famoronana

Famaritana: Hazavain’ny Baiboly fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no namolavola sy namorona izao rehetra izao, anisan’izany ny anjely sy ny zavaboary rehetra eto an-tany.

Efa mandroso be ny siansa izao, ka mbola tokony hinoana ihany ve ny famoronana?

“Tsy miova mihitsy ny lalàna mifehy izao rehetra izao, ka tsy sarotra ny mandefa sambon-danitra eny amin’ny volana. Azo faritana tsara koa ny hoe haharitra hafiriana ilay dia. Tsy maintsy ho nisy nanao ireny lalàna ireny.”—Wernher von Braun, anisan’ny nanampy tamin’ny fandefasana mpanamory sambon-danitra amerikanina teny amin’ny volana.

Izao rehetra izao: Raha mahita famantaranandro marina tsara ianao, dia hihevitra ve fa nitambatambatra ho azy teo fotsiny ireo vy kely ao anatiny? Tsy maintsy ho nisy olona manan-tsaina nanamboatra azy io. Mahavariana kokoa noho izany anefa ny “famantaranandro” hafa iray, dia ny fihetsehan’ny masoandro sy ireo planeta mihodidina aminy, ary ny kintana. Maty paika erỳ ny fihodinan’izy ireny, ka marina kokoa noho ny famantaranandro nataon’ny olona. Ahitana kintana 100 000 tapitrisa mahery ny vahindanitra misy antsika, nefa mety hisy 100 000 tapitrisa eo ho eo ny vahindanitra toy izany, hoy ny astronoma. Raha ny famantaranandro aza ilana mpanamboatra manan-tsaina, mainka moa fa izao rehetra izao midadasika sy be pitsiny kokoa! Milaza ny Baiboly fa i “Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamorona ny lanitra, Ilay Be Voninahitra mamelatra ny lanitra” no nanao izany.—Isaia 42:5; 40:26; Sal. 19:1.

Ny tany: Aoka hatao hoe mahita trano iray tsara tarehy sy misy izay rehetra ilaina ary feno sakafo ianao, any an-tany efitra. Hino ve ianao fa tongatonga ho azy teo fotsiny izany? Tsia, tsy maintsy nisy olona tena hendry nanao azy io. Toa an’io trano io ny tany, satria ny tany ihany amin’ireo planeta mihodidina ny masoandro no nahitana fiainana hatramin’izao. ‘Mahavariana sy tsy manan-tsahala’ izy io, hoy ilay boky hoe Ny Tany (anglisy, New York, 1963, Arthur Beiser, p. 10). Antonony tsara ny elanelany amin’ny masoandro, ka azo iainana tsara eto. Mety tsara koa ny hafainganam-pandehany, ka tsy miala amin’ny lalany mihitsy izy io. Mifandanja tsara koa ny habetsahan’ireo gazy manodidina ny tany, ka miantoka ny fisian’ny fiainana izany. Ny hazavan’ny masoandro, ny gazy karbonika eny amin’ny rivotra, ny rano ary ny mineraly avy amin’ny tany lonaka, no ahafahan’ny tany mamokatra sakafo. Zavatra sendra nipoaka tany ambony tsy taka-maso tany fotsiny ve no nampisy azy io? Hoy ny Vaovao Siantifika: “Sarotra inoana hoe noho ny kisendrasendra fotsiny no nampisy an’ireo zavatra maty paika ireo.” (anglisy, 24 sy 31 Aogositra 1974, p. 124) Marina àry ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.”—Heb. 3:4.

Ny atidohan’ny olona: Vokatry ny fikarohana be sy teknika avo lenta ny ordinatera. Tsy nisy ho azy teo fotsiny izy io! Ary ahoana ny amin’ny atidohan’ny olona? Tsy toy ny atidohan’ny biby ny an’ny olona. Mitombo avo telo heny ny atidohan’ny zaza iray mandra-pahafenon’ny herintaona. Mbola tsy tena fantatry ny mpahay siansa ny fiasan’ny atidoha. Izy io no ahafahan’ny olona mianatra fiteny sarotra, mamoron-kira, mieritreritra momba ny niandohan’ny fiainana sy ny dikan’izy io, ary ho tia zavakanto. Hoy i Robert White, dokotera mpandidy atidoha: “Tena mahavariana sy tsy takatry ny saina ny nanaovana ny atidoha sy ny fifandraisana misy eo amin’izy io sy ny saina. Miaiky tanteraka aho fa nisy Mpamolavola faran’izay mahay nanao azy io.” Sela bitika iray tao am-bohoka no niavian’io atidoha mahavariana io. Hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy. Mahatalanjona ny asanao. Ary tena fantatro tsara izany.”—Sal. 139:14.

Sela: Lazaina fa zavamananaina “tsotra” ny sela. Misy biby tokan-tsela anefa afaka mihinana sy mandevon-kanina, mamoaka maloto, manao trano, ary manao firaisana. Oharina amin’ny tanàna mimanda ny sela tsirairay ao amin’ny vatan’ny olona. Toy ny hoe misy fanjakana mandrindra ny zava-drehetra ao anatin’izy io, ary misy orinasa mpamokatra angovo sy proteinina, mpanao fitaterana, ary mpiambina mifantina an’izay mahazo miditra. Misy sela hatramin’ny 100 tapitrisa tapitrisa anefa ny vatan’ny olona iray. Hoy ny Salamo 104:24: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra.”

Milaza ve ny Baiboly fa nampiasa ny evolisiona Andriamanitra, mba hampisy an’ireo zavamananaina isan-karazany?

Milaza ny Genesisy 1:11, 12 fa noforonina mba hamoa “araka ny karazany avy” ny ahitra sy ny hazo. Lazain’ny andininy faha-21, 24, 25 koa fa noforonina “araka ny karazany avy” ny biby any an-dranomasina sy ny biby manidina ary ny biby an-tanety. Tsy afaka ny hiova ho karazana hafa àry ny karazana iray.

Hoy Andriamanitra rehefa namorona olona: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika.” (Gen. 1:26) Tokony hitovy toetra amin’Andriamanitra àry ny olona, fa tsy hoe handova toetra avy amin’ny biby. Hoy koa ny Genesisy 2:7: “I Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovoky ny tany [fa tsy avy tamin’ny zavamananaina hafa], sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony.” Tsy hoe niova miandalana àry ny olona, fa noforonina.

Misy karazany maro izao ny zavamananaina iray karazana. Efa toy izany ve no namoronan’Andriamanitra azy tany am-boalohany?

Milaza fotsiny ny Genesisy toko 1 fa noforonin’Andriamanitra “araka ny karazany avy” ny zavamananaina tsirairay. (Gen. 1:12, 21, 24, 25) Nisy santionany tamin’ny ‘karazana’ biby an-tanety sy biby manidina nasainy nampidirin’i Noa tao anaty sambofiara, talohan’ny Safodrano. (Gen. 7:2, 3, 14) Mety hahazoana karazany maro ny zavamananaina iray ‘karazana.’ Voalaza, ohatra, fa misy karazan’alika 400 mahery, ary 250 mahery ny karazan-tsoavaly. “Karazany” iray ihany ireo biby samihafa azo ampivadiana. Samy avy amin’i Adama sy Eva koa ny karazan’olona rehetra, na mavo izy na mainty na fotsy, na lava be toy ireo Dinka mirefy roa metatra mahery any Soudan, na fohy kely toy ireo Pygmées izay mirefy iray metatra eo ho eo.—Gen. 1:27, 28; 3:20.

Nahoana no misy itovizana ireo zavamananaina?

Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra.” (Efes. 3:9) Iray ihany àry no Mpamorona azy rehetra.

“Tamin’ny alalany [ilay Zanak’Andriamanitra lahitokana na Jesosy Kristy] no nisian’ny zava-drehetra, ary raha tsy noho izy dia tsy nisy na zavatra iray monja aza.” (Jaona 1:3) Tamin’ny alalan’ny Mpiasa Tena Mahay iray ihany àry no namoronan’i Jehovah ny zava-drehetra.—Ohab. 8:22, 30, 31.

Avy tamin’inona no nanaovana an’izao rehetra izao?

Hitan’ny mpahay siansa fa angovo amin’ny endriny hafa ny zavatra hita maso. Porofon’izany, ohatra, ny fipoahan’ny baomba niokleary. Hoy ilay mpahay siansa atao hoe Josip Kleczek: “Mety hiforona avy amin’ny angovo ny ankamaroan’ny singan-javatra, na izy rehetra mihitsy aza.”—Izao Rehetra Izao (anglisy, Boston, 1976), Boky Faha-11, p. 17.

Avy aiza izany angovo izany? Ho valin’ilay fanontaniana hoe “Iza no nahary ireny zavatra ireny [ny kintana sy ny planeta]?”, dia hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah Andriamanitra: “Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.” (Isaia 40:26) Avy amin’Andriamanitra daholo àry ny “hery” na ny angovo namoronana an’izao rehetra izao.

Misy mino fa 6 000 na 10 000 taona teo ho eo no nisian’izao rehetra izao, izay noforonina tao anatin’ny enina andro monja. Marina ve izany?

Tsia, raha jerena ny zava-misy: 1) Tazana any amin’ny Ila Bolantany Avaratra ny taratry ny zavon-kintana Andromède, rehefa tsy semban-drahona ny lanitra amin’ny alina. Eo amin’ny 2 000 000 taona eo ho eo anefa vao tonga etỳ an-tany io taratra io. Midika izany fa efa an-tapitrisany taona, fara fahakeliny, no nisian’izao rehetra izao. 2) Rehefa nodinihin’ny manam-pahaizana koa ireo sisan-javatra any anaty vato sasany, dia hitany fa efa an’arivony tapitrisa taona no nisian’ireo vato ireo.

Tsy miresaka momba ny namoronana ny lanitra sy ny tany ny Genesisy 1:3-31, fa momba ny nanomanana ny tany mba honenan’ny olombelona. Anisan’izany ny namoronana ny zavamaniry, ny biby any an-dranomasina, ny biby manidina, ny biby an-tanety, ary ny olombelona. Voalaza fa vita tao anatin’ny enina “andro” ireo rehetra ireo. Manana heviny maro anefa ilay teny hebreo nadika hoe “andro”, anisan’izany ny hoe ‘fotoana lava be; fotoana nitrangan’ny zavatra miavaka iray.’ (Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Taloha, anglisy, Grand Rapids, Mich.; 1978, W. Wilson, p. 109) Mety ho naharitra an’arivony taona àry ilay “andro” tsirairay.