Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andro Farany

Andro Farany

Famaritana: Ny fe-potoana mialoha ny faran’ny rafitry ny tontolo iray, izany hoe mialoha ny fandringanan’Andriamanitra azy io. Ny fe-potoana nialoha ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 no andro farany ho an’ny tontolo jiosy sy ny fivavahana tao amin’ny tempoly. Mifanitsy amin’izay nitranga tamin’izany ny fandringanana lehibe kokoa hitranga maneran-tany, rehefa hiharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny firenena rehetra. Nanomboka tamin’ny 1914 ny andro faran’ity tontolo ratsy ankehitriny ity.

Inona no porofo fa “andro farany” izao?

Resahin’ny Baiboly ireo fisehoan-javatra mampiavaka ny andro farany. Misy lafiny maro ilay “famantarana”, ka tokony ho hita ao anatin’ny fe-potoana iray ny fahatanterahan’izy rehetra. Resahin’ny Matio toko faha-24, 25, Marka toko faha-13 ary Lioka toko faha-21 ireo lafiny samihafa ireo, ary misy tsipiriany hafa koa ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 sy 2 Petera 3:3, 4 ary Apokalypsy 6:1-8. Andao hojerentsika ny lafiny miavaka sasany.

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana” (Mat. 24:7)

Efa nisy ady foana teto an-tany hatramin’izay, na ady iraisam-pirenena izany na ady an-trano. Nanomboka tamin’ny 1914 anefa vao nisy ny ady lehibe voalohany. Sambany tamin’izay no nifanandrina ny firenena lehibe rehetra, fa tsy tafika roa monja. Nampirisihina hanohana an’ilay ady ny rehetra, anisan’izany ny sivily. Tombanana ho ny 93 isan-jaton’ny mponina eran-tany no tafiditra tamin’ilay ady. (Jereo ny fanazavan’ny mpahay tantara momba izay nitranga tamin’ny 1914,  pejy 70, 71.)

‘Nesorina tamin’ny tany ny fandriampahalemana’, araka ny efa nolazain’ny Apokalypsy 6:4. Nikorontana foana àry izao tontolo izao, nanomboka tamin’ny 1914. Nitranga tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945 koa ny Ady Lehibe II. Nilaza i Gene La Rocque, amiraly efa misotro ronono, fa nisy ady 270 nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1982. Nisy 100 tapitrisa mahery ny olona matin’ny ady nandritra ny taonjato faha-20. Nilaza koa ilay boky hoe Vola Lany Eran-tany Tamin’ny Tafika sy ny Sosialy (anglisy) tamin’ny 1982, fa 100 tapitrisa ny olona nandray anjara mivantana na tsy mivantana tamin’ny asan’ny tafika, tamin’io taona io.

Inona koa no porofo fa tanteraka ilay faminaniana? Manana fitaovam-piadiana niokleary an’aliny ireo firenena, ary azo ampiasaina avy hatrany izany. Milaza ny mpahay siansa fa na ampahany kely monja amin’izany aza no ampiasaina, dia mety ho ripaka ny olombelona rehetra. Tsy ho toy izany anefa no hiafaran’ny olombelona, araka ny faminanian’ny Baiboly.

‘Hisy mosary any amin’ny toerana samy hafa’ (Mat. 24:7)

Efa nisy mosary maro teto an-tany. Nanao ahoana anefa izany tamin’ny taonjato faha-20 teo? Olona maro tany Eoropa sy Azia no maty mosary noho ny ady lehibe. Nampisy mosary lehibe tany Afrika koa ny hain-tany. Notombanan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena, tamin’ny faramparan’ny 1980, fa olona 450 tapitrisa no mosarena, ary efa ho arivo tapitrisa no tsy ampy sakafo. Isan-taona, dia 40 tapitrisa teo ho eo tamin’ireo no maty, ary indraindray aza 50 tapitrisa mihitsy.

Inona no mampiavaka ny mosary ankehitriny? Mbola misy foana ny mosary na dia misy aza ny sakafo. Manana sakafo tondraka ny firenena sasany, ary arifomba ny fitaterana ka vetivety dia tonga any amin’izay mila izany ny sakafo. Tsy mandray soa avy amin’izany anefa ny ankamaroan’ny olona, noho ny antony ara-politika sy ara-barotra. Zara raha manan-kohanina ny olona an-tapitrisany any amin’ny tany sasany, kanefa mbola aondran’ireo tany ireo any amin’ny firenena efa manam-be ihany ny sakafo tsara indrindra vokariny. Efa mitranga eran-tany mihitsy izany ankehitriny. Hoy Ny Gazetin’i New York (anglisy) tamin’ny 1981: “Mihatsara ny fari-piainana ary mitombo ny fanafarana sakafo eran-tany, ka mihalafo ny sakafo. Tsy afaka manafatra an’izay sakafo ilainy àry ireo tany mahantra indrindra.” Tsy maharaka ny fitomboan’ny isan’ny mponina koa ny famokarana sakafo any amin’ny tany maro, na eo aza ny fandrosoan’ny siansa. Tsy hitan’ny manam-pahaizana ny tena vahaolana amin’izany.

“Hisy horohoron-tany lehibe” (Lioka 21:11)

Marina fa efa nisy horohoron-tany lehibe taloha, ary mampiasa fitaovana arifomba koa ny mpahay siansa ankehitriny, ka fantany fa misy horohoron-tany iray tapitrisa mahery isan-taona. Tsy mila fitaovana manokana anefa ny olona mba hahafantarany hoe misy horohoron-tany lehibe.

Nisy horohoron-tany lehibe maro tokoa ve nanomboka tamin’ny 1914? Eny, araka ny tatitra avy tamin’ny Foibem-pirenena Mandinika ny Tany any Colorado, Etazonia, sy ny tatitra maro momba ny horohoron-tany, voangona tamin’ny 1984. Natao lisitra avy eo izay horohoron-tany nahatratra 7,5 na mihoatra amin’ny maridrefy Richter, sy izay niteraka fahavoazana nitentina dimy tapitrisa dolara na mihoatra, ary izay nahafaty olona 100 na mahery. Hita fa nisy 856 izy ireny tao anatin’ny 2 000 taona talohan’ny 1914. Nisy 605 anefa izy ireny tao anatin’ny 69 taona monja taorian’ny 1914. Midika izany fa avo 20 heny izy ireny isan-taona, taorian’ny 1914.

‘Hisy areti-mandringana any amin’ny toerana samy hafa’ (Lioka 21:11)

Niely eran-tany ny gripa espaniola rehefa nifarana ny Ady Lehibe I, ka nahafaty olona 20 tapitrisa mahery tao anatin’ny fotoana fohy. Mbola tsy nisy mihitsy aretina nahafaty olona maro be toy izany tao anatin’ny fotoana fohy. Mandroso ny fitsaboana ankehitriny, nefa mbola maro foana isan-taona ny olona matin’ny kansera, aretim-po, aretina azo avy amin’ny firaisana, aretin’ny rafi-pitatitra, tazomoka, fahajambana avy amin’ny renirano, ary aretin’i Chagas.

‘Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro, ary hitombo ny fandikan-dalàna’ (Mat. 24:11, 12)

Hoy ny manam-pahaizana iray mpandinika ny heloka bevava: “Miharihary hoatran’ny vay an-kandrina ny fielezan’ny heloka bevava sy ny fitomboany eran-tany. Maningana angamba ny any amin’ny toerana tena mitokana, kanefa mety hiova koa izany tsy ho ela.” (Ny Fitomboan’ny Heloka Bevava, anglisy, New York, 1977, Atoa Leon Radzinowicz sy Joan King, p. 4, 5) Tena mitombo ny heloka bevava, fa tsy hoe mihabetsaka fotsiny ny mpilaza vaovao. Marina fa nisy heloka bevava koa taloha, kanefa mbola tsy niely be toy izao. Mahafantatra tsara izany ny olona efa zokinjokiny.

Mpandika lalàna koa ny olona tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra, sy manao izay tiany fotsiny eo amin’ny fiainana. Vokatr’izany dia mihabetsaka ny misara-panambadiana, tsy mampaninona ny olona intsony ny firaisan’olona tsy mpivady sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary am-polony tapitrisa ny fanalan-jaza isan-taona. Anisan’ny mahatonga izany ny mpaminany sandoka (araka ny Matio 24:11, 12), satria ny heviny ihany no ampianariny fa tsy ny Tenin’Andriamanitra. Lasa tsy manam-pitiavana ny olona noho ny fanarahana ny hevitr’izy ireny, fa tsy ny Baiboly. (1 Jaona 4:8) Vakio koa ny 2 Timoty 3:1-5.

“Hisy zavatra mampahatahotra” (Lioka 21:11)

Hoy ny Vaovaon’i Etazonia sy Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao: “Ny tahotra no tena manjaka ankehitriny.” (anglisy, 11 Oktobra 1965, p. 144) “Mbola tsy natahotra toy izao mihitsy ny olombelona”, hoy ny gazety alemà Hörzu.—No. 25, 20 Jona 1980, p. 22.

Maro ny antony mahatonga ny olona eran-tany hatahotra: Heloka bevava, tsy fananana asa, fitotongan’ny toe-karena noho ny trosa be loatra tsy voaloan’ny firenena maro, fandotoana ny tontolo iainana, tsy fisian’ny fitiavana ao an-tokantrano, ary ny tahotra ady niokleary.

‘Ho halan’ny firenena rehetra ny tena mpanara-dia an’i Kristy noho ny anarany’ (Mat. 24:9)

‘Noho ny anaran’i Jesosy Kristy’ no anenjehana ny mpanara-dia azy, fa tsy noho ny fanaovan’izy ireo politika. Manohana an’i Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka voatendrin’i Jehovah, mantsy izy ireo. Izy no ankatoavin’izy ireo mihoatra noho ny mpitondra olombelona. Miandany amin’ny Fanjakany koa izy ireo, ka tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny fitondram-panjakan’olombelona. Porofoin’ny tantara fa enjehina tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, noho ireo antony ireo.

‘Torina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona’ (Mat. 24:14)

Torina ilay hafatra hoe efa miorina any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’izy io. Handrava tsy ho ela ity tontolo ratsy ity io Fanjakana io, ary ho lasa lavorary ny olona sady ho paradisa ny tany. Torina any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 230 izany vaovao tsara izany, hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Mandany ora arivo tapitrisa mahery isan-taona itoriana izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miverimberina mitsidika isan-trano mba hahafahan’ny olona rehetra handre ilay hafatra.

Inona no dikan’izany fisehoan-javatra rehetra izany?

Lioka 21:31, 32: “Rehefa hitanareo koa fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra [izany hoe ny fotoana handravany ity tontolo ratsy ity sy hitondrany ny tany]. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” (Niseho nanomboka tamin’ny 1914 ilay famantarana, ka midika izany fa efa tena kely sisa ny fotoana tavela. Manaporofo izany koa ny zava-mitranga eran-tany.)

Nahoana no milaza ny Vavolombelon’i Jehovah fa nanomboka tamin’ny 1914 ny “andro farany”?

Ny fandinihana ny faminanian’ny Baiboly no nahitana ny taona 1914. Jereo ny pejy 101-104, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Daty”, mba hahitana ny tsipiriany momba izany. Marina io daty io satria nitranga nanomboka tamin’ny 1914 tokoa ny fisehoan-javatra eran-tany nambara mialoha momba ny “andro farany.” Manaporofo izany ny voalaza tetsy aloha.

  Ahoana no fiheveran’ny mpahay tantara ny taona 1914?

“Raha manao jery todika ny lasa isika, dia hitantsika mazava fa nanomboka tamin’ny fipoahan’ny Ady Lehibe I ny ‘Fotoanan’ny Korontana’ amin’izao taonjato faharoapolo izao, araka ny filazan’i Arnold Toynbee, mpahay tantara anglisy. Ary mbola tsy tafavoaka amin’izany mihitsy isika hatramin’izao. Mifandray mivantana na tsy mivantana amin’ny taona 1914 daholo ny korontana lehibe tato anatin’ny 50 taona faramparany.”—Nifarana ny Fitondran’ireo Mpanjaka: Nirodana Ilay Tontolo Fahiny (anglisy, New York, 1963), Edmond Taylor, p. 16.

“Hihevitra foana ireo olona nahita ny Ady Lehibe II, izay niara-belona tamiko, ... fa nitondra fiovana lehibe teo amin’ny tantara iny ady iny. ... Iny mantsy no mba reharehanay, sy fotoan-dehibe taminay teo amin’ny tantara. Tokony hekena anefa fa ny Ady Lehibe I no nitondra fiovana lehibe kokoa teo amin’ny fiaraha-monina. Tamin’izay mantsy no rava ny rafitra politika sy sosialy nisy hatramin’izay, ary nisy aza rava tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja. Ny hafa indray niova tanteraka. Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I, dia nanjary tsy azo antoka intsony ny zavatra nitokisana hatramin’izay ... Vao mainka nitohy sy nitombo izany fiovana izany tamin’ny Ady Lehibe II. Azo lazaina fa ny Ady Lehibe II no namarana ny Ady Lehibe I, raha eo amin’ny resaka fiaraha-monina.”—Ny Andron’ny Fisalasalana (anglisy, Boston, 1977), John Galbraith, p. 133.

“Efa 50 taona izay no lasa, nefa mbola hita soritra foana eo amin’ireo firenena ny vokatr’ilay Ady Lehibe [Ady Lehibe I, nanomboka tamin’ny 1914] ... Nampitondra faisana tokoa izy iny, satria maro be ny maty ary niova be ny fitsipi-pitondran-tena ka tsy nisy zavatra hoatran’ny taloha intsony taorian’izay. Niova tanteraka ny fiaraha-monina: Ny rafi-pitondrana, sisin-tany, lalàna, tafika, fifandraisan’ireo fanjakana, firehan-kevitra, fiainam-pianakaviana, harena, saranga, fifandraisana amin’ny hafa, eny, ny zava-drehetra. ... Lasa tsy nilamina intsony ny olombelona hatramin’izao.”—Kabarin’ny Jeneraly Charles de Gaulle tamin’ny 1968 (Izao Tontolo Izao, frantsay, 12 Nov. 1968, p. 9).

Mbola hisy olona ve eto an-tany aorian’ny faran’ity tontolo ity?

Eny tokoa! Tsy ady niokleary handripaka ny olona rehetra mantsy ny faran’ity tontolo ity. Fahoriana lehibe izay hifarana amin’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” kosa izy io. (Apok. 16:14, 16) Tsy hamotika ny tany na handripaka ny olona rehetra izany ady izany.

Mat. 24:21, 22: “Amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Raha tsy nohafohezina tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy, dia hohafohezina izany andro izany.” (Hisy “nofo”, na olona, ho tafavoaka velona amin’izay.)

Ohab. 2:21, 22: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.”

Sal. 37:29, 34: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay. Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany, dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao. Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.”

Nahoana no miandry ela be Andriamanitra vao handringana an’ireo ratsy fanahy?

2 Pet. 3:9: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.”

Mar. 13:10: “Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.”

Mat. 25:31, 32, 46: “Rehefa tonga ny Zanak’olona [Jesosy Kristy] amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary ho any amin’ny fandringanana mandrakizay [ireo tsy manaiky fa solontenan’i Kristy Mpanjaka ny rahalahiny ara-panahy], fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”

Jereo koa ny pejy 131-133, sy 381.

Raha misy milaza hoe:

‘Tsy ratsy kokoa ny fiainana ankehitriny, fa efa nisy foana ny ady, mosary, horohoron-tany, heloka bevava’

Azonao valiana hoe: ‘Azoko ny mahatonga anao hilaza izany. Vao teraka mantsy isika dia efa nisy foana ireo zavatra ireo teto an-tany, ary resahin’ny vaovao isan’andro koa izy ireo. Lazain’ny mpahay tantara anefa fa hafa mihitsy ny taonjato faha-20. (Vakio ny tenin’izy ireo ao amin’ny  pejy 70, 71.)’

Na hoe: ‘Marina fa efa nisy foana ny ady, mosary, horohoron-tany, ary heloka bevava. Fantatrao anefa ve fa misy lafiny maro ilay famantarana nolazain’i Jesosy?’ Azonao ampiana hoe: ‘Tsy nilaza i Jesosy hoe fisehoan-javatra iray dia ampy ho porofo fa “andro farany” izao. Nilaza kosa izy fa tokony ho hita maneran-tany ny lafiny rehetra amin’ilay famantarana, sady hanomboka amin’ny taona voatondron’ny Baiboly.’ (Jereo ny pejy 65-70, sy ny pejy 101-104.)

‘Ahoana no ahafantaranareo fa tsy amin’ny hoavy vao tena ho tanteraka ilay faminaniana?’

Azonao valiana hoe: ‘Mahaliana izany fanontaniana izany. Tena miaina amin’ny “andro farany” anefa isika izao. Nahoana izahay no milaza izany? Anisan’ilay famantarana noresahin’i Jesosy ny ady ifanaovan’ireo firenena sy fanjakana. Inona anefa no hitranga raha mbola tsy maintsy miandry ady lehibe iray eran-tany isika vao ho tanteraka ilay faminaniana? Azo antoka fa ho vitsy kely na tsy hisy mihitsy ny ho tafavoaka velona amin’izany. Tian’Andriamanitra hisy ho tafavoaka velona anefa amin’ny faran’ity tontolo ity. Midika izany fa efa tena akaiky ny farany.’

Na hoe: ‘Azo oharina amin’ny peta-tondron’olona iray ny fisehoan-javatra eran-tany resahin’ilay faminaniana. Tsy hisy mihitsy peta-tondron’olon-kafa mitovy amin’io peta-tondro io. Toy izany koa fa tsy hiseho intsony amin’ny taranaka any aoriana izay nitranga nanomboka tamin’ny 1914.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Hita miharihary izao ny lafiny rehetra amin’ilay famantarana.’ 2) ‘Azo antoka fa tsy ho tiantsika ny ho tahaka ny olona tamin’ny andron’i Noa. (Mat. 24:37-39)’

‘Tsy ho tonga amin’izao androntsika izao ny farany’

Azonao valiana hoe: ‘Mino anefa ve ianao fa hiditra amin’ny raharahan’ny olombelona Andriamanitra, indray andro any?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tsy ho fantatsika hoe rahoviana izany no hitranga, raha tsy Izy mihitsy no mampahafantatra izany antsika. Nilaza koa i Jesosy fa tsy misy mahalala ny andro sy ny ora hahatongavan’ny farany. Nolazainy tamin’ny an-tsipiriany kosa anefa ny zavatra hitranga alohan’izany.’ 2) ‘Efa fahita ankehitriny ireo zavatra nolazainy ireo. (Raha mety, dia resaho ireo tsipiriany amin’ilay famantarana voalaza tetsy aloha.)’

‘Tsy miasa saina amin’izany aho, fa ny androany ihany aloha no hitako’

Azonao valiana hoe: ‘Tsara tokoa ny tsy manahy be loatra ny amin’ny hoavy. Tiantsika rehetra ihany anefa ny hiaro ny tenantsika sy ny ankohonantsika amin’izay mety hitranga. Milaza ny Baiboly fa hisy fiainana mahafinaritra amin’ny hoavy, ary tsara raha manao zavatra dieny izao isika mba hahitana izany. (Ohab. 1:33; 2 Pet. 3:13)’

‘Tsy mifantoka amin’ireny zava-dratsy ireny aho, fa aleoko manantena hoe hihatsara ny fiainana’

Azonao valiana hoe: ‘Tsara izany, satria na i Jesosy aza nilaza tamin’ny mpianany hoe afaka manantena hoavy tsara kokoa izy ireo. (Lioka 21:31)’ Azonao ampiana hoe: ‘Mariho anefa fa tsy nilaza izy hoe ho sambatra izy ireo raha mody tsy mahita izay mitranga eran-tany. Nilaza kosa izy fa ho marim-pototra ny fanantenan’izy ireo, satria ho takatr’izy ireo ny dikan’ny zava-mitranga eran-tany ary ho fantany ny hiafaran’izany.’