Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa

Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa

Famaritana: Tsy momba an’iza na iza rehefa misy miady. Porofoin’ny tantara fa tsy miditra amin’ny adin’ireo firenena mihitsy ny tena Kristianina na taloha na ankehitriny. Tsy sakanan’izy ireo izay manao fombafomba fanehoana fitiavan-tanindrazana, na manao miaramila, miditra amin’ny antoko politika, milatsaka hofidina, na mandeha mifidy. I Jehovah, ilay Andriamanitra ny Baiboly, ihany no ivavahan’izy ireo. Efa nanokan-tena hanompo azy irery mantsy izy ireo, ary manohana tanteraka an’ilay Fanjakany.

Ahoana no ataon’ny Kristianina manoloana ny fitondram-panjakana?

Rom. 13:1, 5-7: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana [mpitondra fanjakana], fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. ... Koa misy antony tsy maintsy anekenareo fahefana àry, tsy noho izany fahatezerana izany ihany, fa noho ny feon’ny fieritreretanareo koa. ... Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba, ny tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ny haja ho an’izay tokony hohajaina.” (Avelan’Andriamanitra hitondra ireo fanjakana matoa mbola misy. Hajain’ny Kristianina ireo manam-pahefana noho ny toerana tanany, na manao ahoana na manao ahoana fitondran-tenany. Noho ny asa ataon’ny fanjakana ho an’ny vahoaka, dia mandoa hetra foana ny mpanompon’i Jehovah, na dia mety hampiasain’ny fanjakana amin-javatra hafa koa aza ilay vola.)

Mar. 12:17: “Koa hoy i Jesosy: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ ” (Eken’ny Kristianina fa tsy maintsy ‘mandoa’ hetra amin’ny fanjakana izy ireo. Ekeny koa anefa fa ambony kokoa ny adidiny amin’Andriamanitra.)

Asa. 5:28, 29: “Nilaza [ny solontenan’ny fitsarana avo jiosy] hoe: ‘Efa noraranay mafy ianareo [apostoly] tsy hampianatra intsony amin’izany [anaran’i Jesosy] izany, nefa jereo fa nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema, ary tapa-kevitra ianareo ny hanao anay ho tompon’andraikitra amin’ny ran’izany lehilahy izany.’ Fa hoy ny navalin’i Petera sy ny apostoly hafa: ‘Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.’ ” (Manahaka an’ireo apostoly ny tena Kristianina ka Andriamanitra no ankatoaviny, rehefa mifanohitra amin’izay takin’Andriamanitra ny baikon’ireo mpitondra.)

Mety amin’ny tena Kristianina ve ny mandeha miady?

Mat. 26:52: “Hoy i Jesosy taminy: ‘Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.’ ” (Raha tsy mety ny miady mba hiarovana ny Zanak’Andriamanitra, dia hety ve ny hanaovana izany noho ny antony hafa? Nasehon’i Jesosy eo anefa fa tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana ny mpianany.)

Isaia 2:2-4: “Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra ... Ary hamoaka didim-pitsarana eo amin’ireo firenena izy, ka hanitsy izay tsy mety eo amin’ireo vahoaka. Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.” (Ny olona tsirairay no tokony hanapa-kevitra na handeha hiady izy na tsia. Manaraka izay voalaza eo anefa ireo te hanompo an’i Jehovah.)

2 Kor. 10:3, 4: “Na dia velona amin’ny maha nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny fironan’ny nofonay. Fa tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadianay, nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina.” (Nilaza i Paoly fa tsy nampiasa fitaka, fiteny mipoapoaka, na fitaovam-piadiana mihitsy izy mba hiarovana ny fiangonana tamin’ny fampianaran-diso.)

Lioka 6:27, 28: “[Hoy i Jesosy:] Izao kosa no lazaiko aminareo mihaino ahy: Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva amin’izay mankahala anareo, irario soa hatrany izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an’izay manivaiva anareo.”

Moa ve tsy nasain’i Jehovah niady ny Israely fahiny?

Nasain’i Jehovah niady tokoa ny Israely fahiny mba haka an’ilay tany nofidiny ho lovan’izy ireo, sy handringana an’ireo firenena tao. Hitany fa tsy mendrika ho velona intsony izy ireny satria tena ratsy fitondran-tena sy sahy nanohitra Azy. (Deot. 7:1, 2, 5; 9:5; Lev. 18:24, 25) Namindrana fo anefa i Rahaba sy ireo Gibeonita satria nino an’i Jehovah. (Jos. 2:9-13; 9:24-27) Nolazain’Andriamanitra tao amin’ny Lalàna koa ny karazan’ady nekeny sy ny toe-javatra maningana ary ny fomba fiady. Ny ady toy ireny no tena ady masina. Tsy mba toy izany kosa ny adin’ireo firenena ankehitriny.

Nisy fiovana rehefa niforona ny fiangonana kristianina. Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. Nirahina kosa izy ireo hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Hisy mpanompon’Andriamanitra àry any amin’ireny firenena ireny. Inona anefa no mahatonga ireo firenena hiady: Ny fanaovana ny sitrapon’ilay Mpamorona ve sa ny fitadiavana tombontsoa? Raha mandeha miady ny Kristianina, dia hiady amin’ny mpiray finoana aminy any amin’ilay firenena iadiany. Andriamanitra iray ihany anefa no ivavahan’izy ireo. Mety àry ny nilazan’i Kristy tamin’ny mpianany mba tsy hampiasa sabatra. (Mat. 26:52) Efa be voninahitra any an-danitra izy izao, ary horinganiny tsy ho ela ireo manohitra an’Andriamanitra.—2 Tes. 1:6-8; Apok. 19:11-21.

Araka ny tantara, nanao miaramila ve ireo Kristianina voalohany?

‘Hita tamin’ny fanazavana rehetra momba ny Kristianina fa tsy nisy tamin’izy ireo nanao miaramila, hatramin’ny andron’i Marc Aurèle [mpanjaka romanina tamin’ny taona 161 ka hatramin’ny 180]; ary tsy nisy miaramila mbola nijanona ho miaramila, rehefa lasa Kristianina.’—Ny Fandrosoan’ny Fivavahana Kristianina (anglisy, Londres, 1947), E. Barnes, p. 333.

“Tena niady sy nifamono ary nanao zava-dratsy isan-karazany izahay taloha. Samy nanova ny fitaovam-piadianay anefa izahay, na aiza na aiza misy anay, ka ny sabatray novanay ho angadinomby, ary ny lefonay ho fitaovam-pambolena. Miezaka koa izahay ny ho tia fivavahana, hanao izay mahitsy, hanao asa soa, hanana finoana sy fanantenana. Avy amin’ny Ray no nahazoanay izany rehetra izany, tamin’ny alalan’Ilay nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana.”—Justin Maritiora, “Resaka Tamin’ilay Jiosy Atao hoe Tryphon” (taonjato faha-2), Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée (Grand Rapids, Mich.), natontan’i A. Roberts sy J. Donaldson, Boky I, p. 254.

“Tsy nety nandray anjara tamin’ny fitantanan-draharaha na niditra tao amin’ny tafika izy ireo [ny Kristianina]. ... Tsy afaka ny ho miaramila, na mpitsara na mpitondra izy ireo, raha tsy hoe nialany angaha ny adidy masina kokoa.”—Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy, New York, 1891), Edward Gibbon, p. 162, 163.

Mety amin’ny tena Kristianina ve ny manao politika?

Jaona 17:16: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy [Jesosy] tsy anisan’izao tontolo izao.”

Jaona 6:15: “Rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo [ny Jiosy] haka azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala teo izy ka nankany an-tendrombohitra indray izy irery.” Hoy koa izy tamin’ny governora romanina iray: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.”—Jaona 18:36.

Jak. 4:4: “Ry mpanitsakitsa-bady, tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.” (Nahoana no hoe fahavalon’Andriamanitra? Satria ‘izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy’, hoy ny 1 Jaona 5:19. Antsoin’i Jesosy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana, ao amin’ny Jaona 14:30. Lasa eo ambany fahefan’iza àry izay manohana antoko politika?)

Nilaza ve ny mpahay tantara fa nanao politika ireo Kristianina voalohany?

“Tena tsy azon’ny mpitondra teo amin’ny firenena nanompo sampy ny nataon’ny Kristianina voalohany, ary tsy nankasitrahany ny fivavahany. ... Tsy nety nanao adidy sasany nataon’ny olom-pirenena romanina ny Kristianina. ... Tsy nety nitana toerana politika koa izy ireo.”—Mizotra ho Amin’ny Fandrosoana: Tantaran’izao Tontolo Izao (anglisy, Philadelphie, 1937), A. Heckel sy J. Sigman, p. 237, 238.

‘Nisaraka tanteraka tamin’ny fanjakana ny Kristianina, satria mpisorona sy firenena ara-panahy. Toa tsy nanao afa-tsy ny nanampy ny olom-pirenena ho tia an’Andriamanitra kokoa ny Fivavahana Kristianina. Tsy maintsy ekena anefa fa izany nataony izany no tsara indrindra.’—Ny Tantaran’ny Fivavahana sy ny Fiangonana Kristianina Nandritra ny Taonjato Telo Voalohany (New York, 1848), Auguste Neander, nadikan’i H. Rose avy tamin’ny teny alemà, p. 168.

Ahoana no ataon’ny Kristianina rehefa misy fombafomba mifandray amin’ny saina sy ny hiram-pirenena?

1 Kor. 10:14: “Andosiro ny fanompoan-tsampy.” (Jereo koa ny Eksodosy 20:4, 5.)

1 Jaona 5:21: “Ry zanako malalako, mitandrema ianareo amin’ny sampy.”

Lioka 4:8: “Fa hoy i Jesosy: ‘Voasoratra hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” ’ ”

Jereo koa ny Daniela 3:1-28.

Toy ny fivavahana tokoa ve ny fombafomba fanehoana fitiavan-tanindrazana?

“Efa ela i Carlton Hayes [mpahay tantara] no nilaza fa toy ny fivavahana ihany ny fanindrahindrana saina sy ny fanaovana voady any amin’ny sekoly amerikanina. ... Tamin’ny raharaham-pitsarana maromaro, dia niaiky ihany ny Fitsarana Tampony tamin’ny farany fa fombafomba ara-pivavahana ireny fanao isan’andro ireny.”—Ny Toetran’ny Amerikanina (New York, 1956), D. Brogan, p. 163, 164.

“Saika nampiasaina tanteraka tamin’ny fivavahana ireo saina voalohany. ... Nandritra ny taonjato maro, dia sainam-pivavahana ilay fanevam-pirenen’i Angletera nisy vokovoko menan’i Md. Georges. Toa nasaina nankamasina sainam-pirenena foana ny fivavahana, ary faneva masina ny saina maro tamin’ny voalohany.”—Ny Rakipahalalana Britannica (1946), Boky Faha-9, p. 343.

“Saina malagasy faha-Radama I (1810-1828). Ny saina fotsy atao hoe Mahazovola dia lokon’ny sampy Kelimalaza. Ny mena kosa, Mahazotany, dia lokon’ny sampy Manjakatsiroa sy Fantaka. Natambatr’i Radama I ho saina iray ihany izy roa ireo ... Ary ireo loko ireo no loko fototra amin’ny saina malagasy.”—Rakibolana malagasy, Rajemisa-Raolison, fonony anatiny, 1985.

Araka ny tantara, inona no nataon’ireo Kristianina voalohany rehefa nisy fombafomba fanehoana fitiavan-tanindrazana?

‘Tsy nety nanao sorona ho an’ilay mpanjaka [romanina] ny Kristianina. Mitovitovy amin’ireo tsy mety manangan-tsaina na manao voady hoe tsy hivadika amin’ny tanindrazana izany. Nasiana alitara azon’ny Kristianina nampiasaina tao amin’ilay kianja, nefa vitsy kely izy ireo no nanda ny finoany. Raha nanipy emboka manitra iray tsongo tao anatin’ilay afo fotsiny anefa ilay voafonja, dia ho nomena Taratasy Fanamarinana ho Nanao Sorona, ka nafahana. Nohazavaina tsara taminy koa fa tsy nivavaka tamin’ny mpanjaka akory izy raha nanao izany, fa nanaiky fotsiny hoe andriamanitra ilay mpanjaka romanina. Zara raha nisy Kristianina nety nanao izany anefa.’—Ireo Efa ho Faty (anglisy, New York, 1958), D. Mannix, p. 135, 137.

‘Nanipy emboka manitra kely na nandraraka divay kely teo amin’ny alitara nanoloana ny sarin’ny mpanjaka ireo nivavaka taminy. Amintsika atỳ aoriana angamba izany dia toy ny manangan-tanana rehefa manangan-tsaina na rehefa miarahaba mpitondra ambony, ho mariky ny fanajana sy fitiavan-tanindrazana. Nety ho nihevitra ny olona maro tamin’ny taonjato voalohany fa mari-panajana fotsiny ilay izy. Toy ny fivavahana anefa ilay izy tamin’ny Kristianina, satria nidika ho fanekena ny mpanjaka ho andriamanitra, ka noho izany dia fivadihana tamin’Andriamanitra sy Kristy. Tsy nety nanao izany àry izy ireo.’—Ny Fiandohan’ny Fivavahana Kristianina (anglisy, New Haven, Conn.; 1958), M. Eller, p. 208, 209.

Koa satria tsy momba ny atsy na ny aroa ny Kristianina, midika ve izany fa tsy te hanasoa ny mpiara-belona aminy izy?

Tsy izany velively! Fantany sady arahiny tsara izao didy izao: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Mat. 22:39) Arahiny koa izao torohevitra izao: “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Gal. 6:10) Miaiky izy ireo fa ny asa mahasoa indrindra azony atao ho an’ny mpiara-belona aminy dia ny mitory aminy ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy io ihany mantsy no hamaha tanteraka ireo olana ankehitriny, sy hanome fiainana mandrakizay.