Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afofandiovana

Afofandiovana

Afofandiovana

Famaritana: ‘Araka ny fampianaran’ny Eglizy [Katolika], dia toerana misy ny fanahin’ireo maty nahazo fahasoavana saingy mbola tsy afaka tanteraka amin’ny tsy fahalavorariana, ka manefa sazy noho ny ota madinika mbola tsy nahazoany famelana, na manefa sazy vetivety noho ny ota madinika sy mahafaty efa nahazoany famelana. Diovina àry ilay fanahy alohan’ny hidirany any an-danitra.’ (Rakipahalalana Katolika Vaovao, anglisy, 1967, Boky Faha-11, p. 1034) Tsy mampianatra izany ny Baiboly.

Miorina amin’inona ny fampianarana momba ny afofandiovana?

Noresahin’ny Rakipahalalana Katolika Vaovao ny fanazavan’ny mpanoratra katolika sasany ny hevitry ny 2 Makabeo 12:39-45, Matio 12:32 ary 1 Korintianina 3:10-15. Niaiky toy izao avy eo io boky io: “Raha ny marina, dia miorina amin’ny lovantsofina, fa tsy amin’ny Soratra Masina, ilay foto-pampianarana momba ny afofandiovana.”—(1967), Boky Faha-11, p. 1034.

“Avy amin’ny lovantsofina ilay fampianaran’ny eglizy hoe misy toerana iray eo anelanelan’ny lanitra sy ny afobe.”—Katolika Amerikanina (anglisy), Martsa 1981, p. 7.

Inona no lazain’ny mpitondra tenin’ny Katolika momba ny afofandiovana?

“Maro no mihevitra fa ny fijalian’ny fanahy ao amin’ny afofandiovana dia ny fahatsapany hoe tsy maintsy miandry kelikely izy vao ho tena sambatra. Heverin’ny olona maro anefa fa tena misy sazy koa any, ary mahasoa izany. ... Milaza ny Eglizy Katolika Romanina fa mijaly ao anaty afo ara-bakiteny ilay fanahy. Tsy voatery hino an’izany anefa izay mino ny afofandiovana, satria tsy azo antoka izany. ... Raha misy kosa te hiombon-kevitra amin’ny teolojianina tatsinanana, ka tsy manaiky hoe mijaly ao anaty afo ilay fanahy, dia tokony hiaiky izy fa misy fijaliana ihany ao amin’ny afofandiovana. Tena mijaly sy ory sy malahelo sy enjehin’ny eritreriny ary miaritra fijaliana hafa ilay fanahy. ... Tsara hotadidina anefa fa na mijaly aza izy, dia faly be koa satria azony antoka ny famonjena azy.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967), Boky Faha-11, p. 1036, 1037.

“Tombantombana fotsiny izay rehetra lazaina momba ny afofandiovana.”—Katolika Amerikanina, Martsa 1981, p. 9.

Manana fanahy tsy mety maty ve ny olona?

Mpito. 9:5, Kat.: “Ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”

Sal. 146:4, Kat.: “Fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy, ary amin’izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy.”

Adikan’ny Baiboly malagasy hoe fanahy indraindray ny teny hebreo nefesh sy ny teny grika psykè. Tsy marina anefa izany dikan-teny izany. Jereo ny loha hevitra hoe “Fahafatesana” sy “Zavamananaina.”

Mbola tokony hosazina noho ny fahotany ve ny olona iray aorian’ny fahafatesany?

Rom. 6:7, Kat.: “Izay maty dia afaka amin’ny fahotana.”

Marina ve ilay hoe ‘faly ny maty satria matoky fa ho voavonjy’?

Mpito. 9:5, Kat.: “Ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”

Isaia 38:18, Kat.: “Tsy mankalaza anao [Iaveh] ny seoly, ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana anao; ireo midina any an-davaka, tsy manantena ny fahamarinanao intsony.” (Koa marina ve ilay hoe ‘faly be ny maty satria azony antoka ny famonjena azy’?)

Inona no lazain’ny Baiboly fa manadio antsika ho afaka amin’ny ota?

1 Jaona 1:7, 9, Kat.: “Raha mandeha amin’ny mazava toa azy [an’Andriamanitra] ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny ran’i Jeso-Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra. ... Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”

Apok. 1:5, Kat.: “Jeso-Kristy ... [dia] tia antsika ... ka nanasa ny otantsika tamin’ny rany.”