Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Firazanana

Firazanana

Famaritana: Fisokajiana ny olona arakaraka ny volon-kodiny sy ny bikabika mety ho nolovainy tamin’ny razambeny, ka mampiavaka azy amin’ny fitambaran’olona hafa. Iray “karazana” ihany anefa ireo olona samy hafa firazanana, matoa afaka mifanambady sy miteraka. Samy anisan’ny fianakavian’olombelona daholo izy ireo, na dia samy hafa endrika sy volon-koditra aza.

Ahoana no nampisy an’ireo firazanana samihafa?

Gen. 5:1, 2; 1:28: “Tamin’ny andro namoronan’Andriamanitra an’i Adama, dia nataony nisy itovizana taminy izy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo. Taorian’izany, dia nitso-drano azy ireo izy, ary nataony hoe Olombelona ny anaran’ireo, tamin’ny andro namoronana azy.” “Nitso-drano azy ireo Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.’ ” (Samy taranak’i Adama sy Eva àry ny olona rehetra.)

Asa. 17:26: “Avy tamin’ny olona anankiray [Adama] no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.” (Na inona na inona firazanana hita eo anivon’ny firenena iray, dia taranak’i Adama daholo izy ireo.)

Gen. 9:18, 19: “Ny zanakalahin’i Noa izay nivoaka ny sambofiara dia i Sema sy Hama ary Jafeta. ... Ireo telo ireo no zanakalahin’i Noa, ary avy tamin’ireo no nielezan’ny mponina rehetra teto an-tany.” (Nampisy safodrano Andriamanitra mba handravana ny tontolo ratsy nisy tamin’ny andron’i Noa. Avy tamin’ny zanak’i Noa telo lahy sy ny vadin’izy ireo àry ny olona rehetra velona taorian’izay, anisan’izany ny firazanana rehetra misy ankehitriny.)

Angano fotsiny ve ny tantaran’i Adama sy Eva?

Tsy milaza izany ny Baiboly. Jereo ny loha hevitra hoe “Adama sy Eva.”

Taiza i Kaina no nahita ny vadiny, raha iray monja ny fianakaviana nisy tamin’izany?

Gen. 3:20: “Nataon’i Adama hoe Eva ny anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.” (Avy amin’i Adama sy Eva àry ny olona rehetra.)

Gen. 5:3, 4: “Rehefa telopolo amby zato taona i Adama, dia niteraka zazalahy nisy itovizana taminy, araka ny endriny. Ary nataony hoe Seta ny anarany. Ary valonjato taona ny andro niainan’i Adama, taorian’ny niterahany an’i Seta. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.” (Anisan’ny zanakalahin’i Adama i Kaina, ka tsy maintsy ho ny iray tamin’ireo anabaviny na ny zanaky ny mpiray tam-po aminy no lasa vadiny. Mbola tsy niteraka sampona loatra ny olona tamin’izany, na dia havana akaiky aza no nifanambady, satria mbola natanjaka sy salama kokoa ny olona, araka ny porofoin’ny halavan’ny androm-piainany. Nihaosa be anefa ny toe-batan’ny olona, ka noraran’i Jehovah ny firaisana amin’olom-pady, 2 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana.)

Gen. 4:16, 17: “Niala tsy ho eo anatrehan’i Jehovah i Kaina ka nanorim-ponenana tany amin’ilay tany atao hoe Fandosirana [na Noda], tany atsinanan’i Edena. Ary nanao firaisana tamin’ny [“nahalala ny”, Prot.] vadiny i Kaina taorian’izany, dia bevohoka ravehivavy ka niteraka an’i Enoka.” (Mariho fa tsy tany amin’ilay tany nandosirany i Kaina, vao nihaona tamin’ilay ho vadiny. Tany kosa izy no nanao firaisana taminy, ka nitera-dahy.)

Nahoana no misy firazanana samihafa?

“Iray ihany no fototra niavian’ny olona rehetra ary samy anisan’ilay karazany atao hoe Homo sapiens izy ireo. ... Ny toetoetra nolovana sy ny herin’ny tontolo manodidina no mahatonga an’ireo tsy fitoviana eo amin’ny bikabikan’ny olona, amin’ny ankapobeny. ... Bebe kokoa matetika ny tsy fitoviana eo amin’ny olona iray firazanana na iray firenena, noho ny eo amin’ny olona samy hafa firazanana na samy hafa firenena.”—Tenin’ny mpahay siansa maromaro avy amin’ny tany samihafa novorin’ny UNESCO (Fanambarana momba ny Firazanana, anglisy, New York, 1972, fan. fahatelo), Ashley Montagu, p. 149, 150.

‘Nanjary nisy ny firazanana samy hafa rehefa nanomboka niely eran-tany ny olona. Nizarazara mantsy izy ireo, ka samy nanorim-ponenana tany amin’ny toerana samy hafa, tany amin’ireo kontinanta dimy. Lasa nisy firazanana iray avy àry tamin’ny ankapobeny, isaky ny kontinanta. Rehefa dinihina ankehitriny ny taranak’ireo olona nifindra tany amin’ny toerana samy hafa, dia hita fa izay tafaraka tao amin’ny toerana iray no lasa nitovitovy fototarazo. Izany no nitranga eran-tany, ka nampisy an’ireo firazanana samy hafa isaky ny kontinanta. Ny mahagaga dia hoe toa tsy mitovy ireo olona samy hafa firazanana ireo rehefa jerena ivelany, nefa mitovy izy ireo raha ny marina satria samy olona ihany.’ (Toetra Nolovaina sy Fiainan’ny Olona, anglisy, New York, 1963, H. Carson, p. 151, 154, 162, 163) (Rehefa nisy olona maromaro àry fahiny tafaraka tao amin’ny toerana mitokana ka nifanambady, dia lasa nisy toetoetra na endrika nampiavaka an’ireo olona ireo nolovain’ny taranany.)

Milaza ve ny Baiboly fa voaozona ny mainty hoditra?

Misy diso fandray an’ity tenin’i Noa ao amin’ny Genesisy 9:25 ity: “Ho voaozona anie i Kanana! Aoka izy no ho ambany indrindra amin’ny andevon’ny rahalahiny.” Vakio tsara anefa ilay andininy. Tsy misy resaka volon-koditra mihitsy eo. Voaozona kosa i Kanana, zanak’i Hama, noho izy nanao zavatra mamoafady angamba. Iza anefa no taranak’i Kanana, na Kananita? Tsy ny mainty hoditra, fa ireo fotsy hoditra nonina tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Ratsy fitondran-tena be izy ireo sady nifandray tamin’ny demonia, sy nanompo sampy, ary nanao sorona ankizy, ka nomelohin’Andriamanitra ary nomeny ho an’ny Israelita ny tanin’izy ireo. (Gen. 10:15-19) Tsy naringana daholo anefa ny Kananita fa nisy nampanaovina asa an-terivozona, ho fahatanterahan’ilay ozona.—Jos. 17:13.

Iza tamin’ireo zanak’i Noa àry no niavian’ny mainty hoditra? “Ny zanakalahin’i Kosy [zanak’i Hama] dia i Seba sy Havila sy Sabta sy Rama ary Sabteka.” (Gen. 10:6, 7) Tatỳ aoriana, dia i Etiopia no nolazain’ny Baiboly hoe Kosy. Nilazana an’ireo olona tany amin’ny faritra atsinanan’i Afrika ny hoe Seba tatỳ aoriana, ary azo inoana fa tsy lavitra an’i Etiopia io faritra io.—Isaia 43:3.

Zanak’Andriamanitra ve ny olona rehetra?

Tsy lavorary isika rehetra, ka tsy hoe vao teraka dia zanak’Andriamanitra. Isika rehetra anefa dia taranak’i Adama, izay “zanak’Andriamanitra” tamin’izy mbola lavorary.—Lioka 3:38.

Asa. 10:34, 35: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”

Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Mila mino an’i Jesosy isika, mba hahafahantsika mifandray akaiky amin’Andriamanitra toy ny nataon’i Adama, talohan’ny nanotany. Afaka ny hanana izany fifandraisana izany ny rehetra, na inona na inona firazanany.)

1 Jaona 3:10: “Izao no ahitana miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny Devoly: Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra. Toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.” (Tsy heverin’Andriamanitra ho zanany àry ny olon-drehetra. Zanaky ny Devoly ireo minia manao izay raran’Andriamanitra. Jereo ny Jaona 8:44. Tsara toetra kosa ny tena Kristianina. Nifidy vitsivitsy tamin’izy ireo Andriamanitra mba hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Antsoin’Andriamanitra hoe ‘zanany’ izy ireny. Misy fanazavana fanampiny eo ambanin’ilay loha hevitra hoe “Ateraka Indray.”)

Rom. 8:19-21: “Ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra. ... Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Hafahana ny olombelona rehefa ‘haharihary ny zanak’Andriamanitra’, izany hoe hitondra fitahiana avy any an-danitra ho an’ny olona izy ireo, eo ambany fitarihan’i Kristy. Ho lasa zanak’Andriamanitra koa ny olo-marina eto an-tany [izay antsoina hoe “ny zavaboary” eto], rehefa lasa lavorary izy ireo ary nanaporofo fa tsy mivadika mihitsy amin’i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Ho lasa zanany ny olon-drehetra amin’izay, na inona na inona firazanany.)

Ho toy ny mpirahalahy ve indray andro any ny olon-drehetra, na inona na inona firazanany?

Hoy i Jesosy tamin’ireo tena mpianany: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Mat. 23:8) Hoy koa izy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:35.

Nifankatia tokoa ny Kristianina voalohany, na dia tsy lavorary aza. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy. Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.”—Gal. 3:28.

Mifankatia toy ny mpirahalahy koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, fa tsy manavakavaka firazanana. Hoy i William Whalen tao amin’ny gazety Katolika Amerikanina: “Anisan’ny tena mahafinaritra ahy [amin’ny Vavolombelon’i Jehovah] dia ny hoe mitovy daholo amin’izy ireo ny firazanana rehetra.” Nandalina momba ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika koa i Bryan Wilson, manam-pahaizana avy amin’ny Oniversiten’i Oxford. Hoy izy: “Ny Vavolombelona angamba no mahavita manampy haingana indrindra an’ireo vaovao ao aminy tsy hanavakavaka foko intsony.” Hoy koa Ny Gazetin’i New York momba ny fivoriambe iraisam-pirenena iray natrehin’ny Vavolombelona avy amin’ny tany 123: “Tsy ny hamaroan’ireo Vavolombelona ihany no nampiaiky volana ny mponin’i New York, fa ny saranga samy hafa niavian’izy ireo koa (ahitana olona avy amin’ny fari-piainana rehetra eo aminy). Tsy manavakava-bolon-koditra koa izy ireo (maro ny Vavolombelona mainty hoditra), ary tsy mitabataba sady milamina tsara.”

Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia handringana an’ity tontolo ratsy ity, anisan’izany izay rehetra tsy tena tia an’i Jehovah Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. (Dan. 2:44; Lioka 10:25-28) Milaza ny Baiboly fa ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’, ireo ho tafavoaka velona amin’izany. (Apok. 7:9) Ho toy ny fianakaviana iray izy ireo, satria samy manompo an’ilay tena Andriamanitra sy mino an’i Jesosy Kristy ary mifankatia.