Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahotana

Fahotana

Famaritana: Midika ara-bakiteny hoe tsy mahavoa an’izay kendrena, raha jerena ny teny hebreo sy grika. Andriamanitra no mametra izay tokony hokendren’ny zavaboariny manan-tsaina. Manota ny olona iray raha tsy mahavoa an’izany zavatra kendrena izany. Azo lazaina koa hoe tsy fahamarinana, na fandikan-dalàna, ny ota. (Rom. 3:23; 1 Jaona 5:17; 3:4) Masina ny toetran’Andriamanitra, ny fitsipiny, ny lalany ary ny sitrapony, ka fahotana izay zavatra tsy mifanaraka amin’ireo. Anisan’izany ny fitondran-tena ratsy, ny tsy fanaovana izay tokony hatao, ny teny ratsy, ny eritreri-dratsy, ary ny faniriana feno fitiavan-tena. Avahan’ny Baiboly ny ota nolovana sy ny ota an-tsitrapo, ary ny ota nibabohana sy ny ota lasa fahazarana.

Nahoana i Adama no nanota nefa lavorary?

Lavorary tokoa i Adama, araka ny Genesisy 1:27, 31 sy ny Deoteronomia 32:4. Nolazain’i Jehovah Andriamanitra hoe “tena tsara” ny zavaboariny teto an-tany, anisan’izany ny lehilahy sy ny vehivavy. Tonga lafatra izay ataon’ilay Mpamorona, ka azo antoka fa nifanaraka tamin’ny fitsipiny tonga lafatra ny hoe “tena tsara.”

Tsy afaka nanao ratsy ve i Adama sy Eva satria lavorary? Ny milina iray tonga lafatra dia manao izay rehetra ampanaovina azy. Tsy toy izany anefa ny olona lavorary. Nomen’Andriamanitra safidy hanapa-kevitra i Adama sy Eva, na hanao ny tsara na hanao ratsy, na hankatò na tsy hankatò. Ho nisy tsininy àry izy ireo, raha tsy afaka nanapa-kevitra toy izany.—Ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:19, 20; Josoa 24:15.

Tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra tsara foana ve i Adama sy Eva satria lavorary? Raha izany no izy, dia tsy azo lazaina ho nanan-tsafidy izy ireo. Tsy noforonin’Andriamanitra ho tsy maintsy mankatò anefa izy ireo, fa nomeny safidy: Afaka nankatò izy ireo raha tia azy, na tsy nankatò raha ny tenany ihany no tiany. Inona no tianao kokoa: Manao zavatra ho anao ny olona iray satria voatery manao izany, sa satria te hanao izany?—Ampitahao amin’ny Deoteronomia 11:1; 1 Jaona 5:3.

Nahoana ny olona lavorary no lasa tia tena ka nanota? Noforonina ho lavorary ny vatan’izy ireo, kanefa tsy hiasa tsara intsony izy io raha tsy nomena sakafo tsara. Ho simba koa ny toe-tsainy sy ny toetrany, raha zava-dratsy foana no nataony an-tsaina. Hoy ny Jakoba 1:14, 15: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.’ Nanomboka nanana fanirian-dratsy i Eva rehefa nihaino an’i Satana, izay mody nampiteny bibilava. Nihinana tamin’ilay voankazo voarara koa i Adama, noho ny fampirisihan’ny vadiny. Tsy nesorin’izy ireo tao an-tsainy ny eritreri-dratsy, ka nahatonga azy hanana faniriana feno fitiavan-tena. Nanjary nanota àry izy ireo.—Gen. 3:1-6.

Efa voalahatr’Andriamanitra hanota ve i Adama?

Jereo ny pejy 27, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Adama sy Eva”, sy ny pejy 314 eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Lahatra.”

Tena misy ve izany hoe fahotana izany?

Fanoharana: Raha potehin’ny marary iray ny fitaovana fijerena hafanana, midika ve izany fa tsy misy tazo izy? Raha tsy mino izay voalazan’ny lalàna ny mpangalatra iray, midika ve izany fa tsy nanao heloka bevava izy? Raha tsy te hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly koa ny olona maro, dia tsy midika akory izany hoe tsy misy ny ota.—Jereo ny 1 Jaona 1:8.

Mety hifidy hanao zavatra raran’ny Baiboly ny olona sasany, kanefa tsy midika izany hoe diso ny Baiboly. Hoy ny Galatianina 6:7, 8: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony.” Marina tokoa izany raha jerena ny fielezan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ny tokantrano rava, sy ny toy izany. Andriamanitra no namorona antsika ka fantany izay hahasambatra antsika mandrakizay, ary nolazainy ao amin’ny Baiboly izany. Tsy fahendrena àry ve ny hihainoana azy? (Jereo ilay loha hevitra hoe “Andriamanitra”, momba ny porofo fa misy izy.)

Tsy zavatra voajanahary amin’ny olona ihany ve no atao hoe fahotana?

Fahotana ve ny manao firaisana? Izany ve ilay fahotana nataon’i Adama sy Eva? Tsy izany no lazain’ny Baiboly. Nilaza tamin’i Adama sy Eva Andriamanitra hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Gen. 1:28) Tsy maintsy nanao firaisana àry izy ireo. Hoy koa ny Salamo 127:3: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro, ary valisoa.” Mariho fa i Eva irery aloha no nihinana tamin’ilay voankazo voarara, ary avy eo vao nomeny i Adama. (Gen. 3:6) Tena hazo àry no nakany an’ilay voankazo voarara. Tsy ny fanaovan’ny mpivady firaisana no raran’ny Baiboly, fa ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny firaisana amin’ny biby, izay samy mitondra voka-dratsy. Tia antsika ny Mpamorona matoa mandrara antsika tsy hanao an’ireo.

Gen. 1:27: “Namorona ny olona [Adama] araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy.” (Tokony ho naneho ny toetra masin’Andriamanitra àry i Adama, ary tokony ho nanaraka ny toromariny. Nanota izy rehefa tsy nanao izany. Jereo ny Romanina 3:23 sy 1 Petera 1:14-16.)

Efes. 2:1-3: “Ianareo [Kristianina] no novelomin’Andriamanitra na dia fony mbola maty tao amin’ny helokareo sy ny fahotanareo aza. Tao amin’izany mantsy no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana. Tamintsika teo amin’izy ireo, dia nitondra tena araka ny fanirian’ny nofontsika isika rehetra taloha, ka nanao izay danin’ny nofontsika sy ny saintsika. Ary efa zanaky ny fahatezerana toy ny hafa rehetra isika hatramin’ny nahaterahantsika.” (Nandova ota isika satria taranak’i Adama mpanota. Zava-dratsy foana àry no irin’ny fontsika, hatramin’ny fahakelintsika. Raha tsy fehezintsika izany, dia mety ho lasa zatra manao ratsy isika. Mety ho toa “ara-dalàna” mihitsy aza izany, satria manao toy izany daholo ny rehetra. Resahin’ny Baiboly anefa hoe inona no tsara sy ratsy eo imason’Andriamanitra. Fantany ny fomba nanaovany ny olona sy ny fikasany momba azy ireo. Hahafa-po kokoa ny fiainantsika raha mihaino ny Mpamorona isika ka mankatò azy amim-pitiavana, ary ho afaka ny hiaina mandrakizay isika. Manasa antsika amim-pitiavana izy mba hanandrana ka hahita fa tsara ny mankatò azy.—Sal. 34:8.)

Hanao ahoana ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra raha manota izy?

1 Jaona 3:4, 8: “Izay rehetra zatra manota dia zatra mandika lalàna koa. Koa fandikan-dalàna àry ny fahotana. Avy amin’ny Devoly kosa izay zatra manota.” (Teny tsy miolakolaka mihitsy izany! Mpandika lalàna no fiheveran’Andriamanitra an’ireo minia sy zatra manota. Manara-dia an’i Satana izy ireo.)

Rom. 5:8, 10: “Fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy. ... Fony mbola fahavalo ... isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.” (Mariho fa fahavalon’Andriamanitra ny mpanota. Hendry àry isika raha manaiky hihavana aminy!)

1 Tim. 1:13: ‘Nahazo famindram-po aho [hoy ny apostoly Paoly], satria noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany.’ (Tsy nisalasala anefa izy nanao izay tsara, rehefa nampahafantarin’ny Tompo azy izany.)

2 Kor. 6:1, 2: “Miara-miasa aminy izahay, ka miangavy anareo koa mba hanaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra nefa tsy hanadino ny zava-kendren’izany. Fa hoy izy: ‘Tamin’ny fotoana fanehoana fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao.’ Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana! Izao no andro famonjena!” (Izao no fotoana ahafahana miezaka mba hahazoana famonjena. Hisy fetrany anefa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra amin’ny mpanota. Mila mitandrina àry isika mba tsy hanadino an’izany.)

Inona no manafaka antsika amin’ny ota?

Jereo ny loha hevitra hoe “Vidim-panavotana.”