Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavaboary Ara-panahy An-tapitrisany Maro

Zavaboary Ara-panahy An-tapitrisany Maro

Milaza amintsika ny Baiboly fa misy persona ara-panahy maro be. Ny tenan’i Jehovah mihitsy dia fanahy (esprit). — Jaona 4:24; 2 Korintiana 3:17, 18, MN.

Nisy fotoana naha-irery an’i Jehovah teo amin’izao rehetra izao. Avy eo izy dia nanomboka namorona persona ara-panahy antsoina hoe anjely. Mahery kokoa sy kinga saina kokoa noho ny olombelona izy ireo. Namorona anjely maro be i Jehovah; i Daniela, mpanompon’Andriamanitra, tao amin’ny fahitana iray, dia nahita anjely zato tapitrisa. — Daniela 7:10, MN; Hebreo 1:7.

Noforonin’Andriamanitra talohan’ny nanaovany ny tany mihitsy aza ireo anjely ireo. (Joba 38:4-7). Tsy misy na dia iray amin’izy ireo aza olona izay avy niaina sy maty teto an-tany.

Ilay Fanahy (esprit) lehibe, Jehovah, dia namorona persona ara-panahy an-tapitrisany maro