Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fikomiana Tany Amin’ny Faritra Ara-panahy

Fikomiana Tany Amin’ny Faritra Ara-panahy

Rehefa nampiasa menarana iray mba hiteny tamin’i Eva i Satana, dia nanaraka azy tamin’ny fikomiany tamin’Andriamanitra i Eva

Tsara avokoa ireo persona ara-panahy noforonin’i Jehovah. Avy eo dia nisy anjely iray nanjary ratsy. I Satana Devoly izany. Naniry ny hanompoan’ny olona eto an-tany azy, fa tsy an’i Jehovah, i Satana. Izao no nitranga:

Tao amin’ny saha Edena, dia nisy hazo maro be izay namokatra voa natsiro. Nilaza tamin’i Adama sy i Eva, vadiny, i Jehovah fa afaka nihinana tamin’izany tamin-kalalahana izy ireo. Nisy hazo iray anefa izay nolazain’Andriamanitra fa tsy tokony hihinanany. Nilaza izy fa, raha nihinana tamin’izany izy ireo, dia ho faty tokoa. — Genesisy 2:9, 16, 17.

Indray mandeha, rehefa irery i Eva dia nanatona mba hiresaka taminy ny menarana iray. Mazava ho azy fa tsy ilay menarana no tena niteny; i Satana Devoly no nanao izay hiheverana fa toa ilay menarana no niteny. Nilaza tamin’i Eva i Satana fa raha nihinana tamin’ilay voankazo voarara izy, dia ho hendry sahala amin’Andriamanitra. Nilaza koa i Satana fa tsy ho faty akory i Eva. Samy lainga avokoa ireo fanambarana roa ireo. Na dia izany aza, dia nino an’i Satana i Eva ka nihinana ilay voankazo. Tatỳ aoriana, dia nomeny koa i Adama, ary nihinana koa io. — Genesisy 3:1-6.

Avy amin’io tantara marina io, isika dia mianatra fa mpikomy sady mpandainga i Satana. Nilaza tamin’i Eva izy fa raha tsy mankatò an’Andriamanitra izy, dia tsy ho faty. Lainga izany. Maty tokoa izy ary toy izany koa i Adama. Tsy maty tamin’izay i Satana, fa ho faty izy amin’ny farany satria nanota. Mandra-pahatongan’izany fotoana izany, anefa, dia velona izy ary manohy mamitaka ny taranak’olombelona. Mbola mpandainga ihany izy, ary miezaka manosika ny olona handika ireo lalàn’Andriamanitra. — Jaona 8:44.

Nisy anjely hafa nikomy

Tatỳ aoriana, dia nisy anjely hafa nanjary ratsy. Nahamarika ireo vehivavy tsara tarehy teto an-tany ireo anjely ary naniry ny hanana firaisana taminy. Tonga teto an-tany àry izy ireo ary naka vatan’olombelona lahy. Avy eo dia naka ireo vehivavy ho azy izy ireo. Nifanohitra tamin’ny fikasan’Andriamanitra izany. — Genesisy 6:1, 2; Joda 6.

Nisy anjely ratsy fanahy tonga teto an-tany mba hanana fitondrantena maloto tamin’ny vehivavy

Niteraka zava-nanahirana be dia be ho an’ny taranak’olombelona koa izany. Niteraka ny vadin’ireny anjely ireny, nefa tsy ohatra ny ankizy rehetra ny zanany. Nihabe ka nanjary olona goavam-be nahery setra sy lozabe izy ireny. Tamin’ny farany dia nanjary feno herisetra aoka izany ny tany, hany ka nanapa-kevitra ny handringana ireo ratsy fanahy tamin’ny alalan’ny safodrano lehibe i Jehovah. Ny hany olombelona tafita velona tamin’ny Safodrano dia i Noa, olo-marina, sy ny fianakaviany. — Genesisy 6:4, 11, MN; 7:23.

Ireo anjely ratsy fanahy anefa dia niverina tany amin’ny faritra ara-panahy; tsy maty izy ireo. Nofaizina anefa izy ireo. Tsy navela hiverina tany amin’ny fianakavian’Andriamanitra misy ireo anjely marina izy ireo. Fanampin’izany, dia tsy namela azy ireo haka vatan’olombelona intsony i Jehovah. Ary amin’ny farany dia ho faty amin’ilay fitsarana lehibe izy ireo. — 2 Petera 2:4; Joda 6.

Noroahina avy tany an-danitra i Satana

Noroahina avy tany an-danitra i Satana sy ireo anjeliny ratsy fanahy

Tany am-piandohan’ity taonjato misy antsika ity, dia nisy ady tany an-danitra. Milazalaza izay nitranga toy izao ny Apokalypsy, boky iray ao amin’ny Baiboly: “Ary nisy ady iray nipoaka tany an-danitra: i Mikaela [i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty] sy ny anjeliny [tsara fanahy] niady tamin’ilay dragona [i Satana], ary niady ilay dragona sy ireo anjeliny [ratsy fanahy], nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa nazera àry ilay dragona lehibe, dia ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany onenana manontolo; nazera ho etỳ an-tany izy, ary ny anjeliny [ratsy fanahy] dia niara-nazera taminy.”

Inona no vokany? Manohy toy izao ny fitantarana: “Noho izany, mifalia, ianareo ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy!” Afaka ny ho faly ireo anjely tsara fanahy satria tsy any an-danitra intsony i Satana sy ireo anjely, na fanahy (esprits), ratsy fanahy. Kanefa, ahoana ny amin’ireo olona eto an-tany? Hoy ny Baiboly hoe: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina ho aminareo ny Devoly, sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa vanim-potoana fohy sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:7-9, 12, MN.

Eny tokoa, i Satana sy ireo namany ratsy fanahy dia sady mamitaka no miteraka loza lehibe ho an’ny olona eto an-tany. Antsoina hoe demonia ireny anjely ratsy fanahy ireny. Fahavalon’Andriamanitra izy ireny. Ratsy avokoa izy rehetra.