Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpamono Olona Ireo Demonia!

Mpamono Olona Ireo Demonia!

Lozabe sy nampidi-doza foana i Satana sy ireo demoniany. Tany am-boalohany, i Satana dia namono ny biby sy ny mpanompon’i Joba nahatoky. Avy eo dia namono ny zanak’i Joba folo izy tamin’ny alalan’ny “rivotra mahery” iray izay nandrodana ny trano nisy azy ireo. Taorian’izay i Satana dia “namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany.” — Joba 1:7-19; 2:7.

Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo demonia dia nahatonga olona ho tsy afa-niteny sy ho jamba. (Matio 9:32, 33; 12:22). Nampijaly ny lehilahy iray izy ireo ka nanao izay hitetehany tena tamin’ny vato. (Marka 5:5). Nampihiaka zazalahy iray koa izy ireo sy nanjera azy tamin’ny tany, ary “nampifanintontsintona azy mafy.” — Lioka 9:42, MN.

Tamin’ny andro lasa, ireo demonia dia nahatonga olona harary ary nampifanintontsintona ny hafa

Ankehitriny, dia mbola vonona ny hamono olona tsy misy ohatra izany i Satana sy ireo demonia. Raha ny tena izy, dia nitombo ny asa ratsin’izy ireo hatramin’ny nandroahana azy avy tany an-danitra. Ny filazana azo manerana ny tany dia manamarina ny maha-lozabe azy ireo. Mampitondra ny olona sasany aretina tsy eran’ny aina izy ireo. Mampijalijaly tsy an-kijanona ny hafa amin’ny alina izy ireo, ka tsy mampahita tory azy na mampanonofy ratsy azy aoka izany. Mampihatra fitondrana ratsy eo amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy amin’ny hafa koa izy ireo. Ary mitarika ny hafa ihany koa ho amin’ny fahaverezan-tsaina, ny famonoana olona na ny famonoan-tena izy ireo.

Amin’izao andro izao ireo demonia dia manao izay hahatonga ny olona sasany hahery setra; mampijalijaly tsy an-kijanona ny hafa amin’ny alina izy ireo ka mampanonofy ratsy azy aoka izany

Mitantara i Lintina, monina any Suriname, fa namono ny mpikambana 16 tao amin’ny fianakaviany ny demonia, na fanahy ratsy, iray ary nampijaly azy ara-batana sy ara-tsaina nandritra ny 18 taona. Avy amin’ny zava-nitranga tamin’ny tenany manokana dia afaka manambara izy fa ireo demonia dia “faly mampijaly amin-kabibiana hatramin’ny fahafatesana ireo olona mampalahelo fa nanjary azony.”

Afaka miaro ny mpanompony amin’ny famelezan’i Satana anefa i Jehovah. — Ohabolana 18:10.