Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHADIMY

Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao

Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao

1, 2. Any amin’iza no tokony hitodihan’ny ray aman-dreny mba hahazoana fanampiana eo amin’ny fitaizana ny zanany?

“LOVA avy amin’i Jehovah ny zanaka”, hoy ny fihiakan’ny ray iray feno fankasitrahana, 3 000 taona lasa teo ho eo izay. (Salamo 127:3). Eny tokoa, ny fifaliana noho ny fananan-janaka dia valisoa sarobidy avy amin’Andriamanitra, valisoa izay azon’ny ankamaroan’ny olona manambady raisina. Kanefa, tsy ela dia takatr’ireo izay manan-janaka fa, miaraka amin’izany fifaliana izany, dia misy andraikitra koa entin’ny fananan-janaka.

2 Amin’izao andro izao indrindra indrindra, dia asa mahatahotra ny fitaizana zanaka. Na dia izany aza, dia maro no nanao izany tamim-pahombiazana, ary ny mpanao salamo nahazo tsindrimandry dia manondro ny lalana harahina, tamin’ny filazana hoe: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1). Arakaraka ny anarahanao akaiky ireo toromarik’i Jehovah, no hihatsaranao amin’ny maha-ray (na reny) anao. Hoy ny Baiboly: “[Mitokia amin’i, NW ] Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao”. (Ohabolana 3:5). Vonona ny hihaino ny torohevitr’i Jehovah ve ianao, rehefa miditra hanao ilay tetik’asa fitaizanao zanaka haharitra 20 taona?

FANEKENA NY FOMBA FIHEVITRY NY BAIBOLY

3. Inona no andraikitry ny ray eo amin’ny fitaizana ny ankizy?

3 Ao amin’ny tokantrano maro manerana ny tany, ny lehilahy dia mihevitra fa asan’ny vehivavy voalohany indrindra ny fampiofanana ny ankizy. Marina fa ny Tenin’Andriamanitra dia manondro fa ny anjara asan’ny ray dia ny an’ny mpamelona. Kanefa, milaza koa izy io fa manana andraikitra ao an-tokantrano ny ray. Hoy ny Baiboly: “Amboary ny asanao any ivelany, ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao hianao.” (Ohabolana 24:27). Araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra, ny ray sy ny reny dia mpiara-miasa eo amin’ny fampiofanana ny ankizy. — Ohabolana 1:8, 9.

4. Nahoana isika no tsy tokony hihevitra ny zanaka lahy ho ambony kokoa noho ny zanaka vavy?

4 Ahoana no fiheveranao ny zanakao? Misy tatitra milaza fa any Azia dia “tsy raisina amim-pifaliana ny fahaterahan’ny zazavavikely”. Voalaza fa mbola misy fanavakavahana ny ankizivavy any Amerika Latina, na dia eo anivon’ireo “fianakaviana nahita fianarana kokoa” aza. Ny marina anefa dia hoe tsy ankizy ambany saranga akory ny ankizivavy. I Jakoba, ray nalaza iray tamin’ny andro fahiny, dia nilazalaza ny zanany rehetra, anisan’izany ireo zanany vavy rehetra teraka hatramin’io fotoana io, ho “ny zaza izay nomen’Andriamanitra [ahy] noho ny fahasoavany”. (Genesisy 33:1-5; 37:35). Toy izany koa, i Jesosy dia nitso-drano “ny ankizy kely” rehetra (na lahy na vavy) izay nentina teo aminy. (Matio 19:13-15, NW ). Afaka mahazo antoka isika fa nanome taratry ny fomba fihevitr’i Jehovah izy. — Deoteronomia 16:14.

5. Lafin-javatra inona avy no tokony hifehy ny fanapahan-kevitry ny mpivady raha ny amin’ny ho haben’ny fianakaviany?

5 Moa ve ny fiaraha-monina misy anao manampo ny hiterahan’ny vehivavy iray zanaka betsaka araka izay azony atao? Ekena araka ny tokony ho izy fa fanapahan-kevitra manokan’ny mpivady ny hoe firy ny zanaka tiany hananana. Ahoana raha misy ray aman-dreny tsy manana ny fahafahana ara-bola hamelona sy hampitafy ary hampianatra zanaka maro? Azo antoka fa tokony hihevitra ny amin’izany ilay mpivady rehefa manapa-kevitra ny amin’ny ho haben’ny fianakaviany. Ny mpivady sasany tsy afaka mamelona ny zanany rehetra dia manankina amin’ny havana ny andraikitra hitaiza ny sasany aminy. Tsara ve io fanao io? Tsy dia izay loatra, no sady tsy manesotra amin’ny ray aman-dreny ny adidiny eo anatrehan’ny zanany izany. Hoy ny Baiboly: “Raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Ny mpivady mahay mandray andraikitra dia miezaka ny handahatra mialoha ny ho haben’ny “ankohonany” mba hahafahany ‘hamelona ny azy’. Afaka manaraka fanabeazana aizana ve izy ireo mba hanatanterahana izany? Izany koa dia fanapahan-kevitra manokana, ary raha tena manapa-kevitra tokoa ny hanaraka izany ireo mpivady, ny fomba tsy mampiteraka fidiny dia raharaha manokana koa. “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” (Galatiana 6:5). Kanefa, ny fanabeazana aizana izay misy fanalana zaza, na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona, dia mifanipaka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. I Jehovah Andriamanitra no “loharanon’aina”. (Salamo 36:9). Noho izany, ny fakana ain’olona vao notorontoronina dia ho fanehoana tsy fanajana lehibe an’i Jehovah ary mitovy amin’ny famonoana olona. — Eksodosy 21:22, 23; Salamo 139:16; Jeremia 1:5.

FANOMEZANA FAHAFAHAM-PO AMIN’IZAY ILAIN’NY ZANAKAO

6. Rahoviana no tokony hanomboka ny fampiofanana ny zaza iray?

6 Hoy ny Ohabolana 22:6: “[Ampiofano, NW ] amin’izay làlana tokony halehany ny zaza”. Ny fampiofanana zanaka dia adidin’ny ray aman-dreny lehibe iray hafa. Rahoviana anefa no tokony hanomboka izany fampiofanana izany? Tena aloha be. Nanamarika ny apostoly Paoly fa efa nampiofanina “hatry ny fony vao [zazakely, NW ]” i Timoty. (2 Timoty 3:15). Ny teny grika ampiasaina eto dia afaka manondro zaza vao teraka, na zaza ao am-bohoka mihitsy aza. (Lioka 1:41, 44; Asan’ny Apostoly 7:18-20). Noho izany, i Timoty dia nahazo fampiofanana hatramin’ny naha-mbola tena kely azy — ary araka ny tokony ho izy izany. Raha mbola zazakely ny zaza iray no fotoana filamatra hanombohana hampiofana azy. Na dia ny zazakely vao menavava aza dia mangetaheta fahalalana.

7. a) Nahoana no zava-dehibe ny hambolen’ny ray sy ny reny fifandraisana akaiky amin’ny zanany kely? b) Fifandraisana inona no misy eo amin’i Jehovah sy ilay Lahitokany?

7 “Raha vao nahita ny zanako kely aho”, hoy ny reny iray, “dia raiki-pitia taminy.” Toy izany koa ny ankamaroan’ny reny. Mitombo io fifikirana kanto eo amin’ilay reny sy ilay zazakely io, arakaraka ny andanian’izy ireo fotoana miaraka aorian’ny fahaterahana. Mampitombo izany fifandraisana akaiky izany ny fampinonoana. (Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 2:7, NW.) Ny fanafosafoan’ny reny ny zanany kely sy ny firesahany aminy dia tena zava-dehibe eo amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ilay zazakely eo amin’ny ara-pihetseham-po. (Ampitahao amin’ny Isaia 66:12.) Ahoana anefa ny amin’ilay ray? Izy koa dia tokony hanorina fifandraisana akaiky amin’ilay zanany vao teraka. Ny tenan’i Jehovah mihitsy dia ohatra tsara ny amin’io. Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, isika dia mianatra ny amin’ny fifandraisan’i Jehovah amin’ilay Lahitokany, izay aseho ho milaza hoe: “Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ny alehany, (...) [nanjary ilay tiany manokana, NW ] isan-andro isan-andro [aho]”. (Ohabolana 8:22, 30; Jaona 1:14). Toy izany koa, ny ray tsara iray dia mamboly fifandraisana mafana sy feno fitiavana amin’ny zanany, manomboka eo am-piandohan’ny fiainan-janany mihitsy. “Manehoa fitiavana be dia be”, hoy ny ray iray. “Mbola tsy nisy izany hoe zaza maty noho ny famihinana sy ny fanorohana izany.”

8. Fandrisihana ara-tsaina inona no tokony homen’ny ray aman-dreny an’ireo zanany kely, haingana araka izay azo atao?

8 Mihoatra noho izany anefa no ilain’ny zazakely. Manomboka eo amin’ny fotoana ahaterahany, ny atidohany dia vonona ny handray sy hitahiry fanazavana, ary ny ray aman-dreniny no loharanon’izany voalohany indrindra. Raiso, ohatra, ny fiteny. Milaza ireo mpanao fikarohana fa ny fahaizan’ny zaza iray mianatra hiteny sy hamaky teny dia “heverina ho mifandray akaiky amin’ny karazan’ilay fifanakalozana nisy teo amin’ilay zaza sy ny ray aman-dreniny teo am-boalohany”. Miresaha ary mamakia teny amin’ny zanakao hatramin’ny maha-zazakely azy. Tsy ho ela izy dia ho tia ny hanahaka anao, ary vetivety dia hampianatra azy hamaky teny ianao. Azo inoana fa hahay hamaky teny alohan’ny hidirany any an-tsekoly izy. Tena hahasoa indrindra izany raha mipetraka ao amin’ny tany vitsy mpampianatra sy misy lakilasy feno hipoka, ianareo.

9. Inona ilay tanjona lehibe indrindra ilain’ny ray aman-dreny hotadidina?

9 Ny zavatra ahin’ny ray aman-dreny kristiana voalohany indrindra dia ny hanome fahafaham-po amin’izay ilain’ny zanany eo amin’ny ara-panahy. (Jereo ny Deoteronomia 8:3.) Noho ny tanjona inona? Mba hanampiana ny zanany hamboly toetra toy ny an’i Kristy, raha ny tena izy, dia mba hanampiana azy hitafy “ny toetra vaovao”. (Efesiana 4:24). Ho amin’izany, dia mila mihevitra ny amin’ny fitaovam-panorenana tsara sy fomba fanorenana tsara izy ireo.

ALENTEHO AO AMIN’NY ZANAKAO NY FAHAMARINANA

10. Toetra inona avy no ilain’ny ankizy hambolena?

10 Ny hatsaran’ny trano iray dia miankina be dia be amin’ny karazam-pitaovana ampiasaina ho amin’ilay fanorenana. Nilaza ny apostoly Paoly fa ny fitaovam-panorenana tsara indrindra ho amin’ny toetra kristiana dia ‘volamena, volafotsy, [vatosoa, NW ]’. (1 Korintiana 3:10-12). Ireo dia mampiseho toetra toy ny finoana, ny fahendrena, ny fahaiza-manavaka, ny tsy fivadihana, ny fanajana ary ny fankasitrahana amim-pitiavana an’i Jehovah sy ny lalàny. (Salamo 19:7-11; Ohabolana 2:1-6, NW; 3:13, 14, NW ). Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany hatramin’ny fotoana aloha indrindra amin’ny fahazazany, mba hamboly ireo toetra ireo? Amin’ny fanarahana fomba fanaovan-javatra nosoritana efa ela izay.

11. Ahoana no nanampian’ny ray aman-dreny isiraelita ny zanany hamboly toetra araka an’Andriamanitra?

11 Tsy ela talohan’ny nidiran’ny firenen’ny Isiraely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia hoy ny nolazain’i Jehovah tamin’ireo ray aman-dreny isiraelita: “[Tsy maintsy ho ao am-ponao ireo teny izay andidiako anao anio ireo; ary tsy maintsy mandentika ireo ao amin’ny zanakao ianao, sy miresaka momba ireo, NW ], na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:6, 7). Eny, ny ray aman-dreny dia mila ny ho ohatra, ho namana, hifampiresaka amin-janany ary ho mpampianatra.

12. Nahoana no tena lehibe dia lehibe ny haha-ohatra tsara ny ray aman-dreny?

12 Aoka ianao ho ohatra. Voalohany aloha dia hoy i Jehovah: “Tsy maintsy ho ao am-ponao ireo teny (...) ireo”. Avy eo, dia nanampy teny izy hoe: “Tsy maintsy mandentika ireo ao amin’ny zanakao ianao”. Koa tsy maintsy ho ao am-pon’ilay ray (na ilay reny) àry aloha ny toetra araka an’Andriamanitra. Tsy maintsy tia ny fahamarinana ilay ray (na ilay reny) ka miaina mifanaraka amin’izy io. Amin’izay ihany izy vao afaka manohina ny fon’ilay zaza. (Ohabolana 20:7). Nahoana? Satria ny ankizy dia voataona kokoa noho izay hitany fa tsy noho izay reny. — Lioka 6:40; 1 Korintiana 11:1.

13. Eo amin’ny fanehoana fiheverana ny zanany, ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny kristiana manahaka ny ohatr’i Jesosy?

13 Aoka ianao ho namana. Hoy ny nolazain’i Jehovah tamin’ireo ray aman-dreny teo amin’ny Isiraely: ‘Miresaha amin’ny zanakao na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana.’ Izany dia mitaky fandaniana fotoana miaraka amin’ireo ankizy, na sahirana toy inona aza ireo ray aman-dreny. I Jesosy dia miharihary fa nahatsapa hoe mendrika ny hanomezany ny fotoanany ny ankizy. Nandritra ireo andro farany tamin’ny fanompoany, dia “nisy nitondra [ankizy kely, NW ] ho eo aminy mba hametrahany tànana”. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? “Nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.” (Marka 10:13, 16). Alao sary an-tsaina izany, nanao dingan-dava ireo ora farany tamin’ny androm-piainan’i Jesosy. Na dia izany aza, dia nanome ny fotoanany sy ny fiheverany an’ireo ankizy ireo izy. Fianarana tsara dia tsara re izany!

14. Nahoana no mahasoa ny handanian’ny ray aman-dreny fotoana miaraka amin’ny zanany?

14 Mifampiresaha amin-janakao. Ny fandaniana fotoana miaraka amin’ny zanakao dia hanampy anao hifampiresaka aminy. Arakaraka ny ifampiresahanao aminy, no hahitanao tsara kokoa ny fitomboan’ny toetrany. Tadidio anefa fa tsy firesahana fotsiny ny hoe fifampiresahana. “Tsy maintsy namboly ny fahaizana mihaino aho”, hoy ny reny iray any Brezila, “mihaino amin’ny foko.” Nisy vokany ny faharetany, rehefa nanomboka namboraka ny fihetseham-pony taminy ny zanany lahy.

15. Inona no ilaina hotadidina ao an-tsaina raha ny amin’ny fanarian-dia?

15 Ny ankizy dia mila ‘[fotoana, NW ] ihomehezana sy [fotoana, NW ] andihizana’, na hoe fotoana hanarian-dia. (Mpitoriteny 3:1, 4; Zakaria 8:5). Tena misy vokany tsara ny fanarian-dia rehefa miara-manao izany ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ny zava-misy mampalahelo dia hoe ao amin’ny tokantrano maro, ny hoe fanarian-dia dia midika hoe fijerena televiziona. Na dia mety hampiala voly aza ny fandaharana sasany ao amin’ny televiziona, ny maro aminy kosa dia mandrava fitsipika ara-pitondran-tena tsara, ary ny fijerena televiziona dia mirona hisakana ny fifampiresahana ao amin’ny fianakaviana. Noho izany, nahoana raha miara-mamoron-javatra amin’ireo zanakao? Mihirà, manaova kilalao, mifaneraserà amin’ny namana, mitsidiha toerana mahafinaritra. Mampirisika ny hisian’ny fifampiresahana ny fanaovan-javatra toy izany.

16. Inona no tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany momba an’i Jehovah, ary ahoana no tokony hanaovany izany?

16 Aoka ianao ho mpampianatra. “Tsy maintsy mandentika [ireo teny ireo] ao amin’ny zanakao ianao”, hoy i Jehovah. Ny teny manodidina dia milaza aminao hoe inona no hampianarina sy hoe amin’ny fomba ahoana. Voalohany aloha, dia “tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra”. (Deoteronomia 6:5). Avy eo, ‘ireo teny ireo dia tsy maintsy alentikao’. Mampità fampianarana izay mikendry ny hampitombo fitiavana an’i Jehovah sy ny lalàny amin’ny fanahy (âme) rehetra. (Ampitahao amin’ny Hebreo 8:10.) Ny teny hoe “mandentika” dia midika hoe mampianatra amin’ny alalan’ny famerimberenana. Koa i Jehovah àry, raha ny tena izy, dia milaza aminao fa ny fomba voalohany indrindra hanampiana ireo zanakao hamboly toetra araka an’Andriamanitra dia ny firesahana momba azy mandrakariva. Tafiditra amin’izany ny fiaraha-mianatra ny Baiboly tsy tapaka amin’izy ireo.

17. Inona no mety hilain’ny ray aman-dreny hampitomboina ao amin’ny zanany? Nahoana?

17 Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny dia mahafantatra fa tsy mora ny fampidirana fanazavana ao am-pon’ny zaza iray. Hoy ny nampirisihan’ny apostoly Petera mafy an’ireo Kristiana namany: “Tahaka ny zaza vao teraka dia [mampitomboa faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny, NW ]”. (1 Petera 2:2). Ny teny hoe “mampitomboa faniriana” dia toa manondro fa maro no tsy mahatsiaro hanoanana voajanahary hanina ara-panahy. Mety hila ny hitady fomba hampitomboana izany faniriana izany ao amin’ny zanany ireo ray aman-dreny.

18. Inona avy no fomba fampianatr’i Jesosy sasany ampirisihana hotahafin’ny ray aman-dreny?

18 I Jesosy dia nanohina ny fon’ny olona tamin’ny fampiasana fanoharana. (Marka 13:34; Lioka 10:29-37). Io fomba fampianarana io dia mandaitra indrindra eo amin’ny ankizy. Mampianara fotopoto-pitsipiky ny Baiboly amin’ny fampiasana tantara miloko sy mahaliana, angamba ireo hita ao amin’ny Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. * Ataovy tafiditra ao amin’izany ireo ankizy. Avelao izy ireo hampiasa ny fahaizany mamoron-javatra mba hilalaovana toy ny an-tsehatra, fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly. Nampiasa fanontaniana koa i Jesosy. (Matio 17:24-27). Tahafo io fomba nampiasainy io mandritra ny fianaram-pianakavianareo. Aza manambara fotsiny lalàn’Andriamanitra iray, fa mametraha kosa fanontaniana toy ny hoe: Nahoana i Jehovah no nanome antsika io lalàna io? Inona no hitranga, raha mankato azy io isika? Inona no hitranga raha tsy mankato azy io isika? Ny fanontaniana toy izany dia manampy ny zaza iray hanjohy hevitra sy hahita fa azo ampiharina sady tsara ireo lalàn’Andriamanitra. — Deoteronomia 10:13.

19. Raha manaraka fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny ray aman-dreny eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny zanany, tombony lehibe inona avy no ho azon’ny ankizy?

19 Raha ohatra sy namana ianao, mifampiresaka amin-janakao ary mpampianatra, dia afaka manampy ny zanakao raha vao eo amin’ireo taona voalohany indrindra amin’ny fiainany, hampitombo fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra. Io fifandraisana io dia hampirisika ny zanakao ho Kristiana sambatra. Hikely aina izy mba hiaina mifanaraka amin’ny finoany, na dia rehefa tojo faneren’ny mitovy taona aminy sy fakam-panahy aza. Ampio foana izy hankasitraka io fifandraisana sarobidy io. — Ohabolana 27:11.

TENA ILAINA DIA ILAINA NY FIFEHEZANA

20. Inona no atao hoe fifehezana, ary ahoana no tokony hampiharana azy io?

20 Ny hoe fifehezana dia fampiofanana izay manitsy ny saina sy ny fo. Mila azy io tsy an-kijanona ny ankizy. I Paoly dia manoro hevitra an’ireo ray mba ‘hitaiza ny zanany amin’ny famaizana [“lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”, NW ]’. (Efesiana 6:4). Tokony hifehy, na hanafay, amim-pitiavana ny ray aman-dreny, tsy misy hafa amin’ny ataon’i Jehovah. (Hebreo 12:4-11). Ny famaizana miorina amin’ny fitiavana dia azo ampitaina amin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra. Noho izany, dia ilazana isika mba ‘hihaino ny fifehezana’. (Ohabolana 8:33, NW ). Amin’ny fomba ahoana no tokony hanomezana ny famaizana?

21. Fotopoto-pitsipika inona avy no tokony hotadidin’ny ray aman-dreny ao an-tsaina rehefa manafay ny zanany izy ireo?

21 Mieritreritra ny ray aman-dreny sasany fa ny famaizana ny zanany dia ny firesahana aminy amin’ny teny mandrahona fotsiny, ny fibedena azy, ny fanompana azy mihitsy aza. Kanefa, momba io foto-kevitra io ihany, dia hoy ny nampitandreman’i Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo”. (Efesiana 6:4). Ny Kristiana rehetra dia ampirisihina mafy mba ho “malemy fanahy amin’ny olona rehetra, (...) mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy”. (2 Timoty 2:24, 25). Ny ray aman-dreny kristiana, na dia manaiky ny ilana ny ho hentitra aza, dia miezaka mba hitadidy ireo teny ireo ao an-tsaina rehefa manafay ireo zanany. Indraindray anefa dia tsy ampy ny fanjohian-kevitra, ary mety hilaina ny karazana sazy iray. — Ohabolana 22:15.

22. Raha mila ny hosazina ny zaza iray, inona no tsy maintsy anampiana azy ho takany?

22 Ny ankizy samy hafa dia mitaky karazam-pamaizana samy hafa. “Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana” ny sasany. Ho azy ireo, ilay sazy tsindraindray, ampiharina noho ny tsy fankatoavana, dia mety hamonjy ny ainy. (Ohabolana 17:10; 23:13, 14; 29:19). Ny zaza iray anefa, dia tokony hahatakatra hoe nahoana izy no sazina. “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena”. (Ohabolana 29:15, izahay no manao sora-mandry; Joba 6:24). Ambonin’izany, dia misy fetrany ny sazy. “Mba hanariko araka ny antonony ihany hianao”, hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany. (Jeremia 46:28b, izahay no manao sora-mandry.) Ny Baiboly dia tsy manohana velively ny fikapohana amim-pahatezerana na ny famonoana amin-kasiahana, izay mahatoro sy mandratra zaza mihitsy aza. — Ohabolana 16:32.

23. Tokony ho afaka hahita inona ny zaza iray, rehefa sazin’ny ray aman-dreniny?

23 Rehefa nampitandrina ny vahoakany i Jehovah hoe hanafay azy ireo izy, dia hoy izy aloha: “Aza matahotra hianao, (...) fa momba anao Aho”. (Jeremia 46:28a). Toy izany koa, ny famaizan’ny ray aman-dreny, na inona na inona endriny mety ka ampiasainy, dia tsy tokony hamela ny zaza iray hahatsiaro tena ho nolavina. (Kolosiana 3:21). Tokony ho tsapan’ilay zaza kosa fa faizina izy satria ‘momba azy’, miandany aminy, ilay rainy (na ilay reniny).

AROVY AMIN’NY FAHAVOAZANA NY ZANAKAO

24, 25. Inona no fandrahonana iray maharikoriko izay ilana hiarovana ny ankizy amin’izao andro izao?

24 Olon-dehibe maro manao jery todika ny fahazazany no mahita fa fotoana sambatra ilay izy. Mahatsiaro fahatsapana mafana ny ho voaro izy ireo, dia ny fahazoana antoka fa hikarakara azy ny ray aman-dreniny, na inon-kihatra na inon-kidona. Ny ray aman-dreny dia maniry ny hahatsapan’ny zanany izany koa, nefa ao amin’ny tontolo mivarilavo amin’izao andro izao, dia sarotra kokoa noho ny taloha ny fiarovana ireo ankizy.

25 Ny fandrahonana maharikoriko iray izay nitombo tato anatin’ireo taona faramparany dia ny fametavetana ankizy. Any Malaisie, dia nitombo avo efatra heny ny tatitra momba ny fametavetana ankizy tao anatin’ny folo taona. Any Alemaina, dia ankizy 300 000 eo ho eo no anaovan’ny hafa firaisana isan-taona, ary any amin’ny tany iray any Amerika Atsimo, araka ny tatitra iray, ny isa tombantombana dia mahazendana fa 9 000 000 isan-taona! Ny mampalahelo dia hoe ny ankamaroan’ireo ankizy ireo dia vetavetain’ny olona fantany sy itokiany, ao an-tranony, ihany. Tokony hanana fiarovana mafy ao amin’ny ray aman-dreniny anefa ny ankizy. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny ho mpiaro?

26. Inona avy no fomba sasany azo iarovana ny ankizy, ary ahoana no ahafahan’ny fahalalana miaro ny zaza iray?

26 Koa satria ny fanandraman-javatra mampiseho fa ny ankizy tsy mahafantatra firy momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy no tena mora voan’ny mpametaveta ankizy, ny dingana fisorohana lehibe dia ny fampianarana an’ilay zaza, na dia mbola kely aza izy. Ny fahalalana dia afaka manome fiarovana “amin’ny làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka”. (Ohabolana 2:10-12). Fahalalana inona? Fahalalana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, fahalalana izay tsara sy ratsy ara-pitondran-tena. Ny fahalalana koa hoe manao zavatra ratsy ny olon-dehibe sasany ary koa hoe tsy voatery hankato ny ankizy iray rehefa misy olona manipy hevitra ny hanaovana zavatra tsy mety. (Ampitahao amin’ny Daniela 1:4, 8; 3:16-18.) Aza ferana ho indray mandeha monja ny fampianarana toy izany. Mila ny hamerimberenana ny lesona iray ny ankamaroan’ny ankizy kely alohan’ny hitadidiany azy tsara. Rehefa mitombo kely kokoa ireo ankizy, ny ray dia hanaja amim-pitiavana ny zon’ny zanany vavy hitoetra ho irery, ary toy izany koa ny reny amin’ny an’ny zanany lahy — ka amin’izany dia hanamafy ny fananan’ilay zaza fahatsapana ny amin’izay tsara. Ary mazava ho azy fa ny iray amin’ireo fiarovana tsara indrindra amin’ny firaisana dia ny fanaraha-maso akaiky ataonareo ray aman-dreny.

MITADIAVA NY TARI-DALAN’ANDRIAMANITRA

27, 28. Iza no Loharanom-panampiana lehibe indrindra ho an’ny ray aman-dreny, rehefa tojo ilay zava-tsarotra ny amin’ny fitaizana zanaka izy ireo?

27 Tena marina fa zava-tsarotra ny fampiofanana ny zaza iray manomboka eo amin’ny maha-zazakely azy, nefa ny ray aman-dreny mpino dia tsy voatery hiatrika irery izany zava-tsarotra izany. Tamin’ny andron’ireo Mpitsara, fony nanjary fantatry ny lehilahy iray nantsoina hoe Manoa, fa ho tonga ray izy, dia nangataka tari-dalana momba ny fitaizana ny zanany tamin’i Jehovah izy. Namaly ireo vavaka nataony i Jehovah. — Mpitsara 13:8, 12, 24.

28 Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, eo am-pitaizan’ny ray aman-dreny mpino, an’ireo zanany, dia afaka miresaka amim-bavaka amin’i Jehovah koa izy ireo. Asa mafy izany hoe ray, na reny, izany, nefa misy valisoa lehibe. Hoy ny mpivady kristiana iray any Hawaii: “Roa ambin’ny folo taona no anananao mba hamitana ilay asa alohan’ny hahatongavan’ireo taona sarotra maha-zatovo ny zanakao. Raha niezaka mafy anefa ianao mba hampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia tonga ny fotoana hijinjana fifaliana sy fiadanana rehefa manapa-kevitra izy ireo fa maniry hanompo an’i Jehovah avy amin’ny fony.” (Ohabolana 23:15, 16). Rehefa manao izany fanapahan-kevitra izany ny zanakao, ianao koa dia ho voatosika hihiaka hoe: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka”.

^ feh. 18 Natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.