Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHATELO AMBIN’NY FOLO

Raha Madiva ho Rava ny Fanambadiana

Raha Madiva ho Rava ny Fanambadiana

1, 2. Rehefa ao anatin’ny fihenjanana ny fanambadiana iray, fanontaniana inona moa no tokony hapetraka?

TAMIN’NY 1988, dia ketraka mafy ny vehivavy italiana iray antsoina hoe Lucia. * Rehefa afaka folo taona, dia nifarana ny fanambadiany. Imbetsaka izy no nanandrana hihavana indray tamin’ny vadiny, nefa tsy nety tsotra izao ilay izy. Koa nisara-toerana àry izy, noho ny tsy fifanarahan’ny toetra, ka izao dia voatery hitaiza irery zanakavavy roa. Manao jery todika ny tamin’izany fotoana izany i Lucia, ka mahatsiaro hoe: “Natoky aho fa tsy nisy na inona na inona afaka nanavotra ny fanambadianay.”

2 Raha manan-java-manahirana ara-panambadiana ianao, dia mety ho afaka hahatakatra izay tsapan’i Lucia. Mety handia zava-manahirana ny fanambadianao ary mety hanontany tena ianao raha mbola ho azo avotana izy io. Raha izany no izy, dia ho hitanao fa hanampy ny handinika izao fanontaniana izao: Moa ve aho nanaraka ireo torohevitra tsara rehetra nomen’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly mba hanampiana ny fanambadiana ho vanona? — Salamo 119:105.

3. Na dia nanjary be mpitia aza ny fisaraham-panambadiana, fihetsika inona teo amin’ny olona nisara-panambadiana maro sy ny fianakaviany, no nanaovana tatitra?

3 Rehefa mafy ny fihenjanana eo amin’ny mpivady, ny famaranana ilay fanambadiana no mety ho toa ny lalana harahina mora indrindra. Na dia mahazendana aza anefa ny fitomboan’ny isan’ny fianakaviana rava any amin’ny tany maro, ny famotopotorana natao vao haingana dia manondro fa ny ampahany lehibe amin’ireo lehilahy sy vehivavy nisara-panambadiana dia manenina noho ilay faharavana. Ny maromaro amin’izy ireo dia voan’ny aretina, ara-batana sy ara-tsaina, matetika kokoa noho ireo izay tsy miala amin’ny fanambadiany. Ny fisafotofotoana sy ny tsy fahasambarana tsapan’ireo zanaky ny ray aman-dreny nisara-panambadiana dia matetika no maharitra aman-taonany. Ny ray aman-dreny sy ny naman’ilay fianakaviana rava koa dia mijaly. Ary ahoana ny amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fanambadiana, momba ilay tarehin-javatra?

4. Ahoana no tokony handaminana ireo zava-manahirana ao amin’ny fanambadiana?

4 Araka ny nomarihina tao amin’ireo toko teo aloha, ny fikasan’Andriamanitra dia hoe tokony ho fatorana haharitra mandritra ny androm-piainana rehetra ny fanambadiana. (Genesisy 2:24). Nahoana àry no fanambadiana maro be aoka izany no rava? Mety tsy hitranga ao anatin’ny indray andro ilay izy. Mazàna no misy famantarana fampitandremana. Ireo zava-manahirana madinika ao amin’ny fanambadiana dia afaka mihalehibe hatrany ka manjary ho toa tsy azo resena. Raha alamina haingana noho ny fanampian’ny Baiboly anefa ireny zava-manahirana ireny, dia faharavan’ny fanambadiana maro no ho azo sorohina.

MIJERE ZAVATRA ARAKA NY TENA IZY

5. Tarehin-javatra araka ny tena izy inona no tokony hatrehina ao amin’ny fanambadiana rehetra?

5 Ny foto-javatra iray izay mitarika ho amin’ny zava-manahirana indraindray dia ny fanampoizan-javatra tsy araka ny tena izy, mety ho avy amin’ny vady iray na avy amin’izy roa. Ireo tantaram-pitiavana, gazetiboky be mpitia, fandaharana amin’ny televiziona ary sarimihetsika dia afaka miteraka fanantenana sy nofinofy izay hafa lavitra noho ny tena fiainana. Rehefa tsy tanteraka ireny nofinofy ireny, dia afaka ny hahatsiaro ho nambakaina, ho tsy afa-po, ho sosotra mafy mihitsy aza, ny olona iray. Ahoana anefa no ahafahan’ny olona tsy tanteraka roa mahita fahasambarana ao amin’ny fanambadiana? Mitaky ezaka ny hahatongavana amin’ny fifandraisana vanona.

6. a) Fomba fihevitra voalanjalanja inona momba ny fanambadiana no omen’ny Baiboly? b) Inona avy no antony sasany mahatonga tsy fitovian-kevitra ao amin’ny fanambadiana?

6 Azo ampiharina ny Baiboly. Manaiky ny fisian’ny fifaliana ao amin’ny fanambadiana izy, nefa mampitandrina koa fa ireo izay manambady dia “hanam-pahoriana amin’ny nofo”. (1 Korintiana 7:28). Araka ny efa nomarihina, ny mpivady dia samy tsy tanteraka ary mirona mora foana hanota. Samy hafa ny maha-izy azy avy ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary koa ny fitaizana azy avy. Ireo mpivady indraindray dia tsy mitovy hevitra eo amin’ny vola sy ny zanaka ary ny havam-bady. Ny tsy fahampian’ny fotoana hanaovan-javatra miaraka sy ny zava-manahirana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy koa dia afaka ny ho loharanom-pifandonana. * Mitaky fotoana ny fandaminana ireo raharaha ireo, nefa mahereza! Ny ankamaroan’ireo mpivady dia afaka miatrika ny zava-manahirana toy izany sy mahita vahaolana azon’ny andaniny roa ekena.

RESAHO IREO TSY FITOVIAN-KEVITRA

7, 8. Raha misy fanafintohinana na tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ny mpivady, inona no fomba araka ny Soratra Masina handaminana azy ireny?

7 Olona maro no mahita fa sarotra ny mitoetra ho tony rehefa miresaka momba ny fanafintohinana, ny tsy fifankahazoan-kevitra, na ny fahalemen’ny tenany. Ny vady iray dia mety tsy hilaza mivantana hoe: “Toa tsy azo izany hevitro izany”, fa mety hihetsi-po kosa ka hanitatra ilay zava-manahirana. Maro no hilaza hoe: “Ny tenanao ihany no hitanao”, na hoe: “Tsy tia ahy ianao.” Tsy te hifamaly ny ankilany ka mety handa tsy hamaly.

8 Ny lalana iray tsara kokoa tokony harahina dia ny fitandremana ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26). Ny mpivady iray sambatra am-panambadiana, tamin’ny faha-60 taona nitsingerenan’ny fampakaram-badiny, dia nanontaniana ny tsiambaratelon’ny fanambadiany vanona. Hoy ilay lehilahy: “Nianatra ny tsy handeha hatory raha tsy efa nandamina ireo tsy fitovian-kevitray izahay, na dia nety ho madinika toy inona aza izy ireny.”

9. a) Inona no ampahafantarina ao amin’ny Soratra Masina ho tapany lehibe dia lehibe amin’ny fifampiresahana? b) Inona no ilain’ny mpivady hatao matetika, na dia mitaky herim-po sy fanetren-tena aza ilay izy?

9 Rehefa tsy mitovy hevitra ny mpivady, ny tsirairay aminy dia mila ny ‘halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra’. (Jakoba 1:19). Rehefa avy nihaino tamim-pitandremana izy roa, dia mety hahita fa ilainy ny hiala tsiny. (Jakoba 5:16). Mitaky fanetren-tena sy herim-po ny filazana amim-pahatsoram-po hoe: “Miala tsiny aho fa nanafintohina anao.” Ny fiatrehana ireo tsy fitovian-kevitra amin’izany fomba izany anefa dia tena hahomby mba hanampiana ny mpivady, tsy handamina ireo zava-manahirana azy ihany, fa hamboly hafanana sy fifandraisana akaiky izay hahatonga azy ireo samy hahita fahafinaretana kokoa avy amin’ny fiarahana amin’ny ankilany.

FANEFANA NY ADIDY AMIM-BADY

10. Fiarovana inona nanoroan’i Paoly hevitra an’ireo Kristiana korintiana no mety hihatra amin’ny Kristiana amin’izao andro izao?

10 Rehefa nanoratra ho an’ireo Korintiana ny apostoly Paoly, dia nanoro hevitra ny hanambadiana ‘noho ny fihanaky ny fijangajangana’. (1 Korintiana 7:2, NW ). Ny tontolo amin’izao andro izao dia ratsy toa an’i Korinto fahizay, raha tsy ratsy kokoa aza. Ireo foto-kevitra maloto izay resahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao tsy an-kifonofono, sy ny fomba fiakanjony tsy maotona ary ny tantara feno filan’ny nofo asongadina ao amin’ireo gazetiboky sy boky, sy ao amin’ny televiziona ary ao amin’ireo sarimihetsika, dia samy mikambana mba hanaitaitra ny filana andrarana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Tamin’ireo Korintiana niaina tao anatin’ny rivo-piainana toy izany, dia hoy ny apostoly Paoly: “Tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.” — 1 Korintiana 7:9.

11, 12. a) Adidy inona no ananan’ny mpivady amin’izy samy izy, ary amin’ny toe-tsaina manao ahoana no tokony hanefany azy io? b) Ahoana no tokony hitondrana ny tarehin-javatra, raha voatery haato vetivety ny adidy amim-bady?

11 Noho izany, ny Baiboly dia mandidy ny Kristiana manambady toy izao: “Aoka ny lahy [hanefa ny adidy amim-badiny, NW ]; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy.” (1 Korintiana 7:3). Mariho fa ny antitranterina dia ny fanomezana — fa tsy ny fitakiana. Ny fifandraisana akaiky ara-batana ao amin’ny fanambadiana dia tsy tena mahafa-po marina afa-tsy rehefa miahy ny amin’izay hahasoa ny ankilany ny tsirairay. Ohatra, ny Baiboly dia mandidy ny lehilahy hifampiraharaha amin’ny vadiny “araka ny fahalalana”. (1 Petera 3:7, NW ). Marina indrindra izany raha ny amin’ny fanomezana sy ny fandraisana mifandray amin’ny adidy amim-bady. Raha tsy entina amim-panehoam-pitiavana ny vehivavy, dia ho sarotra aminy ny hankafy an’io lafiny amin’ny fanambadiana io.

12 Misy fotoana mety hahavoatery ny mpivady tsy hifanefa ny adidy amim-badiny. Mety ho marina ny amin-dravehivavy izany, amin’ny fotoana sasany amin’ny volana, na rehefa mahatsiaro ho tena vizana izy. (Ampitahao amin’ny Levitikosy 18:19.) Mety ho marina ny amin-dralehilahy izany, rehefa miatrika zava-manahirana lehibe any am-piasana izy ka mahatsiaro ho reraka ara-pihetseham-po. Ny toe-javatra toy izany, ampiatoana vetivety ny fanefana ny adidy amim-bady, dia hoentina amin’ny fomba tsara indrindra raha mifampiresaka tsy an-kifonofono momba ilay tarehin-javatra ny mpivady, ka ‘mifanaiky’. (1 Korintiana 7:5). Izany dia hisakana na iza na iza amin’ny mpivady tsy ho tonga dia hanatsoaka hevi-diso. Raha toa anefa ka minia tsy manefa ny adidy amim-badiny ny vehivavy iray, na raha minia tsy manefa amim-pitiavana ny adidy amim-badiny ny lehilahy iray, dia mety ho mora voan’ny fakam-panahy ny ankilany. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia mety hipoitra ny zava-manahirana ao amin’ny fanambadiana.

13. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana miezaka mba hihazonana ny fisainany ho madio?

13 Toy ny Kristiana rehetra, ny mpanompon’Andriamanitra manambady dia tsy maintsy manalavitra ny sary porno, izay afaka miteraka faniriana maloto sy tsy araka ny natiora. (Kolosiana 3:5). Tsy maintsy mitandrina ny eritreriny sy ny zavatra ataony koa izy ireo, rehefa mifampiraharaha amin’olona rehetra izay tsy lahy na tsy vavy tahaka azy. Hoy ny nampitandreman’i Jesosy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy mba hahatsapa fahamaimaizana aminy dia efa nanitsakitsa-bady tam-pony sahady.” (Matio 5:28, NW ). Amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ireo mpivady dia tokony ho afaka ny tsy ho latsaka ao amin’ny fakam-panahy ka hanitsakitsa-bady. Izy ireo dia afaka manohy mankafy fifandraisana akaiky maharavoravo ao amin’ny fanambadiana, izay iheverana ny firaisana ho fanomezana sarobidy sady madio avy amin’ilay Loharanon’ny fanambadiana, i Jehovah. — Ohabolana 5:15-19.

IREO FOTOTRA ARA-BAIBOLY HISARAHAM-PANAMBADIANA

14. Tarehin-javatra mampalahelo inona indraindray no miseho? Nahoana?

14 Soa ihany, ao amin’ny ankamaroan’ny fanambadiana kristiana, fa azo atrehina izay zava-manahirana mipoitra rehetra. Indraindray anefa, dia tsy izany no izy. Noho ny olombelona tsy tanteraka sy miaina ao amin’ny tontolo mpanota eo ambanin’ny fifehezan’i Satana, dia tonga hatramin’ny fetezany ho rava ny fanambadiana sasany. (1 Jaona 5:19). Ahoana no tokony hiatrehan’ny Kristiana ny tarehin-javatra misedra toy izany?

15. a) Inona no hany fototra araka ny Soratra Masina ho an’ny fisaraham-panambadiana misy fahafahana hanambady indray? b) Nahoana ny olona sasany no nanapa-kevitra ny tsy hisara-panambadiana tamin’ny vadiny tsy nahatoky?

15 Araka ny voalaza tao amin’ny Toko Faha-2 amin’itỳ boky itỳ, dia ny fijangajangana no hany fototra araka ny Soratra Masina ho an’ny fisaraham-panambadiana misy fahafahana hanambady indray. * (Matio 19:9). Raha manana porofo voafaritra tsara ny amin’ny tsy fahatokian’ny vadinao ianao, dia miatrika fanapahan-kevitra sarotra iray. Moa ve ianao hanohy hijanona ao amin’ilay fanambadiana sa hangataka fisaraham-panambadiana? Tsy misy fitsipika. Ny Kristiana sasany dia namela heloka tanteraka ny vadiny izay nibebaka marina, ary nanjary nandeha tsara ilay fanambadiana voaro. Ny hafa kosa nanapa-kevitra ny tsy hisara-panambadiana noho ireo ankizy.

16. a) Inona avy no anton-javatra sasany izay nanosika ny olona sasany hisara-panambadiana tamin’ny vadiny nania? b) Rehefa manapa-kevitra ny hisara-panambadiana na tsy hisara-panambadiana ny vady tsy manan-tsiny iray, nahoana no tsy tokony hisy hanakiana ny fanapahan-keviny?

16 Etsy an-danin’izany, ilay fahotana natao dia mety hitarika ho amin’ny fananana anaka na ho amin’ny fahazoana aretina mifindra avy amin’ny firaisana. Na angamba ireo ankizy dia mila ny harovana amin’ny rainy (na ny reniny) mametaveta azy. Mazava fa misy zavatra be dia be hodinihina alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Raha manjary fantatrao anefa fa tsy nahatoky taminao ny vadinao, nefa aorian’izany dia manana firaisana aminy indray ianao, dia asehonao araka izany fa namela ny heloky ny vadinao ianao ary maniry hanohy hijanona ao amin’ilay fanambadiana. Tsy eo intsony ny fototra ho an’ny fisaraham-panambadiana misy fahafahana araka ny Soratra Masina hanambady indray. Tsy tokony hisy hitsabaka amin’ny raharahanao ka hitady hanan-kery eo amin’ny fanapahan-kevitrao, no sady tsy tokony hisy na iza na iza hanakiana ny fanapahan-kevitrao, rehefa avy nandray azy io ianao. Ianao no ho voatery hiara-miaina amin’ireo vokatr’izay notapahinao. “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” — Galatiana 6:5.

FOTOTRA HO AN’NY FISARAHAN-TOERANA

17. Raha tsy misy fijangajangana, fameperana inona avy no apetraky ny Soratra Masina eo amin’ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana?

17 Moa ve misy tarehin-javatra azo anamarinana ny fisarahan-toerana amin’ny vadin’ny tena na ny fisaraham-panambadiana aminy angamba, na dia tsy nanao fijangajangana aza izy? Eny, nefa amin’ny toe-javatra toy izany, ny Kristiana iray dia tsy manana fahalalahana hiaraka amin’ny olon-kafa iray amin’ny fikendrena ny hanambady azy. (Matio 5:32). Ny Baiboly, na dia manome lalana ny fisarahan-toerana toy izany aza, dia manoritra fa ilay miala dia tokony “hitoetra tsy manam-bady, na (...) hody”. (1 Korintiana 7:11). Inona avy no tarehin-javatra tafahoatra sasany izay mahatonga ny fisarahan-toerana ho toa maneho fahendrena?

18, 19. Inona avy no tarehin-javatra tafahoatra sasany izay mety hitarika ny olona iray handanjalanja ny maha-fahendrena ny fisarahan-toerana araka ny lalàna na ny fisaraham-panambadiana, na dia tsy misy fahafahana hanambady indray aza?

18 Mety ho tonga mahantra ilay fianakaviana noho ny hakamoana mibaribarin-dralehilahy na ny fahazaran-dratsiny. * Mety hahalany ritra ny fidiram-bolan’ny fianakaviana amin’ny filokana izy, na hampiasa azy io mba hanohanana ny fahandevozany amin’ny zava-mahadomelina na ny alkaola. Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Raha tsy mety manova ny lalany ny lehilahy toy izany, ka angamba manohana ara-bola ny faharatsiam-pitondran-tenany amin’ny fakana ny karaman’ny vadiny, dia azon-dravehivavy atao ny mifidy ny hiaro izay hahasoa ny tenany sy ny zanany, amin’ny fangatahana fisarahan-toerana araka ny lalàna.

19 Ny fanaovan-javatra araka ny lalàna toy izany dia azo heverina koa, raha mahery setra tafahoatra amin’ny vadiny ny olona iray, ka angamba mamono azy miverimberina, hany ka tandindomin-doza ny fahasalamany, ary na dia ny ainy mihitsy aza. Fanampin’izany, raha mitady hanery tsy an-kijanona ny vadiny handika ireo didin’Andriamanitra amin’ny fomba iray na hafa ny olona iray, dia azon’ilay iharan’ny fandrahonana atao koa ny mihevitra ny hisara-toerana, indrindra fa raha manjary tandindomin-doza ny fiainany ara-panahy. Mety hanatsoaka hevitra ilay vady tandindomin-doza hoe ny hany fomba ‘[hankatoavana an’Andriamanitra ho mpanapaka, NW ] mihoatra noho ny olona’ dia ny fangatahana fisarahan-toerana araka ny lalàna. — Asan’ny Apostoly 5:29.

20. a) Raha ny amin’ny faharavan’ny fianakaviana iray, inona no azon’ny namana matotra sy ny loholona atolotra, ary inona no tsy tokony hatolony? b) Ireo olona manambady dia tsy tokony hampiasa ireo fanisian’ny Baiboly firesahana momba ny fisarahan-toerana sy ny fisaraham-panambadiana ho toy ny fialan-tsiny ho amin’inona?

20 Amin’ny toe-javatra rehetra itondran’ny olona iray ny vadiny amin’ny fomba ratsy tafahoatra, dia tsy tokony hisy na iza na iza hanery an’ilay vady tsy manan-tsiny, na hisara-toerana na hiara-mitoetra amin’ny vadiny. Na dia mety hanolotra ny fanohanany sy torohevitra miorina amin’ny Baiboly aza ny namana matotra sy ny loholona, izy ireo kosa dia tsy afaka mahalala ny tsipiriany rehetra amin’izay mitranga eo amin’ny mpivady. I Jehovah irery no mahita izany. Mazava ho azy fa tsy hanaja ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana ny vehivavy kristiana, raha mampiasa fialan-tsiny tsy dia manao ahoana mba hialana amin’ny fanambadiany. Raha tsy mety mitsahatra anefa ny tarehin-javatra mampidi-doza tafahoatra iray, dia tsy tokony hisy hanakiana azy, raha mifidy ny hisara-toerana izy. Ireo zavatra ireo ihany koa dia azo lazaina mikasika ny lehilahy kristiana izay mitady hisara-toerana amin’ny vadiny. “Samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.” — Romana 14:10.

NY FOMBA NANAVOTANA FANAMBADIANA RAVA IRAY

21. Fanandraman-javatra inona no mampiseho fa mandaitra ny torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana?

21 Rehefa avy nisara-toerana telo volana tamin’ny vadiny i Lucia, notononina tetsy aloha, dia nifanena tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’izy ireo. “Gaga be aho”, hoy izy manazava, “satria ny Baiboly dia nanome valiny azo nampiharina ho an’ilay zava-nanahirana ahy. Rehefa avy nianatra herinandro monja aho, avy hatrany dia naniry hihavana indray tamin’ny vadiko. Ankehitriny aho dia afaka milaza fa hain’i Jehovah ny fomba hanavotana fanambadiana mandia fotoan-tsarotra, satria ireo fampianarany dia manampy ny mpivady hianatra ny hifaneho fiheverana. Tsy marina ny filazan’ny sasany hoe mampisara-bazana ny fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamiko, dia ny nifanohitra tamin’izany indrindra no marina.” Nianatra ny hampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly teo amin’ny fiainany i Lucia.

22. Tokony hanana fatokiana ny inona ny mpivady rehetra?

22 Tsy maningana akory i Lucia. Ny fanambadiana dia tokony ho fitahiana, fa tsy enta-mavesatra. Mba hahatongavana amin’izany, i Jehovah dia nanome ny loharanon-torohevitra ara-panambadiana tsara indrindra nosoratana hatramin’izay — ny Teniny sarobidy. Ny Baiboly dia afaka “mahahendry ny [tsy ampy fanandraman-javatra, NW ]”. (Salamo 19:7-11). Efa nanavotra fanambadiana maro izay nadiva ho rava izy io, ary efa nanatsara ny fanambadiana maro hafa izay nahita zava-nanahirana lehibe. Enga anie ny mpivady rehetra ka hanana fatokiana feno ny torohevitra ara-panambadiana omen’i Jehovah Andriamanitra. Tena mandaitra izy io!

^ feh. 1 Novana ny anarany.

^ feh. 6 Ny sasany amin’ireo dia noresahina tao amin’ny toko teo aloha.

^ feh. 15 Tafiditra ao amin’ilay voambolana ara-baiboly nadika hoe “fijangajangana” ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, ny firaisana amin’ny biby ary ny zavatra andrarana iniana atao hafa izay mahafaoka ny fampiasana ny filahiana na ny fivaviana.

^ feh. 18 Tsy tafiditra amin’izany ny tarehin-javatra izay tsy ahafahan’ny lehilahy iray tsara fikasa, mamelona ny fianakaviany noho ny antony tsy azony anoarana, toy ny aretina na ny tsy fisian’ny asa.