Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miatrika Fitsarana ny Bokin’i Daniela

Miatrika Fitsarana ny Bokin’i Daniela

Toko Faharoa

Miatrika Fitsarana ny Bokin’i Daniela

1, 2. Amin’ny heviny ahoana no hoe nisy niampanga ny bokin’i Daniela, ary nahoana, araka ny hevitrao, no zava-dehibe ny handinihana ny porofo aroson’ny fiarovana?

ALAO sary an-tsaina ny tenanao ao amin’ny fitsarana, manatrika raharaham-pitsarana lehibe iray. Voampanga ho nanao hosoka ny lehilahy iray. Manizingizina ny mpampanoa lalàna hoe meloka izy. Kanefa malaza ho olo-marina efa hatramin’ny ela ilay voampanga. Tsy hahaliana anao ve ny hihaino ny porofo haroson’ny fiarovana?

2 Toe-javatra mitovy amin’izany no misy anao raha ny amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly. Malaza ho olo-marina ny mpanoratra azy. Nohajaina fatratra hatramin’ny an’arivony taona maro ilay boky mitondra ny anarany. Tantara azo itokiana io boky io, izay nosoratan’i Daniela, mpaminany hebreo niaina tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina al.f.i. Ny fandaharan-taona ara-baiboly marina dia mampiseho fa mahafaoka ny fe-potoana nanomboka tokony ho tamin’ny 618 ka hatramin’ny 536 al.f.i. ny bokiny, ary vita tamin’io daty farany io. Nisy niampanga anefa io boky io. Toa te hilaza na manambara tsotra izao mihitsy aza ny rakipahalalana sasany sy ny asa soratra hafa fa hosoka izy io.

3. Inona no nolazain’ny The New Encyclopædia Britannica momba ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela?

3 Ny The New Encyclopædia Britannica, ohatra, dia miaiky fa taloha, ny bokin’i Daniela dia “noraisin’ny besinimaro ho tantara marina, nirakitra faminaniana marina”. Ny Britannica kosa dia milaza fa raha ny tena izy, ny bokin’i Daniela dia “nosoratana tatỳ aoriana, tamin’ny fotoan-tsarotra iray teo amin’ny firenena — fony nenjehina mafy ny Jiosy teo ambany fanapahan’i Antiochus IV Épiphane [Mpanjakan’i Syria]”. Milaza io rakipahalalana io fa vita teo anelanelan’ny taona 167 sy ny taona 164 al.f.i. ilay boky. Manambara koa io boky io fa tsy maminany momba ny hoavy akory ny mpanoratra ny bokin’i Daniela, fa mampiseho fotsiny, hono, “fisehoan-javatra efa nitranga talohany ho toy ny faminaniana ny amin’ny zavatra hitranga amin’ny hoavy”.

4. Oviana no nanomboka ny fanaovana tsikera ny bokin’i Daniela, ary inona no namelona izany tato anatin’ireo taonjato faramparany?

4 Avy aiza no niavian’ny hevitra toy izany? Tsy zava-baovao akory ny fanakianana ny bokin’i Daniela, fa efa nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo am.f.i. Ilay filôzôfa natao hoe Porphyre no voalohany nanao izany. Toy ny maro hafa tao amin’ny Empira Romanina, dia natahotra noho ny fitaoman’ny Kristianisma izy. Nanoratra boky 15 izy mba hampihen-danja an’io fivavahana “vaovao” io. Ilay boky faha-12 dia namely ny bokin’i Daniela. Nolazain’i Porphyre ho asa sandoka, nosoratan’ny Jiosy iray tamin’ny taonjato faharoa al.f.i., io boky io. Nisy famelezana nitovy tamin’izany tamin’ny taonjato faha-18 sy faha-19. Araka ny hevitr’ireo mpanao tsikera ambony sy ireo mpitady fanazavana azon’ny saina ekena, dia tsy misy izany hoe faminaniana, na filazana mialoha izay hitranga amin’ny hoavy, izany. I Daniela no nanjary lasibatra nety indrindra. Toy ny hoe nentina hiatrika fitsarana mihitsy izy sy ny bokiny. Milaza ho manana porofo tondraka ireo mpanao tsikera hoe tsy i Daniela no nanoratra ilay boky fony tany an-tsesitany tany Babylona ny Jiosy, fa olon-kafa, taonjato maro tatỳ aoriana. * Nanjary be dia be aoka izany ny famelezana toy izany, hany ka nanoratra boky ho fiarovana azy io, nantsoiny hoe Daniela ao An-davaky ny Mpanao Tsikera (anglisy), ny mpanoratra iray.

5. Nahoana no zava-dehibe ny fanontaniana momba ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela?

5 Misy porofo ve manamarina ireo fanambarana feno tokin’ny mpanao tsikera ireo? Sa manohana ny hevitra aroson’ny fiarovana kosa ny porofo misy? Zava-dehibe no voakasik’izany. Tsy ny lazan’io boky tranainy io ihany no voakasika, fa ny hoavintsika koa. Raha hosoka ny bokin’i Daniela, dia poakaty tsotra izao ireo teny fampanantenana momba ny hoavin’ny olombelona ao anatiny. Fa raha faminaniana marina kosa no raketiny, dia azo antoka fa ho may ianao hahafantatra izay heviny ho antsika amin’izao andro izao. Hitadidy izany ao an-tsaina isika, rehefa handinika ny sasany amin’ireo famelezana ny bokin’i Daniela.

6. Fiampangana inona indraindray no atao momba ny tantara ao amin’ny bokin’i Daniela?

6 Raiso, ohatra, ilay fiampangana hita ao amin’ny The Encyclopedia Americana manao hoe: “Tsipiriany ara-tantara maro momba ireo fe-potoana tany am-boalohany [toy ny tamin’ny sesitany tany Babylona] no naolana izaitsizy” ao amin’ny bokin’i Daniela. Tena izany tokoa ve no izy? Andeha isika handinika, tsirairay, ny telo amin’ireo lazaina fa fahadisoana ao.

NY AMIN’ILAY MPANJAKA TSY FANTATRA

7. a) Nahoana ireo firesahan’i Daniela momba an’i Belsazara no nahafaly an’ireo mpanao tsikera ny Baiboly nandritra ny ela be? b) Inona no niafaran’ilay hevitra hoe olona toy ny ao amin’ny tantara foronina fotsiny i Belsazara?

7 Nanoratra i Daniela fa i Belsazara, ‘zanak’i’ Nebokadnezara, no mpanjaka nanapaka tao Babylona tamin’ny fotoana nanonganana an’io tanàna io. (Daniela 5:1, 11, 18, 22, 30). Nandritra ny ela be, dia may erỳ ireo mpanao tsikera hampiasa io fanambarana io, satria tsy hita na taiza na taiza, ivelan’ny Baiboly, ny anaran’i Belsazara. I Nabonida, mpandimby an’i Nebokadnezara, kosa no nolazain’ny mpahay tantara fahiny ho ny mpanjaka babylonianina farany. Noho izany, tamin’ny 1850, dia nilaza i Ferdinand Hitzig fa tsy maintsy ho noforonin’ny sain’ilay mpanoratra fotsiny i Belsazara. Tsy hitanao ho somary maika loatra anefa ve i Hitzig nilaza izany heviny izany? Rehefa dinihina tokoa, moa ve ny tsy fanisiana teny momba an’io mpanjaka io — indrindra fa tamin’ny fe-potoana tsy nananana firaketana an-tsoratra ara-tantara firy — tena manaporofo fa tsy nisy izy? Na ahoana na ahoana, tamin’ny 1854, dia nisy varingarina tanimanga kely nofongarina tao amin’ireo sisan-javatr’i Ora, tanàna babylonianina fahiny tany amin’ny misy ny faritra atsimon’i Irak ankehitriny. Nirakitra vavaka iray nataon’i Nabonida Mpanjaka ho an’i “Bel-sar-ussur, zanako lahimatoa”, ireo soratra cunéiformes ireo. Na dia ireo mpanao tsikera aza dia voatery nanaiky fa ilay Belsazaran’ny bokin’i Daniela io.

8. Ahoana no nahitana fa marina ny filazan’i Daniela an’i Belsazara ho mpanjaka tena nanapaka?

8 Na izany aza, dia tsy afa-po ireo mpanao tsikera. “Tsy manaporofo na inona na inona izany”, hoy ny nosoratan’ny mpanao tsikera iray nantsoina hoe H. F. Talbot. Nilaza izy fa mety ho ankizy kely ilay zanaka voatonona tao amin’ilay soratra, nefa mpanjaka tena nanapaka no resahin’i Daniela. Herintaona monja taorian’ny namoahana ireo tenin’i Talbot ireo anefa, dia nisy takelaka cunéiformes hafa koa nofongarina, izay niresaka an’i Belsazara ho nanana mpitan-tsoratra sy mpiasa an-trano. Izany ve dia ankizy? Farany, dia nisy takelaka hafa hita ka namarana ilay adihevitra, satria nahitana filazana fa naharitra taona maro ireo fialan’i Nabonida tao Babylona. Nasehon’ireo takelaka ireo koa fa nandritra ireny fe-potoana ireny, dia ‘nanankina ny fanjakana’ tao Babylona tamin’ny zanany lahimatoa (Belsazara) izy. Tamin’ireny fotoana ireny, raha ny marina, dia mpanjaka i Belsazara — niara-nanjaka tamin-drainy. *

9. a) Inona no mety ho tian’i Daniela holazaina tamin’ny filazana fa zanak’i Nebokadnezara i Belsazara? b) Nahoana no diso hevitra ireo mpanao tsikera rehefa milaza fa tsy ahitana hevitra momba ny fisian’i Nabonida akory ao amin’ny Daniela?

9 Mbola tsy afa-po ihany ny mpanao tsikera sasany, ka mitaraina hoe tsy miantso an’i Belsazara ho zanak’i Nabonida ny Baiboly, fa zanak’i Nebokadnezara. Misy manizingizina fa tsy manisy teny momba ny fisian’i Nabonida akory i Daniela. Samy mirodana avokoa anefa ireo fanoherana roa ireo, rehefa dinihina tsara. Toa nanambady ny zanakavavin’i Nebokadnezara i Nabonida. Raha izany no izy, dia zafikelin’i Nebokadnezara i Belsazara. Na ny teny hebreo na ny teny aramianina dia samy tsy manana voambolana ilazana ny hoe “raibe” na ny hoe “zafikely”; ny hoe “zanak’i” dia azo raisina ho “zafikelin’i” na ho “taranak’i” mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny Matio 1:1.) Ankoatra izany, ny fitantarana ao amin’ny Baiboly dia mamela antsika hilaza fa zanak’i Nabonida i Belsazara. Rehefa raiki-tahotra noho ilay soratra nanambara loza teo amin’ny rindrina i Belsazara, dia may mafy ny hahazo ny heviny, ka nanolotra ny toerana fahatelo tao amin’ny fanjakana ho an’izay hahavaky ilay soratra. (Daniela 5:7, New World Translation of the Holy Scriptures). Nahoana no fahatelo, fa tsy faharoa? Io fanolorana nataony io dia manondro fa efa nisy tompony ny toerana voalohany sy faharoa. Ary tena izany tokoa no izy — i Nabonida sy i Belsazara, zanany, no tompon’ireo.

10. Nahoana ny fitantaran’i Daniela momba ny fanjakan’i Babylona no misy tsipiriany kokoa noho ny an’ireo mpahay tantara fahiny hafa?

10 Koa ny fanisian’i Daniela teny momba an’i Belsazara àry dia tsy manaporofo fa tantara “naolana izaitsizy” no nosoratany. Mifanohitra amin’izany aza fa filazana misy tsipiriany kokoa momba ny fanjakana babylonianina noho ny an’ireo mpahay tantara fahiny toa an’i Hérodote sy i Xénophon ary i Bérose, no atolotr’i Daniela antsika — na dia tsy nanoratra momba ny tantaran’i Babylona aza izy. Nahoana i Daniela no afaka nanoratra zavatra izay tsy fantatr’izy ireo? Satria tao Babylona ny tenany tamin’io fotoana io. Vavolombelona nanatri-maso ny zavatra nosoratany tao amin’ny bokiny izy, fa tsy mpisoloky taonjato maro tatỳ aoriana akory.

IZA MOA I DARIOSY MEDIANINA?

11. Araka an’i Daniela, iza moa i Dariosy Medianina, nefa inona no nolazaina momba azy io?

11 Mitantara i Daniela fa raha vao niongana i Babylona, dia mpanjaka iray nantsoina hoe “Dariosa Mediana” no nanomboka nanapaka. (Daniela 6:1). Mbola tsy hita anarana ao amin’ireo soratra tsy ara-pivavahana na ireo zavatra hitan’ny arkeôlôjia i Dariosy (Dariosa) Medianina. Noho izany, dia manambara ny The New Encyclopædia Britannica fa “olona tsy tena nisy toy ny ao amin’ny tantara foronina” io Dariosy io.

12. a) Nahoana ireo mpanao tsikera ny Baiboly no tokony haneho fahendrena kokoa, toy izay hanao fanambarana hentitra hoe tsy nisy i Dariosy Medianina? b) Hevitra iray inona no mety ho marina momba an’i Dariosy Medianina, ary porofo inona no mampiseho izany?

12 Naneho fitandremana kokoa ny manam-pahaizana sasany. Moa tokoa ve ireo mpanao tsikera tsy nilaza koa teo aloha fa “olona tsy tena nisy” i Belsazara? Azo antoka fa hitovy amin’ny tamin’i Belsazara ny ho hita momba an’i Dariosy. Efa nisy takelaka cunéiformes sahady hita, nampiharihary fa tsy naka ny anaram-boninahitra hoe “Mpanjakan’i Babylona” taorian’ny nandreseny avy hatrany akory i Kyrosy Persanina. Hoy ny hevitra natolotry ny mpikaroka iray: “Izay nitondra ny anaram-boninahitra hoe ‘Mpanjakan’i Babylona’ dia mpanjaka teo ambany fahefan’i Kyrosy, fa tsy ny tenan’i Kyrosy akory.” Moa ve ny hoe Dariosy nety ho anaram-pahefana na anaram-boninahitry ny olona ambony medianina natanjaka iray, izay navela hitantana an’i Babylona? Misy milaza fa nety ho lehilahy iray nantsoina hoe Goubarou i Dariosy. Nametraka an’i Goubarou ho governora tao Babylona i Kyrosy, ary ireo firaketana tsy ara-pivavahana dia manamarina fa nanam-pahefana lehibe dia lehibe izy io. Milaza ny takelaka cunéiforme iray fa nanendry governora lefitra tao Babylona izy. Mahaliana fa nilaza i Daniela hoe nanendry solo-mpanjaka 120 mba hanapaka ny fanjakan’i Babylona i Dariosy. — Daniela 6:2.

13. Antony ara-drariny inona no anononana an’i Dariosy Medianina ao amin’ny bokin’i Daniela, fa tsy ao amin’ireo firaketana tsy ara-pivavahana?

13 Any aoriana, dia mety hisy porofo mivantana kokoa ho hita momba ny hoe iza marina io mpanjaka io. Na ahoana na ahoana, ny toa fanginan’ny arkeôlôjia momba azy io dia tena tsy antony hilazana an’i Dariosy ho “olona tsy tena nisy”, indrindra ka hoe handavana ny bokin’i Daniela manontolo satria hoe hosoka. Fahendrena lavitra ny mino ny fitantaran’i Daniela ho teny fanamarinan’ny vavolombelona nanatri-maso iray, satria ahitana tsipiriany kokoa noho ireo firaketana tsy ara-pivavahana mbola misy hatramin’izao.

NY FANJAKAN’I JOIAKIMA

14. Nahoana no tsy mifanipaka ny tenin’i Daniela sy i Jeremia momba ireo taona nanjakan’i Joiakima Mpanjaka?

14 Hoy ny vakintsika ao amin’ny Daniela 1:1: “Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, no nankanesan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.” Nahita tsiny tao amin’io andinin-teny io ireo mpanao tsikera, satria hoe toa tsy mifanaraka amin’i Jeremia, izay nilaza fa ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnezara. (Jeremia 25:1; 46:2). Moa ve i Daniela nanohitra ny tenin’i Jeremia? Ho voavaly mora foana izany, amin’ny alalan’ny fanazavana fanampiny. Fony i Joiakima notendren’i Farao-neko ho mpanjaka tamin’ny voalohany, tamin’ny 628 al.f.i., dia nanjary saribakolin’io mpanapaka ejipsianina io izy. Izany dia tokony ho telo taona talohan’ny nandimbiasan’i Nebokadnezara an-drainy teo amin’ny seza fiandrianan’i Babylona, tamin’ny 624 al.f.i. Tsy ela taorian’izay (tamin’ny 620 al.f.i.), dia nanafika ny Joda i Nebokadnezara ka nanao an’i Joiakima ho mpanjaka teo ambany fahefan’i Babylona. (2 Mpanjaka 23:34; 24:1). Ho an’ny Jiosy iray nipetraka tao Babylona, ny “taona fahatelo” nanjakan’i Joiakima dia ho ny taona fahatelo nanompoan’io mpanjaka io an’i Babylona. Araka izany fomba fijery izany no nanoratan’i Daniela. I Jeremia kosa dia nanoratra araka ny fomba fijerin’ireo Jiosy tany Jerosalema. Koa ny noresahiny àry dia ny fanjakan’i Joiakima nanomboka tamin’ny fotoana nanaovan’i Farao-neko azy ho mpanjaka.

15. Nahoana no tsy mahery ny famelezana ny daty hita ao amin’ny Daniela 1:1?

15 Raha ny tena izy àry, io lazaina hoe tsy fifanarahana io dia manamafy fotsiny ny porofo fa nanoratra ny bokiny tao Babylona i Daniela, fony izy niaraka tamin’ireo Jiosy hafa tany an-tsesitany. Misy lesoka mibaribary hafa iray anefa momba io famelezana ny bokin’i Daniela io. Tadidio fa efa nanana ny bokin’i Jeremia ilay mpanoratra ny bokin’i Daniela, ary naka teny avy tao mihitsy aza. (Daniela 9:2). Raha toa ka mpisandoka marani-tsaina ny mpanoratra ny bokin’i Daniela, araka ny filazan’ny mpanao tsikera, moa ve izy ho sahy hanohitra ny soratr’olona hajain’ny rehetra toa an’i Jeremia — sady amin’izay raha vao eo amin’ny andininy voalohany amin’ny bokiny mihitsy? Mazava ho azy fa tsia!

TSIPIRIANY MADINIKA MANAN-DANJA

16, 17. Inona no porofo arkeôlôjika manohana ny fitantaran’i Daniela momba a) ny nananganan’i Nebokadnezara sary ara-pivavahana iray hivavahan’ny vahoakany rehetra? b) ny fireharehan’i Nebokadnezara raha ny amin’ny asa fanorenana nataony tao Babylona?

16 Andeha isika izao hampitodika ny saintsika, tsy ho amin’ny tenin’olona tsy manorina intsony, fa ho amin’izay manorina kosa. Diniho ny tsipiriany hafa ao amin’ny bokin’i Daniela izay mampiseho fa nanana fahalalan’ny olona nanatri-maso izay nitranga tamin’ilay fotoana noresahiny ny mpanoratra azy.

17 Ny fahalalan’i Daniela tsara tsipiriany madinika momba an’i Babylona fahiny dia porofo tsy azo iadian-kevitra ny amin’ny fahamarinan’ny fitantarany. Ny Daniela 3:1-6, ohatra, dia mitantara fa nanangana sariolona goavana iray hivavahan’ny olona rehetra i Nebokadnezara. Nahita porofo hafa ireo arkeôlôgy fa hoe nitady hampanaraka fanao ara-pirenena sy ara-pivavahana betsaka kokoa ny vahoakany io mpanjaka io. Toy izany koa, i Daniela dia nitantara momba ny fireharehan’i Nebokadnezara noho ireo asa fanorenana maro nataony. (Daniela 4:27). Vao tamin’izao andro izao ireo arkeôlôgy vao nanamarina fa tena i Nebokadnezara tokoa no tao ambadiky ny asa fanorenana maro be tao Babylona. Raha ny amin’ny fireharehana kosa, dia hevero fotsiny fa nasainy notombohina teo amin’ireo biriky mihitsy ny anarany! Tsy hain’ireo mpanakiana an’i Daniela hazavaina ny hoe ahoana no nahafantaran’ilay antsoin’izy ireo hoe mpisandoka nanoratra tamin’ny andron’ny Makabeo (167-63 al.f.i.) momba ireo asa fanorenana ireo — efajato taona teo ho eo tatỳ aoriana ary ela be talohan’ny nahitan’ny arkeôlôgy azy ireo.

18. Inona, ao amin’ny fitantaran’i Daniela momba ireo karazam-pamaizana samy hafa teo amin’ny Babylonianina sy ny Persanina, no mampiharihary fa milaza ny marina izy?

18 Hita miharihary ao amin’ny bokin’i Daniela koa fa misy fahasamihafana fototra eo amin’ny lalàn’ny Babylonianina sy ny an’ny Medianina sy Persanina. Teo ambany lalàn’ny Babylonianina, ohatra, ireo naman’i Daniela telo lahy dia natsipy tao anaty lafaoro nisy afo nirehitra, noho izy ireo tsy nety nankato ny baikon’ny mpanjaka. Am-polony taona maro tatỳ aoriana, i Daniela dia natsipy tao an-davaky ny liona, noho izy tsy nety nankato ny lalàna persanina iray izay tsy neken’ny feon’ny fieritreretany. (Daniela 3:6; 6:8-10). Nisy nitady handa ilay fitantarana momba ny lafaoro nisy afo nirehitra satria hoe angano izy io. Ireo arkeôlôgy anefa dia nahita taratasy iray avy tany Babylona fahiny izay manonona manokana an’io karazam-pamaizana io. Ho an’ny Medianina sy ny Persanina anefa, dia masina ny afo. Koa nitady karazam-pamaizana feno habibiana hafa àry izy ireo. Noho izany, dia tsy mahagaga ny nampiasany ny lavaky ny liona.

19. Fifanoheran-javatra inona eo amin’ny lalàna babylonianina sy ny lalàna medianina sy persanina no ahariharin’ny bokin’i Daniela?

19 Misy fifanoheran-javatra hafa iray. Asehon’i Daniela fa afaka nanao sy nanova lalàna araka izay tiany i Nebokadnezara. I Dariosy kosa tsy afaka nanao na inona na inona mba hanovana ireo “lalàn’ny Mediana sy ny Persiana” — na dia ireo nataon’ny tenany aza! (Daniela 2:5, 6, 24, 46-49; 3:10, 11, 29; 6:13-17). Hoy ny nosoratan’i John C. Whitcomb, mpahay tantara: “Ny tantara fahiny dia manamarina io fahasamihafana eo amin’i Babylona sy i Media-Persia io: Tany Babylona, dia ny mpanjaka no nifehy ny lalàna, fa tany Media-Persia kosa, dia ny lalàna no nifehy ny mpanjaka.”

20. Tsipiriany inona avy momba ny fanasan’i Belsazara no mampiharihary fa olona nahita ka nahalala tsara ireo fomba amam-panao babylonianina i Daniela?

20 Ny fitantarana mampientana momba ilay fanasana nataon’i Belsazara, voarakitra ao amin’ny Daniela toko faha-5, dia feno tsipiriany madinika. Toa nanomboka tamin’ny fisakafoana tamim-pifaliana sy tamin’ny fisotroana be ilay izy, satria miresaka imbetsaka momba ny divay ilay fitantarana. (Daniela 5:1, 2, 4). Raha ny marina, ireo sary sokitra ahitana fanasana toy izany dia tsy mampiseho afa-tsy fisotroana divay. Miharihary àry fa nitana toerana faran’izay lehibe ny divay tao amin’ny fety toy izany. Milaza koa i Daniela fa nisy vehivavy tamin’io fanasam-be io — ireo vadin’ny mpanjaka sy ireo vaditsindranony. (Daniela 5:3, 23). Manohana io tsipiriany teo amin’ny fomba amam-panaon’ny Babylonianina io ny arkeôlôjia. Tsy tian’ny Jiosy sy ny Grika tamin’ny andron’ny Makabeo izany hoe vehivavy niaraka tamin’ny vadiny tany amin’ny fanasana izany. Izany angamba no tsy anononan’ny fandikan-tenin’ny Septante grika tany am-boalohany an’ireo vehivavy ireo ao amin’ny bokin’i Daniela. * Na dia izany aza, ilay lazaina hoe mpanoratra sandoka ny bokin’i Daniela dia ho niaina teo anivon’ny kolontsaina grika koa, ary angamba nandritra ilay fe-potoana ankapobe nahavitan’ny Septante mihitsy aza!

21. Inona no fanazavana ara-dalàna indrindra momba ny fahalalan’i Daniela tsara ireo fotoana sy fomba amam-panao nandritra ny sesitany tany Babylona?

21 Noho ireo tsipiriany kely ireo, dia toa mila tsy hampino ny nahafahan’ny Britannica nilaza fa tsy nanana afa-tsy fahalalana “tsy feno sady tsy marina” momba ny vanim-potoanan’ny sesitany ny mpanoratra ny bokin’i Daniela. Tamin’ny fomba ahoana tokoa no nahafahan’izay mpisandoka niaina taonjato maro tatỳ aoriana, nahafantatra tsara toy izany ireo fomba amam-panaon’ny Babylonianina sy ny Persanina fahiny? Tadidio koa fa ireo empira roa ireo dia efa nirodana ela be talohan’ny taonjato faharoa al.f.i. Miharihary fa tsy nisy arkeôlôgy tamin’izany andro izany, no sady tsy nalaza ho nanam-pahalalana momba ny kolontsaina sy ny tantara vahiny ny Jiosy tamin’izany fotoana izany. I Daniela mpaminany ihany, izay vavolombelona nanatri-maso ny fisehoan-javatra sy ny fotoana noresahiny, no afaka nanoratra ilay boky mitondra ny anarany ao amin’ny Baiboly.

MOA VE NY POROFO IVELAN’NY BOKIN’I DANIELA MANAMARINA FA ASA SANDOKA IZY IO?

22. Inona no nolazain’ny mpanao tsikera momba ny toeran’ny bokin’i Daniela ao amin’ny kanônan’ny Soratra Hebreo?

22 Ny iray amin’ireo hevitra aroso matetika indrindra amelezana ny bokin’i Daniela dia ny toerany ao amin’ny kanônan’ny Soratra Hebreo, na hoe lisitr’ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo. Ireo raby fahiny dia nandahatra ireo bokin’ny Soratra Hebreo ho fizarana telo: ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Asa Soratra. Nandahatra ny bokin’i Daniela, tsy ho anisan’ny Mpaminany, fa ho anisan’ny Asa Soratra, izy ireo. Midika izany, hoy ireo mpanao tsikera, fa tsy nisy nahafantatra angamba io boky io tamin’ny fotoana nanambàrana ny soratr’ireo mpaminany hafa. Nosokajina ho anisan’ny Asa Soratra izy io, satria hoe tatỳ aoriana ireo Asa Soratra ireo vao natambatra.

23. Nanao ahoana ny fiheveran’ny Jiosy fahiny momba ny bokin’i Daniela, ary ahoana no ahafantarantsika izany?

23 Na dia izany aza, dia tsy ny mpikaroka momba ny Baiboly rehetra no manaiky hoe nizara ny kanôna tamin’izany fomba hentitra izany, na hoe tsy nampiditra ny bokin’i Daniela ho anisan’ny Mpaminany, ireo raby fahiny. Na dia nametraka ny Daniela ho anisan’ny Asa Soratra aza anefa ireo raby, moa ve izany hanaporofo fa nosoratana tatỳ aoriana izy io? Tsia. Nisy manam-pahaizana manan-kaja nanolotra antony maromaro momba ny nety ho tsy nampidiran’ireo raby ny bokin’i Daniela ho anisan’ny Mpaminany. Ohatra, mety ho tsy nanao izany izy ireo satria nanafintohina azy ilay boky, na koa satria taminy dia tsy nitovy tamin’ireo mpaminany hafa i Daniela noho izy nitana toerana ambony tany an-tany hafa. Na ahoana na ahoana, ny tena zava-dehibe dia izao: Nanaja fatratra ny bokin’i Daniela ny Jiosy fahiny ary nino fa kanônika izy io. Ambonin’izany, ny porofo dia toa manondro fa efa vita ela be talohan’ny taonjato faharoa al.f.i. ny kanônan’ny Soratra Hebreo. Tsy nekena tsotra izao ireo boky nanampy tatỳ aoriana, anisan’izany ny boky sasany nosoratana nandritra ny taonjato faharoa al.f.i.

24. Tamin’ny fomba ahoana no nampiasana ny Eklesiastika, boky apôkrifa iray, mba hamelezana ny bokin’i Daniela, ary inona no mampiseho fa misy lesoka amin’io fanjohian-kevitra io?

24 Mahatsikaiky fa nampiasaina hamelezana ny bokin’i Daniela ny iray tamin’ireny asa soratra vita tatỳ aoriana izay nolavina ireny. Ny Eklesiastika, boky apôkrifa, na tsy ara-tsindrimandry, nataon’i Jesus Ben Sirach, dia miharihary fa vita tokony ho tamin’ny 180 al.f.i. Tian’ireo mpanao tsikera erỳ ny manondro fa tsy tafiditra ao amin’ny lisitr’ireo olo-marina maro be ao amin’io boky io i Daniela. Milaza izy ireo hoe tsy nisy nahafantatra angamba i Daniela tamin’izany fotoana izany. Eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana io hevitra io. Diniho anefa izao manaraka izao: Tsy tafiditra ao amin’io lisitra io ihany koa i Ezra sy i Mordekay (izay samy noheverin’ireo Jiosy taorian’ny sesitany ho lehilahy nahery fo), i Josafata, mpanjaka tsara fanahy, ary i Joba, lehilahy marina; amin’ireo mpitsara rehetra, dia i Samoela irery no voatonona anarana. * Koa satria hoe tsy tafiditra ao amin’ny lisitra iray izay tsy mihambo ho lisitra feno ireo lehilahy ireo, sady lisitra ao amin’ny boky iray tsy kanônika, moa ve isika tsy maintsy mandà azy rehetra ireo satria hoe tsy tena nisy? Ilay hevitra fotsiny dia efa hadalana.

FANAMARINANA AVY ANY IVELANY MIARO AN’I DANIELA

25. a) Ahoana no nanohanan’i Josèphe ny fahamarinan’ny fitantaran’i Daniela? b) Amin’ny ahoana ny fitantaran’i Josèphe momba an’i Aleksandra Lehibe sy ny bokin’i Daniela no mifanaraka tsara amin’ny tantara fantatra? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy faharoa.) d) Ahoana no anohanan’ny porofo momba ny fiteny ny bokin’i Daniela? (Jereo ny pejy 26.)

25 Andeha indray isika hiverina ho amin’ny lafiny manorina. Nisy nilaza fa tsy misy boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo voamarina tsara toy ny bokin’i Daniela. Indro misy ohatra iray: Nanohana ny fahamarinan’izy io ilay mpahay tantara jiosy malaza atao hoe Josèphe. Nilaza izy fa nandritra ny ady nataon’i Aleksandra Lehibe tamin’i Persia (Persa) tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia tonga tao Jerosalema izy io, ary ireo mpisorona tao dia nampiseho azy ny bokin’i Daniela. I Aleksandra mihitsy no nanatsoaka hevitra fa ireo teny ao amin’ny faminanian’i Daniela izay naseho azy dia niresaka momba ny fanafihana ara-tafika nataon’ny tenany tany Persa. * Izany dia tokony ho dimampolo amby zato taona talohan’ilay “fisandohana” naroson’ny mpanao tsikera. Mazava ho azy fa namelively an’i Josèphe momba io andalan-teny io izy ireo. Namelively azy koa izy ireo, noho izy nanamarika fa tanteraka ny sasany tamin’ireo faminaniana tao amin’ny bokin’i Daniela. Kanefa, araka ny nomarihin’i Joseph D. Wilson, mpahay tantara, “[i Josèphe] angamba dia nahafantatra be kokoa momba ilay raharaha noho ireo mpanao tsikera rehetra eto ambonin’ny tany”.

26. Ahoana no anohanan’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela?

26 Vao mainka voamarina ny bokin’i Daniela, fony hita tao amin’ireo zohin’i Qumran, any Isiraely, ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Nahagaga fa nisy horonana sy sombin’ny bokin’i Daniela maro be tao amin’ireo zavatra hita tamin’ny 1952. Ny tranainy indrindra taminy dia vita tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa al.f.i. Noho izany, dia efa fantatra tsara sy nahazo ny fanajan’ny besinimaro ny bokin’i Daniela tamin’io fotoana io. Hoy ny nomarihin’ny The Zondervan Pictorial Encyclopedia of the Bible: “Voatery avela izao ny filazana ny andron’ny Makabeo ho ny daty nanoratana ny bokin’i Daniela. Antony iray monja ny amin’izany ny hoe tsy nety ho nisy fotoana ampy teo anelanelan’ny nahavitan’ny bokin’i Daniela sy ny nisehoany tao amin’ny tahirim-bokin’ny sektan’ny Makabeo iray.”

27. Inona no porofo tranainy indrindra fa olona tena nisy i Daniela ary efa fantatra tsara nandritra ny sesitany tany Babylona?

27 Kanefa, misy porofo fanamarinana tranainy lavitra sady azo antoka kokoa momba ny bokin’i Daniela. Ny iray tamin’ireo niaina tamin’ny andron’i Daniela dia i Ezekiela mpaminany. Mpaminany koa izy nandritra ny sesitany tany Babylona. Imbetsaka ny bokin’i Ezekiela no manonona ny anaran’i Daniela. (Ezekiela 14:14, 20; 28:3). Ireny firesahana an’i Daniela ireny dia mampiseho fa na dia nandritra ny fahavelomany, tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., aza, dia efa fantatra tsara ho olo-marina sady olon-kendry i Daniela, mendrika ny hotononina niaraka tamin’i Noa sy i Joba, izay samy natahotra an’Andriamanitra koa.

ILAY VAVOLOMBELONA LEHIBE INDRINDRA

28, 29. a) Inona no porofo mampiaiky indrindra fa marina avokoa izay rehetra ao amin’ny bokin’i Daniela? b) Nahoana isika no tokony hanaiky ny teny fanamarinan’i Jesosy?

28 Farany, anefa, dia andeha isika handinika ny lehibe indrindra amin’ireo vavolombelona rehetra ny amin’ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela — tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. Fony izy niresaka momba ny andro farany, dia nanisy firesahana momba an’i “Daniela mpaminany” sy ny iray tamin’ireo faminanian’i Daniela i Jesosy. — Matio 24:15; Daniela 11:31; 12:11.

29 Raha toa ka marina ny teôrian’ireo mpanao tsikera momba ny nanoratana ny bokin’i Daniela tamin’ny andron’ny Makabeo, dia tsy maintsy ho marina ny iray amin’ireto hevitra roa ireto: Na voafitak’io fisandohana io i Jesosy, na tsy nilaza ilay teniny notononin’i Matio izy. Samy tsy mety ho marina anefa izy roa ireo. Raha tsy afaka miantehitra amin’ny fitantarana ao amin’ny Filazantsaran’i Matio isika, ahoana no ahafahantsika miantehitra amin’ny tapany hafa ao amin’ny Baiboly? Raha esorintsika ireo fehezanteny ireo, teny hafa inona no hotsoahintsika manaraka avy ao amin’ireo pejin’ny Soratra Masina? Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, (...) ho fanitsiana izay diso”. (2 Timoty 3:16, izahay no manao sora-mandry.) Koa raha mpanao hosoka àry i Daniela, dia ho mpanao hosoka tahaka azy koa i Paoly! Nety ho voafitaka àry ve i Jesosy? Tsia. Velona tany an-danitra izy tamin’ny fotoana nanoratana ny bokin’i Daniela. Nilaza mihitsy aza i Jesosy hoe: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.” (Jaona 8:58). Amin’ny olombelona rehetra niaina teto an-tany, dia i Jesosy no ho tsara toerana indrindra mba hanontaniana momba ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela. Tsy voatery hanontany anefa isika. Araka ny efa hitantsika, dia mazava tsy misy ohatra izany ny teny fanamarinany.

30. Fanamarinana fanampiny inona no nomen’i Jesosy momba ny bokin’i Daniela?

30 Nanome fanamarinana fanampiny momba ny bokin’i Daniela i Jesosy tamin’ny fotoan’ny batisany. Tonga ny Mesia izy tamin’io, ka nahatanteraka faminaniana iray tao amin’ny bokin’i Daniela momba ireo herinandron-taona 69. (Daniela 9:25, 26; jereo ny Toko Faha-11 amin’ity boky ity.) Na dia atao hoe marina aza ilay teôria hoe nosoratana tatỳ aoriana ny bokin’i Daniela, dia mbola nahafantatra ny hoavy 200 taona mialoha ihany ny mpanoratra azy. Mazava ho azy fa tsy hanome tsindrimandry ny mpisandoka iray mba hampiasa anaran-diso ka hanonona faminaniana marina, Andriamanitra. Tsia, ny teny vavolombelona nataon’i Jesosy dia eken’ny olo-mahatokin’Andriamanitra amin’ny fony rehetra. Na dia samy hiara-miampanga an’i Daniela aza ny manam-pahaizana rehetra sy ny mpanao tsikera rehetra eto ambonin’ny tany, ny teny fanamarinan’i Jesosy dia hanaporofo fa diso izy ireo, satria izy no “Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina”. — Apokalypsy 3:14.

31. Nahoana ny mpanakiana ny Baiboly maro no mbola tsy miaiky ihany ny amin’ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela?

31 Na dia io teny fanamarinana io aza dia mbola tsy ampy ho an’ny mpanakiana ny Baiboly maro. Rehefa avy nandinika iny foto-kevitra iny an-tsakany sy an-davany isika, dia tsy afaka ny tsy hanontany tena raha hampiaiky azy ireo izay porofo rehetra haroso ho azy. Hoy ny nosoratan’ny profesora iray ao amin’ny Oniversiten’i Oxford: “Tsy hahavita na inona na inona ny famaliana fotsiny an’ireo fanoherana, raha mbola eo foana ilay fitsarana an-tendrony voalohany hoe: ‘Tsy afaka ny hisy faminaniana avy any amin’ny faritra tsy hita maso.’ ” Manajamba azy ireo àry ny fitsarany an-tendrony. Safidiny anefa izany — ary hahafaty antoka azy.

32. Inona no miandry antsika eo am-pianarantsika ny bokin’i Daniela?

32 Ahoana ny aminao? Raha hitanao fa tsy misy tena antony tokony hisalasalana ny amin’ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela, dia ho vonona ianao hizotra amin’ny dia fikarohana mampientana iray. Ho hitanao fa hampientanentana anao ireo fitantarana ao, ary hambabo ny sainao ireo faminaniana. Ny zava-dehibe kokoa dia ny fahitanao fa hihamatanjaka ny finoanao, arakaraka ny handinihanao ny toko tsirairay. Tsy hanenina na oviana na oviana ianao noho ny nandinihanao akaiky ny faminanian’i Daniela!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manandrana manalefaka ilay fiampangana an’ilay boky ho asa sandoka ny mpanao tsikera sasany, amin’ny filazana fa ny hoe Daniela dia solon’anarana nampiasain’ilay mpanoratra, toy ny anaram-bosotry ny mpanoratra ny boky tsy ekena ho marina tranainy sasany. Kanefa dia mbola izao ihany no inoan’ilay mpanao tsikera ny Baiboly atao hoe Ferdinand Hitzig: “Ho hafa noho izany ny amin’ny bokin’i Daniela, raha lazaina hoe [mpanoratra] hafa no nanoratra azy. Raha izany tokoa no izy, dia manjary asa soratra sandoka izy io, ka ny hamitaka ireo mpamaky azy no zava-kendreny, na dia noho ny antony tsara aza.”

^ feh. 8 Tsy tao Babylona i Nabonida, fony io tanàna io nianjera. Noho izany, dia mety ny filazana an’i Belsazara ho mpanjaka tamin’io fotoana io. Mbola mikiribiby ihany ireo mpanao tsikera satria hoe tsy miantso an’i Belsazara amin’ny anaram-boninahitra ofisialy hoe mpanjaka ireo soratra tsy ara-pivavahana. Na dia izany aza, ny porofo tamin’ny andro fahiny dia toa milaza fa na ny governora aza dia mety ho nantsoin’ny olona hoe mpanjaka tamin’izany andro izany.

^ feh. 20 Hoy ny nosoratan’i C. F. Keil, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, momba ny Daniela 5:3: “Eto, ary koa eo amin’ny and. faha-23, dia tsy nanonona ireo vehivavy ny LXX., araka ny fanaon’ny Makedônianina sy ny Grika ary ny Romanina.”

^ feh. 24 Ny lisitr’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky azon’ny apostoly Paoly tamin’ny tsindrimandry ary notononiny ao amin’ny Hebreo toko faha-11, kosa anefa dia toa manisy firesahana momba ny fisehoan-javatra noraketin’i Daniela. (Daniela 6:17-25; Hebreo 11:32, 33). Kanefa tsy lisitra feno ihany koa io an’i Paoly io. Olona maro toa an’i Isaia sy i Jeremia ary i Ezekiela, no tsy voatonona anarana ao, nefa izany akory tsy manaporofo velively fa tsy nisy izy ireo.

^ feh. 25 Nanamarika ny mpahay tantara sasany fa izany dia hanazava ny antony nahatonga an’i Aleksandra ho tsara fanahy be tamin’ireo Jiosy, izay sakaizan’ny Persanina efa hatramin’ny ela. Tamin’izay fotoana izay, dia niezaka handringana ny sakaizan’i Persa rehetra i Aleksandra.

INONA NO AZONAO?

• Inona no niampangana ny bokin’i Daniela?

• Nahoana no tsy tsara fototra ny famelezan’ny mpanakiana ny bokin’i Daniela?

• Porofo inona no manohana ny fahamarinan’ny fitantaran’i Daniela?

• Inona no porofo mampiaiky indrindra fa marina ny bokin’i Daniela?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 26]

Ny Raharaha ny Amin’ny Fiteny

VITA tokony ho tamin’ny 536 al.f.i. ny bokin’i Daniela. Nosoratana tamin’ny fiteny hebreo sy aramianina izy io, ary misy voambolana grika sy persanina sasantsasany. Tsy mahazatra ny fifangaroam-piteny toy izany, na dia fahita ao amin’ny Soratra Masina aza. Ny bokin’i Ezra ao amin’ny Baiboly koa dia nosoratana tamin’ny fiteny hebreo sy aramianina. Kanefa manizingizina ny mpanao tsikera sasany fa ny fomba nampiasan’ny mpanoratra ny bokin’i Daniela ireo fiteny ireo dia manaporofo fa tatỳ aorian’ny 536 al.f.i. no nanoratany azy io. Tononina matetika ny tenin’ny mpanao tsikera iray izay nilaza fa ny fampiasana voambolana grika ao amin’ny bokin’i Daniela dia mitaky ny nahavitan’izy io tamin’ny daty iray tatỳ aoriana. Manambara izy fa ny teny hebreo ao dia manohana izany daty izany, ary ny teny aramianina ao dia manome lalana, fara faharatsiny, ny fanekena daty iray tatỳ aoriana toy izany — na dia tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. mihitsy aza.

Kanefa, tsy ny manam-pahaizana rehetra momba ny fiteny no manaiky izany. Nilaza ny sasany fa ny teny hebreon’i Daniela dia mitovy amin’ny an’i Ezekiela sy i Ezra, fa hafa kosa noho izay hita ao amin’ireo boky apôkrifa tatỳ aoriana toy ny Eklesiastika. Raha ny amin’ny fampiasan’i Daniela ny teny aramianina kosa, dia diniho ny sora-tanana roa hita tao amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Amin’ny teny aramianina koa izy ireo, ary vita tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa al.f.i. — tsy ela taorian’ilay lazaina hoe fisandohana momba ny bokin’i Daniela. Nahamarika fahasamihafana lalina anefa ireo manam-pahaizana, eo amin’ny teny aramianina ao amin’ireo sora-tanana ireo sy ilay hita ao amin’ny bokin’i Daniela. Noho izany, dia misy milaza fa tsy maintsy ho tranainy kokoa, an-jatony taona maro, noho izay ambaran’ireo mpanao tsikera, ny bokin’i Daniela.

Ahoana ny amin’ireo voambolana grika “manahirana” ao amin’ny bokin’i Daniela? Ny sasany aminy dia hita fa teny persanina fa tsy grika velively! Ireo hany teny mbola heverina ho grika dia anarana zavamaneno telo. Moa ve ny fisian’ireo voambolana telo ireo tena mitaky ny nanoratana ny bokin’i Daniela tatỳ aoriana? Tsia. Ireo arkeôlôgy dia nahita fa nanan-kery lehibe ny kolontsaina grika, taonjato maro talohan’ny nahatongavan’i Gresy ho firenena natanjaka. Ankoatra izany, raha toa ka vita nandritra ny taonjato faharoa al.f.i. ny bokin’i Daniela, fony nihanaka hatraiza hatraiza ny kolontsaina sy ny fiteny grika, moa ve voambolana grika telo monja no ho hita ao? Tsia, ho betsaka lavitra noho izany no ho hita ao. Koa ny porofo momba ny fiteny àry, raha ny tena izy, dia manohana ny fahamarinan’ny bokin’i Daniela.

[Sary, pejy 12]

[Sary, pejy 20]

(Ambony) Mirakitra ny fireharehan’i Nebokadnezara momba ireo asa fanorenana nataony io soratra io

(Ambany) Manonona an’i Nabonida Mpanjaka sy i Belsazara zanany ny varingarina iray ao amin’ny tempoly babylonianina iray

[Sary, pejy 21]

Araka ny Tantaran’i Nabonida, dia niditra tao Babylona, tsy nisy fanaovana ady, ny tafik’i Kyrosy

[Sary, pejy 22]

(Havanana) Milaza ny “Tononkalo Fitantarana An’i Nabonida” fa nanankina ny fanapahana tamin’ny zanany lahimatoa i Nabonida

(Havia) Fitantaran’ny Babylonianina momba ny nanafihan’i Nebokadnezara ny Joda