Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Mahatsangana Hanohitra ny Andrianan’ny Andriana?

Iza no Mahatsangana Hanohitra ny Andrianan’ny Andriana?

Toko Fahafolo

Iza no Mahatsangana Hanohitra ny Andrianan’ny Andriana?

1, 2. Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny fahitana azon’i Daniela tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara?

FITO amby dimampolo taona izao no lasa hatramin’ny nandringanana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Niara-nitondra ny Empira Babylonianina, izay ny firenena natanjaka indrindra fahatelo araka ny faminanian’ny Baiboly, i Belsazara sy i Nabonida rainy. * Babo an-tsesitany tao Babylona i Daniela, mpaminanin’Andriamanitra. Ary “tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara mpanjaka”, dia nanome fahitana iray an’i Daniela i Jehovah, nampiharihariany tsipirian-javatra sasany momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. — Daniela 8:1.

2 Nisy vokany lalina teo amin’i Daniela ilay fahitana ara-paminaniana azony, ary tena mahaliana antsika izay miaina atỳ ‘am-parany’. Hoy ny anjely Gabriela tamin’i Daniela: “Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin’ny fahatezerana farany; fa ho amin’ny fotoana any am-parany izany.” (Daniela 8:16, 17, 19, 27). Feno fahalianana àry isika izao handinika izay hitan’i Daniela sy izay hevitr’izany ho antsika amin’izao andro izao.

ONDRILAHY IRAY NANANA TANDROKA ROA

3, 4. Biby inona no hitan’i Daniela nitsangana teo amoron’ilay ony, ary sary mampiseho inona izy io?

3 “Nahita tamin’ny fahitana aho”, hoy ny nosoratan’i Daniela, “ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ny lapan’ny mpanjaka izay ao amin’ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ny fahitana aho, ka teo amoron’ny ony Olay aho.” (Daniela 8:2). Tsy voambara eto raha tena tany Sosana (Sosa) — renivohitr’i Elama, tany amin’ny 350 kilaometatra tany atsinanan’i Babylona — i Daniela, na tao amin’ilay fahitana fotsiny no nahitany ny tenany tany.

4 Hoy ny tohin’ny tenin’i Daniela: “Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ny ony, izay nanana tandroka roa”. (Daniela 8:3a). Tsy zava-niafina ela be ho an’i Daniela ny hoe iza io ondrilahy io. Hoy ny nambaran’ny anjely Gabriela tatỳ aoriana: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia.” (Daniela 8:20). Ny Medianina dia avy tany amin’ny lembalemba be tendrombohitra any atsinanan’i Asyria, ary ny Persanina tamin’ny voalohany dia nifindrafindra monina tany avaratry ny Hoala Persika. Rehefa nitombo anefa ny Empira Medianina sy Persanina, dia nihananjary fatra-pitia haitraitra ny mponina tao aminy.

5. Ahoana no nahatongavan’ilay tandroka “niposaka taoriana” ho lava kokoa?

5 “Lava ireo tandroka ireo”, hoy ny tatitr’i Daniela, “ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.” (Daniela 8:3b). Ilay tandroka lava kokoa izay niposaka tatỳ aoriana dia sary mampiseho ny Persanina, fa ilay tandroka faharoa kosa mampiseho ny Medianina. Tamin’ny voalohany, dia ny Medianina no nahery kokoa. Tamin’ny 550 al.f.i. kosa anefa, dia naharesy mora foana an’i Astyage, Mpanjaka medianina, i Kyrosy, mpanapaka an’i Persia. Nanakambana ny fomba amam-panao sy ny lalàn’ireo vahoaka roa i Kyrosy, sy nampiray an’ireo fanjakana roa ary nanitatra ny tany vao azony. Nanomboka hatreo, dia roa sosona ilay empira.

NIAVONAVONA ILAY ONDRILAHY

6, 7. Tamin’ny ahoana no hoe ‘tsy nisy biby nahajanona teo anoloan’ilay’ ondrilahy?

6 Nanohy ny filazalazany an’ilay ondrilahy toy izao i Daniela: “Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tànany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka niavonavona.” — Daniela 8:4, fanamarihana ambany pejy.

7 Tao amin’ilay fahitana nomena an’i Daniela teo aloha, i Babylona dia nasehon’ilay bibidia nivoaka avy tamin’ny ranomasina sy nitovy tamin’ny liona iray nanana elatry ny voromahery. (Daniela 7:4, 17). Iny biby ara-panoharana iny dia tsy nahatsangana teo anoloan’ilay “ondrilahy” ato amin’ity fahitana vaovao ity. Nianjera teo an-tanan’i Kyrosy Lehibe i Babylona tamin’ny 539 al.f.i. Nandritra ny efa ho 50 taona taorian’io, dia “tsy nisy biby”, na fitondram-panjakana ara-politika, nahatsangana hanohitra ny Empira Medianina sy Persanina — ny firenena natanjaka indrindra fahefatra araka ny faminanian’ny Baiboly.

8, 9. a) Tamin’ny ahoana no hoe ‘nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo’ ilay “ondrilahy”? b) Inona no lazain’ny bokin’i Estera momba ilay mpandimby an’i Dariosy I, Mpanjaka persanina?

8 “Avy any atsinanana” io Firenena Natanjaka Medianina sy Persanina io, sy nanao araka izay tiany, ary ‘nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo’. (Isaia 46:11). Nandresy an’i Ejipta i Cambyse II, mpanjaka nandimby an’i Kyrosy Lehibe. Ny nandimby an’i Cambyse II kosa dia i Dariosy I, Mpanjaka persanina, izay nita ny andilan-dranomasin’i Bosphore mba hiankandrefana tamin’ny 513 al.f.i., ary nanafika ny faritany eoropeanin’i Thrace, izay nanana an’i Byzance (Istanbul ankehitriny) ho renivohitra. Nandresy an’i Thrace izy tamin’ny 508 al.f.i., ary nandresy an’i Makedônia tamin’ny 496 al.f.i. Araka izany, tamin’ny andron’i Dariosy, ilay “ondrilahy” medianina sy persanina dia efa naka faritany tany amin’ny toerana telo lehibe: tany avaratra (hatrany Babylonia sy Asyria), sy tany andrefana (nanerana an’i Azia Minora), ary tany atsimo (hatrany Ejipta).

9 Manamarina ny halehiben’ny Empira Medianina sy Persanina ny Baiboly, rehefa miresaka momba an’i Ksersesy I, izay nandimby an’i Dariosy, ary lazainy hoe: “Ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany”. (Estera 1:1). Tsy maintsy nanome ny toerana ho an’ny iray hafa anefa io empira lehibe io, ary mikasika izany, ny fahitan’i Daniela dia mampiharihary tsipirian-javatra faran’izay mahavariana izay tokony hanamafy ny finoantsika ny teny ara-paminanian’Andriamanitra.

NAMELY AN’ILAY ONDRILAHY ILAY OSILAHY

10. Tao amin’ny fahitan’i Daniela, biby inona moa no namely an’ilay “ondrilahy”?

10 Alao sary an-tsaina ny fahagagan’i Daniela nahita ny nanaraka. Hoy ny fitantarana: “Raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony. Ary izy nankeo amin’ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron’ny ony, ka nanazakazaka azy tamin’ny fahatezeran’ny heriny. Ary hitako nanatona ho eo anilan’ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.” (Daniela 8:5-7). Inona no hevitr’izany rehetra izany?

11. a) Ahoana no nanazavan’ny anjely Gabriela an’ilay “osilahy lava volo” sy ny “tandrony lehibe”? b) Iza no nasehon’ilay tandroka lehibe mora hita?

11 Na i Daniela na isika dia tsy avela haminavina ny hevitr’io fahitana io. “Ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany”, hoy ny nampahafantarin’ny anjely Gabriela an’i Daniela. (Daniela 8:21). Tamin’ny 336 al.f.i., dia nahazo ny seza fiandrianana ny mpanjaka farany tao amin’ny Empira Persanina — i Dariosy III (Codoman). Tamin’io taona io ihany, dia tonga mpanjaka tany Makedônia i Aleksandra. Asehon’ny tantara fa i Aleksandra Lehibe no ilay “mpanjakan’i Grisia” voalohany nambara mialoha. “Avy tany andrefana” izy no niainga, tamin’ny taona 334 al.f.i., ka nandroso haingana. Toy ny hoe “tsy nikasika ny tany” izy, nandresy faritany sy namely an’ilay “ondrilahy”. Namarana ny fanapahana medianina sy persanina nisy hatramin’ny efa ho roanjato taona i Gresy, ka tonga ny firenena natanjaka indrindra fahadimy nanana heviny ara-baiboly. Izany ka fahatanterahana miavaky ny faminanian’Andriamanitra!

12. Ahoana no nahatongavan’ny ‘tandroka lehiben’ilay’ osilahy ara-panoharana ho “tapaka”, ary iza avy ireo tandroka efatra nipoitra ka naka ny toerany?

12 Tsy naharitra ela anefa ny herin’i Aleksandra. Hoy ny tohin’ilay fahitana: “Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ny rivotra efatry ny lanitra.” (Daniela 8:8). Hoy i Gabriela nanazava ilay faminaniana: “Ny amin’ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.” (Daniela 8:22). Araka ny voalaza mialoha, dia teo amin’ny fara tampon’ny fandreseny i Aleksandra no “tapaka”, na maty, raha vao 32 taona monja. Ary tamin’ny farany dia voazarazara tamin’ny efatra tamin’ireo jeneraliny ny empirany lehibe.

TANDROKA KELY IRAY MAHASAHIRAN-KEVITRA

13. Inona no nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireo tandroka efatra, ary nanao ahoana ny fihetsiny?

13 Mahafaoka 2 200 taona mahery ny tapany manaraka amin’ilay fahitana, ka tonga hatramin’izao andro ankehitriny izao ny fahatanterahany. Hoy ny nosoratan’i Daniela: “Nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ny anankiray amin’ireny [ireo tandroka efatra] ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ny tany mahafinaritra. Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ireo maro be eny amin’ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny. Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ny Komandin’ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan-andro, ary ny fitoerana masina noravana. Ary nisy maro be mbamin’ny fanatitra isan-andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.” — Daniela 8:9-12.

14. Inona no nolazain’ny anjely Gabriela momba ny zavatra nataon’ilay tandroka kely ara-panoharana, ary inona no hanjo an’io tandroka io?

14 Alohan’ny hahatakarantsika ny hevitr’ireo teny vao avy notononina ireo, dia tsy maintsy mihaino tsara ny anjelin’Andriamanitra isika. Rehefa avy nanondro ny nandraisan’ireo fanjakana efatra avy tamin’ny empiran’i Aleksandra ny fahefana, ny anjely Gabriela, dia nilaza hoe: “Ny hiafaran’ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina. Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina. Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tànany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tànana hamely azy tsinona.” — Daniela 8:23-25.

15. Inona no nasain’ilay anjely nataon’i Daniela, momba ilay fahitana?

15 “[Fa ianao kosa, hazony ho zava-miafina ilay fahitana, NW ], fa mbola ho andro maro izany”, hoy ilay anjely tamin’i Daniela. (Daniela 8:26). Tsy hitranga alohan’ny “andro maro” ny fahatanterahan’io tapany amin’ilay fahitana io, ary tokony ‘hohazonin’i’ Daniela ho zava-miafina. Toa zava-miafina tamin’i Daniela foana ny hevitr’izy io. Ankehitriny anefa, dia tena tsy maintsy ho efa tapitra ireo “andro maro” ireo. Koa manontany àry isika hoe: ‘Inona no ahariharin’ny tantaran’izao tontolo izao momba ny fahatanterahan’io fahitana ara-paminaniana io?’

NANJARY NANAN-KERY LEHIBE ILAY TANDROKA KELY

16. a) Avy tamin’ny tandroka ara-panoharana iza no nipoiran’ilay tandroka kely? b) Ahoana no nahatongavan’i Roma ho ny firenena natanjaka fahenina araka ny faminanian’ny Baiboly, nefa nahoana no tsy izy ilay tandroka kely ara-panoharana?

16 Araka ny tantara, ilay tandroka kely dia sakeliky ny iray tamin’ireo tandroka ara-panoharana efatra — ilay tany amin’ny farany andrefana. Io ilay fanjakana helenistikan’ny Jeneraly Cassandre tany Makedônia sy Gresy. Tatỳ aoriana, dia voatelin’ny fanjakan’ny Jeneraly Lysimaque, mpanjakan’i Thrace sy i Azia Minora, io fanjakana io. Tamin’ny taonjato faharoa alohan’ny Fanisan-taona Iraisana, dia resin’i Roma ireo tapany andrefana tamin’ny faritany helenistika. Ary tamin’ny taona 30 al.f.i., dia naka ireo fanjakana helenistika rehetra i Roma, ka tonga ny firenena natanjaka indrindra fahenina araka ny faminanian’ny Baiboly. Tsy ny Empira Romanina anefa no ilay tandroka kely tao amin’ny fahitan’i Daniela, satria tsy tonga hatratỳ ‘amin’ny fotoana atỳ am-parany’ io empira io. — Daniela 8:19.

17. a) Inona no fifandraisan’i Grande-Bretagne sy ny Empira Romanina? b) Ahoana no nifandraisan’ny Empira Britanika tamin’ny fanjakana helenistikan’i Makedônia sy i Gresy?

17 Iza àry no ampahafantarin’ny tantara ho io ‘mpanjaka masia-tarehy’ sy vonon-kiady io? I Grande-Bretagne, raha ny tena izy, dia sakeliky ny Empira Romanina tany avaratrandrefana. Hatramin’ny fiandohan’ny taonjato fahadimy am.f.i., dia mbola nisy provansy romanina tany amin’izay fantatra ho Grande-Bretagne ankehitriny. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nihanikororosy ny Empira Romanina, nefa mbola nanohy nanan-kery tany Grande-Bretagne sy tany amin’ny faritr’i Eoropa hafa teo ambanin’ny fanapahan’ny Romanina ihany ny sivilizasiona grika-romanina. “Rehefa nianjera ny Empira Romanina”, hoy ny nosoratan’i Octavio Paz, poety sady mpanoratra meksikanina nahazo ny Loka Nobel, “dia ny Eglizy no naka ny toerany.” Hoy ny teny nanampiny: “Ireo rain’ny Eglizy, ary koa ireo manam-pahaizana tatỳ aoriana, dia nanatsofoka ny filôzôfia grika tao amin’ny foto-pampianarana kristianina.” Ary ilay filôzôfa sady mpahay matematika tamin’ny taonjato faha-20 atao hoe Bertrand Russell dia nanamarika hoe: “Ny sivilizasiona tandrefana, izay nipoitra avy tany Gresy, dia miorina amin’ny fomba fisaina filôzôfika sady siantifika iray izay nanomboka tany Mileto [tanàna grika tany Azia Minora] dimanjato sy roa arivo taona lasa izay.” Araka izany, dia azo lazaina fa ny fototra ara-kolontsain’ny Empira Britanika dia tao amin’ny fanjakana helenistikan’i Makedônia sy i Gresy.

18. Iza moa ilay tandroka kely izay nanjary ‘mpanjaka masia-tarehy’ atỳ ‘am-parany’? Hazavao.

18 Tamin’ny 1763, dia efa resin’ny Empira Britanika i Espaina sy i Frantsa, fahavalony nahery. Nanomboka tamin’izay, dia hita fa izy no mpanjakavavin’ny ranomasina sady ny firenena matanjaka indrindra fahafito araka ny faminanian’ny Baiboly. Na dia rehefa avy nisintaka tamin’i Grande-Bretagne sy nanorina ny Fanjakana Mitambatr’i Amerika (Etazonia), aza ireo zanatany amerikanina 13 tamin’ny 1776, ny Empira Britanika dia nitombo ka nahafaoka ny ampahefatry ny velaran’ny tany sy ny ampahefatry ny mponin’ny tany. Vao mainka nihanahery ihany io firenena matanjaka fahafito io, rehefa niara-niasa tamin’i Grande-Bretagne i Etazonian’i Amerika, ka nahaforona ny firenena matanjaka roa sosona anglisy-amerikanina. Teo amin’ny ara-toe-karena sy ny ara-tafika, dia tena tonga ‘mpanjaka masia-tarehy’ tokoa io firenena io. Koa ilay tandroka kely izay tonga hery ara-politika masiaka atỳ ‘am-parany’ àry, dia ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.

19. Inona moa ilay “Ravaka” voatonona tao amin’ilay fahitana?

19 Hitan’i Daniela fa “nihalehibe indrindra” hatrany amin’ny “tany mahafinaritra [“Ravaka”, NW ]” ilay tandroka kely. (Daniela 8:9). Kanto aoka izany ny Tany Nampanantenaina, izay nomen’i Jehovah ny vahoaka voafidiny, hany ka nantsoina hoe “tena endriky ny [“ravaky ny”, NW ] tany rehetra”, izany hoe ny an’ny tany manontolo. (Ezekiela 20:6, 15). Marina fa namabo an’i Jerosalema i Grande-Bretagne tamin’ny 9 Desambra 1917, ary tamin’ny 1920, ny Fikambanam-pirenena dia nanendry an’i Grande-Bretagne ho mpanapaka an’i Palestina hatramin’ny 14 May 1948. Ara-paminaniana sy feno sary an’ohatra anefa ilay fahitana. Ary ilay “Ravaka” voalaza ao aminy dia sary mampiseho, tsy an’i Jerosalema akory, fa ny toe-piainana eto an-tany misy ilay vahoaka heverin’Andriamanitra ho masina amin’ny andron’ilay firenena matanjaka fahafito. Andeha hojerentsika ny fomba itadiavan’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikana handrahona an’ireo olo-masina.

RAVA NY “FITOERANA MASINA”

20. Iza moa ilay “tafika eny amin’ny lanitra” sy ireo “kintana” notadiavin’ilay tandroka kely hazera?

20 “Nihalehibe [ilay tandroka kely] ka nihatra tamin’ireo maro be eny amin’ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ny tany ireo maro be sy ny kintana”. Araka ny fanazavan’ilay anjely, “ireo maro be [“ny tafika”, NW ] eny amin’ny lanitra” sy ireo “kintana” nandraman’ilay tandroka kely hazera dia “ny olo-masina”. (Daniela 8:10, 24). Kristianina voahosotry ny fanahy ireo “olo-masina” ireo. Noho izy ireo nanjary nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ilay fanekena vaovao, izay nanjary nanan-kery noho ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy, dia nohamasinina sy nodiovina ary natokana mba tsy hanompo afa-tsy an’Andriamanitra irery ihany, izy ireo. (Hebreo 10:10; 13:20). Nanendry azy ireo ho mpiara-mandova amin’ny Zanany an’ilay lova any an-danitra i Jehovah, ka mihevitra azy ireo ho masina. (Efesiana 1:3, 11, 18-20). Tao amin’ny fahitan’i Daniela àry, ilay “tafika eny amin’ny lanitra” dia manondro ny sisa eto an-tany amin’ireo “olo-masina” 144 000, izay hiara-manjaka amin’ny Zanak’ondry any an-danitra. — Apokalypsy 14:1-5.

21. Iza no eo amin’ny “fitoerana masina” iray izay nandraman’ilay firenena matanjaka fahafito horavana?

21 Amin’izao andro izao, ny sisa amin’ny 144 000 dia solontena eto an-tany an’ilay “Jerosalema any an-danitra” — ny Fanjakan’Andriamanitra oharina amin’ny tanàna — sy ny fandaharana momba ny tempoly ao aminy. (Hebreo 12:22, 28; 13:14). Amin’io heviny io izy ireo no hoe eo amin’ny “fitoerana masina” iray izay tadiavin’ilay firenena matanjaka fahafito hohitsakitsahina sy horavana. (Daniela 8:13). Niantso an’io fitoerana masina io koa hoe “ny fitoerana [masin’i Jehovah]” i Daniela, ka nanao hoe: “Nesorina [tamin’i Jehovah] ny fanatitra isan-andro, ary ny [fitoerany] masina noravana. Ary nisy maro be mbamin’ny fanatitra isan-andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.” (Daniela 8:11, 12). Ahoana no nahatanterahan’izany?

22. Inona no “fahotana” lehibe nataon’ilay firenena matanjaka fahafito nandritra ny Ady Lehibe Faharoa?

22 Nanao ahoana ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe Faharoa? Niharan’ny fanenjehana faran’izay mafy izy ireo! Nanomboka tany amin’ireo tany nazia sy fasista izany, nefa tsy ela dia ‘nazera ho amin’ny tany ny fahamarinana’, nanerana ny faritany nidadasik’ilay ‘tandroka kely izay nihanahery’. Norarana saika nanerana ny Commonwealth Britanika rehetra ny ‘tafik’ireo’ mpitory ilay Fanjakana, sy ny asa fitoriany ny “vaovao tsara”. (Marka 13:10, NW ). Fony niantso ireo vatan-dehilahiny ho miaramila ireo firenena ireo, dia tsy nanome lalana an’ireo mpitondra fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanao raharaha miaramila, ka tamin’izany dia tsy nampiseho fanajana ny fanendrena teôkratika azony mba ho minisitr’Andriamanitra. Niharan’ny herisetran’ny mpirotaka sy ny fampietrena maro samihafa ireo mpanompo nahatokin’i Jehovah tany Etazonia. Tena nitady hanaisotra fanati-piderana — “ny vokatry ny molotra”, dia ilay “fanatitra isan-andro”, na hoe “ilay lafin-javatra tsy miova” (NW ) amin’ny fanompoam-pivavahany — izay natolotry ny vahoakan’i Jehovah ho azy tsy tapaka, tokoa ilay firenena matanjaka fahafito. (Hebreo 13:15). Tamin’izany io firenena matanjaka io dia nanao “fahadisoana”, na “fahotana” (NW ), tamin’ny fanafihana ny faritany ara-dalànan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra — ‘ny fitoerany masina’.

23. a) Ahoana no nitsanganan’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina hanohitra “ny Andrianan’ny andriana”, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa? b) Iza moa ilay “Andrianan’ny andriana”?

23 Tamin’ny fanenjehana “ny olo-masina” nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia niavonavona ilay tandroka kely ka “niady tamin’ny Komandin’ireo maro be”, na ny “Andrianan’ny tafika” (NW ). Araka ny nilazan’ny anjely Gabriela azy, dia nitsangana “hanohitra ny Andrianan’ny andriana” izy. (Daniela 8:11, 25). Ilay anaram-boninahitra hoe “ny Andrianan’ny andriana” dia tsy mihatra afa-tsy amin’i Jehovah Andriamanitra irery ihany. Ilay teny hebreo hoe sar, nadika hoe “andriana”, dia mifandray amin’ny matoanteny midika hoe “mampihatra fanapahana”. Manondro zanakalahin’ny mpanjaka na ny havan’ny mpanjaka iray io teny io, nefa mihatra koa amin’ny filoha na ny lehibe iray. Ny bokin’i Daniela dia manonona andriana anjely hafa, toa an’i Mikaela, ohatra. Andriamanitra no Lehibe indrindra amin’ireo andriana rehetra ireo. (Daniela 10:13, 21; ampitahao amin’ny Salamo 83:18.) Azontsika eritreretina ve hoe hisy hahatsangana hanohitra an’i Jehovah — ilay Andrianan’ny andriana?

NODIOVINA NY “FITOERANA MASINA”

24. Inona no toky omen’ny Daniela 8:14 antsika?

24 Tsy misy mahatsangana hanohitra ny Andrianan’ny andriana — na dia mpanjaka iray “masia-tarehy” toy ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina aza! Tsy mahomby ny fanandraman’io mpanjaka io handrava ny fitoerana masin’Andriamanitra. Rehefa afaka “telon-jato sy roa arivo andro”, hoy ilay anjely mpitondra hafatra, “dia amin’izay vao hodiovina ny fitoerana masina”, na hoe “hivoaka ho mpandresy”. — Daniela 8:13, 14; The New English Bible.

25. Hafiriana ny faharetan’ilay fe-potoana ara-paminaniana misy 2 300 andro, ary tsy maintsy ampifandraisina amin’inona izy io?

25 Fe-potoana ara-paminaniana no tondroin’ireo 2 300 andro. Noho izany, dia tsy maintsy ampiharina eto ny fitsipika ny amin’ny 360 andro mira herintaona ara-paminaniana. (Apokalypsy 11:2, 3; 12:6, 14). Ireo 2 300 andro àry dia ho 6 taona sy 4 volana ary 20 andro. Oviana io fe-potoana io? Tamin’ireo taona 1930, dia nanomboka nitombo ny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra tany amin’ny tany maro samihafa. Ary nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nenjehina tamin-kasiahana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tanin’ilay firenena matanjaka roa sosona anglisy-amerikanina. Nahoana? Noho izy ireo nikiry ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’. (Asan’ny Apostoly 5:29). Noho izany, dia tsy maintsy ho nifandray tamin’iny ady iny ireo 2 300 andro. * Oviana marina anefa no nanomboka sy nifarana io fe-potoana ara-paminaniana io?

26. a) Manomboka hatraiza, raha aloha indrindra, no tokony hanisana ireo 2 300 andro? b) Oviana no nifarana ilay fe-potoana misy 2 300 andro?

26 Mba ‘hahavoadio’, na ‘hahatafaverina’ (NW ) ho amin’ny tokony ho izy an’ilay “fitoerana masina”, dia tsy maintsy ho nanomboka tamin’ny fotoana nananany ny “tena toetrany” (NW ) teo imason’Andriamanitra, ireo 2 300 andro. Raha aloha indrindra, izany dia tamin’ny 1 Jona 1938, fony Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) namoaka ny fizarana voalohany tamin’ilay lahatsoratra hoe “Fandaminana”. Ny fizarana faharoa dia niseho tao amin’ny nomeraon’ny 15 Jona 1938. Raha manisa 2 300 andro (6 taona sy 4 volana ary 20 andro araka ny kalandrie hebreo) manomboka amin’ny 1 na 15 Jona 1938 isika, dia ho tonga amin’ny 8 na 22 Oktobra 1944. Tamin’ny andro voalohan’ny fivoriambe manokana iray natao tamin’ny 30 Septambra sy 1 Oktobra 1944, tany Pittsburgh, any Pennsylvanie (Etazonia), dia niresaka momba ny foto-kevitra hoe “Ny Fandaharana Teôkratika Amin’izao Andro Izao” ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’ny fivoriana fanao isan-taona nataon’ny mpikambana tao amin’ny Fikambanana tamin’ny 2 Oktobra, dia nohatsaraina ny sata nifehy azy, mba ho akaiky kokoa ny fandaharana teôkratika araka izay hamelan’ny lalàna azy. Rehefa nohazavaina tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra ireo zavatra takin’ny Baiboly, tsy ela dia tafaorina tamin’ny fomba feno kokoa tao amin’ireo kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandaminana teôkratika.

27. Inona no porofo fa voafetra ilay “lafin-javatra tsy miova”, nandritra ireo taona nisian’ny Ady Lehibe Faharoa feno fanenjehana?

27 Raha mbola nizotra ihany ireo 2 300 andro nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, izay nanomboka tamin’ny 1939, dia voafetra izaitsizy ny fanolorana an’ilay “lafin-javatra tsy miova” teo amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra, noho ny fanenjehana. Tamin’ny 1938, dia 39 ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower niandraikitra ny asan’ny Vavolombelona naneran-tany, fa tamin’ny 1943 kosa dia 21 monja izy ireo. Tsy nitombo firy koa ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana nandritra io fe-potoana io.

28, 29. a) Rehefa nadiva hifarana ny Ady Lehibe Faharoa, fizotran-javatra inona moa no niseho teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah? b) Inona no azo lazaina momba ireo fanandraman’ny fahavalo lozabe hanafoana sy handrava ilay “fitoerana masina”?

28 Araka ny nomarihintsika, nandritra ireo volana farany tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanamafy indray ny fahatapahan-keviny hankalaza ny fanapahan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fanompoana azy eo anivon’ny fandaminana teôkratika iray. Noho izany zava-nokendrena izany no nandaminana indray ny asany sy ny rafitra nitondra azy tamin’ny 1944. Raha ny marina aza, dia nisy lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Voalamina ho Amin’ny Asa Farany”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Oktobra 1944. Izy io sy ny lahatsoratra hafa momba ny fanompoana tamin’io fe-potoana io dia nampiseho fa efa nifarana ireo 2 300 andro ary efa ‘voadio’ indray ilay “fitoerana masina”.

29 Nandamòka tanteraka ny fanandraman’ireo fahavalo lozabe hanafoana sy handrava ilay “fitoerana masina”. Eny tokoa, tafavoaka ho mpandresy ny “olo-masina” sisa teto an-tany, niaraka tamin’ireo namany anisan’ny “olona betsaka”. (Apokalypsy 7:9). Ary ilay fitoerana masina, nahazo ny toetrany teôkratika ara-dalàna, ankehitriny dia manohy manolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah.

30. Inona no hanjo tsy ho ela an’ilay ‘mpanjaka masia-tarehy’?

30 Mbola mitana ny toerany ihany ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. “Kanjo ho torotoro kosa [izy], nefa tsy hisy tànana hamely azy tsinona”, hoy ny anjely Gabriela. (Daniela 8:25). Vetivety foana dia ho torotoro io firenena matanjaka fahafito araka ny faminanian’ny Baiboly io, izany hoe ilay ‘mpanjaka masia-tarehy’. Tsy tanan’olombelona anefa no hamely azy, fa hery mihoatra noho ny an’ny olombelona, ao Haramagedona. (Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14, 16). Tena mampientam-po tokoa ny mahalala fa ho voamarina ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra, ny Andrianan’ny andriana, amin’izay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Ireo firenena matanjaka fito manana heviny manokana ara-baiboly dia i Ejipta, i Asyria, i Babylonia, i Media-Persia, i Gresy, i Roma ary ny firenena matanjaka roa sosona anglisy-amerikanina. Mendri-komarihina izy rehetra ireo, satria nanana fifandraisana tamin’ny vahoakan’i Jehovah.

^ feh. 25 Ny Daniela 7:25 dia miresaka koa momba ny fe-potoana iray izay ‘hampahoriana ny olo-masin’ny Avo Indrindra’. Araka ny nohazavaina tao amin’ilay toko teo aloha, izany dia nifandray tamin’ny ady lehibe voalohany.

INONA NO AZONAO?

• Sary mampiseho inona moa

ilay “ondrilahy nanana tandroka roa”?

ilay “osilahy lava volo” sy ilay “tandrony lehibe”?

ireo tandroka efatra nipoitra ka nisolo toerana an’ilay “tandroka lehibe”?

ilay tandroka kely nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireo tandroka efatra?

• Ahoana no nanandraman’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina handrava “ny fitoerana masina”, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary nahomby ve izy?

[Fanontaniana]

[Sarintany/Sary, pejy 166]

(Jereo ny boky)

Empira Medianina sy Persanina

MAKEDÔNIA

EJIPTA

Memfisa

ETIOPIA

Jerosalema

Babylona

Ekbatàna

Sosa

Persepolisy

INDIA

[Sarintany/Sary, pejy 169]

(Jereo ny boky)

Empira Grika

MAKEDÔNIA

EJIPTA

Babylona

Ony Indus

[Sarintany/Sary, pejy 172]

(Jereo ny boky)

Empira Romanina

BRETAGNE

ITALIA

Roma

Jerosalema

EJIPTA

[Sary, pejy 164]

[Sary, pejy 174]

Olona nalaza sasany tao amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina:

1. George Washington, prezidàn’i Etazonia voalohany (1789-1797)

2. Victoria, mpanjakavavin’i Grande-Bretagne (1837-1901)

3. Woodrow Wilson, prezidàn’i Etazonia (1913-1921)

4. David Lloyd George, praiminisitr’i Grande-Bretagne (1916-1922)

5. Winston Churchill, praiminisitr’i Grande-Bretagne (1940-1945, 1951-1955)

6. Franklin D. Roosevelt, prezidàn’i Etazonia (1933-1945)