Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Naharihary ny Fotoana Hahatongavan’ny Mesia

Naharihary ny Fotoana Hahatongavan’ny Mesia

Toko Fahiraika Ambin’ny Folo

Naharihary ny Fotoana Hahatongavan’ny Mesia

1. Koa satria i Jehovah no ilay Mpametra Fotoana Lehibe, inona moa no azontsika antoka?

I JEHOVAH no ilay Mpametra Fotoana Lehibe. Voafehiny tsara avokoa ny andro sy ny fotoana rehetra mifandray amin’ny asany. (Asan’ny Apostoly 1:7). Azo antoka fa ho tonga tokoa ireo fisehoan-javatra rehetra nolazainy fa hitranga amin’ireny andro sy fotoana ireny. Ho to izy ireny.

2, 3. Faminaniana inona no nanehoan’i Daniela fahalianana, ary iza no empira nanapaka an’i Babylona tamin’io fotoana io?

2 Nazoto nianatra ny Soratra Masina i Daniela mpaminany, ka nanam-pinoana ny fahaizan’i Jehovah mamaritra ny fotoana hisehoan’ny zavatra sasany sy mampitranga azy ireo. Tena nahaliana manokana an’i Daniela ireo faminaniana momba ny fandravana an’i Jerosalema. I Jeremia dia efa nirakitra an-tsoratra ny fanambarana nataon’Andriamanitra momba ny hoe hafiriana no ho foana ilay tanàna masina, ary i Daniela dia nandinika tamim-pitandremana an’iny faminaniana iny. Hoy ny nosoratany: “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa, zanak’i Ahasoerosy, avy amin’ny taranaky ny Mediana, izay nampanjakaina tamin’ny fanjakan’ny Kaldeana, — tamin’ny taona voalohany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin’ny boky ny isan’ny taona nampahafantarin’ny tenin’i Jehovah an’i Jeremia mpaminany, izay hahataperan’ny fito-polo taona amin’ny hahafoanan’i Jerosalema.” — Daniela 9:1, 2; Jeremia 25:11.

3 I Dariosy Medianina no nanapaka teo amin’ny “fanjakan’ny Kaldeana” tamin’izay. Ilay faminaniana nolazain’i Daniela teo aloha, fony izy nanome ny hevitr’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina, dia efa tanteraka tao anatin’ny fotoana fohy. Tsy teo intsony ny Empira Babylonianina, izay efa ‘nomena ny Medianina sy ny Persanina’ tamin’ny 539 al.f.i. — Daniela 5:24-28, 30; 6:1.

NITALAHO TAMIN’I JEHOVAH TAMIM-PANETREN-TENA I DANIELA

4. a) Inona no nilain’ny Jiosy mba hanafahan’Andriamanitra azy ireo? b) Ahoana no nanatonan’i Daniela an’i Jehovah?

4 Takatr’i Daniela fa efa hifarana ireo 70 taona nahafoanan’i Jerosalema. Inona no hataony izao? Ny tenany mihitsy no milaza izany amintsika: “Nampanatrehiko an’Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ny fifadian-kanina sy ny lamba fisaonana ary ny lavenona. Ary nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra” taminy. (Daniela 9:3, 4). Nila nanana toe-po araka ny tokony ho izy ilay vahoaka, mba hanafahan’Andriamanitra azy tamim-pamindram-po. (Levitikosy 26:31-46; 1 Mpanjaka 8:46-53). Nila nanana finoana sy toe-tsaina nanetry tena izy ireo, ary koa fibebahana feno noho ireo fahotana izay nahatonga azy ireo hatao sesitany sy handevozina. Noho izany, dia nanatona an’Andriamanitra i Daniela, ho an’ilay fireneny mpanota. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fifadian-kanina sy ny fanehoana alahelo ary ny fitafiana lamba fisaonana, izay mariky ny fibebahana sy ny fahatsoram-po.

5. Nahoana i Daniela no natoky fa ho tafaverina tany an-tanindrazany ny Jiosy?

5 Nahavelom-panantenana an’i Daniela ilay faminanian’i Jeremia, satria nampiseho fa tsy ho ela ireo Jiosy dia ho tafaverina tany Joda, tanindrazany. (Jeremia 25:12; 29:10). Tsy isalasalana fa natoky i Daniela fa hahazo fanamaivanana ireo Jiosy voageja, satria efa nisy lehilahy iray nantsoina hoe Kyrosy teo ambony seza fiandrianan’i Persa. Tsy efa naminany tokoa ve i Isaia fa i Kyrosy no ho fitaovana hanafahana ny Jiosy mba hanorenan’izy ireo indray an’i Jerosalema sy ny tempoly? (Isaia 44:28–45:3). Tsy nanan-kevitra ny amin’izay fomba hahatongavan’izany mihitsy anefa i Daniela. Koa nanohy nitalaho tamin’i Jehovah àry izy.

6. Inona no neken’i Daniela tao amin’ny vavaka nataony?

6 Nisarika ny saina ho amin’ny famindram-pon’Andriamanitra sy ho amin’ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana i Daniela. Niaiky tamim-panetren-tena izy fa nanota ny Jiosy tamin’ny fikomiana tamin’i Jehovah, sy tamin’ny fialana tamin’ireo didiny ary tamin’ny tsy firaharahana ireo mpaminaniny. Ara-drariny ny ‘nandroahan’Andriamanitra azy ireo noho ny fahadisoany’. Nivavaka toy izao i Daniela: “Eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an’ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay. An’ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindrampo sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay ka tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay. Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.” — Daniela 9:5-11; Eksodosy 19:5-8; 24:3, 7, 8.

7. Nahoana no azo lazaina fa nanao zavatra ara-drariny i Jehovah tamin’ny famelana ny Jiosy ho lasa babo?

7 Nampitandrina ny Isiraelita Andriamanitra fa hiharan’ny vokany izy ireo, raha tsy nankato azy sy tsy niraharaha ilay fanekena nifanaovany tamin’izy ireo. (Levitikosy 26:31-33; Deoteronomia 28:15; 31:17). Niaiky i Daniela fa ara-drariny ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka hoy izy: “Notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin’ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema. Araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy no nahatongavan’izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin’ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao. Koa izany no nitehirizan’i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin’ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.” — Daniela 9:12-14.

8. Inona no nanorenan’i Daniela ny fiangaviana nataony tamin’i Jehovah?

8 Tsy nitady hanamarina ireo zavatra nataon’ny fireneny i Daniela. Mendrika ny nalefa tany an-tsesitany izy ireo, araka ny nekeny mora foana hoe: “Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.” (Daniela 9:15). Ary tsy fanamaivanana tamin’ny fijaliana fotsiny koa no zavatra nahiny. Tsia, fa ny voninahitra sy ny lazan’i Jehovah no nanorenany ny fiangaviany. Raha namela ny heloky ny Jiosy sy namerina azy ireo tany an-tanindrazany Andriamanitra, dia hanatanteraka ny fampanantenana nomeny tamin’ny alalan’i Jeremia ka hanamasina ny anarany masina. Niangavy toy izao i Daniela: “Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina; fa ny helokay sy ny fahotan’ny razanay no nahatonga an’i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin’izay rehetra manodidina anay.” — Daniela 9:16.

9. a) Fitalahoana inona avy no namaranan’i Daniela ny vavaka nataony? b) Inona no nampahory an’i Daniela, nefa ahoana no nanehoany fanajana ny anaran’Andriamanitra?

9 Nanohy nivavaka tamin-kafanam-po toy izao i Daniela: “Ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin’ny fitoeranao masina izay efa foana, satria Tompo Hianao. Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin’ny anaranao; fa tsy amin’ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ny halehiben’ny indrafonao. Tompo ô, mandrenesa; Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô, noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin’ny anaranao.” (Daniela 9:17-19). Raha tsy nety namela heloka Andriamanitra ka namela ny vahoakany tany an-tsesitany, sy i Jerosalema, tanànany masina, ho foana mandrakizay, moa ve ireo firenena hihevitra azy ho ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao? Tsy hanatsoaka hevitra kosa ve izy ireo hoe tsy nanan-kery teo anoloan’ny herin’ireo andriamanitra babylonianina i Jehovah? Eny, halam-baraka ny anaran’i Jehovah, ka izany no nampahory an’i Daniela. Amin’ireo toerana 19 isehoan’ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny soratry ny bokin’i Daniela tany am-boalohany, ny 18 dia hita ao amin’io vavaka io!

TONGA FAINGANA I GABRIELA

10. a) Iza no nirahina ho any amin’i Daniela, ary nahoana? b) Nahoana i Daniela no niantso an’i Gabriela hoe “lehilahy”?

10 Raha mbola nivavaka i Daniela, dia niseho ny anjely Gabriela. Hoy izy: “Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho. Tamin’ny niantombohan’ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra hianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.” Nahoana anefa i Daniela no niantso azy hoe “ilay lehilahy Gabriela”? (Daniela 9:20-23). Fony i Daniela nitady hahatakatra ny hevitr’ilay fahitana azony teo aloha momba ilay osilahy sy ilay ondrilahy, dia “nisy nanana tarehy tahaka ny olona” niseho teo anoloany. Ny anjely Gabriela ilay izy, nirahina mba hanome azy fahazavan-tsaina. (Daniela 8:15-17). Toy izany koa, rehefa avy nivavaka i Daniela, dia tonga teo akaikiny io anjely io, naka endrik’olombelona, ary niresaka taminy, toy ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa.

11, 12. a) Na dia tsy nisy tempoly na alitaran’i Jehovah aza tao Babylona, ahoana no nanehoan’ireo Jiosy mpivavaka, fanajana ny Lalàna izay nitaky ny hanolorany fanatitra? b) Nahoana i Daniela no nantsoina hoe “malala indrindra”?

11 Tonga “tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva” i Gabriela. Efa rava niaraka tamin’ny tempoly tany Jerosalema ny alitaran’i Jehovah, ary babon’ny Babylonianina mpanompo sampy ny Jiosy. Koa tsy nanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra àry ny Jiosy tao Babylona. Tamin’ny fotoana nandidian’ny Lalàn’i Mosesy hanolorana fanatitra anefa, dia nety raha nankalaza an’i Jehovah sy nitalaho taminy ireo Jiosy mpivavaka tao Babylona. Noho izy lehilahy nanana fifikirana lalina tamin’Andriamanitra, dia nantsoina hoe “malala indrindra” i Daniela. Nahafinaritra an’i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka”, izy, ary dia nirahina faingana i Gabriela mba hamaly ny vavaka nataon’i Daniela tamim-pinoana. — Salamo 65:2.

12 Na dia fony nahatandindomin-doza ny ainy aza ny nivavaka tamin’i Jehovah, dia mbola nanohy nivavaka tamin’Andriamanitra intelo isan’andro ihany i Daniela. (Daniela 6:11, 12). Tsy mahagaga raha hitan’i Jehovah ho malala indrindra izy! Ankoatra ny vavaka, ny fisaintsainan’i Daniela momba ny Tenin’Andriamanitra dia nanampy azy hamantatra ny sitrapon’i Jehovah. Naharitra tamin’ny vavaka i Daniela, ary nahafantatra ny fomba hanatonana an’i Jehovah araka ny tokony ho izy, mba hahazoana valiny. Nanasongadina ny fahamarinan’Andriamanitra izy. (Daniela 9:7, 14, 16). Ary na dia tsy nahita hokianina tamin’i Daniela aza ireo fahavalony, izy kosa dia nahalala fa mpanota teo imason’Andriamanitra ny tenany, ka niaiky ny helony mora foana. — Daniela 6:5; Romana 3:23.

“FITO-POLO HERINANDRO” MBA HANAMPINA NY FAHOTANA

13, 14. a) Vaovao lehibe inona no nambaran’i Gabriela tamin’i Daniela? b) Hafiriana ny faharetan’ireo “fito-polo herinandro”, ary ahoana no ahafantarantsika izany?

13 Endre izany valim-bavaka azon’i Daniela tsy nanadino ny nivavaka! Tsy vitan’ny hoe nanome toky azy i Jehovah fa haverina any an-tanindrazany ny Jiosy, fa nanome azy koa fahazavan-tsaina momba ny zavatra iray lehibe lavitra noho izany — ny fisehoan’ilay Mesia nambara mialoha. (Genesisy 22:17, 18; Isaia 9:5, 6). Hoy i Gabriela tamin’i Daniela: “Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra. Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny làlana sy ny hady, dia amin’izay andro mampahory.” — Daniela 9:24, 25.

14 Izany ka vaovao tsara! Tsy vitan’ny hoe ho voaorina indray i Jerosalema ary ho tafaverina amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly vaovao iray, fa hiseho amin’ny fotoana iray voafaritra tsara koa “i Mesia Andriana”. Izany dia hitranga ao anatin’ny “fito-polo herinandro”. Koa satria tsy nanonona ny hoe andro i Gabriela, dia tsy herinandro misy fito andro tsirairay akory ireo, satria izany dia ho mira 490 andro, izany hoe herintaona sy efa-bolana monja. Naharitra ela kokoa noho izany ilay fanamboarana indray an’i Jerosalema, ‘nanana lalana [“kianja”, NW ] sy hady’, nambara mialoha. Herinandron-taona ireo herinandro ireo. Fandikan-teny maoderina maromaro no toa manondro fa fito taona no halavan’ny herinandro tsirairay. Ny fanamarihana ambany pejy ho an’ny Daniela 9:24 ao amin’ny Tanakh—The Holy Scriptures, natontan’ny The Jewish Publication Society, ohatra, dia mandika azy io hoe “fitopolo herinandron-taona”. Izao no vakina ao amin’ny An American Translation: “Fito-polo herinandron-taona no atokana ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina.” Mandika azy io toy izany koa ny fandikan-tenin’i Moffatt sy i Rotherham.

15. Mizara ho fe-potoana telo inona avy ireo “fito-polo herinandro”, ary oviana izy ireo no nanomboka?

15 Araka ny tenin’ilay anjely, ireo “fito-polo herinandro” dia hozaraina telo: 1) “fito herinandro” sy 2) “roa amby enim-polo herinandro” ary 3) herinandro iray. Izany dia hanome 49 taona sy 434 taona ary 7 taona — 490 taona amin’ny fitambarany. Mahaliana fa toy izao no andikan’ny The Revised English Bible azy: “Fito taona impitopolo no marihina ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina.” Aorian’ilay sesitany sy fijaliana niaretany tao Babylona nandritra ny 70 taona, dia hanehoan’Andriamanitra fiheverana manokana ny Jiosy mandritra ny 490 taona, na 70 taona im-7. Ny fotoana hanombohan’izany dia “ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema”. Rahoviana moa izany?

NANOMBOKA IREO “FITO-POLO HERINANDRO”

16. Araka ny nasehon’ny didiny, noho ny zava-nokendrena inona moa no namerenan’i Kyrosy ny Jiosy tany an-tanindrazany?

16 Fisehoan-javatra miavaka telo no mendri-komarihina, mikasika ny fiandohan’ireo “fito-polo herinandro”. Ny voalohany dia nitranga tamin’ny 537 al.f.i., fony i Kyrosy namoaka ny didiny hamerenana ny Jiosy tany an-tanindrazany. Izao no vakina ao: “Izao no lazain’i Kyrosy, mpanjakan’i Persa: Ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany dia efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, — Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema. Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ny fanati-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra, izay any Jerosalema.” (Ezra 1:2-4). Mazava fa ny zava-nokendrena voafaritra tsaran’io didy io dia ny hanamboarana indray ilay tempoly — “ny tranon’i Jehovah” — teo amin’ny toerany taloha.

17. Inona no anton-dian’i Ezra nankany Jerosalema, voalazan’ilay taratasy nomena azy?

17 Ilay zava-nitranga faharoa dia tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy, Mpanjaka persanina (Artaksersesy Longimanus, zanak’i Ksersesy I). Tamin’io fotoana io, i Ezra mpanao kopia dia nanao dia efa-bolana avy tao Babylona nankany Jerosalema. Nitondra taratasy manokana iray avy tamin’ny mpanjaka izy, nefa tsy fanomezan-dalana ho an’ny fanamboarana indray an’i Jerosalema no tao anatin’izy io. Voafetra ho amin’ny ‘fanatsarana tarehy ny tranon’i Jehovah’ kosa ny fanendrena azon’i Ezra. Izany no antony nanononan’ilay taratasy ny volamena sy ny volafotsy ary ny fanaka masina, ary koa ny fanomezana varimbazaha, divay, diloilo ary sira ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly, sy ny fanomezan-dalana tsy handoa hetra ho an’ireo nanompo tao. — Ezra 7:6-27.

18. Vaovao hoe ahoana no nampikorontan-tsaina an’i Nehemia, ary ahoana no nahafantaran’i Artaksersesy Mpanjaka momba ilay izy?

18 Ilay zava-nitranga fahatelo dia niseho 13 taona tatỳ aoriana, tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy, Mpanjaka persanina. Mpitondra kapoakany “tany an-dapa any Sosana” i Nehemia tamin’izay. Efa somary vitan’ny sisa tafaverina avy tany Babylona, ihany ny fanamboarana indray an’i Jerosalema. Tsy nahafa-po anefa ny tarehin-javatra. Ren’i Nehemia fa “voarodana ny màndan’i Jerosalema sady nodoran’ny afo ny vavahadiny”. Nampikorontan-tsaina azy mafy izany, ka nanjary nalahelo ny fony. Rehefa nanontaniana momba izay nampalahelo azy i Nehemia, dia namaly hoe: “Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon’ny afo ny vavahadiny?” — Nehemia 1:1-3; 2:1-3.

19. a) Rehefa nanontanian’i Artaksersesy Mpanjaka i Nehemia, inona moa no nataony voalohany? b) Inona no nangatahin’i Nehemia, ary ahoana no nanekeny fa Andriamanitra no tao ambadik’ilay raharaha?

19 Hoy ny tohin’ilay fitantarana mahakasika an’i Nehemia: “Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako, mba hanamboarako izany.” Tian’i Artaksersesy io fanoloran-kevitra io, no sady nekeny koa izao fangatahan’i Nehemia nanaraka izao: “Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin’ireo governora any an-dafin’ny ony [Eofrata] aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda, sy taratasy ho amin’i Asafa, mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny màndan’ny tanàna sy ny trano izay hitoerako.” Niaiky i Nehemia fa i Jehovah no nitarika izany rehetra izany, ka hoy izy: “Dia nomen’ny mpanjaka ahy [ireo taratasy] araka ny soa nataon’ny tànan’Andriamanitro tamiko.” — Nehemia 2:4-8.

20. a) Oviana no nanan-kery ilay teny momba ny ‘hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema’? b) Oviana no nanomboka ireo “fito-polo herinandro”, ary oviana izy ireo no nifarana? d) Inona no porofo mampiseho fa marina ireo daty naroso ho an’ny fanombohan’ireo “fito-polo herinandro” sy ny fifaranany?

20 Na dia nomena tamin’ny volana Nisana, tamin’ny voalohandohan’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy, aza ilay fahazoan-dalana, dia volana maro tatỳ aoriana vao nanan-kery ny tena ‘nivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema’. Izany dia nitranga tamin’ny fotoana nahatongavan’i Nehemia tao Jerosalema ka nanombohany ilay asa fanavaozana. Naharitra efa-bolana ny dian’i Ezra, nefa i Sosana dia tany amin’ny 322 kilaometatra mahery tany atsinanan’i Babylona, ka vao mainka aza lavitra kokoa an’i Jerosalema. Azo inoana àry fa tany amin’ny faramparan’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy, izany hoe tamin’ny 455 al.f.i., i Nehemia no tonga tao Jerosalema. Tamin’izay no nanomboka ireo “fito-polo herinandro”, na 490 taona, nambara mialoha. Tamin’ny tapany farany tamin’ny taona 36 am.f.i. izy ireo no hifarana. — Jereo ny hoe “Oviana i Artaksersesy no Nanomboka Nanjaka?”, eo amin’ny pejy faha-197.

NISEHO “I MESIA ANDRIANA”

21. a) Inona no tsy maintsy ho vita nandritra ireo “fito herinandro” voalohany, ary na dia tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana aza? b) Tamin’ny taona firy ny Mesia no tokony hiseho, ary inona no nolazain’ny Filazantsaran’i Lioka fa hitranga amin’io fotoana io?

21 Firy taona no lasa vao tena voamboatra indray i Jerosalema? Ny fanavaozana ilay tanàna dia tsy maintsy vita ‘tamin’izay andro nampahory’, noho ireo zava-nanahirana teo amin’ny Jiosy samy Jiosy, nefa koa noho ny fanoherana avy tamin’ny Samaritanina sy ny hafa. Azo inoana fa efa vita ny asa tena nilaina tamin’ny 406 al.f.i. tany ho any — tao anatin’ireo “fito herinandro”, na 49 taona. (Daniela 9:25). Hisy fe-potoana 62 herinandro, na 434 taona, hanaraka izany. Ary aorian’io, dia hiseho ilay Mesia nampanantenaina hatramin’ny ela. Raha manisa 483 (49 ampiana 434) taona manomboka amin’ny 455 al.f.i. isika, dia ho tonga amin’ny taona 29 am.f.i. Inona no nitranga tamin’io fotoana io? Milaza izany amintsika toy izao i Lioka, mpanoratra Filazantsara: “Ary tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, (...) dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’Andriamanitra. Ary nankany amin’ny tany rehetra any amoron’i Jordana izy nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka”. Tamin’izay ‘ny olona dia niandry’ ny Mesia. — Lioka 3:1-3, 15.

22. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’i Jesosy ho ilay Mesia nambara mialoha?

22 Tsy i Jaona no ilay Mesia nampanantenaina; fa hoy kosa izy, momba izay hitany tamin’ny batisan’i Jesosy avy any Nazareta, tamin’ny fararanon’ny 29 am.f.i.: “Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 1:32-34). Tamin’ny batisany i Jesosy dia tonga Ilay Voahosotra — ny Mesia, na Kristy. Tsy ela taorian’izay, dia nahita an’i Jesosy voahosotra i Andrea, mpianatr’i Jaona, ary avy eo dia nilaza tamin’i Simona Petera hoe: “Efa nahita ny Mesia izahay”. (Jaona 1:41). Araka izany, dia niseho ara-potoana tsara “i Mesia Andriana” — tamin’ny faran’ireo 69 herinandro!

IREO FISEHOAN-JAVATRA TAMIN’ILAY HERINANDRO FARANY

23. Nahoana no tsy maintsy maty “i Mesia Andriana”, ary rahoviana izany no hitranga?

23 Inona no tsy maintsy ho tanteraka nandritra ilay herinandro faha-70? Nilaza i Gabriela fa nofaritana ilay fe-potoana nisy “fito-polo herinandro” mba “hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra”. Mba hahatanterahan’izany, dia tsy maintsy maty “i Mesia Andriana”. Rahoviana? Hoy i Gabriela: “Rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana (...). Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro”. (Daniela 9:26a, 27a). Ny fara tampony dia teo amin’ny “antsasaky ny herinandro”, izany hoe teo afovoan’ilay herinandron-taona farany.

24, 25. a) Araka ny faminaniana, oviana i Kristy no maty, ary namarana ny inona ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty? b) Inona no nanjary nety noho ny fahafatesan’i Jesosy?

24 Nanomboka teo amin’ny tapany farany tamin’ny taona 29 am.f.i. ny fanompoan’i Jesosy Kristy ampahibemaso, ary naharitra telo taona sy tapany. Araka ny faminaniana, teo am-piandohan’ny taona 33 am.f.i., dia ‘novonoina’ i Kristy, izay maty teo amin’ny hazo fijaliana iray, ka nanome ny ainy ho avotra ho an’ny olombelona. (Isaia 53:8; Matio 20:28). Tsy nilaina intsony ireo fanatitra biby sy fanatitra hafa nandidian’ny Lalàna, rehefa nampiseho tamin’Andriamanitra tany an-danitra ny vidin’ny ain’olombelona nataony sorona, i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Na dia mbola nanohy nanolotra fanatitra mandra-pandringana ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. aza ireo mpisorona jiosy, dia tsy neken’Andriamanitra intsony ireny sorona ireny. Nosoloana sorona iray tsara kokoa izy ireny, dia sorona izay tsy nilaina haverina intsony mihitsy. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “[I Kristy] nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota (...). Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.” — Hebreo 10:12, 14.

25 Na dia mbola nanohy nampahory ny olombelona aza ny ota sy ny fahafatesana, ny namonoana an’i Jesosy ho faty sy ny nitsanganany tamin’ny maty mba hiaina any an-danitra dia nahatanteraka faminaniana, izany hoe ‘nahatapaka ny fahadisoana, nanampina ny fahotana, nanao fanavotana noho ny heloka, ary nampiditra fahamarinana’. Nesorin’Andriamanitra ny faneken’ny Lalàna, izay nanala sarona sy nanameloka ny Jiosy ho mpanota. (Romana 5:12, 19, 20; Galatiana 3:13, 19; Efesiana 2:15; Kolosiana 2:13, 14). Izao dia azo nofoanana ny fahotan’ireo mpanao ratsy nibebaka, ary nesorina ny sazy noho ny fahotana. Tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’ny Mesia, dia azon’ireo izay naneho finoana natao ny nihavana indray tamin’Andriamanitra. Afaka nanantena ny hahazo ny fanomezan’Andriamanitra ‘fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesosy’, izy ireo. — Romana 3:21-26; 6:22, 23; 1 Jaona 2:1, 2.

26. a) Na dia efa nesorina aza ny faneken’ny Lalàna, fanekena inona no mbola ‘nohazonina hanan-kery nandritra ny herinandro’? b) Inona no zava-niseho tamin’ny faran’ny herinandro faha-70?

26 Nesorin’i Jehovah àry izany ny faneken’ny Lalàna, tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy tamin’ny 33 am.f.i. Koa ahoana àry no ahafahana milaza fa “hanorina fanekena ho herinandro amin’ny maro”, ny Mesia, na hoe “tsy maintsy mihazona ny fanekena hanan-kery ho an’ny maro mandritra ny herinandro” (NW )? Satria nihazona ny fanekena abrahamika hanan-kery izy. Mandra-pifaran’ny herinandro faha-70, dia mbola nanitatra ny fitahiana nentin’io fanekena io tamin’ireo Jiosy taranak’i Abrahama Andriamanitra. Tamin’ny faran’ireo “fito-polo herinandro”, tamin’ny 36 am.f.i., anefa, dia nitory tamin’i Kornelio, lehilahy italianina tia fivavahana, sy tamin’ny ankohonany ary tamin’ny Jentilisa hafa, ny apostoly Petera. Ary nanomboka tamin’io andro io, dia nambara tamin’ny olona tany amin’ireo firenena ny vaovao tsara. — Asan’ny Apostoly 3:25, 26; 10:1-48; Galatiana 3:8, 9, 14.

27. Inona moa ilay “masina indrindra” voahosotra, ary tamin’ny fomba ahoana?

27 Nanambara mialoha ny hanosorana “izay masina indrindra” koa ilay faminaniana. Tsy ilay efitra anatiny indrindra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema akory no tian’izany horesahina. Ny teny hoe “masina indrindra” eto dia manondro ny toerana masin’Andriamanitra any an-danitra. Tany i Jesosy no nampiseho tamin-dRainy ny vidin’ny sorona olombelona nataony. Io sorona io dia nanosotra, na nanokana, io zavatra tena misy ara-panahy any an-danitra io, izay nasehon’ilay Masina Indrindra tao amin’ilay tabernakely teto an-tany sy tao amin’ilay tempoly tatỳ aoriana. — Hebreo 9:11, 12.

NOHAMAFISIN’ANDRIAMANITRA ILAY FAMINANIANA

28. Inona no hevitry ny ‘fanisiana tombo-kase ny fahitana sy ny mpaminany’?

28 Niresaka momba ny ‘fanisiana tombo-kase ny fahitana sy ny mpaminany’ (fanamarihana ambany pejy), koa ilay faminaniana mesianika notononin’ny anjely Gabriela. Ny hevitr’izany dia hoe ny zavatra rehetra nambara mialoha momba ny Mesia — izay rehetra notanterahiny tamin’ny alalan’ny sorony, sy ny nitsanganany tamin’ny maty ary ny nisehoany tany an-danitra, ary koa ny zavatra hafa niseho nandritra ilay herinandro faha-70 — dia hahazo ny tombo-kasen’ny fankasitrahan’Andriamanitra, ka ho hita fa marina, ary ho azo itokisana. Hotombohina ilay fahitana, izany hoe hatokana ho an’ny Mesia ihany. Ho ao aminy sy ny asan’Andriamanitra amin’ny alalany ihany ny fahatanterahan’ilay fahitana. Mifandray amin’ilay Mesia nambara mialoha ihany no hahazoantsika ny hevitra marin’ilay fahitana. Tsy misy zavatra hafa hampiharihary amintsika ny heviny.

29. Inona no tsy maintsy hitranga amin’i Jerosalema voaorina indray, ary noho ny antony inona?

29 Naminany i Gabriela teo aloha fa haorina indray i Jerosalema. Izao kosa izy dia nanambara mialoha ny handringanana an’io tanàna ho voaorina indray io sy ny tempoliny, ka nanao hoe: “Ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry. (...) Ary amin’ny elatry ny fahavetavetana no hihavian’ny mpandrava, hatramin’ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ny mpandrava.” (Daniela 9:26b, 27b). Na dia mbola ho aorian’ireo “fito-polo herinandro” aza no hitrangan’io faharavana io, izy io dia ho vokatra mivantan’ireo fisehoan-javatra mandritra ilay “herinandro” farany, rehefa handa an’i Kristy ny Jiosy ka hampamono azy. — Matio 23:37, 38.

30. Araka ny asehon’ny soratra ara-tantara, ahoana no nahatanterahan’ny didin’ilay Mpametra Fotoana Lehibe?

30 Araka ireo soratra ara-tantara, tamin’ny 66 am.f.i., dia nanodidina an’i Jerosalema ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus, governora syrianina. Na dia nanohitra aza ny Jiosy, dia tafatsofoka tao amin’ilay tanàna ireo miaramila romanina, nitondra ireo fanevan’ny fanompoan-tsampiny, ka nanomboka nandoaka tsikelikely ny fototry ny mandan’ilay tempoly tany avaratra. Ny nitsanganan’izy ireo teo dia nahatonga azy ireo ho ‘fahavetavetana’ izay afaka nitarika ho amin’ny fandravana tanteraka. (Matio 24:15, 16). Tamin’ny 70 am.f.i., dia tonga toy ny ‘safo-drano’ ny Romanina notarihin’ny Jeneraly Titus, ka nandrava ilay tanàna sy ny tempoliny. Tsy nisy na inona na inona nahasakana azy ireo, satria zavatra efa nandidian’Andriamanitra — ‘voatendriny’ — izany. Nanatanteraka ny teniny indray koa ilay Mpametra Fotoana Lehibe, dia i Jehovah!

INONA NO AZONAO?

• Rehefa nadiva hifarana ireo 70 taona nahafoanan’i Jerosalema, inona avy no fiangaviana nataon’i Daniela tamin’i Jehovah?

• Hafiriana ny faharetan’ireo “fito-polo herinandro”, ary oviana izy ireo no nanomboka sy nifarana?

• Oviana no niseho “i Mesia Andriana”, ary tamin’ny fotoana fara tampony inona izy no ‘novonoina’?

• Fanekena inona no nohazonina “hanan-kery ho an’ny maro mandritra ny herinandro”?

• Inona no zava-niseho taorian’ireo “fito-polo herinandro”?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 197]

Oviana i Artaksersesy no Nanomboka Nanjaka?

TSY mitovy hevitra ireo mpahay tantara raha ny amin’ny taona nanombohan’i Artaksersesy, mpanjaka persanina, nanjaka. Nisy nanao hoe tamin’ny 465 al.f.i. no niakarany teo amin’ny seza fiandrianany, satria i Ksersesy rainy dia nanomboka nanapaka tamin’ny 486 al.f.i. ary maty tamin’ny taona faha-21 nanjakany. Misy porofo anefa manamarina fa niakatra teo amin’ny seza fiandrianana tamin’ny 475 al.f.i. i Artaksersesy ary nanomboka tamin’ny 474 al.f.i. ny taona voalohany nanjakany.

Misy soratra sy sary sokitra nofongarina tao Persepolisy, renivohitr’i Persa fahiny, mampiseho fa niara-nanjaka i Ksersesy sy i Dariosy I rainy. Raha naharitra 10 taona io fiaraha-nanjaka io, ary nanapaka irery nandritra ny 11 taona i Ksersesy, taorian’ny nahafatesan’i Dariosy tamin’ny 486 al.f.i., ny taona voalohany nanombohan’i Artaksersesy nanjaka àry dia ho ny 474 al.f.i.

Ny porofo faharoa dia mifandray amin’ilay Jeneraly atenianina atao hoe Thémistocle, izay nandresy ny tafik’i Ksersesy tamin’ny 480 al.f.i. Tatỳ aoriana izy dia nanjary tsy tian’ny Grika, ka nampangain’izy ireo ho mpamadika. Nandositra i Thémistocle ary nitady fiarovana tany amin’ny lapan’i Persa, izay nandray azy tsara. Araka an’ilay mpahay tantara grika natao hoe Thucydide, ny nitrangan’izany dia fony i Artaksersesy “vao avy niakatra teo ambony seza fiandrianana”. Ary ilay mpahay tantara grika natao hoe Diodorus Siculus, dia nilaza fa maty tamin’ny 471 al.f.i. i Thémistocle. Koa satria nangataka herintaona mba hianarana ny teny persanina alohan’ny hisehoany teo anatrehan’i Artaksersesy Mpanjaka i Thémistocle, dia tsy maintsy ho tonga tao Azia Minora izy, fara fahelany tamin’ny 473 al.f.i. Manohana io daty io i Jérôme ao amin’ny Chronique d’Eusèbe. Koa satria “vao avy niakatra teo ambony seza fiandrianana” i Artaksersesy, fony i Thémistocle tonga tao Azia tamin’ny 473 al.f.i., dia milaza ilay manam-pahaizana alemà atao hoe Ernst Hengstenberg ao amin’ny bokiny hoe Christology of the Old Testament, ary koa ny mpanoratra hafa, fa tamin’ny 474 al.f.i. i Artaksersesy no nanomboka nanjaka. Hoy ny teny nanampiny: “Ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy dia ny taona 455 talohan’i Kristy.”

[Sary]

Sary sokitra mampiseho an’i Thémistocle

[Kisary/Sary, pejy 188, 189]

(Jereo ny boky)

“FITO-POLO HERINANDRO”

455 al.f.i. 406 al.f.i. 29 am.f.i. 33 am.f.i. 36 am.f.i.

“Ny didy (...) Jerosalema Miseho ny Vonoina ny Faran’ny

hanamboarana an’i voaorina indray Mesia Mesia “fito-polo

Jerosalema” herinandro”

7 herinandro 62 herinandro herinandro 1

49 taona 434 taona 7 taona

[Sary, pejy 180]

[Sary, pejy 193]