Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famantarana Ireo Mpivavaka Marina Amin’ny Andro Farany

Famantarana Ireo Mpivavaka Marina Amin’ny Andro Farany

Toko Fahafito Ambin’ny Folo

Famantarana Ireo Mpivavaka Marina Amin’ny Andro Farany

1. Araka ny Daniela toko faha-7, zavatra mahatalanjona inona avy no hiainan’ny antokon’olom-bitsy tsy manam-piarovana amin’izao androntsika izao?

NISY antokon’olom-bitsy tsy nanam-piarovana notafihin’ny firenena natanjaka dia natanjaka iray tamin-kabibiana. Tafavoaka tsy naninon-tsy naninona izy ireo ary nahazo aim-baovao mihitsy aza — tsy noho ny herin’ny tenany anefa, fa noho i Jehovah Andriamanitra nihevitra azy ho sarobidy. Ny Daniela toko faha-7 dia nanambara mialoha ireo fisehoan-javatra ireo, izay nitranga teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Iza anefa ireo olona ireo? Io toko ao amin’ny Daniela io ihany dia niantso azy ireo hoe “ny olo-masin’ny Avo Indrindra”, i Jehovah Andriamanitra. Naharihary ao koa fa ho anisan’ireo mpanapaka ao amin’ilay Fanjakana Mesianika ireo olona ireo amin’ny farany! — Daniela 7:13, 14, 18, 21, 22, 25-27.

2. a) Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah momba ireo mpanompony voahosotra? b) Lalana inona no ho fahendrena ny hanarahana azy amin’izao andro izao?

2 Nianarantsika tao amin’ny Daniela toko faha-11 fa hahita ny hiafarany ny mpanjakan’ny avaratra, rehefa avy nandrahona ny tany ara-panahy voaro misy an’ireo olona mahatoky ireo. (Daniela 11:45; ampitahao amin’ny Ezekiela 38:18-23.) Eny, tena miaro an’ireo voahosony mahatoky i Jehovah. Hoy ny Salamo 105:14, 15 amintsika: “Nananatra mpanjaka [i Jehovah] noho ny amin’ireo hoe: Aza manendry ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.” Tsy hanaiky àry ve ianao fa, amin’izao andro feno fikorontanana izao, dia haneho fahendrena ny “olona betsaka” mihamitombo isa, raha mifanerasera akaiky araka izay azony atao amin’ireo olo-masina ireo? (Apokalypsy 7:9; Zakaria 8:23). Nanoro hevitra an’ireo olona toy ny ondry mba hanao izany indrindra i Jesosy Kristy, izany hoe hifanerasera amin’ireo rahalahiny ara-panahy voahosotra, amin’ny fanohanana azy ireo eo amin’ny asany. — Matio 25:31-46; Galatiana 3:29.

3. a) Nahoana no tsy mora ny mahita ny mpanara-dia an’i Jesosy voahosotra sy ny mitoetra ho akaikin’izy ireo? b) Inona no fanampiana homen’ny Daniela toko faha-12 amin’io lafiny io?

3 Kanefa i Satana, Fahavalon’Andriamanitra, dia miady araka izay fara heriny amin’ireo voahosotra. Nampandroso ny fivavahan-diso izy, ka tena nameno ny tany tamin’ny Kristianina sandoka. Ho vokany, dia olona maro no voafitaka. Ny hafa kosa very fanantenana tsotra izao, raha ny amin’ny fahitana an’ireo izay manaraka ny fivavahana marina. (Matio 7:15, 21-23; Apokalypsy 12:9, 17). Na dia ireo izay nahita ny “ondry vitsy” ka mifanerasera aminy aza dia tsy maintsy miezaka mafy mba hihazona ny finoany, satria mitady mandrakariva ny hikiky ny finoany ity tontolo ity. (Lioka 12:32). Ahoana ny aminao? Moa ve ianao nahita “ny olo-masin’ny Avo Indrindra”, ka mifanerasera aminy? Moa ve ianao nahita ny porofo mafy orina fa ireo izay hitanao dia tena ireo olona nofidin’Andriamanitra tokoa? Afaka mankahery ny finoanao ny porofo toy izany, no sady mampiomana anao hanampy ny hafa hahita tsara ny ao ambadiky ny fisafotofotoana ara-pivavahan’ity tontolo ankehitriny ity. Ny Daniela toko faha-12 dia mirakitra fahalalana tondraka izay mamonjy ain’olona.

MANOMBOKA MIASA ILAY ANDRIAN-DEHIBE

4. a) Zavatra miavaka roa inona avy momba an’i Mikaela no nambaran’ny Daniela 12:1 mialoha? b) Ao amin’ny Daniela, inona moa no tiana holazaina matetika amin’ny hoe ‘fitsanganan’ny’ mpanjaka iray?

4 Hoy ny Daniela 12:1: “Amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao”. Maminany ny amin’ny zavatra miavaka roa momba an’i Mikaela io andinin-teny io: ny iray dia hoe “mitsangana”, na hoe “efa mijoro” (NW ), izy, teny izay milaza toe-javatra maharitra fe-potoana iray; ilay faharoa dia hoe “hitsangana” izy, izay milaza fisehoan-javatra iray mitranga ao anatin’io fe-potoana io ihany. Voalohany aloha, dia tiantsika ho fantatra ilay fe-potoana ‘efa ijoroan’i Mikaela hiaro ny zanaky ny firenen’i Daniela’. Tsarovy fa ny hoe Mikaela dia anarana nomena an’i Jesosy mitana ny toeran’ny Mpanapaka any an-danitra. Ny filazana fa “efa mijoro” izy dia mampahatsiahy antsika ny fomba ampiasana io teny io any amin’ny toerana hafa ao amin’ny bokin’i Daniela. Matetika izy io no manondro ny zavatra ataon’ny mpanjaka iray, toy ny fandraisany ny fahefan’ny mpanjaka. — Daniela 11:2-4, 7, 20, 21.

5, 6. a) Mandritra ny fe-potoana inona i Mikaela no efa mijoro? b) Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no ‘hitsanganan’i’ Mikaela, ary inona no ho vokany?

5 Miharihary fa eto ilay anjely dia nanondro fe-potoana iray izay faritana tsara any amin’ny toerana hafa ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. I Jesosy dia niantso azy io hoe ny ‘fanatrehany’, (grika: pa·rou·si’a), rehefa ho Mpanjaka hanapaka any an-danitra ny tenany. (Matio 24:37-39, NW ). Antsoina koa hoe “ny andro farany” io fe-potoana io. (2 Timoty 3:1, NW; Daniela 12:4, 9). Hatramin’ny niandohan’io fe-potoana io tamin’ny 1914, dia efa Mpanjaka mijoro any an-danitra i Mikaela. — Ampitahao amin’ny Isaia 11:10; Apokalypsy 12:7-9.

6 Rahoviana anefa i Mikaela no “hitsangana”? Rehefa handeha hanao zavatra iray manokana. Izany no hataon’i Jesosy amin’ny hoavy. Ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 19:11-16 dia milaza an’i Jesosy ho ilay Mpanjaka Mesianika mahery, izay mitaingin-tsoavaly eo alohan’ny tafik’anjely iray mba handringana ireo fahavalon’Andriamanitra. Hoy ny tohin’ny Daniela 12:1: “Ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany”. I Kristy, ilay Mpanatanteraka ny Didim-pitsaran’i Jehovah Lehibe Indrindra, dia hamarana ny fandehan-javatra ratsy manontolo, amin’ilay “fahoriana lehibe” nambara mialoha. — Matio 24:21; Jeremia 25:33; 2 Tesaloniana 1:6-8; Apokalypsy 7:14; 16:14, 16.

7. a) Inona no fanantenan’ny olo-mahatoky rehetra, mandritra ilay “andro fahoriana” ho avy? b) Inona ilay bokin’i Jehovah, ary nahoana no tena zava-dehibe ny ho hita voasoratra ao anatiny?

7 Hanao ahoana ireo olona maneho finoana mandritra io fotoana manjombona io? Nilazana toy izao koa i Daniela: “Amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.” (Ampitahao amin’ny Lioka 21:34-36.) Inona moa io boky io? Raha fintinina, dia mampiseho ny fahatsiarovan’i Jehovah Andriamanitra an’ireo izay manao ny sitrapony izy io. (Malakia 3:16; Hebreo 6:10). Ireo izay voasoratra ao anatin’io bokin’ny fiainana io dia ireo olona tsy manana ahiahy indrindra eto an-tany, noho izy ireo mahazo ny fiarovan’Andriamanitra. Na inona na inona zava-dratsy mety hihatra amin’izy ireo, dia azo foanana ary tena hofoanana. Na dia sendra tratran’ny fahafatesana alohan’ny hahatongavan’io “andro fahoriana” io aza izy ireo, dia mitoetra tsara ao amin’ny fitadidian’i Jehovah tsy manam-petra. Ho tadidiny izy ireo, ary hatsangany amin’ny maty mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy. — Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 20:4-6.

‘NIFOHA’ IREO OLO-MASINA

8. Fahatsinjovan-javatra faran’izay mahafaly inona no atolotry ny Daniela 12:2?

8 Tena mampionona tokoa ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Manisy firesahana azy io ny Daniela 12:2, izay milaza hoe: “Maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay.” (Ampitahao amin’ny Isaia 26:19.) Mety hampahatsiahy antsika tsara an’ilay fampanantenana mampihetsi-po nomen’i Jesosy Kristy ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ankapobe ireo teny ireo. (Jaona 5:28, 29). Endre izany fanantenana mampientam-po! Eritrereto fotsiny hoe ho afaka hiaina indray amin’ny hoavy ireo namana sy havana malalantsika maty ankehitriny! Io fampanantenana ao amin’ny bokin’i Daniela io anefa dia manondro voalohany indrindra karazana fitsanganana amin’ny maty hafa — fitsanganana izay efa nitranga. Ahoana no hetezan’izany?

9. a) Nahoana no ara-dalàna ny anampoizana fa ho tanteraka mandritra ny andro farany ny Daniela 12:2? b) Karazana fitsanganana amin’ny maty inona no resahin’ilay faminaniana, ary ahoana no ahafantarantsika izany?

9 Jereo ny teny manodidina. Ny andininy voalohany amin’ny toko faha-12, araka ny hitantsika teo, dia tsy mihatra amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity fotsiny, fa amin’ilay fe-potoana manontolo aharetan’ny andro farany koa. Raha ny marina aza, ny ankabeazan’ilay toko dia tanteraka, tsy ao amin’ilay paradisa an-tany ho avy, fa mandritra ny fotoan’ny farany. Efa nisy fitsanganana tamin’ny maty ve tamin’io fe-potoana io? Ny apostoly Paoly dia nanoratra fa ny fitsanganan’ireo “izay an’i Kristy” dia hitranga “mandritra ny fanatrehany”. Kanefa, ireo izay atsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra dia atsangana “tsy ho lo intsony”. (1 Korintiana 15:23, 52, NW ). Tsy misy na dia iray aminy aza atsangana “ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay” nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:2. Misy karazana fitsanganana amin’ny maty hafa ve? Ao amin’ny Baiboly, ny fitsanganana amin’ny maty indraindray dia manana heviny ara-panahy. Ny Ezekiela sy ny Apokalypsy, ohatra, dia samy mirakitra teny ara-paminaniana mihatra amin’ny fahavelomana indray, na fitsanganana amin’ny maty, ara-panahy. — Ezekiela 37:1-14; Apokalypsy 11:3, 7, 11.

10. a) Tamin’ny heviny ahoana ny sisa voahosotra no natsangana tamin’ny maty nandritra ny andro farany? b) Nahoana no hoe nifoha mba hahazo ‘henatra sy latsa mandrakizay’ ny sasany tamin’ireo voahosotra izay novelomina indray?

10 Efa nisy fahavelomana indray ara-panahin’ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra ve tamin’izao andro farany izao? Eny! Zava-misy ara-tantara ny fanafihana nahatsiravina nahazo ny olom-bitsy sisa tavela tamin’ireo Kristianina nahatoky, ka nanakorontana tanteraka ny fanompoany ampahibemaso voalamina, tamin’ny 1918. Avy eo, tsy nisy nanampo, dia niverina ho amin’ny fiainana indray, tamin’ny heviny ara-panahy, izy ireo, tamin’ny 1919. Mifanitsy tsara amin’ilay filazana momba ny fitsanganana amin’ny maty nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:2 ireo zavatra ireo. Nisy tokoa ireo izay ‘nifoha’ ara-panahy tamin’io fotoana io sy taorian’izay. Mampalahelo anefa fa tsy izy rehetra no nitoetra ho velona ara-panahy. Ireo izay nofohazina nefa nifidy ny handa ilay Mpanjaka Mesianika ka nandao ny fanompoana an’Andriamanitra, dia mendrika ny hahazo “ny henatra sy ny latsa mandrakizay” voalaza ao amin’ny Daniela 12:2. (Hebreo 6:4-6). Kanefa, ireo voahosotra nahatoky dia nampiasa tsara ny fahavelomany indray ara-panahy, ka nanohana tamim-pahatokiana an’ilay Mpanjaka Mesianika. Amin’ny farany, dia hitarika azy ireo ho amin’ny “fiainana mandrakizay” ny fahatokiany, araka ny ambaran’ilay faminaniana. Amin’izao andro izao, ny fahavitrihany ara-panahy, na dia eo aza ny fanoherana, dia manampy antsika hamantatra azy ireo.

‘NAMIRAPIRATRA TAHAKA NY KINTANA’ IZY IREO

11. Iza moa ireo ‘mahay mahataka-javatra’ amin’izao andro izao, ary amin’ny heviny ahoana izy ireo no mamirapiratra tahaka ny kintana?

11 Ireo andininy roa manaraka ao amin’ny Daniela toko faha-12 dia vao mainka manampy antsika hamantatra “ny olo-masin’ny Avo Indrindra”. Eo amin’ny andininy faha-3, dia hoy ilay anjely tamin’i Daniela: “Izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.” Iza moa ireo “hendry”, na hoe ireo ‘mahay mahataka-javatra’ (NW ) ireo, amin’izao andro izao? Eto indray koa, ny porofo dia manondro an’ireo “olo-masin’ny Avo Indrindra” ireo ihany. Rehefa dinihina tokoa, iza moa, ankoatra ireo sisa voahosotra nahatoky, no nahay nahataka-javatra ka nahita fa nanomboka nitsangana mba ho Mpanjaka i Mikaela, ilay Andrian-dehibe, tamin’ny 1914? Tamin’ny fitoriana fahamarinana toy izany — ary koa tamin’ny fihazonana fitondran-tena kristianina — izy ireo dia ‘niseho tahaka ny fanazavana’ teto amin’ity tontolo maizina ara-panahy ity. (Filipiana 2:15; Jaona 8:12). Hoy ny faminanian’i Jesosy momba azy ireo: “Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy.” — Matio 13:43.

12. a) Mandritra ny andro farany, inona no nataon’ireo voahosotra mba ‘hamerenana ny maro ho amin’ny fahamarinana’? b) Ahoana no hamerenan’ireo voahosotra ny maro ho amin’ny fahamarinana, sy ‘hamirapiratany tahaka ny kintana’, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy?

12 Milaza amintsika momba ny asa hataon’ireo Kristianina voahosotra ireo amin’ny andro farany mihitsy aza ny Daniela 12:3. ‘Hamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana’ izy ireo. Nanomboka nanangona ny ambiny tamin’ireo 144 000 mpiara-mandova amin’i Kristy ny sisa voahosotra. (Romana 8:16, 17; Apokalypsy 7:3, 4). Rehefa vita io asa io — miharihary fa teo antenatenan’ireo taona 1930 — dia nanomboka nanangona ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” izy ireo. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy koa ireo. Noho izany, dia mijoro ho olo-madio eo anatrehan’i Jehovah izy ireo. Miisa an-tapitrisany maro izy ireo ankehitriny, ary manolokolo ny fanantenana ny ho tafita velona amin’ny fandringanana ho avy an’ity tontolo ratsy ity. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia hampihatra amin’ny olombelona mankato eto an-tany ny soa feno avy amin’ny avotra i Jesosy sy ireo mpanjaka sady mpisorona 144 000 namany, ka hanampy an’izay rehetra maneho finoana mba hanaisotra ny soritra farany rehetra amin’ny fahotana nolovana tamin’i Adama. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 7:13, 14; 20:5, 6). Avy eo, dia tena ho amin’ny heviny feno no ‘hamerenan’ireo voahosotra ny maro ho amin’ny fahamarinana’ sy ‘hamirapiratany tahaka ny kintana’ any an-danitra. Heverinao ho sarobidy ve ilay fanantenana ny hiaina eto an-tany eo ambany fanapahan’ny fitondrana be voninahitr’i Kristy sy ny mpiara-manjaka aminy any an-danitra? Endre izany tombontsoa miara-mandray anjara amin’ny ‘olo-masina’ amin’ny fitoriana io vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra io! — Matio 24:14.

‘NAZOTO NANDINIKA’ IZY IREO

13. Amin’ny heviny ahoana ireo teny ao amin’ny bokin’i Daniela no hoe voaisy tombo-kase sy natao ho zava-miafina?

13 Mifarana amin’izao teny manafana ny fo izao ny fanambaran’ilay anjely tamin’i Daniela, izay nanomboka tamin’ny Daniela 10:20: “Ary hianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.” (Daniela 12:4). Be dia be amin’izay nosoratan’i Daniela ara-tsindrimandry no tena nahorona, na hoe natao ho zava-miafina, sy nasiana tombo-kase tokoa, mba tsy ho azon’ny olombelona ny heviny. Na i Daniela aza tatỳ aoriana dia nanoratra hoe: “Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra”. (Daniela 12:8). Amin’io heviny io no nisian’ny tombo-kase teo amin’ny hevitry ny bokin’i Daniela, nandritra ny an-jatony taona maro. Ahoana kosa ny amin’izao andro izao?

14. a) Mandritra ny “andro farany”, iza no ‘nazoto nandinika’, ary inona no nodinihiny? b) Inona no porofo fa notahin’i Jehovah io ‘fahazotoana nandinika’ io?

14 Manana tombontsoa isika miaina amin’ilay “andro farany” nambara mialoha ao amin’ny bokin’i Daniela. Araka ny faminaniana, dia olo-mahatoky maro no ‘nazoto nandinika’ ireo pejin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny vokany? Noho ny fitahian’i Jehovah, dia nanjary tondraka ny fahalalana marina. Notahina tokoa ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotra nahatoky, ka nanjary nahatakatra fa tonga Mpanjaka ny Zanak’olona tamin’ny 1914, sy nahafantatra ireo biby ao amin’ny faminanian’i Daniela, ary nampitandrina ny amin’ilay “fahavetavetana mahatonga fandravana”, raha ireo ohatra ireo monja aza no hotononina. (Daniela 11:31). Io fahalalana tondraka io àry dia marika iray hafa hamantarana “ny olo-masin’ny Avo Indrindra”. Nahazo porofo fanampiny anefa i Daniela.

‘NOMONTSAMONTSANINA’ IZY IREO

15. Fanontaniana inona izao no apetraky ny anjely iray, ary mety hampahatsiahy antsika an’iza io fanontaniana io?

15 Tsaroantsika fa nahazo ireo hafatra avy tamin’ny anjely ireo teo amoron’ny “ony lehibe”, dia i Hidekela, fantatra koa amin’ny hoe Tigra, i Daniela. (Daniela 10:4). Izao kosa izy dia mahita zavaboary anjely telo, ary milaza hoe: “Nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana, ny anankiray teto amoron’ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny. Ary hoy ny anankiray tamin’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran’ireo fahagagana ireo?” (Daniela 12:5, 6). Mety hampahatsiahy antsika an’ireo “olo-masin’ny Avo Indrindra” indray koa io fanontanian’ilay anjely io. Teo am-piandohan’ny “andro farany”, tamin’ny 1914, dia tena nahin’izy ireo be dia be ilay fanontaniana hoe rahoviana no ho tanteraka ireo fampanantenan’Andriamanitra. Hita ao amin’ny valin’io fanontaniana io fa izy ireo no iantefan’io faminaniana io.

16. Faminaniana inona no tononin’ilay anjely, ary ahoana no anantitranterany fa azo antoka ny fahatanterahan’izy io?

16 Mitohy toy izao ny fitantaran’i Daniela: “Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ny lanitra ka reko nianiana tamin’Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.” (Daniela 12:7). Raharaha navesa-danja io. Nanangana ny tanany roa ho fianianana ilay anjely, angamba mba ho hitan’ireo anjely roa teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay ony lehibe. Nantitranteriny tamin’izany fa azo antoka tanteraka ny fahatanterahan’io faminaniana io. Rahoviana anefa ireo fotoana voatondro ireo? Tsy sarotra araka ny mety hiheveranao azy ny valiny.

17. a) Fifanitsiana inona avy no hita ao amin’ireo faminaniana ao amin’ny Daniela 7:25 sy Daniela 12:7 ary Apokalypsy 11:3, 7, 9? b) Hafiriana no aharetan’ireo fetr’andro telo sy tapany?

17 Misy fitoviana mahavariana amin’ny faminaniana roa hafa ity iray ity. Ny iray, izay nodinihintsika tao amin’ny Toko Faha-9 amin’ity boky ity, dia hita ao amin’ny Daniela 7:25; ary ny iray dia ao amin’ny Apokalypsy 11:3, 7, 9. Mariho ny sasany amin’ireo hevitra mifanitsy ao amin’izy ireo. Samy ho amin’ny andro farany ny fahatanterahan’izy ireo. Samy mahakasika ireo mpanompon’Andriamanitra masina ireo faminaniana roa ireo, ary samy mampiseho fa iharam-panenjehana sy tsy afaka manao ny asa fitoriany ampahibemaso mandritra ny fotoana kelikely mihitsy aza ireo mpanompo ireo. Samy mampiseho ireo faminaniana ireo fa velona indray ireo mpanompon’Andriamanitra, ary dia manohy ny asany indray, ka manao izay tsy hahavanona ny fikasan’ireo mpanenjika azy. Ary samy manonona ny halavan’io fotoam-pahorian’ny olo-masina io ireo faminaniana ireo. Ireo faminaniana roa ao amin’ny Daniela (7:25 sy 12:7) dia samy miresaka momba ny ‘fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro’. Manaiky ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana fa fetr’andro telo sy tapany no dikan’izany. Ny Apokalypsy kosa dia miresaka an’io fe-potoana io ho 42 volana, na 1 260 andro. (Apokalypsy 11:2, 3). Izany dia manamafy fa manondro telo taona sy tapany, misy 360 andro avy, ireo fetr’andro telo sy tapany ao amin’ny Daniela. Oviana anefa no nanomboka ireo 1 260 andro ireo?

18. a) Araka ny Daniela 12:7, inona no hanamarika ny faran’ireo 1 260 andro? b) Oviana no nomontsamontsanina “ny herin’ny olo-masina” tamin’ny farany, ary ahoana no nitrangan’izany? d) Oviana no nanomboka ireo 1 260 andro, ary tamin’ny ahoana no hoe ‘nitafy lamba fisaonana’ ireo voahosotra naminany nandritra io fe-potoana io?

18 Tena mazava ilay faminaniana, raha ny amin’ny fotoana hifaranan’ireo 1 260 andro, izany hoe rehefa “vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olo-masina”. Teo antenatenan’ny 1918, dia voaheloka noho ny fiampangana diso ny mpikambana ambony tao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society, anisan’izany ny prezidàny, i J. F. Rutherford, ka nomelohina hanefa sazy an-tranomaizina maharitra ary dia nampidirina am-ponja. Tena hitan’ny olo-masin’Andriamanitra tokoa fa ‘nomontsamontsanina’ ny asany, ary koa fa noravana ny heriny. Raha manisa telo taona sy tapany, manomboka eo antenatenan’ny 1918 no miverina, isika, dia ho tonga amin’ny faran’ny 1914. Tamin’io fotoana io, dia niomana hiatrika ilay fanenjehana nivaivay ireo voahosotra vitsy dia vitsy. Nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany, ary dia nihanitombo ny fanoherana ny asany. Naoriny tamin’izao fanontaniana napetrak’i Kristy tamin’ny mpanara-dia azy izao mihitsy aza ny andinin-teniny ho an’ny taona 1915: “Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako?” (Matio 20:22). Araka ny nolazain’ny Apokalypsy 11:3 mialoha, ilay fe-potoana nisy 1 260 andro nanaraka dia fotoam-palahelovana ho an’ny voahosotra — toy ny hoe nitafy lamba fisaonana izy ireo rehefa naminany. Nihamafy ny fanenjehana. Ny sasany nampidirina an-tranomaizina, ny hafa norotahan’ny vahoaka, ary ny hafa koa nampijalijalina. Maro no ketraka noho ny fahafatesan’i C. T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana voalohany, tamin’ny 1916. Inona anefa no hitranga rehefa hifarana amin’ny famonoana an’ireo olo-masina ireo, izany hoe ilay fandaminana nanao fitoriana, io fotoana manjombona io?

19. Ahoana no anomezan’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-11 toky antsika fa tsy natao hangina ela ireo voahosotra?

19 Ilay faminaniana mifanitsy amin’io hita ao amin’ny Apokalypsy 11:3, 9, 11 dia mampiseho fa rehefa avy novonoina ireo ‘vavolombelona roa’, dia vetivety monja — telo andro sy tapany — no aharetan’ny fahafatesany, mandra-pamelona azy indray. Toy izany koa, ilay faminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-12 dia mampiseho fa tsy hangina mandrakizay akory ireo olo-masina, fa mbola nisy asa fanampiny niandry azy.

‘NODIOVINA SY NOFOTSIANA ARY NOZAHAN-TOETRA’ IZY IREO

20. Araka ny Daniela 12:10, fitahiana inona avy no ho azon’ireo voahosotra, taorian’ireo toe-javatra mafy niainany?

20 Araka ny nomarihina teo aloha, dia nanoratra ireo zavatra ireo i Daniela, nefa tsy nahazo ny heviny. Na dia izany aza, dia tsy maintsy ho nanontany tena izy raha tena ho vita teo ny amin’ny olo-masina, izany hoe maty teo an-tanan’ny mpanenjika azy izy ireo, satria hoy izy: “Hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?” Namaly ilay anjely hoe: “Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro farany. Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny [manana fahaiza-mahataka-javatra, NW ] no hahafantatra.” (Daniela 12:8-10). Tena nisy fanantenana azo antoka tokoa ho an’ny olo-masina! Tsy ho ringana izy ireo, fa hofotsiana kosa, izany hoe hotahina ka hijoro ho olo-madio eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. (Malakia 3:1-3). Hanampy azy ireo hitoetra ho madio eo imason’Andriamanitra ny fahaizany mahatakatra raharaha ara-panahy. Mifanohitra amin’izany kosa ny ratsy fanahy, izay handa tsy hahatakatra zavatra ara-panahy. Rahoviana anefa no hitrangan’izany rehetra izany?

21. a) Hanomboka ilay fotoana nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:11, rehefa ho tanteraka ny fepetra inona avy? b) Inona moa “ilay lafin-javatra tsy miova”, ary oviana izy io no nesorina? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-298.)

21 Izao no nolazaina tamin’i Daniela: “Hatramin’ny andro [hanesorana ilay lafin-javatra tsy miova sy hametrahana, NW ] ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivi-folo sy roan-jato amby arivo.” Hanomboka àry io fe-potoana io, rehefa hita fa tanteraka ny fepetra sasantsasany. “Ilay lafin-javatra tsy miova”, na “ilay fanatitra mitohy” *, dia tsy maintsy ho efa nesorina aloha. (Daniela 12:11, NW, fanamarihana ambany pejy). Fanatitra inona no tian’ilay anjely holazaina? Tsy ireo fanatitra biby natolotra tao amin’ny tempoly teto an-tany akory izany. Na ilay tempoly tao Jerosalema aza dia “tandindon’ny tena fitoerana masina” fotsiny — ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah, izay nanomboka niasa, fony i Kristy tonga ny Mpisoronabe tao, tamin’ny 29 am.f.i.! Ao amin’io tempoly ara-panahy io, izay mampiseho ny fanompoam-pivavahana marina nalamin’Andriamanitra, dia tsy ilaina ny manohy manao fanatitra noho ny ota, satria i Kristy efa “natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro”. (Hebreo 9:24-28). Na dia izany aza, ny Kristianina marina rehetra dia manolotra fanatitra ao amin’io tempoly io. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany [Kristy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” (Hebreo 13:15). Io fepetra voalohany ao amin’ilay faminaniana io — ny fanesorana an’ilay “lafin-javatra tsy miova” — àry dia hita fa tanteraka teo antenatenan’ny 1918, fony niato ara-bakiteny ny asa fitoriana.

22. a) Inona moa ilay “fahavetavetana” mandrava, ary oviana izy io no napetraka? b) Oviana no nanomboka ilay fe-potoana nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:11, ary oviana izy io no nifarana?

22 Ahoana anefa ny amin’ilay fepetra faharoa — ny ‘fampidirana’, na hoe ny fametrahana an’ilay “fahavetavetana mahatonga fandravana”? Araka ny hitantsika fony isika nandinika ny Daniela 11:31, io fahavetavetana io dia ny Fikambanam-pirenena aloha, izay nipoitra indray tatỳ aoriana tamin’ny anarana hoe Firenena Mikambana. Samy maharikoriko izy roa ireo, satria nohobina ho ny hany fanantenana fiadanana maneran-tany. Ao am-pon’ny maro àry, dia maka ny toeran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo zava-naorina ireo, raha ny tena izy! Naroso holanina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Janoary 1919 ny Fikambanam-pirenena. Noho izany, tamin’io fotoana io, dia samy feno ireo fepetra roa ao amin’ny Daniela 12:11. Koa ireo 1 290 andro àry dia nanomboka teo am-piandohan’ny 1919 ary tonga hatramin’ny fararanon’ny 1922 (Ila Bolantany Avaratra).

23. Ahoana no nandrosoan’ny olo-masin’Andriamanitra mba ho voadio, nandritra ireo 1 290 andro nambara mialoha ao amin’ny Daniela toko faha-12?

23 Nandritra io fotoana io, moa ve ireo olo-masina nanao fandrosoana mba ho voafotsy sy ho voadio teo imason’Andriamanitra? Eny tokoa! Tamin’ny Martsa 1919, dia nafahana avy tany an-tranomaizina ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower sy ireo mpiara-miasa akaiky taminy. Nafahana madiodio tamin’ny fiampangana diso natao taminy izy ireo tatỳ aoriana. Noho ny fahafantarany fa mbola tsy tapitra velively ny asany, dia nilofo avy hatrany izy ireo, ary nandamina fivoriambe iray tamin’ny Septambra 1919. Tamin’io taona io ihany, dia navoaka voalohany ny gazety iray naman’ny Tilikambo Fiambenana. Nantsoina hoe L’Âge d’Or (Mifohaza! ankehitriny) izy io tamin’ny voalohany, ary hatramin’izay dia nanohana foana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fanalana sarona tsy amin-tahotra ny faharatsian’ity tontolo ity sy tamin’ny fanampiana ny vahoakan’Andriamanitra mba hitoetra ho madio. Tamin’ny faran’ireo 1 290 andro nambara mialoha, dia efa nandroso tsara mba ho voadio sy tafaverina tamin’ny toe-piainany taloha ireo olo-masina. Tamin’ny Septambra 1922, tokony ho tamin’ny fotoana nifaranan’io fe-potoana io indrindra, dia nanao fivoriambe iray nanan-tantara tao Cedar Point, any Ohio (Etazonia), izy ireo. Nanome tosika goavana ho an’ny asa fitoriana io fivoriambe io. Kanefa, dia mbola nilaina ihany ny nanao fandrosoana fanampiny. Izany dia ho amin’ilay fe-potoana niavaka nanaraka.

FAHASAMBARANA HO AN’IREO OLO-MASINA

24, 25. a) Fe-potoana inona no nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:12, ary oviana no miharihary fa nanombohan’izy io sy nifaranany? b) Nanao ahoana ny toe-piainana ara-panahy nisy ny sisa voahosotra, teo am-piandohan’ireo 1 335 andro?

24 Namarana ny faminaniany momba ireo olo-masina tamin’izao teny izao ilay anjelin’i Jehovah: “Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.” (Daniela 12:12). Tsy manome fomba hahafantarana ny fotoana hanombohan’io fe-potoana io sy hiafarany ilay anjely. Ny tantara dia toa manondro fa manaraka fotsiny an’ilay fe-potoana teo aloha izy io. Raha izany no izy, dia hanomboka amin’ny fararanon’ny 1922 ka ho tonga hatramin’ny faramparan’ny lohataonan’ny 1926 (Ila Bolantany Avaratra) izy io. Nahita toe-piainana sambatra ve ireo olo-masina tamin’ny faran’io fe-potoana io? Eny, tamin’ny lafiny ara-panahy lehibe maro.

25 Na dia taorian’ilay fivoriambe tamin’ny 1922 (aseho eo amin’ny pejy faha-302) aza, dia mbola nanembona ny lasa ihany ny sasany tamin’ny olo-masin’Andriamanitra. Mbola ny Baiboly sy ireo boky tamin’ny Études des Écritures, nataon’i C. T. Russell, ihany no fototr’ireo fivoriany. Tamin’io fotoana io, dia maro be no nihevitra fa ny 1925 no ho taona hanombohan’ny fitsanganana amin’ny maty sy hamerenana ny Paradisa eto an-tany. Koa maro àry no nanompo tamin’ny fibanjinana daty iray. Ny sasany nanda tamim-piavonavonana tsy handray anjara tamin’ilay asa fitoriana ampahibemaso. Tsy nampahery ny tarehin-javatra tamin’izay.

26. Rehefa nandroso ireo 1 335 andro, ahoana no niovan’ny toe-piainana ara-panahy nisy an’ireo voahosotra?

26 Rehefa nandroso anefa ireo 1 335 andro, dia nanomboka niova izany rehetra izany. Nanjary nisongadina ny fitoriana, satria nisy fandaharana tsy tapaka naorina mba handraisan’ny rehetra anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Nalamina ny fivoriana hianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro. Ny nomeraon’ny 1 Martsa 1925 (anglisy) dia nirakitra ilay lahatsoratra ara-tantara hoe “Ny Fahaterahan’ilay Firenena”, izay nanazava tamin’ny fomba feno tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ny hevitr’izay nitranga teo anelanelan’ny 1914 sy ny 1919. Rehefa lasa ny 1925, dia tsy nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fitsinjovana daty farany iray hentitra sady akaiky intsony ireo olo-masina. Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah kosa no nanjary loha laharana. Nasongadina mbola tsy nisy toy izany, tao amin’ilay lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1926 (anglisy) hoe “Iza no Hanome Voninahitra An’i Jehovah?”, io fahamarinana lehibe dia lehibe io. Tamin’ny fivoriambe tamin’ny May 1926, dia navoaka ilay boky hoe Délivrance. (Jereo ny pejy faha-302.) Iray tamin’ireo boky vaovao nifampitohy, natao hisolo ny Études des Écritures, izy io. Tsy nitodika ny lasa intsony ireo olo-masina, fa nibanjina tamim-patokiana ny hoavy sy ny asa niandry azy kosa. Araka ilay faminaniana àry, dia tao anatin’ny toe-piainana sambatra ny olo-masina, rehefa nifarana ireo 1 335 andro.

27. Ahoana no anampian’ny fandinihana ny votoatin’ny Daniela toko faha-12 antsika hamantatra amin’ny fomba hentitra ireo voahosotr’i Jehovah?

27 Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no niaritra tao anatin’ireny taona nisamboaravoara ireny. Tsy maintsy ho izany no antony nanantitranteran’ilay anjely fa zava-dehibe ny “miandry”. Notahina tokoa ireo izay niaritra sy niandry. Manazava izany ny fandinihana ny votoatin’ny Daniela toko faha-12. Araka ny nambara mialoha, dia novelomina indray, na hoe natsangana tamin’ny maty, tamin’ny heviny ara-panahy, ireo voahosotra. Nampiana mba hahay hahatakatra mazava tsara ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, satria nomena hery mba ‘hazoto handinika’ azy io sy hahita ny hevitry ny zava-niafina efa hatramin’ny taonjato maro, noho ny fitarihan’ny fanahy masina. Nanadio azy ireo i Jehovah, ary nampamirapiratra azy ireo ara-panahy, ho toy ny kintana. Ho vokatr’izany, dia nanampy olona maro hijoro ho olo-marina eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra izy ireo.

28, 29. Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika, eo am-panatonan’ny fiafaran’ny “andro farany”?

28 Noho ireo marika ara-paminaniana famantarana “ny olo-masin’ny Avo Indrindra” rehetra ireo, dia mbola ho azo alan-tsiny ihany ve izay tsy mahafantatra azy ireo sy tsy mifanerasera aminy? Fitahiana mahatalanjona no miandry ny olona betsaka, izay mikambana amin’io kilasin’ny voahosotra mihamihena isa io, mba hanompo an’i Jehovah. Tsy maintsy miandry ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra isika rehetra. (Habakoka 2:3). Amin’izao androntsika izao, i Mikaela, Andrian-dehibe, dia efa mijoro hiaro ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny am-polony taona maro. Tsy ho ela izao, dia hanao zavatra izy, ilay notendren’Andriamanitra mba hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’ity fandehan-javatra ity. Rehefa hanao izany izy, hanao ahoana ny ho fijoroantsika?

29 Miankina amin’ny safidy ataontsika hanaraka sa tsia fiainam-pahatokiana ankehitriny, ny valin’io fanontaniana io. Mba hanatanjahana ny fahatapahan-kevitsika hanao izany, eo am-pifaranan’ny “andro farany”, dia andeha isika handinika ilay andinin-teny farany amin’ny bokin’i Daniela. Hanampy antsika hahita ny nijoroan’i Daniela teo anatrehan’ny Andriamaniny tamin’ny lasa sy ny hijoroany eo anatrehany amin’ny hoavy, ny fandinihantsika izany ao amin’ny toko manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Nadika fotsiny hoe “ilay fanatitra” ao amin’ny Septante grika.

INONA NO AZONAO?

Mandritra ny fe-potoana inona i Mikaela no “efa mijoro”, ary amin’ny fomba ahoana sy rahoviana izy no “hitsangana”?

Karazana fitsanganana amin’ny maty inona no resahin’ny Daniela 12:2?

Daty inona avy no manamarika ny fiandohana sy ny fifaranan’ireo

fetr’andro telo sy tapany voalaza ao amin’ny Daniela 12:7?

1 290 andro nambara mialoha ao amin’ny Daniela 12:11?

1 335 andro ao amin’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 12:12?

Ahoana no nanampian’ny fandinihana ny Daniela toko faha-12 antsika hamantatra ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 298]

Fanesorana Ilay Lafin-javatra Tsy Miova

Ao amin’ny bokin’i Daniela, dia miseho indimy ilay teny hoe “lafin-javatra tsy miova”. Izy io dia manondro fanati-piderana — “ny vokatry ny molotra” — atolotry ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ho azy tsy tapaka. (Hebreo 13:15). Resahina ao amin’ny Daniela 8:11 (NW ) sy 11:31 (NW ) ary 12:11 (NW ) ny fanesorana azy io nambara mialoha.

Nandritra ireo ady lehibe roa, dia nenjehina mafy ny vahoakan’i Jehovah, tany amin’ireo tany nanapahan’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo”. (Daniela 11:14, 15). Ny fanesorana “ilay lafin-javatra tsy miova” dia nitranga tany amin’ny faramparan’ny Ady Lehibe Voalohany, fony saika niato tanteraka ny asa fitoriana teo antenatenan’ny 1918. (Daniela 12:7, NW ). Toy izany koa tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, fa ‘nesorin’ny’ Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina nandritra ny 2 300 andro “ilay lafin-javatra tsy miova”. (Daniela 8:11-14, NW; jereo ny Toko Faha-10 amin’ity boky ity.) Nesorin’ireo “sandry” nazia nandritra ny fe-potoana tsy nofaritan’ny Soratra Masina koa izy io. — Daniela 11:31, fanamarihana ambany pejy; jereo ny Toko Faha-15 amin’ity boky ity.

[Tabilao/Sary, pejy 301]

FE-POTOANA ARA-PAMINANIANA AO AMIN’NY BOKIN’I DANIELA

Fetr’andro fito (2 520 taona): Oktobra 607 al.f.i. ka

Daniela 4:13, 22 hatramin’ny

Oktobra 1914 am.f.i.

(Tafaorina ny Fanjakana

Mesianika. Jereo Toko Faha-6

amin’ity boky ity.)

Fetr’andro telo sy tapany (1 260 andro): Desambra 1914

Daniela 7:25; 12:7 ka hatramin’ny Jona 1918

(Nampahorina ny Kristianina

voahosotra. Jereo Toko Faha-9

amin’ity boky ity.)

2 300 hariva sy maraina: 1 na 15 Jona 1938

Daniela 8:14 ka hatramin’ny

8 na 22 Oktobra 1944

(Nipoitra, nitombo isa ny

“olona betsaka”. Jereo Toko

Faha-10 amin’ity boky ity.)

70 herinandro (490 taona): 455 al.f.i. ka hatramin’ny

Daniela 9:24-27 36 am.f.i.

(Fiavian’ny Mesia sy

fanompoany teto an-tany.

Jereo Toko Faha-11 amin’ity

boky ity.)

1 290 andro: Janoary 1919 ka hatramin’ny

Daniela 12:11 Septambra 1922

(Nifoha ny Kristianina

voahosotra, nandroso

ara-panahy.)

1 335 andro: Septambra 1922 ka hatramin’ny

Daniela 12:12 May 1926

(Nahita toe-piainana sambatra

ny Kristianina voahosotra.)

[Sary, pejy 287]

Nalefa tsy ara-drariny tany amin’ny fonjam-pirenena tany Atlanta, any Géorgie (Etazonia), ireo mpanompon’i Jehovah nitana toerana ambony. Avy eo ankavia miankavanana: (mipetraka) A. H. Macmillan, J. F. Rutherford, W. E. Van Amburgh; (mitsangana) G. H. Fisher, R. J. Martin, G. DeCecca, F. H. Robison, ary C. J. Woodworth

[Sary, pejy 299]

Nisy fivoriambe nanan-tantara natao tao Cedar Point, any Ohio (Etazonia), tamin’ny 1919 (ambony), sy tamin’ny 1922 (ambany)

[Sary, pejy 302]