Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sasin-teny

Sasin-teny

Ry Mpamaky Malala,

Mahatsiaro ho akaiky an’Andriamanitra ve ianao? Toa tsy azo tanterahina izany, hoy ny olona maro. Lavitra loatra izy, hoy ny sasany. Ny hafa kosa mihevi-tena ho tsy mendrika hanatona azy. Mampirisika antsika amim-pitiavana toy izao anefa ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Manome toky ny mpivavaka aminy toy izao mihitsy izy: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin’ny tananao ankavanana, dia Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’”​—Isaia 41:13.

Ahoana no ahafahantsika mifandray akaiky amin’Andriamanitra toy izany? Ilaina, mba hahazoana namana, ny fahafantarana an’ilay olona sy ny fitiavana azy ary ny fanekena fa sarobidy ny toetrany. Tena tokony hianarana àry ny toetra sy fomban’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly. Hanjary ho akaiky an’i Jehovah Andriamanitra isika, raha manao izao: Misaintsaina ny fomba nanehoany ny toetrany tsirairay sy ny nanahafan’i Jesosy Kristy tsara izany, ary mamantatra ny fomba azontsika anehoana ilay toetra. Ho hitantsika fa i Jehovah no tena manan-jo ho Mpanjakan’izao rehetra izao. Izy koa no ilay Ray ilaintsika rehetra. Mahery sy tia rariny ary hendry sy be fitiavana izy, ka tsy handao antsika zanany tsy mivadika mihitsy.

Enga anie ity boky ity hanampy anao hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra, sy tena hifandray akaiky aminy, mba hahafahanao ho velona ka hidera azy mandrakizay.

Ny Mpampanonta