Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 2

Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?

Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?

1, 2. a) Inona no mety tsy hampino ny maro, nefa inona no toky omen’ny Baiboly antsika? b) Inona no fifandraisana akaiky nananan’i Abrahama, ary nahoana?

 AHOANA, hoy ianao, raha milaza momba anao ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany hoe “Namako io”? Tsy mampino izany, hoy ny maro. Ahoana tokoa moa no ahafahan’izay olombelona ho lasa naman’i Jehovah Andriamanitra? Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa afaka ny ho naman’Andriamanitra isika.

2 Nanana izany fifandraisana akaiky izany i Abrahama. Niantso azy hoe “namako” i Jehovah. (Isaia 41:8) Nentin’i Jehovah toy ny namany tokoa i Abrahama. Afaka nifandray akaiky tamin’Andriamanitra toy izany izy, satria “naneho finoana an’i Jehovah.” (Jakoba 2:23) Tian’i Jehovah ho lasa namany akaiky koa amin’izao ny mpanompony ary te hampiseho fitiavana amin’izy ireo izy. (Deoteronomia 10:15) Hoy ny Teniny amintsika: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:8) Sady fanasana no fampanantenana ho antsika ireo teny ireo.

3. Inona no fanasana ataon’i Jehovah amintsika, ary inona no fampanantenany mifandray amin’izany?

3 Manasa antsika hanatona azy i Jehovah. Vonona ny hankasitraka antsika sy ho tonga namantsika izy, ary tena maniry izany. Mampanantena koa izy fa hanatona antsika, raha manao dingana hanatona azy isika. Ho lasa “namany akaiky” isika, dia izany no zavatra tena sarobidy ananantsika. (Salamo 25:14) Iresahana tsiambaratelo tsy lazaina amin’iza na iza ilay hoe ‘namana akaiky’ voalaza eto.

4. Manao ahoana izany hoe namana akaiky, araka ny hevitrao? Nahoana i Jehovah no azo lazaina fa namana toy izany ho an’ireo manatona azy?

4 Manana namana akaiky amborahanao tsiambaratelo ve ianao? Miahy anao ny namana toy izany. Matoky azy ianao, satria tsy mivadika aminao izy. Mitombo ny fifalianao rehefa zarainao aminy. Mihamaivana ny alahelonao, satria mangoraka izy mihaino anao. Tsapany ny manjo anao, na dia tsy misy mahatsapa izany aza ny olona. Toy izany koa rehefa manatona an’Andriamanitra ianao. Lasa manana Namana mihevitra anao ho sarobidy ianao, ary tena miahy anao sy mahatsapa tsara ny manjo anao izy. (Salamo 103:14; 1 Petera 5:7) Azonao amborahana an’izay any am-ponao lalina any izy, satria fantatrao fa tsy mivadika amin’ireo tsy mivadika aminy izy. (Salamo 18:25) Tombontsoa be izany hoe naman’Andriamanitra izany! Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy nanao zavatra izy.

Nanao ny dingana voalohany i Jehovah

5. Inona no nataon’i Jehovah mba hahafahantsika hanatona azy?

5 Tsy ho afaka hanatona an’Andriamanitra mihitsy isika samirery, satria mpanota. (Salamo 5:4) Hoy ny apostoly Paoly: “Nasehon’Andriamanitra anefa hoe tiany isika, satria tamin’isika mbola mpanota, dia maty ho antsika i Kristy.” (Romanina 5:8) Nirahin’i Jehovah i Jesosy mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny olona maro.” (Matio 20:28) Ny finoantsika an’io sorona io no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra. Izy no “tia antsika voalohany”, dia nataony izay hahatonga antsika ho lasa namany.​—1 Jaona 4:19.

6, 7. a) Nahoana no nampahafantatra antsika momba ny tenany i Jehovah? b) Ahoana no anaovany an’izany?

6 Nanao dingana hafa koa i Jehovah: Mampahafantatra ny tenany amintsika izy. Mifankahalala tsara ny mpinamana akaiky sady samy mankasitraka ny maha izy an’ilay namany. Tsy ho lasa naman’i Jehovah mihitsy isika raha tsy nampahafantatra momba ny tenany izy. Tiany hahafantatra azy anefa isika. (Isaia 45:19) Afaka mahafantatra ny zavatra nolazainy momba azy koa ny rehetra, na dia ireo mety hoheverin’izao tontolo izao ho ambany aza.​—Matio 11:25.

Nampahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’ny zavatra noforoniny sy ny Teniny i Jehovah

7 Ahoana no ampahafantaran’i Jehovah ny tenany amintsika? Mampahafantatra ny toetrany sasany ny zavatra noforoniny. Hita, ohatra, hoe lehibe ny heriny, tsy hita lany ny fahendreny, ary be fitiavana izy. (Romanina 1:20) Tsy ny zavatra noforoniny ihany anefa no ampahafantarany ny tenany. Tia mampita hevitra foana koa izy, ka mampahafantatra ny tenany ao amin’ny Baiboly.

Ampahafantarin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly ny momba azy

8. Nahoana no azo lazaina fa efa porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika ny Baiboly?

8 Efa porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika ny Baiboly. Mampahafantatra ny momba azy i Jehovah ao ary mora azontsika ny fomba ilazany an’izany. Manaporofo izany fa tia antsika izy sady tiany hahafantatra azy sy ho tia azy koa isika. Manampy antsika hanatona azy ny zavatra vakintsika ao amin’io boky sarobidy io. (Salamo 1:1-3) Manohina ny fo ny fomba ampahafantaran’i Jehovah ny momba azy ao amin’ny Teniny. Handinika ny sasany amin’izany isika izao.

9. Milazà ohatra vitsivitsy ny amin’ny filazana mivantana ny toetran’i Jehovah ao amin’ny Baiboly.

9 Milaza mivantana ny toetran’Andriamanitra ny andininy maromaro ao amin’ny Soratra Masina. Ireto misy ohatra: “Tia rariny i Jehovah.” (Salamo 37:28) “Tena mahery izy.” (Joba 37:23) “‘Tsy mivadika aho’, hoy i Jehovah.” (Jeremia 3:12) “Manana fo hendry izy.” (Joba 9:4) “Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka [Izy], tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana.” (Eksodosy 34:6) “Tsara toetra sy vonona hamela heloka ... ianao, Jehovah ô!” (Salamo 86:5) Misy toetra iray tena miavaka, araka ny noresahina tao amin’ilay toko teo aloha, dia ny hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy voasarika hanatona an’i Jehovah ve ianao, rehefa mieritreritra an’ireo toetrany mahafinaritra be ireo?

10, 11. a) Inona koa no nampidirin’i Jehovah ao amin’ny Teniny, mba hanampiana antsika hahita mazava kokoa ny toetrany? b) Inona no ohatra ao amin’ny Baiboly manampy antsika hahazo an-tsaina ny fiasan’ny herin’Andriamanitra?

10 Milaza amintsika ny toetran’i Jehovah ny Baiboly. Naneho fitiavana koa anefa i Jehovah ka mampiseho ohatra ny amin’ireo toetra ireo. Misy hevitra mivaingana tonga ao an-tsaintsika avy amin’ireny tantara ireny, ka manjary hitantsika tsara kokoa ireo lafiny samihafa amin’ny toetran’i Jehovah. Izany no mahatonga antsika hanatona azy. Indro misy ohatra.

Manampy antsika hanatona an’i Jehovah ny Baiboly

11 Fantatsika fa “tena mahatalanjona ny heriny.” (Isaia 40:26) Miaiky ny amin’izany anefa isika rehefa mamaky ny nanafahany ny Israelita tao amin’ny Ranomasina Mena, ary mahita ny fomba nanampiany azy ireo tany an’efitra, nandritra ny 40 taona. Toy ny hitanao mihitsy ilay rano be misaraka; ilay firenena, izay nisy olona 3 000 000 angamba, namakivaky ny tany maina fanambanin’ilay ranomasina; ilay rano nivaingana toy ny rindrim-be teo amin’ny andaniny avy. (Eksodosy 14:21; 15:8) Hitanao fa niaro sy niahy azy ireo tany an’efitra Andriamanitra. Nisy rano nivoaka avy tamin’ny vatolampy. Nisy sakafo toy ny voa fotsifotsy nipoitra tamin’ny tany. (Eksodosy 16:31; Nomery 20:11) Nasehon’i Jehovah teo fa tsy hoe manan-kery fotsiny izy fa mampiasa an’izany koa mba hahasoa ny vahoakany. Tsy mampahery ve ny mahafantatra fa ilay Andriamanitra ivavahantsika dia mahery sady “fialofana sy hery ho antsika” ary “vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra”?​—Salamo 46:1.

12. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika “hahita” azy amin’ny fomba takatry ny saintsika?

12 Tsy vitan’ny hoe nampahafantatra ny tenany tamintsika fotsiny anefa i Jehovah, izay Fanahy. Ny zavatra hitan’ny maso ihany mantsy no fantatsika olombelona, ka tsy ho hitantsika mihitsy ny zavatra tsy hita maso. Tsy ho azontsika mihitsy hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah, raha amin’ny fitenin’ny fanahy no anazavany izany amintsika. Izany dia mitovy amin’ny fanazavana amin’ny olona teraka jamba hoe hoatran’ny ahoana ny lokon’ny masonao na ny tandra amin’ny hoditrao. Tsara fanahy anefa i Jehovah dia mampiasa teny mora takatry ny saintsika rehefa miresaka momba ny tenany, ka hoatran’ny hoe “mahita” azy isika. Mampiasa teny an’ohatra, na fampitahana, izy indraindray, ka mampitaha ny tenany amin-javatra fantatsika. Lazalazainy ho manana endrika toy ny an’ny olombelona mihitsy aza izy. a

13. Inona no sary tonga ao an-tsainao amin’ny Isaia 40:11, ary inona no vokatr’izany eo aminao?

13 Mariho ilay filazalazana an’i Jehovah ao amin’ny Isaia 40:11, manao hoe: “Toy ny mpiandry ondry izy ka hokarakarainy ny andian’ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, dia hotrotroiny eo an-tratrany ireny.” Ampitahaina amin’ny mpiandry ondry maka zanak’ondry ho eo ‘an-tsandriny’ i Jehovah eto. Midika izany fa afaka miaro sy manampy ny vahoakany izy, eny fa na dia ireo marefo kokoa hoatran’ny zanak’ondry aza. Mahatsiaro ho tsy manana ahiahy isika eo an-tsandriny matanjaka, satria tsy hahafoy antsika mihitsy izy, raha tsy mivadika aminy isika. (Romanina 8:38, 39) Hitrotro ny zanak’ondriny “eo an-tratrany” ilay Mpiandry Lehibe. Ilay hoe ‘eo an-tratra’ dia ilazana an’ilay miforitra eo amin’ny tratran’akanjon’ny Jiosy izay itondran’ny mpiandry ondry ny zanak’ondry vao teraka, indraindray. Manome toky antsika izany fa tia sy miahy antsika i Jehovah. Lasa te hanatona azy àry isika.

“Tian’ny Zanaka hampahafantarina ny momba ny Ray”

14. Nahoana no azo lazaina fa asehon’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy ny tsipiriany momba azy?

14 Mampiseho ny tsipiriany momba azy i Jehovah ao amin’ny Teniny, amin’ny alalan’i Jesosy Zanany malala. Tsy misy afaka maneho taratra kokoa ny fisainana sy fihetseham-pon’Andriamanitra, na manazava tsara kokoa ny momba azy, noho i Jesosy. Efa niaraka tamin’ny Rainy tokoa io Zanaka lahimatoa io, talohan’ny namoronana ny zavaboary ara-panahy sy izao rehetra izao hita maso. (Kolosianina 1:15) Fantatr’i Jesosy tsara i Jehovah, ka afaka niteny izy hoe: “Tsy misy mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampahafantarina ny momba ny Ray.” (Lioka 10:22) Nampahafantatra ny momba ny Rainy i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Nisy fomba lehibe roa nanaovany izany.

15, 16. Inona avy ireo fomba roa nampahafantaran’i Jesosy ny Rainy?

15 Voalohany, manampy antsika hahafantatra ny Ray ny fampianaran’i Jesosy. Milazalaza an’i Jehovah amin’ny teny manohina ny fontsika izy. Nolazain’i Jesosy, ohatra, fa mamindra fo Andriamanitra, ka mandray tsara ny mpanota mibebaka. Nampitahainy tamin’ny ray mamela heloka i Jehovah tao amin’ny fanoharana iray. Noresahiny tao hoe nanana zanaka lahy iray naditra ilay raim-pianakaviana. Niala tao an-trano ilay zanany ary nanao hadalana tany, nefa nibebaka dia niverina. Nihetsi-po be io raim-pianakaviana io rehefa nahita an’ilay zanany, ka lasa nihazakazaka namihina sy nanoroka azy tamim-pitiavana. (Lioka 15:11-24) Nolazain’i Jesosy koa fa ‘mitaona’ ny olona tso-po i Jehovah, satria tia azy ireo isam-batan’olona. (Jaona 6:44) Fantany na dia ny fody kely mianjera amin’ny tany aza. “Aza matahotra”, hoy i Jesosy, “fa mbola sarobidy lavitra noho ny fody be dia be ianareo.” (Matio 10:29, 31) Aiza moa isika no tsy te hanatona Andriamanitra be fiahiana hoatr’izany?

16 Faharoa, mampiseho ny toetran’i Jehovah ny ohatr’i Jesosy. Naneho taratry ny toetran’i Jehovah tamin’ny fomba lavorary i Jesosy, ka afaka niteny hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Toy ny mahita maso ny Rain’i Jesosy àry isika, rehefa mamaky momba an’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara, anisan’izany ny fihetseham-po nasehony sy ny fomba nitondrany ny olona. Tsy nisy fomba tsara kokoa nampahafantaran’i Jehovah ny toetrany noho izany. Nahoana?

17. Lazao ny fanoharana ny zavatra nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hahafantatra ny toetrany.

17 Indro misy fanoharana: Aoka hatao hoe hanazava ny momba ny hatsaram-panahy ianao. Mety hanome famaritana an’ilay teny angamba ianao. Misy dikany sy mora azo kokoa anefa io teny io, raha misy olona naneho hatsaram-panahy ka azonao aseho hoe “toy iny olona iny no atao hoe tsara fanahy.” Toy izany koa no nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hahafantatra ny toetrany. Nolazainy tamin’ny teny aloha izany, ary nomeny antsika i Jesosy avy eo, mba ho ohatra azo tsapain-tanana. Hita tao amin’i Jesosy ny toetran’Andriamanitra. Milazalaza an’i Jesosy ireo tantara ao amin’ny Filazantsara, ka toy ny milaza amintsika i Jehovah hoe: “Toy izany ny toetrako.” Ahoana no ilazan’ny tantara ara-tsindrimandry ny momba an’i Jesosy teto an-tany?

18. Ahoana no nanehoan’i Jesosy hery sy fitiavana ny rariny ary fahendrena?

18 Nisongadina tsara tao amin’i Jesosy ireo toetran’Andriamanitra efatra lehibe. Nanana hery nifehezana ny aretina sy ny hanoanana ary ny fahafatesana izy. Tsy nanampatra fahefana toy ireo olona tia tena anefa izy, ary tsy nampiasa ny heriny mahagaga mba hahasoa ny tenany sy hamelezana ny olona. (Matio 4:2-4) Tia rariny izy. Naharikoriko azy ny mpivarotra namitaka sy nanambaka vahoaka. (Matio 21:12, 13) Tsy nanavakavaka ny mahantra sy izay nampijalina izy, fa nanampy azy ireny “ho velombelona” kosa. (Matio 11:4, 5, 28-30) Misy fahendrena tsy manam-paharoa ao amin’ny fampianaran’i Jesosy, ilay “lehibe noho i Solomona.” (Matio 12:42) Tsy nampideradera ny fahendreny mihitsy anefa i Jesosy. Nanohina ny fon’ny sarambaben’olona ny fampianarany, satria nazava sy tsotra ary azo nampiharina.

19, 20. a) Nahoana i Jesosy no ohatra niavaka momba ny fitiavana? b) Inona no tokony hotadidintsika rehefa mamaky sy misaintsaina momba ny ohatra navelan’i Jesosy isika?

19 Ohatra niavaka momba ny fitiavana i Jesosy. Naneho izany tamin’ny fomba maro izy nandritra ny fanompoany. Nahay niara-niory sy nangoraka izy, ohatra. Nalahelo foana izy, rehefa nahita ny fahorian’ny olona. Nanao zavatra koa izy, fa tsy nijery izany fotsiny. (Matio 14:14) Nangoraka tamin’ny fomba lehibe kokoa i Jesosy, na dia nanasitrana sy nanome sakafo aza. Nanampy ny olona hahafantatra sy hanaiky ary ho tia ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy izy, satria io ihany no hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olona. (Marka 6:34; Lioka 4:43) Ambonin’ny zavatra rehetra, dia naneho fitiavana feno fahafoizan-tena i Jesosy, ka nanome ny ainy ho an’ny olona.​—Jaona 15:13.

20 Mahagaga ve raha voasarika hanatona an’io lehilahy be fitiavana sy miantra io ny olona samy hafa taona sy fiaviana? (Marka 10:13-16) Aoka anefa hotadidintsika, rehefa mamaky sy misaintsaina momba ny ohatra navelan’i Jesosy isika, dia mahita hoe hoatran’ny ahoana ny toetran’ny Rainy.​—Hebreo 1:3.

Boky natao hanampiana antsika

21, 22. Inona no ilaina mba hitadiavana an’i Jehovah? Inona no voarakitra ato amin’ity boky ity, mba hanampiana antsika hanao izany?

21 Tena tian’i Jehovah hanatona azy isika, matoa nampahafantariny antsika mazava ao amin’ny Teniny ny momba azy. Tsy manery antsika hitady sitraka aminy koa anefa izy. Anjarantsika ny mitady an’i Jehovah, “dieny mbola akaiky izy.” (Isaia 55:6) Ilaintsika amin’izany ny mahafantatra ny toetrany sy ny fombany, araka ny asehon’ny Baiboly. Natao hanampiana anao hanao izany ity boky ity.

22 Misy fizarana araka ireo toetran’i Jehovah efatra miavaka indrindra ity boky ity: hery, fitiavana ny rariny, fahendrena, ary fitiavana. Ny fanazavana ankapobe momba ilay toetra no manokatra ny fizarana tsirairay. Miresaka ny fanehoan’i Jehovah an’ilay toetra amin’ny fomba samihafa ireo toko vitsivitsy aorian’izay. Misy toko miresaka ny fomba nanehoan’i Jesosy an’ilay toetra koa ao amin’ireo fizarana tsirairay, ary misy toko mamelabelatra ny fomba azontsika anehoana izany eo amin’ny fiainantsika.

23, 24. a) Hazavao ilay faritra manokana hoe “Fanontaniana Hosaintsainina.” b) Nahoana ny fisaintsainana no manampy antsika hanatona kokoa an’Andriamanitra?

23 Misy faritra manokana hoe “Fanontaniana Hosaintsainina”, manomboka amin’ity toko ity. Jereo, ohatra, ilay  efajoro eo amin’ny pejy 24. Tsy natao hamerenana an’ilay toko ireo andinin-teny sy fanontaniana eo, fa natao hanampiana anao hisaintsaina lafiny lehibe hafa amin’ilay foto-kevitra kosa. Ahoana no hampiasanao tsara an’io efajoro io? Jereo sy vakio tsara ireo andinin-teny omeny. Vakio ny fanontaniana miaraka amin’ilay andininy. Eritrereto ny valiny. Mety hanao fikarohana kely ianao. Mametraha fanontaniana hafa, toy ny hoe: ‘Inona no lazain’izany amiko momba ny toetran’i Jehovah? Inona no akon’izany eo amin’ny fiainako? Ahoana no hampiasako izany hanampiana ny olona?’

24 Manampy antsika hanatona kokoa an’i Jehovah izany fisaintsainana izany. Nahoana? Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fo ny fisaintsainana. (Salamo 19:14) Rehefa mankasitraka sy misaintsaina ny zavatra ianarantsika momba an’Andriamanitra isika, dia midina ao am-pontsika ilay fanazavana, ka misy vokany amin’ny fisainantsika sy manaitra ny fihetseham-pontsika, ary manosika antsika hanao zavatra. Mitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra, ary io fitiavana io kosa no mahatonga antsika haniry hankasitrahan’ilay Namantsika akaiky indrindra. (1 Jaona 5:3) Tsy maintsy mahafantatra ny toetra sy fomban’Andriamanitra isika, mba hifandraisana aminy toy izany. Andeha aloha anefa horesahintsika ny lafin-toetran’Andriamanitra mahatonga antsika hanatona azy, dia ny fahamasinany.

a Resahin’ny Baiboly, ohatra, ny tarehin’Andriamanitra, ny masony, sofiny, vavorony, vavany, sandriny, ary tongony. (Salamo 18:15; 27:8, f.a.p.; 44:3; Isaia 60:13; Matio 4:4, f.a.p.; 1 Petera 3:12) Tsy tokony horaisina ara-bakiteny ireny teny an’ohatra ireny, hoatran’ny rehefa miantso an’i Jehovah hoe “ilay Vatolampy”, na “ampinga” ny Baiboly.​—Deoteronomia 32:4; Salamo 84:11.