Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 3

“Masina, Masina, Masina i Jehovah”

“Masina, Masina, Masina i Jehovah”

1, 2. Momba ny inona ny fahitana azon’i Isaia, ary inona no lazain’izany amintsika momba an’i Jehovah?

 SADY gaga no natahotra i Isaia, rehefa nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra. Toy ny tena izy ilay izy! Nilaza i Isaia tatỳ aoriana fa ‘hitany i Jehovah’ nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany manerinerina. Nameno an’ilay tempoly goavana tany Jerosalema ny akanjo lavan’i Jehovah.​—Isaia 6:1, 2.

2 Gaga sy natahotra koa i Isaia rehefa nandre hira mafy be nampihozongozona ny fototry ny tempoly mihitsy. Anjely manana toerana tena ambony, atao hoe serafima, no nanao an’io hira io. Tsotra, nefa manan-danja, ny tonon’ilay hira mafy sy mirindra: “Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika! Feno ny voninahiny ny tany manontolo.” (Isaia 6:3, 4) Manamafy manokana ny fahamasinan’i Jehovah ny fihirana intelo an’ilay hoe “masina”, ary rariny izany satria masina indrindra izy. (Apokalypsy 4:8) Antitranterina manerana ny Baiboly ny fahamasinan’i Jehovah. Misy andininy an-jatony mampifandray ny anarany amin’ny hoe “masina”, na “fahamasinana.”

3. Nahoana no maro no lasa mandositra an’Andriamanitra?

3 Mazava àry fa anisan’ny zava-dehibe tian’i Jehovah ho fantatsika ny hoe masina izy. Izany fotsiny anefa dia efa mampandositra ny sasany. Misy diso hevitra hoe izay mihevi-tena ho marina sy miseho ho tia fivavahana no atao hoe masina. Mety ho vao mainka hampandositra fa tsy hahasarika ny olona mihevi-tena ho tsy mendrika, ny fahamasinan’Andriamanitra. Mety hihevitra izy fa tsy mendrika ny hanatona an’io Andriamanitra masina io mihitsy. Maro àry no mandositra an’Andriamanitra, noho izy masina. Mampalahelo izany, satria tena tokony hampanatona antsika an’Andriamanitra ny fahamasinany. Nahoana? Andeha hodinihintsika, alohan’ny hamaliana izany, ny atao hoe tena fahamasinana.

Inona no atao hoe fahamasinana?

4, 5. a) Inona no dikan’ny hoe “masina”? Tsy midika ho inona anefa izany? b) Lazao ireo antony roa ilazana hoe “tafasaraka” i Jehovah.

4 Masina Andriamanitra, nefa tsy midika izany hoe tsy miraharaha na miavonavona na manambany olona izy. Halany mihitsy aza ireo toetra ireo. (Ohabolana 16:5; Jakoba 4:6) Inona àry no tena dikan’ilay teny hoe “masina”? Ny hoe masina, amin’ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly, dia avy amin’ny teny midika hoe “tafasaraka” na “voatokana.” Azo ilazana olona na zavatra voatokana ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra io teny io. Manasongadina ny fahadiovana koa ny fahamasinana. Ahoana kosa rehefa ampiharina amin’i Jehovah io teny io? Midika ve izany fa “tafasaraka” amin’ny olona tsy lavorary izy, ka lasa lavitra antsika?

5 Tsy izany mihitsy. Nanome toky ny vahoakany i Jehovah, “Ilay Masin’ny Israely”, hoe ho ‘eo anivon’izy ireo’ izy na dia mpanota aza izy ireo. (Isaia 12:6; Hosea 11:9) Tsy mahatonga azy ho lavitra antsika àry ilay hoe masina izy. Nahoana anefa no lazaina hoe “tafasaraka” izy? Voalohany, miavaka amin’ny zavaboariny rehetra izy, satria izy irery no Avo Indrindra. Madio tanteraka tsy misy pentina izy. (Salamo 40:5; 83:18) Faharoa, tsy misy ota na faharatsiana mihitsy ao amin’i Jehovah, ary mampahery izany. Nahoana?

6. Nahoana no mampahery antsika ny hoe misaraka tanteraka amin’ny ota i Jehovah?

6 Tsy fahita firy izao ny tena fahamasinana. Misy loto sy voapentin’ny ota sy ny tsy fahalavorariana ny zavatra rehetra eo amin’ity tontolo lavitra an’Andriamanitra ity. Tsy maintsy miady amin’ny ota ao anatintsika isika. Samy mety ho resin’io ota io isika, raha tsy mitandrina. (Romanina 7:15-25; 1 Korintianina 10:12) Tsy mba toy izany i Jehovah. Lavitra azy mihitsy ny ota, ka tsy ho voapentin’izy io kely akory izy. Vao mainka matoky isika fa i Jehovah no tena Ray, satria midika izany fa azo itokisana tanteraka izy. Tsy ho lasa ratsy toetra, na ratsy fitondran-tena, na hanampatra fahefana mihitsy i Jehovah, tsy hoatran’ny ray olombelona mpanota. Tsy hitranga mihitsy izany satria masina izy. Antony lehibe indrindra azo atokisana an’i Jehovah ny fahamasinany, dia izay no mahatonga ny Baiboly hilaza indraindray hoe: ‘Masina i Jehovah ka mianiana.’ (Amosa 4:2) Tsy manome toky antsika ve izany?

7. Nahoana isika no milaza fa masina tanteraka i Jehovah?

7 Masina tanteraka i Jehovah. Inona no dikan’izany? Indro misy fampitahana: Eritrereto ireo teny hoe “olona” sy “tsy lavorary.” Tonga ao an-tsainao foana ny hoe tsy lavorary raha vao miteny hoe olona ianao. Ao amintsika sady mameno ny zavatra ataontsika ny tsy fahalavorariana. Eritrereto indray izao ny teny roa mifanohitra amin’ireo: “Jehovah” sy “masina.” Mameno an’i Jehovah ny fahamasinana. Madio sy marina daholo izay rehetra mombamomba azy. Tsy afaka ny tena hahafantatra an’i Jehovah isika raha tsy mandinika tsara sy mahafantatra ny dikan’ny hoe “masina.”

“An’i Jehovah ny fahamasinana”

8, 9. Inona no mampiseho fa manampy ny olona tsy lavorary mba ho azo lazaina hoe masina i Jehovah?

8 I Jehovah mihitsy no masina, ka rariny raha lazaina fa izy no iavian’ny fahamasinana rehetra. Tsy tia tena izy, ka tsy mihazona io toetra io ho azy irery, fa omeny anjara betsaka amin’io kosa ny olona. Rehefa niresaka tamin’i Mosesy tamin’ny alalan’ny anjely teo amin’ilay voarointsilo nirehitra, ohatra, i Jehovah, dia nanjary masina mihitsy ny tany nanodidina teo, satria nifandray taminy!​—Eksodosy 3:5.

9 Mety ho masina ve ny olona tsy lavorary raha ampian’i Jehovah? Eny, na dia voafetra aza. Nomen’i Jehovah fahafahana ho tonga “firenena masina” ny Israely vahoakany. (Eksodosy 19:6) Nomeny fomba fivavahana masina sy madio io firenena io. Miverimberina ao amin’ny Lalàn’i Mosesy foana ny fahamasinana. Nisy takela-bolamena teo amin’ny satroka lamba nanaovan’ny mpisoronabe, ka tazan’ny rehetra namirapiratra ilay takela-bolamena. Izao no teny voasokitra teo amin’izy io: “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Eksodosy 28:36) Tokony hisongadina sy hampiavaka ny fivavahana sy ny fomba fiainan’izy ireo mihitsy àry ny fahadiovana. Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Tokony ho masina ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.” (Levitikosy 19:2) Azo nolazaina hoe masina ny Israelita, rehefa nanaraka ny torohevitr’Andriamanitra, araka izay azon’ny olona tsy lavorary natao.

10. Inona no naha samy hafa ny Israely fahiny sy ny firenena nanodidina azy, raha ny fahamasinana no resahina?

10 Nifanohitra tanteraka tamin’ny fivavahan’ireo firenena nanodidina ny Israely izany fanasongadinana ny fahamasinana izany. Lainga sy fitaka na dia ny fisian’ny andriamanitr’ireo firenena mpanompo sampy ireo aza. Mahery setra sy tia harena ary maloto fitondran-tena koa ny andriamanitr’izy ireo, ka tena tsy masina mihitsy. Nanjary tsy masina koa ireo nanompo azy. Nampitandrina ny mpanompony àry i Jehovah mba hanalavitra an’ireo mpanompo sampy ireo sy ny fivavahany maloto.​—Levitikosy 18:24-28; 1 Mpanjaka 11:1, 2.

11. Lazao ny fomba ihariharian’ny fahamasinan’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra eo a) amin’ny anjely b) sy ny serafima d) ary i Jesosy.

11 Na dia nisy fotoana aza ny Israelita niezaka be ho masina, dia tsy afaka ny ho masina hoatran’ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’Andriamanitra mihitsy. Lazaina hoe “anjely masina an’alinaliny” ireo anjely an-tapitrisany tsy mivadika manompo an’Andriamanitra. (Deoteronomia 33:2; Joda 14) Manahaka tanteraka ny fahamasinan’Andriamanitra izy ireo. Tadidio koa ireo serafima hitan’i Isaia tamin’ny fahitana. Toa milaza ny hiran’izy ireo fa manana anjara lehibe amin’ny fampahafantarana ny fahamasinan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ireo anjely mahery ireo. Mbola ambonin’ireo rehetra ireo anefa i Jesosy Zanaka lahitokan’Andriamanitra. Izy no maneho taratra mazava indrindran’ny fahamasinan’i Jehovah. Rariny raha antsoina hoe “Ilay Masin’Andriamanitra” izy.​—Jaona 6:68, 69.

Anarana masina, fanahy masina

12, 13. a) Nahoana no rariny raha atao hoe masina ny anaran’Andriamanitra? b) Nahoana no tsy maintsy hamasinina ny anaran’Andriamanitra?

12 Ary ny anaran’Andriamanitra? Hitantsika tao amin’ny Toko 1 fa tsy anaram-boninahitra na anarana napetaka fotsiny io. Mampiseho ny toetran’i Jehovah Andriamanitra rehetra izy io. Milaza amintsika àry ny Baiboly fa “masina ny anarany.” (Isaia 57:15) Nomelohin’ny Lalàn’i Mosesy ho faty ireo miteny ratsy ny anaran’Andriamanitra. (Levitikosy 24:16) Mariho koa ny zavatra voalohany nolazain’i Jesosy tao amin’ny vavaka: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Ny hoe manamasina zavatra dia midika hoe manokana sy manome voninahitra ary manandratra azy io. Nahoana anefa no ilaina hohamasinina ny anaran’Andriamanitra izay efa tena madio?

13 Nanala baraka an’io anarana masin’Andriamanitra io ny lainga sy fanendrikendrehana nataon’ny fahavalon’Andriamanitra. Nandainga i Satana tany Edena, rehefa nilaza fa Mpanjaka miangatra i Jehovah. (Genesisy 3:1-5) Nanomboka tamin’izay, dia nataony izay hampielezana lainga momba an’Andriamanitra. Izy mantsy no mpitondra an’izao tontolo tsy masina izao. (Jaona 8:44; 12:31; Apokalypsy 12:9) Ampianarin’ny fivavahana fa mpanao didy jadona sy tsy miraharaha olona ary tsy mifaditrovana Andriamanitra. Nolazain’izy ireo fa manohana azy ireo Andriamanitra amin’ny ady mahatsiravina ataon-dry zareo. Lazaina fa kisendrasendra, na evolisiona, fa tsy asa mahatalanjona nataon’Andriamanitra, no nampisy izao rehetra izao. Tena voahoso-potaka mihitsy ny anaran’Andriamanitra. Tsy maintsy hamasinina izy io, ary tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ny voninahitra mendrika azy. Tsy andrintsika ny fotoana hanaporofoan’i Jehovah hoe diso daholo ny fanendrikendrehana azy. Ilay Fanjakana entin’ny Zanany no hampiasainy mba hanatanterahana an’izany. Faly isika mandray anjara amin’ny fanatanterahana an’izany fikasana lehibe izany.

14. Nahoana no lazaina hoe masina ny fanahin’Andriamanitra, ary nahoana no tena ratsy ny manevateva azy io?

14 Misy zavatra hafa ampifandraisina akaiky amin’i Jehovah, ary antsoina foana hoe masina. Ny fanahiny, na hery ampiasainy, izany. (Genesisy 1:2) Mampiasa an’io hery tsy hay tohaina io i Jehovah, mba hanatanterahany ny fikasany. Ataony amin’ny fomba masina sy madio ny zavatra rehetra, ka rariny raha antsoina hoe fanahy masina, na fanahin’ny fahamasinana, ny hery ampiasainy. (Lioka 11:13; Romanina 1:4) Fahotana tsy ahazoana famelan-keloka ny fanevatevana ny fanahy masina, anisan’izany ny hoe minia manohitra ny fikasan’i Jehovah.​—Marka 3:29.

Lasa te hanatona an’i Jehovah isika, satria masina izy

15. Nahoana ny fahamasinan’i Jehovah no mahatonga antsika hatahotra azy, ary ahoana ilay hoe matahotra an’Andriamanitra?

15 Tsy sarotra àry ny mahatakatra ny antony ilazan’ny Baiboly hoe tokony hatahotra an’Andriamanitra ny olombelona satria masina izy. Milaza toy izao, ohatra, ny Salamo 99:3: “Aoka izy ireo hidera ny anaranao be voninahitra, fa mendrika hatahorana sy masina izy io.” Midika izany hoe tokony hanaja lalina an’Andriamanitra sy ny anarany isika. Rariny raha mahatsapa izany isika, satria ambony lavitra noho isika ny fahamasinan’Andriamanitra, sady madio mamirapiratra sy be voninahitra. Tsy tokony hampandositra antsika anefa izy io. Vao mainka aza tokony hisarika antsika hanatona an’Andriamanitra ny fahamasinany. Nahoana?

16. a) Hazavao ny fifandraisan’ny fahamasinana sy ny hatsaran-tarehy na ny voninahitra. Manomeza ohatra. b) Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny hatsaran-tarehin’ilay Andriamanitsika masina?

16 Anisan’ny anton’izany ny hoe ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny hatsaran-tarehy ny fahamasinana. Milaza, ohatra, ny Isaia 63:15 fa i Jehovah dia ‘eny amin’ny fonenany avo, izay sady masina no be voninahitra [na “tsara tarehy”, fanamarihana ambany pejy].’ Mahasarika antsika ny zavatra tsara tarehy be. Jereo, ohatra, ilay sary eo amin’ny pejy 33. Tsy mahafinaritra anao ve izy io? Inona no manintona eo amin’izy io? Jereo fa madio erỳ ilay rano. Tsy maintsy ho madio koa ny rivotra eo, satria manga ny lanitra, ary miparitaka tsara ny hazavana. Ahoana anefa raha amboarina kely io sary io? Voasakan’ny fako ny fikorianan’ilay rano, feno soratsoratra ny hazo sy vato, feno zavon-tsetroka ny rivotra. Tsy hanintona antsika intsony, fa hampandositra antsika izy io amin’izay. Ampifandraisintsika amin’ny fahadiovana sy fahazavana foana ny hatsaran-tarehy na ny voninahitra. Azo lazaina koa hoe madio sy mazava ny fahamasinan’i Jehovah. Tsy mahagaga raha tiantsika ny mamaky andininy miresaka momba ny voninahitr’i Jehovah! Manjelanjelatra toy ny vatosoa, mamirapiratra toy ny afo na toy ny metaly sarobidy ny hatsaran-tarehy na ny voninahitr’ilay Andriamanitsika masina.​—Ezekiela 1:25-28; Apokalypsy 4:2, 3.

Manintona antsika toy ny hatsaran-tarehy ny fahamasinana

17, 18. a) Inona no nanjo an’i Isaia tamin’ny voalohany, vokatr’ilay fahitana? b) Lazao ny fomba nampiasan’i Jehovah serafima mba hampaherezana an’i Isaia. Inona no dikan’ny fihetsik’ilay serafima?

17 Tokony hahatonga antsika hihevi-tena ho ambany ve anefa ny fahamasinan’Andriamanitra? Mazava ho azy fa eny no valin’izany. Tena ambany noho i Jehovah tokoa isika, ary mbola tsy ampy aza ny teny hoe ambany, mba hilazana ny tena zava-misy. Tokony hampanalavitra antsika aminy ve izany? Jereo ny fihetsik’i Isaia rehefa nandre an’ireo serafima nilaza ny fahamasinan’i Jehovah. “Dia hoy aho: ‘Hahita loza aho! Tena ho faty aho izao, satria olona maloto molotra, sady miara-mipetraka amin’ny vahoaka maloto molotra, nefa izaho nahita an’ilay Mpanjaka, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.’” (Isaia 6:5) Nanjary tsaroan’i Isaia fa mpanota sy tsy lavorary izy, rehefa hitany ny fahamasinana lehiben’i Jehovah. Kivy be io lehilahy tsy nivadika io tamin’ny voalohany, nefa tsy navelan’i Jehovah ho kivy tanteraka.

18 Nisy serafima nampahery azy avy hatrany. Tamin’ny fomba ahoana? Nanidina nankeo amin’ny alitara ilay serafima, naka vainafo teo ary nokasihiny tamin’ilay izy ny molotr’i Isaia. Mety ho toa vao mainka hampanaintaina izany. Tadidio anefa fa fahitana izy io, ary maro ny zavatra tsy ara-bakiteny tao anatiny. Jiosy tsy nivadika i Isaia ka fantany tsara fa nisy fanatitra noho ny ota natao isan’andro teo amin’ny alitaran’ny tempoly. Nangoraka an’i Isaia ilay serafima ka nampahatsiahy azy fa afaka ny ho madio eo anatrehan’Andriamanitra izy, na dia tsy lavorary sy “maloto molotra” aza. a Eken’i Jehovah ny hihevitra olona tsy lavorary sy mpanota ho masina, na dia amin’ny fomba voafetra ihany aza.​—Isaia 6:6, 7.

19. Nahoana no afaka ny ho masina amin’ny fomba voafetra isika, na dia tsy lavorary aza?

19 Marina koa izany izao. Aloky ny zavatra lehibe kokoa ireo fanatitra teo amin’ny alitara tany Jerosalema: Aloky ny sorona lavorary natolotr’i Jesosy Kristy tamin’ny taona 33. (Hebreo 9:11-14) Ho voavela ny helotsika raha tena mibebaka sy manitsy ny tsy mety isika ary maneho finoana an’io sorona io. (1 Jaona 2:2) Afaka ny ho madio eo imason’Andriamanitra koa isika. Nampahatsiahy antsika toy izao àry ny apostoly Petera: “Voasoratra hoe: ‘Tsy maintsy masina ianareo, satria masina aho.’” (1 Petera 1:16) Mariho fa tsy nilaza akory i Jehovah hoe tokony ho masina hoatr’azy isika. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy. (Salamo 103:13, 14) Tokony ho masina kosa isika, hoy i Jehovah, satria masina izy. Miezaka manahaka azy araka izay vitantsika olombelona tsy lavorary isika “zanany malalany.” (Efesianina 5:1) Mila miezaka foana àry isika isan’andro mba ho masina. ‘Miezaka mafy ho masina tanteraka’ isika, rehefa mihamatotra.​—2 Korintianina 7:1.

20. a) Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra hoe afaka ny ho madio eo imason’ilay Andriamanitsika masina isika? b) Lazao ny vokany teo amin’i Isaia rehefa fantany fa voavela ny fahotany.

20 Tia zavatra marina sy madio i Jehovah. Halany ny fahotana. (Habakoka 1:13) Tsy mankahala antsika anefa izy. Mamela ny fahotantsika kosa izy raha mitovy fomba fihevitra aminy isika ka mankahala ny ratsy ary tia ny tsara. Mamela ny fahotantsika koa izy raha mbola miezaka mafy manaraka ny dian’i Kristy Jesosy isika. (Amosa 5:15; 1 Petera 2:21) Rehefa takatsika fa afaka ny ho madio eo imason’ilay Andriamanitsika masina isika, dia misy vokany tsara amintsika izany. Tadidio fa nampahatsiahy an’i Isaia avy hatrany ny tsy fahadiovany ny fahitany ny fahamasinan’i Jehovah. Hoy izy: “Hahita loza aho!” Niova anefa ny fomba fijeriny, rehefa takany fa voavela ny fahotany. Niantso izay vonona hamita iraka i Jehovah, ka vonona avy hatrany i Isaia, na dia tsy fantany aza hoe inona izany. Hoy izy: “Intỳ aho iraho!”​—Isaia 6:5-8.

21. Nahoana isika no afaka matoky fa afaka miezaka ny ho masina isika?

21 Natao mitovy endrika amin’ilay Andriamanitra masina isika, ka afaka manahaka ny toetrany sy mifandray akaiky aminy. (Genesisy 1:26) Afaka ny ho masina daholo isika. Faly manampy antsika i Jehovah, rehefa miezaka ny ho masina isika. Hanjary hanatona kokoa an’ilay Andriamanitsika masina isika amin’izay. Ho hitantsika eo am-pandinihana an’ireo toko manaraka koa fa misy antony lehibe maro hanatonantsika azy!

a Mety ilay teny hoe “maloto molotra” eto, satria matetika no ampiasain’ny Baiboly mba hanondroana teny na fiteny ny molotra. Tsy lavorary isika rehetra, ka matetika isika no manota amin’ny zavatra tenenintsika.​—Ohabolana 10:19; Jakoba 3:2, 6.