Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 1

“Tena Mahatalanjona ny Heriny”

“Tena Mahatalanjona ny Heriny”

Hofakafakaintsika ato amin’ity fizarana ity ny fitantaran’ny Baiboly manaporofo ny herin’i Jehovah mba hamoronana, handringanana, hiarovana, ary hamerenana amin’ny laoniny. ‘Tena mahatalanjona ny herin’i Jehovah Andriamanitra’ ary “matanjaka be” izy. Rehefa takatsika ny fomba ampiasany an’izany heriny izany, dia lasa be herim-po sy be fanantenana isika.​—Isaia 40:26.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 4

‘Tena Mahery i Jehovah’

Tokony hatahotra an’Andriamanitra ve isika satria mahery izy? Sady eny no tsia ny valiny.

TOKO 5

Hery Hamoronana: “Ilay Mpanao ny Lanitra sy ny Tany”

Mampianatra zavatra lehibe momba an’Andriamanitra ny zavatra noforoniny, hatramin’ny ngezabe hoatran’ny masoandro ka hatramin’ny kely indrindra hoatran’ny kôlibria.

TOKO 6

Hery Handringanana: “Mpiady Tena Mahery i Jehovah”

Nahoana no miady “ilay Andriamanitry ny fiadanana”?

TOKO 7

Hery Hiarovana: ‘Fialofana ho Antsika Andriamanitra’

Misy fomba roa iarovan’Andriamanitra ny mpanompony. Ilay fomba iray anefa no tena zava-dehibe indrindra.

TOKO 8

Hery Hamerenana Amin’ny Laoniny: Ataon’i Jehovah “Vaovao ny Zava-drehetra”

Efa naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. Inona no haveriny amin’ny laoniny amin’ny hoavy?

TOKO 9

“I Kristy no Isehoan’ny Herin’Andriamanitra”

Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa jerena ny fahagagana nataon’i Jesosy sy ny fampianarany?

TOKO 10

“Tahafo ... Andriamanitra” Rehefa Mampiasa Hery

Mety hanana hery mihoatra noho izay eritreretinao ianao. Ahoana no ampiasanao an’izany amin’ny fomba tsara?