Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 4

‘Tena Mahery i Jehovah’

‘Tena Mahery i Jehovah’

1, 2. Inona no zava-nahagaga efa hitan’i Elia, nefa inona no zava-nahagaga kokoa hitany tao amin’ilay lavaka tany amin’ny Tendrombohitra Horeba?

 EFA nahita zava-nahagaga i Elia taloha. Nahita goaika nitondra sakafo ho azy indroa isan’andro izy, tamin’izy niafina. Nahita fitoeran-tsakafo roa namoaka lafarinina sy menaka tsy tapaka ho azy izy, nandritra ny mosary naharitra ela. Efa nahita afo nilatsaka avy tany an-danitra mihitsy aza izy, ho valin’ny vavaka nataony. (1 Mpanjaka toko 17, 18) Mbola tsy nahita zavatra toy ity mihitsy anefa izy.

2 Nahita zavatra maromaro nanaitra izy rehefa nanatona moramora ny vavan’ilay lavaka tany amin’ny Tendrombohitra Horeba. Nisy rivotra aloha. Tsy maintsy ho nitsoka mafy nankarenin-tsofina izany, satria nahery be izy io ka nampitriatra sy nampihovitrovitra ny tendrombohitra mihitsy. Nisy horohoron-tany indray avy eo, namoaka hery lehibe avy tao anaty tany. Nisy afo koa nanaraka izay. Azo inoana fa tsapan’i Elia ny hafanana mandoron’ilay afo nandalo teo anoloany.​—1 Mpanjaka 19:8-12.

3. Inona no toetran’Andriamanitra hitan’i Elia niharihary, ary ahoana koa no ahitantsika porofon’izy io?

3 Misy itovizany ireo zavatra hitan’i Elia ireo, dia ny hoe fampisehoana ny hery lehibe ananan’i Jehovah izy ireo. Mazava ho azy fa tsy mila fahagagana isika vao hino fa manana hery Andriamanitra. Efa miharihary izany. Milaza amintsika ny Baiboly fa porofon’ny “heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy” ny zavatra noforonin’i Jehovah. (Romanina 1:20) Eritrereto fotsiny ireto: Ny tselatra mamono maso, ny firohondrohon’ny kotroka, ny fidobodoboky ny rian-drano mahery, ny halehiben’ny lanitra feno kintana! Tsy hitanao avy amin’ireny ve ny herin’Andriamanitra? Vitsy anefa ny olona tena manaiky ny herin’Andriamanitra ankehitriny. Mbola vitsy kokoa aza ny mihevitra ny herin’i Jehovah araka ny tokony ho izy. Manjary manatona kokoa an’i Jehovah anefa isika, raha mahafantatra tsara an’io toetrany io. Hianarantsika amin’ny an-tsipiriany amin’ity fizarana ity ny hery tsy manam-paharoan’i Jehovah.

“Ary nandalo i Jehovah”!

Iray amin’ny toetra mampiavaka an’i Jehovah

4, 5. a) Inona no ifandraisan’ny anaran’i Jehovah sy ny heriny? b) Nahoana no mety mba hanoharana ny herin’i Jehovah ny omby?

4 Tsy misy manana hery toa an’i Jehovah. Hoy ny Jeremia 10:6: “Tsy misy hoatr’anao, Jehovah ô! Tena miavaka ianao, ary be voninahitra sy mahery ny anaranao.” Mariho fa mifandray amin’ny anaran’i Jehovah ny heriny. Tadidio fa ny dikan’ny anaran’i Jehovah dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Nahoana i Jehovah no afaka ny hampisy an’izay rehetra tiany sy ho tonga araka izay tiany? Noho ny heriny, voalohany indrindra. Tsy voafetra tokoa ny fahafahan’i Jehovah manao zavatra sy manatanteraka ny sitrapony. Iray amin’ireo toetrany lehibe ny heriny.

5 Tsy ho takatsika mihitsy ny tena halehiben’ny herin’i Jehovah, ka nomeny fanoharana isika mba hanampiana antsika. Efa hitantsika fa mampiasa ny omby izy mba hanoharana ny heriny. (Ezekiela 1:4-10) Mety tsara izany, satria tena lehibe sy matanjaka, na dia ny omby fiompy aza. Toa tsy nisy biby natanjaka kokoa noho ny omby hitan’ny mponin’i Palestina tamin’ny andron’ny Baiboly. Nisy karazana ombidia, na ombimanga natanjaka kokoa anefa tamin’izany, ary efa tsy misy intsony izy io izao. (Joba 39:9-12) Efa mila hitovy amin’ny elefanta ny haben’izy io, araka ny nomarihin’i Jules César, mpitondra romanina. “Sady matanjaka be izy”, hoy izy, “no haingam-pandeha.” Eritrereto ny hakelinao sy ny herinao eo anatrehan’ny biby toy izany!

6. Nahoana no i Jehovah ihany no antsoina hoe “Mahery Indrindra”?

6 Kely sy malemy toy izany koa ny olona, raha ampitahaina amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny hery. Toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana fotsiny aminy, na dia ireo firenena matanjaka aza. (Isaia 40:15) Tsy misy toa an’i Jehovah ny zavaboariny rehetra, satria tsy misy fetra ny heriny, ka izy irery no atao hoe “Mahery Indrindra.” a (Apokalypsy 15:3) “Matanjaka be izy ary tena mahatalanjona ny heriny.” (Isaia 40:26) Loharanon-kery feno sy tsy mety ritra izy. Tsy miankina amina loharanon’angovo, na hery hafa izy, satria “an’Andriamanitra ny hery.” (Salamo 62:11) Ahoana anefa no ampiasan’i Jehovah ny heriny?

Fomba ampiasan’i Jehovah ny heriny

7. Inona ny fanahy masin’i Jehovah, ary inona no hevitra fonosin’ireo teny tany am-boalohany ampiasain’ny Baiboly?

7 Tsy mety ritra ny fanahy masina avy amin’i Jehovah. Herin’Andriamanitra ampiasainy io. Antsoin’ny Genesisy 1:2 hoe “hery ampiasain’Andriamanitra” izy io. Azo adika hoe “rivotra”, na “fofon’aina” koa, ilay teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy.” Ireo teny ireo dia mifono hevitra momba ny hery tsy hita maso miasa, araka ny lazain’ny mpanao diksionera. Toy ny rivotra ny fanahin’Andriamanitra, ka tsy hitan’ny masontsika. Tena misy sy hita kosa anefa ny vokany.

8. Ahoana no iantsoana ny fanahin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ary nahoana no mety izany?

8 Afaka miasa amin-javatra maro tsy voatanisa ny fanahy masina. Ampiasain’i Jehovah hanatanterahana ny zavatra ao an-tsainy izy io. Mety àry raha “rantsantanan’Andriamanitra”, na ‘tanana matanjaka’, na ‘sandry mahery’ no iantsoan’ny Baiboly ny fanahin’Andriamanitra. (Lioka 11:20; Deoteronomia 5:15; Salamo 8:3) Mila mampiasa tanana ny olona mba hanaovan-javatra mitaky hery sy fahaizana. Mampiasa ny fanahiny koa Andriamanitra mba hanatanterahany ny fikasany, toy ny famoronana ny ataoma kely indrindra, na ny fampisarahana ny Ranomasina Mena, na ny fanaovana izay hahafahan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hiteny tamin’ny teny vahiny.

9. Manao ahoana ny halehiben’ny herin’i Jehovah, rehefa mampihatra fahefana izy?

9 Mampiasa ny heriny koa i Jehovah, rehefa mampihatra ny fahefany amin’ny maha Mpanjakan’izao Rehetra Izao azy. Azonao an-tsaina ve hoe misy zavaboary manan-tsaina sy mahay an-tapitrisany tapitrisa vonona hanaraka ny baikonao? Manana hery hanaovana izany i Jehovah. Matetika no antsoin’ny Soratra Masina hoe tafika ny olombelona manompo azy. (Salamo 68:11; 110:3) Mbola malemy anefa ny olombelona, raha oharina amin’ny anjely. Namono miaramila asyrianina 185 000 tao anatin’ny indray alina tokoa ny anjely iray, rehefa nanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny Asyrianina! (2 Mpanjaka 19:35) “Tena mahery” tokoa ny anjelin’Andriamanitra.​—Salamo 103:19, 20.

10. a) Nahoana ilay Mahery Indrindra no antsoina hoe Jehovah Tompon’ny tafika? b) Iza no mahery indrindra amin’ny zavaboarin’i Jehovah?

10 Misy firy ny anjely? Nahazo fahitana ny lanitra i Daniela mpaminany, ka nahita anjely maherin’ny zato tapitrisa teo anoloan’ny seza fiandrianan’i Jehovah. Tsy voalaza anefa hoe ny anjely rehetra ireo hitany ireo. (Daniela 7:10) Mety ho an-jatony tapitrisa àry ny isan’ny anjely. Izany no antony iantsoana an’i Jehovah hoe Jehovah Tompon’ny tafika. Midika io anarany io fa manan-kery ho Mpitarika anjely maro be sy voalamina tsara izy. Nametraka mpitarika an’ireo anjely ireo koa izy, dia ny Zanany malalany, ilay “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) I Jesosy no mahery indrindra amin’ny zavaboarin’i Jehovah, satria izy no arkanjely, na lehiben’ny anjely sy ny serafima ary ny kerobima rehetra.

11, 12. a) Ahoana avy no iasan’ny herin’ny tenin’Andriamanitra? b) Inona no nolazain’i Jesosy mba hanamafisana ny halehiben’ny herin’i Jehovah?

11 Mbola misy fomba hafa ampiasan’i Jehovah ny heriny koa. Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” Hitanao ve ny hery lehiben’ny tenin’Andriamanitra, na ny hafatra avy amin’ny herin’ny fanahy masina, voasoratra ao amin’ny Baiboly? Afaka mampahery antsika sy manatanjaka ny finoantsika izy io, ary manampy antsika hiova tanteraka. Nilaza tamin’ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly fa tsy tokony hiaraka amin’ny olona ratsy fitondran-tena izy ireo. Hoy izy avy eo: “Efa hoatr’izany ihany ny sasany taminareo taloha.” (1 Korintianina 6:9-11) Nanan-kery tamin’izy ireo tokoa ny “tenin’Andriamanitra”, ka nanampy azy hiova.

12 Tsy misy afaka manakana an’i Jehovah, satria lehibe loatra ny heriny, ary misy vokany foana ny fampiasany azy io. Hoy i Jesosy: “Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (Matio 19:26) Inona anefa no zava-kendren’i Jehovah rehefa mampiasa ny heriny izy?

Ampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany ny heriny

13, 14. a) Nahoana no azontsika lazaina fa tsy loharanon-kery fotsiny i Jehovah? b) Ahoana avy no ampiasan’i Jehovah ny heriny?

13 Lehibe lavitra noho ny hery rehetra ny fanahin’i Jehovah ary tsy hery na loharanon-kery fotsiny koa i Jehovah. Andriamanitra tena misy izy ary mifehy ny heriny rehetra. Inona anefa no manosika azy hampiasa azy io?

14 Ho hitantsika fa mampiasa ny heriny Andriamanitra, mba hamoronana, handringanana, hiarovana, ary hamerenana amin’ny laoniny; raha tsorina dia hoe mba hanatanterahana ny fikasany. (Isaia 46:10) Mampiasa ny heriny izy indraindray, mba hampisehoana lafiny lehibe amin’ny toetrany sy ny fitsipiny. Ny fomba lehibe indrindra ampiasan’i Jehovah ny heriny dia ny hampiasany ny Fanjakany mba hanatanterahana ny sitrapony, izany hoe hanamasinana ny anarany sy hampisehoana hoe ny fitondrany no tsara indrindra. Tsy misy afaka manakana izany.

15. Nahoana i Jehovah no mampiasa ny heriny ho an’ny mpanompony? Ahoana no nisehoan’izany tamin’i Elia?

15 Ampiasain’i Jehovah mba hahasoa antsika tsirairay koa ny heriny. Mariho izao lazain’ny 2 Tantara 16:9 izao: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, satria izy te hampiasa ny heriny mba hanampiana an’izay manompo azy amin’ny fo manontolo.” Ohatra amin’izany ny zavatra niainan’i Elia, voaresaka terỳ am-piandohana. Nahoana i Jehovah no nampiharihary ny heriny taminy? Izao no zava-nitranga: Efa nianiana hamono an’i Elia i Jezebela mpanjakavavy ratsy fanahy. Nandositra ilay mpaminany. Nahatsiaro ho nanirery izy, natahotra, kivy, satria toy ny hoe herim-po very maina ny nataony. Nampahatsiahivin’i Jehovah azy ny heriny, mba hampaherezana azy. Nasehon’ilay rivotra sy ilay horohoron-tany ary ilay afo fa niaraka tamin’i Elia teo ilay Mahery Indrindra. Inona no tokony hatahorany an’i Jezebela, raha manampy azy ilay Andriamanitra mahery indrindra?​—1 Mpanjaka 19:1-12. b

16. Nahoana no mampahery antsika ny mahita ny hery lehiben’i Jehovah?

16 Tsy niova i Jehovah taorian’ny andron’i Elia, na dia tsy andron’ny fahagagana intsony aza izao. (1 Korintianina 13:8) Mbola mazoto mampiasa ny heriny ho an’ireo tia azy anefa izy ankehitriny. Tsy lavitra antsika izy, na dia any ambony tsy taka-maso aza izy no mipetraka. Tsy misy fetrany ny heriny, ka tsy voasakan’ny halaviran-tany. “Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah.” (Salamo 145:18) Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah i Daniela, indray mandeha. Mbola tsy vita akory ilay vavaka, dia efa nisy anjely nipoitra hampahery azy. (Daniela 9:20-23) Tsy misy afaka manakana an’i Jehovah tsy hanampy sy hampahery an’ireo tia azy.​—Salamo 118:6.

Tsy azo hatonina ve i Jehovah, satria mahery?

17. Nahoana isika no tokony hatahotra ny herin’i Jehovah, nefa tsy tahotra hahatonga antsika hanao inona izany?

17 Tokony hatahorantsika ve Andriamanitra, satria mahery? Sady eny, no tsia ny valin’izany. Eny, satria tena tokony hahatonga antsika hatahotra sy hanaja azy ny heriny, araka ilay efa noresahina fohifohy tao amin’ilay toko teo aloha. Lazain’ny Baiboly fa “fiandohan’ny fahendrena” io tahotra io. (Salamo 111:10) Tsia koa, satria tsy tokony hampahatahotra antsika loatra ny herin’i Jehovah, ka hahatonga antsika tsy hanatona azy.

18. a) Nahoana ny olona no tsy matoky ny olona matanjaka, na manam-pahefana? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy hanao kely tsy mba mamindro mihitsy i Jehovah?

18 Matetika no manampatra ny heriny, na fahefany, ny olona tsy lavorary, araka ny hita hatramin’izay. Toa arakaraka ny ananan’ny olona sasany fahefana no anamparany izany fahefana izany koa. (Mpitoriteny 4:1; 8:9) Izany no antony tsy atokisan’ny maro ny olona manam-pahefana, ka analavirany azy ireny. I Jehovah anefa no manana ny fahefana fara tampony. Manao kely tsy mba mamindro ve izy? Tsy izany mihitsy! Efa hitantsika fa masina sy tsy misy tsiny mihitsy izy. Tsy mba toy ireo lehilahy sy vehivavy manam-pahefana eo amin’ity tontolo simba ity i Jehovah. Tsy manampatra ny fahefany mihitsy izy, ary tsy hanao izany mihitsy.

19, 20. a) Inona avy no toetran’i Jehovah asehony foana miaraka amin’ny heriny, ary nahoana izany no manome toky antsika? b) Ahoana no mety hanoharanao ny fifehezan-tenan’i Jehovah, ary nahoana izany no manintona anao?

19 Tadidio fa tsy ny hery ihany akory no toetran’i Jehovah. Mbola hianarantsika ny fanaovany ny rariny sy ny fahendreny ary ny fitiavany. Tsy tokony hoheverintsika anefa hoe hentitra be ny fanehoan’i Jehovah ny toetrany, ka toy ny hoe toetra iray ihany no azony aseho indray mandeha. Ho hitantsika ao amin’ireo toko manaraka kosa fa araka ny rariny sy mampiseho fahendrena sy fitiavana foana ny fampiasan’i Jehovah ny heriny. Eritrereto izao ny amin’ny toetran’Andriamanitra iray hafa, dia ny fifehezan-tena, izay tsy mba ananan’ireo mpitondra olombelona loatra.

20 Eritrereto hoe mihaona amin’ny lehilahy iray vaventy sy matanjaka be mampahatahotra ianao. Hitanao anefa rehefa kelikely fa toa tsara fanahy izy. Vonona sy mazoto hampiasa ny heriny hanampiana sy hiarovana olona izy, indrindra fa ireo tsy manam-piarovana. Tsy manampatra ny heriny mihitsy izy. Misy manendrikendrika azy, nefa tony sy tsy manao fihetsika hafahafa izy, ary tsara fanahy mihitsy. Manontany tena ianao raha ho hainao koa ny ho tsara fanahy sy hifehy tena toa azy, raha natanjaka koa ianao! Tsy ho voasarika hanatona olona toy izany ve ianao, rehefa manjary fantatrao ny toetrany? Misy antony maro noho izany tokony hanatonantsika an’i Jehovah, ilay Mahery Indrindra. Izao no lazain’ilay andinin-teny iorenan’ity toko ity: “Tsy mora tezitra i Jehovah sady tena mahery.” (Nahoma 1:3) Tsy tonga dia mailaka hampiasa ny heriny hamelezana olona i Jehovah, eny fa na dia ny ratsy fanahy aza. Tsara fanahy kosa izy, ary “tsy mora tezitra”, na dia rehefa nisy zavatra maro nahatezitra azy aza.​—Salamo 78:37-41.

21. Nahoana i Jehovah no tsy manery ny olona hanao ny sitrapony, ary inona no ampianarin’izany antsika momba azy?

21 Jereo amin’ny lafiny hafa ny fifehezan-tenan’i Jehovah. Raha tsy voafetra ny herinao, heverinao ve fa mety hoterenao hanao araka izay sitraponao ny olona, indraindray? Tsy manery ny olona hanompo azy i Jehovah, na dia manana hery be aza. Tsy manery antsika hanompo azy izy, na dia ny fanompoana azy ihany aza no ahazoana fiainana mandrakizay. Omeny haja sy safidy malalaka kosa ny tsirairay. Efa lazainy ny vokatry ny safidy ratsy sy ny valisoan’ny safidy tsara. Avelany ho antsika kosa ny safidy. (Deoteronomia 30:19, 20) Tsy mahaliana an’i Jehovah tsotra izao ny fanompoana atao an-tery na atao noho ny tahotra ny heriny lehibe. Ny olona manompo azy an-tsitrapo sy noho ny fitiavana no tadiaviny.​—2 Korintianina 9:7.

22, 23. a) Inona no mampiseho fa mahafinaritra an’i Jehovah ny mizara fahefana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

22 Andeha isika hijery antony farany tsy tokony hatahorantsika an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Matahotra hizara fahefana ny olona manam-pahefana. I Jehovah kosa faly manome fahefana ireo mpivavaka aminy tsy mivadika. Manome fahefana lehibe ho an’olon-kafa izy, anisan’izany ny Zanany. (Matio 28:18) Manome fahefana, na hery amin’ny fomba hafa ho an’ny mpanompony koa anefa i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra, fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. ... Eo am-pelatananao ny hery sy ny tanjaka, ary vitanao ny manandratra sy manatanjaka ny olon-drehetra.”​—1 Tantara 29:11, 12.

23 Tena ho faly hanome hery anao tokoa i Jehovah. Manome “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” ho an’ireo maniry hanompo azy mihitsy izy. (2 Korintianina 4:7) Tsy voasarika ve ianao hanatona an’io Andriamanitra mahery, mampiasa ny heriny amin-katsaram-panahy sy araka ny fitsipiny ambony io? Horesahintsika ao amin’ny toko manaraka ny fomba ampiasan’i Jehovah ny heriny mba hamoronana.

a Ilay teny grika nadika hoe “Mahery Indrindra” dia midika ara-bakiteny hoe “Mpifehy ny Rehetra; Ilay Manana ny Hery Rehetra.”

b Milaza ny Baiboly fa ‘tsy tao amin’ilay rivotra, horohoron-tany, ary afo’ i Jehovah. Tsy mitovy amin’ireo mivavaka amin’ny zavaboary ny mpanompon’i Jehovah, ka tsy mitady an’i Jehovah ao amin’ny herin’ny natiora. Tena lehibe i Jehovah, ka tsy hisy zavatra noforoniny ho afaka hitoerany.​—1 Mpanjaka 8:27.