Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 7

Hery Hiarovana: ‘Fialofana ho Antsika Andriamanitra’

Hery Hiarovana: ‘Fialofana ho Antsika Andriamanitra’

1, 2. Inona no loza nananontanona ny Israelita, rehefa niditra ny faritr’i Sinay izy ireo tamin’ny 1513 T.K., ary ahoana no nampaherezan’i Jehovah azy ireo?

 NANANONTANONA ny Israelita ny loza, rehefa niditra ny faritr’i Sinay izy ireo tamin’ny 1513 T.K. a Nampahatahotra ilay dia be hataon’izy ireo, satria hamakivaky “tany efitra lehibe sy mampahatahotra, izay misy bibilava misy poizina sy maingoka.” (Deoteronomia 8:15) Mety hisy firenena hanafika azy koa. Tamin’izany rehetra izany no nitondran’i Jehovah ny vahoakany. Ho afaka hiaro azy ireo ve izy?

2 Nampahery indrindra izao tenin’i Jehovah izao: “Efa hitanareo ny nataoko tamin’ny Ejipsianina, mba hitondrana anareo tamin’ny elatry ny voromahery sy hitarihana anareo ho atỳ amiko.” (Eksodosy 19:4) Nampahatsiahivin’i Jehovah ny vahoakany fa nanafaka azy ireo tamin’ny Ejipsianina izy, ka toy ny hoe nampiasa voromahery mba hanavotra azy ireo. Misy antony hafa koa anefa mahatonga ny fiarovan’Andriamanitra ho azo oharina amin’ny “elatry ny voromahery.”

3. Nahoana ny “elatry ny voromahery” no mety mba hanoharana ny herin’i Jehovah?

3 Tsy mba hanidinana fotsiny no ampiasan’ny voromahery ny elany, izay mahatratra roa metatra mahery, rehefa mivelatra. Velariny koa ny elany, rehefa mafana ny andro, mba hanakonana ireo zanany madinika tsy ho main’ny masoandro. Rakofany amin’ny elany koa, indraindray ny zanany, mba tsy ho tratran’ny rivotra mangatsiaka. Toy ny fiarovan’ny voromahery ny zanany no iarovan’i Jehovah ny firenen’Israely vao niforona. Afaka nialoka hatrany teo ambany elany mahery izy ireo tany an’efitra, raha tsy nivadika taminy. (Deoteronomia 32:9-11; Salamo 36:7) Afaka manantena ny harovan’Andriamanitra ve anefa isika?

Nampanantena hiaro ny mpanompony Andriamanitra

4, 5. Nahoana isika no afaka matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah hiaro antsika?

4 Tena afaka miaro ny mpanompony i Jehovah. “Andriamanitra Mahery Indrindra” izy, ka midika izany fa tsy voatohitra ny heriny. (Genesisy 17:1) Toy ny onjan-dranomasina ny herin’i Jehovah, ka tsy ho voasakan’iza na iza. Mahavita izay rehetra tiany hatao izy, ka mety hanontany isika hoe: ‘Sitrapon’i Jehovah ve ny mampiasa ny heriny hiarovana ny vahoakany?’

5 ‘Eny’ no valin’izany! Mampanantena ny hiaro ny vahoakany i Jehovah. Hoy ny Salamo 46:1: “Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra. Vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra.” Afaka matoky tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra fiarovana isika, satria “tsy mahay mandainga” izy. (Titosy 1:2) Andeha isika handinika ny sasany amin’ireo fomba anoharan’i Jehovah ny fiarovany antsika.

6, 7. a) Ahoana no tsy maintsy niarovan’ny mpiandry ondry ny ondriny, tamin’ny andron’ny Baiboly? b) Ahoana no anoharan’ny Baiboly ny fanirian’i Jehovah hiaro sy hikarakara ny ondriny?

6 Mpiandry ondry i Jehovah, ary “vahoakany isika sady ondry ao an-kijanany.” (Salamo 23:1; 100:3) Vitsy ny biby tsy afaka miaro tena toy ny ondry. Tsy maintsy ho olona sahy ny mpiandry ondry tamin’ny andron’ny Baiboly, satria tsy maintsy niaro azy ireo tamin’ny liona, amboadia, orsa, ary ny mpangalatra. (1 Samoela 17:34, 35; Jaona 10:12, 13) Tsy maintsy nampihantaina koa anefa indraindray ny ondry narovana. Mety ho tsy tao anaty vala, ohatra, no niterahan’ny ondry iray ny zanany. Ilay mpiandry ondry amin’izay no hiaro an’ilay reny mandritra ny fotoana iterahany, ary avy eo kosa handray ilay ondrikely sy hibata azy ho ao amin’ilay vala.

“Hotrotroiny eo an-tratrany ireny”

7 Mampitaha ny tenany amin’ny mpiandry ondry i Jehovah, mba hanomezan-toky antsika fa tena maniry hiaro antsika izy. (Ezekiela 34:11-16) Tadidio ny fomba ilazan’ny Isaia 40:11 an’i Jehovah, noresahina tao amin’ny Toko 2 amin’ity boky ity: “Toy ny mpiandry ondry izy ka hokarakarainy ny andian’ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, dia hotrotroiny eo an-tratrany ireny.” Ahoana no hahatongavan’ilay ondrikely eny ‘an-tratran’ny’ mpiandry azy, izany hoe eny amin’ilay lamba miaraka amin’ny akanjony ambony? Manatona an’ilay mpiandry angamba izy, na mandona ny tongony mihitsy. Tsy maintsy miondrika mandray an’ilay ondry anefa ilay mpiandry, ka mametraka tsara ilay ondry ho eo an-tratrany. Hita amin’izany tokoa fa tena vonona hiaro antsika ilay Mpiandry Lehibe tia antsika!

8. a) Iza no arovan’i Jehovah, ary inona no lazain’ny Ohabolana 18:10 momba izany? b) Inona no dikan’ny hoe mialoka amin’ny anaran’Andriamanitra?

8 Misy fepetra anefa ny fiarovan’i Jehovah, satria ireo manatona azy ihany no arovany. Hoy ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy. Mihazakazaka mankao ny olo-marina ka voaro.” Nisy tilikambo fialofana naorina tany an’efitra, indraindray, tamin’ny andron’ny Baiboly. Anjaran’ny olona anefa ny nifidy handositra sy hitady fialofana tany amin’ireny tilikambo ireny. Toy izany koa ny mialoka amin’ny anaran’Andriamanitra. Tsy ampy ny mamerimberina manonona ny anaran’Andriamanitra, satria tsy misy fahagagana ateraky ny fanaovana izany. Tokony hofantarintsika kosa ilay Mitondra io anarana io, ary tokony hanaraka ny fitsipiny marina isika. Tena tsara fanahy i Jehovah, ary mampanantena fa ho tilikambo fiarovana antsika izy, raha mino sy manatona azy isika!

“Mahavita mamonjy anay ... ilay Andriamanitra tompoinay”

9. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy fampanantenana fiarovana fotsiny no nataon’i Jehovah?

9 Tsy fampanantenana fiarovana fotsiny no nataon’i Jehovah. Nasehony tamin’ny fahagagana, tamin’ny andron’ny Baiboly koa, fa afaka miaro ny vahoakany izy. Matetika no nampandositra ny fahavalon’ny Israely ny ‘tanana’ maherin’i Jehovah. (Eksodosy 7:4) Nisy olona narovan’i Jehovah koa anefa.

10, 11. Inona avy no ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho ny fomba nampiasan’i Jehovah ny heriny mba hiarovany olona?

10 Tsy nety niankohoka tamin’ilay sariolona volamena nataon’i Nebokadnezara ireo tanora hebreo telo lahy, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Nilaza ilay mpanjaka fa hatsipiny ao anaty lafaoro mahamay be izy ireo. “Fa iza koa no andriamanitra mahavita mamonjy anareo eo am-pelatanako?”, hoy i Nebokadnezara, ilay mpanjaka natanjaka indrindra tamin’izany. (Daniela 3:15) Natoky tanteraka izy telo lahy fa nanana hery hiarovana azy ireo ny Andriamaniny, nefa tsy nilaza izy ireo hoe tsy maintsy hiaro azy ireo izy. (Daniela 3:17, 18) Tsy nanahirana an’ilay Andriamanitra mahery indrindra tokoa, na dia io lafaoro nohafanaina impito noho ny mahazatra io aza. Niaro azy telo lahy i Jehovah, ka voatery niaiky ilay mpanjaka hoe: “Tsy misy andriamani-kafa mahavita mamonjy hoatr’azy.”​—Daniela 3:29.

11 Nasehon’i Jehovah tsara koa fa manana hery hiarovana izy, rehefa nafindrany ho ao an-kibon’ny virjiny jiosy natao hoe Maria ny ain’ilay Zanany lahitokana. Nisy anjely nilaza tamin’i Maria fa “ho bevohoka [izy] dia hiteraka zazalahy.” Hoy ilay anjely: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary hanarona anao ny herin’ny Avo Indrindra.” (Lioka 1:31, 35) Toa tamin’io fotoana io no notandindomin-doza indrindra ilay Zanak’Andriamanitra. Hanimba azy ve ny ota sy ny tsy fahalavorarian’ilay reniny? Ho afaka handratra na hamono an’io Zanaka io ve i Satana, alohan’ny hahaterahan’izy io? Tsy hisy mihitsy izany! Nanaloka, na niaro an’i Maria i Jehovah, mba tsy hisy na inona na inona hanimba an’ilay zaza vao nanomboka nisy tao an-kibony, na tsy fahalavorariana izany, na herin’ny ratsy, na mpamono olona, na izay mety ho demonia. Mbola narovan’i Jehovah koa i Jesosy, nandritra ny fahatanorany. (Matio 2:1-15) Tsy nisy afaka nikasika an’io Zanany malala io, raha tsy tonga ny fotoana voatondrony.

12. Nahoana i Jehovah no niaro tamin’ny fomba mahagaga, olona sasany tamin’ny andron’ny Baiboly?

12 Nahoana i Jehovah no niaro olona tamin’ny fomba mahagaga toy izany? Matetika dia satria nisy zava-dehibe kokoa narovany, dia ny fahatanterahan’ny fikasany. Nilaina, ohatra, ny fahaveloman’i Jesosy, mba hahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra izay hahasoa ny olombelona rehetra. Voasoratra ao amin’ny Soratra Masina ny tantara mampiseho ny fampisehoan’i Jehovah ny heriny mba hiarovana, “mba hampianarana antsika. Amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria manampy antsika hiaritra sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Manatanjaka ny finoantsika an’ilay Andriamanitra mahery indrindra ireny ohatra ireny. Inona anefa no karazana fiarovana antenaintsika avy amin’Andriamanitra?

Tsy voatery hiaro antsika amin’ny fomba mahagaga i Jehovah

13. Tsy maintsy manao fahagagana ve i Jehovah mba hiarovana antsika? Hazavao.

13 Mampanantena ny hiaro antsika Andriamanitra, nefa tsy voatery hiaro antsika amin’ny fomba mahagaga izy. Tsy mampanantena antsika izy hoe tsy hahita zava-manahirana mihitsy isika, eto amin’ity tontolo ity. Misy mpanompony be dia be tsy mivadika tena sahirana, angamba satria mahantra, na noho ny ady sy aretina ary fahafatesana. Efa nilaza mazava tamin’ny mpianany i Jesosy fa mety hovonoina noho ny finoany izy ireo. Izany no antony nanantitranterany fa zava-dehibe ny miaritra hatramin’ny farany. (Matio 24:9, 13) Raha hamonjy ny rehetra amin’ny fomba mahagaga foana i Jehovah, dia ho afaka hihantsy an’i Jehovah i Satana sady ho afaka hiteny fa tsy tena tia an’Andriamanitra isika.​—Joba 1:9, 10.

14. Inona avy no ohatra mampiseho fa tsy mitovy ny fomba iarovan’i Jehovah ny mpanompony?

14 Tsy voatery ho narovan’i Jehovah tsy ho faty daholo ny mpanompony tamin’ny andron’ny Baiboly. Novonoin’i Heroda, ohatra, i Jakoba apostoly tamin’ny taona 44, nefa ‘nafahana tamin’i Heroda’ i Petera taoriana kelin’izay. (Asan’ny Apostoly 12:1-11) Mbola ela velona kokoa noho i Petera sy Jakoba i Jaona, rahalahin’i Jakoba. Mazava fa tsy azontsika antenaina hitovy foana ny fomba iarovan’i Jehovah ny mpanompony. ‘Mety ho tratran’ny sampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ koa isika rehetra. (Mpitoriteny 9:11) Ahoana àry no iarovan’i Jehovah antsika?

Afaka miaro antsika tsy ho faty i Jehovah

15, 16. a) Inona no porofo fa arovan’i Jehovah ny mpanompony amin’ny fitambarany? b) Nahoana isika no matoky fa hiaro ny mpanompony i Jehovah, dieny izao sy mandritra ny “fahoriana lehibe”?

15 Hofakafakaintsika aloha ny momba ny fiarovana tsy ho faty. Afaka manantena isika mpivavaka amin’i Jehovah fa arovany isika amin’ny fitambarany. Ho mora rembin’i Satana isika, raha tsy izany. Ny zavatra tena tian’i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao”, hatao dia ny hanafoana ny fivavahana marina. (Jaona 12:31; Apokalypsy 12:17) Nisy fitondrana natanjaka be nandrara ny asa fitoriantsika sy saika handripaka tanteraka antsika. Nijoro tsara sy tsy nitsahatra nitory mihitsy anefa ny vahoakan’i Jehovah! Nahoana ireo firenena natanjaka no tsy nahavita nampijanona ny asan’ireo Kristianina toa vitsy sy tsy manam-piarovana ireo? Satria niaro antsika teo ambany elany mahery i Jehovah!​—Salamo 17:7, 8.

16 Hiaro antsika tsy ho faty ve i Jehovah mandritra ny “fahoriana lehibe” ho avy? Tsy misy tokony hatahorantsika ny didim-pitsarany, satria “hain’i Jehovah ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin’ny fitsapana mahazo azy. Hainy koa anefa ny manokana ny olona tsy marina mba horinganina amin’ny andro fitsarana.” (Apokalypsy 7:14; 2 Petera 2:9) Misy zavatra roa azontsika antoka anefa, alohan’izay. Voalohany, tsy havelan’i Jehovah ho fongotra tanteraka ny mpanompony tsy mivadika. Faharoa, homeny valisoa ireo tsy mivadika aminy, ka homeny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao, ary hatsangana amin’ny maty ny sasany, raha ilaina izany. Tsy misy toerana tsara kokoa ho an’ireo maty, noho ny ao anaty fitadidian’Andriamanitra.​—Jaona 5:28, 29.

17. Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny Teniny?

17 Miaro antsika amin’ny alalan’ny ‘teniny’ koa i Jehovah. Manana hery manasitrana ny fo sy manatsara fiainana izy io. (Hebreo 4:12) Mety ho voaro isika, raha mampihatra ny toro-lalan’izy io. “Izaho Jehovah no ... mampianatra anao mba hahitanao soa”, hoy ny Isaia 48:17. Ho salama kokoa isika ary ho lava ny androm-piainantsika, raha arahintsika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Manoro hevitra antsika, ohatra, ny Baiboly, mba hifadiantsika ny fijangajangana sy hanesorantsika izay fahalotoana rehetra. Halavirintsika, noho izany, ny fanao mandoto sy ny fahazarana mahafaty ny olona tsy tia an’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 15:29; 2 Korintianina 7:1) Ankasitrahantsika tokoa ny fiarovan’ny Tenin’Andriamanitra antsika!

Miaro ny fifandraisantsika aminy i Jehovah

18. Inona no dikan’ny hoe miaro antsika amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah?

18 Zava-dehibe indrindra ny hoe miaro antsika amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah Andriamanitsika be fitiavana. Miaro antsika tsy ho tratran’ny loza ara-panahy izy, ka manome izay ilaintsika mba hiatrehana fisedrana sy hiarovana ny fifandraisantsika aminy. Miezaka hiaro ny aintsika àry izy, mba hiainantsika mandrakizay mihitsy. Ireto misy fomba ampiasain’Andriamanitra mba hiarovana antsika amin’ny lafiny ara-panahy.

19. Hazavao ny fomba anampian’ny fanahin’i Jehovah antsika hiatrika fisedrana.

19 “Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2) Hamelombelona antsika ny famborahana izay ao am-pontsika aminy, rehefa mavesatra loatra ny adim-piainana. (Filipianina 4:6, 7) Mety tsy hesoriny amin’ny fomba mahagaga ilay fisedrana, saingy mety homeny fahendrena hiatrehana azy ireny kosa isika, ho valin’ny vavaka nataontsika. (Jakoba 1:5, 6) Manome ny fanahiny masina ho an’izay mangataka aminy koa i Jehovah. (Lioka 11:13) Manampy antsika hiatrika ny fisedrana sy olana mianjady amintsika io fanahy mahery io. Afaka manome antsika “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” izy io mba hahafahantsika hiaritra, mandra-panalan’i Jehovah ny olana rehetra ao amin’ilay tontolo vaovao efa tena akaiky.​—2 Korintianina 4:7.

20. Ahoana no mety hisehoan’ny fiarovan’i Jehovah amin’ny alalan’ireo mpiara-manompo amintsika?

20 Mety ho ny mpiara-manompo indraindray no ampiasain’i Jehovah mba hiarovana antsika. Notaominy ho anisan’ny fianakaviambe maneran-tany isika. (1 Petera 2:17; Jaona 6:44) Hitantsika amin’ny fifankatiavan’ireo mpirahalahy ireo fa manana hery hitaomana ny olony hanao zavatra tsara ny fanahin’Andriamanitra. Io fanahy io no miteraka vokatra tsara ao amintsika, dia toetra tsara sy sarobidy toy ny fitiavana sy hatsaram-panahy ary hatsaran-toetra. (Galatianina 5:22, 23) Afaka misaotra an’i Jehovah àry isika, rehefa misy manoro hevitra antsika na mampahery antsika, rehefa ao anatin’ny fahoriana isika. Fomba isehoan’ny herin’i Jehovah nataony hiarovana mantsy izany.

21. a) Inona ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”? b) Inona avy no soa noraisinao avy tamin’ireo fomba iarovan’i Jehovah antsika?

21 Manome zavatra hafa mba hiarovana antsika koa i Jehovah, dia ny sakafo ara-panahy tonga amin’ny fotoana ilana azy. Nanendry ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jehovah mba hanome sakafo ara-panahy hahazoantsika tanjaka avy amin’ny Teniny. Mampiasa fitaovana isan-karazany io mpanompo mendri-pitokisana io, anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ao koa ireo fivoriana sy fivoriambe manome antsika ‘sakafo amin’ny fotoana mety’, izany hoe amin’ny fotoana ilantsika azy indrindra. (Matio 24:45) Efa nisy ve valin-teny tany am-pivoriana na lahateny na vavaka tena nanome ilay hery sy faharisihana nilainao indrindra? Tsy efa nisy lahatsoratra tao amin’ireo gazetintsika ve tena nahakasika anao mihitsy? Tadidio fa nataon’i Jehovah hiarovana antsika amin’ny lafiny ara-panahy izany rehetra izany.

22. Ahoana foana no ampiasan’i Jehovah ny heriny, ary nahoana izany no tena mahasoa antsika?

22 Tena “ampingan’izay rehetra mialoka aminy” i Jehovah. (Salamo 18:30) Fantatsika fa tsy mampiasa ny heriny mba hiarovana antsika amin’ny loza izy izao. Ampiasainy hanatanterahana ny fikasany foana anefa ny heriny nataony hiarovana. Tena hahasoa ny vahoakany foana ny fiafaran’izany. Homen’i Jehovah fiainana lavorary mandrakizay isika raha manatona azy sy miezaka ny ho tiany foana. Ho azontsika heverina ho “vetivety sy maivana” ny fahoriana manjo antsika ankehitriny, raha mitadidy izany fanantenana izany isika.​—2 Korintianina 4:17.

a Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy.”