Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 12

“Manao ny Tsy Rariny ve Andriamanitra?”

“Manao ny Tsy Rariny ve Andriamanitra?”

1. Ahoana no mety ho fihetsitsika rehefa mahita tsy rariny isika?

 NISY nisandoka ilay vehivavy zokiolona maty vady, ka lasa ny tahirim-bolany rehetra. Narian’ny reniny, mafy fo, ilay zazakely tsy manan-tsiny. Migadra noho ny heloka tsy nataony ilay lehilahy. Ahoana no fiheveranao izany rehetra izany? Azo inoana fa mampalahelo anao ireo, ary rariny ny anao. Tsapantsika olombelona ny atao hoe mety sy tsy mety. Tezitra isika rehefa misy tsy rariny. Tiantsika raha onerana ny fahavoazan’ilay niharan’ny tsy rariny, ary hotsaraina kosa ilay nanao izany. Ary raha tsy izay no mitranga, dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Mahita izany ve Andriamanitra? Nahoana izy no tsy manao na inona na inona?’

2. Nanao ahoana ny fihetsik’i Habakoka rehefa nahita tsy rariny izy, ary nahoana i Jehovah no tsy nanakiana azy?

2 Efa nametra-panontaniana toy izany ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, hatramin’izay. Nivavaka toy izao, ohatra, i Habakoka mpaminany: “Nahoana no avelanao hahita izao tsy rariny mampihoron-koditra izao aho? Nahoana no avelanao hisy hatraiza hatraiza ny herisetra sy tsy fankatoavan-dalàna sy heloka bevava ary halozana?” (Habakoka 1:3, Fandikan-teny Anglisy Maoderina) Tsy nanakiana an’i Habakoka i Jehovah, rehefa nanontany tamim-pahatsorana toy izany izy, satria Izy ihany no nametraka tao amin’ny olona ny fitiavana ny rariny. Nasian’i Jehovah sombin’io fitiavany ny rariny io tokoa ao amintsika.

Halan’i Jehovah ny tsy rariny

3. Nahoana no lazaina fa mahita ny tsy rariny kokoa noho isika i Jehovah?

3 Mahita ny zavatra rehetra i Jehovah, fa tsy hoe mody tsy mahita ny tsy rariny akory. Hoy ny Baiboly, momba ny andron’i Noa: “Hitan’i Jehovah fa be dia be ny zava-dratsy nataon’ny olona teto an-tany, sady ratsy foana ny zavatra noeritreretiny sy nirin’ny fony.” (Genesisy 6:5) Inona no dikan’izany? Matetika ny fahatakarantsika ny atao hoe tsy rariny no miorina amin’ny fisehoan-javatra mety ho rentsika, na niainantsika. Tsy mba toy izany i Jehovah, fa fantany amin’ny fomba feno ny tsy rariny. Hitany daholo izany! Ankoatra izany, dia fantany ny zavatra irin’ny fo, dia ny eritreri-dratsy ao ambadik’ireo tsy rariny natao.​—Jeremia 17:10.

4, 5. a) Inona no lazain’ny Baiboly ka mampiseho fa miahy an’ireo iharan’ny tsy rariny i Jehovah? b) Lazao ny tsy rariny nihatra tamin’i Jehovah.

4 Tsy vitan’ny hoe mahita ny tsy rariny anefa i Jehovah, fa miahy an’ireo iharan’izany koa izy. Nalahelo, ohatra, izy rehefa nampahorin’ny firenena fahavalony ny vahoakany, ka “nitaraina satria nisy nampijaly.” (Mpitsara 2:18) Hitanao angamba fa arakaraka ny ahitan’ny olona tsy rariny no vao mainka tsy mampihontsina ny fony. Tsy toy izany anefa i Jehovah! Efa 6 000 taona izao no nahitany ny tsy rariny tamin’ny lafiny rehetra, nefa mbola ankahalainy toy ny taloha foana izy io. Manome toky antsika kosa ny Baiboly fa halan’i Jehovah ny “lela zatra mandainga” sy ny “tanana mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny” ary ny “vavolombelona mandainga izay efa tranon-dainga mihitsy.”​—Ohabolana 6:16-19.

5 Nokianin’i Jehovah mafy tokoa ireo mpitondra israelita nanao ny tsy rariny. Nasainy nanontany toy izao ny mpaminany: “Tsy ianareo ve no tokony hahalala ny atao hoe rariny?” Nohazavain’i Jehovah tamin’ny fanoharana ny fanamparam-pahefana nataon’izy ireo, ary nolazainy toy izao ny hiafaran’ireo lehilahy ratsy toetra ireo: “Hiantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo amin’izay fotoana izay, nefa tsy hamaly izy. Dia hanafina ny tarehiny amin’izy ireo izy amin’izay fotoana izay, satria manao ratsy izy ireo.” (Mika 3:1-4) Tena halan’i Jehovah tokoa ny tsy rariny! Efa nianjady taminy izany! Efa nandritra ny an’arivony taona i Satana no nihantsy azy tsy ara-drariny. (Ohabolana 27:11) Ankoatra izany, dia niharan’ny tsy rariny ratsy indrindra izy, rehefa novonoina toy ny jiolahy ilay Zanany izay “tsy nanota.” (1 Petera 2:22; Isaia 53:9) Mazava àry fa tena hitan’i Jehovah sy tsapany ny manjo an’ireo iharan’ny tsy rariny.

6. Ahoana no mety ho fihetsitsika rehefa mahita tsy rariny isika, ary nahoana?

6 Mbola ara-dalàna foana anefa raha tezitra isika rehefa mahita tsy rariny, na rehefa isika mihitsy no iharan’izany. Natao mitovy endrika amin’Andriamanitra isika, ary mifanohitra tanteraka amin’ny tena maha izy an’i Jehovah ny tsy rariny. (Genesisy 1:27) Nahoana àry izy no mamela ny tsy rariny hisy?

Ilay adihevitra lehibe

7. Hazavao ny fomba nilazana hoe tsy manana zo hitondra i Jehovah.

7 Mifandray amin’ny adihevitra lehibe iray ny valin’io fanontaniana io. Efa hitantsika fa manan-jo hitondra ny tany sy izay monina eo aminy ilay Mpamorona. (Salamo 24:1; Apokalypsy 4:11) Tany am-piandohan’ny tantaran’olombelona anefa, dia nisy nanaratsy ny anaran’i Jehovah ary nisy nanakiana ny fomba fitondrany. Ahoana no nitrangan’izany? Nandrara an’i Adama, lehilahy voalohany, i Jehovah mba tsy hihinana tamin’ny voan’ny hazo iray tao amin’ilay zaridaina paradisa fonenany. Ary ahoana raha tsy nankatò izy? “Ho faty tokoa ianao”, hoy Andriamanitra taminy. (Genesisy 2:17) Tsy enta-mavesatra ho an’i Adama sy Eva, vadiny, ny didin’Andriamanitra. Nataon’i Satana anefa izay hinoan’i Eva fa diso namepetra loatra Andriamanitra. Ahoana raha nihinana tamin’ilay voankazo izy? Nilaza tsotra izao tamin’i Eva i Satana hoe: “Tsy ho faty ianareo ka! Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro ihinananareo ny voan’io hazo io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.”​—Genesisy 3:1-5.

8. a) Inona no toa dikan’ny tenin’i Satana tamin’i Eva? b) Inona no tena nolazain’i Satana momba ny zon’Andriamanitra hitondra?

8 Toa nilaza àry i Satana fa sady nandainga i Jehovah no nisy zava-dehibe tsy nolazainy tamin’i Eva koa. Nataon’ilay Mpaka fanahy izay hahatonga an’i Eva hisalasala hoe manao ny tsara tokoa ve i Jehovah. Tena nanala baraka ny anaran’i Jehovah i Satana rehefa nanao an’izany. Nokianiny koa ny zon’i Jehovah hitondra, na ny fomba fitondrany. Tsy nilaza akory i Satana hoe tsy Mpitondra eo amin’izao rehetra izao Andriamanitra. Ny zavatra nolazainy kosa dia hoe tsy manan-jo hitondra Andriamanitra, tsy mendrika hitondra, ary tsy mety ny fomba fitondrany. Midika izany fa nantitranterin’i Satana hoe tsy nitondra ara-drariny sy tsy nitady ny tombontsoan’ny olom-peheziny i Jehovah.

9. a) Inona no vokatry ny tsy fankatoavana teo amin’i Adama sy Eva, ary inona avy no fanontaniana lehibe napoitran’izany? b) Nahoana i Jehovah no tsy nandringana fotsiny an’ireo mpikomy?

9 Tsy nankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva, tamin’ny farany, satria nihinana tamin’ilay voankazo voarara. Nanjary mendrika hosazina ho faty, araka ny didin’Andriamanitra, àry izy ireo. Nampipoitra fanontaniana lehibe ny laingan’i Satana. Tena manan-jo hitondra ny olombelona ve i Jehovah, sa ny olona ihany no tokony hifampitondra? Mitondra araka izay fomba tsara indrindra ve i Jehovah? Afaka nampiasa ny heriny lehibe i Jehovah mba handringanana avy hatrany an’i Adama sy Eva ary Satana. Tsy ny heriny anefa no niadiana hevitra teo fa ny zony hitondra. Tsy ho nanamarina ny zony hitondra àry ny fandringanana an’ireo mpikomy ireo. Mety ho vao mainka aza hampisalasala kokoa ny zony hitondra, raha nanao izany izy. Tsy maintsy navela handeha ny fotoana, raha tiana ny hamantatra hoe afaka ny hifampitondra tsy misy an’Andriamanitra ny olona sa tsia.

10. Inona no nahariharin’ny tantara, mahakasika ny fitondran’olombelona?

10 Inona no niharihary, rehefa nandeha ny fotoana? Nanandrana karazam-pitondrana samihafa ny olona, nandritra ny an’arivony taona. Tao ny fanjakan’olon-tokana, ny fitondrana entim-bahoaka, ny sosialisma sy ny kominisma. Inona anefa ny vokatr’izany? Marina ilay nolazain’ny Baiboly hoe: “Nifampitondra ny olona samy olona ka nijaly ny vahoaka.” (Mpitoriteny 8:9) Rariny raha niteny i Jeremia mpaminany hoe: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.”​—Jeremia 10:23.

11. Nahoana no avelan’i Jehovah hijaly ny olona?

11 Efa fantatr’i Jehovah hatramin’ny voalohany fa hitondra fahoriana ny tsy fiankinan’ny olona aminy. Nanao ny tsy rariny àry ve izy namela izany hitranga? Tsy izany mihitsy! Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe marary ny zanakao ka mety ho faty raha tsy didiana. Fantatrao fa maharary izany didiana izany, ary malahelo mafy azy ianao. Fantatrao koa anefa fa izany no hahasalama azy. Toa anao koa Andriamanitra. Fantany sy efa nambarany mihitsy fa tsy maintsy hijaly sy hanaintaina ny olona, raha avelany hifampitondra. (Genesisy 3:16-19) Fantany koa anefa fa tsy hisy vahaolana maharitra raha tsy avelany hahita ny voka-dratsin’ny fikomiana ny olombelona. Izay no fomba nandaminany an’ilay adihevitra, mba tsy hiverina intsony.

Adihevitra momba ny tsy fivadihan’ny olombelona

12. Inona no fanendrikendrehan’i Satana ny olona, toy ny nataony tamin’i Joba?

12 Misy lafiny hafa koa amin’ilay raharaha. Tsy vitan’ny hoe nanala baraka ny anaran’i Jehovah sy nanendrikendrika azy ho tsy manana zo hitondra fotsiny i Satana, rehefa nilaza fa tsy mety na tsy rariny ny fomba fitondrany. Nanendrikendrika koa izy hoe mora mivadika ny mpanompon’Andriamanitra. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’i Jehovah, momba an’i Joba, lehilahy marina: “Tsy ianao ve no niaro azy sy ny ankohonany ary ny fananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany, dia lasa be dia be mameno ny tany ny biby fiompiny. Fa atsory ange ny tananao ary esory aminy daholo ny fananany rehetra e, dia ho hitanao fa eo imasonao mihitsy izy no hanozona anao.”​—Joba 1:10, 11.

13. Inona no tian’i Satana horesahina, rehefa nanendrikendrika an’i Joba izy? Nahoana no tafiditra amin’izany ny olona rehetra?

13 Nilaza i Satana fa notambatambazan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fiarovana azy i Joba mba hanompo azy. Midika koa izany fa fihatsarambelatsihy fotsiny ny tsy fivadihan’i Joba, ary tombontsoa fotsiny no antony nanompoany an’Andriamanitra. Nolazain’i Satana fa hanozona an’Andriamanitra i Joba, rehefa tsy notahiny intsony. Fantatr’i Satana fa tena “manao ny marina sy tsy mivadika [i Joba], sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” a Koa raha nahavita nampivadika an’i Joba izy, dia hanao ahoana ny olombelona hafa rehetra? Ny tsy fivadihan’izay rehetra manompo an’Andriamanitra mihitsy àry no tena tian’i Satana hiadian-kevitra teo. Nanitatra an’ilay adihevitra tokoa i Satana, rehefa niteny tamin’i Jehovah hoe: “Hanome an’izay ananany rehetra ny olona mba hiarovana ny ainy.”​—Joba 1:8; 2:4.

14. Inona no hita hatramin’izay, momba ilay fanendrikendrehan’i Satana ny olona?

14 Hita hatramin’izay fa maro no toa an’i Joba ka tsy nivadika tamin’i Jehovah tao anaty fisedrana, fa tsy araka ny nolazain’i Satana. Nampifaly ny fon’i Jehovah izy ireo tamin’izany. Azon’i Jehovah natao koa ny namaly ny fihantsian’i Satana hoe tsy hanompo an’Andriamanitra intsony ny olona rehefa misy zava-manahirana. (Hebreo 11:4-38) Tsy nanda an’Andriamanitra tokoa ireo tia azy. Vao mainka izy ireo niantehitra tamin’i Jehovah mba hanome azy ny hery hiaretana, na dia tao anatin’ny fahoriana mafy indrindra aza.​—2 Korintianina 4:7-10.

15. Inona no fanontaniana mipoitra momba ny fitsaran’Andriamanitra taloha sy ho avy?

15 Tsy ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona ihany anefa no voakasiky ny fanaovan’i Jehovah ny rariny. Miresaka momba ny fitsaran’i Jehovah olona sy firenena ny Baiboly. Milaza faminaniana momba ny fitsarana mbola hataony koa izy io. Ahoana no ahazoantsika antoka fa marina sy mbola ho marina i Jehovah amin’ny fitsarany?

Nahoana no tena miavaka ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny?

Tsy ‘handringana ny olo-marina miaraka amin’ny ratsy fanahy’ mihitsy i Jehovah

16, 17. Inona avy no ohatra mampiseho fa misy fetrany ny fahitan’ny olona ny tena rariny?

16 Mety ny milaza momba an’i Jehovah hoe: “Manao ny rariny foana izy.” (Deoteronomia 32:4) Tsy misy amintsika afaka milaza izany momba ny tenantsika, satria matetika no misy fetrany ny fahitantsika ny rariny. Diniho, ohatra, i Abrahama. Nitalaho tamin’i Jehovah izy mba hitsimbina an’i Sodoma, na dia be aza ny faharatsiana tao. Hoy izy: “Dia haringanao miaraka amin’ny ratsy fanahy tokoa ve ny olo-marina?” (Genesisy 18:23-33) Mazava ho azy fa tsia no valin’izany. Efa tonga soa aman-tsara tao an-tanànan’i Zoara i Lota sy ireo zanany vavy vao nandatsahan’i Jehovah “solifara sy afo” i Sodoma. (Genesisy 19:22-24) Tsy mba toy izany kosa i Jona, satria “tezitra be izy”, rehefa namindra fo tamin’ny mponin’i Ninive Andriamanitra. Efa nanambara ny handringanana azy ireo i Jona, ka tiany raha ho tanteraka tokoa izany, na dia nibebaka tamim-pahatsorana aza izy ireo.​—Jona 3:10–4:1.

17 Nanome toky an’i Abrahama i Jehovah fa tsy hoe mandringana ny ratsy fanahy fotsiny izy, rehefa manao ny rariny, fa mamonjy ny olo-marina koa. Tokony ho fantatr’i Jona koa anefa fa mamindra fo i Jehovah. “Vonona hamela heloka” izy, rehefa miova ny olon-dratsy. (Salamo 86:5) Tsy toy ny olombelona saro-tahotra i Jehovah, ka tsy manameloka olona mba hampisehoana ny heriny fotsiny, na tsy mamindra fo satria matahotra ny hoheverina ho malemy. Mamindra fo foana izy rehefa hitany fa tokony hatao izany.​—Isaia 55:7; Ezekiela 18:23.

18. Asehoy amin’ny alalan’ny Baiboly fa tsy entin’ny fihetseham-po fotsiny i Jehovah.

18 Tsy entin’ny fihetseham-po fotsiny anefa i Jehovah. Hentitra izy niteny toy izao, rehefa nanompo sampy ny vahoakany: “Hotsaraiko araka izay nataonao ianao, ary hataoko ampamoaka noho ny zavatra maharikoriko rehetra nataonao. Tsy hiantra anao ny masoko ary tsy hangoraka anao aho, fa hataoko mizaka ny valin’ny nataonao ihany ianao.” (Ezekiela 7:3, 4) Tsarain’i Jehovah araka ny ataony àry ny olona mafy loha. Miorina amin’ny porofo tsy azo lavina anefa ny fitsarany. Izany no antony nilazany toy izao, rehefa reny ny fitarainana momba an’i Sodoma sy Gomora: “Hidina mihitsy aho hijery raha tena hoatr’izany tokoa ny ataon’izy ireo, hoe marina na tsia ny fitarainana tonga atỳ amiko.” (Genesisy 18:20, 21) Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa isika, satria tsy mba toy ny olona maimaika hanapa-kevitra izy! Marina tokoa ny ilazan’ny Baiboly momba an’i Jehovah hoe “Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary sanatria azy ny hanao ny tsy rariny.”​—Deoteronomia 32:4.

Matokia fa manao ny rariny i Jehovah

19. Inona no azontsika atao raha manahiran-tsaina antsika indraindray ny fanaovan’i Jehovah ny rariny?

19 Tsy miresaka momba ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah ny Baiboly, sady tsy manome tsipiriany mahakasika ny fomba hitsarany ny olona. Mety hanahiran-tsaina ny fitantarana na faminaniana tsy misy tsipiriany toy izany ao amin’ny Baiboly. Ho tsara anefa raha matoky toa an’i Mika, izay nanoratra toy izao isika, amin’izay: “Vonona hiandry an’ilay Andriamanitra mpamonjy ahy aho.”​—Mika 7:7.

20, 21. Nahoana no azontsika antoka fa hanao ny marina foana i Jehovah?

20 Azontsika antoka fa hanao ny marina foana i Jehovah. Mampanantena toy izao izy, na dia toa manao ny tsy rariny aza ny olona: “Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.” (Romanina 12:19) Raha miandry an’i Jehovah isika, dia hatoky toy ny apostoly Paoly izay nilaza hoe: “Manao ny tsy rariny ve Andriamanitra? Sanatria izany!”​—Romanina 9:14.

21 Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” aloha isika izao. (2 Timoty 3:1) Betsaka ny olona mijaly noho ny tsy rariny sy ny “fampijaliana.” (Mpitoriteny 4:1) Tsy miova anefa i Jehovah. Mbola halany foana ny tsy rariny, ary tena miahy an’ireo iharan’izany izy. Raha tsy mivadika amin’i Jehovah sy manohana ny zony hitondra isika, dia homeny hery hiaretana, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondrony hanesorana ny tsy rariny rehetra, eo ambany fitondran’ilay Fanjakany.​—1 Petera 5:6, 7.

a Hoy i Jehovah momba an’i Joba: “Tsy misy hoatr’azy eny ambonin’ny tany.” (Joba 1:8) Toa velona taorian’i Josefa sy talohan’ny nanendrena an’i Mosesy ho mpitarika ny Israely àry i Joba. Izany no antony nilazana tamin’izany fa tsy nisy olona tsy nivadika toa azy.