Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 14

Nanome “Vidim-panavotana ho Takalon’ny Olona Maro” i Jehovah

Nanome “Vidim-panavotana ho Takalon’ny Olona Maro” i Jehovah

1, 2. Ahoana no ilazan’ny Baiboly ny zavatra iainan’ny olona, ary inona no hany fomba ahafahana amin’izany?

 “MBOLA miara-mitaraina sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.” (Romanina 8:22) Izany no fomba nilazan’i Paoly ny zavatra mampalahelo iainantsika. Toa tsy misy vahaolana amin’ny fahoriana sy fahotana ary fahafatesana, araka ny fijerin’olombelona. Tsy voafetra toy ny an’ny olona anefa ny zavatra mety ho vitan’i Jehovah. (Nomery 23:19) Nomen’ilay Andriamanitry ny rariny fomba hahafahana amin’ny fahoriana isika. Antsoina hoe vidim-panavotana izany.

2 Ny vidim-panavotana no fanomezana lehibe indrindra nomen’i Jehovah ny olona. Io no afaka hanavotra antsika amin’ny fahotana sy fahafatesana. (Efesianina 1:7) Io no fototry fanantenana fiainana mandrakizay, na any an-danitra, na eto an-tany paradisa. (Lioka 23:43; Jaona 3:16; 1 Petera 1:4) Inona anefa ny vidim-panavotana? Ahoana no ampisehoan’izy io amintsika ny rariny tsy manam-paharoa ampiharin’i Jehovah?

Nahoana no nanjary nilaina ny vidim-panavotana?

3. a) Nahoana no nanjary nilaina ny vidim-panavotana? b) Nahoana i Jehovah no tsy nanameloka ny taranak’i Adama ho faty fotsiny?

3 Nanjary nilaina ny vidim-panavotana, satria nanota i Adama. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy, ka aretina, alahelo sy fanaintainana ary fahafatesana no lova napetrany ho an’ny taranany. (Genesisy 2:17; Romanina 8:20) Tsy azon’Andriamanitra natao ny tsy niraharaha ilay fanamelohana ho faty, satria ho toy ny nanda ity lalàny ity izy raha nanao izany: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romanina 6:23) Korontana sy tsy fanarahan-dalàna no ho nanjaka raha tsy niraharaha ny fitsipiky ny rariny napetrany izy!

4, 5. a) Ahoana no nanendrikendrehan’i Satana an’i Jehovah, ary nahoana i Jehovah no nahatsiaro fa tokony hovaliana izany? b) Inona no fiampangan’i Satana an’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?

4 Hitantsika tao amin’ny Toko 12 fa nisy adihevitra lehibe nipoitra noho ilay fikomiana tany Edena. Nanala baraka ny anaran’Andriamanitra i Satana. Nendrikendrehiny ho mpandainga i Jehovah, sady nolazainy fa mpanao didy jadona sy tsy manome fahalalahana ny zavaboariny. (Genesisy 3:1-5) Toa voasakan’i Satana ny fikasan’i Jehovah hameno ny tany amin’ny olo-marina, ka nolazainy fa tsy mahavita na inona na inona i Jehovah. (Genesisy 1:28; Isaia 55:10, 11) Raha tsy novalian’i Jehovah ireo fihantsiana ireo, dia ho maro tamin’ireo zavaboariny manan-tsaina no nety ho tsy natoky ny fitondrany.

5 Nanendrikendrika ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika koa i Satana, ka nilaza fa fitiavan-tena no anompoan’izy ireo Azy, ka hivadika izy ireo, raha misy fisedrana. (Joba 1:9-11) Zava-dehibe lavitra noho ny fahorian’ny olombelona ireo adihevitra ireo. Rariny raha nahatsiaro i Jehovah hoe tokony hovaliana ny fiampangan’i Satana. Ahoana anefa no handaminan’i Jehovah an’ireo adihevitra ireo no sady hamonjeny ny olona koa?

Zavatra nifanandrify tamin’ny vidim-panavotana

6. Ahoana indraindray no ilazan’ny Baiboly ny fomba amonjen’Andriamanitra ny olona?

6 Sady feno famindram-po no tena araka ny rariny ny vahaolana nomen’i Jehovah, ary tsy hisy olombelona ho afaka hahita vahaolana toy izany. Tena tsotra koa anefa izy io. Resahin’ny Baiboly hoe fividianana, fampihavanana, na famelana fahadisoana izy io indraindray. (Salamo 49:8; Daniela 9:24; Galatianina 3:13; Kolosianina 1:20; Hebreo 2:17) Ilay teny nampiasain’i Jesosy mihitsy angamba anefa no tena mahalaza an’ilay izy. Hoy izy: “Tsy tonga mba hotompoina [ny Zanak’olona] fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana [grika: lyʹtron] ho takalon’ny olona maro.”​—Matio 20:28.

7, 8. a) Inona no dikan’ny “vidim-panavotana” ao amin’ny Soratra Masina? b) Nahoana no lazaina hoe manondro zavatra mitovy ny vidim-panavotana?

7 Inona no atao hoe vidim-panavotana? Midika hoe “mamaha, manafaka”, ilay teny grika ampiasaina eo. Ampiasaina io teny io mba hilazana vola aloa mba hanafahana babo an’ady. Ny hoe vidim-panavotana àry dia azo faritana hoe zavatra aloa mba hamerenana zavatra iray. Ilay teny hoe “vidim-panavotana” ao amin’ny Soratra Hebreo (koʹpher), dia avy amin’ny matoanteny midika hoe “manarona.” Nilaza tamin’i Noa, ohatra, Andriamanitra, fa tsy maintsy ‘hosorany’ (hebreo: “hosaronany”, teny iray tarika amin’ny koʹpher) godorao ilay sambofiara. (Genesisy 6:14) Takatsika avy amin’izany fa midika hoe manarona fahotana koa ny hoe manome vidim-panavotana.

8 Milaza koa ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy) fa “manondro zavatra mitovy”, na mifanandrify foana io teny (koʹpher) io. Toy izany koa àry ny vidim-panavotana na ny fanaronana ny fahotana. Tsy maintsy nisy vidiny mitovy naloa, ka manarona tanteraka ny voka-dratsin’ny fahotana. Hoy ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely: “Aina ho solon’ny aina, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, ary tongotra ho solon’ny tongotra.”​—Deoteronomia 19:21.

9. Nahoana ireo lehilahy nanam-pinoana no nanolotra sorona biby, ary ahoana no niheveran’i Jehovah an’ireny?

9 Nanao fanatitra biby ho an’Andriamanitra ireo olona nanam-pinoana nanomboka tamin’i Abela. Nasehon’izy ireo tamin’izany fa takany hoe mpanota izy ka nila mpanavotra. Nasehony koa ny finoany ny fampanantenan’Andriamanitra fanafahana amin’ny alalan’ilay ‘taranaka.’ (Genesisy 3:15; 4:1-4; Levitikosy 17:11; Hebreo 11:4) Nankasitrahan’i Jehovah ireny fanatitra ireny sy ireo mpivavaka taminy nanolotra azy ireny. Famantarana fotsiny anefa ny fanatitra biby. Tsy afaka nanarona ny fahotan’ny olona ny biby, satria mbola ambany noho izy. (Salamo 8:4-8) Hoy ny Baiboly: “Tsy mahavita manala ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.” (Hebreo 10:1-4) Zavatra nifanandrify tamin’ilay vidim-panavotana ho avy atỳ aoriana fotsiny ireny fanatitra ireny.

“Vidim-panavotana mifandanja”

10. a) Tsy maintsy nifanandrify tamin’iza ilay mpanavotra, ary nahoana? b) Nahoana no olona iray monja no nilaina hatao sorona?

10 ‘Maty noho ny nataon’i Adama ny rehetra’, hoy ny apostoly Paoly. (1 Korintianina 15:22) Tsy maintsy nisy olona iray natao sorona àry, sady tsy maintsy nitovy tanteraka tamin’i Adama izy io, izany hoe lavorary. (Romanina 5:14) Tsy nisy zavaboary hafa afaka nanatanteraka izany, ka nampifandanja ny rariny. Olona lavorary sy tsy voaheloka ho faty noho ny otan’i Adama ihany no afaka nanolotra “vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra”, izany hoe nifanandrify tanteraka tamin’i Adama. (1 Timoty 2:6) Tsy hilaina ny hanaovana sorona olona an-tapitrisany mba hifanandrify amin’ny taranak’i Adama tsirairay. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Niditra teo amin’izao tontolo izao ny ota noho ny nataon’ny lehilahy iray [Adama], ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana.’ (Romanina 5:12) Ary “satria avy amin’ny olona iray ny fahafatesana”, dia “avy amin’ny olona iray” koa no namonjen’Andriamanitra ny olona. (1 Korintianina 15:21) Tamin’ny fomba ahoana?

“Vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra”

11. a) Inona no dikan’ilay hoe “ho faty ho an’ny rehetra” ilay mpanavotra? b) Nahoana i Adama sy Eva no tsy mandray soa avy amin’ilay vidim-panavotana? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Nataon’i Jehovah izay hisian’ny olona lavorary hanolotra an-tsitrapo ny ainy. “Fahafatesana no tambin’ny ota”, hoy ny Romanina 6:23. Tsy maintsy “ho faty ho an’ny rehetra” ilay mpanavotra, rehefa hanao sorona ny ainy. Midika izany fa handoa ny vidin’ny fahotan’i Adama izy. (Hebreo 2:9; 2 Korintianina 5:21; 1 Petera 2:24) Nisy vokany lehibe teo amin’ny lalàna izany. Nofoanan’ny vidim-panavotana ilay fanamelohana ho faty ny taranak’i Adama mankatò, ka foana koa ny herin’ny fahotana. a​—Romanina 5:16.

12. Hazavao ilay fanoharana mba hilazana fa mahasoa olona maro ny fandoavana trosa iray.

12 Indro misy fanoharana: Aoka hatao hoe mipetraka ao amin’ny tanàna iray misy olona maro miasa amin’ny orinasa lehibe iray ianao. Tsara karama ianao sy ireo mpiara-monina, sady mba miadana ihany. Nikatona anefa ilay orinasa. Fa nahoana? Ratsy toetra ilay mpitantana, ka nanjary bankirompitra ilay orinasa. Tsy an’asa tampoka ianao sy ireo mpiara-monina, ka tsy nanam-bola handoavana ny zavatra tokony haloa rehetra. Mijaly ny vady aman-janaka sy ireo tompon-trosa, noho ny toetra ratsin’ilay mpitantana. Misy vahaolana ve? Eny! Nanao zavatra ny mpanankarena iray tia manao soa. Tiany ny asan’ilay orinasa. Nalahelo an’ireo mpiasa sy ny fianakavian’izy ireo koa izy. Naloany àry ireo trosan’ilay orinasa, ka nisokatra indray izy io. Afaka ireo mpiasa sy ny fianakaviany ary ireo tompon-trosa satria nofoanana io trosa io. Nitondra soa ho an’olona maro tsy hita isa koa ny fanafoanana ny trosan’i Adama.

Iza no nanome ny vidim-panavotana?

13, 14. a) Ahoana no nanomezan’i Jehovah vidim-panavotana ho an’ny olona? b) Tamin’iza no nandoavana ny vidim-panavotana, ary nahoana no nilaina izany?

13 I Jehovah ihany no afaka nanome ‘ilay Zanak’ondry, izay manala ny fahotan’izao tontolo izao.’ (Jaona 1:29) Tsy rehefa mety ho anjely anefa no nalefan’Andriamanitra hanavotra ny olombelona. Tsy iza kosa no nalefany fa ilay hany afaka mamaly amin’ny fomba tsy misy iadian-kevitra ny fanendrikendrehan’i Satana ny mpanompon’i Jehovah. Nanao sorona lehibe indrindra i Jehovah rehefa nandefa ny Zanany lahitokana, dia “ilay tena nahafinaritra azy.” (Ohabolana 8:30) Nanaiky ‘hamoy ny zava-drehetra’ nananany tany an-danitra, io Zanak’Andriamanitra io. (Filipianina 2:7) Nanao fahagagana i Jehovah tamin’izy namindra ny ain’io Zanany lahimatoa tany an-danitra io ho ao an-kibon’ny virjiny jiosy nantsoina hoe Maria. (Lioka 1:27, 35) Jesosy no lasa anarany. Raha eo amin’ny lafiny lalàna kosa, dia azo antsoina hoe Adama faharoa izy, satria nifanandrify tanteraka tamin’i Adama. (1 Korintianina 15:45, 47) Afaka nanolotra ny tenany ho sorona hanavotra ny olombelona mpanota àry i Jesosy.

14 Tamin’iza no naloa ny vidim-panavotana? Milaza ny Salamo 49:7 fa naloa ‘tamin’Andriamanitra’ izy io. Tsy i Jehovah ve anefa no nanao izay hanolorana ny vidim-panavotana? Marina izany, saingy izany akory tsy mahatonga ny vidim-panavotana ho fifanakalozana tsotra fotsiny, toy ny famindrana vola avy ao amin’ny paosy iray ho ao amin’ny paosy hafa. Tsy maintsy takatsika fa tsy fifanakalozana ara-bakiteny ny vidim-panavotana, fa fifanakalozana eo amin’ny lafiny ara-dalàna. Nataon’i Jehovah izay handoavana ny vidim-panavotana, na dia lafo, na sarotra be taminy aza izany. Izany anefa no nanamafisany fa manaraka tanteraka ny fitsipiky ny rariny napetrany izy.​—Genesisy 22:7, 8, 11-13; Hebreo 11:17; Jakoba 1:17.

15. Nahoana no tsy maintsy nijaly sy maty i Jesosy?

15 Nanaiky hijaly i Jesosy Kristy, teo antenatenan’ny taona 33, ka io fijaliana io no nitarika ho amin’ny fandoavana ny vidim-panavotana. Nanaiky hosamborina noho ny fiampangana lainga izy, nolazaina ho meloka, ary nofantsihana mba ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy maintsy nijaly toy izany ve i Jesosy? Eny, satria tsy maintsy nofaranana ilay adihevitra momba ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra. Mahaliana fa tsy navelan’Andriamanitra hovonoin’i Heroda i Jesosy, tamin’izy mbola zaza. (Matio 2:13-18) Afaka niaritra ny fanafihan’i Satana kosa izy rehefa lehibe, satria fantany tsara ireo adihevitra momba izany. b “Tsy mivadika, tsy manan-tsiny, tsy misy loto, tafasaraka amin’ny mpanota” i Jesosy, ka nanome porofo tsy azo lavina fa misy mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, na dia ao anatin’ny fisedrana aza. (Hebreo 7:26) Tsy mahagaga àry, raha niteny toy izao izy, tamin’ny fotoana hahafatesany: “Vita.”​—Jaona 19:30.

Nofaranan’i Jesosy ilay asa fanavotana nataony

16, 17. a) Ahoana no nanohizan’i Jesosy ny asa fanavotana nataony? b) Nahoana no tsy maintsy niseho ‘teo anatrehan’Andriamanitra ho antsika’ i Jesosy?

16 Tsy maintsy namarana ilay asa fanavotana i Jesosy. Natsangan’i Jehovah izy, telo andro taorian’ny nahafatesany. (Asan’ny Apostoly 3:15; 10:40) Tsy vitan’ny hoe namaly soa ny tsy fivadihan’ilay Zanany i Jehovah rehefa nanangana azy fa namela azy hamarana ny asa fanavotana nataony amin’ny maha Mpisoronabe azy. (Romanina 1:4; 1 Korintianina 15:3-8) Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa lasa mpisoronabe [i Kristy dia] indray mandeha fotsiny izy no niditra tao amin’ny toerana masina, nefa tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny, fa ny ran’ny tenany, ary tamin’ny alalany no nahazoantsika fanafahana mandrakizay. I Kristy mantsy tsy niditra tao amin’ny toerana masina nataon’ny tanan’olona, izany hoe toerana masina sahala amin’ilay tena izy, fa niditra tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika amin’izao.”​—Hebreo 9:11, 12, 24.

17 Tsy afaka nitondra ny rany tany an-danitra i Kristy. (1 Korintianina 15:50) Nitondra zavatra nifanandrify tamin’ny rany kosa izy, dia ny vidiny ara-dalàna an’ilay ain’olombelona lavorary nataony sorona. Nentiny teo anatrehan’Andriamanitra ny vidin’io aina nataony sorona io ho takalon’ny olombelona mpanota. Nanaiky an’ilay sorona ve i Jehovah? Eny, ary niharihary izany tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra 120 tany Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Marina hoe tena niavaka iny zava-nitranga iny. Mbola vao fiandohan’ireo fitahiana be dia be hoentin’ny vidim-panavotana anefa izy iny.

Soa entin’ny vidim-panavotana

18, 19. a) Iza avy ireo antokon’olona roa mandray soa amin’ny fampihavanana amin’ny alalan’ny ran’i Kristy? b) Inona no anisan’ny soa ankehitriny sy ho avy raisin’ny “vahoaka be” avy amin’ny vidim-panavotana?

18 Nanazava i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Kolosianina fa sitrak’Andriamanitra ny hampihavanana ny zavatra rehetra Aminy amin’ny alalan’i Kristy, izany hoe amin’ny alalan’ny ra nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana. Nohazavain’i Paoly koa fa antokon’olona roa no voakasik’io fampihavanana io, dia “ny zavatra any an-danitra” sy “ny zavatra eto an-tany.” (Kolosianina 1:19, 20; Efesianina 1:10) Ireo Kristianina 144 000 no zavatra any an-danitra. Nomena azy ireo ny fanantenana hanompo amin’ny maha mpisorona any an-danitra sy ho mpanjakan’ny tany miaraka amin’i Kristy Jesosy. (Apokalypsy 5:9, 10; 7:4; 14:1-3) Hampiharina tsikelikely mandritra ny arivo taona, amin’ny alalan’izy ireo, ny soa avy amin’ny vidim-panavotana ho an’ny olombelona mankatò.​—1 Korintianina 15:24-26; Apokalypsy 20:6; 21:3, 4.

19 “Ny zavatra eto an-tany” kosa dia ireo manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Izy ireo no lazain’ny Apokalypsy 7:9-17 hoe “vahoaka be”, tsy ho faty mandritra ilay “fahoriana lehibe” ho avy. Tsy voatery hiandry an’izany anefa izy ireo vao handray soa avy amin’ny vidim-panavotana. Efa “nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjony.” Mino ny vidim-panavotana izy ireo, ka efa mandray soa ara-panahy sahady avy amin’io fandaharana feno fitiavana io. Nambara fa marina izy ireo, ka antsoina hoe naman’Andriamanitra! (Jakoba 2:23) Azon’izy ireo atao, noho ny soron’i Jesosy, ny ‘manatona ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka, sady ho sahy hiteny.’ (Hebreo 4:14-16) Mahazo ny tena famelan-keloka izy ireo rehefa sendra diso. (Efesianina 1:7) Madio ny eritreritr’izy ireo, na dia tsy lavorary aza izy ireo. (Hebreo 9:9; 10:22; 1 Petera 3:21) Tsy zavatra mbola lavitra àry ny hoe mihavana amin’Andriamanitra indray, fa efa zava-misy ankehitriny mihitsy! (2 Korintianina 5:19, 20) Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona dia hafahana tsikelikely mba “tsy ho andevon’ny fahalòvana intsony” ry zareo, ary amin’ny farany dia “hahazo an’ilay fahafahana miavaka ananan’ny zanak’Andriamanitra.”​—Romanina 8:21.

20. Inona no vokatry ny fisaintsainana momba ny vidim-panavotana eo aminao?

20 ‘Misaotra an’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy’ isika, noho ny vidim-panavotana! (Romanina 7:25) Tsotra ny fitsipik’izy io, nefa lalina ka mahagaga antsika. (Romanina 11:33) Manohina ny fontsika ny vidim-panavotana, rehefa saintsainina sy ankasitrahantsika, ka mahatonga antsika hanatona an’ilay Andriamanitry ny rariny. Tena tokony hidera an’i Jehovah toa an’ilay mpanao salamo isika, satria “tia rariny sy hitsiny izy.”​—Salamo 33:5.

a Tsy afaka mandray soa avy amin’ilay vidim-panavotana i Adama sy Eva. Izao no nolazain’ny Lalàn’i Mosesy momba izay ninia namono olona: “Aza mandray vidim-panavotana hamonjena ny ain’ny mpamono olona izay mendrika ny ho faty.” (Nomery 35:31) Mendrika ho faty tokoa i Adama sy Eva, satria ninia tsy nankatò an’Andriamanitra. Tsy ho afaka ny hiaina mandrakizay izy ireo, noho izany.

b Tsy maintsy maty i Jesosy, mba hanonerana ny fahotan’i Adama. Tsy zazakely anefa izy tamin’izay, fa lehilahy lehibe lavorary. Tadidio fa ninia nanota i Adama, ary fantany tsara fa tena tsy nety izany sady hainy koa izay ho vokany. Tsy maintsy ho toy izany koa àry i Jesosy. Nisafidy ny tsy hivadika tamin’i Jehovah izy, mba hahatonga azy ho “Adama farany” sy hanarona ny fahotan’i Adama. (1 Korintianina 15:45, 47) “Fanamarinana” tokoa àry ny fiainan’i Jesosy manontolo, anisan’izany ny fahafatesany ho sorona.​—Romanina 5:18, 19.