Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FIZARANA 3

“Hendry Am-po”

“Hendry Am-po”

Ny tena fahendrena no iray amin’ireo zava-tsarobidy indrindra azonao katsahina. I Jehovah irery no loharanon’izy io. Hofakafakaintsika ato amin’ity fizarana ity ny fahendrena tsy voafetra ananan’i Jehovah Andriamanitra, izay nolazain’i Joba, lehilahy tsy nivadika, hoe: “Hendry am-po Izy.”—Joba 9:4.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 17

‘Endrey ny Halalin’ny Fahendren’Andriamanitra!’

Nahoana ny fahendren’Andriamanitra no lehibe kokoa noho ny fahalalany sy ny fahatakarany ary ny fahaizany manavaka?

TOKO 18

Fahendrena ao Amin’ny “Tenin’Andriamanitra”

Maninona no tsy tonga dia nosoratan’Andriamanitra ny Baiboly, na nampanoratiny anjely? Nahoana no olombelona no nasainy nanoratra Baiboly?

TOKO 19

‘Fahendren’Andriamanitra ao Amin’ireo Zava-miafina’

Inona ilay tsiambaratelo nafenin’Andriamanitra nefa naharihariny ankehitriny?

TOKO 20

“Hendry Am-po”, Nefa Manetry Tena

Ahoana no ampisehoan’ilay Tompon’izao rehetra izao fa manetry tena izy?

TOKO 21

Nampiseho ny ‘Fahendrena avy Amin’Andriamanitra’ i Jesosy

Nahoana ny fampianaran’i Jesosy no nahatonga an’ireo miaramila nasaina nisambotra azy hiverina tanam-polo?

TOKO 22

Hita Amin’ny Fiainanao ve ny ‘Fahendrena avy any Ambony’?

Hazavain’ny Baiboly ny fomba efatra manampy anao hanana ‘fahendrena avy any ambony.’