Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO 19

‘Fahendren’Andriamanitra ao Amin’ireo Zava-miafina’

‘Fahendren’Andriamanitra ao Amin’ireo Zava-miafina’

1, 2. Momba ny inona ilay ‘zava-miafina masina’ tokony hahaliana antsika, ary nahoana?

ZAVA-MIAFINA! Matetika no tsy voatanan’ny olona ny tsiambaratelo, satria manitikitika ny saina, tena mahaliana. Hoy anefa ny Baiboly: “Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra.” (Ohabolana 25:2) Mpitondra fara tampony sy Mpamorona i Jehovah, ka manan-jo tsy hilaza zavatra sasany amin’ny olona, raha tsy tonga ny fotoana tokony hilazana izany.

2 Misy tsiambaratelo manitikitika ny saina sy tena mahaliana anefa nampahafantarin’i Jehovah ao amin’ny Teniny. Antsoina hoe ‘zava-miafina masina ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra’ izy io. (Efesiana 1:9) Tena hahafinaritra anao ny hianatra momba azy io. Mety hamonjy anao sy hahitanao taratry ny fahendrena tsy manam-paharoa ananan’i Jehovah koa ny fahalalana an’io zava-miafina io.

Nampahafantarina tsikelikely

3, 4. Nahoana ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 no mahavelom-panantenana, ary inona ilay ‘zava-miafina masina’ raketin’izy io?

3 Mety ho toa rava ny fikasan’Andriamanitra hanao ny tany ho paradisa honenan’ny olona lavorary, rehefa nanota i Adama sy Eva. Nanome vahaolana avy hatrany anefa Andriamanitra. Hoy izy: “Hampifandrafesiko hianao [menarana] sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.”—Genesisy 3:15.

4 Saro-pantarina ny dikan’ireo teny ireo. Iza ilay vehivavy? Ilay menarana? Ilay “taranaka” hanorotoro ny lohan’ilay  menarana? Tsy fantatr’i Adama sy Eva izany. Nahavelom-panantenana an’ireo taranak’io mpivady tsy nahatoky io anefa ny tenin’Andriamanitra. Handresy ny fahamarinana. Ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana anefa? Mbola zava-niafina izany! Nilaza ny Baiboly fa izy io dia ‘fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina, dia fahendrena izay nafenina.’—1 Korintiana 2:7.

5. Hazavao hoe nahoana i Jehovah no nampahafantatra tsikelikely ny zava-miafina.

5 ‘Mpanambara zava-miafina’ i Jehovah, ka hampahafantariny tsikelikely ireo tsipirian’io zava-miafina io. (Daniela 2:28) Indro misy fanoharana: Mety hanontany ny rainy, ohatra, ny ankizilahy iray hoe: ‘Ahoana no nampisy ahy, ry Dada?’ Raha hendry ilay ray, dia ny zavatra mety ho azon’ilay zanany ihany no hohazavainy. Hanazava zavatra maro kokoa izy, rehefa mihalehibe ilay zaza. Fantarin’i Jehovah toy izany koa hoe rahoviana ny vahoakany no vonona handray ny fampahafantarana ny sitrapony sy ny fikasany.—Ohabolana 4:18; Daniela 12:4.

6. a) Inona no ilana fifanekena? b) Nahoana no zava-dehibe ny nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’ny olona?

6 Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah izany? Nanao fanekena maromaro izy. Efa nanao fifanekena angamba ianao, ohatra, rehefa hisambotra, na hampisambo-bola, na hividy fiara. Io fifanekena io no antoka ara-dalàna fa hotanterahina ireo zavatra voalaza. Nahoana anefa i Jehovah no mila manao fifanekena amin’ny olona? Marina fa efa antoka hahatanteraka ny fampanantenany ny teniny. Matetika anefa Andriamanitra no nanamafy ny teniny tamin’ny alalan’ny fifanekena ara-dalàna. Vao mainka manome antoka mafy kokoa ho antsika olona tsy lavorary ireny fifanekena ireny  fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah.—Hebreo 6:16-18.

Fanekena tamin’i Abrahama

7, 8. a) Inona no fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama, ka nahafantarana sombin’ilay zava-miafina masina? b) Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah tsikelikely ny razamben’ilay Taranaka nampanantenaina?

7 Nilaza toy izao tamin’i Abrahama mpanompony nahatoky i Jehovah, roa arivo taona mahery taorian’ny nandroahana ny olona tao amin’ny Paradisa: “Hahamaro dia hahamaro ny taranakao [Aho], ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ...; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,—satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:17, 18) Tsy fampanantenana fotsiny io. Nataon’i Jehovah toy ny fanekena ara-dalàna io, ka nohamafisiny tamin’ny fianianana. (Genesisy 17:1, 2; Hebreo 6:13-15) Tena zava-dehibe ny hoe nanao fanekena hitahy ny olombelona ilay Tompo Fara Tampony!

‘Hahamaro dia hahamaro ny taranakao Aho, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra’

8 Nasehon’ilay fanekena nataony tamin’i Abrahama fa ho olombelona ilay Taranaka nampanantenaina, ary ho taranak’i Abrahama. Iza anefa izy io? Nasehon’i Jehovah tatỳ aoriana fa i Isaka zanak’i Abrahama no ho razamben’ilay Taranaka. I Jakoba indray no voafidy ho razamben’izy io tamin’ireo zanak’Isaka roa lahy. (Genesisy 21:12; 28:13, 14) Nilaza ireto faminaniana ireto tamin’ny iray tamin’ireo zanany 12 lahy i Jakoba, tatỳ aoriana: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo [“Ilay Tompony”], ka hanoa Azy ny firenena.” (Genesisy 49:10) Fantatra tamin’izay fa ho mpanjaka ilay Taranaka, ary taranak’i Joda!

Fanekena tamin’ny Isiraely

9, 10. a) Inona no fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely, ary niaro tamin’ny inona izany? b) Ahoana no nanasongadinan’ny Lalàna fa mila avotra ny olombelona?

9 Nataon’i Jehovah izay hampahafantarana tsara kokoa an’ ilay zava-miafina masina, tamin’ny 1513 T.K. Nanao fanekena tamin’ny firenen’ny Isiraely, taranak’i Abrahama, izy. Tapany lehibe tamin’ny fikasan’i Jehovah momba ilay Taranaka ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy, na dia tsy manan-kery intsony aza. Nahoana moa? Misy antony telo. Voalohany, dia toy ny rindrina fiarovana ny Lalàna. (Efesiana 2:14) Nanakana ny Jiosy sy ny Jentilisa tsy hifangaro izy io, mba tsy hahasimba ilay razambe hiavian’ilay Taranaka. Noho io fiarovana io no mbola nisian’ilay firenena, rehefa tonga ny fotoana noferan’Andriamanitra hahaterahan’ny Mesia teo amin’ny fokon’i Joda.

10 Faharoa, nasongadin’ny Lalàna fa mila avotra ny olona. Lavorary izy io, ka nampiseho fa tsy vitan’ny olona ny nanaraka azy tanteraka. “Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana.” (Galatiana 3:19) Nataon’ny Lalàna izay hisian’ny fanavotana noho ny ota, tamin’ny alalan’ny sorona biby. Nilaza anefa i Paoly fa “tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy”, fa nifanandrify tamin’ny sorom-panavotan’i Kristy fotsiny ireny. (Hebreo 10:1-4) Nanjary ‘mpitaiza ho amin’i Kristy’ àry ny Lalàna, ho an’ireo jiosy nahatoky.—Galatiana 3:24.

11. Afaka ny ho tonga inona ny Isiraely, araka ny faneken’ny Lalàna, nefa nahoana no tsy azon’ilay firenena izany?

11 Fahatelo, nahavelom-panantenana ny Isiraely ilay fanekena. Nilaza tamin’izy ireo i Jehovah fa ho ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina’ ho azy izy ireo, raha nanaraka an’ilay fanekena. (Eksodosy 19:5, 6) Avy tamin’io firenena io tokoa ny voalohany tamin’ilay fanjaka-mpisorona any an-danitra. Tsy nanaraka an’ilay faneken’ny Lalàna anefa ilay firenena tamin’ny ankapobeny fa nanda an’ilay Mesia Taranaka, ka very io fanantenana io. Iza àry no hameno an’ilay fanjaka-mpisorona? Ary inona no hifandraisan’izany firenena izany amin’ilay Taranaka? Ho fantatra amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra ireo lafiny amin’ilay zava-miafina masina ireo.

 Fanekena ny amin’ny fanjakan’i Davida

12. Inona no fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida, ary inona no ifandraisan’izany amin’ilay zava-miafina masina?

12 Nampahafantarin’i Jehovah tsara kokoa ilay zava-miafina masina, rehefa nanao fanekena hafa indray izy, tamin’ny taonjato faha-11 T.K. Hoy izy tamin’i Davida Mpanjaka nahatoky: “Hatsangako handimby anao ny zanakao ..., ary hampitoeriko ny fanjakany; ... ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany ho mandrakizay.” (2 Samoela 7:12, 13; Salamo 89:3) Ho zanak’i Davida àry ilay Taranaka. Hisy olona ho afaka ‘hanjaka mandrakizay’ ve anefa? (Salamo 89:20, 29, 34-36) Ary ho afaka hanavotra ny olona amin’ny ota sy fahafatesana ve izany mpanjaka izany?

13, 14. a) Inona no fanekena ataon’i Jehovah amin’ilay Mpanjaka voahosony, araka ny Salamo 110? b) Inona koa no nolazain’ireo mpaminanin’i Jehovah momba ilay Taranaka?

13 Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao i Davida: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka.” (Salamo 110:1, 4) Nihatra tamin’ilay Taranaka, na Mesia, ny tenin’i Davida. (Asan’ny Apostoly 2:35, 36) Avy any an-danitra, eo ‘an-tanana ankavanan’i Jehovah’, no hitondran’ilay Mpanjaka, fa tsy avy any Jerosalema. Tsy ny tanin’ny Isiraely ihany àry no hanjakany, fa ny tany manontolo. (Salamo 2:6-8) Misy zavatra hafa koa fantatra eto. Mariho fa nianiana i Jehovah hoe ho ‘Mpisorona araka ny fanaon’i Melkizedeka’ ilay Mesia. Sady mpanjaka no mpisorona tamin’ny andron’i Abrahama i Melkizedeka. Notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka sady Mpisorona koa ilay Taranaka!—Genesisy 14:17-20.

14 Nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny alalan’ireo mpaminany nifandimby ilay zava-miafina masina. Nilaza, ohatra, i Isaia fa ho faty hatao sorona ilay Taranaka. (Isaia 53:3-12) Efa nolazain’i Mika ny toerana hahaterahan’izy io. (Mika 5:1) Efa  nambaran’i Daniela mihitsy ny fotoana hisehoan’ilay Taranaka sy hahafatesany.—Daniela 9:24-27.

Fantatra ilay zava-miafina masina!

15, 16. a) Ahoana no nahatonga ny Zanak’i Jehovah ‘hateraky ny vehivavy’? b) Inona no nolovan’i Jesosy tamin’ny ray aman-dreniny, ary oviana izy no tonga tamin’ny naha Taranaka nampanantenaina azy?

15 Zava-miafina ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo, mandra-pahatongan’ilay Taranaka. Hoy ny Galatiana 4:4: “Rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy.” Nilaza toy izao tamin’i Maria, virjiny jiosy, ny anjely iray, rehefa tonga ilay fotoan’andro: “Indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy ... Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.”—Lioka 1:31, 32, 35.

16 Nafindran’i Jehovah ho ao an-kibon’i Maria ny ain’ilay Zanany tany an-danitra, ka nanjary nateraky ny vehivavy izy io. Olona tsy lavorary i Maria, nefa tsy nandova tsy fahalavorariana avy taminy i Jesosy, satria “Zanak’Andriamanitra.” Taranak’i Davida koa anefa ireo ray aman-drenin’i Jesosy, ka nitaiza azy sy nanome azy ny zo ho mpandova an’i Davida. (Asan’ny Apostoly 13:22, 23) Nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahy masina i Jesosy tamin’ny taona 29, sady hoy Izy: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17) Tonga ilay Taranaka, rehefa ela ny ela! (Galatiana 3:16) Fotoana hampahafantarana bebe kokoa an’ilay zava-miafina masina tamin’izay.—2 Timoty 1:10.

17. Ahoana no nanazavana ny dikan’ny Genesisy 3:15?

17 Nampahafantarin’i Jesosy nandritra ny fanompoany, fa i Satana ilay menarana nolazain’ny Genesisy 3:15, ary ireo mpanara-dia an’i Satana no taranak’ilay menarana. (Matio 23:33; Jaona 8:44) Fantatra tatỳ aoriana fa horinganina mandrakizay ireo. (Apokalypsy 20:1-3, 10, 15) Nolazaina koa fa “Jerosalema  any ambony” ilay vehivavy, dia ny fandaminan’i Jehovah misy an’ireo anjeliny, toy ny vadin’i Jehovah. *Galatiana 4:26; Apokalypsy 12:1-6.

Fanekena vaovao

18. Inona no zava-kendren’ny “fanekena vaovao”?

18 Ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy angamba no tena nazava indrindra ilay zava-miafina, rehefa niresaka ny momba ilay “fanekena vaovao” tamin’ny mpianany izy. (Lioka 22:20) Tokony hisy fanjaka-mpisorona haterak’io fanekena vaovao io koa, toy ny tamin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. (Eksodosy 19:6; 1 Petera 2:9) Tsy firenena ara-bakiteny anefa izany, fa ara-panahy, na “Isiraelin’Andriamanitra”, ka mpanara-dia an’i Kristy voahosotra sy mahatoky ihany no anisan’izy io. (Galatiana 6:16) Hiaraka amin’i Jesosy ireo andaniny amin’ny fanekena vaovao ireo mba handrotsaka fitahiana amin’ny olombelona!

19. a) Nahoana no ho vitan’ilay fanekena vaovao ny hiteraka fanjaka-mpisorona? b) Nahoana no antsoina hoe “olom-baovao” ireo Kristianina voahosotra, ary firy no ho anisan’ny mpanjaka any an-danitra miaraka amin’i Kristy?

19 Nahoana anefa no ho vitan’ilay fanekena vaovao ny hiteraka fanjaka-mpisorona hitahy ny olona? Satria tsy hanameloka ny mpianatr’i Kristy ho mpanota izy io, fa hahafahana hamela ny helok’izy ireo, amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy, kosa. (Jeremia 31:31-34) Rehefa madio eo imason’i Jehovah izy ireo, dia hatsangany ho anisan’ny fianakaviany any an-danitra sy hohosorany amin’ny fanahiny masina. (Romana 8:15-17; 2 Korintiana 1:21) ‘Hateraka indray ho amin’ny fanantenana velona sy voatahiry any an-danitra’ izy ireo amin’izay. (1 Petera 1:3, 4) Mbola tsy nisy olona nomem-boninahitra toy izany mihitsy, ka manjary antsoina hoe “olom-baovao” ireo Kristianina voahosotra  nateraky ny fanahy. (2 Korintiana 5:17) Lazain’ny Baiboly fa ho 144 000 ny isan’ireo hitondra ny olombelona navotana.—Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-4.

20. a) Inona no nampahafantarina momba ilay zava-miafina masina tamin’ny taona 36? b) Iza avy no hahazo ny fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama?

20 Lasa “taranak’i Abrahama” toa an’i Kristy ireo voahosotra ireo. * (Galatiana 3:29) Jiosy ireo voalohany nofidina. Nampahafantarina tamin’ny taona 36 anefa ny lafiny hafa amin’ilay zava-miafina masina: nisy Jentilisa, izany hoe tsy Jiosy ho anisan’ny ho any an-danitra. (Romana 9:6-8; 11:25, 26; Efesiana 3:5, 6) Ny voahosotra ihany ve no hahazo ny fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama? Tsia, satria ho an’ny olona rehetra ny soron’i Jesosy. (1 Jaona 2:2) Nolazain’i Jehovah tatỳ aoriana fa hisy “olona betsaka” tsy ho faty amin’ny faran’ity tontolon’i Satana ity. (Apokalypsy 7:9, 14) Hisy maro hafa koa hatsangana amin’ny maty mba hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa!—Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 20:11-15; 21:3, 4.

Ny fahendren’Andriamanitra sy ny zava-miafina masina

21, 22. Nahoana ny zava-miafina masin’Andriamanitra no mampiseho ny fahendreny?

21 Fomba mahagaga isehoan’ny “mahamaro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra” ilay zava-miafina masina. (Efesiana 3:8-10) Fahendrena tokoa no nasehon’i Jehovah rehefa nanao io zava-miafina io sy nampahafantatra azy io tsikelikely! Hendry izy ka nojereny ny fetran’ny olona, ary navelany hampiseho izay tena tao am-pony izy ireo.—Salamo 103:14.

22 Naneho fahendrena tsy manam-paharoa koa i Jehovah rehefa nifidy an’i Jesosy ho Mpanjaka. Azo itokisana noho izay  zavaboary hafa rehetra ilay Zanak’i Jehovah. Nahita fahoriana isan-karazany i Jesosy, tamin’izy olona nofo aman-dra. Fantany tsara ny zava-manahirana ny olombelona. (Hebreo 5:7-9) Ary ireo mpiara-manjaka aminy? Lehilahy sy vehivavy avy amin’ny foko sy fiteny ary fiaviana samihafa no nanjary voahosotra, nandritra ny taonjato maro. Tsy misy zava-manahirana mbola tsy hitan’izy ireo. (Efesiana 4:22-24) Hahafinaritra ny ho vahoakan’ireo mpanjaka sy mpisorona be famindram-po ireo!

23. Inona no tombontsoan’ny Kristianina mifandray amin’ny zava-miafina masin’i Jehovah?

23 Hoy ny apostoly Paoly: “Ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ny olony masina.” (Kolosiana 1:26) Nanjary nahafantatra zavatra betsaka momba ilay zava-miafina masina ireo olo-masina voahosotr’i Jehovah, ka noresahin’izy ireo tamin’ny olona an-tapitrisa izany. Tombontsoa tokoa ny antsika! Nampahafantarin’i Jehovah antsika ny zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony. (Efesiana 1:9) Andeha horesahintsika amin’ny olona io zava-miafina hafakely io, mba hanampiana azy ireo koa hahita ilay fahendrena tsy manam-paharoa ananan’i Jehovah Andriamanitra!

^ feh. 17 Nampahafantarina tao amin’i Jesosy koa ny ‘zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.’ (1 Timoty 3:16) Tsy fantatra raha hisy olona hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra, izany hoe tsy hivadika Aminy mihitsy. Nanjary fantatra izany rehefa teo i Jesosy. Tsy nivadika mihitsy izy, tao anatin’ireo fitsapana rehetra nataon’i Satana.—Matio 4:1-11; 27:26-50.

^ feh. 20 Nanao fanekena momba ny fanjakana tamin’ireo olona ireo koa i Jesosy. (Lioka 22:29, 30) Nanao fanekena tamin’ny “ondry vitsy” izy, mba hahatonga azy ireo ho mpanjaka any an-danitra, sy ho tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama.—Lioka 12:32.