Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 27

“Tena Tsara Toetra ... Izy”

“Tena Tsara Toetra ... Izy”

1, 2. Manao ahoana ny haben’ny hatsaran-toetran’Andriamanitra, ary ahoana no anamafisan’ny Baiboly izany?

 MANKAFỲ ny lokon’ny masoandro mody ireto mpinamana hatry ny ela, sady miara-misakafo sy mihomehy ary miresaka. Mitazana ny taniny kosa ilay mpamboly, ka mitsiky satria misy rahona miforona mba handatsaka ny orana. Faly erỳ ireto mpivady mitazana ny zanany mibakabaka miana-mamindra.

2 Noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah Andriamanitra no ahazoan’ireo olona ireo izany soa izany, na fantatr’izy ireo izany na tsia. Matetika ny mpivavaka no miteny hoe “Tsara Andriamanitra.” Manamafy izany ny Baiboly hoe: “Tena tsara toetra ... izy.” (Zakaria 9:17) Toa vitsy anefa no tena mahalala ny dikan’ireo teny ireo. Inona tokoa no tafiditra amin’ny hatsaran-toetran’i Jehovah, ary nahoana no mahakasika antsika tsirairay io toetrany io?

Fomba lehibe isehoan’ny fitiavan’Andriamanitra

3, 4. Inona ny hatsaran-toetra ary nahoana no manaporofo ny fitiavan’i Jehovah izy io?

3 Ilazan-javatra ankapobe ny hoe “tsara” amin’ny fiteny maro. Tsy zavatra ankapobe toy izany anefa no ilazan’ny Baiboly azy io. Manondro hatsaran-toetra izy io, voalohany indrindra. Afaka milaza àry isika fa feno hatsaran-toetra i Jehovah. Tena tsara ny toetrany rehetra, anisan’izany ny heriny sy ny fanaovany ny rariny ary ny fahendreny, fa ny hatsaran-toetrany no tena ahitana hoe be fitiavana izy. Nahoana?

4 Toetra aseho amin’olona ny hatsaran-toetra. Nolazain’ny apostoly Paoly fa manintona kokoa ny olona iray tsara toetra noho ny olona iray manao ny marina. (Romanina 5:7) Azo itokisana hanara-dalàna ny olo-marina, fa manao mihoatra noho izany kosa ny olona tsara toetra. Miezaka mitady fomba hanasoavana olona izy. Ho hitantsika fa izany no fomba isehoan’ny hatsaran-toetran’i Jehovah. Avy amin’ny fitiavana tsy manam-petran’i Jehovah tokoa ny hatsaran-toetra.

5-7. Nahoana i Jesosy no tsy nety nantsoina hoe “Mpampianatra Tsara”, ary inona no fahamarinana lalina nohamafisiny tamin’izany?

5 Tsy misy tsara toa an’i Jehovah koa. Nisy lehilahy nanontany an’i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany, ka niantso azy hoe “Mpampianatra Tsara.” Hoy anefa i Jesosy: “Maninona aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” (Marka 10:17, 18) Mety hahagaga anao izany valin-teny izany. Nahoana no nahitsin’i Jesosy ny tenin’ilay lehilahy? Tsy “Mpampianatra Tsara” ve izy?

6 Toa fandokafana no antony nilazan’ilay lehilahy hoe “Mpampianatra Tsara.” Nanetry tena i Jesosy, ka i Jehovah Rainy no nomeny an’ilay voninahitra, satria tsy misy tsara noho Izy. (Ohabolana 11:2) Nanamafy fahamarinana lalina iray koa anefa i Jesosy teo hoe Mpanjakan’izao rehetra izao i Jehovah, ka izy irery ihany no manana zo hamaritra ny atao hoe tsara na ratsy. Nitady haka an’io zo io i Adama sy Eva, rehefa nikomy ka nihinana tamin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nanetry tena kosa i Jesosy, ka ny Rainy ihany no navelany hamaritra an’izany.

7 Fantatr’i Jesosy koa fa avy amin’i Jehovah ny zavatra tena tsara rehetra, satria izy no Mpanome “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jakoba 1:17) Andao hofakafakaintsika ny fitiavan’i Jehovah manome, satria mampiharihary ny hatsaran-toetrany izany.

Lehibe ny hatsaran-toetran’i Jehovah

8. Ahoana no anehoan’i Jehovah ny hatsaran-toetrany amin’ny olona rehetra?

8 Nandray soa tamin’ny hatsaran-toetran’i Jehovah daholo ny olona rehetra hatramin’izay. Hoy ny Salamo 145:9: “Manao soa amin’ny rehetra i Jehovah.” Inona no anisan’ny mampiseho an’io hatsaran-toetrany io? Hoy ny Baiboly: “Ny soa nataony no vavolombelona manaporofo ny maha izy azy. Nanao soa tokoa izy, ka nandatsaka orana ho anareo avy any an-danitra sy nanome anareo vokatra be dia be amin’ny fotoanany. Dia nataony voky sakafo ianareo sady nofenoiny fifaliana ny fonareo.” (Asan’ny Apostoly 14:17) Efa nahatsiaro fifaliana ve ianao rehefa mihinana sakafo tianao? Tsy ho nisy ny sakafo raha tsy noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah tamin’ny nanaovany ny tany sy ny tsingerin’ny rano mitohy hatrany. Izany no mampisy ny “vokatra be dia be amin’ny fotoanany.” Tsy ireo tia azy ihany no nanehoan’i Jehovah izany hatsaran-toetra izany fa ny rehetra. Hoy i Jesosy: “Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.”​—Matio 5:45.

9. Hazavao ny hatsaran-toetran’i Jehovah hita amin’ny paoma.

9 Maro no tsy manisy vidiny firy ny fitiavan’i Jehovah manome zavatra, satria efa eo foana ny masoandro sy orana ary taom-pahavokarana. Diniho, ohatra, ny paoma. Voankazo fahita any amin’ny tany maro izy io. Tsara tarehy anefa izy io, sady matsiro no misy rano mamelombelona sy otrikaina hafa. Fantatrao ve fa misy karazana paoma 7500 maneran-tany? Miovaova manomboka amin’ny mena ka hatramin’ny maitso manopy mavo ny lokony ary mitovitovy amin’ny serizy ka hatramin’ny pamplemosy kosa ny habeny. Kely dia kely ny voany. Avy amin’io anefa no anirian’ilay hazo tena mahafinaritra. (Tononkiran’i Solomona 2:3) Mamelana be dia be mahafinaritra ilay izy isaky ny lohataona, ary mamoa aorian’izay. Hamoaka paoma 19 sobika milanja 20 kilao eo ho eo avy ny fototra paoma iray isan-taona, mandritra ny 75 taona!

“Nandatsaka orana ho anareo avy any an-danitra sy nanome anareo vokatra be dia be amin’ny fotoanany” i Jehovah

Io voa kely io no lasa hazo manome sakafo sy fifaliana ho an’ny olona mandritra ny am-polony taona

10, 11. Hazavao hoe nahoana ireo vavahadin-tsaina no manasongadina ny hatsaran-toetran’i Jehovah.

10 Tsy misy fetrany ny hatsaran-toetran’i Jehovah, ka ‘mahatalanjona ny fomba nanaovany’ ny vatantsika. (Salamo 139:14) Nomeny vavahadin-tsaina isika, mba hahitantsika ny asany sy hifaliantsika amin’izany. Eritrereto indray ireo zava-mitranga voaresaka etsy am-piandohana. Inona avy no zavatra hita mahafaly amin’ny fotoana toy ireo? Ny takolaka menamenan’ny zaza falifaly. Ny orana mirotsaka eny an-tsaha. Ny masoandro mody miloko mena manopy mavo ary volomparasy. Natao hahita loko ana hetsiny, ary mety ho an-tapitrisany mihitsy aza ny mason’ny olona! Ary ny fandrenesantsika dia mahay manavaka ny feon’ny olona tiantsika, ny bitsiky ny rivotra eny anelanelan’ny hazo, ny fikakakakan’ny zazakely. Ahoana no ahafahantsika mankafy izany fahitana sy fandrenesana izany? Hoy ny Baiboly: “Na ny sofina mandre na ny maso mahita, dia samy nataon’i Jehovah.” (Ohabolana 20:12) Roa monja amin’ny vavahadin-tsaina anefa ireo.

11 Porofon’ny hatsaran-toetran’i Jehovah koa ny fandrenesana fofona. Afaka mamantatra fofona be dia be, izany hoe an’arivony ka hatramin’ny iray tapitrisa tapitrisa, ny orontsika, ohatra hoe ny fofon’ny sakafo tianao, voninkazo, ravina maina, setroky ny afo amindroana. Tsapan’ny vatanao ny tsio-drivotra malefaka eo amin’ny tarehinao sy ny famihinan’ny havan-tianao, ary tsapan’ny hoditrao fa malamalama ilay voankazo eny an-tananao. Ilainao kosa ny fahatsapana tsiron-kanina, rehefa manaikitra an’ilay voankazo ianao. Fantatrao ireo tsiro samihafa raha vao mikasika ny lelanao ilay voankazo, satria tsapany ny fahasamihafan’ireo zavatra simika mitambatra ao anatin’ilay voankazo. Tena tokony hiteny toy izao momba an’i Jehovah tokoa isika: “Lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao! Tehirizinao ho an’ireo matahotra anao izany.” (Salamo 31:19) Ahoana anefa no nitehirizan’i Jehovah zavatra tsara ho an’ireo matahotra azy?

Mitondra soa mandrakizay ny hatsaran-toetran’i Jehovah

12. Inona no zavatra lehibe indrindra omen’i Jehovah, ary nahoana?

12 Hoy i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy, fa ny teny rehetra lazain’i Jehovah koa.’” (Matio 4:4) Mahasoa antsika kokoa noho ny zavatra ara-batana ny zavatra ara-panahy omen’i Jehovah, satria ahazoana fiainana mandrakizay. Hitantsika tao amin’ny Toko 8 fa mampiasa ny heriny mba hamerenana amin’ny laoniny i Jehovah amin’izao andro farany izao, mba hisian’ny paradisa ara-panahy. Anisan’ny mampiavaka an’io paradisa io ny fahabetsahan’ny sakafo ara-panahy.

13, 14. a) Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana ary inona no dikan’izany ho antsika? b) Inona no omen’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika mba hahafahan’izy ireo hiaina mandrakizay?

13 Nahazo fahitana momba ny tempoly voaorina indray sy nomem-boninahitra i Ezekiela, tao amin’ny iray tamin’ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny. Nisy loharano nikoriana avy ao amin’io tempoly io, ka nihalehibe sy nihalalina, mandra-pahatongany ho renirano. Nitondra fitahiana ho an’izay nandalovany io renirano io. Nisy hazo naniry teo amoron’ilay renirano. Azo atao sakafo ny voany ary ny raviny manasitrana. Namelona sy nampamokatra ny Ranomasina Maty mihitsy aza ilay renirano! (Ezekiela 47:1-12) Inona no dikan’izany rehetra izany?

14 Midika ilay fahitana momba ny tempoly hoe haverin’i Jehovah amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Lasa mifanaraka indray amin’ny fitsipiny izany. Mihabetsaka ny zavatra tsara omen’i Jehovah ny vahoakany mba hahafahan’izy ireo hiaina mandrakizay, hoatran’ilay renirano mihalehibe sy mihalalina ao amin’ilay fahitana. Nanomboka nanao an’izany izy tamin’ny 1919, rehefa namerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Inona avy izany? Nahafahana nampita ny fahamarinana manome aina tamin’ny olona an-tapitrisany ireo Baiboly ary boky sy gazety ara-baiboly, ary fivoriana sy fivoriambe. Ireny no nampianaran’i Jehovah ny vahoakany momba ny zavatra lehibe indrindra ahazoana fiainana, dia ny sorom-panavotan’i Kristy. Izy io no ahafahan’ireo tena tia sy matahotra an’Andriamanitra ho madio eo anatrehany sy hahazo fiainana mandrakizay. a Mankafy sakafo ara-panahy tondraka àry ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, fa noana ara-panahy kosa izao tontolo izao.​—Isaia 65:13.

15. Inona no soa horaisin’ny olona tsy mivadika noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy?

15 Mbola hikoriana ihany ilay renirano hitan’i Ezekiela, rehefa rava izao tontolo izao, ary hikoriana bebe kokoa aza mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Amin’ny alalan’io Fanjakan’ny Mesia io avy eo no hampiharan’i Jehovah amin’ny fomba feno ny vidin’ny soron’i Jesosy, ka hahatonga ny olombelona ho lavorary tsikelikely. Tena hihoby ny hatsaran-toetran’i Jehovah tokoa isika amin’izay!

Fomba hafa isehoan’ny hatsaran-toetran’i Jehovah

16. Ahoana no anehoan’ny Baiboly fa hita amin’ny toetra hafa ny hatsaran-toetran’i Jehovah? Lazao ny sasany amin’izany.

16 Tsy ny fitiavana manome fotsiny no tafiditra amin’ny hatsaran-toetran’i Jehovah. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaran-toetrako rehetra, ary holazaiko aminao ilay anarako hoe Jehovah.” Hoy koa ilay fitantarana: “Nandalo teo anatrehan’i Mosesy i Jehovah ka niteny hoe: ‘Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana.’” (Eksodosy 33:19; 34:6, f.a.p.) Misy toetra maromaro koa àry ahitana ny hatsaran-toetran’i Jehovah, ka hofakafakaintsika ny roa amin’izany.

17. Ahoana no itondran’i Jehovah ny olona, ary inona no toetrany mahatonga azy hanao izany?

17 “Tsara fanahy.” Io toetran’i Jehovah io no mahatonga azy hanaja ny zavaboariny sy ho mora hatonina. Tsy masiaka na tsy misy fitiavana na manjakazaka toy ny fanaon’ny matanjaka izy, fa tsara fanahy kosa. Ohatra: Hoy i Jehovah tamin’i Abrama: “Azafady ange e! Jereo avy eo amin’ny toerana misy anao eo ny manodidina, dia mijere mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana.” (Genesisy 13:14) Misy fandikan-teny manala an’ilay teny hoe “Azafady ange e!” Milaza anefa ireo manam-pahaizana fa misy teny kely tamin’ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly nampiseho fa tsy baiko io andininy io fa fiangaviana kosa. Misy andininy hafa mampiseho izany koa. (Genesisy 31:12; Ezekiela 8:5) Eritrereto hoe ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao no manao “azafady” amin’ny olombelona izay tsy misy dikany akory! Masiaka sy tsy manaja ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ka tsy mampahery ve ny mahita fa mahafinaritra sy mora hatonina toy izany i Jehovah, ilay Andriamanitsika tsara fanahy?

18. Nahoana no lazaina hoe “tena tia fahamarinana” i Jehovah, ary nahoana no mampahery izany?

18 “Tena tia fahamarinana.” Manao ny tsy marina ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Hoy anefa ny Baiboly: “Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga.” (Nomery 23:19) Milaza mihitsy ny Titosy 1:2 hoe “Andriamanitra tsy mahay mandainga.” Tsara loatra izy ka tsy ho afaka handainga. Azo itokisana tanteraka àry ny fampanantenan’i Jehovah, ary azo antoka ho tanteraka ny teniny. Antsoina hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” mihitsy Izy. (Salamo 31:5) Tsy vitan’ny hoe tsy mandainga izy, fa miresaka zavatra marina koa. Tia mizara ny fahendreny sy ny fahamarinana amin’ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah fa tsy mitazona an’izany ho azy irery. b Ampianariny azy ireo mihitsy ny fomba ‘andehanana ao amin’ny fahamarinana’ omeny. (3 Jaona 3, f.a.p.) Inona no tokony ho vokatry ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amintsika tsirairay?

‘Miramirana noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah’

19, 20. a) Ahoana no nampihenan’i Satana ny fatokisan’i Eva ny hatsaran-toetran’i Jehovah, ary inona no vokany? b) Inona no tokony ho vokatry ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amintsika, ary nahoana?

19 Nataon’i Satana izay hampihena ny fatokisan’i Eva ny hatsaran-toetran’i Jehovah, rehefa naka fanahy azy tany Edena izy. Hoy i Jehovah tamin’i Adama: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina ianao.” Hazo iray monja no tsy navelan’i Jehovah hihinanana, tamin’ireo an’arivony nandravaka an’ilay zaridaina. Mariho anefa ny fanontaniana voalohany napetrak’i Satana tamin’i Eva: “Tena niteny taminareo tokoa ve Andriamanitra hoe tsy mahazo mihinana amin’ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina ianareo?” (Genesisy 2:9, 16; 3:1) Namboamboarin’i Satana ny tenin’i Jehovah, mba hahatonga an’i Eva hieritreritra hoe nisy zavatra tsara tsy nomen’i Jehovah azy ireo. Nampalahelo fa nahomby ilay tetika. Nanomboka tsy nino ny hatsaran-toetran’i Jehovah intsony i Eva sy ny olona maro taorian’izay, na dia i Jehovah aza no nanome ny zavatra rehetra nananany.

20 Fantatsika ny haben’ny alahelo sy fahoriana naterak’izany tsy finoana izany. Horaisintsika am-po àry ny tenin’ny Jeremia 31:12, manao hoe: “Ho miramirana izy ireo noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah.” Tokony hahatonga antsika hanao hobim-pifaliana tokoa ny hatsaran-toetran’i Jehovah. Tsy tokony hampisalasala antsika mihitsy ny antony anaovan’Andriamanitra zavatra, satria feno hatsaran-toetra izy. Afaka mitoky tanteraka aminy isika, satria izay hahasoa an’ireo tia azy foana no kendreny.

21, 22. a) Inona avy ny zavatra azonao atao ho setrin’ny hatsaran-toetran’i Jehovah? b) Inona ny toetra horesahintsika ao amin’ny toko manaraka, ary inona no maha samy hafa azy io amin’ny hatsaran-toetra?

21 Faly koa isika rehefa afaka miresaka amin’ny olona momba ny hatsaran-toetran’Andriamanitra. Hoy ny Salamo 145:7, momba ny vahoakan’i Jehovah: “Hiboiboika teny fiderana ny vavan’izy ireo rehefa mahatsiaro hoe lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao.” Mandray soa avy amin’ny hatsaran-toetran’i Jehovah isika isan’andro. Nahoana raha atao fanao ny misaotra an’i Jehovah isan’andro noho ny hatsaran-toetrany, ka milaza zavatra voafaritra tsara araka izay azo atao? Hanampy antsika ho tsara toa an’i Jehovah ny fieritreretana ny hatsaran-toetrany sy ny fisaorana azy isan’andro noho izany, ary ny firesahana momba izany amin’ny olona. Hanatona kokoa an’i Jehovah isika, raha mitady fomba hanaovana soa toa azy. Hoy ny apostoly Jaona, efa be taona: “Ry rahalahy malala, aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara. Avy amin’Andriamanitra mantsy izay manao ny tsara.”​—3 Jaona 11.

22 Mifandray amin’ny toetra hafa koa ny hatsaran-toetran’i Jehovah. Ohatra hoe Andriamanitra dia “tena be fitiavana sy tsy mivadika.” (Eksodosy 34:6) Miavaka io toetran’i Jehovah io satria ny mpanompony tsy mivadika ihany no ampisehoany azy io. Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka ny fomba anaovany izany.

a Ny vidim-panavotana no fomba lehibe indrindra nampisehoan’i Jehovah ny hatsaran-toetrany. An-tapitrisany ireo anjely nefa ilay Zanany tena tiany, ilay Zanany lahitokana, no nofidiny ho faty ho antsika.

b Rariny raha ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fahazavana ny fahamarinana. “Alefaso ny hazavanao sy ny fahamarinanao”, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 43:3) Manome hazavana be dia be ho an’ireo maniry hampianariny na hohazavainy i Jehovah.​—2 Korintianina 4:6; 1 Jaona 1:5.