Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 29

“Ho Fantatrareo ... ny Fitiavan’i Kristy”

“Ho Fantatrareo ... ny Fitiavan’i Kristy”

1-3. a) Inona no nahatonga an’i Jesosy haniry hitovy amin’ny Rainy? b) Inona avy ireo lafiny amin’ny fitiavan’i Jesosy hofakafakaintsika?

 EFA nahita ankizilahikely miezaka hitovy amin’ny dadany ve ianao? Ataony ny fomba fandeha sy firesaka ary fanaovan’ny dadany zavatra. Mety ho tiany koa any aoriana ny fitondran-tena sy zavatra ara-panahy tian’ny rainy. Ny fitiavany sy fankasitrahany tokoa no mahatonga azy haniry hitovy amin’ilay dadany tia azy.

2 Ahoana ny fifandraisan’i Jesosy sy ilay Rainy any an-danitra? “Tiako ny Ray”, hoy i Jesosy. (Jaona 14:31) Tsy misy afaka ny ho tia kokoa an’i Jehovah noho io Zanaka io, satria efa niaraka ela be talohan’ny namoronana ny zavaboary hafa izy ireo. Io fitiavana io no mahatonga an’ilay Zanaka haniry hitovy amin’ny Rainy.​—Jaona 14:9.

3 Efa noresahintsika tato amin’ity boky ity fa nitovy tanteraka tamin’i Jehovah i Jesosy rehefa nampiasa hery sy nanao ny rariny ary naneho fahendrena. Ahoana anefa no nanehoan’i Jesosy fitiavana toa an-dRainy? Hofakafakaintsika ny lafiny telo amin’ny fitiavan’i Jesosy: Ny fahafoizan-tenany, ny fiantrany, ary ny famelany heloka.

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao”

4. Hazavao fa i Jesosy no olombelona namela ohatra tsara indrindra tamin’ny fahafoizan-tena.

4 Tena niavaka ny fahafoizan-tenan’ i Jesosy. Ny olona mahafoy tena dia miahy izay zavatra ilaina sy mampanahy ny olon-kafa alohan’ny azy. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fitiavana toy izany? Hoy izy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Nanome an-tsitrapo ny ainy lavorary ho antsika i Jesosy. Io no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra nataon’olombelona hatramin’izay. Nahafoy tena tamin’ny lafiny hafa koa anefa i Jesosy.

5. Nahoana no sorona feno fitiavana ho an’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra ny fialany tany an-danitra?

5 Nanana tombontsoa sy toerana ambony ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Nifandray akaiky tamin’i Jehovah sy ny anjely maro be izy. Na dia tsara be aza ny fiainan’io Zanaka malalan’Andriamanitra io tany an-danitra, dia “nafoiny ... ny zava-drehetra, dia lasa hoatran’ny mpanompo izy ary lasa olombelona.” (Filipianina 2:7) Nanaiky hiaina teo anivon’ny olombelona mpanota teto amin’izao tontolo “eo ambany fahefan’ilay ratsy” izao izy. (1 Jaona 5:19) Tsy sorona feno fitiavana ve izany nataon’ilay Zanak’Andriamanitra izany?

6, 7. a) Ahoana avy no nanehoan’i Jesosy fahafoizan-tena nandritra ny fanompoany teto an-tany? b) Inona no ohatra mampihetsi-po momba ny fitiavana tsy mitady valiny, ao amin’ny Jaona 19:25-27?

6 Nahafoy tena tamin’ny lafiny maro i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Tsy tia tena mihitsy izy. Tena variana tamin’ny fanompoana izy ka tsy mba niadana toy ny olona rehetra. Hoy izy: “Manan-davaka hisitrihana ny amboadia, ary manana akany ny voro-manidina, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana an’izay hametrahany ny lohany.” (Matio 8:20) Mpandrafitra nahay i Jesosy, ka nety ho afaka nanao trano hipetrahany na fanaka tsara hamidiny. Tsy nampiasainy mba hanangonam-bola anefa ny fahaizany.

7 Mampihetsi-po ny fahafoizan-tenan’i Jesosy, voalazan’ny Jaona 19:25-27. Maro be ny zavatra tsy maintsy nibahana tao an-tsainy sy tao am-pony, tamin’ilay tolakandro talohan’ny hahafatesany. Nijaly teo amin’ny tsato-kazo izy, nefa nieritreritra ny amin’ny mpianany, ny asa fitoriana, ary indrindra fa ny tsy fivadihany sy ny ho vokatr’izany teo amin’ny anaran’ny Rainy. Niankina taminy tokoa ny hoavin’ny olombelona! Mbola niahy koa an’i Maria reniny efa maty vady anefa i Jesosy, taloha kelin’ny hahafatesany. Nangatahin’i Jesosy ny apostoly Jaona mba hikarakara an’i Maria toy ny reniny. Nentin’i Jaona tany an-tranony i Maria taorian’izay. Nihevitra ny zavatra ara-batana sy ara-panahy nilain-dreniny àry i Jesosy, ary tena fitiavana tsy mitady valiny izany!

‘Nangoraka izy’

8. Inona no dikan’ilay teny grika ampiasain’ny Baiboly hanazavana ny fangorahan’i Jesosy?

8 Nangoraka toa an-dRainy i Jesosy. Milaza ny Soratra Masina fa niezaka nanatona an’ireo nijaly i Jesosy, satria nalahelo azy ireny. Nadika hoe “nangoraka” ilay teny grika milazalaza ny fihetseham-pon’i Jesosy, ao amin’ny Baiboly. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Izy io dia mampiseho ... fihetseham-po mahatonga olona iray halahelo hatrany anatiny lalina indrindra. Io no teny grika mahery indrindra hilazana ny fangorahana.” Hofakafakaintsika ny tarehin-javatra vitsivitsy nanehoan’i Jesosy izany fangorahana izany, ka nahatonga azy hanao zavatra.

9, 10. a) Inona no nahatonga an’i Jesosy sy ny apostoliny hitady toerana mangina? b) Inona no nataon’i Jesosy rehefa nanelingelina azy ny vahoaka, ary nahoana?

9 Nanome ny zavatra ara-panahy nilain’ny olona. Resahin’ny Marka 6:30-34 ny antony voalohany nahatonga an’i Jesosy hangoraka. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Falifaly be ireo apostoly, satria vao avy nitory tamin’ny faritra maro. Niverina tany amin’i Jesosy izy ireo mba hilaza ny zavatra hitany sy reny. Nisy vahoaka tonga anefa teo, ka tsy nanam-potoana hisakafoanana akory i Jesosy sy ny apostoliny. Hitan’i Jesosy fa reraka ireo apostoly. Hoy izy: “Andao ho any amin’ny toerana mitokana, dia mialà sasatra kely.” Nandeha sambo ho eny amin’ny morony avaratry ny Ranomasin’i Galilia àry izy ireo. Hitan’ilay vahoaka anefa ny nialan’izy ireo, ary nisy olon-kafa koa nandre izany. Nihazakazaka nanaraka ny morontsiraka avaratra ireo olona ireo, ka tonga teny ampita talohan’ilay sambo!

10 Tezitra ve i Jesosy satria nisy mpanelingelina? Tsy izany mihitsy! Nanohina ny fony ny nahita ireo olona an’arivony niandry azy. Hoy i Marka: “Nahita vahoaka be [i Jesosy] Dia nangoraka an’ireo izy, satria hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo. Ary nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy.” Takatr’i Jesosy fa nila zavatra ara-panahy ireo olona tsirairay ireo. Toy ny ondry navela hirenireny izy ireo, ary tsy manana mpiandry mitarika na miaro azy. Fantatr’i Jesosy fa tsy niraharaha ny sarambaben’olona ireo mpitondra fivavahana mafy fo, izay tokony ho mpiandry ondry. (Jaona 7:47-49) Nalahelo an’ireo vahoaka izy, ka nampianariny “momba ny Fanjakan’Andriamanitra” izy ireo. (Lioka 9:11) Mariho fa nalahelo an’ireo vahoaka i Jesosy, na dia mbola tsy fantany aza ny ho fandraisan’izy ireo ny fampianarany. Tsy vokatry ny fampianarany àry ny fangorahany, fa ny antony nampianarany kosa.

‘Nanatsotra ny tanany izy sady nikasika azy’

11, 12. a) Ahoana no fiheverana ny boka tamin’ny andron’ny Baiboly, nefa ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nisy lehilahy “rakotry ny habokana” nanatona azy? b) Inona no mety ho vokatr’ilay fikasihan’i Jesosy teo amin’ilay boka? Lazao ny tantaran’ny dokotera iray mba hanasongadinana izany.

11 Nanamaivana an’izay nijaly. Nanatona an’i Jesosy ny olona narary, satria fantany fa mangoraka izy. Hita indrindra izany rehefa nisy lehilahy “rakotry ny habokana” nanatona an’i Jesosy niaraka tamin’ny vahoaka. (Lioka 5:12) Natokan-toerana ny boka tamin’ny andron’ny Baiboly, mba tsy hamindra aretina. (Nomery 5:1-4) Nanjary ratsy loatra anefa ny fijerin’ireo mpampianatra lalàna ny olona boka, ka nanao fitsipika henjana izy ireo. a Mariho kosa ny nataon’i Jesosy: “Nisy boka koa tonga teo aminy, ka nandohalika sady niangavy hoe: ‘Raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.’ Koa nangoraka azy izy ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy, ary niteny taminy hoe: ‘Tiako izany ka! Madiova ianao.’ Tonga dia niala tamin’ilay lehilahy ilay habokana ka nadio izy.” (Marka 1:40-42) Fantatr’i Jesosy fa tsy azon’ilay boka natao ny nanatona teo, araka ny lalàna. Tsy noroahiny anefa ilay boka fa nalahelo mafy azy kosa izy, ka nanao zavatra tsy azo noeritreretina. Nokasihin’i Jesosy ilay boka!

12 Azonao an-tsaina ve ny dikan’io fikasihana io ho an’ilay boka? Indro misy tantara kely: Nitsabo boka iray tany Inde ny Dr. Paul Brand, manam-pahaizana momba ny habokana. Napetrany teo an-tsorok’ilay boka ny tanany, tamin’izy nizaha azy, ka nohazavainy tamin’ny alalan’ny mpandika teny ny fitsaboana tsy maintsy harahin’ilay lehilahy. Nitomany tampoka teo ilay boka. “Nisy zavatra tsy nety nolazaiko ve teo?”, hoy ilay dokotera. Nanontany an’ilay tovolahy ilay mpandika teny, ary namaly hoe: “Tsy nisy akory ka! Mitomany, hono, izy satria napetrakao teo an-tsorony ny tananao. Tsy nisy olona nikasika azy nandritra ny taona maro talohan’ny nahatongavany teto.” Mbola nisy dikany lavitra noho izany ho an’ilay boka nanatona an’i Jesosy ny fikasihany azy. Niala ilay aretina nanilikilihan’ny olona azy, taorian’io fikasihana io!

13, 14. a) Iza no nifanena tamin’i Jesosy rehefa hiditra ny tanànan’i Naina izy, ary nahoana no tena nampalahelo ilay tantara? b) Inona no nataon’i Jesosy ho an’ilay mpitondratena, noho ny fangorahany?

13 Nanala ny alahelon’izay nidonam-pahoriana. Nanohina ny fon’i Jesosy ny nahita ny alahelon’ny olona. Diniho ilay tantara ao amin’ny Lioka 7:11-15. Efa nisasaka ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany tamin’io, ary hiditra ny tanànan’i Naina, tany Galilia izy. Nisy mpandevina nifanena taminy, rehefa teo akaikin’ny vavahady izy. Nampalahelo ilay tantara. Maty ilay zanaka lahitokana ary efa maty vady ilay reniny. Mety ho efa nandevina toy izao ilay vehivavy teo aloha, ka ny vadiny no nalevina tamin’izay. Ny zanany indray izao no alevina, nefa io no mety mba hany nanohana azy. Mety ho nisy mpitomany nihira fitomaniana sy mpitendry zavamaneno nanao feon-kira fisaonana niaraka tamin’ireo mpandevina. (Jeremia 9:16, 17; Matio 9:23) Ilay reny vonton’alahelo anefa no nifantohan’i Jesosy. Mety ho nandeha teo akaikin’ilay filanjana ny fatin-janany io vehivavy io.

14 “Nangoraka” an’ilay reny i Jesosy. Nampahery azy izy hoe: “Aza mitomany intsony.” Nanatona an’ilay filanjana faty avy hatrany i Jesosy ary nikasika azy io. Nijanona ireo mpilanja, ary mety ho nijanona koa ny vahoaka. Afaka niteny toy izao tamin’ilay vatana mangatsiaka i Jesosy noho izy manana fahefana: “Ry tovolahy, izao no lazaiko aminao: Miarena!” Inona no nitranga? “Niarina ny maty ary nanomboka niteny”, toy ny olona taitra tamin’ny torimaso lalina! Nampihetsi-po ny faran’ilay fitantarana hoe: “Natolotr’i Jesosy an-dreniny” ilay tovolahy.

15. a) Rehefa jerena ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, ahoana no ahitantsika hoe nahatonga an’i Jesosy hanao zavatra ny fangorahany ny olona nijaly? b) Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy amin’io lafiny io?

15 Inona no ianarantsika avy amin’ireo fitantarana ireo? Jereo ny fifandraisan’ny fangorahana sy ny fanaovan-javatra. Tsy maintsy ho nalahelo i Jesosy rehefa nahita ny fahorian’ny olona, ary tsy maintsy nanao zavatra izy rehefa nangoraka. Ahoana no anahafantsika azy? Adidintsika Kristianina ny mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra. Noho ny fitiavantsika an’Andriamanitra no anaovantsika izany. Tadidio koa anefa fa asa mampiseho fangorahana io asa io. Hampita ny vaovao tsara isika, raha mangoraka olona toa an’i Jesosy. (Matio 22:37-39) Ahoana kosa ny fangorahantsika ny mpiray finoana mijaly na malahelo? Tsy afaka manao fahagagana isika ka hanasitrana ny aretina na hanangana ny maty. Afaka mampiseho ny fiahiantsika anefa isika, noho ny fangorahantsika, ka hanampy araka izay azontsika atao.​—Efesianina 4:32.

“Ray ô, avelao ny helok’izy ireo”

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mamela heloka izy, na dia teo amin’ny hazo fijaliana aza?

16 Naneho fitiavana toa an-dRainy tamin’ny fomba lehibe hafa koa i Jesosy, satria “vonona hamela heloka.” (Salamo 86:5) Nisongadina izany na dia teo amin’ny hazo fijaliana aza izy. Nahamenatra ny fomba nahafatesany, satria nofantsihana ny tanany sy ny tongony. Inona anefa no nolazainy? Niantso an’i Jehovah mba hanafay an’ireo mpamono azy ve izy? Tsy izany mihitsy, fa ireto kosa no anisan’ny teniny farany: “Ray ô, avelao ny helok’izy ireo, fa tsy fantany izay ataony.”​—Lioka 23:34. b

17-19. Ahoana avy no nampisehoan’i Jesosy fa namela ny heloky ny apostoly Petera, ilay nanda azy intelo, izy?

17 Mampihetsi-po kokoa angamba ny famelan’i Jesosy ny heloky ny apostoly Petera. Tena tia an’i Jesosy i Petera. Hoy izy tamin’i Jesosy, tamin’ilay alina farany, izany hoe ny 14 Nisana: “Tompo ô, vonona hiaraka aminao aho, na higadra ianao na ho faty.” Intelo anefa i Petera no nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesosy akory, ora vitsivitsy taorian’io! Izao no lazain’ny Baiboly, rehefa nanda an’i Jesosy fanintelony i Petera: “Nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera.” Tsapan’i Petera hoe tena lehibe ny fahotana vitany, dia “nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.” Maty ny harivan’io i Jesosy, ka mety ho nanontany tena i Petera hoe: ‘Namela ny heloko ve ny Tompo?’​—Lioka 22:33, 61, 62.

18 Tsy niandry ela i Petera mba hahalalana izany. Natsangana ny marainan’ny 16 Nisana i Jesosy, ary toa tamin’io andro io ihany izy dia niseho tamin’i Petera irery. (Lioka 24:34; 1 Korintianina 15:4-8) Nahoana i Jesosy no niahy manokana an’ilay apostoly nanda mafy azy? Mety ho te hanome toky an’i Petera nibebaka izy fa mbola tia azy sy nihevitra azy ho sarobidy ihany. Mihoatra noho izany anefa no nataon’i Jesosy.

19 Niseho tamin’ny mpianatra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy, taorian’io. Intelo izy no nanontany an’i Petera (ilay nanda ny Tompony intelo koa) raha tia azy izy. Hoy i Petera tamin’ny farany: “Tompo ô, mahalala ny zava-drehetra ianao. Fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Nahay namantatra ny tao am-po i Jesosy ka fantany tsara ny fitiavan’i Petera azy. Nomen’i Jesosy fahafahana hanamafy ny fitiavany azy anefa i Petera. Nirahin’i Jesosy ‘hamahana’ sy ‘hiandry’ ny ‘ondrikeliny’ koa izy. (Jaona 21:15-17) Efa nirahina hitory i Petera talohan’io. (Lioka 5:10) Mbola nomeny andraikitra mavesatra kokoa anefa izao izy, dia ny hikarakara ireo ho mpanara-dia azy, satria tena natokisany. Nomen’i Jesosy andraikitra lehibe teo amin’ny asan’ireo mpianany i Petera, fotoana fohy taorian’io. (Asan’ny Apostoly 2:1-41) Tsy maintsy ho maivamaivana erỳ izy rehefa nahalala fa namela ny helony sy mbola natoky azy ihany i Jesosy!

‘Mahafantatra ny fitiavan’i Kristy’ ve ianao?

20, 21. Ahoana no ‘hahafantarantsika ny fitiavan’i Kristy’ amin’ny fomba feno?

20 Mampiseho tsara ny fitiavan’i Kristy tokoa ny Tenin’i Jehovah. Inona anefa no tokony hataontsika ho setrin’ny fitiavan’i Jesosy? Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hahafantatra ny fitiavan’i Kristy izay mbola mihoatra noho ny fahalalana.’ (Efesianina 3:19) Hitantsika fa mampianatra antsika zavatra betsaka momba ny fitiavan’i Kristy ny Filazantsara. Raha te ‘hahafantatra ny fitiavan’i Kristy’ amin’ny fomba feno anefa isika, dia tsy ampy ny mahafantatra fotsiny izay lazain’ny Baiboly momba azy.

21 Ilay teny grika nadika hoe ‘mahafantatra’ dia midika hoe lasa mahafantatra “avy amin’ny zavatra iainantsika.” Ho takatsika tsara ny fihetseham-pon’i Jesosy raha maneho fitiavana toy ny nataony isika, izany hoe tsy tia tena fa manome mba hahasoa ny olon-kafa, mangoraka sy manao zavatra ho azy ireny, ary mamela heloka amin’ny fontsika. Rehefa manao toy ireo àry isika, dia ‘ho fantatsika ny fitiavan’i Kristy izay mbola mihoatra noho ny fahalalana.’ Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa arakaraka ny anahafantsika an’i Kristy no hahatonga antsika ho akaiky kokoa an’ilay notahafiny, dia i Jehovah Andriamanitsika be fitiavana.

a Araka ny fitsipik’ireo mpampianatra lalàna dia tsy azo atao ny manakaiky ny boka hatramin’ny efatra hakiho (1,8 metatra). Tokony ho any amin’ny 100 hakiho (45 metatra) miala amin’ny boka kosa no ijanonana, raha mitsoka ny rivotra. Milaza ny boky iray fa nisy raby iray niafina rehefa nisy boka, ary nisy iray hafa nitora-bato boka mba tsy hanatonan’ireo azy. Fantatry ny boka tsara àry ny fijaliana vokatry ny tsy fitiavan’ny olona sy ny fahatsapana ho nambanina sy tsy misy ilana azy.

b Tsy hita ao amin’ny sora-tanana fahiny sasany ny tapany voalohany amin’ny Lioka 23:34. Hita ao amin’ny sora-tanana maro hafa azo antoka anefa izy ireo, ka nampidirina ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny fandikan-teny maromaro. Mety ho ireo miaramila romanina namono azy no tian’i Jesosy horesahina teo. Tsy fantatr’izy ireo ny nataony, satria tsy hain’izy ireo hoe iza marina i Jesosy. Mety ho ny Jiosy nangataka ny hamonoana azy koa no tao an-tsainy. Nisy tamin’izy ireny anefa nino azy ihany tatỳ aoriana. (Asan’ny Apostoly 2:36-38) Mazava ho azy fa ireo mpitondra fivavahana nampamono an’i Jesosy no meloka kokoa, satria fantatr’izy ireo izay nataony sady ratsy fanahy izy ireo. Tsy hisy famelan-keloka ho azy ireo.​—Jaona 11:45-53.