Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 31

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

1-3. a) Inona no fantatsika momba ny olombelona, avy amin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanany kely? b) Inona no ara-dalàna raha asetrin’ny olombelona ny fitiavana ary inona no fanontaniana lehibe apetratsika amin’ny tenantsika?

 TIAN’NY ray aman-dreny ny mahita ny zanany kely mitsiky. Matetika izy ireo no mampanatona ny tarehiny amin’ny tarehin’ilay zaza, sady manambitamby sy mitsikitsiky. Andrasan’izy ireo erỳ izay ho setrin’izany. Indro tokoa fa hita teo amin’ny takolaka sy molotr’ilay zaza fa nanomboka nitsiky izy. Manambara fitiavana io tsiky mahafatifaty io, ka mampiseho fa nitsiry ny fitiavan’ilay zaza, ho setrin’ny fitiavan’ny ray aman-dreniny.

2 Hitantsika avy amin’ny tsikin’ny zazakely fa fitiavana, raha ny ara-dalàna, no asetrin’ny olona ny fitiavana. Toy izany no nanaovana antsika. (Salamo 22:9) Mihamatotra kokoa ny zavatra asetrintsika ny fitiavana, rehefa mihalehibe isika. Mety ho tsaroanao angamba ny fitiavana nasehon’ny ray aman-dreninao, na havanao, na namanao, tamin’ny ianao mbola zaza. Nitsiry tao am-ponao koa ny fitiavana, ka nitombo sy niseho tamin’ny zavatra nataonao. Fitiavana koa no nasetrinao ny fitiavana. Toy izany koa ve ny fifandraisanao amin’i Jehovah Andriamanitra?

3 Hoy ny Baiboly: “Isika tia satria izy no tia antsika voalohany.” (1 Jaona 4:19) Nampahatsiahivina anao tamin’ny Fizarana 1 ka hatramin’ny Fizarana 3 fa asehon’i Jehovah amim-pitiavana mba hahasoa anao ny heriny, ny rariny ary ny fahendreny. Hitanao tamin’ny Fizarana 4 fa naneho fitiavana niavaka tamin’ny olona sy taminao koa izy. Mipetraka ao an-tsainao anefa ity fanontaniana tena lehibe ity: ‘Inona no hasetriko ny fitiavan’i Jehovah?’

Inona no dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra?

4. Nahoana no lazaina fa tsy mahafantatra tsara ny dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra ny olona?

4 I Jehovah no niavian’ny fitiavana, ka fantany tsara fa manan-kery lehibe hampipoitra ny tsara indrindra ao amin’ny olona ny fitiavana. Natoky foana àry izy fa hisy olona hanao zavatra ho setrin’ny fitiavany, na dia nikomy sy nivadika aza ny ankamaroan’ny olona. Maro be tokoa no tsy nivadika taminy. Mampalahelo anefa fa tsy nanazava tsara ny dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra ireo fivavahan’ity tontolo ratsy ity. Maro no milaza ho tia an’Andriamanitra, nefa toa mihevitra fa eo am-bava fotsiny izany fitiavana izany. Mety hanomboka amin’ny teny tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ny fitiavan’ny zazakely hita voalohany amin’ny tsikiny. Betsaka noho izany anefa no takina amin’ny olon-dehibe.

5. Inona no dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra, araka ny Baiboly, ary nahoana no tokony ho tiantsika izany?

5 Lazain’i Jehovah ny dikan’ny hoe tia azy. Hoy ny Teniny: “Izao no atao hoe tia an’Andriamanitra: Mankatò ny didiny.” Tokony haseho àry ny fitiavana an’Andriamanitra. Marina fa tsy tian’ny maro izany mankatò izany. Milaza ihany anefa io andininy io hoe: “Ary tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Natao hahasoa, fa tsy hampahory antsika, ny lalàn’i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18) Feno torolalana manampy antsika hanatona an’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Ahoana izany? Handinika lafiny telo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika. Izany dia ny firesahantsika aminy sy ny fanompoantsika ary ny fanahafantsika azy.

Mihaino an’i Jehovah sy miresaka aminy

6-8. a) Ahoana no hihainoantsika an’i Jehovah? b) Inona no azontsika atao mba hahafinaritra ny famakiantsika ny Soratra Masina?

6 Manomboka toy izao ny Toko 1: “Eritrereto hoe miresaka mivantana amin’Andriamanitra ianao.” Hitantsika fa tsy nofinofy izany. Tena niresaka tamin’Andriamanitra i Mosesy. Ary isika? Tsy mandefa anjely hiresaka amin’ny olona intsony i Jehovah, nefa manana fomba hafakely ifampiresahana amintsika izy. Ahoana no ahafahantsika mihaino azy?

7 “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra”, ka mihaino an’i Jehovah isika rehefa mamaky azy io. (2 Timoty 3:16) Nampirisihin’ny mpanao salamo mba hamaky ny Baiboly “andro aman’alina” àry ny mpanompon’i Jehovah. (Salamo 1:1, 2) Mitaky ezaka be izany, nefa misy vokany tsara. Hitantsika tao amin’ny Toko 18 fa toy ny taratasy sarobidy avy tamin’ilay Raintsika any an-danitra ny Baiboly. Tsy tokony handreraka àry ny mamaky azy io. Tokony hataontsika mahafinaritra ny famakiantsika ny Soratra Masina. Ahoana no anaovantsika izany?

8 Alao sary an-tsaina ilay tantara vakinao. Hevero ho olona tena misy ireo olona resahiny. Eritrereto ny zavatra niainany sy ny antony nanaovany zavatra. Eritrereto lalina izay vakinao, ary manontania tena hoe: ‘Inona no ianarako avy amin’izany momba an’i Jehovah? Inona no toetrany hitako eto? Inona no torolalana tian’i Jehovah hianarako, ary ahoana no hampiharako izany?’ Vakio, saintsaino, ary ampiharo ny Tenin’Andriamanitra, dia ho velona izy io rehefa manao izany ianao.​—Salamo 77:12; Jakoba 1:23-25.

9. Iza moa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, ary nahoana isika no tokony hihaino tsara azy io?

9 Miteny amintsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” koa i Jehovah. Efa nolazain’i Jesosy fa hisy antokona voahosotra vitsivitsy hotendrena hanome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’, mandritra izao andro farany be zava-manahirana izao. (Matio 24:45-47) Mandray sakafo ara-panahy avy amin’io mpanompo io isika, rehefa mamaky ireo boky sy gazety izay natao hanampiana antsika hahazo ny tena fahalalana ny Baiboly. Mandray izany koa isika rehefa manatrika ireo fivoriana sy fivoriambe kristianina. Mpanompon’i Kristy izy ireo, ka hendry isika raha mampihatra ny tenin’i Jesosy hoe “tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:18) Mihaino tsara isika satria ekentsika fa anisan’ny fomba ifandraisan’i Jehovah amintsika io mpanompo mendri-pitokisana io.

10-12. a) Nahoana no fanomezana hafakely avy amin’i Jehovah ny vavaka? b) Vavaka manao ahoana no mahafaly an’i Jehovah, ary nahoana isika no matoky fa sarobidy aminy ny vavaka ataontsika?

10 Ahoana anefa no ifandraisantsika amin’i Jehovah? Afaka miresaka aminy ve isika? Mampahatahotra, na dia ny mieritreritra izany aza. Mety ho azonao eritreretina ve hoe ho afaka hanatona ny mpitondra ambony indrindra eo amin’ny taninao ianao, mba hiresaka momba ny fiainanao aminy? Mety hampidi-doza, indraindray, na dia ny fanandramana hanao izany aza! Mety hovonoina ho faty ny olona nanatona an’ilay mpanjaka persianina, tamin’ny andron’i Mordekay sy Estera, raha tsy nasain’ny mpanjaka hanatona azy. (Estera 4:10, 11) Eritrereto hoe hanatona an’ilay Tompon’izao rehetra izao ianao, nefa “hoatran’ny valala” aminy na dia ny olona mahery indrindra aza. (Isaia 40:22) Tokony hatahotra loatra ve anefa isika ka tsy hanatona azy? Tsia!

11 Nanome fomba malalaka sy tsotra i Jehovah mba hanatonana azy, dia ny vavaka izany. Afaka mivavaka aminy amim-pinoana, na dia ny ankizikely aza, ka hanao izany amin’ny anaran’i Jesosy. (Jaona 14:6; Hebreo 11:6) Ahafahantsika mamboraka ny eritreritra sy fihetseham-po lalina indrindra koa ny vavaka, anisan’izany ny fijaliana tsy haintsika hazavaina. (Romanina 8:26) Tsy tsara ny manao teny namboamboarina rehefa mivavaka, na manao vavaka lava feno teny miverimberina sy tsy misy heviny. (Matio 6:7, 8) Tsy feran’i Jehovah kosa ny halavan’ny vavaka ataontsika, na ny fotoana iresahantsika aminy. Manasa antsika mihitsy ny Teniny hoe “aza mitsahatra mivavaka.”​—1 Tesalonianina 5:17.

12 Tadidio fa i Jehovah ihany no antsoina hoe “Mpihaino vavaka”, ary mangoraka izy rehefa mihaino. (Salamo 65:2) Voatery mihaino fotsiny ny vavak’ireo mpanompony tsy mivadika ve izy? Tsia, fa mahafinaritra azy kosa ny mihaino azy ireo. Ampitahain’ny Teniny amin’ny emboka manitra ny vavaka, ary rehefa dorana izy io dia misy fofona manitra miakatra. (Salamo 141:2; Apokalypsy 5:8; 8:4) Tsy mampahery ve ny mieritreritra fa miakatra toy izany ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika, ka mahafaly an’ilay Tompo Fara Tampony? Raha te hanatona an’Andriamanitra àry ianao, dia mivavaha matetika amim-panetren-tena, isan’andro. Aborahy aminy izay ao am-ponao, fa aza afenina. (Salamo 62:8) Lazao an’ilay Rainao any an-danitra izay mampanahy anao, ny fifalianao, ny fisaoranao ary ny fideranao. Hihatsara ny fifandraisanao aminy, raha manao izany ianao.

Manompo an’i Jehovah

13, 14. Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah, ary nahoana no mety raha manao izany isika?

13 Tsy mitovy amin’ny fihainoana sy firesahana amin’ny namana na havana ny firesahana amin’i Jehovah Andriamanitra. Anisan’ny fanompoantsika azy izany, ka anomezantsika azy ny haja sy voninahitra tena mendrika ho azy. Fiainantsika manontolo ny fanompoana azy. Izany no fomba anehoantsika amin’i Jehovah fa tia azy amin’ny fontsika manontolo isika, ary izany koa no mampiray ny mpanompony tsy mivadika rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Ren’ny apostoly Jaona ny anjely iray nandidy toy izao, tao amin’ny fahitana iray: “Mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.”​—Apokalypsy 14:7.

14 Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah? Eritrereto ireo toetrany noresahintsika, toy ny fahamasinana, hery, fifehezan-tena, fanaovana ny rariny, herim-po, famindram-po, fahendrena, fanetren-tena, fitiavana, fangorahana, tsy fivadihana, ary hatsaran-toetra. Hitantsika fa i Jehovah no tena maneho ny toetra sarobidy rehetra, sady filamatra ambony indrindra. Hitantsika eo am-pandinihana ny toetrany fa mbola lehibe sy mahate hidera lavitra noho izay iheverantsika azy izy. Tsy hita fetra ny voninahiny, ary tsy voafetra ny haavony raha oharina amintsika. (Isaia 55:9) Tena manan-jo ho Mpanjaka tokoa i Jehovah, sady mendrika hotompointsika. Ahoana anefa no tokony hanompoantsika azy?

15. Ahoana no anompoantsika an’i Jehovah “araka ny fanahy sy ny fahamarinana”, ary inona no azontsika atao any amin’ireo fivoriana kristianina?

15 Hoy i Jesosy: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah “araka ny fanahy”? Mila manana ny fanahin’i Jehovah isika sady manaiky hotarihin’izy io. Tokony hifanaraka amin’ny fahamarinana, izany hoe ny fahalalana marina tsara ianarantsika ao amin’ny Baiboly ny fanompoantsika azy. Afaka manompo an’i Jehovah “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” isika, rehefa miara-mivory amin’ireo mpiara-manompo amintsika. (Hebreo 10:24, 25) Maneho ny fitiavantsika an’i Jehovah sy manompo azy araka izay tiany isika, rehefa mihira fiderana ho azy, miara-mivavaka, ary mihaino sy mandray anjara amin’ny fiaraha-midinika ny Teniny.

Fotoana mahafinaritra anompoana an’i Jehovah ireo fivoriana kristianina

16. Inona no iray amin’ireo zavatra lehibe indrindra andidiana ny tena Kristianina, ary nahoana isika no vonona hankatò izany?

16 Manompo an’i Jehovah koa isika rehefa miresaka amin’ny olona momba azy sy midera azy. (Hebreo 13:15) Iray amin’ireo zavatra lehibe indrindra andidiana ny Kristianina tokoa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah. (Matio 24:14) Vonona hankatò izany isika satria tia an’i Jehovah. “Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao [i Satana Devoly] ny sain’ireny tsy mpino ireny”, satria izy mamafy lainga mahatsiravina momba an’i Jehovah. Rehefa mieritreritra izany isika, tsy vao mainka ve isika te hijoro ho Vavolombelon’ilay Andriamanitsika, sady hanaporofo fa diso ny fanendrikendrehana azy? (2 Korintianina 4:4; Isaia 43:10-12) Rehefa mandinika ny toetra mahatalanjon’i Jehovah isika, tsy irintsika ao anatintsika ao ve ny hiresaka momba azy amin’ny olona? Tena tsy misy tombontsoa lehibe kokoa noho ny manampy ny olona hahafantatra sy ho tia an’ilay Raintsika any an-danitra.

17. Inona koa no tafiditra amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah, ary nahoana isika no tsy tokony hivadika?

17 Misy zavatra hafa koa tafiditra amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah. Mahakasika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika izany. (Kolosianina 3:23) Miezaka hanao ny sitrapon’i Jehovah amin’ny zavatra rehetra isika, raha tena manaiky azy ho Tompo Fara Tampony. Voakasik’izany ny fiainam-pianakaviantsika, ny asa fivelomantsika, ny fifandraisantsika amin’ny olona, ary ny fialam-bolintsika. Te hanompo an’i Jehovah “amin’ny fo manontolo” isika. (1 Tantara 28:9) Tsy mamela ny hisian’ny fo voazarazara, na hanaovana fahotana miafina izany, ka hoe jerena ivelany ho mpanompon’i Jehovah isika, nefa manao fahotana lehibe any ambadika. Tsy mihatsaravelatsihy toy izany isika raha tsy mivadika. Halantsika izany raha tia an’i Jehovah isika. Hanampy antsika koa ny tahotra an’Andriamanitra. Lazain’ny Baiboly fa ho naman’i Jehovah akaiky hatrany isika raha manaja azy toy izany.​—Salamo 25:14.

Manahaka an’i Jehovah

18, 19. Nahoana no azo inoana fa ho vitan’ny olona tsy lavorary ny hanahaka an’i Jehovah Andriamanitra?

18 Asehon’ny toko faran’ny fizarana tsirairay amin’ity boky ity hoe ahoana ny fomba ‘hanahafantsika an’Andriamanitra’ amin’ny maha zanany malalany antsika. (Efesianina 5:1) Tsara ny mitadidy fa na tsy lavorary aza isika, dia tena afaka manahaka ny fomba lavorary ampiasan’i Jehovah ny heriny, hanaovany ny rariny, hanehoany fahendrena sy fitiavana. Ahoana no hahalalantsika fa azontsika atao ny manahaka an’ilay Mahery Indrindra? Tadidio ny dikan’ny anaran’i Jehovah. Mampianatra antsika izy io fa afaka ny ho tonga izay tiany izy mba hanatanterahany ny fikasany. Marina fa mahatalanjona antsika izany, nefa tsy midika izany hoe tsy ho vitantsika mihitsy ny hanahaka azy.

19 Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika. (Genesisy 1:26) Tsy mitovy amin’ny zavaboary hafa eto an-tany àry ny olombelona. Tsy ny fahendrena voajanahary, na ny fototarazo, na zavatra eo amin’ny manodidina, no mitarika antsika. Nomen’i Jehovah fanomezana sarobidy isika, dia ny safidy malalaka. Voafetra sy tsy lavorary isika, nefa afaka mifidy hoe ho lasa olona hoatran’ny ahoana. Tadidio koa fa anisan’ny dikan’ilay anaran’Andriamanitra ny hoe rehefa ampian’i Jehovah ny mpanompony dia afaka ny ho tonga izay tiany. Tianao àry ve ny ho be fitiavana, ho hendry, hanao ny rariny, ary hampiasa tsara ny herinao? Ho vitanao izany, noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah! Eritrereto ireo zavatra tsara ho vitanao.

20. Inona no zavatra tsara vitantsika rehefa manahaka an’i Jehovah isika?

20 Hampifaly ny fon’ilay Rainao any an-danitra ianao. (Ohabolana 27:11) Hahavita “hampifaly azy tanteraka” mihitsy aza ianao, satria fantany tsara hoe voafetra ny mety ho vitanao. (Kolosianina 1:9, 10) Hahazo tombontsoa lehibe koa ianao, rehefa miezaka hanana toetra tsara toa an’ilay Ray malalanao. Ho mpitondra fahazavana eo amin’izao tontolo maizina sy tsy tia an’Andriamanitra izao ianao. (Matio 5:1, 2, 14) Ho anisan’ireo manaparitaka ny fahazavan’ny toetra be voninahitr’i Jehovah ianao. Voninahitra tokoa izany!

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy”

Enga anie ianao hanatona an’i Jehovah foana

21, 22. Inona ilay dia tsy mety tapitra miandry an’ireo tia an’i Jehovah?

21 Tsy hoatran’ny hoe manatratra tanjona iray fotsiny ny manaraka izay voalazan’ny Jakoba 4:8. Zavatra mitohy hoatran’ny manao dia lavitra kosa izany, ary hitohy io dia io raha mbola tsy mivadika isika. Hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah foana isika, ary tsy hifarana mihitsy izany. Misy zavatra maro tokoa azo ianarana momba azy. Tsy tokony hihevitra isika fa nianarantsika tato amin’ity boky ity ny zavatra rehetra momba an’i Jehovah. Vao nanomboka niresaka izay voalazan’ny Baiboly momba ilay Andriamanitsika isika, raha ny marina! Na ny Baiboly aza tsy milaza ny zavatra rehetra tokony ho fantatra momba an’i Jehovah. Nilaza ny apostoly Jaona fa “na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra”, raha nosoratana daholo ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy teto an-tany. (Jaona 21:25) Raha hoatr’izany ny amin’i Jesosy Zanany, tsy mainka ve ny amin’ny Rainy?

22 Mbola hianatra zavatra momba an’i Jehovah foana isika, rehefa hiaina mandrakizay. (Mpitoriteny 3:11) Eritrereto àry ny zavatra miandry antsika. Hahafantatra zavatra betsaka kokoa momba an’i Jehovah noho izay fantatsika ankehitriny isika, rehefa ho niaina an-jatony, na an’arivony, na an-tapitrisany, na an’arivony tapitrisa taona mihitsy. Mbola hahatsapa ihany anefa isika fa misy zava-mahatalanjona tsy hita isa mbola ho azo ianarana. Vao mainka te hianatra bebe kokoa isika, satria hisy antony foana hahatsapantsika ireto tonon-kiran’ny mpanao salamo ireto: “Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.” (Salamo 73:28) Ho tsara lavitra noho izay azontsika eritreretina amin’izao ny fiainana ao amin’ny paradisa. Ny tsara indrindra amin’izay anefa dia ilay hoe ho afaka hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah foana isika.

23. Inona no ampirisihana mba hataonao?

23 Enga anie ianao izao ho tia an’i Jehovah amin’ny fonao sy ny tenanao sy ny sainao ary ny herinao manontolo, ho setrin’ny fitiavany anao. (Marka 12:29, 30) Aoka tsy hiova sy ho lalim-paka ny fitiavanao. Aoka ny fanapahan-kevitra raisinao isan’andro, na kely na lehibe, mba hampiseho mandrakariva fa nifidy an’ilay lalana mitarika anao hifandray tsara kokoa amin’ilay Rainao any an-danitra ianao. Ambonin’ny zava-drehetra, dia enga anie ianao ka hanatona kokoa an’i Jehovah, ary izy koa hanatona anao, mandritra ny mandrakizay!