Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 2

Taratasy avy Amin’Andriamanitra Fitiavana

Taratasy avy Amin’Andriamanitra Fitiavana

INONA no boky tianao indrindra?... Misy ankizy tia boky momba ny biby, ary misy tia boky be sary. Mety hahafinaritra ny mamaky ireny boky ireny.

Ny boky tsara indrindra anefa dia ireo milaza ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. Sarobidy noho ny boky hafa rehetra ny iray amin’izy ireny. Inona io boky io raha fantatrao?... Ny Baiboly.

Nahoana no tena miavaka ny Baiboly?. . . Satria avy amin’Andriamanitra izy io. Miresaka amintsika momba azy sy ny zavatra tsara hataony ho antsika izy io. Lazainy amintsika koa ny tokony hataontsika mba hahafaly an’Andriamanitra. Toy ny taratasy avy amin’Andriamanitra izy io.

Azon’Andriamanitra natao ny nanoratra ny Baiboly tany an-danitra ary nanome izany ho an’ny olombelona. Tsy izany anefa no nataony. Avy tamin’Andriamanitra ny hevitra ao amin’ny Baiboly, nefa mpanompony teto an-tany no nasainy nanoratra azy.

Inona no nataon’Andriamanitra tamin’izany?... Diniho izao dia ho fantatrao. Rehefa mahare feon’olona ao amin’ny radio isika, dia mety ho feon’olona avy any lavitra any ilay izy. Rehefa mijery tele isika, dia mahita sarin’olona any andafy, ary henontsika izay lazainy.

Afaka mandeha sambon-danitra mankeny amin’ny volana mihitsy aza ny olona, ary afaka miresaka amin’ny olona etỳ an-tany. Fantatrao ve izany?... Raha olombelona aza mahavita zavatra toy izany, Andriamanitra ve dia tsy hahavita handefa hafatra avy any an-danitra?... Tena vitany izany, ary taloha ela be, tamin’ny mbola tsy nanana radio sy tele akory ny olona!

Ahoana no ahafantarantsika fa afaka miresaka amintsika avy any lavitra Andriamanitra?

I Mosesy no lehilahy tena nahare an’Andriamanitra niteny. Tsy nahita an’Andriamanitra i Mosesy, fa nahare ny feony. Olona an-tapitrisa no nanatrika an’izany. Nataon’Andriamanitra nihozongozona mihitsy ny tendrombohitra iray, tamin’io andro io, ary nisy kotroka sy tselatra koa. Fantatry ny olona fa Andriamanitra no niteny, nefa natahotra be izy ireo. Hoy àry izy ireo tamin’i Mosesy: ‘Aza Andriamanitra no miteny aminay, sao dia maty izahay.’ Tatỳ aoriana, dia nosoratan’i Mosesy izay nolazain’Andriamanitra. Ao amin’ny Baiboly ny zavatra nosoratan’i Mosesy.—Eksodosy 20:18-21.

I Mosesy no nanoratra ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. Tsy izy irery anefa no mpanoratra ny Baiboly, fa nisy lehilahy 40 teo ho eo nasain’Andriamanitra nanao izany koa. Olona efa taloha be ireny lehilahy ireny, ary taona maro vao vita ny Baiboly. Nila 1 600 taona teo ho eo izany! Ny mahagaga dia izao: Mifanaraka tanteraka ny zavatra nosoratan’izy ireny, nefa tsy nifankahalala mihitsy ny sasany taminy.

Iza avy no anaran’ireo mpanoratra ny Baiboly ireo?

Nalaza ny sasany tamin’ireo lehilahy nampiasain’Andriamanitra hanoratra ny Baiboly. Mpiandry ondry i Mosesy nefa lasa mpitarika ny firenen’ny Isiraely. Mpanjaka hendry indrindra sady nanankarena indrindra i Solomona. Olona tsotsotra kosa ny mpanoratra sasany. Mpamboly aviavimbazaha i Amosa.

Nisy dokotera koa ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Iza no anarany raha fantatrao?... Lioka. Mpamory hetra ny mpanoratra iray hafa. Matio no anarany. Nisy iray koa mpahay lalàna, manam-pahaizana momba ny lalàna ara-pivavahana jiosy. Izy no nanoratra boky maro indrindra ao amin’ny Baiboly. Iza no anarany raha fantatrao?... Paoly. Mpanarato i Petera sy Jaona, mpianatr’i Jesosy, ary mpanoratra ny Baiboly koa.

Nanoratra zavatra mbola hataon’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo mpanoratra ireo. Nahoana no fantany ireny zavatra ireny nefa mbola tsy nitranga akory?... Satria nampahafantarin’Andriamanitra azy. Nolazainy taminy izay hitranga.

Efa betsaka ny zavatra voasoratra tao amin’ny Baiboly, rehefa tonga teto an-tany i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Tadidio fa efa tany an-danitra izy. Fantany izay nataon’Andriamanitra. Nino ve izy fa avy tamin’Andriamanitra ny Baiboly?... Ie, nino izy.

Namaky teny avy tao amin’ny Baiboly i Jesosy, rehefa niresaka momba ireo asan’Andriamanitra. Indraindray dia vitany tsianjery izay voalazan’ny Baiboly. Nampianatra antsika zavatra maro kokoa momba an’Andriamanitra i Jesosy. Hoy izy: “Izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.” (Jaona 8:26) Nahare zavatra maro avy tamin’Andriamanitra i Jesosy, satria niaraka izy mianaka. Aiza no ahitantsika ireo zavatra nolazain’i Jesosy?... Ao amin’ny Baiboly. Voasoratra ao daholo izany mba hovakintsika.

Tamin’ny fitenin’ireny lehilahy ireny no nanoratany ny Baiboly. Be dia be no nosoratana tamin’ny teny hebreo, nisy tamin’ny teny aramianina ary betsaka koa tamin’ny teny grika. Tsy mahay an’ireo fiteny ireo ny ankamaroan’ny olona, ka nadika tamin’ny fiteny hafa ny Baiboly. Efa voadika amin’ny fiteny 2 260 mahery izao izy io. Eritrereto ange izany e! Taratasin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra ny Baiboly. Avy amin’Andriamanitra foana ilay hafatra, na dia voadika amin’ny fiteny maro aza.

Tena ilaintsika izay lazain’ny Baiboly. Efa taloha be no nanoratana azy, nefa ny zavatra miseho amin’izao fotoana izao no resahiny. Lazainy amintsika izay hataon’Andriamanitra tsy ho ela. Mahafaly be ny zavatra lazainy, ary mahabe fanantenana!

Inona avy no zavatra mety ho fantatsika rehefa mamaky Baiboly isika?

Lazain’ny Baiboly koa ny fomba fiaina tian’Andriamanitra. Lazainy hoe inona no tsara ary inona no ratsy. Samy mila mahafantatra an’izany na izaho na ianao. Resahiny ny amin’ny olona nanao ratsy sy izay nanjo azy ireny, mba tsy hahitantsika fahasahiranana. Resahiny koa ny amin’ireo nanao ny tsara sy ny soa noraisiny. Nosoratana izany mba hahasoa antsika.

Misy valim-panontaniana tokony ho fantatsika anefa mba handraisan-tsoa be dia be avy amin’ny Baiboly. Izao ilay fanontaniana: ‘Iza no nanome antsika ny Baiboly?’ Inona no valin-teninao?... Avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Inona no hataontsika raha hendry isika?... Mihaino an’Andriamanitra sy manao izay lazainy.

Mila maka fotoana hamakiana Baiboly isika. Rehefa mahazo taratasy avy amin’olona tena tiantsika isika, dia mamerimberina mamaky ilay izy. Sarobidy amintsika ilay izy. Tokony ho sarobidy amintsika koa ny Baiboly, satria taratasy avy amin’Ilay tia antsika indrindra. Taratasy avy amin’Andriamanitra fitiavana izy io.

Makà fotoana izao mba hamakiana ireto andinin-teny ireto, izay mampiseho fa tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary nosoratana mba hahasoa antsika: Romana 15:4; 2 Timoty 3:16, 17; 2 Petera 1:20, 21.