Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 3

Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra

Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra

Iza no nanao ny zavamiaina rehetra?

MAHAFANTATRA zavatra mahagaga aho. Tianao ho fantatra ve ilay izy?... Jereo ange ny tananao e! Aforeto kely ny rantsantananao, dia mandraisa zavatra. Afaka manao zavatra betsaka ny tananao ary vitany tsara izany. Iza no nanao ny tanantsika?...

Ilay nanao ny vava sy ny orona ary ny maso ihany no nanao ny tanana. Tsy iza fa Andriamanitra, Rain’ilay Mpampianatra Lehibe. Faly isika satria nomen’Andriamanitra maso, sa ahoana?... Afaka mahita zavatra betsaka isika. Afaka mijery voninkazo isika. Afaka mijery ny ahitra maitso sy ny lanitra manga isika. Afaka mahita voronkely misakafo sahala amin’ireto amin’ny sary ireto koa isika. Tena mahafinaritra ny mahita zavatra tahaka an’io, sa ahoana?...

Iza no nanao ireny zavatra ireny? Olombelona ve? Tsia. Afaka manao trano ny olombelona, fa tsy afaka manamboatra ahitra maniry. Tsy afaka manao voronkely, na voninkazo na zavamiaina ny olombelona. Fantatrao ve izany?...

Andriamanitra no nanao an’ireny zavatra rehetra ireny. Andriamanitra no nanao ny lanitra sy ny tany. Izy koa no nanao ny olombelona. Izy no namorona ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany. I Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, no nampahafantatra antsika momba an’izany.—Matio 19:4-6.

Ahoana no nahafantaran’i Jesosy fa Andriamanitra no nanao ny lehilahy sy ny vehivavy? Nahita an’Andriamanitra nanao an’izany angaha izy?... Ie. Niaraka tamin’Andriamanitra i Jesosy rehefa nanao ny lehilahy sy ny vehivavy Andriamanitra. I Jesosy no olona voalohany nataon’Andriamanitra. Anjely i Jesosy tamin’izany, ary tany an-danitra niaraka tamin’ny Rainy.

“Andeha Isika hamorona olona.” Izany no nolazain’Andriamanitra, hoy ny Baiboly. (Genesisy 1:26) Iza no niresahan’Andriamanitra, raha fantatrao?... Ilay Zanany. I Jesosy, ilay tonga teto an-tany, tatỳ aoriana.

Tsy mahafaly ve izany? Eritrereto ange e! Rehefa mihaino an’i Jesosy isika, dia ampianarin’ilay niaraka tamin’Andriamanitra tamin’izy nanao ny tany sy ny zavatra rehetra. Nianatra zavatra betsaka i Jesosy tamin’izy niara-niasa tamin’ny Rainy tany an-danitra. Tsy mahagaga raha Mpampianatra Lehibe i Jesosy!

Nalahelo ve Andriamanitra satria irery izy tamin’ny mbola tsy nanao an’ilay Zanany?... Tsia, tsy nalahelo izy. Nahoana àry izy no nanao zavamiaina hafa, raha tsy nalahelo?... Satria Andriamanitra fitiavana izy. Tiany ho velona sy ho faly amin’ny fiainana ny hafa. Tokony hisaotra an’Andriamanitra isika satria nomeny fiainana.

Hita amin’ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra ny fitiavany. Nanao ny masoandro Andriamanitra. Manazava sy manafana antsika ny masoandro. Hangatsiaka ny zavatra rehetra, ary tsy hisy fiainana eto an-tany raha tsy nisy masoandro. Faly ianao satria nanao ny masoandro Andriamanitra, sa ahoana?...

Andriamanitra koa no mampilatsaka ny orana. Mety tsy ho tianao ny orana indraindray, satria tsy afaka milalao any an-tokotany ianao rehefa avy ny orana. Mampaniry ny voninkazo anefa ny orana. Iza no hisaorantsika rehefa mahita voninkazo tsara tarehy isika?... Andriamanitra. Iza no tokony hisaorantsika rehefa mihinana voankazo sy legioma matsiro isika?... Tokony hisaotra an’Andriamanitra isika, satria ny masoandrony sy ny orany no mampaniry zavatra.

Ahoana hoy ianao raha anontanian’ny olona ianao hoe: ‘Andriamanitra ve no nanao ny olona sy ny biby?’... Mety ny mamaly hoe: “Ie, Andriamanitra no nanao ny olona sy ny biby.” Ahoana anefa raha misy olona tsy mino hoe Andriamanitra tokoa no nanao ny olona? Ahoana raha lazainy fa hoe ny biby no lasa olona? Tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. Lazain’ny Baiboly fa Andriamanitra no namorona ny zavamiaina rehetra.—Genesisy 1:26-31.

Raha nisy nanao ny trano, mba iza kosa no nanao ny voninkazo sy ny hazo ary ny biby?

Mety hisy hiteny aminao anefa hoe tsy mino an’Andriamanitra izy. Dia ahoana hoy ianao?... Tondroy ny trano iray, ary anontanio ilay olona hoe: “Iza no nanao an’io trano io?” Fantatry ny olona fa tsy maintsy nisy nanao ilay trano. Azo antoka fa tsy nisy ho azy teo ilay izy!—Hebreo 3:4.

Ento any an-jaridaina indray ilay olona, ary asehoy azy ny voninkazo. Anontanio izy hoe: “Iza no nanao an’ity?” Tsy olombelona no nanao an’io. Raha tsy nisy ho azy teo ilay trano, dia tsy naniry ho azy teo koa ity voninkazo ity. Nisy nanao ny voninkazo. Andriamanitra no nanao azy.

Asaivo mijanona kely ilay olona mba hihaino vorona misioka. Anontanio izy hoe: “Iza no nanao ny vorona ary iza no nampianatra azy hisioka?” Andriamanitra no nanao izany. Andriamanitra no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavamiaina rehetra! Izy no manome aina.

Mety hisy hiteny fa ny zavatra hitan’ny masony ihany no inoany. Mety hiteny izy hoe: ‘Raha tsy hitan’ny masoko, dia tsy inoako.’ Misy miteny àry fa tsy mino an’Andriamanitra izy satria tsy hitan’ny masony Andriamanitra.

Marina fa tsy hitantsika Andriamanitra. ‘Tsy misy olona mahita an’Andriamanitra’, hoy ny Baiboly. Tsy misy mahita an’Andriamanitra, na lehilahy na vehivavy na ankizy. Tsy misy tokony hanandrana hanao sarin’Andriamanitra. Andriamanitra mihitsy no milaza fa tsy tokony hanao ny sariny isika. Tsy faly Andriamanitra raha misy sary toy izany ao an-tranontsika.—Eksodosy 20:4, 5; 33:20; Jaona 1:18.

Raha tsy hitantsika anefa Andriamanitra, ahoana no ahafantarantsika fa tena misy izy? Eritrereto izao. Hitanao ve ny rivotra?... Tsia, tsy misy mahita ny rivotra. Hitanao anefa ny zavatra ataon’ny rivotra. Hitanao mihetsiketsika ny ravinkazo rehefa mitsoka ny rivotra. Mino ianao amin’izay fa misy ny rivotra.

Ahoana no ahafantaranao fa misy ny rivotra?

Hitanao koa ireo zavatra nataon’Andriamanitra. Rehefa mahita voninkazo na vorona ianao, dia mahita ny zavatra noforonin’Andriamanitra. Mino àry ianao fa tena misy Andriamanitra.

Mety hanontanian’ny olona ianao hoe: ‘Iza no nanao ny masoandro sy ny tany?’ “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”, hoy ny Baiboly. (Genesisy 1:1) Andriamanitra no nanao an’ireny zavatra mahafinaritra ireny! Mahafaly anao ve izany?...

Tena mahafinaritra ny miaina, sa ahoana? Mahare ny vorona misioka mahafinaritra isika. Mahita ny voninkazo sy ny zavatra hafa nataon’Andriamanitra isika. Mihinana ireo sakafo nomen’Andriamanitra koa isika.

Tokony hisaotra an’Andriamanitra isika noho ireny rehetra ireny. Ny zavatra voalohany tokony hisaorantsika azy dia ny fiainana. Hisy zavatra hataontsika raha tena mankasitraka an’Andriamanitra isika. Zavatra inona?... Hihaino an’Andriamanitra isika, ary hanao izay lazainy ao amin’ny Baiboly. Hasehontsika amin’izany fa tiantsika Ilay nanao ny zavatra rehetra.

Tokony hisaotra an’Andriamanitra isika noho ny zavatra rehetra nataony. Amin’ny fomba ahoana? Vakio ny Salamo 139:14; Jaona 4:23, 24; 1 Jaona 5:21; Apokalypsy 4:11.