Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 9

Tokony Hanohitra Fakam-panahy Isika

Tokony Hanohitra Fakam-panahy Isika

EFA nasain’olona hanao zavatra ratsy ve ianao?... Nampirisihiny hanao an’ilay izy ve ianao, sa nilazany hoe hahafinaritra ilay izy ary tsy tena ratsy?... Manandrana maka fanahy anao, na mitarika anao hanao ratsy izany olona izany.

Inona no tokony hataontsika rehefa misy maka fanahy antsika? Tokony hanaiky be fotsiny ve isika ka hanao ratsy?... Tsy hahafaly an’i Jehovah Andriamanitra izany. Iza kosa no ho faly, hoy ianao?... Ie, Satana Devoly.

Fahavalon’Andriamanitra i Satana ary fahavalontsika koa. Fanahy izy ka tsy hitantsika, fa izy kosa mahita antsika. Niresaka tamin’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, ny Devoly indray andro, ary nanandrana naka fanahy azy. Andeha hojerentsika hoe inona no nataon’i Jesosy, dia ho fantatsika ny tokony hatao rehefa misy maka fanahy antsika.

Inona no mety ho nanomboka tadidin’i Jesosy rehefa vita batisa izy?

Te hanao ny sitrapon’Andriamanitra foana i Jesosy. Nasehony tsara izany rehefa natao batisa tao amin’ny Ony Jordana izy. Vao vita batisa indrindra i Jesosy no naka fanahy azy i Satana. Lazain’ny Baiboly fa ‘nisokatra tamin’i Jesosy ny lanitra.’ (Matio 3:16) Ny dikan’izany dia hoe nanomboka teo, dia tadidin’i Jesosy daholo ny zavatra niainany taloha tany an-danitra, niaraka tamin’Andriamanitra.

Nankany amin’ny tany efitra i Jesosy taorian’ny batisany, mba hieritreritra an’ireo zavatra niverina tao an-tsainy. Nijanona 40 andro sy 40 alina tany izy. Tsy nihinan-kanina i Jesosy nandritra izany fotoana izany, ka noana be. Naka fanahy azy àry i Satana.

Nasain’ny Devoly nataon’i Jesosy inona ny vato, mba hakana fanahy azy?

Hoy ny Devoly: ‘Teneno ho tonga mofo ireto vato ireto, raha Zanak’Andriamanitra ianao.’ Ho natsiro tokoa raha mba nisy mofo tamin’izay! Ho afaka hanova vato ho mofo ve anefa i Jesosy Zanak’Andriamanitra?... Eny. Nahoana? Satria nanana fahefana manokana izy.

Ho nanova ilay vato ho mofo ve ianao raha nasain’ny Devoly nanao izany?... Noana i Jesosy, ka ho ratsy ve raha mba nanao izany indray mandeha monja izy?... Fantatr’i Jesosy fa ratsy raha nampiasainy tamin’izany fomba izany ilay fahefany. Nomen’i Jehovah azy io fahefana io mba hitarihana ny olona ho amin’Andriamanitra, fa tsy mba hahasoa an’i Jesosy irery.

Tsy nampiasa ilay fahefana àry izy fa nilaza tamin’i Satana fotsiny izay voasoratra tao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” Fantatr’i Jesosy fa ny manao izay hahafaly an’i Jehovah no ilaina kokoa noho ny sakafo.

Naka fanahy azy fanindroany anefa ny Devoly. Nentiny tany Jerosalema izy ary nasainy nitsangana teo an-tampon’ny tempoly. Hoy i Satana: ‘Mianjerà any ambany any ianao raha Zanak’Andriamanitra, satria voasoratra hoe hiaro anao tsy haratra ireo anjelin’Andriamanitra.’

Nahoana i Satana no nilaza izany?... Naka fanahy an’i Jesosy hanao hadalana izy. Tsy nanaiky anefa i Jesosy. Hoy izy: ‘Voasoratra hoe koa: “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.”’ Fantatr’i Jesosy fa ratsy ny maka fanahy an’i Jehovah, ka mamono tena.

Mbola tsy kivy anefa i Satana. Nentiny tany an-tendrombohitra avo be indray i Jesosy ka nampisehoany ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao sy ny voninahiny. Hoy izy tamin’i Jesosy: ‘Homeko anao ireo zavatra rehetra ireo, raha hiankohoka eto anatrehako ianao.’

Eritrereto ange ilay zavatra natolotry ny Devoly e! Tena tompon’ireny fanjakan’olombelona rehetra ireny tokoa ve izy?... Eny. Tsy nolavin’i Jesosy fa an’i Satana ireo zavatra ireo. I Satana tokoa no tena mpitondra ny firenena rehetra. “Andrianan’izao tontolo izao” mihitsy no iantsoan’ny Baiboly azy.—Jaona 12:31.

Nahoana i Satana no afaka nanome ireo fanjakana rehetra ireo an’i Jesosy?

Inona no hataonao raha milaza aminao ny Devoly fa hanome zavatra anao raha mivavaka aminy ianao?... Fantatr’i Jesosy fa tsy mety ny mivavaka amin’ny Devoly, na inona na inona zavatra homeny azy. Hoy àry i Jesosy: ‘Mandehana ianao ry Satana, satria voalazan’ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra no tokony hivavahana ary izy irery ihany no tokony hotompoina.’—Matio 4:1-10; Lioka 4:1-13.

Ahoana no hataonao raha azon’ny fakam-panahy ianao?

Misy fakam-panahy koa mahazo antsika. Lazao hoe ny sasany amin’izany!... Ity misy anankiray. Nanao mofomamy tsara be i Neny mba hohaninareo aorian’ny sakafo. Tsy misy avelany hihinana amin’io mofo io àry, alohan’izay. Noana be anefa ianao ka te hihinana mafy an’ilay mofomamy. Hankatò an’i Neny ve ianao?... Tsy tian’i Satana hankatò ianao.

Tadidio i Jesosy. Noana be koa izy. Fantany anefa fa ny hampifaly an’Andriamanitra no tsara kokoa noho ny sakafo. Hanahaka an’i Jesosy ianao raha manao izay lazain’i Neny.

Mety hisy ankizy hampirisika anao hifoka rongony. Mety hilaza izy ireo hoe ho falifaly be ianao rehefa avy mifoka ilay izy. Zava-mahadomelina anefa ny rongony, ka tena mety hankarary, na hahafaty anao mihitsy ny fifohana azy. Mety hisy hanome sigara anao koa ary hampirisika anao hifoka. Zava-mahadomelina koa ny sigara. Ahoana no hataonao?...

Tadidio i Jesosy. Nasain’i Satana nitsambikina avy teny amin’ny tempoly izy, ka nety ho faty. Tsy nanaiky anefa i Jesosy. Ahoana no hataonao raha ampirisihin’ny olona hanao zavatra mety hahafaty toy izany ianao?... Tsy nihaino an’i Satana i Jesosy. Tsy tokony hihaino izay olona mitarika anao hanao ratsy koa ianao.

Nahoana no ratsy ny mampiasa sary rehefa mivavaka?

Indray andro any dia mety hasain’ny olona hivavaka amin’ny sary ianao. Zavatra tsy tokony hatao anefa izany, hoy ny Baiboly. (Eksodosy 20:4, 5) Any am-pianarana no mety hitrangan’izany. Mety hilazana ianao hoe tsy havela hianatra intsony raha tsy manaiky. Ahoana no hataonao?...

Mora ny manao ny tsara rehefa manao izany daholo ny rehetra. Tena sarotra kosa izany rehefa mitarika antsika hanao ratsy ny olona. Mety hilaza izy ireo fa tsy tena ratsy ilay zavatra ataony. Ny fanontaniana lehibe anefa dia hoe: ‘Ahoana hoy i Jehovah momba izany?’ Izy no tena mahalala izay tsara sy ratsy.

Tsy tokony hanao izay lazain’Andriamanitra fa ratsy mihitsy àry isika, na inona na inona lazain’ny olona. Hampifaly an’Andriamanitra foana isika amin’izay, ary tsy hampifaly ny Devoly mihitsy.

Misy fanazavana ny fomba hiatrehana fakam-panahy hitanao ao amin’ny Salamo 1:1, 2; Ohabolana 1:10, 11; Matio 26:41; 2 Timoty 2:22.