Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 18

Mahay Misaotra ve Ianao?

Mahay Misaotra ve Ianao?

NISAKAFO ve ianao androany?... Fantatrao ve hoe iza no nahandro ilay izy?... Angamba i Neny na olon-kafa, nefa nahoana no tokony hisaotra an’Andriamanitra isika?... Satria Izy no mampaniry ny zavatra ataontsika sakafo. Tokony hisaorantsika koa anefa ilay nikarakara na nandroso ny sakafontsika.

Hadinontsika indraindray ny misaotra ny olona tsara fanahy tamintsika, sa ahoana? Tamin’ilay Mpampianatra Lehibe teto an-tany, dia nisy boka nanadino nisaotra azy.

Olona manao ahoana no atao hoe boka?... Ny olona voan’ilay aretina antsoina hoe habokana no atao hoe boka. Mety hiraraka mihitsy indraindray ny nofon’izany olona izany. Tsy maintsy natokan-toerana ny boka, tamin’ny andron’i Jesosy. Ary rehefa nahita olona nanatona azy ny boka, dia tsy maintsy niantsoantso mba hampitandremana an’io olona io fa tokony hanalavitra izy. Natao izany mba tsy hanakekezana be loatra an’ilay marary sao hifindran’ny aretiny.

Tena tsara fanahy tamin’ny boka i Jesosy. Indray andro, dia tsy maintsy nandalo tanàna kely iray izy, rehefa nandeha hankany Jerosalema. Nisy boka folo lahy nivoaka mba hihaona taminy, rehefa tonga teo akaikin’ilay tanàna izy. Ren’izy ireo mantsy fa nomen’Andriamanitra hery hanasitranana ny aretina rehetra i Jesosy.

Tsy nanakaiky an’i Jesosy ireo boka ireo, fa nijanona teny lavitra teny. Nino anefa izy ireo fa afaka nanasitrana ny habokany i Jesosy. Rehefa nahita an’ilay Mpampianatra Lehibe izy ireo, dia niantsoantso hoe: ‘Ampio izahay, ry Jesosy Mpampianatra ô!’

Mampalahelo anao ve ny marary?... Nampalahelo an’i Jesosy izy ireny. Fantany fa tena mafy izany hoe boka izany. Namaly àry izy hoe: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona.”—Lioka 17:11-14.

Inona no asain’i Jesosy ataon’ireto boka ireto?

Nahoana no nasain’i Jesosy nanao izany izy ireo? Satria nisy lalàna nomen’i Jehovah ny vahoakany momba ny boka. Nolazain’io lalàna io fa tsy maintsy nijery tsara ny hoditry ny boka ny mpisoron’Andriamanitra, vao nilaza raha sitrana tanteraka izy. Rehefa salama tsara izy vao ho afaka hiara-monina indray amin’ny olona salama.—Levitikosy 13:16, 17.

Mbola tsy sitrana anefa ireto boka ireto. Nankany amin’ny mpisorona, araka ny tenin’i Jesosy, àry ve izy ireo?... Ie, tonga dia nankany izy ireo. Azo antoka fa nino izy ireo hoe hanasitrana azy i Jesosy. Inona tokoa no nitranga?

Niala tamin’izy ireo ilay aretina raha mbola teny an-dalana izy. Sitrana ny nofony ary salama tsara indray izy! Novalian-tsoa ny finoan’izy ireo ny herin’i Jesosy. Faly be izy ireo! Inona kosa no tokony hataony raha nahay nankasitraka izy? Inona no ho nataonao?...

Inona no tsy nohadinoin’ity boka ity?

Niverina tany amin’i Jesosy ny iray tamin’ireo boka sitrana. Nanome voninahitra an’i Jehovah aloha izy, sady nidera Azy. Nety izany satria avy tamin’Andriamanitra ny hery nahasitrana azy. Nandohalika teo amin’ilay Mpampianatra Lehibe koa izy ary nisaotra azy. Tena nankasitrahany izay nataon’i Jesosy.

Ary ireo sivy hafa? Hoy i Jesosy: ‘Boka folo no sitrana, sa tsy izany? Fa aiza ny sivy? Iray monja ve no niverina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra?’

Marina izany. Iray monja tamin’izy folo lahy no nanome voninahitra sy nidera an’Andriamanitra, ary niverina mba hisaotra an’i Jesosy. Ary Samaritanina, na hafa firenena, io lehilahy io. Tsy nisaotra an’Andriamanitra ny sivy, sady tsy nisaotra an’i Jesosy.—Lioka 17:15-19.

Tahaka an’iza amin’ireo ianao? Tiantsika ny ho tahaka an’ilay Samaritanina, sa ahoana?... Inona àry no tokony tsy hohadinointsika, rehefa misy olona tsara fanahy amintsika?... Tokony hisaotra azy isika. Matetika ny olona no manadino ny misaotra. Tsara anefa ny mahay misaotra. Faly i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Zanany, rehefa manao izany isika.

Ahoana no hanahafanao an’ilay boka niverina tany amin’i Jesosy?

Raha mieritreritra kely ianao, dia hotsaroanao fa maro ny zavatra nataon’ny olona ho anao. Efa narary ve ianao, ohatra?... Mety tsy ho narary mafy tahaka an’ireo boka folo lahy ianao, fa mety ho efa voan’ny gripa, na narary kibo. Nisy nikarakara anao ve?... Mety ho nanome fanafody anao izy, na nanao zavatra hafa. Faly ianao satria notsaboin’izy ireo, sa ahoana?...

Nisaotra an’i Jesosy ilay Samaritanina satria nositraniny, ary nahafaly an’i Jesosy izany. Ho faly koa ve i Dada sy Neny raha isaoranao rehefa manao zavatra ho anao izy?... Ie, ho faly izy.

Nahoana no tena ilaina ny tsy manadino ny misaotra?

Misy olona manao zavatra ho anao isan’andro, na isan-kerinandro. Mety ho asany izany, ary mety ho faly izy manao io asa io. Mety hanadino ny hisaotra anefa ianao. Mety hiezaka mafy ny mpampianatra mba hampianarana anao. Asany izany, nefa ho faly izy raha isaoranao noho ny ezaka ataony.

Mety ho zavatra kely fotsiny no ataon’ny olona ho anao, indraindray. Efa nisy nanampy anao hitondra zavatra mavesatra ve, na nandoatra sakafo ho anao? Tsara ny mahay misaotra, na amin’ny zavatra madinika toy ireny aza.

Raha ny olona etỳ an-tany aza isaorantsika, mainka fa ilay Raintsika any an-danitra! Ary tena maro ny zavatra tokony hisaorantsika an’i Jehovah! Izy no nanome antsika ny aina sy ny zavatra tsara rehetra mahatonga ny fiainantsika hahafinaritra. Tokony hanome voninahitra azy àry isika, ary hidera azy isan’andro.

Vakio ireto andininy ireto, mba hahitana teny fisaorana: Salamo 92:1; Efesianina 5:20; Kolosianina 3:17; 1 Tesalonianina 5:18.