Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 28

Iza no Tokony Hankatoavina?

Iza no Tokony Hankatoavina?

SAROTRA indraindray ny mamantatra hoe iza no tokony hankatoavintsika. Mety hasain’i Dada sy Neny manao zavatra iray ianao. Zavatra hafa indray anefa no asain’ny mpampianatra na ny polisy hataonao. Iza amin’ireo no tokony hankatoavinao amin’izay?...

Novakintsika tao amin’ny Toko 7 ny Efesianina 6:1-3. Lazainy ao fa tokony hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy. “Maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo”, hoy ny Soratra Masina. Inona no dikan’ny hoe “ao amin’ny Tompo” raha fantatrao?... Mampianatra ny zanany hankatò ny lalàn’Andriamanitra ny ray aman-dreny ao amin’ny Tompo.

Tsy mino an’i Jehovah anefa ny olon-dehibe sasany. Ahoana àry raha milaza izy ireny fa tsy maninona ny mangala-tahaka any am-pianarana, na maka zavatra any amin’ny mpivarotra nefa tsy mandoa vola? Tsy maninona ve izany raha mangala-tahaka na mangalatra ny ankizy?...

Tadidio fa nanery ny olona rehetra hiankohoka teo amin’ny tsangambato volamena nataony i Nebokadnezara Mpanjaka. Tsy nety nanao izany anefa i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Fa nahoana?... Satria milaza ny Baiboly fa i Jehovah irery ihany no tokony hivavahana.—Eksodosy 20:3; Matio 4:10.

Inona no lazain’i Petera amin’i Kaiafa eto?

Nentina teo anatrehan’ny Synedriona ny apostolin’i Jesosy rehefa maty izy. Ny fitsarana tampony teo amin’ny fivavahana jiosy no nantsoina hoe Synedriona. Hoy i Kaiafa mpisoronabe: ‘Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’izany anaran’i Jesosy izany: kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema.’ Nahoana no tsy nankatò ny Synedriona ny apostoly?... Nisolo tena ny apostoly rehetra i Petera ka nanao hoe: ‘Andriamanitra no tokony hekenay mihoatra noho ny olona.’—Asan’ny Apostoly 5:27-29.

Nanana fahefana be ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’izany fotoana izany. Ny fanjakana romanina anefa no nifehy ny tanin’izy ireo. Nantsoina hoe Kaisara ny filohan’izany fanjakana izany. Tsy tian’ny Jiosy ny hofehezin’i Kaisara, nefa nanao zavatra betsaka nahasoa azy ireo ny fanjakana romanina. Manao zavatra betsaka mahasoa ny vahoaka koa ireo fitondram-panjakana ankehitriny. Milazà hoe sasany amin’izany!...

Manao lalana hampiasaintsika ny fanjakana, ary manakarama polisy sy mpamonjy trano may hiaro antsika. Mety hikarakara sekoly hianaran’ny ankizy koa izy, ary hikarakara ny fahasalaman’ny antitra. Misy vola lanin’ny fanjakana amin’izany zavatra rehetra izany. Avy aiza io vola io, raha fantatrao?... Avy amin’ny vahoaka. Hetra no iantsoana ny vola aloan’ny vahoaka amin’ny fanjakana.

Maro ny Jiosy tsy te handoa hetra tamin’ny fanjakana romanina, tamin’ilay Mpampianatra Lehibe tetỳ an-tany. Nanakarama olona àry ny mpisorona mba hamandrika an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanontaniana. Izao ilay fanontaniana: ‘Tokony handoa hetra amin’i Kaisara ve izahay sa tsia?’ Nisy fandrika io fanontaniana io. Raha namaly mantsy i Jesosy hoe ‘Ie, tsy maintsy mandoa hetra ianareo’, dia tsy ho faly tamin’izany ny ankamaroan’ny Jiosy. Tsy afaka nilaza koa anefa izy hoe ‘Tsy mila mandoa hetra ianareo’, satria tsy marina izany.

Inona no nataon’i Jesosy? Hoy izy: ‘Omeo vola vy aho.’ Rehefa nitondrana izany izy, dia nanontany hoe: ‘Sarin’iza ary anaran’iza ity amin’ny vola ity?’ “An’i Kaisara”, hoy ny olona. Hoy i Jesosy: ‘Aloavy ho an’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’—Lioka 20:19-26.

Ahoana no namalian’i Jesosy ny fanontaniana nisy fandrika napetrak’ireto olona ireto?

Tsy nisy nahita zavatra diso tamin’io valin-teny io. Raha manao zavatra ho an’ny vahoaka i Kaisara, dia tena rariny raha ny vola namboariny no aloa aminy mba hanaovana ireo zavatra ireo. Nasehon’i Jesosy àry fa mety ny mandoa hetra amin’ny fanjakana, satria mandray soa amin’izany isika.

Mety ho mbola kely ianao ka tsy mandoa hetra. Misy zavatra tokony hataonao ho an’ny fanjakana anefa. Inona izany raha fantatrao?... Mankatò ny lalàna avoakany. Hoy ny Baiboly: ‘Maneke ny fahefana lehibe.’ Ireo manam-pahefana no fahefana lehibe. Andriamanitra àry no milaza fa tokony hankatò ny lalàna avoakan’ny fanjakana isika.—Romanina 13:1, 2.

Mety hisy lalàna milaza hoe tsy azo anariana taratasy na fako eny amin’ny arabe. Tokony hankatò izany lalàna izany ve ianao?... Ie, tian’Andriamanitra hankatò azy io ianao. Tokony hankatò ny polisy koa ve ianao?... Karamain’ny fanjakana mba hiaro ny vahoaka izy ireny. Raha mankatò ny polisy ianao dia toy ny hoe mankatò ny fanjakana ihany.

Raha te hiampita arabe ianao ka ataon’ny polisy hoe ‘Andraso aloha!’, inona no tokony hataonao?... Raha misy olona mbola mihazakazaka miampita ihany, tokony hiampita koa ve ianao?... Tokony hiandry ianao, na dia ianao irery aza no miandry eo. Andriamanitra no milaza aminao mba hankatò.

Mety hisy korontana eto amin’ny manodidina ary milaza ny polisy hoe: ‘Aza mivoaka eny amin’ny arabe.’ Mety handre olona mikiakiaka anefa ianao ka tianao ho fantatra hoe inona no mitranga. Tokony hivoaka hijery izany ve ianao?... Hankatò ny “fahefana lehibe” ve ianao raha manao an’izany?...

Manorina sekoly sy manakarama mpampianatra koa ny fanjakana any amin’ny toerana maro. Tokony hankatò ny mpampianatra ve ianao, araka ny hevitrao?... Eritrereto izao. Karamain’ny fanjakana ny mpampianatra mba hampianatra, tahaka ny anakaramany ny polisy mba hiaro ny vahoaka. Toy ny mankatò ny fanjakana ihany àry ianao, raha mankatò ny polisy sy ny mpampianatra.

Nahoana isika no tokony hankatò ny polisy?

Ahoana kosa raha milaza aminao ny mpampianatra fa tsy maintsy miankohoka eo amin’ny sarin-javatra iray ianao? Inona no hataonao?... Tsy niankohoka teo amin’ilay tsangambato ireo Hebreo telo lahy, na dia nasain’i Nebokadnezara Mpanjaka nanao izany aza. Inona ny antony raha tadidinao?... Satria te hankatò an’Andriamanitra izy ireo.

Nanoratra momba ny Kristianina voalohany ny mpahay tantara nantsoina hoe Will Durant, ka nilaza fa ‘tsy i Kaisara mihitsy no tena tokony tsy hivadihan’izy ireo.’ I Jehovah no tena tokony tsy hivadihana! Tadidio àry fa i Jehovah no tokony ho voalohany eo amin’ny fiainantsika.

Mankatò ny fanjakana isika satria izany no tian’Andriamanitra hataontsika. Raha asaina manao zavatra lazain’Andriamanitra fa tsy tokony hataontsika kosa isika, inona no tokony holazaintsika?... Izay nolazain’ny apostoly tamin’ny mpisoronabe. Hoy izy ireo: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

Ampianarina ao amin’ny Baiboly fa tokony hankatò lalàna isika. Vakio ny Matio 5:41; Titosy 3:1; 1 Petera 2:12-14.