Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 31

Aiza no Hahitana Fampaherezana?

Aiza no Hahitana Fampaherezana?

EFA mba nalahelo sy nahatsiaro ho irery ve ianao?... Efa mba lasa eritreritra ve ianao ka niteny hoe: Mba misy olona tia ahy ihany ve?... Misy ankizy manao an’izany. Hoy anefa Andriamanitra: ‘Izaho kosa tsy mba hanadino anao.’ (Isaia 49:15) Tsy mahafinaritra ve ny mieritreritra an’izany?... Ie, tena tia antsika tokoa i Jehovah Andriamanitra!

Inona no tsapan’ity ondrikely very ity, araka ny hevitrao?

Hoy ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly: ‘Raha tena nahafoy ahy ny ray aman-dreniko, i Jehovah kosa no handray ahy.’ (Salamo 27:10) Tena mampahery antsika ny mahafantatra izany, sa ahoana?... Hoy koa i Jehovah: ‘Aza matahotra ianao fa momba anao aho. ... Tena hamonjy anao aho.’Isaia 41:10.

Avelan’i Jehovah hitondra fahasahiranana ho antsika anefa i Satana, indraindray. Avelan’i Jehovah hitsapa ny mpanompony mihitsy aza izy. Nampijalin’ny Devoly mafy dia mafy i Jesosy, indray mandeha, ka hoy izy tamin’i Jehovah: ‘Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy ahy ianao?’ (Matio 27:46) Nijaly i Jesosy nefa fantany fa mbola tia azy i Jehovah. (Jaona 10:17) Fantany koa anefa fa avelan’Andriamanitra hitsapa sy hampijaly ny mpanompony i Satana. Hohazavaintsika ao amin’ny toko hafa hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hanao izany izy.

Mora matahotra isika indraindray raha mbola kely. Efa very ve ianao, ohatra?... Natahotra ve ianao?... Matahotra ny ankamaroan’ny ankizy very. Nitantara zavatra nitovitovy tamin’izany hoe very izany ilay Mpampianatra Lehibe, indray andro. Tsy ankizy anefa ilay very fa ondry.

Misy itovizana amin’ny ondry ianao. Nahoana? Tsy tena lehibe ny ondry, ary tsy tena matanjaka. Mila olona izy hikarakara sy hiaro azy. Ny mpiandry ondry no miandraikitra an’izany.

Niresaka momba ny mpiandry ondry iray nanana ondry zato i Jesosy tao amin’ilay tantara. Very anefa ny ondry iray. Te hahita ny zava-misy tany ambadiky ny havoana tany angamba izy io. Vetivety foana anefa dia tafasaraka tamin’ny namany izy. Inona no tsapan’io ondry io, araka ny eritreritrao, rehefa nijery nanodidina izy ka nahita fa izy irery no teo?...

Inona no hataon’ilay mpiandry ondry, rehefa hitany fa tsy teo ny ondriny iray? Hilaza ve izy hoe hadalan’ilay ondry izany, ka avelao izy ho any? Sa havelany ao amin’ny toerana azo antoka ireo ondry 99, ary handeha hitady ilay very izy? Mendrika ny hisahiranana ve izay ondry iray?... Ho tianao ve raha hitady anao ilay mpiandry ondry, raha ianao ilay ondry very?...

Iza no tahaka ilay mpiandry namonjy ny ondriny?

Tena tian’ilay mpiandry ondry daholo ny ondriny, na dia ilay very aza. Lasa nikaroka ilay ondry very àry izy. Eritrereto ny hafalian’io ondry io, rehefa nahita ny mpiandry azy tonga! Nolazain’i Jesosy fa faly koa ilay mpiandry ondry nahita ny ondriny. Nahafaly azy kokoa io ondry io, noho ireo 99 tsy very. Iza àry no tahaka an’io mpiandry ondry tao amin’ny tantaran’i Jesosy io? Iza no tena mikarakara antsika tahaka an’io mpiandry ondry tena nikarakara ny ondriny io?... Nolazain’i Jesosy fa ny Rainy any an-danitra no manao izany. I Jehovah io Rainy io.

I Jehovah Andriamanitra no ilay Mpiandry Lehibe ho an’ny vahoakany. Tiany izay rehetra manompo azy, anisan’izany ny ankizy tahaka anao. Tsy tiany hisy haratra na ho faty isika. Tena mampahery ny mahafantatra fa mikarakara be antsika toy izany Andriamanitra!—Matio 18:12-14.

Tena misy ve i Jehovah aminao, tena misy tahaka an’i Dada na olon-kafa?

Tena mino an’i Jehovah Andriamanitra ve ianao?... Olona tena misy ve izy aminao?... Marina fa tsy afaka mahita an’i Jehovah isika, satria Fanahy izy. Tsy hitan’ny masontsika ny vatany, nefa olona tena misy izy ary afaka mahita antsika. Fantany rehefa mila fanampiana isika. Afaka miresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka koa isika, toy ny miresaka amin’olona etỳ an-tany. Izany no tian’i Jehovah hataontsika.

Inona àry no tokony hataonao raha malahelo ianao na mahatsapa ho irery?... Miresaha amin’i Jehovah. Manatòna azy dia hampahery sy hanampy anao izy. Tadidio fa tia anao i Jehovah, na dia rehefa mahatsapa ho irery aza ianao. Andeha horaisintsika ny Baibolintsika. Hoy ny Salamo faha-23, manomboka eo amin’ny andininy voalohany: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.”

Mariho koa ny tenin’ilay mpanoratra eo amin’ny andininy faha-4: ‘Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa ianao no amiko; ny tsora-kazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.’ Izany no tsapan’ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny. Mahazo fampaherezana izy, rehefa ao anatin’ny fahasahiranana. Izany ve no tsapanao?...

Mikarakara ny andian’ondriny ny mpiandry ondry be fitiavana. Mikarakara tsara ny vahoakany koa i Jehovah. Asehony azy ireo ny lalana marina tokony harahina, ary faly izy ireo manaraka azy io. Tsy matahotra izy na misy korontana aza manodidina azy. Mampiasa ny tsora-kazony na tehina ny mpiandry ondry mba hiarovana ny ondriny amin’ny biby mety hamely azy. Resahin’ny Baiboly ny fomba niarovan’i Davida, mpiandry ondry tanora, ny ondriny tamin’ny liona sy ny orsa. (1 Samoela 17:34-36) Fantatry ny vahoakan’Andriamanitra fa hiaro azy koa i Jehovah. Tsy matahotra izy ireo satria momba azy Andriamanitra.

Toy ny mpiandry ondry miaro ny ondriny, iza no afaka manampy rehefa sahirana isika?

Tena tia ny ondriny i Jehovah ary mikarakara azy amim-pitiavana. Hoy ny Baiboly: ‘Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry.’—Isaia 40:11.

Tsy mahatonga anao hahatsiaro ho sambatra ve ny mahafantatra fa toy izany i Jehovah?... Te ho anisan’ny ondriny ve ianao?... Mihaino ny feon’ny mpiandry azy ny ondry. Mijanona eo akaikiny foana izy ireny. Mihaino an’i Jehovah ve ianao?... Mitoetra ho akaiky azy foana ve ianao?... Tsy hatahotra mihitsy àry ianao. Homba anao i Jehovah.

Mikarakara amim-pitiavana an’ireo manompo azy i Jehovah. Andeha hovakintsika izay lazain’ny Baiboly momba izany, ao amin’ny Salamo 37:25; 55:22; Lioka 12:29-31.