Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 36

Iza avy no Hatsangana Amin’ny Maty? Aiza Izy Ireo no Hipetraka?

Iza avy no Hatsangana Amin’ny Maty? Aiza Izy Ireo no Hipetraka?

OLONA firy, tao amin’ireo toko roa farany nianarantsika, no fantatsika hoe natsangana tamin’ny maty?... Olona dimy. Firy tamin’ireo no ankizy?... Telo. Ary nantsoina hoe tovolahy ilay fahefatra. Inona no dikan’izany, araka ny hevitrao?...

Midika izany fa tia ny ankizy sy ny tanora Andriamanitra. Olona maro hafa koa anefa no hatsangany amin’ny maty. Ireo nanao ny tsara ihany ve no hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty?... Mety hieritreritra an’izany isika. Olona maro anefa no mbola tsy nianatra mihitsy ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. Nanao ratsy àry izy ireny, satria diso ny zavatra nampianarina azy. Hatsangan’i Jehovah amin’ny maty ve ny olona toy izany, araka ny hevitrao?...

Hoy ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Nahoana no hatsangana ny meloka, na ny tsy marina?... Satria mbola tsy nanana fahafahana mihitsy hianatra momba an’i Jehovah sy izay tian’i Jehovah hataon’ny olona izy ireo.

Nahoana Andriamanitra no hanangana ny sasany amin’ny olona tsy marina?

Rahoviana no hisy olona hatsangana amin’ny maty, araka ny hevitrao?... Eritrereto ny fotoana nahafatesan’i Lazarosy sy ity fampanantenan’i Jesosy tamin’i Marta ity: “Hitsangana ny anadahinao.” Hoy i Marta: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:23, 24) Inona no tian’i Marta holazaina rehefa niteny izy hoe hitsangana i Lazarosy amin’ny “andro farany”?...

Aiza ilay Paradisa resahin’i Jesosy amin’ity lehilahy ity?

Efa ren’i Marta i Jesosy niteny fa ‘hivoaka ny olona rehetra any am-pasana.’ (Jaona 5:28, 29) Ilay “andro farany” resahina eo àry dia ilay fotoana hananganana ny maty rehetra notadidin’Andriamanitra. Tsy iray andro tena iray andro akory io andro farany io, fa arivo taona kosa. ‘Hotsarain’Andriamanitra ny mponina amin’ny tany’ amin’io andro io, hoy ny Baiboly. Anisan’ny hotsaraina ireo hatsangana amin’ny maty.—Asan’ny Apostoly 17:31; 2 Petera 3:8.

Eritrereto ny fifaliana ho tsapa amin’izany! Olona an-tapitrisa efa maty no hatsangana mandritra izany andro haharitra arivo taona izany. Nantsoin’i Jesosy hoe Paradisa ilay toerana hisy an’ireo olona tafatsangana ireo. Andeha hojerentsika hoe aiza no hisy an’io Paradisa io, ary hanao ahoana izy io.

Adiny telo teo ho eo talohan’ny hahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, dia niresaka Paradisa tamin’ny lehilahy iray nahantona teo akaikiny izy. Novonoina ho faty noho ny asan-jiolahy nataony izy io. Rehefa nijery an’i Jesosy sy nandre izay nolazaina momba azy anefa ilay jiolahy, dia nanomboka nino an’i Jesosy. Hoy àry izy: ‘Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.’ Hoy i Jesosy: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio, fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.’—Lioka 23:42, 43.

Inona no tokony ho ao an-tsaintsika, rehefa Paradisa no resahina?

Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’izany? Aiza ny Paradisa?... Eritrereto ilay izy. Taiza ilay Paradisa tamin’ny voalohany?... Tadidio fa paradisa tetỳ an-tany ilay fonenana nomen’Andriamanitra an’i Adama sy ny vadiny. Saha Edena no niantsoana azy io. Nisy biby tao, nefa tsy nanaikitra izy ireny. Nisy hazo namoa voa natsiro be sy renirano lehibe koa tao. Fonenana nahafinaritra be ilay izy!—Genesisy 2:8-10.

Rehefa nilaza àry i Jesosy fa ho ao amin’ny Paradisa ilay jiolahy, dia ity tany ity ho lasa tsara tarehy no tokony ho ao an-tsaintsika. Tena hiaraka amin’io jiolahy taloha io, eto an-tany lasa Paradisa ve i Jesosy?... Tsia. Nahoana izy no tsy ho etỳ an-tany, raha fantatrao?...

Tsy ho etỳ i Jesosy, satria ho Mpanjaka any an-danitra hitondra ny Paradisa an-tany izy. Ny dikan’ilay hoe hiaraka amin’io lehilahy io àry i Jesosy dia hoe hanangana azy amin’ny maty izy, ary hikarakara izay hilainy. Fa nahoana i Jesosy no hamela jiolahy taloha hipetraka ao amin’ny Paradisa?... Andeha hojerentsika ny valin’io fanontaniana io.

Nahafantatra izay hataon’Andriamanitra ve ilay jiolahy, talohan’ny niresahany tamin’i Jesosy?... Tsia. Nanao ratsy izy, satria tsy nahafantatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. Hampianarina momba izay hataon’Andriamanitra izy ao amin’ny Paradisa. Ho afaka hanaporofo amin’izay izy fa tena tia an’Andriamanitra, ka hanao ny sitrapony.

Hipetraka ao amin’ny Paradisa an-tany daholo ve ireo hatsangana amin’ny maty?... Tsia. Fa nahoana, raha fantatrao?... Satria hisy hatsangana mba ho any an-danitra miaraka amin’i Jesosy, ka ho mpanjaka hiaraka aminy hitondra ny tany zary paradisa. Andeha hojerentsika hoe ahoana no ahafantarana an’izany.

Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny, ny alina talohan’ny hahafatesany: ‘Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko any an-danitra, ka handeha mba hanomana fitoerana ho anareo aho. Dia ho avy indray aho ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.’—Jaona 14:2, 3.

Nankaiza i Jesosy rehefa tafatsangana tamin’ny maty?... Ie, niverina tany an-danitra izy mba hiaraka tamin’ny Rainy. (Jaona 17:4, 5) Nampanantena an’ireo apostoliny sy ny mpianany hafa àry i Jesosy fa hanangana azy ireo amin’ny maty, mba hiarahan’izy ireo aminy any an-danitra. Hanao inona any miaraka amin’i Jesosy izy ireo?... Milaza ny Baiboly fa hiaraka aminy any an-danitra sy hitondra ny tany manontolo ireo mpianany izay hanana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany”, ka “hiara-manjaka aminy arivo taona.”​—Apokalypsy 5:10; 20:6; 2 Timoty 2:12.

Firy ireo hanana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany”, ka hiara-manjaka amin’i Jesosy?... Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32) Voafaritra tsara ny isan’ny “ondry vitsy”, izay hatsangana mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Asehon’ny Baiboly fa “efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy” no isan’izy ireo.—Apokalypsy 14:1, 3.

Aiza no hipetraka ireo hatsangana amin’ny maty, ary inona no hataony?

Firy kosa no ho ao amin’ny Paradisa an-tany?... Tsy resahin’ny Baiboly ny isany. Nilazan’Andriamanitra anefa i Adama sy Eva, tamin’izy ireo tao amin’ny saha Edena, mba hiteraka ka hameno ny tany. Marina fa tsy nahavita izany izy ireo. Hataon’Andriamanitra anefa izay hahatanteraka ny fikasany, ka ho feno olona tsara fanahy ny tany.—Genesisy 1:28; Isaia 45:18; 55:11.

Eritrereto kely ange ny fahafinaretana hipetraka ao amin’ilay Paradisa e! Ho toy ny zaridaina ny tany manontolo, ho feno vorona sy biby, ary ho voaravaka hazo sy voninkazo isan-karazany. Tsy hisy hanaintaina intsony noho ny aretina, ary tsy hisy ho faty intsony. Ho mpinamana ny olona rehetra. Izao no fotoana tokony hiomanantsika, raha te hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa isika.

Vakio koa ireto mba hamantarana bebe kokoa ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany: Ohabolana 2:21, 22; Mpitoriteny 1:4; Isaia 2:4; 11:6-9; 35:5, 6; 65:21-24.