Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 38

Nahoana Isika no Tokony ho Tia An’i Jesosy?

Nahoana Isika no Tokony ho Tia An’i Jesosy?

ERITRERETO hoe ao anaty sambo efa hilentika ianao. Ho tianao ve raha misy olona hamonjy anao tsy ho faty an-drano?... Ahoana raha nanao sorona ny ainy mihitsy ilay olona mba hanaovana an’izany?... Izany tokoa no nataon’i Jesosy Kristy. Araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 37, dia nanao sorona ny ainy izy mba hamonjena antsika.

Mazava ho azy fa tsy namonjy antsika mba tsy ho faty an-drano i Jesosy. Amin’inona moa no amonjeny antsika, raha tadidinao?... Amin’ny ota sy fahafatesana nolovantsika rehetra avy tamin’i Adama. Nanao zavatra tena ratsy ny olona sasany, nefa maty ho an’ireny koa i Jesosy. Hanaiky ho faty ve ianao, mba hamonjena olona toy izany?...

Hoy ny Baiboly: “Saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa.” Milaza anefa ny Baiboly fa ‘maty hamonjy ny ratsy fanahy’ i Jesosy. Anisan’izany ireo tsy manompo an’Andriamanitra akory! Hoy koa ny Baiboly: “Fa fony mbola mpanota [mbola nanao ratsy] isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.”—Romanina 5:6-8.

Iza ilay apostoly tadidinao hoe nanao zavatra tena ratsy taloha?... Hoy io apostoly io: “Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany.” Ny apostoly Paoly no niteny izany. Nolazainy fa “adala” izy, ary velona tao amin’ny faharatsiana.—1 Timoty 1:15; Titosy 3:3.

Tena lehibe ny fitiavan’Andriamanitra matoa izy naniraka ny Zanany, mba ho faty ho an’ny olona tahaka izany! Raiso ange ny Baibolinao, ary vakio ny Jaona toko faha-3, andininy faha-16 e! Izao no voalaza eo: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [ny olona etỳ an-tany]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Inona avy no nanjo an’i Jesosy rehefa nanome ny ainy ho antsika izy?

Nasehon’i Jesosy fa tia antsika toa an-dRainy izy. Tadidinao angamba fa hitantsika tao amin’ny Toko 30 ny zavatra sasany nanjo an’i Jesosy, ny alina nisamborana azy. Nentina tany an-tranon’i Kaiafa Mpisoronabe izy mba hotsaraina. Nisy vavolombelona nandainga nentina tao, mba hanendrikendrika an’i Jesosy. Nasian’ny olona tehamaina koa izy. Tamin’io fotoana io no nilazan’i Petera hoe tsy nahafantatra an’i Jesosy izy. Andeha hatao hoe manatrika izany isika izao, ary mahita ny tohin’ny tantara.

Maraina ny andro. Tsy natory nandritra ny alina i Jesosy. Tsy nandeha ara-dalàna ny fitsarana azy iny alina iny. Antsoin’ny mpisorona haingana àry ny Synedriona, izany hoe ny fitsarana tampony jiosy, mba hamerina an’ilay fitsarana. Ampangain’izy ireo ho nanota tamin’Andriamanitra i Jesosy.

Asain’ny mpisorona fatorana i Jesosy avy eo, ary entina any amin’i Pilato, governora romanina. Hoy izy ireo amin’i Pilato: ‘Manohitra ny fitondram-panjakana i Jesosy ka tokony hovonoina.’ Hitan’i Pilato anefa fa mandainga ireo mpisorona ireo, ka hoy izy: ‘Tsy hitako izay fahadisoan’ity lehilahy ity, ka halefako izy.’ Hoy anefa ny antsoantson’ny mpisorona sy ny namany: ‘Tsia! Vonoy izy!’

Mbola manandrana miteny amin’ny vahoaka ihany i Pilato hoe halefany i Jesosy. Mampirisika an’ilay vahoaka hiantsoantso toy izao anefa ireo mpisorona: ‘Manohitra ny fitondram-panjakana koa ianao, raha mamela azy handeha! Vonoy izy!’ Mitabataba be ilay vahoaka. Inona no ataon’i Pilato, raha fantatrao?...

Manaiky izy, ka asainy kapohina aloha i Jesosy. Atolony ny miaramila izy avy eo mba hovonoina. Asian’ny miaramila satroka tsilo ny lohan’i Jesosy ary miondrika eo anoloany izy sady maneso. Asainy mitondra hazo be i Jesosy avy eo, ary entiny any ivelan’ny tanàna, any amin’ny toerana antsoina hoe Ikarandoha. Fantsihany eo amin’ilay hazo ny tanana sy tongotr’i Jesosy. Atsangany ilay hazo avy eo, ka lasa mihantona i Jesosy. Mandeha ra izy, ary tena mahatsiaro manaintaina mafy.

Tsy tonga dia maty anefa i Jesosy. Mihantona eo amin’ilay hazo fotsiny izy. Maneso azy ny lohan’ny mpisorona. Hoy koa ny mpandalo: ‘Midìna hiala amin’io hazo fijaliana io ianao raha Zanak’Andriamanitra!’ Fantatr’i Jesosy anefa ny zavatra nanirahan’ny Rainy azy. Fantany fa tsy maintsy manome ny ainy izy mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. Farany, tamin’ny telo tolakandro teo ho eo, dia niantso ny Rainy i Jesosy ary maty.—Matio 26:36–27:50; Marka 15:1; Lioka 22:39–23:46; Jaona 18:1–19:30.

Tsy nitovy mihitsy i Adama sy Jesosy! Tsy tia an’Andriamanitra i Adama, satria tsy nankatò azy. Tsy tia antsika koa i Adama, satria nanota ka lasa mpanota daholo isika. I Jesosy kosa tia an’Andriamanitra, ary tia antsika koa. Nankatò an’Andriamanitra foana izy. Nanome ny ainy izy mba hanesorana ny ratsy nataon’i Adama tamintsika.

Ahoana no azontsika anehoana fa tiantsika i Jesosy?

Mankasitraka ny zavatra sarobidy nataon’i Jesosy ve ianao?... Misaotra an’Andriamanitra ve ianao rehefa mivavaka, satria nanome ny Zanany hamonjy antsika izy?... Nankasitraka ny zavatra nataon’i Kristy ho azy ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.’ (Galatianina 2:20) Maty ho ahy sy ho anao koa i Jesosy. Nanome ny ainy lavorary izy mba hahazoantsika fiainana mandrakizay! Tena antony lehibe tokony hitiavantsika an’i Jesosy izany.

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Korinto: ‘Ny fitiavan’i Kristy no manery anay hanao zavatra.’ Tokony hanery antsika hanao inona ny fitiavan’i Kristy, araka ny hevitrao?... Mariho ny valin-tenin’i Paoly: “Maty ho an’ny olona rehetra i Kristy, mba ho velona ho Azy izy ireo, fa tsy ho velona mba hampifaly ny tenan’izy ireo intsony.”—Izahay no manao sora-mandry; 2 Korintianina 5:14, 15, Dikan-tenin’ny Fiainam-baovao, anglisy.

Milazà hoe fomba sasany azonao anehoana fa velona mba hampifaly an’i Kristy ianao!... Fomba iray ny miresaka amin’ny olona izay nianaranao momba azy. Na eritrereto koa izao: Irery ianao, ka tsy misy mahita izay ataonao, na i Dada na i Neny, na olon-kafa. Moa ve ianao hijery fandaharana ao amin’ny tele, na hanao zavatra hafa izay fantatrao fa tsy hampifaly an’i Jesosy?... Tadidio fa velona izao i Jesosy ka afaka mahita ny zavatra rehetra ataontsika!

Iza no afaka mahita ny zavatra rehetra ataontsika?

Tokony ho tia an’i Jesosy koa isika, satria te hanahaka an’i Jehovah. “Tia ahy ny Ray”, hoy i Jesosy. Nahoana i Jehovah no tia an’i Jesosy, ary nahoana koa isika no tokony ho tia an’i Jesosy?... Satria nanaiky an-tsitrapo ny ho faty izy, mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 10:17) Aoka àry isika hanao izao lazain’ny Baiboly izao: ‘Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho anareo.’—Efesianina 5:1, 2.

Vakio ireto andininy ireto, dia hitombo ny fankasitrahantsika an’i Jesosy sy ny zavatra nataony: Jaona 3:35; 15:9, 10; 1 Jaona 5:11, 12.