Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 43

Iza avy no Rahalahy sy Anabavintsika?

Iza avy no Rahalahy sy Anabavintsika?

NAMETRAKA fanontaniana nanaitra ilay Mpampianatra Lehibe, indray mandeha. Izao ilay fanontaniana: “Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?” (Matio 12:48) Hainao ve ny mamaly an’io fanontaniana io?... Azo inoana fa fantatrao hoe Maria no anaran’ny renin’i Jesosy. Fantatrao ve anefa ny anaran’ireo rahalahiny?... Nanana anabavy koa ve izy?...

Lazain’ny Baiboly fa “Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy” no anaran’ireo rahalahin’i Jesosy. Nanana anabavy mbola velona koa i Jesosy, tamin’izy nitory. Zandrin’i Jesosy daholo izy ireo, satria izy no lahimatoa.—Matio 13:55, 56; Lioka 1:34, 35.

Mpianatr’i Jesosy koa ve ireo rahalahiny?... Lazain’ny Baiboly fa “tsy nino Azy” izy ireo, tamin’ny voalohany. (Jaona 7:5) Lasa mpianany anefa i Jakoba sy Jodasy (nantsoina koa hoe Joda), ary nanoratra boky ao amin’ny Baiboly mihitsy. Inona ny anaran’ny boky nosoratan’izy ireo, raha fantatrao?... Ie, Jakoba sy Joda.

Fantatsika fa nanana anabavy roa, fara fahakeliny, i Jesosy, na dia tsy lazain’ny Baiboly aza ny anaran’izy ireo. Nety ho maro noho izany anefa izy ireo. Lasa mpianany ve ireo anabaviny ireo?... Tsy fantatsika ny amin’izany, satria tsy lazain’ny Baiboly. Fantatrao ve anefa hoe nahoana i Jesosy no nametraka an’ilay fanontaniana hoe: “Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko”?... Andeha hojerentsika.

Tamin’ny fotoana nampianaran’i Jesosy ny mpianany no nisy olona tonga ary nilaza hoe: ‘Ao an-tokotany ao ny reninao sy ny rahalahinao, mba te hiresaka aminao.’ Nohararaotin’i Jesosy izany mba hampianarana zava-dehibe. Napetrany ilay fanontaniana nanaitra hoe: “Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?” Notondroiny ny mpianany, sady hoy izy hoe: ‘Ireto no reniko sy rahalahiko!’

Nohazavain’i Jesosy avy eo izay tiany hambara. Hoy izy: “Na iza na iza no hanao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Matio 12:47-50) Milaza izany fa tena tian’i Jesosy ny mpianany. Nampianatra antsika izy fa heveriny ho toy ny tena rahalahiny sy anabaviny ary reniny ny mpianany.

Iza ireo rahalahy sy anabavin’i Jesosy, araka ny nohazavainy?

Mbola tsy nino an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra i Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy, rahalahiny, tamin’io fotoana io. Tsy ninoan’izy ireo izay nolazain’ny anjely Gabriela tamin’ny renin’izy ireo. (Lioka 1:30-33) Nety ho ratsy fanahy tamin’i Jesosy àry izy ireo. Tsy tena rahalahy na anabavy ny olona toy izany. Mahafantatra olona ratsy fanahy tamin’ny rahalahiny na anabaviny ve ianao?...

Resahin’ny Baiboly ny momba an’i Esao sy Jakoba. Lazainy koa fa tezitra be i Esao ka niteny hoe: “Hamono an’i Jakoba rahalahiko aho.” Natahotra be i Rebeka, renin’izy mirahalahy, ka nandefa an’i Jakoba lavitra be mba tsy hovonoin’i Esao. (Genesisy 27:41-46) Niova anefa i Esao rehefa afaka taona maro, ka namihina sy nanoroka an’i Jakoba.—Genesisy 33:4.

Niteraka 12 lahy i Jakoba, rehefa nandeha ny fotoana. Anisan’izany i Josefa izay tsy tian’ireo zokiny. Nialona azy izy ireo satria i Josefa no zanaka tian-drainy indrindra. Namidiny tamin’ny mpivarotra andevo handeha tany Ejipta àry i Josefa. Nolazain’izy ireo tamin’i Jakoba avy eo, fa maty novonoin’ny bibidia i Josefa. (Genesisy 37:23-36) Tena nahatsiravina izany, sa ahoana?...

Nanenina ireo rahalahin’i Josefa tatỳ aoriana, ka namela ny helok’izy ireo i Josefa. Nanao tahaka an’i Jesosy ve i Josefa, araka ny hevitrao?... Nandositra ny apostoliny, rehefa niatrika zava-tsarotra i Jesosy, ary i Petera aza nilaza ho tsy nahafantatra azy mihitsy. Namela ny helok’izy rehetra anefa i Jesosy, tahaka ny nataon’i Josefa.

Inona no fianarana tokony horaisintsika avy amin’ny nataon’i Kaina tamin’i Abela?

Mpirahalahy koa i Kaina sy Abela. Mandray fianarana avy amin’izy ireo koa isika. Hitan’Andriamanitra tao am-pon’i Kaina fa tsy tena tia ny rahalahiny izy, ka nasainy niova. Tokony ho niova tokoa izy raha tena tia an’Andriamanitra. Tsy tia an’Andriamanitra anefa i Kaina. Indray andro, dia hoy izy tamin’i Abela: “Andeha isika ho any an-tsaha.” Nandeha tokoa i Abela. Rehefa irery izy mirahalahy, dia nodarohan’i Kaina mafy dia mafy ny rahalahiny ka matiny.—Genesisy 4:2-8.

Resahin’ny Baiboly amintsika fa misy fianarana manokana tokony horaisintsika avy amin’io zava-nitranga io. Inona izany, raha fantatrao?... ‘Izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy.’ Tsy maintsy mifankatia àry ny mpirahalahy sy mpianadahy. Tsy tokony hanahaka an’i Kaina izy ireo.—1 Jaona 3:11, 12.

Nahoana no ratsy ny manahaka an’i Kaina?... Satria lazain’ny Baiboly fa “avy tamin’ilay ratsy” izy, izany hoe avy tamin’i Satana Devoly. Nanahaka ny Devoly i Kaina, ka toy ny hoe ny Devoly no rainy.

Nahoana àry no tokony ho tia an’ireo rahalahy sy anabavinao ianao?... Manahaka ny zanak’iza ianao raha tsy tia azy ireo?... Manahaka an’ireo zanaky ny Devoly. Tsy te hanahaka azy ireo anefa ianao, sa ahoana?... Ahoana no hanehoanao fa te ho zanak’Andriamanitra ianao?... Tokony ho tena tia an’ireo rahalahy sy anabavinao ianao.

Inona anefa no atao hoe fitiavana?... Rehefa manana fitiavana isika dia te hanao zavatra tsara sy mahasoa ho an’ny olon-kafa. Asehontsika fa tia azy isika rehefa miraiki-po aminy, ary manao zavatra mahasoa azy. Iza avy àry ireo rahalahy sy anabavintsika tokony hotiavintsika?... Tsy iza izany fa ireo rahalahintsika kristianina rehetra, araka ny nampianarin’i Jesosy.

Ahoana no hanehoanao fa tia ny rahalahinao ianao?

Tena tokony ho tia an’ireny rahalahy sy anabavy kristianina ireny ve isika?... Hoy ny Baiboly: ‘Izay tsy tia ny rahalahiny [na anabaviny] izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany?’ (1 Jaona 4:20) Tsy rahalahy sy anabavy kristianina vitsivitsy monja àry no tokony hotiavintsika. Tsy maintsy tiavintsika izy rehetra. Hoy i Jesosy: ‘Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.’ (Jaona 13:35) Tianao daholo ve ireo rahalahy sy anabavy?... Tadidio fa tsy tena tia an’Andriamanitra ianao raha tsy tia azy ireny.

Ahoana no hanehoantsika fa tena tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika?... Raha tia azy ireny isika, dia tsy hihatakataka aminy satria hoe tsy te hiresaka aminy. Ho sariaka amin’izy rehetra isika. Ho tsara fanahy aminy foana isika, ary ho vonona hiresaka aminy. Hanampy azy koa isika, raha sanatria ka sahirana izy, satria fianakaviana iray isika.

Inona no miharihary, rehefa tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika?... Miharihary fa mpianatr’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, isika. Ary izany no irintsika, sa ahoana?...

Resahin’ny Galatianina 6:10 sy 1 Jaona 4:8, 21 koa ny fanehoana fitiavana an’ireo rahalahy sy anabavintsika. Nahoana raha sokafana ny Baibolinao mba hamakiana ireo andininy ireo?