Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 44

Ny Olona Tia An’Andriamanitra no Tokony ho Namantsika

Ny Olona Tia An’Andriamanitra no Tokony ho Namantsika

NY ATAO hoe namana dia ny olona tiana hiresahana sy hiarahana. Tena ilaina anefa ny manana namana tsara. Iza no namana tsara indrindra ho antsika, araka ny hevitrao?... Ie, Jehovah Andriamanitra.

Tena afaka ny ho mpinamana amin’Andriamanitra ve isika?... Lazain’ny Baiboly fa “Sakaizan’Andriamanitra” i Abrahama, lehilahy tamin’ny andro taloha. (Jakoba 2:23) Inona no antony, raha fantatrao?... Lazain’ny Baiboly fa nankatò an’Andriamanitra i Abrahama. Nankatò izy, na dia rehefa sarotra aza ny zavatra nasaina nataony. Tsy maintsy manao izay hahafaly an’i Jehovah àry isika, raha te ho namany. Nanao izany i Abrahama, ary nanao izany foana koa ilay Mpampianatra Lehibe.—Genesisy 22:1-14; Jaona 8:28, 29; Hebreo 11:8, 17-19.

Nahoana no “Sakaizan’Andriamanitra” i Abrahama?

Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny: ‘Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.(Jaona 15:14) Avy tamin’i Jehovah ny zavatra rehetra nolazain’i Jesosy. Koa ny namany àry dia ireo olona nanao izay nasain’Andriamanitra natao. Eny, tia an’Andriamanitra daholo ny naman’i Jesosy.

Ny apostoliny no anisan’ny naman’ilay Mpampianatra Lehibe akaiky indrindra. Hitanao eo amin’ny pejy faha-75 amin’ity boky ity ny sarin’izy ireo. Niara-nanao dia lavitra taminy izy ireo, ary nanampy azy nitory. Niaraka imbetsaka tamin’ireo lehilahy ireo i Jesosy. Niara-nisakafo izy ireo; niara-niresaka momba an’Andriamanitra; ary niara-nanao zavatra hafa koa. Nanana namana maro hafa koa anefa i Jesosy. Niaraka tamin’izy ireo izy ary niara-nifaly taminy.

Tany amin’ny tanàna kelin’i Betania, tany ivelan’i Jerosalema, no nisy an’ilay fianakaviana tian’i Jesosy hiarahana. Iza avy ny mpianakavy tao, raha tadidinao?... Maria sy Marta ary Lazarosy. Nantsoin’i Jesosy hoe sakaizany i Lazarosy. (Jaona 11:1, 5, 11) Tia sy nanompo an’i Jehovah ireo olona ireo, matoa tian’i Jesosy sy nankafiziny ny fiarahana taminy.

Nahoana i Jesosy no niaraka matetika tamin’ity fianakaviana ity, rehefa nitsidika an’i Jerosalema? Fantatrao ve ny anaran’ny mpianakavy tao?

Tsy midika anefa izany hoe tsy tsara fanahy tamin’ny olona tsy nanompo an’Andriamanitra i Jesosy. Tsara fanahy tamin’izy ireny koa izy. Nankany an-tranony mihitsy izy ary niara-nisakafo taminy. Izany no nahatonga ny olona sasany hilaza hoe “sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota” i Jesosy. (Matio 11:19) Ny marina anefa dia izao: Tsy hoe nankany amin’ireny olona ireny i Jesosy satria tiany ny fomba fiainany. Nitsidika azy ireny kosa izy mba hiresaka momba an’i Jehovah. Niezaka nanampy azy ireny hiala tamin’ny ratsy fanaony izy, mba hanompoany an’Andriamanitra.

Nahoana i Zakaiosy no nianika an’ity hazo ity?

Nitranga izany, indray andro, tany Jeriko. Sendra nandalo tao amin’io tanàna io i Jesosy rehefa hankany Jerosalema. Maro ny olona tao, anisan’izany ny lehilahy iray nantsoina hoe Zakaiosy. Te hahita an’i Jesosy izy, nefa fohy ka takon’ny olona teo anoloany. Nihazakazaka nialoha lalana àry izy, ary nianika hazo mba hahita tsara an’i Jesosy rehefa handalo izy.

Rehefa tonga teo amin’ilay hazo i Jesosy, dia niandrandra sady niteny hoe: ‘Midìna haingana, fa ho any an-tranonao aho anio.’ Mpanan-karena nahavita ratsy betsaka anefa i Zakaiosy. Nahoana i Jesosy no te hankany amin’ny lehilahy toy izany?...

Tsy hoe tian’i Jesosy akory ny fomba fiainan’io lehilahy io. Nankany izy mba hiresaka taminy momba an’Andriamanitra. Hitany mantsy fa niezaka mafy mba hahita azy i Zakaiosy. Fantatr’i Jesosy àry fa hihaino azy izy. Io no fotoana nety mba hiresahana taminy ny fomba fiaina tsara voalazan’Andriamanitra.

Nahoana i Jesosy no mitsidika an’i Zakaiosy, ary manaiky hanao inona i Zakaiosy?

Inona àry izao no nitranga?... Tian’i Zakaiosy ny fampianaran’i Jesosy. Nalahelo be izy satria nanambaka olona, ka nanaiky hamerina ny vola azony tamin’ny tsy marina. Lasa mpianatr’i Jesosy izy avy eo. Tamin’izay vao lasa mpinamana i Jesosy sy Zakaiosy.—Lioka 19:1-10.

Hitsidika an’ireo olona tsy namantsika koa ve isika, raha arahintsika ny ohatr’ilay Mpampianatra Lehibe?... Ie. Tsy hankany amin’izy ireny anefa isika, satria hoe tiantsika ny fomba fiainany. Tsy hiara-manao ratsy aminy koa isika. Hitsidika azy kosa isika mba hiresaka aminy momba an’Andriamanitra.

Ireo olona tiantsika hiarahana indrindra anefa no namantsika akaiky. Tsy maintsy ho olona tian’Andriamanitra izy ireny vao hety ho namana tsara. Misy aza olona tsy mahafantatra akory hoe iza i Jehovah. Afaka manampy azy isika raha te hianatra momba an’Andriamanitra izy. Ary ho lasa namantsika akaiky izy, rehefa tia an’i Jehovah tahaka antsika.

Misy fomba hafa koa hahafantarana raha ho namana tsara ny olona iray. Jereo ny zavatra ataony. Manisy ratsy olona ve izy, dia mihomehy fotsiny avy eo? Tsy mety izany, sa ahoana?... Mahita olana foana ve izy noho ny ditrany? Hahita olana koa isika raha miaraka aminy. Tsy tiantsika izany, sa ahoana?... Sa minia manao ratsy izy, dia mieritreritra hoe mahay be satria tsy tratra? Hitan’Andriamanitra ny zavatra nataon’izany olona izany na tsy tratra aza izy, sa tsy izany?... Ho namana tsara ve ny olona tahaka izany, araka ny hevitrao?...

Raiso ange ny Baibolinao e! Andeha hojerentsika izay lazainy momba ny herin’ny namana eo amin’ny toetrantsika. Ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-15, andininy faha-33 ilay izy. Hitanao ve?... Izao no vakiny: ‘Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.’ Ny dikan’izany dia hoe mety ho lasa ratsy toetra isika, raha miaraka amin’ny olona ratsy toetra. Marina koa anefa ny hoe manampy antsika ho zatra manao ny tsara ny fiarahana amin’ny namana tsara.

Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa i Jehovah no Olona sarobidy indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tsy tiantsika hosimbana ny fisakaizantsika aminy, sa tsy izany?... Tsy maintsy mitandrina àry isika, ka ireo tia an’Andriamanitra ihany no ataontsika namana.

Hita ao amin’ireto andininy ireto fa sarobidy ny namana tsara: Salamo 119:115; Ohabolana 13:20; 2 Timoty 2:22; 1 Jaona 2:15.